Miteny ratsy ny Fanahy Masina ?

1. niryna ( 28/11/2012 17:35)
Miarahaba antsika rehetra indray ny tenako.Misy resaka mba tiana sy tsara ho fantatry ny rehetra ity.Aminao inona no filazana na dikan'ny hoe "Miteny ratsy ny Fanahy Masina" na Blasphemy amin'ny teny anglisy na blasphème amin'ny teny frantsay

Misaotra antsika rehetra
répondu par leva2 le 07/12/2012 17:56
2. leva2 ( 28/11/2012 20:06)

niryna:

Miarahaba antsika rehetra indray ny tenako.Misy resaka mba tiana sy tsara ho fantatry ny rehetra ity.Aminao inona no filazana na dikan'ny hoe "Miteny ratsy ny Fanahy Masina" na Blasphemy amin'ny teny anglisy na blasphème amin'ny teny frantsay

Misaotra antsika rehetra

Velona Jesosy

Marka 03/28-29 :
3.28 Lazaiko aminareo marina tokoa: Hahazo famelan-keloka ny zanak'olombelona amin'ny ota rehetra sy ny fitenenan-dratsy* rehetra izay ataony; [*Gr.blasfemia; izahao Mat. 9.3]

3.29 fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy mahazo famelan-keloka mandrakizay, fa miendrika hohelohina ny amin'ny ota mandrakizay izy; izany no nolazainy,

Mazotoa daholo e
3. RBNIR ( 29/11/2012 07:27)
niryna:

Miarahaba antsika rehetra indray ny tenako.Misy resaka mba tiana sy tsara ho fantatry ny rehetra ity.Aminao inona no filazana na dikan'ny hoe "Miteny ratsy ny Fanahy Masina" na Blasphemy amin'ny teny anglisy na blasphème amin'ny teny frantsay
Misaotra antsika rehetra

Faly miarahaba namana Niryna,
Fanahy Masina no ao anatin'ilay olona nefa lazainao fa tsy Izy fa fanahy hafa na mihitsy aza hoe lazainao fa devoly,
Am-pitiavana namana tadidio mandrakariva ireo teny natolotry ny namantsika leva2 ireo fa dia marina dia marina tokoa,
Rehefa tsy fantatra dia tena conseil d'amis no omeko: ALEO MANGINA,

Samia ho tahin'ny Tompo namana
4. didi10 ( 29/11/2012 10:13)

niryna:

Miarahaba antsika rehetra indray ny tenako.Misy resaka mba tiana sy tsara ho fantatry ny rehetra ity.Aminao inona no filazana na dikan'ny hoe "Miteny ratsy ny Fanahy Masina" na Blasphemy amin'ny teny anglisy na blasphème amin'ny teny frantsay

Misaotra antsika rehetra

O ry Niryna, raha maheno olona miteny ratsy ve ianao ka hitantara ny zavatra nataony dia averinao koa ilay teny noteneniny?
5. bor2lais ( 30/11/2012 08:59)
RBNIR:

Fanahy Masina no ao anatin'ilay olona nefa lazainao fa tsy Izy fa fanahy hafa na mihitsy aza hoe lazainao fa devoly,
Am-pitiavana namana tadidio mandrakariva ireo teny natolotry ny namantsika leva2 ireo fa dia marina dia marina tokoa,
Rehefa tsy fantatra dia tena conseil d'amis no omeko: ALEO MANGINA,

Dia ahoana ilay hoe "zahao toetra ny fanahy" ? Ny fahanginana dia mety misy mandika fanekena ihany koa a ! :-)
6. mirananirina ( 30/11/2012 11:47)
Zany fanahy masina izany ve dia hiteny ratsy? Sa izaho no tsy mahazo resaka, efa hoe masina fa tsy hoe fanahy ratsy!
7. Ilo ( 30/11/2012 12:23)
mirananirina> tsy hoe ny Fanahy Masina no miteny ratsy fa ny olona no miteny ratsy ny Fanahy Masina. Ary izay miteny ratsy ny Fanahy masina no lazaina hoe tsy mahazo famelan-keloka mandrakizay.

