Efa resabe teto foana io fady fady io: Hoy ny Tompo izay rehetra miditra ny vava dia madio avokoa

1. niryna ( 01/02/2012 04:53)
Miarahaba antsika rehetra indray aho.Tsy namaly ireo resaka fadifady sy sakafo etsy ambony ary sabata ireo aho fa tonga dia fantatra fa ny seven days adventist indray ireo miresaka ireo.Hialana tsiny ry zareo fa izay no anisany iray nampisaraka ny fiangonana.?Samy maka izay tandrifiny sy mahamety azy avokoa ny olona ka dia mitandrina ary mampianatra hevi-diso.
Ahoana hoy ny Tompo(kristy io resahiko io an) Maro ny parables nomeny na fanoharana fahiny niaraka ny mpianany Izy.Na sakafo io na fomba fandraisana fivavahana io na fandehanana miangona io .Sakafo? tsy izay rehetra miditra ny vava no maloto fa izay rehetra teny ao anatin'ny fo ka avoakan'ny vava satria avy ao anatin'ny fo izany. Izy no Sabata ka aza ampianarina diso ny olona fa rehefa tsy miangona ny sabotsy ny olona dia tsy voavonjy.
Fivavahana: manaiky Azy eo amin'ny molotra ny olona fa manalavitra Azy eo amin'ny fo
Raha mbola tsy nahita resaka mikasika an'io fadifady lava io hianareo dia misy mitompo teny fatratra sy mampianatra diso . Efa resabe tsy nety tapitra teto io satria miziriziry amin'ny fombany ny fiangonana adventista

Aiza ao amin'ny baiboly no misy niteny fa nihinana na tsy nihinana kisoa kristy.( eo dia mamorono fotsiny eo ny sasany.tsss) Izay ilay mahavoa antsika mitompo teny fatratra. Jereo tsara aloha ary diniho koa ny baiboly vao miteny isika fa mifampitohy avokoa ny TT sy ny TV ka aza tsongotsongoina izay tiantsika e .

INONA ARY NO TADIAVIN'NY TOMPO AMINTSIKA?
- ny fiaikena heloka,mpanota ary tsy mendrika ny hidera ny anarany akory isika saingy noho ny fahasoavany no namonjeny antsika( by his grace we are saved) tsy avy amin'ny asa izany na ny fiangonana izany na ny fombafomba izany fa avy amin'ny fitiavany antsika
- mpanota isika ka mila mibebaka: ary dia ho voasasa ny helontsika ka hadio mangatsakatsaka toy ny oram-panala izany rehefa tena miaiky ny fahotantsika isika ( tsy ho tsaroako intsony hoy ny Tompo ny fahotany )
- Mino Azy nitsangana tamin'ny maty tamin'ny andro fahatelo
-Mino Azy tokoa fa Izy sy ny Ray dia iray ihany ary Andriamanitra velona Izy.
-Mino Azy fa Izy irery ihany no Tompo sy Mpamonjy antsika ary tsy misy anarany ahavonjy antsika na fiangonana na fombafomba(tafiditra amin'izany ireo sakafo tanisaina lava ireo)
- Samy miandry ny fitsarana isika ary miandry ny fivereneny indray ary mino izany ihany koa
Izay rehetra voasoratra ao anatin'ny baiboly dia nitranga avokoa ary mbola hitranga ihany koa ka izay fanantenana ny fiverenany izay no mahatonga antsika hibebaka,hiaiky heloka,miaky fa mpanota ka mila mibebaka sy mamela heloka ny hafa ihany koa.
Vita tompoko
répondu par RBNIR le 06/02/2012 05:06
2. niryna ( 01/02/2012 05:34)
Ny fihinanana sakafo tsy midika fa tsy ho voavonjy isika,ny tsy fihinanana sakafo koa tsy midika fa voavonjy isika.Na mihinana na tsia dia tsy any ny famonjena .
Ny famonjena dia avy amin'i kristy ary ny fifandraisantsika aminy no tadiaviny fa tsy ny fadifadiana.
Ny fandehanana miangona ny sabotsy tsy midika fa ho voavonjy ny fanahintsika,ny fandehanana miangona ny alahady tsy midika fa tsy voavonjy ny fanahintsika .Ny famonjena dia avy amin'i kristy Irery ihany ary Izy no mpamonjy ny fanahintsika fa tsy ny fiangona na ny sakafo akory.

Ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao dia mifandray ireo ka aza tsimpontsimponina izay tiantsika sy maha devolana ny fontsika e.Maninona no tsy notohizana ny tantaran'i Petera noana.Mazava ho azy anie izany fa nasehon'Atra ho an'ireo izay miziriziry milaza fa maloto ny biby sy ny sakafo e.Efa teniNy izao no miteny fa tsy maloto dia mbola lazaina fa maloto ihany tss.
Jereo foana izay mahasoa ny rehetra,diniho sy alalino ny baiboly fa aza mitompo teny fatratra amin'ny pasitera na mpampianatra hafa fotsiny.Mangataha ny fanahy masina ampianatra antsika fa aza mandeha anjambany fotsiny ka mihevitra ny an'ny hafa ho diso fa ny antsika foana no marina.
Apetraho ny fanontaniana : inona no mahasoa ny olona hizarako ny tenin'Atra? hampandositra azy ireo ve sa hiantso azy ireo hiverina amin'Atra?
Ny relationship na fifandraisana amin'i kristy no tadiavintsika fa tsy ny fombafomba hoe raha tsy manao izao na tsy mihinana izao na tsy mandeha ny andro toa izao dia tsy ho vonjeNy.
Isika mangetaheta Azy no tadiaviny,isika miaiky fa mpanota no tadiaviny fa tsy hoe isika miseho mahay ny tenin'Atra ka milaza ny an'ny hafa ho diso foana.
Ny fanomezana ny andianteny maro ao anatin'ny baiboly akory tsy ampiova ny olona hiverina na analavitra amin'Atra.Zarao izay fahasoavana nomeny antsika ary ataovy ny fandinihina ny soratra masina fa aza mitompo teny fatratratra ka ny fiangonantsika foana no lazaina fa marina fa ny an'ny hafa diso avokoa.
misaotra tompoko
3. Tefigasy ( 01/02/2012 05:59)

Sakafo? tsy izay rehetra miditra ny vava no maloto fa izay rehetra teny ao anatin'ny fo ka avoakan'ny vava satria avy ao anatin'ny fo izany

Fa na izany aza aleo manasa tanana ihany alohan'ny hisakafo fa sao manjary be kakana raha maloto ny tanana dia marary avy eo!
4. RBNIR ( 01/02/2012 06:43)
niryna:

Ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao dia mifandray ireo ka aza tsimpontsimponina izay tiantsika sy maha devolana ny fontsika e.Maninona no tsy notohizana ny tantaran'i Petera noana.Mazava ho azy anie izany fa nasehon'Atra ho an'ireo izay miziriziry milaza fa maloto ny biby sy ny sakafo e.Efa teniNy izao no miteny fa tsy maloto dia mbola lazaina fa maloto ihany tss.


Faly miarahaba namana niryna,
Raha mamaky ity hafatrao ity aho dia hitako fa mamaly ilay notantaraiko ery ambany ianao fa mba tsy te hamaly mivatana amiko fotsiny ianao (sa ts'izany?? ) .
Ny tena tiako nasongadina tao dia zavatra 2 manan-danja tokoa :
1- ilay hafatra miafina (tsy takatr'i ny sain'ny maro) hoe kay v i Petera talohan'io fahitana io ka tsy nihinana an'ireny mihitsy e (matoa tokoa izy nandà tsy nety nihinanana dia mazava ho azy fa mbola tsy nihinana izy izany teo aloha). Izy anefa dia niara-nisakafo tamin'i Jesosy Tompo foana (mazava ho azy izany fa tsy nisy koa ny sakafo niarahany nihinana tamin'i Jesosy).
2- Ny tena dikan'ilay fahitana dia tsy araka ny hevitry ny maro hoe fanomezan-dalana ny olona hihinana ny zava-padiana tao amin'ny levitikosy 11 fa kosa fahitana nentina nilazana tamin'i petera hoe « Dia hoy izy taminy: Hianareo mahalala fa fady amin'ny Jiosy ny hanan-draharaha na hiantrano amin'ny olona hafa firenena; nefa izaho efa nampahafantarin'Andriamanitra fa tsy misy olona azoko atao hoe fady na tsy madio. » (Asan'ny Apostoly 10:28)
Ny dikan'ilay fahitana dia tsy hoe ara-bakiteny hano ny biby maloto fa voadio fa kosa manana heviny miafina ara-panahy hoe "tsy misy olona azo atao hoe fady na tsy madio".
Raha tsy mahatakatra an'izay isika hoe izay no tena hafatr'Andriamanitra amin'io fahitana io dia ho roboka daholo tokoa hoe hano fa efa voadio e!

