Mahagaga: olona tsy mino ny fisian'izay Andriamanitra nefa tsy miala mihitsy amin'ny resaka fivavahana sy finoana

41. Tefigasy ( 26/02/2015 11:56)
rhaj0:

Tefigasy:
Izaho aloha tsy manana andriamanitra imagination

Tsy azonao ilay fanontaniana. TSY "A.tra-imagination" no resaka, fa hoe: "toa ny ahoana i A.tra ao @ imagination-nao ao" ?

ka ahoana ry Tefigasy: toa Ingahibe lavalela, afaka manakatra ny tampi-kandriny @ lelany toa io caricature io koa ve Izy ? sa toa i spiderman-nain mitaingina soavalikely koa ? sa tena tsisy an'izany, tsy toa ny olb, fa hotry ny alokalokabe eny ambony eny fotsiny ? sa ...

Izaho mahazo tsara ka, fa ianao no tsy hahazo izay ho lazaiko eto mihitsy aloha hatreto satria tsy mino izay ambarako, ary rehefa tsy mino dia mazava ho azy fa tsy hiaina izay efa niainako. Enga anie , any aoriana any, mba hahita sy hiaina izay mba hitako ihany koa ianao. Ny Tompo moa manana ny fotoany rehetra, ka mety mbola tsy anio na ho rahapitso izany fa dia apetrako aminy ny fandaharany.
Ampiako kely ary ilay filazako an'ilay Andriamanitro teo iny fa mety mbola tsy ampy anao. Araka ny lazaiko ery ambony dia tsy misy imagination izany mihitsy eo amiko sy Andriamanitra satria aty amin'ny monde reel no misy anay. Tsy hoe manao fangala-pery na raosi-jamba dia ny feo ihany no mifakan-dreha fa ny maso tapenana dia eritreretina anjambany ao fotsiny hoe atsy izy na toa izao izy. Tsia. Tsy izay ny anay fa araka ny nambarako teny aloha hoe miantso ny iray dia manatona ny iray sns ....
Fa andeha ampiako ary ny momban'ilay Andriamanitro fa mbola tsy ampy anao angamba: ilay Andriamanitro dia Fanahy . Otran'io rivotra io, ny masonao araky ny mahanofo anao io angaha mahita rivotra ? Tsia. Fa eo amin'ny tontolon'ny azo tsapaina kosa, dia izay miaina rehetra dia mahatsapa ny rivotra. Toa izay ilay Andriamanitro, tsy ho tsapa, tsy ho ren'izay tsy miaina Azy Izy. Mandainga izay rehetra miteny sy milaza ho mahafantatra ny andriamanitry ny kristianina nefa tsy miaina ao anatiny ! Tsy ilay andriamanitry ny kristianina izany, fa izay mivavaka aminy, dia mivavaka amin'ny Fanahy. Ary izay mivavaka amin'ny Fanahy ihany no hahita sy hahalala Azy fa tsy izao rakoto sy rabe manao fanambarana etsy sy eroa fotsiny amin'izao akory, mba mamakimaky baiboly dia miteniteny sy mamoaka hevitra hoe hay toa izao ny andriamanitrareo sns .... Tsia ! Mety hainao arak'izay nanambaran'ny olony azy, tahaka ny nolazaiko anao teo ambony rehetra ireo, saingy raha tsy hihainanao ireo dia mbola mijanona ho fahafalalana fotsiny ihany fa tsy fahafantarana akory. Samy hafa ny hoe mahalala sy mahafantatra !!! Ianao mety mahafantatra roplanina: hoe iny vy be manidina iny, fa tsy mahalala ny momba an'iny vy be manidina iny ianao, hoe toa inona ny moterany, firy taonina ny lanjany, sns .....
Ka io Andriamanitra Fanahy io dia fanahy ihany koa no mahita, miresaka, mifandray aminy fa tsy ny vatana be ara-nofo akory. Ary ny fanahy rehetra dia afaka mahazo azy saingy tsy ny fanahy rehetra no mahazo azy !
Ajanoko hatreo indray aloha fa toa lasa teolojia be loatra izy izany.
42. Strong3 ( 26/02/2015 12:17)
eh !!! hihih

efa mavesatra ny faran'ny herinandro ka dia kivalavala sisa no andaniana andro

1) ny 3 dia 1+2 na hoe 1+1+1 no manome azy ; ka manondro ny maha tokana an'Atra Izy io nefa miseho amin'ny endrika 3
2)raha x2 ny 3 dia mivadika ho fanoherana an'Atra satria Atra dia tokana ka tsy manampaharoa hitovy Aminy
3) ny 3 tokoa no nanome pouvoir ny 666 tany ampiandohany , saingy tara ny fahalalanao fa efa nesoriny tamin'ny izany ary mbola ho potehiny tanteraka amin'ny andro farany
4) i Strong3 dia inspiration-ako; satria nampahery ahy Ilay Atro! :-)

fa ny 0 hoa dia milaza "tiré du néant" sa ahoana , sao mba dieu aza ra rhaj0 io eh hihihi

