Mahagaga: olona tsy mino ny fisian'izay Andriamanitra nefa tsy miala mihitsy amin'ny resaka fivavahana sy finoana

1. Tefigasy ( 24/02/2015 12:00)
Izaho izao tsy mipetraka any an-dafy, tsy manana havana na namana any an-dafy, tsy mpandefa entana na manafatra avy any dia tsy hitako izay hidirana amin'ny resaka diaspora

Toa izany koa ny resaka politika, tsy ho hitanao handany andro any mihitsy aho satria tsy mahamaika ahy ny momba izany

Koa ny mahagaga dia ny fahitana olona tsy miala mihitsy amin'ny resaka fivavahana sy finoana nefa miteny hatrany fa tsy mino ny fisian'izany atao hoe Andriamanitra izany mihitsy na andriamanitr'iza na andriamanitr'inona.

Nisy ankizy kely iray nilaza tamin'ny dadany hoe andao isika hanao piscine. Dia netin'ny dadany tamin'ny tendrombohitra iray izy. Dia niteny ity ankizy kely hoe ary tsisy piscine akory aty. Dia hoy ny dadany hoe andao ary aloha hiverina fa amin'ny manaraka indray. Tonga ny herinandro manaraka dia niteny indray ity ankizy hoe andao hanao piscine, dia mbola netin'ny dadany tany amin'ilay toerana teo ihany izy. Farany ilay ankizy niteny hoe izaho tsy handeha aty intsony fa aty foana no hitondranao ahy nefa aty ary tsisy piscine.

Ankizy kely aza mahalala hoe rehefa zavatra tsy misy dia tsy tokony mbola handaniana fotoana nefa ...... (aleo ihany aloha tsy lazaina ny tohiny)
répondu par Strong3 le 09/03/2015 07:34
2. rhaj0 ( 24/02/2015 13:26)
Ny an'i Tefigasy ve moa ny hoe "finoana/fivavahana" dia mira "finoana/fivavahana @ Atr'Israely". Vao mipoitra eto ny oron'ny hafa, na Jiosy io na mpanaja ny razana na atheist izany dia iavonavonany, raha tsy hoe ho velesiny..

Mba mandehandehana ihany hoa any ivelan'ilay box-tsisy-afa-tsy-Baiboly... Izaho izao mpandalo sy nandray anjara tatsy @ CNN-belief, fa dia miresaka ao, tsisy olana, tsisy fanilihana ankolaka toa izao, na atheist na kristiana na moslimo na bodista...
3. Tefigasy ( 24/02/2015 13:31)
rhaj0:

Aza mbola maika aloha e, vakio tsara izay nosoratako rehetra fa mbola hotohizako lavalava ity resaka ity.
Hoy aho tery ambony hoe:
Tefigasy:

Koa ny mahagaga dia ny fahitana olona tsy miala mihitsy amin'ny resaka fivavahana sy finoana nefa miteny hatrany fa tsy mino ny fisian'izany atao hoe Andriamanitra izany mihitsy na andriamanitr'iza na andriamanitr'inona.

Tsisy hidiran'ny andriamanitr'israely angamba izany a !
4. Tefigasy ( 24/02/2015 13:34)
Fa manomboka ampidiriko amin'izay aza ilay Andriamanitro : ireto misy tantran'olona tsy mpiraharaha an'io Andriamanitro io mihitsy nefa tafatsarapaka tany Aminy ihany:

Nisy miaramila tsy mpino iray nasaina nanao mission tany am-piangonana kristianina mba hitsikilo izay vaovao-piangonana sy toriteny isak'alahady.
Nandeha teny ny fotoana, tsy tapaka mihitsy ity miaramila. Inona no nitranga hoy ianao? Niova fo tao ilay miaramila, namidiny ny fanany rehetra ary nampiasainy hampandrosoana ny fanjakan'Andriamanitra. Izy natao hitsikilo indray no tonga voalohany indrindra ao am-piangonana ary tena nafana fo tokoa sy nanana izay atao hoe fo torotoro sy mangorangoraka tokoa.
==> Ianao tsy mino io mihitsy no asaiko misitona lesona ao anatin'io tantara marina io fa aleo aho tsy hilaza.

