Nanatrika Lamesa.. fijeriko azy...
1. rhaj0
(
09/05/2014 16:41)
Tena mba voalohany t@ fiainana aho no nanatrika lamesa (tena lamesa) tatsy @ Notre-Dame Cathedral Basilica aty Ottawa (jereo ato). Toa izao no hitako sy reko sy tsapako, miampy ny kaomaniterako...
1. Vao aty ivelany, ary hatrany tao anatiny, dia mamirapiratra sy mangilohilo ary goavana ilay toerana (fa mety tsinontsinona anefa aloha izany raha miolotra ny an'i Hery any Vatican). Izaho moa zatra ireny fiangonana tsotra (sy mahantra) ireny, ka dia nidawawa fa tambanivohitra vao niakatra e... Fa tonga dia nahatsiaro ny fifanakalozana teto aho, hoe ka dia inty tokoany ny "volamena sy vatosoa"... Ary dia mitohy @ resaka teto koa @ hoe ho any an-danitra, ary dia vaky vava anakampo aho hoe, izao angamba no (tian-dreo haseho hoe) "salle d'attente" mankany mankany...
2. Dia nanomboka ny fotoana. Dia inty ny Archbishop sy ny korteziny fa miditra. Ary dia voakaikitra ny foko, raha nahatsiaro ny resantsika teto koa hoe, tena rahefa nihetsika izany ny hadalan'ireo pretra sasany, dia ny toa an'ireto boaikely ireto no palany. Fa ilay kortezy aloha nampihomehy ahy kely ihany, fa sahala @ hoe Ratsiraka taloha na i TGV, fa tsy mitondra basy ny garde-de-corps fa lakroa sy raha hafa. Dia ny Archbishop sy ny tehiny hazolava ngezabe miaraka @ ilay satroka lehibe koa tena... mamono lolo e...
3. Dia nipetraka t@ seza manjabe (velours sady migodana) tetsy aloha sy ambony Ingahibe. Eo ankavanany Ingahikely, sefo protocol, angambany.. fa hotry ny hentitra be ilehio mandidy ireo boaikely hampirina ny tehina hazolava sy ny satroka lehibe.. Dia nihomehy irery indray aho, mahatsiaro ilay namako fahiny fony kely, hoe rahefa be faniraka hono ny rainy, hoe aiza ny kiraroko, ampirimo ny satroko, dia hoe, fa i bainina ve handicappE tsy mba mahavita-tena fa be faniraka e... Fa io koa izany ilay resaka hoe sezalava fiandrianana sy ny eo ankavanana sa ankavia.
[size=8](hotohizana aoriana...)[/size]

répondu par rhaj0 le 15/05/2014 15:01
2. hery
(
09/05/2014 17:51)
:-) isaorana ny Fanahy Masina nitarika an'i rhaj0 nanatrika lamesa... fa tokony nihaino be be kokoa ny Fanahy Masina ihany satria inoako fa nisy zavatra lalina kokoa tao anatin'ny lamesa izay mety tokony ho nohenoinao dia ilay antsoina hoe Vaovao Mahafaly. Na izany na tsy izany dia efa dingana goavana izany.
Ny momba ny zavatra tantarainao indray dia tokony tsy ho adino fa olona miaina ao anatin'ny kolontsainy, fiaraha-moniny, hareny sns... ireo kristianina nandalovanao. Manana ny dikany sy ny fandraisany ny famantarana (na symboles) rehetra nitranga teo izy ireo. Mety hoe sanganehana ianao satria tsy miaina ao anatin'ilay kolotsaina. Raha mandeha manatrika lamesa any Toliara miaraka amin'ny mpiangona tsy manao kapa sy manao short rovitra sns indray ianao dia mety hafa ny fijerinao... ary indrindra raha mandeha any Afrika izay manao akanjo hafa sy mandihy sy mitehaka mandritra ny lamesa.
Ka hoy aho hoe mirosoa amin'ny lalina kokoa fa efa nanomboka tamin'ny dingana ianao.

3. toriteny
(
10/05/2014 08:33)
HS kely fa miala tsiny fa tsaroako tampoka ito zavatra ito teto am-pamakiana an'i Rhajo.
Nisy namako katolika izay nanontany ahy efa folo taona lasa angamba izay. Hoy izy hoe fa maninona hoy izy ny protestant rehefa mivavaka dia miakanjo tsara be ohatran'ireny hamonjy mariage ireny, ny volo sy ny maquillage atao tsara be. Nefa hoy ndry raha miditra any amin'ny katolika kapa sy jean no hanaovan'ny olona any, tsisy problème.
Fa jesoa anie hoy izy tsy mijery ivelany izany fa ny fondry no jereny e. Ka na dia malotoloto aza ndry, rehefa madio am-po dia mety aminy foana. Na koa mifanohitra amin'izay mipaozy tsara be nefa ny ao am-po kalalao dia tsy mety.