43. rhaj0 ( 26/02/2015 13:37)
okey dokey.. ny A.tra ao @ imagination, na atao hoe azany hoe, ao an-tsain'i Tefigasy izany dia toatoa ny an'i Strong3.. Dia nefa efa notsipihin'i Endriny tsara fa nisy verset hono hoe, araka ny endrik'i A.tra ny olb.. angaha tsy reciproque io petra-kevitra io ???
[size=11] i A.tra izany dia sady TSY mibika toa ny olb, no tsy mibika toa ny biby, no tsy sahala @ zava-maniry izay hita eto an-tany, tsy sahala @ vato, fa tena mbola tsy hitan'izay voamason'olb mihintsy e... saika hilaza aho hoe, ny lokony izao dia mainty manjavozavo manalokaloka, nefa dia tena TSISY loko koa angamba izao A.tra ao @ imagination-n'i Strong3 SY TEFIGASY ao izao.
raha ohatra izy ka ilay A.tra masiakabe an'i Gasy1zay na I RBNIR ohatra, dia Ingahibeantitra tsy niharatra, manao akanjo rebareba fotsy, mitondra tehina, ary "lava lela" toa io smiley io... izany no maha-masiaka be azy io.[/size]

[size=11] Dia ny ahy moa dia ity, t@ izaho mbola belelo ny tao @ imagination-ko...
Dia hoe tena sahala @ Spiderman hono Izy, fa kosa miankanjo fotsy...
Dia mihantona mikirazorazo @ ilay jiro etsy @ plafond, sahala @ Tarzan, hono izy... Dia misosa misidina eo ambony lohan'ny mpiangona.. dia mivanaka ireto olona: ao ny mi-aaaaaaahhh.. ao ny mi-ooooohhhh...
Fa Izy aloha tao @ imagination-ko tao dia tsy gilady na bokony, fa toa olona kely, sahala @ nain an'i Blanche-neige akoriny azany... ratsy tarehy kely... Dia indraidray izy mitaingina soavalikely, kely toa azy, dia mandehandeha etsy @ poutre etsy @ plafond..
[/size]

44. Tefigasy ( 26/02/2015 13:48)
rhaj0:

(...)

hihihihi, io ilay efa nolazaiko teny ambony hoe "tsy ho azonao mihitsy izay ambarako rehetra", ny alika hono mantsy jamban'ny taolana, ny olona jamban'ny vola ary ny fanahy jamban'ny ..... (tsy tohizako aloha)
Rahapitso indray aho manohy ilay lohahevitra
45. gasy1zay ( 26/02/2015 14:41)

rhaj0:

ok.. hay eto @ Forum a..

Izaho lasa eritreritra @ ireo Kristiana "mizara izany vaovao mahafaly" partout et n'import ou .. ka toa manao "harassement" (hotry ry TJ) sy "manindry ny fiaraha-monina" (hotry ry fondamentaliste) ary tsy mi-click aminy akory fa "manivativa" olona izy @ io..

Fa dia zarao eto azany ny "vaovao mahafaly"-nareo, dia aza ganga na hoe tezitra-dia-miavona rahefa "misy mamaly ary ny valiteny dia TSY mianga @ baiboly".. satria "Ity anie forum e!"

Na dia milaza ny tenany ho kristianina aza ireo TJ mpandombaravarana dia tsy mitovy velively @ fampianaran'i Jesoa Kristy araky ny baiboly ny zavatra inoany sy ampianariny mba miangavy anao hamaky an'ito dia ho hitanao fa tsy mitovy velively ny finoana ka dia aza dia raisina ho ohatra ry zareo raha hanambara ny kristianina ianao, izy ireo hono izao tsy mino izany afobe izany

http://fr.wikipedia.org/wiki/T%C3%A9moins_de_J%C3%A9hovah#Salut_et_vie_apr.C3.A8s_la_mort
Tsy fanilikiliana io fa fanazavana hoan'ireo tsy mahafantatra
46. rhaj0 ( 26/02/2015 15:16)
hi hi hi... hadinoy izaho e..