Avy aiza moa ny famelan-keloka?
"Ary amin’izany dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesoa." Romana 8.1

Amiko manokana, ny olona "miteny ratsy ny Fanahy Masina" dia izay mandà ny asany.
Inona moa no asan'ny Fanahy Masina voalohany indrindra?
"Koa mampahafantatra anareo aho fa tsy misy olona ampitenenin'ny Fanahin'Andriamanitra ka manao hoe: Voaozona Jesosy; ary tsy misy mahay manaiky hoe: Jesoa no Tompo, raha tsy amin'ny Fanahy Masina."I Korintiana 12.3
8. bor2lais ( 30/11/2012 12:38)
Araka ny fandraisako ny voalazan'ny namana Ilo io izany dia ny tsi-finoana no antsoina hoe miteny ratsy ny Fanahy Masina ! :-)
9. Nehemiah ( 01/12/2012 08:40)
Miarahaba anareo rehetra. Mba te-hamaritra tsara fa ny Fanahy Masina no ifandraisantsika amin'Andriamanitra, izy no manova antsika ho afaka manao izay tian'Andriamanitra. Ka raha izy no tenenintsika ratsy dia tsy misy fomba ahazoantsika mifandray amin'Andriamanitra intsony. Ny tena dikan'ny miteny ratsy ny Fanahy Masina dia ny ambaran'ny teny frantsay hoe "endurcissement" Vakio anie ny Heb. 10:26-29 :
"26 Fa raha minia manota isika rehefa nahazo ny fahalalana tsara ny marina, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony,
27 fa fiandrasana mahatahotra amin’ ny fitsarana ary fahatezerana mirehitra izay handany ny fahavalo rehetra kosa.
28 Izay manohitra ny lalàn’ i Mosesy dia maty amin’ ny tenin’ ny vavolombelona roa na telo ka tsy asiana famindrampo;
29 manao ahoana kosa ary no hamafin’ ny fampijaliana ataonareo tokony hihatra amin’ izay nanitsaka ny Zanak’ Andriamanitra ka nanao ny ran’ ny fanekena izay nanamasinana azy ho zavatra tsy masina sady naniratsira ny Fanahin’ ny fahasoavana?"

Ao koa ny ohatry ny Zanak'Israely izay tsy nitsahatra nikomy tamin'Andriamanitra noho ny hamafisan-dohany, ka farany dia nanapa-kevitra fa tsy hiditra amin'ny fitsaharany mihitsy izy ireo fa ny zanany no hiditra amin'ny tany Kanana.
Ny manao blasfemia amin'ny Fanahy Masina dia ny manamafy ny fo mba tsy andairan'ny Fanahy Masina. Izay no nahatonga an'i Jesoa nampitandrina ny Fariseo.

Misy mpino sasany matahotra manota ny Fanahy Masina fa zavatra tokony tsy atahorana izany satria tsy maintsy minia ianao vao mahavita manota ny Fanahy Masina.
10. mirananirina ( 01/12/2012 13:14)

Ilo:

mirananirina> tsy hoe ny Fanahy Masina no miteny ratsy fa ny olona no miteny ratsy ny Fanahy Masina. Ary izay miteny ratsy ny Fanahy masina no lazaina hoe tsy mahazo famelan-keloka mandrakizay.

Avy aiza moa ny famelan-keloka?
"Ary amin’izany dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesoa." Romana 8.1

Amiko manokana, ny olona "miteny ratsy ny Fanahy Masina" dia izay mandà ny asany.
Inona moa no asan'ny Fanahy Masina voalohany indrindra?
"Koa mampahafantatra anareo aho fa tsy misy olona ampitenenin'ny Fanahin'Andriamanitra ka manao hoe: Voaozona Jesosy; ary tsy misy mahay manaiky hoe: Jesoa no Tompo, raha tsy amin'ny Fanahy Masina."I Korintiana 12.3