Dia hoy za taminy. Ndao tsika sy ndry ho any aminay izao. Dia tena novoaiko ny armoire nay. Za mbola tsy nanambady tamin'izay fa mbola nipetraka tao amin'ny RAD. Dia iza hoa no akanjo tsara indrindra amin'ireo akanjoko ireo. Dia ireto hoy izy sady nanondro akanjoko foentiko mivavaka.
Dia andao indray hoa ho any aminareo sady hanatitra andry za. Izahay nipetraka teo Ankadifotsy, ry zareo teo Behoririka. Dia novoaina torak'izay ihany koa ny armoire tany amùindry zareo. Dia iza hoa no hoentindry mivavaka. Dia ireto hoy izy mety hoentiko mivavaka avokoa sady nanondro akanjo fentiny mianatra isan'andro izy. Dia ireto hoa ataondry inona mantsy ny akanjony tsara b maherin'ny 10 teo ho eo. Ireto hoy izy akanjo rehefa miaraka izahay sy Andry, ilay miaraka aminy io na rehefa misy fivoriam-pianakaviana fa za hoy izy bedin'i mamanay raha vao ratsy ny paoziko fa maharatsy endrika ny fianakavianay hono. Dia reto hoy izy hoentiko rehefa misy mariage.
Dia fa maninona hoa raha ireto akanjo hoentindry amin'ny mariage ireto no hoentina mivavaka. Ka lasa za irery hoy izy no miavaka ao am-piangonana sady jerijeren'ny olona be za d saro-piaro be i Andry. Sady manjary vetivety dia rovitra ireto raha sasana matetika, lasa tsisy hanaovako intsony rehefa misy mariage.
En fait izany izy tsy hoe tsy manana fa manana akanjo ihany saingy ny tsara reserver ny ho an'ny olon-kafa sy évènement hafa fa tsy foiny ho an'Andriamanitra. Dia torak'izany ihany koa ny olona izay miheritreritra fa tokony ratsy foana no omena an'Andriamanitra.
Tokony tsy atao tsara be ny fiangonan'Andriamanitra fa Jesosy aza anie teraka tao an-tranon'omby e. Inona no maharatsy an'izany tokoa moa raha tsy manana ianao? Fa raha ny musée izay hitairizana vakok' olombelona aza hahitana vola hatao tsara b, moa ve ny tranon'Andriamanitra tsy tokony hatao mihoatra noho izany?
Ohatran'ny hoe mi-comprendre Andriamanitra na dia akanjo ratsy aza no hanaovako any am-piangonana nefa ianao mahafoy mividy botte na 400 000fmg hanaovana amin'ny ririnina. Micomprendre Andriamanitra na dia 500 fmg fotsiny aza ny rakitra omena e!!. Fa ianao amin'ny rendrarendra tsy maninona na mandany vola be aza.

4. mamonjy1
(
10/05/2014 22:36)
Aiza ary ty isika,aoka mba tena hangata @tompo alohany,hanao zavatra fa tsy tonga de manao.
Fa io ihany no mahatonga ny fahajambana tanteraka.
Efa miresaka zao ny tompo hoe:Ao @izay misy ny faty no itoerany voromahery.

5. RBNIR
(
11/05/2014 04:47)
Faly miarahaba ny namana rehetra indray,
Tena tsara ny manao zavatra tsara ho an'Andriamanitra saingy araka izay anananao no tokony hanaovana izany (tsy mamorona ny tsy misy) satria izay ananana no ankasitrahana hoy ny tenin'Andriamanitra.
Mila dinihina tsara kosa ny zavatra rehetra atao ao amin'ny fiangonana mba hifanaraka tsara amin'ny sitrapony (ny Teniny no hamantarana ny sitrapony).
Tsy tokony hiainga amin'ny fisainan'ny olona ny zavatra atao mba hisorohana ilay hoe « Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy (Isa. 29. 13). » (Mat.15:9)
Mba tsy ho herim-po very maina fa tena hisy fahankasitrahana marina tokoa.
P.S:izay rehetra tsy mifanaraka amin'ny takian'ny tenin'Andriamanitra no avy amin'ny olombelona ry namana isany.
Samia ho tahin'ny Tompo indray ry namana.

6. rhaj0
(
11/05/2014 11:11)
(tohizako kely indray ny hita sy reko ary tsapako, sady ho valiako eny antsefatsefany ny resakareo ireo...)
