Avy any no hiaviany hitsara ny velona sy ny maty

1. bor2lais ( 28/10/2014 12:03)
Miantefa amintsika manambara io fanekem-pinoana apostolika io indrindra² ity lohahevitra ity.

Marihiko fa efa nandeha teto ity dinika ity saingy averiko etoana mba ifampandinihantsika indray.

Voalaza ao @ Jaona 3 : 18 fa "Izay mino Azy dia tsy helohina, fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka rahateo, satria tsy nino ny anaran'ny Zanakalahy Tokan'Andriamanitra izy"

Raha io andininy io no jerena dia :
1. na ho avy haka avy hatrany izay mino Azy Izy (tsy misy fitsarana intsony)
2. na hisy ny fitsarana fa ho an'ireo izay milaza fa mino Azy (satria izay tsy mino dia efa voaheloka rahateo)

Misy hevitra 2 lehibe (tsy voatery mifanipaka) no nivoaka tamin'ny adihevitra :
1. ho avy hitsara ny Kristiana (izay nilaza fa mino Azy) Izy : mety hisy amin'izy ireo no mbola ho voaheloka !
2. tsy misy fanamelohana intsony ho an'ny Kristiana (efa voavonjy izy) fa kosa hizara "récompenses" araka ny asany avy no hahatongavan'i Kristy !

Ahoana kosa ny hevitrao ? Misaotra mialoha amin'ny fandraisana anjara ! :-)
répondu par gasy1zay le 04/11/2014 15:38
2. rhaj0 ( 28/10/2014 12:48)
bor2lais:
...izay tsy mino kosa dia efa voaheloka...

Misaotra fa voavaly ny fanontaniako tatsy :
... "izay rehetra TSY mino Azy" izany dia "ho very" : ireo Atheista, ireo Bodista, ireo Aborigene sy Amerindiana ary Zoulou sy ny Ntaolo sy ny Sinoa ets... tsy tambo isaina...
Sa ve, "izay rehetra TSY mino Azy" izany dia TSY kaonty fotsiny (sady tsy-very no tsy tsy-very) ?

Ka dia efa "very" daholo izany, hozy Bor2lais, ireo olona an-jaton-na tapitrisany ireo. Ampatsiahiviko indray fa efa ho 108 milliards no olona nanitsaka ity tany ity (tsy lazaina akoriny angamba ireo maty mbola kely, sahala @ ireo 50.000 zaza gasy latsaky ny 10 taona maty isan-taona)

3. bor2lais ( 28/10/2014 13:08)
Tsy i bor2lais no niteny ka ... Rehefa manohy mamaky ny Baiboly ianao (rehefa mahavita ny Genesisy ;-)) ka tonga ao amin'ny Jaona dia ho hitanao ao io.

Amiko dia "Une Parole refusée est une Parole entendue" :-)
Ny tohiny avy eo tsy ahy intsony ! :-)

Fa mikasika ity lohateny ity, mahaliana anao angaha ilay fanekem-pinoana apostolika ? :-)
4. rhaj0 ( 28/10/2014 13:24)
Azoko ny fipetrakao kah... efa "niteny/nizara" ianao, ary efa "nahare" izany aho (satria nanohina na nanohitra), ka dia "manasa tanana" ianao... Ekeko tanteraka fa ny "tohiny dia tsy anao intsony" fa ahy sy A.tra...

Raha mba toa anao daholo moa ny Kristiana dia tena ho manja ity tany ity... fa ny sasany moa tsy manao afa-tsy ity mambosibosika na manakatsakana ny hafa sy mi-culpabiliser lava ny olona ity...

Ohatra izao ity "fanekem-pinoana apostolika" lazainao ity hoe "Avy any no hiaviany hitsara ny velona sy ny maty"... Ny fahazoako azy dia Izy no hitsara, ary an'Azy sy ny tsirairay ny resaka... (ny tohiny dia an'ny tsirairay ao)

5. rhaj0 ( 28/10/2014 13:26)
... hotry ny rehefa mandeha fitsarana ny resaka ireny dia hoe : "avelao ny Fitsarana hanao ny asany f'aza mipetsompetsona eo e..."
6. bor2lais ( 28/10/2014 13:48)
Misaotra anao fa liana amin'ilay lohateny ianao ! ;-)
rhaj0:

Ny fahazoako azy dia Izy no hitsara, ary an'Azy sy ny tsirairay ny resaka... (ny tohiny dia an'ny tsirairay ao)

Ka eo indrindra ilay baraingo : iza ilay antsoinao hoe "tsirairay" eto raha toa ka miainga amin'ilay fampidirana nataoko ery ambony ?
:-)
7. rhaj0 ( 28/10/2014 13:56)
[size=8]"izaho" ve no anontanianao? ...geez... ramose koa mba masiaka a... izaho angaha nanaraka lesona... o boy... dia ahoana izao raha diso ny valin-teniko?...[/size]

ny "tsirairay" izany dia... ny Kristiana ihany.. fa ny TSY Kristiana na ireo izay TSY mino Azy izany efa tsy kaonty intsony.
8. gasy1zay ( 28/10/2014 15:17)

bor2lais:

Miantefa amintsika manambara io fanekem-pinoana apostolika io indrindra² ity lohahevitra ity.

