Miheritreritra ny ho any an-danitra

1. endriny ( 03/05/2014 20:52)
Sarotra ho ahy io raha ny finoana kristianina satria izaho tsy mazava fihodirana no sady tsy manana ra israelita... Araka ny voalaza ao amin'ny baiboly. Dia tsy ho any an-danitra aho izany....
novalian'i toriteny ny 09/05/2014 14:48
2. sitlo ( 05/05/2014 20:54)
Amidio daholo ny fanananao rehetra dia zarao ny mahantra fa hanana seza fiandrianana ianao any an-danitra.

Avy eo izy indray no tonga miteny fa mahantra fadiranovana ny malagasy. Ny an'azy angaha namidiny?
3. toriteny ( 08/05/2014 06:00)

endriny:

Sarotra ho ahy io raha ny finoana kristianina satria izaho tsy mazava fihodirana no sady tsy manana ra israelita... Araka ny voalaza ao amin'ny baiboly. Dia tsy ho any an-danitra aho izany....


Izao mitsy ry moustaraf ilay nahiako!!!! Lasa mihemotra ny olona amin'ny zavatra lazainao na dia tokony voavonjy aza.

endriny>>> Voavonjy ianao raha mikatsaka Azy amin'ny fonao rehetra. Fa efa tsy natokana ho an'ny Jiosy intsony ny famonjena (Ny Jiosy raha teo vitsy ihany no mino an'i Kristy ho ilay Messia) fa efa natokana ho an'izao tontolo izao, ho anao, ho ahy, ho an'ny rehetra na mainty na fotsy, na mavo, na mena, na marron, na lahy, na vavy

Hoy Jesosy aminao androany manantona fa Jao6: 37b :" izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy ."
4. rekinbelo ( 08/05/2014 10:30)
Fa nareo ngah sur fa hoany daolo? Za alo tsy mieritritra ny ho any mitsy e,ny ahy eto antany iany no andrasako. Sady tsy antsika no misafidy fa Azy izany de miandry e.
5. toriteny ( 08/05/2014 14:48)

rekinbelo:

Fa nareo ngah sur fa hoany daolo?
Sady tsy antsika no misafidy fa Azy izany de miandry e.


Anao no misafidy kah. Ny Anjaran'Andriamanitra efa vita efa ela be tamin'ny nahafatesan'i Jesosy teo amin'ny hazo fijaliana sy ny nitsangananay tamin'ny maty. Fa anjaran'ny tsirairay amin'izay izao no manam-pakevitra ny andray izany Famonjena izany na tsia.

rekinbelo:

Za alo tsy mieritritra ny ho any mitsy e,ny ahy eto antany iany no andrasako.

Hainao moa ny miandry ny olona tsy mankany an-danitra? Ny eto an-tany anie ho vita ihany e. vita vetivetika aza fa ny ampitsonao hanao ahoana?
6. rhaj0 ( 08/05/2014 18:39)
"Izay mahasoa ataon'Andriamanitra eeee..."

Asa izao io na ao anaty Baiboly indray na kolotoran'ny gasy fotsiny ihany.

Ka dia raha izaho manokana koa aloha dia ny miezaka ny manao ny tsara, manaja ny olona (sy ny safidiny) ary atao am-pitiavana daholo izay azo atao... Fa dia izay Ataony dia Ataony e... tsy iadiako hevitra na handaniako ron-doha (indrindra ny toriteny sy vavan'ny mpampitahotra) fa mahatoky aho fa ... "Izay mahasoa ataon'Andriamanitra eeee..."

Ary raha ny resaka nandalo teto, hoe ilay any an-danitra toa ny "etsy @ tribiona ofisialin'i Mahamasina", na "sezalava fiandrianana", na "volamena sy vatosoa", dia ... an an... aleoko ihany ho'a rey olona mavomavo ety ihany e... menatra aho manitsaka izany "opulence"-be nareo izany. (Izaho manokana izao TSY manana firavaka volamena na ny iray aza, tsy manana seza lava, mijery baolina atsy Ampamarinana, koa mainka fa ny hanitsaka an'izany volamena izany, higalabona @izany sezalava manjabe izany, na etsy @ tribiona ofisialy... aoka ho'a)
7. rekinbelo ( 09/05/2014 08:16)
Raha araka ny teniny toriteny zany de isika no mandidy an'Andriamanitra ve? tadidio fa teto an-tany Adama sy Eva no noforonina sy napetraka fa tsy tany an-danitra akory, ary nomena fahafahana hiaina mandrakizay eto an-tany, rehefa nota nefa izy mivady dia very io tombotsoa ahafahany hiaina mandrakizay io,kanefa ny tombony azontsika zanak'i Adama sy Eva indray dia ny naneken'i Jesosy Kristy hanavotra antsika noho ny ota, noho izany dia manana fahafahana iaina mandrakizay indray, tsy hoe hiaina mandrakizay any andanitra akory fa tamin'ny toerana nisy ireo RaRntsika voalohany ihany dia eto an-tany. Fa Jehovah Ray sy Jesosy Zanany indray no efa nisafidy ireo olona iaraka aminy any andanitra, izay hiasa fa tsy hoe andeha hitsangatsanana any akory.
Izay no nahatonga ahy mametraka iry fanontaniana ambony iry hoe isika olombelona kely ity ve no imposé an'Andriamanitra ny tokony ataony.
8. toriteny ( 09/05/2014 14:48)

rekinbelo:

tsy hoe hiaina mandrakizay any andanitra akory fa tamin'ny toerana nisy ireo RaRntsika voalohany ihany dia eto an-tany.


Tsy eto intsony no hianan'ny olom-boavonjy ka. Efa hofohanana ito tany ito:
-Apo21:1"Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho ; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany , ary ny ranomasina dia tsy misy intsony."

-2Pet3:13"kanefa isika , araka ny teny fikasany , dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao , izay itoeran'ny fahamarinana."

-Jao 14:2 :"Ao an-tranon'ny Raiko misy fitoerana maro ; raha tsy izany , dia efa nilaza taminareo Aho ; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho ."

-Jao14:3 "Ary raha handeha hamboatra fitoerana hoa anareo Aho , dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko , ka izay itoerako no hitoeranareo koa ."

rekinbelo:

Fa Jehovah Ray sy Jesosy Zanany indray no efa nisafidy ireo olona iaraka aminy any andanitra, izay hiasa fa tsy hoe andeha hitsangatsanana any akory.

Tsy hoe misy olona voavonjy hipetraka eto dia misy olona voavonjy ho any an-danitra. Ny olom-boavonjy miaraka amin'i Jesosy any an-danitra avokoa fa tsy misy mijanona eto izany.
Ka tsy mandidy an'Andriamanitra ianao izany raha mangetaheta ny ho vonjena satria ny hamonjy ny olona rehetra no nahafatesan'i Jesosy ka satriny aza ny olon-drehetra no hiaraka Azy any. Fa ny olona mihitsy no miavona tsy mandray ny Famonjena natolony
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2313