4. Dia nihaminkamina tetsy aloha sady ambony tokoany izany Ingahibe (sy ny korteziny). Fa koa, ny laharan-dabilio 15 voalohany dia toerana voatokana... ka ilay lamesa sady ho fanombezam-boninahitra ny mpampianatra, ka dia natokana ho azy ireo sy fianakams-ny ireo fitoerana ireo. Dia nihomehy irery indray aho.. nahatsiaro ny adi-hevitra t@ namana fahiny : tsisy demokrasia (sy egalite) izany any am-piangonana, fa ny Deba be sy ny printsy atsy @ avo sy aloha, ary isika mavomavo sisa atsy afara sy ambany... izay izany angamba ry Hery ilay fombafomban'ny Eglizy (tsy hita izay maharatsy azy)
5. Dia sadaikatra koa aho t@ io fa... ka ny kanadiana aty moa, lavabe ilay ririnina (hiver), ka raha vao tonga lohataona, na vao 5 degree aza, dia efa t-shirt sy patalohy fohy daholo.. sady na any ampiasana koa moa dia tsotstra daholo.. Dia niaky aho hoe... zahay (mendrika ny) taty aoriana kosany dia tena mavomavo tokoany, mavomavo-fitafy tokoany.. fa iretsy printsy (toa kilemaina) sy ireo nahazo toerana voatokana (na dia tsy kilemaina aza) kosany dia tena raitra e.. raitra ny palitao, ny viavy sy ny akanjony mena dorehitra amina firavaka, ny kiraro mangirana sy mipoapoaka tsara manakoako ao @ilay katedraly rahefa mandeha... manja kosa e... mampierikerika an'ilay tanavo vao niakatra...
6. Dia raikitra ny fanompoam-pivavahana.. dia ny an'i katolika moa toa atao an-kira daholo izay resaka... dia nihomehy irery indray aho nahatsiaro ny hadalako taloha. Fony nampianatra aho tany Dago, dia in-1 mandeha, nataoko an-kira toa ny fanaon-dry mopera koa ny fanononana ny lesona. Ny boaikely moa tonga dia nivaninika gaigy daholo, fa nisy sipakely iray serieuse be tonga dia namely ahy hoe, maniratsira hono aho. Dia hoy aho t@ izay hoe, ka nareo mitabataba, dia nanandrana ny fomban-dry mopera aho, satria ny azy toa mahomby rahefa any ampiangonana...
7. miresaka hira ihany... fa nisy ankizy t@ choral nasaina nitarika kely.. dia manao sOlO izy, dia atsangany ny tanany, dia mamaly an-kira ny rehetra, dia ampidininy ny tanany dia manao sOlO indray izy... (faly ery izy nony nirava, fa hoe ... coooool... atsangako/ampidiniko ny tanako dia mihira/tsy mihira ny olona)
(ho tohizako aoriana...)

7. mamonjy1
(
11/05/2014 12:44)
Miarahaba ny rehetra.
zao,efa tena marina ary tanteraka ny voalazany baiboly,momba an'i babilonina lehibeApokalipsy17:5
mpanoradalana sy fariseo izy taloha(jerosalema) matio 23:4-8.matio 23:10-13.
Eny tokoa miseho ho tsara endrika ivelany ny babilonina lehibe,nefa ny ao anatiny dia feno taolany maty.matio 23:27.
fa ankehitriny izy dia niova ho babilonina lehibe apokalipsy17:5
Araka ny apokalipsy de lazainy hoe:nianjera ,nianjera babilonina lehibe,tonga fonenany demonia sy zavabetaveta ,ary akany vorona maloto@tany apokalipsy18:2.Tena marina tokoa zay voalaza momba azy.
Ao daholo ny kristianisme anarana rehetra,mivavaka alahady ary misotro toaka alahady ihany,ary mangalatra akoho alatsinainy.Ary mpimasina sy mpitondra koa dia matetika ao daholo.
Efa nilaza ny baiboly hoe :Ary aza milaza olona ety an-tany ho rainareo,fa iray ihany ny Rainareo de izay any andanitra Matio 23:9,fa ny ao de misy ny atao hoe papa Ray MASINA.Tena mpisoloky mihitsy....
ary mikonfesy @olombelona ihany ny ao ka tena zavatra maharikoriko mihitsy.
Rariny ny handravana azy tsy ho ela ,fa efa nianjera na mivarilavo tokoa izy,ankehitriny.apokalipsy18:4-8.
Efa nilaza mialoha mihitsy jesosy tompo fony izy teto an-tany hoe:ao @zay misy ny faty ny misy misy ny voromahery24:28,zany hoe fahafatesana ara-panahy.
Ary hoy izy koa hoe:Raha hitanareo fa manakaiky ny toerana masina ny zavamaharikoriko mitondra fandravana de fantaro fa efa mby akaiky ny fandravana azy.matio24:15.
Efa ao amin'io toerana io izany rehetra izany,Kanefa tsy io toerana io ihany ,fa misy hafa koa.
Io toerana io no reniny,na lehibe indrindra fa misy koa ny zanany.
Ary ny mpanjakany tany de tena mijangajanga @io mpivarotena io mihitsy ankehitriny iarahamalala.
Ao vatikan manko ny foibeny babilonina io,Ary maro mihitdy ireo filoha mankany ary mivoaka @tele mihitsy.
ZAY,fa aoka samy handika tsara isika fa ny baiboly de efa milaza hoe:mivoaha ao aminy ianareo ry oloko Raha tsy tianareo ny hiombodoza aminy,ary tsy tianareo hisy hahazo anareo ny hahazo azy.Apokalipsy18:4.
Ary aoka izay any jodia handositra antendrombohitra.
zay an-tampotrano tsy hiverina haka ny lambany ao an-trano.
Zay any an-tsaha tsy hiverina haka ny akanjony antanana.Matio24:16-18.

