Miteny ratsy ny Fanahy Masina ?

21. Ilo ( 04/12/2012 11:58)
RBNIR:

Izay ihany koa no entiko hanairana ny saintsika. Tsy hoe rehefa mino an'i Jesosy Tompo dia afaka hiarahaba tena hoe manana ny Fanahy Masina fa misy marika hahafantarana azy ny olona mandray ny Fanahy Masina.

mety misy zany olona aminao efa nandray an'i Kristy ho Tompo sy Mpamonjy azy kanefa tsy manana ny Fanahy masina?
Araka ny Romana 10.9-10 izay milaza hoe "satria raha manaiky an'i Jesoa ho Tompo amin'ny vavanao ianao ary mino amin'ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin'ny maty, dia hovonjena ianao. Fa amin'ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin'ny vava no anekena hahazoana famonjena."
Kanefa araka ny tenin'Andriamanitra izay nozaraiko tetsy ambony dia hoe "...tsy misy mahay manaiky hoe: Jesoa no Tompo, raha tsy amin'ny Fanahy Masina."I Korintiana 12.3
Tsy mifanohitra @ tenin'Andriamanitra ve izany hevitrao izany?

Hoy koa ianao hoe:

Averimberiko hatrany (ALEO MANGINA REHEFA TSY MAHAFANTATRA).

Ataoko kosa fa samy manana ny maharesy lahatra azy io, samy mamakafaka sy mandinika ny Soratra Masina ka aleo tsy ferana hangina fa mba afaka hifampizara
II Timoty 3.16-17 "Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon'Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin'ny asa tsara rehetra."

Tahian'ny Tompo! :)
22. bor2lais ( 04/12/2012 12:19)
RBNIR > miala tsiny fa référence hafa mikasika an'i Petera kay no noraisinao fa tsy ilay noheveriko fa fantatrao ka mifanaraka amin'ity resaka ity ! ;-)

Ny tiako lazaina dia :
- vao "omaly" izy (Petera) no nanao ilay "profession de foi" ka nilazan'i Jesoa taminy fa "tsy nofo aman-drà no naneho azy izany ..." , amin'i RBNIR izany ve tsy Fanahy Masina no tao aminy (Petera) tamin'io ? ;-)
- nefa ny "ampitso" dia tratran'ilay hoe "mankanesa ato ivohoko ry Satana", eto indray fanahy inona no tao aminy araka ny fiheveran'i RBNIR ? :-)
23. RBNIR ( 04/12/2012 15:03)
Dia mbola faly misera hatrany namana isany,
Ho an'ny namanantsika ilo sy bor2lais,
Mitovitovy ny valiteninareo ka dia atambatro ho iray,
Aza afangaro ny hoe "hampitenen'ny Fanahin'Andriamanitra" sy ny hoe mandray ny Batisan'ny Fanahy Masina,
Zavatra 2 samihafa izany,
Na dia olona tsy mino an'Andriamanitra aza afaka hampitenen'ny Fanahy Masina rehefa ilain'Andriamanitra izany.
Ohatra i Kaiafa mpisoronabe izay naminany ka nilaza hoe :
« Ary ny anankiray taminy, dia Kaiafa, mpisoronabe tamin'izany taona izany, nanao taminy hoe: Hianareo tsy mahalala na inona na inona, » (Jao.11:49)
« na misaina akory fa tsara ho anareo, raha ny lehilahy iray no ho faty hamonjy ny firenena, mba tsy ho rava avokoa ity firenena ity. » (Jao.11:50)
« Ary tsy niteny izany ho azy izy, fa satria mpisoronabe tamin'izany taona izany izy, dia naminany fa Jesosy ho faty hamonjy ny firenena; » (Jao.11:51)
« ary tsy hamonjy io firenena io ihany, fa mba hanangona ny zanak'Andriamanitra izay efa niely ho antoko iray. » (Jaona 11:52)
« Koa hatramin'izany andro izany dia nihendry hahafaty Azy ireo. » (Jaona 11:53)
Eto dia voalaza fa "NAMINANY" i Kaiafa mpisorona be,

Ny mandray ny batisan'ny Fanahy Masina kosa dia mitovy tamin'ny ao amin'ny asan'ny apostoly toko faha 2.