Marihiko fa efa nandeha teto ity dinika ity saingy averiko etoana mba ifampandinihantsika indray.

Voalaza ao @ Jaona 3 : 18 fa "Izay mino Azy dia tsy helohina, fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka rahateo, satria tsy nino ny anaran'ny Zanakalahy Tokan'Andriamanitra izy"

Raha io andininy io no jerena dia :
1. na ho avy haka avy hatrany izay mino Azy Izy (tsy misy fitsarana intsony)
2. na hisy ny fitsarana fa ho an'ireo izay milaza fa mino Azy (satria izay tsy mino dia efa voaheloka rahateo)

Misy hevitra 2 lehibe (tsy voatery mifanipaka) no nivoaka tamin'ny adihevitra :
1. ho avy hitsara ny Kristiana (izay nilaza fa mino Azy) Izy : mety hisy amin'izy ireo no mbola ho voaheloka !
2. tsy misy fanamelohana intsony ho an'ny Kristiana (efa voavonjy izy) fa kosa hizara "récompenses" araka ny asany avy no hahatongavan'i Kristy !

Ahoana kosa ny hevitrao ? Misaotra mialoha amin'ny fandraisana anjara ! :-)

Fanamarihana kely no tiko ho atao fa ny fanekempinoana resahinao io dia tsy mitovy ny vavaka nampianarin'ny Tompo ny Rainay any an-danitra izay tena voalaza ao anaty baiboly fa i Jesoa no nampianatra azy ny mpianatra ka mety ho misy dikanteny mety diso na hevitra tsy mifanaraka 100% @ voalazan'ny baiboly.

Raha mikasika ny fitsarana dia amiko "Fa marina sy mahitsy ny fitsarana ataony",io hoan'ny olona rehetra ary hoan'ny kristianina "tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ ny Tompo".

Tadidio anefa fa misy ady hatrehana ho antsika kristianina dia ady @ fakampanahy mba tsy hihemotra isika @ finoana sy ny fanarahana ny Tompo, satria voalaza koa fa " Fa izay maharitra hatramin’ ny farany no hovonjena"

Ary raha te haharitra hatr@ farany ianao dia efa misy fiadiana nomen'ny Tompo ho anao :
" Tafio avokoa ny fiadian’ Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin’ ny fanangolen’ ny devoly. Fa isika tsy mitolona amin’ ny nofo aman-drà, fa amin’ ny fanapahana sy amin’ ny fanjakana sy amin’ ny mpanjakan’ izao fahamaizinana izao, dia amin’ ny fanahy ratsy eny amin’ ny rivotra "
9. bor2lais ( 29/10/2014 09:36)
Misaotra an'i gasy1zay amin'ny fandraisana anjara !

Misaotra anao mampatsiahy fa tsy mitovy ny vavaka nampianarin'ny Tompo (izay vavaka) sy ny fanekem-pinoana (tsy vavaka) izay fanambaram-pinoana (izay niainga avy amin'ny voasoratra ao amin'ny Soratra Masina) !

gasy1zay:

Raha mikasika ny fitsarana dia amiko "Fa marina sy mahitsy ny fitsarana ataony",io hoan'ny olona rehetra ary hoan'ny kristianina "tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ ny Tompo".

Tadidio anefa fa misy ady hatrehana ho antsika kristianina dia ady @ fakampanahy mba tsy hihemotra isika @ finoana sy ny fanarahana ny Tompo, satria voalaza koa fa " Fa izay maharitra hatramin’ ny farany no hovonjena"

Ary raha te haharitra hatr@ farany ianao dia efa misy fiadiana nomen'ny Tompo ho anao :
" Tafio avokoa ny fiadian’ Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin’ ny fanangolen’ ny devoly. Fa isika tsy mitolona amin’ ny nofo aman-drà, fa amin’ ny fanapahana sy amin’ ny fanjakana sy amin’ ny mpanjakan’ izao fahamaizinana izao, dia amin’ ny fanahy ratsy eny amin’ ny rivotra "

Raha azoko tsara ny voalazanao dia :
1. Hitsara ny rehetra no hiavian'ny Tompo na ny milaza azy ho Kristiana (mino Azy) na tsia
2. Mitaky fifandraisana mandrakariva amin'Andriamanitra ny fiainan'ny Kristiana mba tsy ho tratran'ny fihemorana (ara-pinoana) !