8. toriteny
(
12/05/2014 07:07)
mamonjy1:
...
Io Teny nataon'i Jesosy ao amin'ny Lio17:37 manao hoe:"Dia namaly izy ireo ka nanao taminy hoe : Aiza , Tompoko ? ary hoy Izy taminy : Izay itoeran'ny faty , dia any koa no hiangonan'ny voromahery ." Dia manambara fa tsy eto an-tany (tsy vato sy biriky) ny Fiangonan'Andriamanitra fa any an-danitra no hanangonana ny Fiangonan'Andriamanitra
IZANY AKORY TSY MIDIKA fa tsinotsinona sy tokony tsy hasiana importance ny fiangonana biriky hiangonan'ny mpino eto an-tany. Fa tranon'Andriamanitra ihany koa ny fiangonana biriky eto an-tany. Fa raha any an-danitra ihany no tempolin'Andriamanitra, raha tsy misy an'Andriamanitra ny tempoly teto an-tany tsy tezitra sy nandroaka ireo mpivarotra teo amin'ny tempolin'Andriamanitra Jesosy ao amin'ny Jao2:16 ka nilazany hoe:" Ento mivoaka ireto zavatra ireto ; aza atao trano fivarotana ny tranon'ny Raiko" sy ny nitenenany ireo RAD refa nitady Azy izy ireo tamin'Izy 12 ans hoe Lio2:49: "Fa hoy Izy taminy : Nahoana no nitady Ahy ianareo ? tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon'ny Raiko Aho ?"
Ohatra koa izao: ny fonenantsika anie tsy eto an-tany e. Izany ve midika fa tsy tokony hanana trano sy hividy tany avokoa ve izany ny kristianina rehetra? Marina mihitsy fa misy Teny ao amin'ny Mat6:19 manao hoe"Aza mihary harena ho anareo eto an-tany , izay misy kalalao sy harafesina manimba , sady misy mpangalatra manami-trano sy mangalatra .Fa miharia harena ho anareo any an-danitra , izay tsy misy kalalao na harafesina manimba , sady tsy misy mpangalatra manami-trano na mangalatra "
Fa ny trano amiko, besoin anisan'ilay sahaza afaka hangatahin'ny kristianina amin'ny Pater
NY TOKONY HO TEMPOLIN'ANDRIAMANITRA
Andriamanitra mihitsy no naniraka ny olona hanorona Fiangonana ary sitrany dia sitrany ny fanaovana fiangonana biriky. HAg1:8;:"Miakara any an-tendrombohitra [amin'ny tany havoana], ka makà hazo , ary ataovy ny trano , dia hankasitrahako izany , sady hankalazaina Aho , hoy Jehovah "
Ny tsy fanaovana fiangonana aza no tsy sitrany ary tsy ambininy ny olona raha tsy vita ny fiangonany Hag1:3-5 "Dia tonga ny tenin'i Jehovah nentin'i Hagay mpaminany nanao hoe : Moa andro tokony hitoeran'ny tenanareo ao amin'ny tranonareo misy valin-drihana va izao , kanefa rava ity trano ity?Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro : Hevero ny làlanareo . Efa namafy be ianareo , nefa kely ny taomina : mihinana ianareo , nefa tsy voky ; misotro ianareo , nefa tsy afa-po ; mitafy ianareo , nefa tsy misy mafana ; ary izay mahazo karama dia mahazo karama atao an-kitapo loaka .
"
Fa za kosa aloha tsy daccord amin'ny fasiana sarivongana, tableau mirakitra ny lalan'ny passion de Christ, sy ny zavatra hafa izay tsy tokony hiditra ao am-piangonana. Ny tokony ho izy dia croix iray tsisy sarin'i Jesosy no tokony ho ery aloha ho solon'ny arche de l'alliance dia ny alitara. Izay ihany no tokony ho fanaka ao am-piangonana (Jereo Eks25:1-40 --->Eks27:1-21)
AKANJO HOENTINA MIVAVAKA
MArina mihitsy ny tenin'i RBNIR hoe araka izay hananana fa tsy mamorona. FA ny an'ito namako ito nanana izy fa tsy hoe tsy nanana akory. Misy Teny izay ao amin'ny MAl1:1-6 manao hoe " Ny zanaka manaja ny rainy, ary ny mpanompo ny tompony ; koa raha Ray Aho , aiza ary izay hajako? ary raha Tompo Aho , aiza izay tahotra Ahy?
MAl1:8:"Atero ho an'ny governora manapaka anao ange izany, -- moa mahazo sitraka na fitia aminy va ianao? hoy Jehovah, Tompon'ny maro"
na raha amin'ny resaka akanjo, manaova anie Jean sy kapa ianao mankeo Ambotsirohitra rehefa mangataka audience amin'ny Filohan'ny Repoblika (nefa ianao manana veste ihany) dia hahazo sitraka sy fitia ve ianao? Ka raha Andriamanitra aza mihoatra ny filohan'ny repoblika, AIZA NY HAJANY !!
