Miteny ratsy ny Fanahy Masina ?

41. Nehemiah ( 07/12/2012 05:36)

niryna:


Nehemiah:


Nefa inona moa no sitrapon'ny Ray ? Voavaly @ Jao. 6:40 izany :
"Fa izao no sitrapon’ ny Raiko, dia ny hahazoan’ izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ ny andro farany"
eto izany dia mitovy ny hoe izay tsy mino Azy izany dia toy ny hoe miteny ratsy ny FM ka tsy ahazo famelankeloka ?

Iza moa no manova ny fontsika sy ny fanahintsika raha tsy ny Fanahy Masina ? Izay angamba no nahatonga an'i Jesosy niteny hoe : "Raha tsy tonga Aho ka niteny taminy, dia tsy nanan-keloka izy; fa ankehitriny dia tsy misy fialàna azony atao ny amin’ ny helony." (Jn. 15:22). Ny sasany tsy mino satria tsy mahalala an'izay rehetra tokony fantany momba ny famonjena. Ny sasany kosa tsy mino na dia nahita ny zavatra mahatalanjona ataon'Andriamanitra sy ny fahendreny tsy tratry ny sainy. Ireto no tena olana satria raha mbola tsy mety mino ihany dia inona intsony no azo atao ho an'azy ireo ? Izay koa no nahatonga an'i Jesoa nanozona ny tanàna izay tsy mety mandray ny fitorian'ny mpianany hoe : "Lazaiko aminareo marina tokoa fa ho moramora kokoa ny ho amin’ ny tany Sodoma sy Gomora amin’ ny andro fitsarana noho ny ho amin’ izany tanàna izany." (Jn. 10:15)
42. niryna ( 07/12/2012 05:50)

bor2lais:

Mety omaly ny Fanahy Masina no niasa tao aminy fa androany fanahy hafa ! Tadidio i Petera !!
RBNIR:

Faly miarahaba namana,
I Petera tamin'ny nandaviny in 3 an'i Tompo mbola tsy nanana Fanahy Masina namana,
Mbola velona Jesosy ary mbola tsy nozarainy ny Fanahy Masina:
« Fa Izaho milaza ny marina aminareo; mahatsara anareo ny fialàko; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy aminareo ny Mpananatra*; fa raha handeha Aho, dia hirahiko hoy aminareo Izy.  » (Jao.16:7)
Tany amin'ny Asan'ny apostoly toko faha 2 vao nizara Fanahy Masina ny Tompo.

Izay ihany koa no entiko hanairana ny saintsika. Tsy hoe rehefa mino an'i Jesosy Tompo dia afaka hiarahaba tena hoe manana ny Fanahy Masina fa misy marika hahafantarana azy ny olona mandray ny Fanahy Masina.
ny baiboly tokoa niresaka io teny io
Fa hono hoy aho,rehefa naneno intelo ny akoho dia tonga saina anie i Petera e! ary dia nihazakazaka sy nanongo tena fa diso izy .Avy eo ve tsy nizara ny tenin'Atra izy?
Moa ve tsy nisy fanahin'Atra nampahatsiahy azy teo na tsy mbola misy FM aza niditra tao aminy? Asa fa eritreritra adaladala ny ahy satria any ambohoka isika dia efa fantaNy ny momba antsika. Ary ny Fanahy Masina ve tsy Atra ihany? Ilay hoe Atra -Ray,Atra -Zanaka ary Atra -Fanahy ? sa hafa mihitsy io ? FM io ?




« Ny rivotra mitsoka amin'izay tiany, ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay ihaviany na izay alehany, dia tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy. » (Jao.3:8)

Arak'io teny io dia ny olona mandray ny Fanahy Masina dia misy fahatsapana raisiny . Ary afaka hilaza ilay olona rehefa avy eo hoe tena Vita Batisa tamin'ny Fanahy Masina aho.

« dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo. » (Jao.14:17)

Zava-miafina ny fanomezam-pahasoavana sy ny tontolon'ny Fanahy ry namana isany .

Izay nitranga tamin'ny andro pentekosta (hitanao ery ambony asan'ny apostoly toko faha 2) dia mbola mitranga ankehitriny.

Averimberiko hatrany (ALEO MANGINA REHEFA TSY MAHAFANTATRA).

Ny Tompo anie hitahy antsika rehetra.



[/quote]
43. niryna ( 07/12/2012 05:57)

RBNIR:

Dia mbola faly misera hatrany namana isany,
Ho an'ny namanantsika ilo sy bor2lais,
Mitovitovy ny valiteninareo ka dia atambatro ho iray,
Aza afangaro ny hoe "hampitenen'ny Fanahin'Andriamanitra" sy ny hoe mandray ny Batisan'ny Fanahy Masina,
Zavatra 2 samihafa izany,
Na dia olona tsy mino an'Andriamanitra aza afaka hampitenen'ny Fanahy Masina rehefa ilain'Andriamanitra izany.
Ohatra i Kaiafa mpisoronabe izay naminany ka nilaza hoe :
« Ary ny anankiray taminy, dia Kaiafa, mpisoronabe tamin'izany taona izany, nanao taminy hoe: Hianareo tsy mahalala na inona na inona, » (Jao.11:49)
« na misaina akory fa tsara ho anareo, raha ny lehilahy iray no ho faty hamonjy ny firenena, mba tsy ho rava avokoa ity firenena ity. » (Jao.11:50)
« Ary tsy niteny izany ho azy izy, fa satria mpisoronabe tamin'izany taona izany izy, dia naminany fa Jesosy ho faty hamonjy ny firenena; » (Jao.11:51)
« ary tsy hamonjy io firenena io ihany, fa mba hanangona ny zanak'Andriamanitra izay efa niely ho antoko iray. » (Jaona 11:52)
« Koa hatramin'izany andro izany dia nihendry hahafaty Azy ireo. » (Jaona 11:53)
Eto dia voalaza fa "NAMINANY" i Kaiafa mpisorona be,

