Efa resabe teto foana io fady fady io: Hoy ny Tompo izay rehetra miditra ny vava dia madio avokoa
21. Miharena
(
01/02/2012 16:08)
Adihevitra anisan'ny mampihodinkodina sy mampihivingiina ny olona izay mitazana ny Krisitiana ary mahatonga ireo mpitazana hilaza fa tsy misy fahamatorana mihtisy ny Kristiana raha ny momba ireo fombafoomba no lazaina.
Ny vontoatin"ny hafatr'i Krsity dia very rehefa roritina ireo resaka ireo ary efa voalaza aza fa isan'ny fomba efa nataon'ny olona taloha izy io ka nahatonga ireo Fariseo sy Sadoseo izay samy milaza fa Jehovah no Andriamanitra nefa samy manana ny conception ny fiafaran'ny olombelona avy izy.
Ny tiana ahatongavana dia tsy manam-pototra intsony ny finoana rehefa betsaka ny fombafomba arahana fa na ilay finoana lasa routine sy pli vava ary tsy misy fivoarany sy fitomboana azon'ny olona aminy intsony, na ilay finoana tototr'ireo fombafomba ary tsy hitan'ny olona izay hampitana fampianarana intsony izay tian'ny mpampita lazaina ka zary lasa manara-driandrano ireo olona tarihina ary mahavaka fa ny androm-piainany rehetra dia tsy ahitany izay vontoatin'ny finoana mihitsy.
Mila fahatsorana izany fandraisana ny finoana raha ny tena izy ary manome rariny an'i Tefigasy aho amin'ny fanambarany hoe :
Ilay fahatanterahana dia anaty rehefa i Kristy no velona ao anaty ary tsy voahaisotry ny fombafombam-piainana ivelany izany fahatanterahana izany ho an'ny olona tso-po.

Tsy andany andro hiresaka aminao ny fitandremana andro sy ny sakafo aho ...., araka ny nambarako teny aloha, Jesosy Kristy ny ahy no toriako satria fantatro tsara fa Izy no mpamonjy ahy ary ao aminy aho no tanteraka
Ilay fahatanterahana dia anaty rehefa i Kristy no velona ao anaty ary tsy voahaisotry ny fombafombam-piainana ivelany izany fahatanterahana izany ho an'ny olona tso-po.
22. didi10
(
02/02/2012 07:39)
Tsara ny Tompo
Namana Tefigasy
Insistenao foana io Marka 16,16 io kanefa tsy takatrao akory ny tian'ny Teny ambara.
Ny anao moa dia ilay tapany faharoa foana no averimberinao: " fa izay tsy mety mino no hohelohina". Aminao izany dia ny finoana sy fandraisana an'i Jesosy Kristy ho Tompo sy mpamonjy ny fiainanao dia ampy ho "garanti" amin'ny famonjena anao saingy aza gaga raha ampidirin'i Jesosy ao anatin'ireto karazan'olona ireto ianao:
Matio 7,21
21 Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. 22 Maro no hanao amiko amin'izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko , tsy efa naminany tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin'ny anaranao va izahay? 23 Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, hianareo mpanao meloka.
Ianao ve mihevitra fa vitan'ny tsy manam-pinoana izany manala demonia amin'ny anaran'i Jesosy Kristy izany?
Ianao ve mihevitra fa omena ny olona tsy manam-pinoana izany fanomezam-pahasoavana haminany izany?
Ianao ve mihevitra fa ny fanaovana ny asan'Andriamanitra: fanasitranana, fankaherezana, fanalàna hozona... dia vitan'ny kely finoana?
SANATRIA
Manam-pinona avokoa ireo olona ireo ary efa nandray an'i Jesosy ho Tompo sy mpamonjy ny fiainany saingy tsy afaka tamin'ny ziogan'ny fahotana.
- Na izy niziriziry tamin'ny fampianaran-diso toa anao momba ny Batisa, izay tokony ho mariky ny fandevanana ny fahotana, fitsanganana amin'ny fahafatesana mahatonga olom-baovao tena zanak'Andriamanitra mpandova ny fanjakan'ny lanitra ka mandà ny Batisa asitrika amin'ny anaran'i Jesosy Kristy.
- Na izy efa vita Batisa saingy tsy naharitra amin'ny finoana ka tratran'ny fakam-panahy toa an-dry Jodasy sy ry Ananiasy sy Safira vadiny (Asa 5) ka niverina ho mpanao meloka indray.

23. Tefigasy
(
02/02/2012 08:11)
didi10:
Namana Tefigasy
Aminao izany dia ny finoana sy fandraisana an'i Jesosy Kristy ho Tompo sy mpamonjy ny fiainanao dia ampy ho "garanti" amin'ny famonjena anao
Voalazanao andriamatoa, tokana ny lalana dia Jesoa kristy irery ihany. Ny finoanao azy ihany no hahazoanao ny lakile miditra any amin'ny fanjakan'andriamanitra fa tsy ny fitandremana andro na sakafo na fombam-pivavahana toy ny ataonao akory.
Jao 14 : 6 : "Hoy Jesosy taminy : Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako" . Tsy misy resaka andro na sakafo na fombafomba izany tompoko ô. Jeso no lalana, atolory azy ny fiainanao, ny fonao dia hahita ny Ray ianao. Mibebaha amin'io fahotanao io, amin'io mbola fanompoanao andro, sakafo, fombafomba isan-karazany , .... Jesoa re tompoina e, tsy mahavonjy ny andro, tsy mahavonjy ny sakafo fa Jesoa no loharanon'aina ho anao raha tena manaiky Azy ianao. Mbola misy andro azo hiovana fo ankehitriny ka aza menatra ny mandray Azy ho tompo sy mpamonjy anao mba tsy hanenina any aoriana.
Tadidio fa efa vita ny famonjena, ary tsy misy mpamonjy andrasana intsony fa ny anjaranao dia ny mandray izany famonjena efa vitany izany. Ho avy jeso haka ny azy ka sao lahy hanenina ianao !