FEHINY:
Mendrika ny tsara indrindra avy amintsika Andriamanitra, na fitafy io, na ny vola, na ny fotoana, n'inon'inona
9. ombelline
(
12/05/2014 14:30)
Voalazanao ....
toriteny:
FEHINY:
Mendrika ny tsara indrindra avy amintsika Andriamanitra, na fitafy io, na ny vola, na ny fotoana, n'inon'inona
10. rhaj0
(
12/05/2014 16:37)
Marihiko fotsiny aloha fa raha mizara ny hitako sy reko ary fahatsapako sy kaomaniterako aho, dia tsy hoe ny hi-crtique na hanaratsy ny lamesa/katolisisma... fa .. tia hizara fomba fijery hafan'ilay... mpitsapa elefanta avy aty kanada fotsiny... mba ho "recul" koa ho anao ao... Fa nisy resaka eo ambonimbony io, izay raha ny fahazoako azy, dia critique na fanipahana ny katolisisma : dia tsy manan-kambara indray aho raha ny @ izany...
(dia tohizako indray...)
7. Dia raikitra @izay ny "tena izy". Dia nandeha ny kabarin'ny Archbishop. Fa tena tsy azoko, fa ilay teny efa anglisy, nefa Ingahibe koa toa hotry ny miteny haingana sy mitelina teny ka dia... hoy aho anankampo hoe, toa izao angamba izany rahefa ataon-dreo teny latina ity resaka ity.
Fa dia voarotsirotsin'Ingahibe sy ny ngonongonony teo aho; soa ihany fa nasaina mitsangana/mipetraka/mandohalika zahay fa raha tsy izany angamba dia renoka teo.
8. Dia taitra tampoka aho, fa ilay rangahy (sy olona hafa vitsivitsy) tetsy ankaviako nitsangana dia nivoaka. Nataoko fa vita ny fotoana dia nijery ny fandaharana aho. Kay "collecte" : rakitra !! Dia sady notsindrian'ilay mpikabary tetsy aloha koa hoe, manomeza betsaka (be generous). Teo aho vao nikorapaka, fa izaho moa mampiasa karta ka tsy mitondra vola am-posy mihintsy. Nahita vola bokotra ihany, ary dia nasosa kintana izany teo ambonin'ireo volabe taratasin'ireo mpiangona hafa. Fa ilay ramatoa iray tao @ ankavanako indray dia nanao dondrona be tsy nanome. Avy eo izy vao nigonongonona hoe, efa nandoa parking aho... Fa ilay ramatoa io koa ka be resaka. Dia hoz'izy koa hoe, mba tsy mety koa izany safidina hira izany: fankalazana sy fanomezam-boninahitra (an'ny mpampianatra) no atao, nefa ny hira toa hiram-paty; ny fandehanany hono ny hira ka tena mihetsika...
9. Fa nony vita ny rakitra, dia niverina ilay rangahy tetsy ankavia nivoaka teo (tsy te-handoa rakitra izy ... angambany). Fa tena efa hoe mipetraka @izay, fanefa izy mbola nijanona nandohalika foana teo (manetsi-keloka... angambany e...)
10. Dia raikitra ilay mihinana sy misotro kely etsy aloha, ary dia mitandahatra nankeny aloha ireto olona. Izaho moa tsy anaty lalao, ka dia niforitra nipetraka tsy niala teo @ dabilioko, fa ny maso no mitsipelipelika mijery ireto pOzy... manja sy mavo..
11. Vita ihany ny lamesa. Ary dia nanontani-tena tokoany aho, sahala @ filazan'i Hery teo hoe, inona " zavatra lalina kokoa tao anatin'ny lamesa izay mety tokony ho nohenoinao"... fa tena tsy nisy. Mbola mieritreritra fanin-2 aho izao, fa tena tsy mbola misy... Raha tsy hoe angaha hoe, ireo hira kosa dia mba nahafinaritra (na dia nilantolanto foana tao aza)
Fa marina ny an'i Hery... lalina tokoany ilay hoe:
- "anatin'ny kolontsainy, fiaraha-moniny, hareny sns..""
- "Manana ny dikany sy ny fandraisany ny famantarana (na symboles) rehetra nitranga teo izy ireo."
Nisy fandalinan-kevitra hitako in-1 mandeha efa elaela, dia hoe... ireo atheists hono, dia (manomboka) mahatsapa fa misy banga ny fiainany, indrindra moa raha mpino izy taloha. Na dia mafy/mahitsy saina sy fo aza zareo @ fiainany/fisainany ao, dia mahatsapa ny mpandinika fa Ilay "miangona" dia hotry ny mbola mety ilain-dreo ihany, @ maha-olombeolna azy :
- ilay miaraka sy mihaona ny mpiara-monina (mitovy tadin-dokanga @ tena),
- ilay manaraka fombafomba (rite) izay toa mampilamina/mampandry ny fo sy ny saina,
- ilay mihaino (toriteny) fampianarana..