Ilo hihi misy heviny 2 ny fandraisana ilay teny izany koa,
11. bor2lais ( 01/12/2012 13:33)
Manitikitika ahy io tenin'i mirananirina hoe "misy heviny 2" io !
Nehemiah:

Ny tena dikan'ny miteny ratsy ny Fanahy Masina dia ny ambaran'ny teny frantsay hoe "endurcissement"

Toa voalaza koa raha tsy diso aho fa mety Andriamanitra mihitsy no manao io "endurcissement" io amin'ny olona iray, ka ity lazaiko ity ve misy ifandraisan'ilay "endurcissement" lazain'i Nehemiah ? :-)
12. Nehemiah ( 01/12/2012 14:05)
Nehemiah:

Ny tena dikan'ny miteny ratsy ny Fanahy Masina dia ny ambaran'ny teny frantsay hoe "endurcissement"

Toa voalaza koa raha tsy diso aho fa mety Andriamanitra mihitsy no manao io "endurcissement" io amin'ny olona iray, ka ity lazaiko ity ve misy ifandraisan'ilay "endurcissement" lazain'i Nehemiah ? :-)
[/quote]

Ny nanaovan'i Andriamanitra an'i Faraona ve no tianao lazaina ? Rehefa jerevana ny Romanina 1:24-27 izay miresaka momba ny anaovan'Andriamanitra an'ireo mpanompo sampy izay mahita mibaribary fa misy i Andriamanitra Andriananahary mahay ny zava-drehetra @ zavaboary nefa tsy manome voninahitra azy fa ny voary indray no tompoany, dia izao no lazainy :
"Ary izany no nanoloran’ Andriamanitra azy tamin’ ny filan’ ny fony ho amin’ ny fahalotoana, dia ny nifanalany voninahitra tamin’ ny tenany avy;
25 ary ny fahamarinan’ Andriamanitra dia nosoloany lainga, ka nanaja sy nanompo ny zavatra natao izy, fa tsy ny Mpanao, Izay isaorana mandrakizay. Amena.
26 Izany no nanoloran’ Andriamanitra azy ho amin’ ny filan-dratsy mahavoafady; fa ny vehivavy tao aminy nanova ny fanaony ho amin’ izay tsy fanaony;
27 ary tahaka izany koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin’ ny vehivavy izy ka maimay tamin’ ny fifampilany samy lehilahy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin’ ny tenany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany."

Avelan'Andriamanitra hanao ny ataony izany izy ireo. "Te-hanao izay tianao atao izany ianao ? Tsy mila ahy mihitsy ianao ? Andao ary. Jinjao izay nafafinao ho an'ny fahaverezana." Tsy dia hoe tarihin'Andriamanitra @ "endurcissement" ny olona, fa avelany hanamafy ny fony.
13. Ilo ( 03/12/2012 13:29)
Raha ny fahazoako azy dia :
1-Ireo olona izay efa ao @ Kristy ka mbola minia manota ihany dia mahazo kapoka fa ny fanahiny tsy ho very "...hanolotra izany anankiray izany ho an'i Satana hanimbana ny nofo, mba hamonjena ny fanahy amin'ny andron'i Jesoa Tompo."I Kor 5.5
2-Misy ny olona izay tsy mpino sy manamafy fo ka avelan'Andriamanitra @ safidiny sy ny fahaverezana mandrakizay
14. bor2lais ( 03/12/2012 14:38)
Hoy ilay namana iray izay raha nanazava ny momba an'io :
Raha tsy mino ny Ray ny olona dia mbola teo ny Zanaka namonjy azy, raha tsy mino ny Zanaka izy dia mbola manana ny Fanahy Masina ampahatsiaro azy ny asam-pamonjena nataon'ny Zanaka, fa raha tsy mino ny Fanahy Masina kosa izy dia tsy misy "solution" intsony ! :-)
15. RBNIR ( 03/12/2012 14:39)
Ilo:

Raha ny fahazoako azy dia :
1-Ireo olona izay efa ao @ Kristy ka mbola minia manota ihany dia mahazo kapoka fa ny fanahiny tsy ho very "...hanolotra izany anankiray izany ho an'i Satana hanimbana ny nofo, mba hamonjena ny fanahy amin'ny andron'i Jesoa Tompo."I Kor 5.5
2-Misy ny olona izay tsy mpino sy manamafy fo ka avelan'Andriamanitra @ safidiny sy ny fahaverezana mandrakizay

Faly miarahaba namana isany,
Ilay miteny ratsy ny Fanahy Masina dia tena miteny ratsy ara-bakiteny io : Fanahy Masina no ao amin'ilay olona nefa lazaina fa fanahy hafa na fanahin'ny devoly,
Izany hoe manohitra na mandà fa Fanahy Masina no ao amin'ilay olona.
Izay manao izany dia tsy hahazo famelan-keloka mandrakizay (araka ny Teny natolotry ny namantsika leva2.

Raha ny fidirana ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra (na ao amin'ny fiainanana mandrakizay) kosa indray dia voafehin'ity teny manaraka ity:
« Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Mat.7:21)

Izay tsy ho tafiditra ao kosa dia ampalahelo satria araka ny voasoratra ao amin'ny Mat.25:46 « Ary ireo dia hiala ho any amin'ny fampijaliana mandrakizay; fa ny marina ho any amin'ny fiainana mandrakizay. » dia anjara 2 ihany no voatendry ho an'ny olona: na hotafiditra ao amin'ny fanjakany na ho any amin'ny fampijaliana mandrakizay.

Mila mahay misafidy tsara: vahaolona : manao ny SITRAPONY rehetra.

Samia ho tahin'ny Tompo daholo,
16. Nehemiah ( 03/12/2012 15:15)

RBNIR:

Raha ny fidirana ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra (na ao amin'ny fiainanana mandrakizay) kosa indray dia voafehin'ity teny manaraka ity:
« Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Mat.7:21)

Nefa inona moa no sitrapon'ny Ray ? Voavaly @ Jao. 6:40 izany :
"Fa izao no sitrapon’ ny Raiko, dia ny hahazoan’ izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ ny andro farany"
17. bor2lais ( 03/12/2012 15:34)
RBNIR:

Ilay miteny ratsy ny Fanahy Masina dia tena miteny ratsy ara-bakiteny io : Fanahy Masina no ao amin'ilay olona nefa lazaina fa fanahy hafa na fanahin'ny devoly,
Izany hoe manohitra na mandà fa Fanahy Masina no ao amin'ilay olona.
Izay manao izany dia tsy hahazo famelan-keloka mandrakizay (araka ny Teny natolotry ny namantsika leva2.

Tsy maintsy farafaharatsiny misy olona roa miresaka izany vao misy ny atao hoe "miteny ratsy ny Fanahy Masina" ? :-)
Ary raha ilay iray heverinao fa miteny ratsy ny Fanahy Masina no manana ny marina, dia ahoana ? ;-)
18. RBNIR ( 03/12/2012 15:45)

bor2lais:

Mbola faly misera hatrany namana,
Ho fanamarinana ny zavatra teneniko dia andeha hovakiana manomboka ny Mar.3:21-29 « Ary ny havany, raha nandre, dia nivoaka hihazona Azy; fa hoy ireo: Efa very saina Izy. »
« Ary ny mpanora-dalàna izay nidina avy tany Jerosalema dia nanao hoe: Manana an'i Belzeboba Izy, sy hoe: Ny lohan'ny demonia no amoahany ny demonia. » « Ary rehefa niantso ireo hankeo aminy Izy, dia nanao fanoharana taminy hoe: Hataon'i Satana ahoana no famoaka an'i Satana? » « Fa raha misy fanjakana miady an-trano, dia tsy haharitra izany fanjakana izany. »« Ary raha misy mpiray trano miady an-trano, dia tsy haharitra izany mpiray trano izany. »« Ary raha Satana no mitsangana hanohitra ny tenany ka miady an-trano, dia tsy haharitra izy, fa ho rava ny heriny. » « Kanefa tsy misy olona afaka miditra ao an-tranon'ny mahery ka handroba ny entany, raha tsy afatony aloha ilay mahery, dia vao robainy ny ao an-tranony. »« Lazaiko aminareo marina tokoa: Hahazo famelan-keloka ny zanak'olombelona amin'ny ota rehetra sy ny fitenenan-dratsy* rehetra izay ataony;[*Gr.blasfemia; izahao Mat. 9.3] » « fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy mahazo famelan-keloka mandrakizay, fa miendrika hohelohina ny amin'ny ota mandrakizay izy; izany no nolazainy, »
Arak'ireo teny ireo dia niainga avy tamin'ny fitenenan-dratsy an'i Jesosy ny resaka, dia tahaka izay koa rehefa hiasa ao amin'ny olona iray ilay Fanahy Masina dia hisy hanao amin'ilay olona hoe : fanahy mamitaka io, na hoe fanahin'ny demony fa aza mino na mety ataony hoe olona adala ireo fa aza mihaino.