Averiko ihany ity Mark16:16 ity : Izay mino sy atao batisa no hovonjena fa izay tsy mino no helohina Mazava be izany fa ny finoanao an'i Jesoa Kristy no ilaina, ny filentehinao, ny fanitrihana anao ao aminy. Ary averiko fa izany no atao hoe batisa: fanitrihana anao ho ao amin'i Jeso fa tsy ho any anaty ranobe akory, fiarahanao maty aminy, fiarahanao mitsangana velona aminy ary ny fiovanao ho lasa olom-baovao mandray ny famonjena ka ho mpandova ilay fiainana mandrakizay. Tanteraka ianao rehefa manaiky izany ary ny fahantanterahan'i Jesoa kristy no ao anatinao. Garanti tompoko ilay jerosalema vaovao fa tsy mila zavatra hafa intsony satria Jeso no efa tanteraka, Jeso no efa nahavita sy nahatanteraka izay rehetra tedavinareo mbola tanterahana.
didi10:
saingy aza gaga raha ampidirin'i Jesosy ao anatin'ireto karazan'olona ireto ianao:
Soa ihany fa tsy Jeso ianao fa raha Izy ianao dia tena nalefanao tany amin'ny afobe mihitsy angamba aho raha nanana ny fahefana hanao izany ianao. Tsarovy anefa fa efa fahavalo resy satana ka tsy manana fahefana intsony amin'ny olona efa mandray an'i jeso ho Tompo sy andriamanitra. Betsaka ny teny efa nomen'i Jesoa ahy ary manahy aho fa tsy miara-dalana amiko ho any amin'ilay paradisa efa nampanantenainy ianao raha mbola tsy Izy no manapaka anao fa ny andro, ny sakafo, ny fombafomba isan-karazany !
24. RBNIR
(
02/02/2012 08:27)
Faly miaraha ny rehetra indray,
Aleo antsoin-tsika mihitsy Andriamanitra fa mitady ho lasa resabe tsy misy fandrosoana izy izany.
Entano kely ra-hery aloha a!
Aleo antsoin-tsika mihitsy Andriamanitra fa mitady ho lasa resabe tsy misy fandrosoana izy izany.
Entano kely ra-hery aloha a!
25. didi10
(
02/02/2012 09:16)
Makahery anao hatrany aho rahalahy Tefigasy
II Tes 2; 11-15
11 Koa izany no ampanateran'Andriamanitra fiàsan'ny fahadisoan-kevitra aminy hinoany ny lainga, 12 mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina. 13 Fa izahay tsy maintsy misaotra an'Andriamanitra mandrakariva ny aminareo, ry rahalahy malalan'ny Tompo, satria Andriamanitra efa nifidy anareo hatramin'ny voalohany hahazo famonjena amin'ny fanamasinan'ny Fanahy sy ny finoana ny marina. 14 sady ho amin'izany koa no niantsoany anareo tamin'ny filazantsaranay hahazoanareo ny voninahitr'i Jesosy Kristy Tompontsika.
15 Koa tomoera tsara, ry rahalahy, ka hazony ny fampianarana natolotra izay nampianarina anareo, na tamin'ny teninay, na tamin'ny epistilinay.
AMENA!

26. Miharena
(
03/02/2012 03:50)
RBNIR:
Faly miaraha ny rehetra indray,
Aleo antsoin-tsika mihitsy Andriamanitra fa mitady ho lasa resabe tsy misy fandrosoana izy izany.
Raha mbola ara-tsaina no inoan'ny olona dia mbola tafalatsaka amin'ny adinevitra tsy mampandroso izy ka mba hazavao tsara ara-po sy ara-pinoana ny hevitsika dia handroso kokoa ny fitoviam-pijery e!
27. RBNIR
(
03/02/2012 13:38)
Faly miharaba an-tsika rehetra indray,
Misaotran'Andriamanitra lehibe aloha fa dia namaly vavaka an-tsika tokoa izy e,
Izao ary no izy namana tefigasy, Jesosy Tompo mihitsy no nilaza fa tsy ampy ny finoana fa mbola misy zavatra hafa takiany an'ny mpino koa :
Tohizako kely ity teny nozarainao ity hoe :Izay mino sy atao batisa no hovonjena fa izay tsy mino no helohina (Mar 16 : 16)
Ireto ary no tohiny namana : « [Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin'ny anarako izy; hiteny amin'ny fiteny izay tsy mbola hainy izy;] » (Marka 16:17)
« [handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin'ny marary izy, dia ho sitrana ireny] » (Marka 16:18)
Ireo izany no famantarana ho an'ireo mino.
Hoy anefa ny Tompo ao amin'ny bokin'ny Matio 7 hoe :
« Maro no hanao amiko amin'izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia* tamin'ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin'ny anaranao va izahay? [*Demonia = fanahy ratsy, na anjely ratsy] » (Matio 7:22)
« Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, ianareo mpanao meloka. » (Matio 7:23)
Raha tsorina dia otran'ny miteny ny Tompo eto hoe : maro ireo olona no hilaza Aminy hoe izahay anie efa nino anao e (satria tokoa efa teo amin'izireo ny famantarana fa tena nino tokoa izireo) nefa dia holavina izireo.
Inty no antony tsy nandraisan'ny Tompo azy ireo « Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Matio 7:21)
Voalazan'ny Tompo àry fa na dia nino tokoa aza izireo dia mba tsy nanao ny sitrapon'ny Rain'i Jesosy Tompo ka dia voakilasy ho isan'ny mpanao meloka ihany.
Tsy ampy araka izany ny finoana fa mila manao ny sitrapon'Andriamanitra ihany koa isika namana.
Efa nolazaiko ato amin'ity rohy manaraka ity : http://forum.serasera.org/forum/message/m4f229d99284bf fa ny didin'Andriamanitra no mampahafantatra an-tsika ny sitrapony :
Rehefa miteny izy hoe Aza manao an'izao dia midika izany fa tsy tiany (na koa hoe tsy sitrany) ny fanaovana an'izany. Rehefa miteny koa izy hoe Manaova an'izao dia midika izany fa izay izany no zavatra tiany (na sitrany).
Koa tsy ampy ny finoana namana fa mila tanterahina koa ny sitrapony izay fantatra amin'ny alalan'ireo didiny.
Ny didy tokony hotandremana dia ny didy rehetra (afa-ts'ireo didy efa nofohanan'ny Tompo toy ny fitoraham-bato ireo tratra nanota sns marobe efa foana tokoa) manomboka amin'ireo didy lehibe 2 :
- Fitiavana an'Andriamanitra (didy 1 ka hatramin'ny faha 4 ao amin'ny didy folo) ataoko fa tsy misy tokony hasakana an-tsika hanantanteraka an'ireo raha tena ao amin-tsika tokoa ilay hoe "fitiavana Azy".