Samia ho tahin'ny Tompo namana isany



Samia ho tahin'ny Tompo namana
24. RBNIR ( 04/12/2012 15:33)
Aleo mihitsy adikako eto ny dikateny frantsay amin'ilay jao.11:51 hampahazava ny tiako ambara.
Il ne dit pas cela de lui-méme; mais étant grand prétre cette année-là, il prophétisa que Jésus devait mourir pour la nation;
I Kaiafa no nampamono an'i Jesosy nefa dia tamin'ny alalan'ny Faminaniana (noho izy mpisorona B ). (Mat.7:21-23 tsy voatery hiditra any amin'ny fanjakan'ny lanitra ny mpaminany).

Tsy voatery hoe manana ny Batisan'ny Fanahy Masina ny olona vao hahalala ny hevitry ny Soratra Masina.
Jereo fotsiny Petera efa nahalala fa Kristy i Jesosy (mat.16:16) nefa mbola tsy vita batisan'ny Fanahy Masina izy tamin'izay.
Tsy mitovy ny hoe ampitenenin'ny Fanahin'Andriamanitra sy ny hoe vita Batisan'ny Fanahy Masina.

Samia ho tahin'ny Tompo daholo
25. Nehemiah ( 05/12/2012 08:53)
Angamba mila fanitsiana kely ity resaka ity satria ohatran'ny lasa any @ tsy izy indray ny resaka.
Raiso ny ohatr'i Mosesy izay namely ny vato indroa @ Nomery 20. Tandidon'i Kristy izay nokapohan'Andriamanitra mba hiboiboika ny rano mahavelona, izany hoe ny fiainana mandrakizay, ny vato. Nanota t@ Fanahy Masina i Mosesy satria noveleziny in2 ilay vatolampy(nefa efa hoe velezo INDRAY MANDEHA) ka tahaky ny hoe averina @ hazofijaliana i Kristy. Nohon'izay dia tsy nahazo niditra t@ tany Kanana i Mosesy, na dia niantra ohatry ny inona aza i Mosesy.
Ao koa ny laingan'i Ananiasy sy Safira (Asa 5:1-12) izay "nisoloky" tamin'ny Fanahy Masina, ka nanao tsinontsinona Azy. Inona no vokany ? Maty teo noho eo izy mivady. Ny tena manota ny Fanahy Masina dia hazavain'ny Heb. 6:4-8 tsara :
"Fa izay efa nohazavaina indray mandeha sady efa nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra sy efa nandray ny Fanahy Masina
5 ary efa nanandrana ny teny tsaran’ Andriamanitra sy ny herin’ ny fiainana ho avy,
6 nefa nihemotra, dia tsy azo havaozina indray ho amin’ ny fibebahana, satria manombo ny Zanak’ Andriamanitra indray amin’ ny hazo fijaliana ka manao Azy ho fahamenarana.
7 Fa izay tany mifoka ny ranonorana milatsaka aminy matetika ka maniry anana tsara ho an’ ny olona iasana azy dia mahazo fitahiana avy amin’ Andriamanitra;
8 fa izay maniry tsilo sy songosongo kosa dia lavina sady akaikin’ ny ozona, ary ny hiafarany dia ny hodorana."
Izay no nahatonga an'i Jesoa nampitandrina ny Fariseo : Rehefa hita ny fahendren'Andriamanitra dia mazava ho an'ny rehetra fa tsara ny asany, fa izay mbola mahita ilazàna azy ho asan'ny devoly dia "akaikin’ ny ozona".

Mba te-hanamarika koa aho fa tsy maintsy mitandrina antsika, satria làlana mankany @ jadona ara-panahy (despotisme spirituel) io : raha heverina ho miteny @ anaran'ny Andriamanitra Fanahy Masina ny olona iray dia afaka mametraka izay fitsipika tiany, na dia mifanohitra tanteraka @ Tenin'Andriamanitra sy ny Filazantsaran'i Kristy aza. Ohatr'izay no nahavitan'ny Fiangonana Katolika nanao jadona ara-panahy t@ Moyen-Âge, ary ohatr'izay no ataon'ny mpitondra sekta @'izao fotoana izao mba hitazomany ny mpanaraka azy ireo ao anatin'ny aizina ara-panahy. Aoka antsika hahatadidy an'i 1 Jn 4:1-3 :
"Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin’ Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin’ izao tontolo izao.
2 Izao no ahafantaranareo ny Fanahin’ Andriamanitra: Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin’ ny nofo Jesosy Kristy no avy amin’ Andriamanitra;
3 ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an’ i Jesosy dia tsy mba avy amin’ Andriamanitra; ary izany no fanahin’ ny antikristy, izay efa renareo fa ho avy, sady efa eo amin’ izao tontolo izao sahady izy."
26. Miharena ( 05/12/2012 13:59)
Miarahaba ny namana indray.