Indray andro, nisy olona iray, matanjaka be, nanana fivelomana tsara, nanao tsinotsinona ny fivavahana sy ny finoana. Nandritry ny fahakeliny dia efa notaizana tao anatin'ny filozofia avo lenta izy. Hainao ihany angamba ireny filozofa malaza ireny izay manana firehankevitra sarotra toherina. Rehefa mba tafaresaka tamin'ny kristianina izy dia eso sy fizahozahoana hatrany no hamaranany ny resany. Nisy fotoana izy narary tampoka, tapaka lalan-dra madinika ary dia saika maty tsy tra-drano hoy ny fitenenana. Tonga tany amin'ny hopitaly ihany izy ary voavonjy. Tao amin'ny hopitaly tao izy no nisy mpanompon'Andriamanitra tafaresaka taminy ary tao amin'ny hopitaly tao izy no tena tafahaona tamin'ilay Jesoa noesoesoiny fahiny. Amin'izao fotoana izao izy efa antitra ary rehefa misy fivoriam-bavaka dia izy no olona tonga voalohany indrindra ao am-piangonana.
==> Mbola ianao ihany no asaiko maka izay tandrify anao amin'io tantara io fa tantara tena marina io.

Nisy mpivady mbola tsy kristianina, efa niteraka, nisaraka tam-panambadiana. Lasa nanaraka vehivavy hafa ilay ramose. Ankizilahy kely iray - ny zokiny indrindra tamin'ireo zanany - izay mpiaraka amin'ny namany any am-piangonana no nivavaka mangina tao amin'ilay fiangonana hoe "Andriamanitra ô, avereno aminay dadanay fa tena mijaly izahay nilaozany". Tsy ho teneniko anao ny tohiny f'andrao lazainao manome 18 ny fivavahana kristianina eto aho ....

Ny conclusion azo atao dia hoe
- adala ilay miaramila (tsy mpino) nivadika kristianina satria nivaro-pananana
- Adala ilay olona tratran'ny AVC (tsy mpino) fa Andriamanitra efa tsy norahirahiany hatrizay, noheveriny fa tsy nanolotra ariary azy akory hatrizay indray no mbola hiantorahany ao anaty sarotra
- Adala ilay tovolahy kely ity satria na ny ray aman-dreniny (tsy mpino) aza tsy kristianina koa inona no hirarahin'izay Jesoa ny fiainan'izy ireo any!

hihihihihi, aza mba kristianina ihany e !

Saingy izao, hotantaraiko aminao eto amin'ny manaraka ny fiafaran'ny fiainan'ireo olona ireo ary lazaiko eto ihany koa ny tsangam-batony fa tsy tantara noforonina akory ireo fa tena nisy

Shalom
5. Strong3 ( 24/02/2015 13:53)
hahahahaha .... tefigasy nefa tena ohatra tsara ilay fitarihan-tena namana (y) makasitraka !!

6. Fiffi ( 24/02/2015 13:55)

Tefigasy:

Koa ny mahagaga dia ny fahitana olona tsy miala mihitsy amin'ny resaka fivavahana sy finoana nefa miteny hatrany fa tsy mino ny fisian'izany atao hoe Andriamanitra izany mihitsy na andriamanitr'iza na andriamanitr'inona.

tsy hitako aloha zay mahagaga an'zany an ! .....

raha tsy mino lé olona nefa mandray anjara eto am dinika....pourquoi pas ? qui sait ? mety we liana am lé dinika lé olona ?

....dé omena tsiny kosa ve lé olona tsy mino mamaly dinika eto ?

qui sait ? sao dé le fait we mamaly dinika sy tsy miala eto lé olona ....possible we mitarika azy am manaraka hino ?

moi , je trouve très bien we olona tsy mino nefa dé manaraka ny dinika sy mamaly eto.....
7. Strong3 ( 24/02/2015 13:58)
nan kousa eh!! tsy hoe izy eto na izy tsy eto no mahafaly ahy fa ilay fitarihan-teny tena lalina ka manintona....
fa za mahita hoe : mahasoa hoan'ny mino ny miresaka amin'ny tsy mpino , fa asa ny tsy mpino raha mahita soa amin'ny mino?!!
8. rhaj0 ( 24/02/2015 14:01)
Io anie mety hotry ny hoe, olona "tsy tia polifika" ary "tsy manao politika", nefa miresaka @ forum "politika" e.. Sa ny forum-politika ho an'ny politisiana ihany, ary ny forum-relizio an'ny reliziosy ihany ?

Ny fahitako azy dia sahala @ reflexe-n'ny Mpino mpanjanaka (manjana-tsaina) ito an'i Tefigasy ito, ka tiany arindrina anatin'ny finoany sy ny fiangonany daholo daholo izao tontolo izao.
9. Tefigasy ( 24/02/2015 14:19)
Fiffi:

....dé omena tsiny kosa ve lé olona tsy mino mamaly dinika eto ?