« Fa izao no fitiavana an'Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny. » (1 Jaona 5:3)
- « Ary ny faharoa dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18). Tsy misy didy hafa lehibe noho ireo. » (Marka 12:31) (didy faha 5 ka hatramin'ny fahafolo amin'ny didy 10)
Fa eo koa ireo didy hafa mbola tsy nofoanan'ny Tompo (ireny ilay mila ianarana ry namako) ary miala-tsiny aho fa tena tafiditra amin'ireny ny momba ny resaka biby maloto fa tsy fombafomba akory matoa petera mbola nitandrina an'io na dia maty aza Jesosy (talohan'ny nahitany ilay fahitana).
Toy ny maha tsy fombafomba ny tsy azo hijangajangana sy ny tsy azo hamonoana olona. Sa raha mitandrina ny tsy famonoan'olona namana dia "fombafomba" koa izay??
Izay diso amin'ny iray loha hoy ny Tompo dia diso amin'ny izy rehetra e!
Averiko ihany fa izao no tsy mampitovy amin'ireo jiosy sy ny tena kristianina efa voaova fo.
Ny Jiosy tsy manaiky ny fony hanaja ny didy fa saingy noho ny didy dia tsy sahy mandika izireo (mahatsiaro mijaly B ny olona otran'izany an : ny fony te hanao mafy fa saingy tsy sahy noho ny didy).
Ny kristianina efa niova fo kosa dia ny fony mihitsy no efa novain'Andriamanitra hanaiky ny lalàna rehetra (tsy ilaina intsony ny mandràra azy ireo hoe Aza manao an'ity na ity satria ny fony efa tsy any intsony e!)
Efa tsy miraika amin'ny fanaovana an'izany intsony ny fony satria efa nesorina tao amin'ny ny "ota" ary efa natao ho "afaka" tamin'ny herin'ny ota izy.
Raha mahatsapa an'io isika dia voavonjy namana a!
Izay dia mibebaha ary mahatanjàha.
Samy ho tahin'ny Tompo daholo.

28. Tefigasy
(
03/02/2012 14:47)
RBNIR:
Izao ary no izy namana tefigasy, Jesosy Tompo mihitsy no nilaza fa tsy ampy ny finoana fa mbola misy zavatra hafa takiany an'ny mpino koa :
Averiko indray mandeha fa efa vitany ny famonjena. Ny mandray io famonjena io amin'ny finoana sisa no adidinao. Tsy misy mihitsy teny milaza hoe tsy ampy ny finoana entina mandray ny famonjena ao amin'ny baiboly na iray aza
RBNIR:
Tsy ampy araka izany ny finoana fa mila manao ny sitrapon'Andriamanitra ihany koa isika
Ny asa tompoko dia vokatry ny finoana efa noraisina tamin'i Jesoa Kristy. Ny tena mpino dia manao ny sitrapon'Andriamanitra fa ny finoana tsy misy asa dia naman'ny maty. Tsy amin'ny fitsaraham-belatsihy ny fiarahana amin'Andriamanitra, tsy atendro-molotra !
Fa hainao ve aloha ny atao hoe sitrapon'Andriamanitra ?
Jao.6:40 : Fa izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany .
Tapitra hatreto ny fandraisako anjara, Be izay teny efa nampitondrain'Andriamanitra ho anao izay mba hinoanao, handraisanao ny famonjena avy amin'i Jesoa kristy fa tsy amin'ny zavatra hafa tsy mahasoa. Anjaranao sisa no mandinika fa vita ny adidiko.
Averiko farany ireto teny ireto ho fanaovako veloma anao :
Jao.14:6 : "Hoy Jesosy taminy : Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako"
Mark16:16 : Izay mino sy atao batisa no hovonjena fa izay tsy mino no helohina
Jao.6:40 : Fa izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany .
Tsy maninona ampio ny baibolinao hoe "RBNIR.didi:10 : izay tsy mitandrina sy manompo andro sy sakafo ary ny fombafomba maro isan-karazany dia tsy hiditra ny fanjakan'ny lanitra"
Fa ny ahy aloha "Ampy ahy Jeso", efa vitany sy tanteraka tao aminy ny zavatra rehetra ary izy no faran'ny fahantanterahana. Izay miditra sy mandray izany amin'ny finoana no handova satria Izy irery ihany no lalana sy fiainana.
29. niryna
(
04/02/2012 17:18)
Tefigasy:hi,hi Tefigasy koa mahasosotra . Fafana kely fotsiny ny tanana ka,ha,ha
Sakafo? tsy izay rehetra miditra ny vava no maloto fa izay rehetra teny ao anatin'ny fo ka avoakan'ny vava satria avy ao anatin'ny fo izany
Fa na izany aza aleo manasa tanana ihany alohan'ny hisakafo fa sao manjary be kakana raha maloto ny tanana dia marary avy eo!
Efa misy tavoahangy kely izay misy fanasana tanana raha tsy mahita rano any am-pandehanana dia ahosotra fotsiny iny dia maty ny loto rehetra. Kely anefa ny finoako ka aleo manasa tanana ihany tokoa e
30. jesuisla
(
04/02/2012 17:26)
Ny arabo sy ny israelit d tsy mihinana kisoa masaka. Tsy milaza anef zany hoe tokony hifady kisoa ny rehetra, satria b reo zavatra novain' jesosy sy nofafany.
Mba hanavahana ny israel @ hafa (jentlyes) sy hitarihana azy d nomena didy iz sy mosesy, ary ireo zavatra fady marob.
Ny hazo fijaliana tsy hoe famonjena fotsiny. Nifarana teo koa ny sorona isankarazany, ny fombafomba isankarazany, ny fady, ny sabt, ny sakafo,sns.
tokony hisy v ny lalàna mandrara ny fanaovana akanjo mivadika? Ary raha toa ka maloto lay olona miditra ao ampiangonana. D unona no tokony ho ataon' mpivavak tsiraikiraiky?
Ny faminaniana farany ndray zao no andrasana. Tena ho tonga marina v? D haninona? Tsy misy andraso kely v? D ho sahin'andriamanitra tokoa v ny hamono ahy? D inona zany izy @zay? Tsy mpamono olona v? F nahona?