Raha ilay fanontaniana apetrak'i Niryna no jerena dia misy teny efa mahavaly azy ao anaty Baiboly ary efa nalefan'ny rehetra teo.

Ny hany mbola tsy tafiditra teto dia ny momba ny hoe inona marina ilay Fanahy Masina?

Mazava fa izay mampiteny ani' Jesosy no IZY. Ary io no napitaina tamin'ny mpianatra nahafahann'y Mpianatra nitory teny rehefa niakatra Jesosy.

Ny azo lazaina momba ny Fanahy Masina dia izay tsy manana fiovan-kevitra fa mahitsy mandrakariva ny asany sy ny fomba fijeriny ny momba an'Andriamanitra Ray mampiteny azy na i Krsity mampiteny azy toa an'i Paoly izay nilaza fa i Kristy no velona ao anatiny.

Rehefa mahatsapa isika fa manana io hitsi-piheverana io momba ny Fanahy Masina miasa ao anaty dia IRAY TENY amin'i Kristy.

Ahoana kosa ilay hoe miteny ratsy?
Ny fitsarana tsy araka ny tokony ho izy ny seho ara-panahy hahitana ny asan'n yFanahy Masina no tiana lazaina eto.
Ny mahatonga izany dia lazaina fa référansa izay hevitra fantatr'olombelona. Izayfantatr'Andriamanitra no torian'i Kristy, ary mivoaka amin'y zava-pantary ny olombelona tamin'izany fotoana izany. Izay no nilazàny fa Belzobota no miteny ao amin'i Jesoa.
Izay zavatra tsy mifanaraka amin'ny standard mahaolombelona no lazainy fa devoly eto.

Fehiny: Mrina ny tenin'ny namana nilaza hoe : aleo MANGINA aloha fa tsy mitsara avy hatrany rahafa tsy ampy fahalalàna indrindra indrindra.
27. bor2lais ( 06/12/2012 16:00)
RBNIR:

Tsy mitovy ny hoe ampitenenin'ny Fanahin'Andriamanitra sy ny hoe vita Batisan'ny Fanahy Masina.

Tsy azoko ny fifandraisan'io lazainao io amin'ny zavatra nolazaiko etsy ambony ! :-)
28. niryna ( 07/12/2012 04:50)

leva2:


niryna:

Miarahaba antsika rehetra indray ny tenako.Misy resaka mba tiana sy tsara ho fantatry ny rehetra ity.Aminao inona no filazana na dikan'ny hoe "Miteny ratsy ny Fanahy Masina" na Blasphemy amin'ny teny anglisy na blasphème amin'ny teny frantsay

Misaotra antsika rehetra


Velona Jesosy

Marka 03/28-29 :
3.28 Lazaiko aminareo marina tokoa: Hahazo famelan-keloka ny zanak'olombelona amin'ny ota rehetra sy ny fitenenan-dratsy* rehetra izay ataony; [*Gr.blasfemia; izahao Mat. 9.3]

3.29 fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy mahazo famelan-keloka mandrakizay, fa miendrika hohelohina ny amin'ny ota mandrakizay izy; izany no nolazainy,

Mazotoa daholo e
tsy mazava ny hevitrao e.Izaho angaha niteny kosa hoe aiza ao amin'ny baiboly no misy ny teny hoe "miteny ratsy ny Fanahy Masina? '
29. niryna ( 07/12/2012 04:54)
niryna:

Miarahaba antsika rehetra indray ny tenako.Misy resaka mba tiana sy tsara ho fantatry ny rehetra ity.Aminao inona no filazana na dikan'ny hoe "Miteny ratsy ny Fanahy Masina" na Blasphemy amin'ny teny anglisy na blasphème amin'ny teny frantsay
Misaotra antsika rehetra
RBNIR:

Faly miarahaba namana Niryna,
Fanahy Masina no ao anatin'ilay olona nefa lazainao fa tsy Izy fa fanahy hafa na mihitsy aza hoe lazainao fa devoly,

Tsy azoko ny tianao tenenina.Io ve no fanazavana ny dikan'ny hoe " miteny ratsy ny FM " Atao mazava kosa e,tsy niteny tamin'ny olona aho hoe fanahy hafa no ao na devoly ,sa izaho no tsy mahazo resaka?