Raha araka ilay ao amin'ny lev.11anefa dia tsy mahamasina ny fihinanana ireny e,
misy anefa ny teny milaza hoe "tsy hiditra ao mihitsy izay tsy masina"

Samy ho tahin'ny Tompo namana a!
5. didi10 ( 01/02/2012 07:16)
Tsara ny Tompo

Namana Nyrina
Aza tonga dia atao bambaray ohatr'izany kosa hoe rehefa manaja ny Sabata dia Advantista, miala tsiny fa ny Advantista dia tsy mino ny helo tsy mihinan-kisoa, fa ny tenako dia efa nomen'Andriamanitra ny fahamarinana fa
1- ny Sabata dia efa hatramin'ny fiandohan'izao tontolo izao no efa noharian'Andriamanitra ary tsy ho levona mandrapahatongan'i Jesosy eny amin'ny rahon'ny lanitra
2- madio avokoa ny zavatra rehetra, ary ny Jesosy inoako ry RBNIR tsy mba nampianatra ny olona ho voretra ka tsy hanasa tanana izany rehefa alohan'ny hihinana fa nampianatra kosa fa tsy izay miditra ny vava no mampaloto ny fanahy fa izany mivoaka avy ao am-po.

Te hanontany anao aho Namana Nyrina, amin'ny andro fahafiry ianao no mandeha miangona raha tsy mahadiso? dia inona no antony nisafidiananao izany andro izany?
6. RBNIR ( 01/02/2012 07:35)
didi10:

2- madio avokoa ny zavatra rehetra, ary ny Jesosy inoako ry RBNIR tsy mba nampianatra ny olona ho voretra ka tsy hanasa tanana izany rehefa alohan'ny hihinana fa nampianatra kosa fa tsy izay miditra ny vava no mampaloto ny fanahy fa izany mivoaka avy ao am-po.

Faly miarahaba namana didi10,

Efa nolazaiko tery ambany namana hoe "tapitra" ny hadihevitra ataon-tsika mirahalahy amin'ity resaka ity (efa mitady hiboriaka tokoa mantsy izy izany sao tsy tsapantsika ry namako) ka hangina aho fa tsy hiloabava e,
Manasa tanana tsara aho ka, fa indraindray mba sendra otran'ireo mpianatr'i Jesosy Tompo ihany tsy mahasasa tanana intsony ka mety hahagaga ny sasany ihany ka hahatonga azireo hanon-tany hoe « Nahoana ny mpianatrao no mandika ny fampianarana voatolotry ny razana? Fa tsy mba manasa tanana izy, raha hihinan-kanina. » (Matio 15:2)

Samy ho tahin'ny Tompo namana a
7. didi10 ( 01/02/2012 08:32)
Marina izany namana a! ay moa efa oe tapitra ka izaho koa no mbola mi-insiste eto!

Mba ampianaro an'ity namana Nyrina ity rahalahy ny resaka Sabata a!
8. Tefigasy ( 01/02/2012 08:49)

INONA ARY NO TADIAVIN'NY TOMPO AMINTSIKA?
......
......
Vita tompoko


Ny fitoriana ny filazantsaran'ny fanjakan'andriamanitra re imasoana fa aza mandany andro amin'ny fitoriana andro na sakafo na fitafy na .... Jesoa no tokony banjinina; izay hahazoan'ny olona tsirairay ny fanjakan'andriamanitra no tanjontsika fa tsy ny fitoriana andro akory, tsy ny andro no zava-dehibe fa ny famonjen'i Kristy, ny fitiavan'i Kristy.