Tsy n velona sy ny maty no ho tsaraina f ny asany rehetra.
Nahoana no tsy meloka jesosy nanaiky nahafoy ny ainy? Nahoana no tsy ny fizarana mofo no noentina namonjena ny olona? satria mahay ny zavatr rehetr andriamanitr.
Isaky ny andro faha7 d mihira fiderana lay radiotelé. D ho voavonjy ny radiotelé.
Iza no ho vonjena? andriamnitro ô! hafaho @ saina ratsy aho, @ heloka, @fomba ratsy, @fisainana ratsy, @ratsy rehetra tsy ankasitrahanao. Zay no ilaiko f tsy famonjena. AMEN

31. niryna
(
04/02/2012 17:37)
niryna:
Ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao dia mifandray ireo ka aza tsimpontsimponina izay tiantsika sy maha devolana ny fontsika e.Maninona no tsy notohizana ny tantaran'i Petera noana.Mazava ho azy anie izany fa nasehon'Atra ho an'ireo izay miziriziry milaza fa maloto ny biby sy ny sakafo e.Efa teniNy izao no miteny fa tsy maloto dia mbola lazaina fa maloto ihany tss.
RBNIR:
Faly miarahaba namana niryna,
Raha mamaky ity hafatrao ity aho dia hitako fa mamaly ilay notantaraiko ery ambany ianao fa mba tsy te hamaly mivatana amiko fotsiny ianao (sa ts'izany?? ) .
tsia tompoko,tsy nanonona olona aho fa nizara ireo fiangonana milaza ho mahay tenin'Atra ka mizarazara izay nomeny azy ireo.tsy ratsy izany kanefa alaivo foana ny hafatry ny Tompo: Tsy izay rehetra miditra ny vava no maloto fa izay rehetra avy ao amin'ny fo.Tadiavo ny TV fa tokony ho hitanao izany.Niniako tsy nomena izany satria hianareo mijanona ao amin'ny TT foana foana.
RBNIR:satria toy ny zavatra rehetra tsy ohanina ihany re io tompoko o .Ihinana ny tsy fihinana ve ny olona e .Raha misy mampianatra kosa fa tsy maninona io dia mihinana ny olona-Hoy ilay namanay izay hoe Aty Chine aho izao ,tena marina raha tsy mihinana ny tsy fihinana mihitsy aho izany- marina fa tsy alika mihitsy no narosony anay teo iny ha,ha
Ny tena tiako nasongadina tao dia zavatra 2 manan-danja tokoa :
1- ilay hafatra miafina (tsy takatr'i ny sain'ny maro) hoe kay v i Petera talohan'io fahitana io ka tsy nihinana an'ireny mihitsy e (matoa tokoa izy nandà tsy nety nihinanana dia mazava ho azy fa mbola tsy nihinana izy izany teo aloha). Izy anefa dia niara-nisakafo tamin'i Jesosy Tompo foana (mazava ho azy izany fa tsy nisy koa ny sakafo niarahany nihinana tamin'i Jesosy).
2- Ny tena dikan'ilay fahitana dia tsy araka ny hevitry ny maro hoe fanomezan-dalana ny olona hihinana ny zava-padiana tao amin'ny levitikosy 11 fa kosa fahitana nentina nilazana tamin'i petera hoe « Dia hoy izy taminy: Hianareo mahalala fa fady amin'ny Jiosy ny hanan-draharaha na hiantrano amin'ny olona hafa firenena; nefa izaho efa nampahafantarin'Andriamanitra fa tsy misy olona azoko atao hoe fady na tsy madio. » (Asan'ny Apostoly 10:28)
ka eo no mipetraka ny olana ,maninona rehetra tsy nanona anaran'olona ny olona no milaza sy mitompo teny fatratra hianao fa hianao no voatonona?
Eto indray dia miova ilay izy,kisoa no resahina,milaza sy mitompo teny fatratra ny olona fa Jesosy koa aza mino aho fa tsy nihinana ....tsss ,rehefa tsy nosoratana tao anaty baiboly hoy aho dia aza maminavina ao anaty saintsika fa manjary mamita-tena isika e
Ny dikan'ilay fahitana dia tsy hoe ara-bakiteny hano ny biby maloto fa voadio fa kosa manana heviny miafina ara-panahy hoe "tsy misy olona azo atao hoe fady na tsy madio".
hafa indray izay,resaka sakafo lazaina fa tsy nahazo nohanina no antony resahiko eto ka aleo angamba ilay sakafo lazain'ireo milaza azy ho maloto izay rehetra mihinana azy sy tsy voavonjy izay rehetra tsy miangona sabotsy no hifantohantsika ok.
dia mbola averiko indray hoe na mihinana ilay sakafo ,na tsy mihinana tsy midika fa voavonjy na tsia NY FAMONJENA DIA AVY AMIN'ILAY TOMPO KRISTY IRERY DIA NY FINOANA AZY FA ANDRIAMANITRA VELONA IZY,IZY IRERY NO HANAVOTRA NY FANAHINTSIKA KA MINO AZY TANTERAKA
Raha tsy mahatakatra an'izay isika hoe izay no tena hafatr'Andriamanitra amin'io fahitana io dia ho roboka daholo tokoa hoe hano fa efa voadio e!
Averiko indray: Izay mihinana dia mihinana (aleo aza asiana teny ny kisoa ,ny crevette sns ) ho an'ireo izay manaja ny fiangonany ka mampianatra ny olona tsy ihinana an'ireo sakafo nolazaina fa naloto ireo. ,izay tsy te ihinana koa dia aza mihinana.NY HIFINANANA NA TSY FIHINANANA SAKAFO TSY MAHAVONJY NA MAHAVERY FA NY TSY FINOANA AN' I KRISTY IRERY IHANY NO TSY AHAFAHANTSIKA MIARAKA AMINY MANDRAKIZAY(fiainana ao aorian'ny fahafatesana)
dia tohizo hoy aho hoe tao amin'ny Testamenta Taloha izao no noteniny ,fony kristy mbola tsy tonga nofo ary rehefa tonga nofo kosa izy dia niteny ny mpianany fa TSY IZAY MIVOAKA NY VAVA ,NO MALOTO FA IZAY REHETRA MIVOAKA AVY AO ANATY FO .