Ary dia hitako t@ ity taona ity, ao Etazonia ao, fa dia manomboka mivorivory tokoany koa zareo Atheists (ohatra jereo eto) : "godless congregation"... tsy "church" fa "congregation"... ary miara-mivorivory ao ,fa kosa, tsisy resaka "god"...
(miala tsiny fa lavabe ny resako.. ataoko fa tsy naha-monamonaina anao :)

11. hery
(
13/05/2014 08:12)
rhaj0> Nomarihinao tsara hoe lamesa manokana fety ho an'ny mpampianatra ilay izy. Dia izay daholo izany no mibaiko an'ilay lamesa.
Tsy mitovy amin'ny lamesa andavan'andro mihitsy io. (Ny fomba, ny fiakanjo, ny olona asaina, ny mpitarika, ny halavany, ny teny ampiasaina sns...)
Tahaka ny hoe mivahiny any antranon'olona ianao dia sendra nandritra ny anniversaire ianao no nandalo tao. Dia heverinao hoe toa izany isanandro no fiainan'ilay olona :-)

12. rhaj0
(
13/05/2014 13:07)
Ekena fa "lamesa" tsy sahala @ isak'alahady ilay izy, nefa dia "lamesa" ihany ny anarany (mifono ilay fombafomba sns...). Efa mba nanatrika ilay "lamesa" isak'alahady ihany koa aho, ary hitako nitovitovy, anasorana ilay toerana voatokana, sy i Archbishop izany, ary koa ny volamena sy vatosoa... (anaty fonosana fa na ny Baiboly nasandratra sy narantiranty tao anie ka tena sady ngezabe no nohosoram-bolamena)
Fa efa nanatrika fotoam-piavavahana protestanta/loterana/advantista..., ary nanatrika ilay iray, tsy tsaroako intsony ny anarany tao Montreal. Fa ity farany ity kosa dia isan'ny tena "progressiste" @ samy fiangonana : tsy mba ilay mankalaza-fe-mankalaza sy fiderana-diboka-fiderana (fanaon'ny katolika ohatra, raha ny fahazoako azy); tena zara raha nahare ity mankalaza-midera-lava ity aho, fa kosa betsaka ny hevitra ampieritreretana ny olona teo. T@ izay no tena nisy ilay nampieritreritra arak'ilay fitenin'ny Hery teo hoe, "zavatra lalina tokony nohenoina" (resaak fifandraisan'ny mpivady... hatrany am-pandriana raha hitariko ny resaka...), ary na ny fombafomba aza efa informatisé, na koa hoe... tranom-pokonolona no nivoriana, dia teo ihany no niserasera nony nirava, ary tsisy ireo tralala rehetra toa ny tatsy @ Basilica..

13. toriteny
(
14/05/2014 13:44)
rhaj0:
Fa nisy resaka eo ambonimbony io, izay raha ny fahazoako azy, dia critique na fanipahana ny katolisisma : dia tsy manan-kambara indray aho raha ny @ izany...
Ianao no ahitsiko fa tsy ny katolika ka. Raha voahintsy koa anefa ny Katolika tsy maninona vao maika izany tsara be (Izany moa Hery ô?)
Fa ianao miteny fa tsy azo atao tsara be ny fiangonana sy izay an'Andriamanitra no tiako hiaviana. Ilay katolika, ilay botte 400 000 fmg , ilay rakitra 500 fmg (izay misy manao koa ny protestant) dia hoentiko illustrer na sy hanohanako ny hevitra hoe tokony mendrika ny tsara indrindra Andriamanitra na ao am-piangonana aza. Fa tsy hoe rehefa Andriamanitra dia mavomavo foana
14. rhaj0
(
14/05/2014 14:03)
Io izao no isan'ny ankasitrahako sy anajako ambony ny papa Fransoa. TSY mampirisika ny "opulence" intsony izy. Efa hatrany Arzentina izy no ... mavomavo. Ary be dia be ny fisehony niala lavitra ny luxe-n'i Benoa (sy ny fomba-tsy-hita-izay-maharatsy-azy-ny).
Hevero anie e... avy taiza ireo fananam-be an'i Vatican ireo ? Na koa ny any amintsika, ry Mailhol ...
Avy tany ... an-danitra sa ... avy t@ rà sy hatsembohan'ny mavomavo ?
Dia ho entina aiza ireo ? arentirenty ao @ "salle d'attente" hanintonana ny olona ho avy ao @ "salle d'attente" ?
Ny mahantra (mavomavo) anefa miaina anaty helo velona...

15. ombelline
(
14/05/2014 14:44)
rhaj0:
...
Fa efa nanatrika fotoam-piavavahana protestanta/loterana/advantista..., ary nanatrika ilay iray, tsy tsaroako intsony ny anarany tao Montreal. Fa ity farany ity kosa dia isan'ny tena "progressiste" @ samy fiangonana : tsy mba ilay mankalaza-fe-mankalaza sy fiderana-diboka-fiderana (fanaon'ny katolika ohatra, raha ny fahazoako azy); tena zara raha nahare ity mankalaza-midera-lava ity aho, fa kosa betsaka ny hevitra ampieritreretana ny olona teo. T@ izay no tena nisy ilay nampieritreritra arak'ilay fitenin'ny Hery teo hoe, "zavatra lalina tokony nohenoina" (resaak fifandraisan'ny mpivady... hatrany am-pandriana raha hitariko ny resaka...), ary na ny fombafomba aza efa informatisé, na koa hoe... tranom-pokonolona no nivoriana, dia teo ihany no niserasera nony nirava, ary tsisy ireo tralala rehetra toa ny tatsy @ Basilica..