Koa raha mety ry niryna dia aoka ianao tsy hididtra amin'izany resaka fitoriana andro izany, Jesoa tsy naniraka antsika hitory andro, na sakafo akory fa hitory ny filazantsaran'ny fanjakan'andriamanitra. Raha misy fanontaniana mikasika andro ataon'ny mpitory andro ainao dia Jesoa kristy atao valiny.
Vita tompoko! hihihi
9. RBNIR ( 01/02/2012 09:08)
Tefigasy:


INONA ARY NO TADIAVIN'NY TOMPO AMINTSIKA?
......
......
Vita tompoko


Ny fitoriana ny filazantsaran'ny fanjakan'andriamanitra re imasoana fa aza mandany andro amin'ny fitoriana andro na sakafo na fitafy na .... Jesoa no tokony banjinina; izay hahazoan'ny olona tsirairay ny fanjakan'andriamanitra no tanjontsika fa tsy ny fitoriana andro akory, tsy ny andro no zava-dehibe fa ny famonjen'i Kristy, ny fitiavan'i Kristy.

Koa raha mety ry niryna dia aoka ianao tsy hididtra amin'izany resaka fitoriana andro izany, Jesoa tsy naniraka antsika hitory andro, na sakafo akory fa hitory ny filazantsaran'ny fanjakan'andriamanitra. Raha misy fanontaniana mikasika andro ataon'ny mpitory andro ainao dia Jesoa kristy atao valiny.
Vita tompoko! hihihi


Faly miarahaba namana tefigasy,

Tafiditra ao anatin'ny didin'Andriamanitra mbola tokony hotandremana izany namana (ankoatran'ireo didim-pitiavana lehibe 2), ary tena iankinan'ny fiainana mandrak'izay tokoa,
Ary ny antony itenenana azy eo dia ny hanaporofoana amin'ny olona fa nitandrina izany tokoa ireo mpianatra taloha ary tsy mba nanamaivana izany ry zareo (oh eto dia i petera).

Samy ho tahin'ny Tompo namana


10. Tefigasy ( 01/02/2012 09:14)

ary tena iankinan'ny fiainana mandrak'izay tokoa,

Izay mino sy atao batisa no hovonjena fa izay tsy mino no helohina (Mar 16 : 16)

11. RBNIR ( 01/02/2012 09:18)
Tefigasy:


ary tena iankinan'ny fiainana mandrak'izay tokoa,

Izay mino sy atao batisa no hovonjena fa izay tsy mino no helohina (Mar 16 : 16)

Marina izany ary tazomy mafy fa fahamarinana, nefa apetrao ihany koa ny fanontaniana hoe naninona i Jesosy no nahita ireo mpianany nitandrina mafy an'izany nefa tsy niteny???
Amiko tsotra ny valiny : satria fantany fa tena isan'ny mbola tokony hotandremana izany.

Samy ho tahin'ny Tompo namana
12. Tefigasy ( 01/02/2012 10:04)
Io marka 16:16 io no lakile mampiditra anao amin'ilay famonjena, ny ankoatran'izay tsy mahavoa an'ilay varavarana tompoko ô. Na hitandrina ianao na tsy hitandrina, tsy any ny olana fa ny MINO no takiana aminao dia ampy ary tena ampy
13. RBNIR ( 01/02/2012 10:29)
« Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina, ........ » (Apokalypsy 21:27)

Inona no atao hoe olona masina?

« Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy. » (Apokalypsy 14:12)
Ny olona masina dia izay mitandrna :
1- ny didin'Andriamanitra
2- sy ny finoana an'i Jesosy

Mety vao izao no fantatrao io teny io namana, mahereza fa tsy ampy ny finoana an'i Jesosy.

Raha tsy izany dia ho mpijangajanga, mpangalatra, mpamono olona ary mpaniratsira an'Andriamanitra avokoa no hampiakarin'i Jesosy indray andro any (satria mino aho fa mora ny mitazona ny finoana an'i Jesosy namana ary maro no mifikitra amin'io finoana io fotsiny ihany ka tsy mandrahara intsony hoe misy koa anie ireo didy mbola tokony hotandremana).