Raha araka ilay ao amin'ny lev.11anefa dia tsy mahamasina ny fihinanana ireny e,
misy anefa ny teny milaza hoe "tsy hiditra ao mihitsy izay tsy masina"
Samy ho tahin'ny Tompo namana a!
dia mba omeo kely anay hoe ny toko sy andiny toy io lev nomenao io
misaotra tompoko
32. niryna
(
04/02/2012 17:51)
didi10:hifonana raha tohina ny fonao satria samy tsy misy izay tsy mahalala isika fa ny fiangonana hafa dia mihinana kisoa avokoa raha tsy hoe angaha manao fanafody gasy ilay olona dia ny anaran'ny fiangonana advantista no teneniny fa tsy mihinana kisoa izy ooops, hialana tsiny fa zava-misy izany .
Tsara ny Tompo
Namana Nyrina
Aza tonga dia atao bambaray ohatr'izany kosa hoe rehefa manaja ny Sabata dia Advantista, miala tsiny fa ny Advantista dia tsy mino ny helo tsy mihinan-kisoa, fa ny tenako dia efa nomen'Andriamanitra ny fahamarinana fa
Dia mbola vao maika mitombo indray izany fa misy olona tsy mino ny helo eo.. inona indray re izany fivavahana vaovao izany e ,ha,ha - sa ireo ilay nolazaina hoe zokiny sy zandriny? hifonako aloha fa tsy fantatro an
sa hianao mahalala fiangonana vaovao niala ny advantista ka tsy mihinana kisoa ? raha izay indray dia niampy iray indray ny element. Sa ilay iray nisitaka tao aminy tsy manome ra sy tsy mankalaza ny fahatsiarovana ny nahaterahan' i kristy? tsy naheno aho na mihinana izy ireo na tsia a
1- ny Sabata dia efa hatramin'ny fiandohan'izao tontolo izao no efa noharian'Andriamanitra ary tsy ho levona mandrapahatongan'i Jesosy eny amin'ny rahon'ny lanitra
KRISTY NO SABATA ANKEHITRINY ,voasoratra ao anaty baiboly izany tompoko ka zahavo aho fa tsy afaka ny anome izany aho ,hianareo mijanona ao amin'ny TT taloha fotsiny dia mitompo teny fatratra hmmm. aoka re e .Manomboka manaova recherche ao amin'ny TV amin'izay raha izany .iza no mahalala mety ho hianao no ampiasain'ATra anazavany ny sain'ireo izay mbola mijanonona eo amin'ny TT .
aleloia
2- madio avokoa ny zavatra rehetra, ary ny Jesosy inoako ry RBNIR tsy mba nampianatra ny olona ho voretra ka tsy hanasa tanana izany rehefa alohan'ny hihinana fa nampianatra kosa fa tsy izay miditra ny vava no mampaloto ny fanahy fa izany mivoaka avy ao am-po.
TSY HIANAREO NO NIFIDY AHY FA IZAHO NO NIFIDY ANAREO HOY NY TOMPO
Te hanontany anao aho Namana Nyrina, amin'ny andro fahafiry ianao no mandeha miangona raha tsy mahadiso? dia inona no antony nisafidiananao izany andro izany?
ny finoana sasany aza mivava im-pito isan'andro ka mampaninona anao moa izay andro andehanan'ny olona miangona rehefa mivoha ny fiangonana? Averiko indray fa manaja ny andro sabata = KRISTY NO SABATA ary dia mandehana miangona amin'ny fotoana hivoahan'ny fiangonana ,amin'ny fotoana izay mampalalaka anao,tena hanajanao ny androny,hiatrehanao ny hery avy aminy ary hiarahanao mizara ireo namana sy tapaka ny fitiavany.
[COLOR=BLUE] AMIN'NY FIFALIANA..........DERAO ANDRIAMANITRA
AMIN'NY FAHORIANA........ZAHAO ANDRIAMANITRA
AMIN'NY TSY FINOANA.......ANTSOY ANDRIANITRA
AMIN'NY ZAVATRA REHETRA ....ISAORY ANDRIAMANITRA
AMENA HO AZY IRERY ANIE NY VONINAHITRA [/COLOR]
33. niryna
(
04/02/2012 17:58)
didi10:
2- madio avokoa ny zavatra rehetra, ary ny Jesosy inoako ry RBNIR tsy mba nampianatra ny olona ho voretra ka tsy hanasa tanana izany rehefa alohan'ny hihinana fa nampianatra kosa fa tsy izay miditra ny vava no mampaloto ny fanahy fa izany mivoaka avy ao am-po.
MIOMBOKEVITRA AHO
RBNIR:oooppsss dia ahoana ny tohiny ....
Faly miarahaba namana didi10,
Efa nolazaiko tery ambany namana hoe "tapitra" ny hadihevitra ataon-tsika mirahalahy amin'ity resaka ity (efa mitady hiboriaka tokoa mantsy izy izany sao tsy tsapantsika ry namako) ka hangina aho fa tsy hiloabava e,
Manasa tanana tsara aho ka, fa indraindray mba sendra otran'ireo mpianatr'i Jesosy Tompo ihany tsy mahasasa tanana intsony ka mety hahagaga ny sasany ihany ka hahatonga azireo hanon-tany hoe « Nahoana ny mpianatrao no mandika ny fampianarana voatolotry ny razana? Fa tsy mba manasa tanana izy, raha hihinan-kanina. » (Matio 15:2)
Samy ho tahin'ny Tompo namana a
ry fariseo mpihatsaravelatsihy ...marina tokoa ny tenin'ny Isaia mpaminany fa hianareo manaiky ahy eo amin'ny molotra fotsiny fa ny fonareo manalavitra ahy sa tsy izay ny tohiny na aleo ho tohizako satria nisy teny iray izay nolazain'ny Tompo an'ireo fariseo sy mpanoradalana ireo
Dia ahoana indray hoy ry zareo? rehefa nanao asa ny andro sabata izy.Tezitra ireo fariseo fa nanasitrana olona izy kanefa hoy ny Tompo hoe raha misy ondry very iray moa tsy hitady izany hianareo na andro sabata aza .
Aleo ny teny ao anatin'ny baiboly no zaraina fa tsy tsimpotsimponina etsy sy eroa fotsiny aloha e .Izay hiainantsika no lazaina ka ampiharina amin'ny fiainana.