Ohatry ny négatif be ilay filazanao ilay hoe "mankalaza-midera-lava" . Mba mety hiteny koa ny hafa manko hoe "resadresaka lava"
Ny tiako hahatongavana dia hoe io anie mety arakaraky ny kolo-tsaina / toerana / karazan'olona mivory eo ihany koa e, mety misy avy aty @ hira no mampety azy , mety misy ny resa-dresaka, mety misy ny fahanginana tanteraka (Quakers any Angletera ohatra)
Fa ny itovizan'ireo izao dia ilay hoe miaraka fa tsy misy hoe manao izay ataony manokana any an-tranony irery any .
16. rhaj0
(
14/05/2014 14:55)
Misaotra an'i Ombelline t@ fanazavana ary ekeko tanteraka.
(izany ihany no andehanako eto; mba voahitsy ilay fijery/fisainana...)

17. toriteny
(
14/05/2014 16:06)
rhaj0:
Hevero anie e... avy taiza ireo fananam-be an'i Vatican ireo ? Na koa ny any amintsika, ry Mailhol ...
Avy tany ... an-danitra sa ... avy t@ rà sy hatsembohan'ny mavomavo ?
Resaka rakitra mankany am-paosin'ny mpitondra fivavahana no tianao hambara? Azy sy Andriamanitra izany ry Rhajo a!! Fa ny anao atolory Azy ny tsara indrindra avy aminao.
Sa ianao rehefa manao rakitra dia ny olona no jerenao? Hoe so d hanaovan'i Pasitera sakafo atoandro ary ity rakitrako ity fa aleo 250 fmg no omena?
Fa rehefa manao rakitra dia Andriamanitra irery jerena, atolory Azy ny tsara indrindra aminao dia hahazo fitia eo imasony ianao. Ny ankoatr'izay, an'izay olona minia mangalatra rakitra sy an'Andriamanitra izany rehefa ho tonga eo anoloan'Andriamanitra izy hotsaraina.
Hitanao nisy fotoana 10 000fmg sisa ny taty am-poketrako. Nefa io mbola hanalàna frais hoentiko mody sy zavatra hoentiko ny ankizy any an-trano. Ny andro efa maizina, za tsy nanana carte electronique fangalana vola ireny tamin'izay fa saika hoe ny ampitso vo haka vola. Dia rehefa hody haka bus aho dia nifanena tamin'ny ramatoa efa lehibe izay. Dia niresaka teo amin'ilay olona teo alohako izy fa henoko ilay resany. Nangataka vola ilay ramatoa fa mbola hody any Ivato hono nefa tsy ampy ny frais any.
Dia nibitsika ny Fanahy tato amiko hoe omeo izy. nefa tsy za hoa no resahin'ilay ramato an. D za mo niteny hoe ka ito anie Tompo sisa ny vola aty amiko e, lasa tsy mitondra zavatra ho an'ny ankizy aho, nefa ito mbola hataoko frais, raha misy imprévu moa dia vao maika tsy ampy.
Fa tsy namelany aho raha tsy nanome dia nomeko 2 000 fmg ilay ramato. Dia nande bus, dia nividy zavatra ny zanako. Tonga tany an-trano tsy ampy ny laokanay hariva, za anefa tsisy vola intsony. Dia lasa haingana aho nakao amin'ny chambre nay mivady dia nivavaka. ianao Tompo hoy aho no naniraka ahy hanome an'iny ramato iny, ary tsy hanenenako izany satria iraka avy Aminao. dia noteneniko Azy teo ny olako hoe tsisy vola hividianana laoka.
Dia ny vadiko tsinona miantso foana rehefa akaiky trano hoe karakarao ny sakafo fa efa akaiky za. Efa niantso izy mbola tsy hita ihany ty valim-bavaka. Za hoa mahatoky Anao. izay fotsiny. Tonga ny vadiko avy any nitondra laoka. izy anefa tsy mividy laoka raha tsy hafarako. Za tamin'io tsy nanafatra satria fantatro fa tsy nisy vola koa tany aminy. Ary ilay laoka laoka tsara be. Dia nanontaniako izy hoe fa maninona no nividy laoka enao. D ka nandray vola za hoy izy dia nividy laoka tsaratsara. Nefa izy tsy prévu ny haka vola amin'io andro io fa za no tokony haka ny lendemain.