Fa ianareo samy kristiana ao k'lou tena mila mifanazava, fa raha izay ao @ imagination-nareo tsirairay ao, dia tena TSY mitovy ilay A.tra.

nataok'ty fa "tokana" Izy ? sa 3 sy 1 indray ?
47. rhaj0 ( 26/02/2015 15:23)
ok ok ny @ TJ... fa dia TSY mitovy ary tsy tia ho ampiraisana (ara-pinoana na ara-panahy) @ ireny karazan'olona ireny ianareo.. okay.

Fa hita koa io ho'a ilay hoe "la loi du talion, vie parfaite contre vie parfaite" narahin'A.tra (raha tsy hoe lalAn'A.tra koa io loi du talion io)
Dia "soatoavina" t@ izany andro izany ve no roridroritina h@ izao rey olona a...
Dia rahefa mi-s'inspirer an'io loi du talion-n'A.tra io ny sasany, dia hotry ny ilay sasany indray no loza, nefa izy manao toa an'A.tra ihany..
48. gasy1zay ( 26/02/2015 15:31)

Iza moa no milaza aminao fa tsy efa nivoatra ny lalàna? Tsy misy loi du talion izany intsony @ mahakristianina fa efa hoe raha misy mamelaka ny takolakao ankavia dia atolory azy koa ny ankavanana, mivavaha hoan'izay manenjika anareo, tiavo ny fahavalonareo, sns sns ...
49. rhaj0 ( 26/02/2015 15:53)
okay.. ka lalànan'A.tra taloha izany ilay talion.. dia nivoatra (i A.tra) ary dia niova ny lalàna eee...

nataok'ty hoe "miova sata, miova A.tra"... ooopss... kay gasy petaka io fa tsy kristiana.. :-)
50. Strong3 ( 27/02/2015 07:56)
bold text
rhaj0:

okey dokey.. ny A.tra ao @ imagination, na atao hoe azany hoe, ao an-tsain'i Tefigasy izany dia toatoa ny an'i Strong3.. Dia nefa efa notsipihin'i Endriny tsara fa nisy verset hono hoe, araka ny endrik'i A.tra ny olb.. angaha tsy reciproque io petra-kevitra io ???
[size=11] i A.tra izany dia sady TSY mibika toa ny olb, no tsy mibika toa ny biby, no tsy sahala @ zava-maniry izay hita eto an-tany, tsy sahala @ vato, fa tena mbola tsy hitan'izay voamason'olb mihintsy e... saika hilaza aho hoe, ny lokony izao dia mainty manjavozavo manalokaloka, nefa dia tena TSISY loko koa angamba izao A.tra ao @ imagination-n'i Strong3 SY TEFIGASY ao izao.
raha ohatra izy ka ilay A.tra masiakabe an'i Gasy1zay na I RBNIR ohatra, dia Ingahibeantitra tsy niharatra, manao akanjo rebareba fotsy, mitondra tehina, ary "lava lela" toa io smiley io... izany no maha-masiaka be azy io.[/size]

[size=11] Dia ny ahy moa dia ity, t@ izaho mbola belelo ny tao @ imagination-ko...
Dia hoe tena sahala @ Spiderman hono Izy, fa kosa miankanjo fotsy...
Dia mihantona mikirazorazo @ ilay jiro etsy @ plafond, sahala @ Tarzan, hono izy... Dia misosa misidina eo ambony lohan'ny mpiangona.. dia mivanaka ireto olona: ao ny mi-aaaaaaahhh.. ao ny mi-ooooohhhh...
Fa Izy aloha tao @ imagination-ko tao dia tsy gilady na bokony, fa toa olona kely, sahala @ nain an'i Blanche-neige akoriny azany... ratsy tarehy kely... Dia indraidray izy mitaingina soavalikely, kely toa azy, dia mandehandeha etsy @ poutre etsy @ plafond..
[/size]

tena marina ilay hoe: athée vao teraka ny olona, raha io imagination-nao io rhaj0 dia tena efa nateraka ho athée ianao , [size=22] speed man [/size] ve rangah le dieu-anao hahaha...
izao izany tsy manana intsony fa samy mandeha amin'ny saipatany ...
Ilay hoe : mitovy sa tsy mitovy ny Atra imaginénay dia izao : efa nolazaina foana...
ny tsy fahampiam-pahalala no tsy mampitovy io imagination io raha izay "imagination izay no tianao hitondrana ny resaka"
Mazava ny voalazan'ny baiboly, endrika mamirapiratra fotsy tsy zakan'ny olombelona hojerena amin'ny mbola mahaolona, ka tsy dia mety lohatra ilay hanery be hoe tahaka an'iza...