Ny mandray ny batisan'ny Fanahy Masina kosa dia mitovy tamin'ny ao amin'ny asan'ny apostoly toko faha 2.

Samia ho tahin'ny Tompo namana isany



Samia ho tahin'ny Tompo namana

misaotra e
44. niryna ( 07/12/2012 06:06)

Nehemiah:

2 Izao no ahafantaranareo ny Fanahin’ Andriamanitra: Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin’ ny nofo Jesosy Kristy no avy amin’ Andriamanitra;
3 ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an’ i Jesosy dia tsy mba avy amin’ Andriamanitra; ary izany no fanahin’ ny antikristy, izay efa renareo fa ho avy, sady efa eo amin’ izao tontolo izao sahady izy."
izay vao mazava.Raha misy olona izany mizara ny tenin'Atra ka manodikodina izany tenin'Atra izany ary mampianatra fa tsy Atra i kristy,tsy Mpamonjy i Kristy ....toheriny daholo ny maha Atra an'i kristy dia azo lazaina fa manompa ny Fanahy Masina ilay olona ary dia tsy ahazo famelankeloka amin'Atra ? sa diso izany?
45. Nehemiah ( 07/12/2012 06:23)

niryna:


Nehemiah:

2 Izao no ahafantaranareo ny Fanahin’ Andriamanitra: Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin’ ny nofo Jesosy Kristy no avy amin’ Andriamanitra;
3 ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an’ i Jesosy dia tsy mba avy amin’ Andriamanitra; ary izany no fanahin’ ny antikristy, izay efa renareo fa ho avy, sady efa eo amin’ izao tontolo izao sahady izy."
izay vao mazava.Raha misy olona izany mizara ny tenin'Atra ka manodikodina izany tenin'Atra izany ary mampianatra fa tsy Atra i kristy,tsy Mpamonjy i Kristy ....toheriny daholo ny maha Atra an'i kristy dia azo lazaina fa manompa ny Fanahy Masina ilay olona ary dia tsy ahazo famelankeloka amin'Atra ? sa diso izany?

Rehefa nametraka an'ireny andininy ireny aho dia mba ahafantarantsika ny fanahy avy @'Andriamanitra sy ny tsy avy aminy, fa tsy hoe ahafantarana ny ota @ Fanahy Masina. I Andriamanitra dia Andriamanitra be famindram-po, na dia ny mpanjaka Manase izay namono olona sy nanompo sampy tsy misy ohatr'izany dia namelan'Andriamanitra heloka rehefa nibebaka izy. Averiko ihany fa "endurcissement" amin'ny asan'ny Fanahy Masina no mahatonga antsika ho very mandrakizay.
46. leva2 ( 07/12/2012 17:56)
Velona Jesosy!

Izao ary namana Niryna : Raha nametraka io verset io aho (Marka 03/28-29), dia mba tiako ho tsiahivina izay nitranga tamin'io fotoana io ka nahatonga an'i Jesosy niteny izany.
Raha vakiana mantsy ny contexte nakana io fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina io dia miresaka ny niampangan'ny mpanora-dalàna an'i Jesosy fa avy amin'i Belzeboba ihany no amoahany demonia.
Zavatra telo no hotsoahana :
1- Ireto mpanora-dalàna ireto izany dia miteny ratsy ny Fanahy Masina satria miampanga izany ho fanahy ratsy, ary milaza ny fahefan'i Jesosy Kristy ho avy amin'ny belzeboba. (efa voalazan'ny namana teo aloha ny mety ho endrika hafa amin'izany fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina izany). Marina ny fanambarana fa : "aleo mangina toy izay miteniteny foana".
2- Ny fitenenan-dratsy olona, na fanendrikendrehana, na fiampangana tsy marina olona izany dia mety mbola hahazoana famelan-keloka ihany; mifanohitra amin'izany izay miteny ratsy an'Andriamanitra.
3- Ny vokatr'izany dia tsy ho voavela heloka mandrakizay, izany hoe voaozona mandrakizay ny olona miteny ratsy ny Fanahy Masina, ary tena tsy misy azo atao intsony mihitsy ny aminy araka io Marka 03/28-29 io ihany.

Ohatra tsotra : Raha ny olona mitory an'i Jesosy Kristy no tenenina ratsy, mbola mety ho voavela heloka, fa raha Jesosy Kristy no tenenina ratsy dia tsy ho afa-maina mandrakizay.

Mahereza namana isany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0074