34. niryna
(
04/02/2012 19:15)
didi10:hi,hi, resaka inona indray no efa vita e
Marina izany namana a! ay moa efa oe tapitra ka izaho koa no mbola mi-insiste eto!
Mba ampianaro an'ity namana Nyrina ity rahalahy ny resaka Sabata a!
Fantatro ny hinoako ka, Kristy no Sabata amiko dia izay fa tsy asabotsy na alahady io
Izay mampianatra diso dia aoka izy no ho tsarain'ny Tompo,rehefa miteny Izy hoe mahazo hanina avokoa dia aza mihinana hianareo,tsy maninona ,izany akory tsy midika fa tonga any an-danitra fa tsy nihinana an.
Raha mino Azy avy isika dia izay,hifankahita any an-danitra ary tsy misy henankisoa intsony any fa sakafo hafa tokoa (sakafom-panahy) ka na mihinana na tsia dia tsy maty antoka .Ary tsy ny sabotsy araka ny ho teneninareo akory no anaovana fivavahana any fa fiderana an'ATra isan'andro ,isan'ora ,isa minitra.Ka avelao ny olona andeha hiangona amin'izay fotoana mampalalaka azy sy mampadevolana ny fony satria ny fo torotoro mitady Azy no tadiaviny na andro inona io na andro inona ok
Averiko indray fa sakafoi maloto sy madio no resahiko eto an
35. niryna
(
04/02/2012 19:19)
INONA ARY NO TADIAVIN'NY TOMPO AMINTSIKA?
......
......
Vita tompoko
Tefigasy:
Ny fitoriana ny filazantsaran'ny fanjakan'andriamanitra re imasoana fa aza mandany andro amin'ny fitoriana andro na sakafo na fitafy na .... Jesoa no tokony banjinina; izay hahazoan'ny olona tsirairay ny fanjakan'andriamanitra no tanjontsika fa tsy ny fitoriana andro akory, tsy ny andro no zava-dehibe fa ny famonjen'i Kristy, ny fitiavan'i Kristy.
aleloia ! ! marina tanteraka izany TSY NY ANDRO NO ZAVA-DEHIBE FA NY FAMONJEN'I KRISTY SY NY FITIAVANY
hi,hi ,izaho angaha mitory andro ha,ha, ireo misy milaza azy ho sabata ,sabata lava ireo no ahitsy TSY NY ANDRO NO ZAVA-DEHIBE FA NY FAMONJEN'I KRISTY SY NY FITIAVANY
Koa raha mety ry niryna dia aoka ianao tsy hididtra amin'izany resaka fitoriana andro izany, Jesoa tsy naniraka antsika hitory andro, na sakafo akory fa hitory ny filazantsaran'ny fanjakan'andriamanitra. Raha misy fanontaniana mikasika andro ataon'ny mpitory andro ainao dia Jesoa kristy atao valiny.
Vita tompoko! hihihi
VITA
36. niryna
(
04/02/2012 19:51)
RBNIR:ahoana ny fanoharana,moa tsy mpijangajanga,mpangalabadin'olona no novonjeny?
« Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina, ........ » (Apokalypsy 21:27)
Inona no atao hoe olona masina?
« Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy. » (Apokalypsy 14:12)
Ny olona masina dia izay mitandrna :
1- ny didin'Andriamanitra
2- sy ny finoana an'i Jesosy
[/QUOTE] inona ny didin'Atra ? ny didifolo ve ?
tsy misy mahatanteraka an'io na iray aza ka izany no antony nandefasany ny Zanany mba hisolo ny helontsika tety an-tany. [U] ISIKA DIA EFA SAMY NANOTA AVOKOA KA TSY MENDRIKA HIANTSO NY ANARANY AKORY - ARY TSY MISY MARINA NA DIA IRAY AKORY AZA . SAINGY NOHO NY FITIAVANY NO NAMONJENA ANTSIKA -TSY ASA,TSY FISAHOSAHOANA,TSY FIANGONANA-TSY FIDIRANA ANDRO ALAHADY NA SABOTSY ..TSY FIAMBOAMBOANA,TSY FANOMEZANA ADIDY ETSY SY EROA KA ATAO FANTATRY NY AMBANY LANITRA ,TSY FANANANA HARENA ,TSY FANAOVANA IZAO SY IZAO KA MITADY DOKA HO TIAN'NY OLONA ,SNS TSIA,TSIA [/u][COLOR=GREEN] FA FINOANA NO NAMONJENA ANTSIKA .[/COLOR]
[COLOR=BLUE]
FA TOY IZAO NO NITIAVAN'ATRA IZAO TONTOLO IZAO,NOMENY NY ZANANY LAHITOKANA MBA TSY HO VERY IZAY REHETRA MINO AZY FA HANANA FIAINANA MANDRAKIZAY ARY KOA TSY TONGA HIANTSO NY MARINA IZY FA NY MPANOTA, MBA HIBEBAKA[/U] [/COLOR]
Dia ahoana koa hoy Izy MINOA FOTSINY IHANY DIA HO VONJENA HIANAO SY NY ANKOHONANAO[ ary dia afaka mamaky ireo finoana nomeNy ao amin'ny Hebreo 11 isika
misaotra tompoko
[QUOTE]
Mety vao izao no fantatrao io teny io namana, mahereza fa tsy ampy ny finoana an'i Jesosy.
Raha tsy izany dia ho mpijangajanga, mpangalatra, mpamono olona ary mpaniratsira an'Andriamanitra avokoa no hampiakarin'i Jesosy indray andro any (satria mino aho fa mora ny mitazona ny finoana an'i Jesosy namana ary maro no mifikitra amin'io finoana io fotsiny ihany ka tsy mandrahara intsony hoe misy koa anie ireo didy mbola tokony hotandremana).
ahoana ilay vehivavy narary roa ambin'ny folo taona? moa tsy ny finoana no nahasitrana azy?
aoka re e
na inona na inona dia hoy ny Tompo amintsika rehetra : Avia anaraka ahy ,avia isika hifandahatra fa na dia mena toy ny jaky aza ny fahotanao dia ho fotsy toy ny oram-panala izany.Inona no hevitra fonosin'izany? mifona amin'ATra ary lazao aminy avokoa ny fahotanao rehetra,mangataha famelankeloka ary mamela ireo olona nanao ratsy taminao fa ho avelany avokoa ny helokao na inona izany na inona .Tsy misy hoe ity voavela ,ity tsy izy ...tss aoka hoy aho fa aza dia sasana ny lohan'ny olona e .Rehefa teniNy iny dia teniNy ary tsy miova Izy
dia inona no tianao resahina amin'izany? aiza izay lalana eo,ny mahay lalana dia hiaran'ny lalana ,izay tsy mahalala lalana kosa dia ny asa ataony no hitsarana azy. Ahoana izany no fomba hitorianao ny olona tsy mahalala an'Atra mihitsy?