Ny Tompo anie hanazava ny sain'ny tsi11.

Averimberiko foana : rehefa tsy mahafantatra ALEO MANGINA.

Samia ho tahin'ny Tompo namana,

19. bor2lais ( 03/12/2012 16:58)
RBNIR:

Arak'ireo teny ireo dia niainga avy tamin'ny fitenenan-dratsy an'i Jesosy ny resaka, dia tahaka izay koa rehefa hiasa ao amin'ny olona iray ilay Fanahy Masina dia hisy hanao amin'ilay olona hoe : fanahy mamitaka io, na hoe fanahin'ny demony fa aza mino na mety ataony hoe olona adala ireo fa aza mihaino.

Ka araka ny voalazanao anie niainga avy tamin'ny tsi-finoan'ny fariseo an'i Jesoa io resaka io e ! :-)
Miala tsiny aminao fa ny olon-kafa tsy i Jesoa akory ary izany amiko no ilana ny fizahana toetra ny fanahy ao aminy ! ;-)

Mety omaly ny Fanahy Masina no niasa tao aminy fa androany fanahy hafa ! Tadidio i Petera !!

Asa fa fandraisako azy ihany anefa izay ! :-)
20. RBNIR ( 04/12/2012 09:55)
bor2lais:

Mety omaly ny Fanahy Masina no niasa tao aminy fa androany fanahy hafa ! Tadidio i Petera !!

Faly miarahaba namana,
I Petera tamin'ny nandaviny in 3 an'i Tompo mbola tsy nanana Fanahy Masina namana,
Mbola velona Jesosy ary mbola tsy nozarainy ny Fanahy Masina:
« Fa Izaho milaza ny marina aminareo; mahatsara anareo ny fialàko; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy aminareo ny Mpananatra*; fa raha handeha Aho, dia hirahiko hoy aminareo Izy.  » (Jao.16:7)
Tany amin'ny Asan'ny apostoly toko faha 2 vao nizara Fanahy Masina ny Tompo.

Izay ihany koa no entiko hanairana ny saintsika. Tsy hoe rehefa mino an'i Jesosy Tompo dia afaka hiarahaba tena hoe manana ny Fanahy Masina fa misy marika hahafantarana azy ny olona mandray ny Fanahy Masina.

« Ny rivotra mitsoka amin'izay tiany, ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay ihaviany na izay alehany, dia tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy. » (Jao.3:8)

Arak'io teny io dia ny olona mandray ny Fanahy Masina dia misy fahatsapana raisiny . Ary afaka hilaza ilay olona rehefa avy eo hoe tena Vita Batisa tamin'ny Fanahy Masina aho.

« dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo. » (Jao.14:17)

Zava-miafina ny fanomezam-pahasoavana sy ny tontolon'ny Fanahy ry namana isany .

Izay nitranga tamin'ny andro pentekosta (hitanao ery ambony asan'ny apostoly toko faha 2) dia mbola mitranga ankehitriny.

Averimberiko hatrany (ALEO MANGINA REHEFA TSY MAHAFANTATRA).

Ny Tompo anie hitahy antsika rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.012