Saingy hoy koa i Jesosy Tompo hoe :

« Midira amin'ny vavahady èty ianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana izay mankany amin'ny fahaverezana, ka maro ny miditra any. » (Matio 7:13)
« Fa èty ny vavahady, ary tery ny lalana izay mankany amin'ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy. » (Matio 7:14)

Mahereza fa tianao Jesosy,

Samy ho tahin'ny Tompo namana




14. Tefigasy ( 01/02/2012 10:39)

Mety vao izao no fantatrao io teny io namana, mahereza fa tsy ampy ny finoana an'i Jesosy.

Dia ny baiboly mihitsy no disoinao raha izany ! Izay tsy mino no helohina ary izay ihany f atsy misy fanampiny.

« Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina, ........ »

Efa nohamasinin'i Jesoa kristy tamin'ny fahafatesany sy ny fitsanganany tamin'ny maty ny olona mino azy tompoko ô, Izay ilay hoe niara-maty sy niaraka nitsangana taminy, miaina amin'ilay fiainam-baovao. Izay ilay batisa dia ilay fisitrihana ao amin'i Kristy, ilay filentehana ao amin'i Kristy ary hamarinin'ny Marka 16:16 izany eto.
15. RBNIR ( 01/02/2012 10:59)
:-) tsy diso akory ny tenin'Andriamanitra namana, saingy isika tsy mety mandroso fa mihanina fotsiny amin'ny "ronono" no nanomezana ireo teny voatanisanao ireo namana. Mirosoa dia atoron'Andriamanitra anao ny marina.

Samy ho tahin'ny Tompo namana

16. Tefigasy ( 01/02/2012 11:05)
Efa ireo ambarako anao ireo ny marina fa ianao no mbola mitady zavatra hafa fanampiny ka indro lasa tsinotsinona eo imasonao ilay zanak'andriamanitra nanolotra ny ainy ho famonjena anao.
Tadidio fa efa vitany ny famonjena, ny mandray izany sisa no ataonao. toy ny olona iray adala miditra ao anaty auto nefa mbola miloloha enta-mavesatra no fijery anao ankehitriny !
17. RBNIR ( 01/02/2012 12:21)

Tefigasy:

Efa ireo ambarako anao ireo ny marina fa ianao no mbola mitady zavatra hafa fanampiny ka indro lasa tsinotsinona eo imasonao ilay zanak'andriamanitra nanolotra ny ainy ho famonjena anao.
Tadidio fa efa vitany ny famonjena, ny mandray izany sisa no ataonao. toy ny olona iray adala miditra ao anaty auto nefa mbola miloloha enta-mavesatra no fijery anao ankehitriny !

Eny ary ,
Farany azo atao v ny manota raha izany ry namana ??
18. Tefigasy ( 01/02/2012 13:33)

Farany azo atao v ny manota raha izany ry namana ??

Jao 14 : 26 : "fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra."
19. RBNIR ( 01/02/2012 14:23)
Tefigasy:


Farany azo atao v ny manota raha izany ry namana ??

Jao 14 : 26 : "fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra."

Ny nampianariny ahy dia tsy manota izay ao amin'ny kristy namana . Ary na iza na iza manota dia tsy nahita na nahalala Azy. Araho ity rohy ity azafady http://forum.serasera.org/forum/message/m4f229d99284bf
Mba tiako ho fantatra ny nampianariny taminao namana. Mahazo manota v isika sa tsia satria misy ity teny ity ao amin'ny hebreo : « Fa raha minia manota isika rehefa nahazo ny fahalalana tsara ny marina, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony, » (Hebreo 10:26)?

Satria raha azoko tsara ny fanazavanao dia satria efa tanterak'i Kristy ny famonjena ka tsy olana intsony na mitandrina ny lalan'Andriamanitra isika na tsia.

Samy ho tahin'ny Tompo namana
20. Tefigasy ( 01/02/2012 14:31)
Tsy mbola niteny mihitsy aloha aho hoe manota ianao, ny eritreritrao no manenjika anao noho ilay eta-mavesatra be mbola lolohavinao ao anatin'ilay fiara !

Tsy andany andro hiresaka aminao ny fitandremana andro sy ny sakafo aho ...., araka ny nambarako teny aloha, Jesosy Kristy ny ahy no toriako satria fantatro tsara fa Izy no mpamonjy ahy ary ao aminy aho no tanteraka !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2307