Aza mbola maika aloha hoy aho, mbola tsy te ho tonga any amin'ny tena conlusion sahady aho. Ny handeha ho any anaty kirihitra hitady sy hamonjy ny very aza ve ho atao, ka olona efa manangasanga eto indray no hojerena fotsiny na ho ailika. Hivoaka eto ihany izay tena tiako hatongavana fa calme fotsiny aloha i Fiffi.
10. Fiffi ( 24/02/2015 14:35)

Tefigasy:

Koa ny mahagaga dia ny fahitana olona tsy miala mihitsy amin'ny resaka fivavahana sy finoana nefa miteny hatrany fa tsy mino ny fisian'izany atao hoe Andriamanitra izany mihitsy na andriamanitr'iza na andriamanitr'inona.

ny anah njay dé mahafinaritra anah ny mahita olona tsy miala mintss am resaka fivavahana sy finoana nefa miteny hatrany fa tsy mino ny fisian'izany atao we Andriamanitra zany mintss na Andriamanitr'iza na Andrialanitr'inona......
11. endriny ( 24/02/2015 15:12)
Finoana ihany koa ny tsy finoana ny Atr'Israely zareo a

Mino aho fa tsy io ny Atra ary mino aho fa tsy misy ny lanitra
12. endriny ( 24/02/2015 15:36)
HItako hoe ohatran'ity Tefigasy ity daholo ny kristianina eto MAdagasikara. Ka ny rehefa tsy mino ny finoana Kristianina dia tsy mahazo miteny ary tsy omena anjara eo amin'ny Radiom-pirenena.

Fa dia ry zareo Kristianina ihany no mameno ny alahady manontolo. Fa maninona raha omena anay koa talata sy Alakamisy? Tsy mahazo anefa
13. Tefigasy ( 24/02/2015 17:25)
Fiffi:

ny anah njay dé mahafinaritra anah ny mahita olona tsy miala mintss am resaka fivavahana sy finoana nefa miteny hatrany fa tsy mino ny fisian'izany atao we Andriamanitra zany mintss na Andriamanitr'iza na Andrialanitr'inona......

Ka hanao toa iry miaramila voalazako ery ambony ery indray izy raha izany koa. Ilay natao ho espion indray no lasa voajono ao anaty harato.
14. Tefigasy ( 24/02/2015 17:26)
endriny:

Finoana ihany koa ny tsy finoana ny Atr'Israely zareo a

Mino aho fa tsy io ny Atra ary mino aho fa tsy misy ny lanitra

Fa dia naninona anareo loatra ary ity Andriamanitr'israely ity fa toa mbola tsy niresaka ny amin'izany akory aho dia efa Izy sahady no ambarambaranareo eto. Iza marina no tena manenjika an'iza eto e ? hihihihihihihi
15. Tefigasy ( 24/02/2015 17:27)
endriny:

HItako hoe ohatran'ity Tefigasy ity daholo ny kristianina eto MAdagasikara. Ka ny rehefa tsy mino ny finoana Kristianina dia tsy mahazo miteny ary tsy omena anjara eo amin'ny Radiom-pirenena.

Fa dia ry zareo Kristianina ihany no mameno ny alahady manontolo. Fa maninona raha omena anay koa talata sy Alakamisy? Tsy mahazo anefa