Dia notantaraiko tamin'ny mamako ilay ramato mpangataka dia hoy izy hoe efa eo foana hono io ramato io fa izany ny azy no fomba fangatany, tsy mangataka tsotra fa mandainga. Fa tsy nanenenako ny nanome azy satria ilainy ilay izy matoa nasain'ny Tompo nomeko azy, ary nilainy plus que za nila ilay vola. Ary na dia ohatran'izany aza ny fahoriako, na dia nandainga aza ilay ramato, Ny Tompo ihany ny ahy no nojereko ka izay sitrany no sitrako ihany koa.
rhaj0:
Dia ho entina aiza ireo ? arentirenty ao @ "salle d'attente" hanintonana ny olona ho avy ao @ "salle d'attente" ?
Ny rakitrao raha ataonao am-pitiavana dia rakitrao any an-danitra (Mat6:19)
18. hery
(
14/05/2014 17:58)
Izaho indray aloha tsy dia kivy loatra amin'ilay fahazoana harena... fa ilay fampiasàna azy no tena mahakivy ahy.
Raha mahangona harena be (raha heverina hoe harena) ianao, dia inona avy eo no ataonao ho an'ny mpiara-belona aminao?

19. rhaj0
(
14/05/2014 18:28)
Raha ny fahitako azy, dia samy manome ny mahantra/ory/.. daholo na kristianina izy na tsy kristianina, na bodista izy na moslimo ... Dia ny tsirairay dia samy manondro "ny aingam-panahiny" eo ho arakaran'ny finoany ao. Fa rahefa atao ny kaonty farany dia samy manana fitserana, "compassion", foana rahefa (samy) olombelona.. (koa na ny biby aza angaha moa tsy manana fitserana ny zanany/namany/...)
Raha ny @ "rakitra" indray dia ... ilay fombafomba dia "rafitra" (systeme organisé...). Io moa safidin'ny mpanome rakitra ny hanome an'ilay "systeme".
Fa mbola misy "rafitra" izay matetika tsy takatry ny olona. Ny aty Amerika avaratra izao dia tsy mandoa hetra ny Fiangonana (mino aho fa toa izany koa ny any Dago). Volabe anie izany e.. Jereo eto fa efa amina milliards. Raha tranobe toa ny Eglizy izao no tranon'olon-tsotra, dia tokony handoa hetra-trano be izany. Ny hetran-trano anefa no hikarakarana ny lalàna sy rikan-drano (manodidina) ary koa misy atokana ho an'ny sekoly ao an-tanàna. Kepohin'ny Fiangonana daholo izany mille milliards izany.
Fa marina ihany ny an'i Hery. Ahoana no ampiasainy azy. Samy mahazo tax break na Fiangonana-manao-asa-soa, na ONG-manao-asa-soa. Mila zahavina hoe ampahiny firy @ azon'izy roa ireo no tena mandeha any @ mahantra... ary iza @izy roa ireo no mahomby @ fanampiany ny mahantra.. (ohatra izao, ny Masimbavy Teresa, dia nisy nitsikera, fa ny vola noangominy, nolazainy fa hananganana (karazana) hopitaly anie ka nisy (ary misimisy ihany) nalefa any Vatican)
(fa kefona foana fotsiny ny tena rahefa mahita ny volamena vatosoan-drizalahy, nefa ny mahantra lazainy fa hitserany miaina anaty helo)

20. toriteny
(
15/05/2014 04:15)
rhaj0:
Raha ny fahitako azy, dia samy manome ny mahantra/ory/.. daholo na kristianina izy na tsy kristianina, na bodista izy na moslimo ... Fa rahefa atao ny kaonty farany dia samy manana fitserana, "compassion", foana rahefa (samy) olombelona..
Tiako hamaly an'ito ianao: "Raha ianao ve no teo amin'ny toerako dia nanome ilay ramato ianao? Aza apetraka eto ny valiny fa tazomy ho anao fa tiako sincère fotsiny ianao mamaly
Tsy dia any amin'ilay compassion loatra ny tiako hahatongavana fa ny hoe efa 10 000fmg no hanananao sisa nefa mbola hasain'ny Tompo hanalana ihany ny 2 000fmg. Dia hanome Azy ve ianao?
Na raha avadika indray dia hoe raha manana 100 000 000 fmg ve ianao ka hangatahin'ny Tompo ny 20 000 000fmg dia omenao? Raha hiteny ianao hoe ie foiko ho Azy , enga anie ka ho izay ny valiteninao(fa aza atao eto hoa ilay valinteny),dia ataovy toy izay ihany koa ny rakitra.
Aza mijery akory ny mety hanaovana ilay vola hoe sao dia tsy hampiasaina à bon escient ary ilay izy avy eo fa ianao niteny ny Tompo dia nanatanteraka ianao, banjinina. Ilay ramato izany nandainga tamiko fa tsy nanenina aho satria matoa ni-insiste Izy dia ilain'ilay ramato iny vola iny. Fa ny fantatro fotsiny dia test ho ahy ilay izy voalohany hahalalany hoe hatraiza ny fitiavako Azy ary faharoa, misy programme'Andriamanitra ho an'ilay ramato ho an'iny vola iny ary mety hitondra azy ho any amin'ny Tompo izany