Rehefa jerena ireo teboka 2 ireo dia :
- ny milaza tena na lazaina fa tsy mpino dia mbola mety ho mpino ihany amin'ny farany (araka ny teboka 1).
- Tahaka izany ihany koa ny milaza tena na lazaina fa Kristiana dia mety ho lasa tsy isan'ny mpino amin'ny farany (araka ny teboka 2).

Fomba fijeriko ihany anefa io fa izay tokoa ve ilay tianao tenenina ? :-)
10. rhaj0 ( 29/10/2014 12:35)
Giravy ihany ilay "lozika Kristiana" eto, mikodia any amina egocentrisme - nombril du monde - giravibe... giravibe.... fa dia hotry ny hoe, ny Fivavahana Kristiana (ihany) no "tena izy", ary ny A.tra Kristiana no "tompon'ny tany"... Sady @ izay toa hotry ny A.tra protestanta sa katolika fotsiny ihany kay ilay izy rahefa halalinina ilay "lozika". Aiza moa ny mivavaka @ A.tra hafa no tsy sorena...
11. bor2lais ( 29/10/2014 12:55)

Izao izany ilay antsoina hoe "vavan'ny pelozy" ! :-)
12. rhaj0 ( 29/10/2014 13:04)
Raha tena mpanao baolina profesionaly sy mahay manaja-tena dia manaja ny spektatera sy ny fan ary ny ... "vavan'ny peloozy"..

Fa 'nareo koa ve k'lou 'zany tena @ ilay ekipa iray, izay tena risika ny "hanamontsana" ny andaniny e... tsy lalaom-piralahiana ilay izy aminareo fa tena mifofo ny andaniny ianareo, ary "mino" ianareo fa ianareo, ary ianareo irery, no tompon'ny laka... ny anareo ihany no "tena izy"... ho "very" izay tsy miaraka aminareo...
13. bor2lais ( 29/10/2014 13:26)
Fomba fiteninao "pelozy", "strapotin", sns no nindramiko ka !

Fa iza aloha no antsoinao hoe "andaniny" eto ? :-)

Raha mamaky tsara ange ianao dia tokony ahita fa tokana ihany ny "adversaire" eto e : io voalazan'i gasy1zay eo ambony io ! :-)

Amiko ilay resaka eto tsy toy ny baolina ka ilana spekta na arbitra fa averiko eto ity nosoratako ery ambony iry :

"Miantefa amintsika manambara io fanekem-pinoana apostolika io indrindra² ity lohahevitra ity."
:-)
14. rhaj0 ( 29/10/2014 13:31)
geez... izaho koa tena dondrona sady tsy mahalala fomba... z'afady nijabaka @ resakareo e... kay na dia forum public azany ity dia misy resaka (mifanavakavaka) TSY atao "miantefa" @ sasany..
15. gasy1zay ( 29/10/2014 14:09)

rhaj0:

Giravy ihany ilay "lozika Kristiana" eto, mikodia any amina egocentrisme - nombril du monde - giravibe... giravibe.... fa dia hotry ny hoe, ny Fivavahana Kristiana (ihany) no "tena izy", ary ny A.tra Kristiana no "tompon'ny tany"... Sady @ izay toa hotry ny A.tra protestanta sa katolika fotsiny ihany kay ilay izy rahefa halalinina ilay "lozika". Aiza moa ny mivavaka @ A.tra hafa no tsy sorena...

ka tsy azoko hoe maninona moa no hanompo Andriamanitra iray sy hanaraka ny teniny ianao raha mihevitra ianao fa misy Andriamanitra hafa mitovy aminy? Matoa ny kristianina mifikitra @ Andriamaniny sy Jesoa Kristy Tompo dia mino izy ary resy lahatra fa io no Andriamanitra nahary azy, io no mitantana sy mivimbina ny fiainana ary io no Andriamanitra mamaly ny fivavany , ka raha hitanao fa fitiavantena ny finoana Andriamanitra tokana dia tsy manina fa aleoko lazain'ny sasany ho tia tena toy zay hiaiky fa i Boudda hahavita zavatra eo @ fiainako.
16. rhaj0 ( 29/10/2014 15:03)
Ny hoe Izy no "no mitantana sy mivimbina ny fiainana ary io no Andriamanitra mamaly ny fivavany" dia (izaho) TSISY mandrara na manda (anao) @ izany e..