Aleo hazavaina tsara ary mba tsy hibirioka : tefigasy aloha tsy Charlie. Izaho dia manohitra ny famonoana olona na mivantana io na tsy mivantana, saingy izaho dia tsy miray hevitra amin-dry Charlie Hebdo mihitsy satria mahatonga fanafintohinana ho an'ny malemy ny zavatra ataony satria famingavingana ny finoan'ny hafa no mibahana amin'ny pejiny, ary lozan'izay mahatonga izany hoy ny soratra masina.
Hatramin'izay ka hatramin'izao dia mbola tsy nanenjika finoan'olona aho. Afaka jerenao, hitsingoloanao ny fanehoan-kevitro rehetra teto fa mbola niezaka hatrany aho ny tsy hanimbazimba ny finoana na ny fivavahan'ny hafa. Ny antony dia satria, tsy ny fanimbazimbako ny an'ny hafa mihitsy no hampamirapiratra ny ahy fa fantatro tsara fa na tsy manao izany aza aho dia mamirapiratra foana ny ahy. Ny hampahafantatra anao ny ahy no tanjoko, mihaino ianao dia tsara, tsy mihaino ianao dia ratsy, saingy manaja ny safidinao tsara aho. Vita ny adidiko ary mbola lavitra ny lalan-kizorako nefa ny androko hijanonako eto amin'ity tany ity dia fohy ihany ka tsy hi-traine amin'izay tsy ho afaka aho.
Ianao koa anie afaka mba milaza ilay andriamanitrao e, ambarao ary hoe mba manao ahoana hono izy ao izay ? inona no ataony ary hatraiza ny fahefany ? Mba zava-baovao amiko mantsy raha mba zavatra toa izany indray no hamenoanareo pejy eto fa tsy ny fanenjehana ny andriamanitr'israely hatrany nefa toa .....
Izaho anie raha nametraka an'ito lohahevitra ito dia tsy ireo izay efa manana ny andriamaniny toa anao no tena tiako hiresahana fa ireo izay tsy mino mihitsy ny fisian'izany andriamanitra izany mihitsy ao amin'ny imagination-ny ao e, hihihihi, izay moa le fanambarana azy eto !!!!!!
16. endriny ( 24/02/2015 17:39)
Ka manohitra ny famonoana olona ve I Tefigasy kanefa mankato ny Atr'Israely? Sao dia tokony hiova anarana aza isika hoe Tefijiosy... Aza fady fa mampivanitika fotsiny ilay izy
17. Tefigasy ( 24/02/2015 17:49)
endriny:

Ka manohitra ny famonoana olona ve I Tefigasy kanefa mankato ny Atr'Israely? Sao dia tokony hiova anarana aza isika hoe Tefijiosy... Aza fady fa mampivanitika fotsiny ilay izy

Fa efa voasoratra hoe: 'ny fahafatesana no tambin'ny ota' . Afaka mamaky baiboly hatramin'ny voalohany ianao fa tsy mba noharian'Andriamanitra ny fahafatesana, fa ny olombelona no adala, ny olombelona ihany no namono ny tenany tao. Mahatsiaro an'i Adama aho @ teninao eto ity: izy no nihinana ny zavatra tsy tokony hohanina , dia Andriamanitra nanao ilay zavatra manodidina azy rehetra no omeny tsiny, Andriamanitra indray no diso. Dia ahoana koa hono ?
18. endriny ( 24/02/2015 17:52)
Iza no nanoratra an'io? Atr'Israely ve?

Dia ahoana raha tsy maty mihintsy izaho sy ny taranako izao dia mba omby anay ve ity planeta tany kely batitika ity?

Sa mety nandefa discovery itondrana anay mifindra planety hafa Atra? Mba lazao ange ry Tefy a
19. Tefigasy ( 24/02/2015 18:20)
endriny:

Iza no nanoratra an'io? Atr'Israely ve?

Dia ahoana raha tsy maty mihintsy izaho sy ny taranako izao dia mba omby anay ve ity planeta tany kely batitika ity?

Sa mety nandefa discovery itondrana anay mifindra planety hafa Atra? Mba lazao ange ry Tefy a

Hihihihihih,
Hafa ihany ny Grand, Izy foana no voaresaka eto na dia mba asaiko milaza ilay mba andriamanitrao aza ianao!
Fa izao aloha, raha tena tianao ho azo ny valin'ireo fanontanianao ireo dia Izy mihitsy hanontaniana fa hahazo valiny mahafa-po bé mihitsy ianao. Sao hiteny ndray mantsy ianao rehefa avy eo hoe: tena Izy mihitsy ve no niteny an'izany ?
Fa na izany aza, mba fantatrao ve ny tena zava-nisy teto @ ty tany ity talohan'ny fahalavoan'ny olombelona? Fantatrao ve ny momban-zany saha edena nametrahana ny olombelona fahiny izany ? Mino aho fa mety tsy miresaka izany le andriamanitrao ao ka izay no tsy hahaizanao azy. Fa inona marina moa izany no tena ataon'le andriamanitrao dia aiza no misy azy izao e ? (Andehanako kely any koa fa misy fanontaniana mba tiako hapetraka aminy koa mantsy raha mba misy sofina sy vava otran'le Andriamanitro izy)
20. booboo ( 24/02/2015 20:03)
Waaaah... Mitady hanapim-bava o ! Tsy hay zay fiasan'ny Fanahy @ ireo mi-sous marine ato
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1051