Am-pitiavana namana tadidio mandrakariva ireo teny natolotry ny namantsika leva2 ireo fa dia marina dia marina tokoa,
Rehefa tsy fantatra dia tena conseil d'amis no omeko: ALEO MANGINA,

Samia ho tahin'ny Tompo namana

izay ve no dikan'ny miteny ratsy ny FM?
30. niryna ( 07/12/2012 04:56)



niryna:

Miarahaba antsika rehetra indray ny tenako.Misy resaka mba tiana sy tsara ho fantatry ny rehetra ity.Aminao inona no filazana na dikan'ny hoe "Miteny ratsy ny Fanahy Masina" na Blasphemy amin'ny teny anglisy na blasphème amin'ny teny frantsay

Misaotra antsika rehetra
didi10:


O ry Niryna, raha maheno olona miteny ratsy ve ianao ka hitantara ny zavatra nataony dia averinao koa ilay teny noteneniny?
io indray aza didi10 fa HS indray
31. niryna ( 07/12/2012 04:58)

mirananirina:

Zany fanahy masina izany ve dia hiteny ratsy? Sa izaho no tsy mahazo resaka, efa hoe masina fa tsy hoe fanahy ratsy!
angaha ny FM no miteny ratsy fa tsy ny olona no miteny ratsy ny FM ? dia io no fanontaniana hoe inona izany miteny ratsy ny FM izany?
32. niryna ( 07/12/2012 04:59)

Ilo:

mirananirina> tsy hoe ny Fanahy Masina no miteny ratsy fa ny olona no miteny ratsy ny Fanahy Masina. Ary izay miteny ratsy ny Fanahy masina no lazaina hoe tsy mahazo famelan-keloka mandrakizay.

Avy aiza moa ny famelan-keloka?
"Ary amin’izany dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesoa." Romana 8.1

Amiko manokana, ny olona "miteny ratsy ny Fanahy Masina" dia izay mandà ny asany.
Inona moa no asan'ny Fanahy Masina voalohany indrindra?
"Koa mampahafantatra anareo aho fa tsy misy olona ampitenenin'ny Fanahin'Andriamanitra ka manao hoe: Voaozona Jesosy; ary tsy misy mahay manaiky hoe: Jesoa no Tompo, raha tsy amin'ny Fanahy Masina."I Korintiana 12.3
efa manomboka mazavazava kely fa misaotra e
33. niryna ( 07/12/2012 05:00)

bor2lais:

Araka ny fandraisako ny voalazan'ny namana Ilo io izany dia ny tsi-finoana no antsoina hoe miteny ratsy ny Fanahy Masina ! :-)
mety ho tafiditra kely ihany e,sa ahoana
34. niryna ( 07/12/2012 05:04)

Nehemiah:

Miarahaba anareo rehetra. Mba te-hamaritra tsara fa ny Fanahy Masina no ifandraisantsika amin'Andriamanitra, izy no manova antsika ho afaka manao izay tian'Andriamanitra. Ka raha izy no tenenintsika ratsy dia tsy misy fomba ahazoantsika mifandray amin'Andriamanitra intsony. Ny tena dikan'ny miteny ratsy ny Fanahy Masina dia ny ambaran'ny teny frantsay hoe "endurcissement" Vakio anie ny Heb. 10:26-29 :
"26 Fa raha minia manota isika rehefa nahazo ny fahalalana tsara ny marina, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony,
27 fa fiandrasana mahatahotra amin’ ny fitsarana ary fahatezerana mirehitra izay handany ny fahavalo rehetra kosa.
28 Izay manohitra ny lalàn’ i Mosesy dia maty amin’ ny tenin’ ny vavolombelona roa na telo ka tsy asiana famindrampo;
29 manao ahoana kosa ary no hamafin’ ny fampijaliana ataonareo tokony hihatra amin’ izay nanitsaka ny Zanak’ Andriamanitra ka nanao ny ran’ ny fanekena izay nanamasinana azy ho zavatra tsy masina sady naniratsira ny Fanahin’ ny fahasoavana?"