nanana fahitana ihany i abrahama , niaraka nisakafo taminy : « [Ny nisehoan'ny anjely telo tamin'i Abrahama] Ary Jehovah niseho tamin'i Abrahama teo an-kazo terebintan'i Mamre; ary nipetraka teo am-baravaran'ny lainy izy, raha nafana ny andro; » (Genesisy 18:1)
« dia nanopy ny masony izy ka niery, ary, indreo, nisy telo lahy nijanona teo tandrifiny, ka nony nahita ireo izy, dia niala teo am-baravaran'ny lainy ka nihazakazaka hitsena azy, dia niankohoka tamin'ny tany » (Genesisy 18:2)
« Ary Abrahama naka ronono mandry sy ronono ary ilay zanak'omby efa namboariny, dia narosony teo anoloan'izy telo lahy; ary nijanona teo anilany teo ambanin'ny hazo izy, dia nihinana izy telo lahy. » (Genesisy 18:8)

__ ianao moa sy mahazaka rehefa miteny za hoe : tsy fahampiam-pahalala , tsy midinka ho zava-dratsy anie ny filazana izany fa fanairana hoe misy izany ka tokony hiroboka bebe kokoa izay ao anatiny eh!
mila mahay mandray ny kaoté paozitifa koa izany ny amin'izay eh :-)
51. sitlo ( 27/02/2015 16:44)
Mahagaga: olona mino ny fisian'izay Andriamanitra nefa tsy miala mihitsy amin'ny resaka fivavahana sy finoana.
52. Strong3 ( 02/03/2015 06:21)

sitlo:

Mahagaga: olona mino ny fisian'izay Andriamanitra nefa tsy miala mihitsy amin'ny resaka fivavahana sy finoana.

Mahagaga ilay mahagaga an'i sitlo fa andeha hoan'ny amin'ny resaka inona indray ny mpino?

ity ihany nosehatra nomena sy antonona ato raha fivavahana sy finoana fotsiny no resaka. fa raha akohatra izay dia zavatra hafa indray no resaka.
fa ianareo tsy mino ireny hoa rehefa maty dia lazain'ny fianakaviana hoe : nantsoin'ny ray hody any aminy, ireo razambe kosa angamba no tiany ho lazaina fa tsy ilay ao anaty baiboly eh, olona radaoro lava , na jiolahy mpamono olona , na inona de ... hoe: " amin'ny finoana sy fanantenana amin'ny fitsanganan'ny tenan'ny maty no ilazaina fa ny malalanay ra.... dia nantsoin'ny rainy hody any aminy" :p laol beuh
[size=18] tokony hatao ohatran'ny filazain'i endriny hoe : "ho any amin'ny afo be za fa tsy hody any amin'ny rainareo izany" [/size]
53. rhaj0 ( 02/03/2015 14:38)
Mahagaga (ahy) ny mahagaga (an'i Strong3) ny @ ilay mahagaga an'i sitlo ... ka hoe: fa andeha hoan'ny amin'ny resaka inona indray ny mpino? ... tsy haiko fa mahagaga ahy fotisny e.. maninona no "miodikodina" eo.. misy la raha la terre eeee ... :-)
54. Strong3 ( 03/03/2015 07:36)
mahagaga ahy ny mahagaga an'i rhaj0 amin'ny mahagaga ahy amin'i sitlo gaga amin'ny fisian'ny mpino ato amin'ny fivavahana, finoana
dia samy gaga izany kou inona moa fa izay ilay tsy ampy imagination dia talanjona fotsiny sisa dia milaza hoe " misy raha latera eee ... :-) "
55. endriny ( 03/03/2015 16:02)
"Mahagaga: olona tsy mino ny fisian'izay Andriamanitra nefa tsy miala mihitsy amin'ny resaka fivavahana sy finoana"

Aleo fa hiala ary izahay e...
56. Strong3 ( 09/03/2015 07:34)
aza miala re nareo eh , manjary tsy misy hilaza aminay intsony hoe : aza mino ny Atr'israely intsony!!

indrindra fa i ... sy ii ary iii...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0081