Efa resabe teto foana io fady fady io: Hoy ny Tompo izay rehetra miditra ny vava dia madio avokoa

41. niryna ( 04/02/2012 21:11)
didi10:

Namana Tefigasy
Aminao izany dia ny finoana sy fandraisana an'i Jesosy Kristy ho Tompo sy mpamonjy ny fiainanao dia ampy ho "garanti" amin'ny famonjena anao

Tefigasy:

Voalazanao andriamatoa, tokana ny lalana dia Jesoa kristy irery ihany. Ny finoanao azy ihany no hahazoanao ny lakile miditra any amin'ny fanjakan'andriamanitra fa tsy ny fitandremana andro na sakafo na fombam-pivavahana toy ny ataonao akory.

Jao 14 : 6 : "Hoy Jesosy taminy : Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako" . Tsy misy resaka andro na sakafo na fombafomba izany tompoko ô. Jeso no lalana, atolory azy ny fiainanao, ny fonao dia hahita ny Ray ianao. Mibebaha amin'io fahotanao io, amin'io mbola fanompoanao andro, sakafo, fombafomba isan-karazany ,
.... Jesoa re tompoina e, tsy mahavonjy ny andro, tsy mahavonjy ny sakafo fa Jesoa no loharanon'aina ho anao raha tena manaiky Azy ianao. Mbola misy andro azo hiovana fo ankehitriny ka aza menatra ny mandray Azy ho tompo sy mpamonjy anao mba tsy hanenina any aoriana.
Tadidio fa efa vita ny famonjena, ary tsy misy mpamonjy andrasana intsony fa ny anjaranao dia ny mandray izany famonjena efa vitany izany. Ho avy jeso haka ny azy ka sao lahy hanenina ianao !

Averiko ihany ity Mark16:16 ity : Izay mino sy atao batisa no hovonjena fa izay tsy mino no helohina Mazava be izany fa ny finoanao an'i Jesoa Kristy no ilaina,


didi10:

saingy aza gaga raha ampidirin'i Jesosy ao anatin'ireto karazan'olona ireto ianao:

Tefigasy:

Soa ihany fa tsy Jeso ianao fa raha Izy ianao dia tena nalefanao tany amin'ny afobe mihitsy angamba aho raha nanana ny fahefana hanao izany ianao. Tsarovy anefa fa efa fahavalo resy satana ka tsy manana fahefana intsony amin'ny olona efa mandray an'i jeso ho Tompo sy andriamanitra. Betsaka ny teny efa nomen'i Jesoa ahy ary manahy aho fa tsy miara-dalana amiko ho any amin'ilay paradisa efa nampanantenainy ianao raha mbola tsy Izy no manapaka anao fa ny andro, ny sakafo, ny fombafomba isan-karazany !


nataoko ny tsy hihomehy .Voafoakanao tanteraka ilay izy ,misaotra Tefy a
42. niryna ( 04/02/2012 21:16)
RBNIR:

Faly miharaba an-tsika rehetra indray,
Misaotran'Andriamanitra lehibe aloha fa dia namaly vavaka an-tsika tokoa izy e,
Izao ary no izy namana tefigasy, Jesosy Tompo mihitsy no nilaza fa tsy ampy ny finoana fa mbola misy zavatra hafa takiany an'ny mpino koa :
taiza hianao no nihaona tamiNy,rehefa avy nandefa ilay video ve dia tonga niresaka taminao tao an-tranonao Izy ,
ha,ha oooops Tsy manimbazimba anao aho an,toa ohatranizany no fomba firesahanao azy fa hifonako

43. RBNIR ( 06/02/2012 05:06)
Faly miarahaba ny namana rehetra indray,
Raha tsy sahy mamono olona isika na koa tsy sahy mijagajanga noho ny maha sitrapon'Andriamanitra izany.
Moa azo lazaina v hoe manao fombafomba isika amin'izany???
Ahoana raha miteny ny hafa finoana na ny tsy mpino hoe manao fombafomba koa ireo kristianina ireo fa jereo fa tsy sahy mijangajanga na mamono olona izy???

Matoa isika tsy sahy mandika an'izany dia satria fantantsika tsara fa norarany ary koa tena sitrapony mihitsy izany.

Ny olona mahatsapa an'izany dia tsy manisy hadihevitra B intsony fa ny ataony fotsiny dia hoe inona no mbola tokony hotandremana araka ny fampianaran'i Jesosy Tompo ary inona no efa tsy tandremana intsony.

Mazava B ny fampianarana:
misy tokoa ny zavatra efa tsy tokony hotandremana intsony saingy mbola misy koa ny mbola tokony hotandremana.

Ny mampalahelo dia tenin'Andriamanitra entina hanambarany zavatra hafa nefa dia aolan'ny hafa handravana didin'Andriamanitra velona.

Izay tokoa angamba ny fahatanterahan'ity teny manaraka ity ry namana isany « tahaka ny ataony ao amin'ny epistiliny rehetra koa, fa milaza izany zavatra izany ao aminy izy; ary amin'ireo efa misy zavatra saro-pantarina, izay aolan'ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, tahaka ny anaovany ny teny sasany amin'ny Soratra Masina koa, ka mahatonga fahaverezana ho an'ny tenany. » (2 Petera 3:16)

Manainga an-tsika rehetra ny tenako hivavaka mafy mba ho tonga amin'ny fahalalana ny Marina tokoa isika,

Samia tahin'i Jesosy Tompo ry namana isany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.007