Ao koa ny ohatry ny Zanak'Israely izay tsy nitsahatra nikomy tamin'Andriamanitra noho ny hamafisan-dohany, ka farany dia nanapa-kevitra fa tsy hiditra amin'ny fitsaharany mihitsy izy ireo fa ny zanany no hiditra amin'ny tany Kanana.
misaotra anao

Ny manao blasfemia amin'ny Fanahy Masina dia ny manamafy ny fo mba tsy andairan'ny Fanahy Masina. Izay no nahatonga an'i Jesoa nampitandrina ny Fariseo.
eto dia manomboka mazavaza kely ,toy ny tenin'ny namana tao ambony tao

Misy mpino sasany matahotra manota ny Fanahy Masina fa zavatra tokony tsy atahorana izany satria tsy maintsy minia ianao vao mahavita manota ny Fanahy Masina.
eto indray dia toa laza maizina tamiko ilay izy ,ampio aho e!
35. niryna ( 07/12/2012 05:09)


Nehemiah:

Ny tena dikan'ny miteny ratsy ny Fanahy Masina dia ny ambaran'ny teny frantsay hoe "endurcissement"

Toa voalaza koa raha tsy diso aho fa mety Andriamanitra mihitsy no manao io "endurcissement" io amin'ny olona iray, ka ity lazaiko ity ve misy ifandraisan'ilay "endurcissement" lazain'i Nehemiah ? :-)
[/quote]
Nehemiah:

Ny nanaovan'i Andriamanitra an'i Faraona ve no tianao lazaina ? Rehefa jerevana ny Romanina 1:24-27 izay miresaka momba ny anaovan'Andriamanitra an'ireo mpanompo sampy izay mahita mibaribary fa misy i Andriamanitra Andriananahary mahay ny zava-drehetra @ zavaboary nefa tsy manome voninahitra azy fa ny voary indray no tompoany, dia izao no lazainy :
"Ary izany no nanoloran’ Andriamanitra azy tamin’ ny filan’ ny fony ho amin’ ny fahalotoana, dia ny nifanalany voninahitra tamin’ ny tenany avy;
25 ary ny fahamarinan’ Andriamanitra dia nosoloany lainga, ka nanaja sy nanompo ny zavatra natao izy, fa tsy ny Mpanao, Izay isaorana mandrakizay. Amena.
26 Izany no nanoloran’ Andriamanitra azy ho amin’ ny filan-dratsy mahavoafady; fa ny vehivavy tao aminy nanova ny fanaony ho amin’ izay tsy fanaony;
27 ary tahaka izany koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin’ ny vehivavy izy ka maimay tamin’ ny fifampilany samy lehilahy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin’ ny tenany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany."

Avelan'Andriamanitra hanao ny ataony izany izy ireo. "Te-hanao izay tianao atao izany ianao ? Tsy mila ahy mihitsy ianao ? Andao ary. Jinjao izay nafafinao ho an'ny fahaverezana." Tsy dia hoe tarihin'Andriamanitra @ "endurcissement" ny olona, fa avelany hanamafy ny fony.
eto kosa indray amiko dia toa ny olona hoe manamafy ny fony amin'ny finoana an'Atra ohatra,dia vao maika ho hamafisiny tokoa izany fo izany ary dia ataony mino izay zavatra hinoany izy mba tsy hibebaka.Soa ihany anefa fa mbola nomeny tombon'andro isika hibebahana fa rehefa tonga ny fotoana dia mety tsy afaka hibebaka intsony e!
36. niryna ( 07/12/2012 05:12)

Ilo:

Raha ny fahazoako azy dia :
1-Ireo olona izay efa ao @ Kristy ka mbola minia manota ihany dia mahazo kapoka fa ny fanahiny tsy ho very "...hanolotra izany anankiray izany ho an'i Satana hanimbana ny nofo, mba hamonjena ny fanahy amin'ny andron'i Jesoa Tompo."I Kor 5.5
2-Misy ny olona izay tsy mpino sy manamafy fo ka avelan'Andriamanitra @ safidiny sy ny fahaverezana mandrakizay
misaotra anao,toa laza niova ilay sujet!
Marina tokoa izany,misy olona efa nino an'Atra no lasa niala taminy ary misy kosa olona novonjen'Atra tamin'ny zavatra nety nitranga taminy tamin'ny fiainany ka nahatonga azy nino an'Atra.Mino anefa aho fa tian'Atra ho vonjena avokoa isika rehetra
37. niryna ( 07/12/2012 05:14)

bor2lais:

Hoy ilay namana iray izay raha nanazava ny momba an'io :
Raha tsy mino ny Ray ny olona dia mbola teo ny Zanaka namonjy azy, raha tsy mino ny Zanaka izy dia mbola manana ny Fanahy Masina ampahatsiaro azy ny asam-pamonjena nataon'ny Zanaka, fa raha tsy mino ny Fanahy Masina kosa izy dia tsy misy "solution" intsony ! :-)
mazava fa misaotra aky a
38. niryna ( 07/12/2012 05:16)

Ilo:

Raha ny fahazoako azy dia :
1-Ireo olona izay efa ao @ Kristy ka mbola minia manota ihany dia mahazo kapoka fa ny fanahiny tsy ho very "...hanolotra izany anankiray izany ho an'i Satana hanimbana ny nofo, mba hamonjena ny fanahy amin'ny andron'i Jesoa Tompo."I Kor 5.5
2-Misy ny olona izay tsy mpino sy manamafy fo ka avelan'Andriamanitra @ safidiny sy ny fahaverezana mandrakizay

RBNIR:

Faly miarahaba namana isany,
Ilay miteny ratsy ny Fanahy Masina dia tena miteny ratsy ara-bakiteny io : Fanahy Masina no ao amin'ilay olona nefa lazaina fa fanahy hafa na fanahin'ny devoly,
Izany hoe manohitra na mandà fa Fanahy Masina no ao amin'ilay olona.
Izay manao izany dia tsy hahazo famelan-keloka mandrakizay (araka ny Teny natolotry ny namantsika leva2.

Raha ny fidirana ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra (na ao amin'ny fiainanana mandrakizay) kosa indray dia voafehin'ity teny manaraka ity:
« Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Mat.7:21)

Izay tsy ho tafiditra ao kosa dia ampalahelo satria araka ny voasoratra ao amin'ny Mat.25:46 « Ary ireo dia hiala ho any amin'ny fampijaliana mandrakizay; fa ny marina ho any amin'ny fiainana mandrakizay. » dia anjara 2 ihany no voatendry ho an'ny olona: na hotafiditra ao amin'ny fanjakany na ho any amin'ny fampijaliana mandrakizay.

Mila mahay misafidy tsara: vahaolona : manao ny SITRAPONY rehetra.

Samia ho tahin'ny Tompo daholo,

izay vao mazava,noheveriko fa izaho no nolazainao tery ambony tery,misaotra e
39. Nehemiah ( 07/12/2012 05:23)

niryna:

Nehemiah:

Misy mpino sasany matahotra manota ny Fanahy Masina fa zavatra tokony tsy atahorana izany satria tsy maintsy minia ianao vao mahavita manota ny Fanahy Masina.
eto indray dia toa laza maizina tamiko ilay izy ,ampio aho e!

Rariny izay fangatahanao izay. Efa nifanerasera t@ mpino izay matahotra hoe : "Sao dia mba nanota ny Fanahy Masina tsy fidiny aho !" satria nisy fisainana ratsy ny eritreriny (fa avy @ devoly izay). Dia niteny azy moa aho hoe : "Aza matahotra fa ny olona nanota ny Fanahy Masina dia izay efa ninia hanao tsinontsinona azy, nefa tsy ao anatin'izay ianao." Ny olona ohatran'ireny no tiako resahana.
40. niryna ( 07/12/2012 05:24)

Nehemiah:


Nefa inona moa no sitrapon'ny Ray ? Voavaly @ Jao. 6:40 izany :
"Fa izao no sitrapon’ ny Raiko, dia ny hahazoan’ izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ ny andro farany"
eto izany dia mitovy ny hoe izay tsy mino Azy izany dia toy ny hoe miteny ratsy ny FM ka tsy ahazo famelankeloka ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0098