Saingy hoy koa i Jesosy Tompo hoe :
« Midira amin'ny vavahady èty ianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana izay mankany amin'ny fahaverezana, ka maro ny miditra any. » (Matio 7:13)
« Fa èty ny vavahady, ary tery ny lalana izay mankany amin'ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy. » (Matio 7:14)
Mahereza fa tianao Jesosy,
Tsy mora ny manaraka sy mino an'Atra ,eny tsy mora tokoa satria na fihetsika ,na fiteny ,na fanoratra na inona na inona dia mora amin'ny olona no hitsara antsika ,eny tsy mora ny hoe kristiana.Saingy manana finoana kosa aho ka izay finoana ao anatiko izay no ho zaraiko izay mbola tsy mahalala ny fitiavan'ilay kristy ahy.Tsy hisy intsony na iza na iza hitsara ny olona rehefa mibebaka izy satria efa voasoratra ao anatin'ny bokin'ny fiainana ny anarany noho ny fahafantarany fa manana mpamonjy izy ary mino an'izany mpamonjy izany tokoa satria efa nametraka ny fiainany rehetra ho tantany .
Averiko indray na iza io na iza.Rehefa eny ny teniny dia eny .Rehefa niteny izy fa ho fafany ny fahotantsika dia voafafany izany na manazava aza izy fa tery sy ety ny mandeha any ,rehefa mino ny olona,rehefa mitazona izany finoana izany dia izay.ka tsy mora io ka izay no mahatonga hoe tery dia tery ,ety dia ety ny mankany.Tazomy ny finoana fa ahozongozona .
AMIN'NY FIFALIANA..........DERAO ANDRIAMANITRA
AMIN'NY FAHORIANA........ZAHAO ANDRIAMANITRA
AMIN'NY TSY FINOANA.......ANTSOY ANDRIANITRA
AMIN'NY ZAVATRA REHETRA ....ISAORY ANDRIAMANITRA
AMENA HO AZY IRERY ANIE NY VONINAHITRA
37. niryna
(
04/02/2012 20:22)
jesuisla:aleloia
Ny arabo sy ny israelit d tsy mihinana kisoa masaka. Tsy milaza anefa zany hoe tokony hifady kisoa ny rehetra, satria b reo zavatra novain' jesosy sy nofafany.
misaotra jesuista
ireo milaza azy ho kristiana no anontaniako azy roa lahy manaza ny tsy fihinana kisoa fa misy hafa indray hono,hono,io an ha,ha
misaotra anao ,ary taty aoriana kristy dia niteny fa ny famonjena dia ho an'i Jiosy aloha vao ho an'ny jentilisa e,na jentiles e aleloia,soa ihany fa tsy nanara-dalana ireo jiosy fa raha tsy izao tsy nisy voavonjy isika .sa ahoana,be mokondoha ry zareo dia naelon'ny Tompo nozarainy taty ivelany ilay famonjena
Mba hanavahana ny israel @ hafa (jentlyes) sy hitarihana azy d nomena didy iz sy mosesy, ary ireo zavatra fady marob.
alleluyia ..God bless you !
Ny hazo fijaliana tsy hoe famonjena fotsiny. Nifarana teo koa ny sorona isankarazany, ny fombafomba isankarazany, ny fady, ny sabt, ny sakafo,sns.
Izay indrindra mantsy,eo ka eo foana amin'ny fifandiankanina sy ny andro sabotsy sy alahady
Ny tena mampalahelo anie dia tena mahay tenin'Atra ireo milaza izany kanefa dia miziriziry eo amin'ny Testamenta Taloha eo foana.Eny e,nasehon'Atra antsika izany mba handinihantsika tena hoe ahoana tokoa moa izany. Misy antony daholo ny zavatra rehetra mitranga amin'ny fiainana mba hianarana lesona ka matoa tonga eto io lohahevitra io dia asehon'Atra ny saintsika,ahiratany ny masontsika ary ataony malady ny sofintsika mba tena hihaino ny tenin'Atra tokoa
misaotra Jesuista
hi,hi dia lasa mihitatra indray izy ,sakafo no resahina eto ry toi a
tokony hisy v ny lalàna mandrara ny fanaovana akanjo mivadika? Ary raha toa ka maloto lay olona miditra ao ampiangonana. D unona no tokony ho ataon' mpivavak tsiraikiraiky?
Iny indray dia anjarantsika tsirairay io,fo madio no tadiaviny,fo mibebaka ,fo mamela heloka ary fo vonona ny ametraka ny fiainany eo amiNy ka rehefa tonga izay fotoana izay dia mihiratra ho azy ny masontsika ka dia ho zava-poana avokoa ireo rendrarendra rehetra.Amiko izay an
ooops,angaha tsy mino ny fihaviany hianao? efa voasoratra izany ka,vakio ao anatin'ny Tantaran'ny faminaniana na ny apost fa ao ny fanazavana rehetra ary raha mbola tsy nandeha ary Izy dia efa niteny hoe andeha aho ka anamboatra fitoerana ho anareo(mino aho fa efa vita kosa izay e ,ha,ha )
Ny faminaniana farany ndray zao no andrasana. Tena ho tonga marina v? D haninona? Tsy misy andraso kely v? D ho sahin'andriamanitra tokoa v ny hamono ahy? D inona zany izy @zay? Tsy mpamono olona v? F nahona?
Tadidinao izy taminy niresaka tamin'' ny mpianany simona ? asehoy anay ny ray dia ampy anay izay...dia hoy Izy hoe " iza ela izay aho no niaraka taminareo ka mbola manontany ihany ve hianareo hoe asehoy ahy ny Ray? ...Izaho sy ny Ray dia iray ihany hoy izy" ( io koa dia mbola resaka tsy mety ho tapitra satria mbola misy tsy mino an'i kristy ho Atra koa ny fivavahana hafa ) aoka re e, fa dia mbola samy mivavaka mafy isika mba tsy ho mpizara fotsiny fa hanaiky hianatra ny ao anaty baiboly ihany koa
hi,hi sy izay rehetra mihaino azy e hi,hi
Tsy n velona sy ny maty no ho tsaraina f ny asany rehetra.