Ny lazaiko eto dia hoe, ny maha-valalanina ahy dia hoe, egocentrisme - "suis le nombril du monde" - ka hoe, ny A.try ny Kristiana no manapaka ny fiainana (any an-koatra) an'ny ... Bodista (izay TSY mino ny A.try ny Kristiana) ohatra...

Dia nefany raha vao mihevitra ny reciproque-n'io, na dia 1 min fotsiny azany ny hafa (ohatra ny Moslimo), dia tena tonga dia "adibe".

17. gasy1zay ( 29/10/2014 18:19)

Ny fahatsapako azy dia ianao tsy mino hoe ny Andriamanitra ivavahan'ny Kristianina dia Andriamanitry ny andriamanitra rehetra ary Tompon'ny hery sy fahefana any an-danitra sy ety an-tany, izay no inoan'ny kristianina, izay no voalazan'io fanekempinoana kristianina resahin'ny namantsika io. Dia lasa ohatrany manapaka ianao hoe tsy mety izany fa aleo ferana hatreto ihany ny fahefan'ny Andriamanitra ivavahanareo Kristianina satria misy andriamanitra hafa (silamo-boudista-sns).

Fa ny tsy azoko aminao anie ry rhaj0 dia izao e, raha tena tsy mino tokoa ianao ny fitsarana ny velona sy ny maty ataon' Andriamanitra Ray sy Zanaka sy Fanahy ivavahan'ny Kristianina dia maninona no tadiavinao hifanaraka @ zavatra eritreretinao ho tokony ho izy ny zavatra tsy hinoanao? tsy haiko ra azonao hoe ohatrany contradictoire ilay izy.
18. rhaj0 ( 29/10/2014 19:50)
Raha izaho manokana aloha no tianao resahina/fantarina, dia... Izaho aloha mbola tsy niteny hoe "tsy mino ny Andriamanitra ivavahan'ny Kristianina" : mbola (te-hijanona) ao anaty questionnement aho. Mety (ho lasa na efa) athee na agnostic anefa aho, mety (ho lasa na efa) bodista, mety hiverina hanaja ny an'ny razako, na ny an'ny raiben'ny raibeko (evanjelistra tany @ 1800s tany) etsetra... Fa raha ny izy, dia tena tsy ho hakatoko (mihintsy) ny varavaran-tsaiko ho'a..

Ny "questionnement"-ko (eto) dia mitondra ahy @ fanadihadiana ny "lozika kristiana" (ohatra). Ka eto (ohatra) izao dia mahita aho fa dia tena "egocentrique" be, ary dia ngezabe tokoany moa izy io, ny (lozika) kristiana... Herevo anie, 1 minitra monja, hevero anie raha hozy ohatra ny Moslimo (aminao) hoe, i Allah no manapaka ny ho fiainanao (Gasy1zay)... ary hoy Allah hoe, tena mpanota, infidele, ianao (ry Gasy1zay) a... ka mendrika ny... (anao ny tohiny).... Izaho mahita fa toa izany ihany no kabari(nareo) (sasany) eto...

19. bor2lais ( 30/10/2014 08:17)
rhaj0:

geez... izaho koa tena dondrona sady tsy mahalala fomba...

Tsy izaho no niteny an'io a ! :-)
rhaj0:

z'afady nijabaka @ resakareo e...

Tsisy fady e ... :-)
[size=10](Olona mahay manao azafady ve dia ho lazaina fa dondrona sy tsy mahalala fomba !)[/size] :-)
rhaj0:

kay na dia forum public azany ity dia misy resaka (mifanavakavaka) TSY atao "miantefa" @ sasany..

Azo atao mihitsy ny mandalo fotsiny rehefa tsy mahakasika anao (sy/na tsy fantatrao) ilay resaka ka ! Amin'izay koa mba tsy HS (lava) fa mba ifantoka amin'ilay lohateny hatrany ny resaka !

ok boy ... :-)
20. rhaj0 ( 30/10/2014 10:36)
okey dokey... tsy "mifanavakavaka" @ dikany hoe "mifanilikilika" izany ilay izy, fa ilay "manava-tena"... dia mody hoe, aleo ny samy "mitovy revy" IHANY no mifampiresaka fa manjary HS...

hum... fa dia samy mahatakatra daholo @io fa ilay "revy" @ io dia mety (na mody atao hoe) "resaka' fotsiny, fa mety "finoana" koa, na koa "fihaviana", mety "foko", mety "kilasy"... Ka rahefa TSY mitovy "revy" dia ... ndana mahazo an.... izay izany ilay "revin'i Bor2lais" an... :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.081