Nahoana no tsy meloka jesosy nanaiky nahafoy ny ainy? Nahoana no tsy ny fizarana mofo no noentina namonjena ny olona? satria mahay ny zavatr rehetr andriamanitr.
Isaky ny andro faha7 d mihira fiderana lay radiotelé. D ho voavonjy ny radiotelé.
Dia hoy Izy hoe ,izay mangataha dia ahazo,izay mitady dia ahita ary izay mandondona dia ho vahana, koa mangataha fa omeny hianao,zahao Izy fa ahita ny voninahiNy tokoa hianao ary sokafy ny fonao hidirany ka Izy irery ihany no anova ny fonao andeha amin'ny finoana Azy ary anaraka ny sitrapoNy
Iza no ho vonjena? andriamnitro ô! hafaho @ saina ratsy aho, @ heloka, @fomba ratsy, @fisainana ratsy, @ratsy rehetra tsy ankasitrahanao. Zay no ilaiko f tsy famonjena. AMEN
Amena
38. niryna
(
04/02/2012 20:24)
Tefigasy:ALELOIA ,VITA TOMPOKO ,TSY ANASORANA ,TSY ANALANA
Io marka 16:16 io no lakile mampiditra anao amin'ilay famonjena, ny ankoatran'izay tsy mahavoa an'ilay varavarana tompoko ô. Na hitandrina ianao na tsy hitandrina, tsy any ny olana fa ny MINO no takiana aminao dia ampy ary tena ampy
Misaotra Tefigasy a
39. niryna
(
04/02/2012 20:29)
Mety vao izao no fantatrao io teny io namana, mahereza fa tsy ampy ny finoana an'i Jesosy.
Tefigasy:Izaho mba gaga
Dia ny baiboly mihitsy no disoinao raha izany ! Izay tsy mino no helohina ary izay ihany fa tsy misy fanampiny.
manara-drenirano fotsiny ry zareo e,dia miziriziry amin'ny tsianjery maimbo eo fotsiny ooops
« Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina, ........ »
misaotra e, mazava be
Efa nohamasinin'i Jesoa kristy tamin'ny fahafatesany sy ny fitsanganany tamin'ny maty ny olona mino azy tompoko ô, Izay ilay hoe niara-maty sy niaraka nitsangana taminy, miaina amin'ilay fiainam-baovao. Izay ilay batisa dia ilay fisitrihana ao amin'i Kristy, ilay filentehana ao amin'i Kristy ary hamarinin'ny Marka 16:16 izany eto.
40. niryna
(
04/02/2012 20:58)
Tefigasy:
Dia ny baiboly mihitsy no disoinao raha izany ! Izay tsy mino no helohina ary izay ihany fa tsy misy fanampiny.
RBNIR:
tsy diso akory ny tenin'Andriamanitra namana, saingy isika tsy mety mandroso fa mihanina fotsiny amin'ny "ronono" no nanomezana ireo teny voatanisanao ireo namana. Mirosoa dia atoron'Andriamanitra anao ny marina.
tefigasy:
Efa ireo ambarako anao ireo ny marina fa ianao no mbola mitady zavatra hafa fanampiny ka indro lasa tsinotsinona eo imasonao ilay zanak'andriamanitra nanolotra ny ainy ho famonjena anao.
Tadidio fa efa vitany ny famonjena, ny mandray izany sisa no ataonao. toy ny olona iray adala miditra ao anaty auto nefa mbola miloloha enta-mavesatra no fijery anao ankehitriny !
RBNIR:dia tena sahy hilaza ve hianao(RBNIR] fa tsy manota mihitsy e?
Ny nampianariny ahy dia tsy manota izay ao amin'ny kristy namana . Ary na iza na iza manota dia tsy nahita na nahalala Azy.
aoka re e,mbola tsy tonga ny fotoana fa misaora Azy nanome tombon'andro hivavahana sy angatahana famelankeloka isan'andro isan'andro.
Ahoana hoy ny Tompo: TSY MISY MARINA NA IRAY AZA isika,hianao,izaho dia tafiditra amin'izany
Ny hoe mahazo manota ve isika sa tsia,hianao ihany dia afaka mamaly izany Dia andao indray aza hiverina ao anaty baiboly(tsy manome toniny sy andiny aho satria miainga amin'ny fiainana andavan'andro no resahiko an].
Aza mitondra anay amin'ny fakam-panahy fa manafaha anay amin'ny ratsy . Noho izany dia mivavaka aminy isika mba ho arovany amin'ny ratsy rehetra ary mba ahatohitra ny fakam-panahy rehetra sy ny fahotana (na kely io na lehibe) ..dia mbola miteny koa Izy fa tsy misy zioga hoentintsika ka tsy zakantsika,matoa mitranga amin'ny fiainana ny zavatra rehetra dia zakantsika izany ary raha toa ka tsy zakantsika dia hoentina eo amiNy.
Tsy miandry ny tsy ho zaka kosa aloha vao mandeha eo amiNy an. Mivavaka isan'andro isika toy ny mihinankanina ireny ihany
Mankanesa aty amiKo hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana fa izaho no anome anareo fitsaharana. Any aminy irery no misy ny fitsaharana(paix na peace).Ka araka izay nolazaina fa tsy misy marina izany dia tsy misy mahatandrina ny didy izay teneninareo lava eo na iray aza.Fa fametrahana ny fiainana eo amiNy sy fiaikena ny fahotana ary fanaovana fibebahana no tadiaviny rehefa manota indray isika-Tsy mbola anjely akory isika ka hoe tsy afaka ny hanota intsony( na fialonana,fitiavantena,fitsiriritana sns izany dia fahotana avokoa fa tsy hoe nangalatra ,namono olona ) Noho izany maro ireo zavatra fantatsika ary ao koa ny tsy fantantsika fa fahadisoana sy fahotana ka angatahana fifonana aminy .Angaha io volena fa tsy tonga ho azy rehefa tonga ny fotoana.hi,hi
misaotra tompoko