NY LALANA
1. rijadolly
(
23/06/2011 18:50)
Rekinbelo:
tsy manatanteraka lalàna intsony isika satria tsy misy olombelona mahavita izany fa kristy irery no nahavita izany matoa izy sahy nilaza hoe hanatanteraka ny lalàna aho.toy ny manao tsinotsinona an'i kristy ianao raha mbola iverina itandrina ny lalàna ihany.toy ny hoe tsy nahavita azy izany io kristy io de enao ndray no manatanteraka azy.roa ihany ny lalàna nasain'ny kristy ho tandremantsika:
1) tiavo an'i Jehovah Andriamanitrao @ fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra
2) tiavo ny namanao tahaka ny tenananao
ireo ihany no ialina tandramna dia manaraka ny sitra-pony enao!
RBNIR:
Fantaro ary katsaho tsara aloha ny marina namana fa aza avy dia malady manohitra toy izany ianao,
Araka ity teny ity anie namana : « Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara; fa "ny fitiavana manarona fahotana maro" (Oha 10.12) » (1 Petera 4:8).
Ireo didy 2 tanisainao ireo anie ka mamintina ny didy folon'Andriamanitra e!
- ny didy voalohany ka hatramin'ny faha efatra dia mitaona ny olona hitia an'Andriamanitra tokana sady marina,
- ny didy fahadimy ka hatramin'ny fahafolo kosa dia mitaona ny olona hitia ny namana rehetra,
Ary raha vakianao ny tohin'ny mat.5 dia lazain'i Jesosy Kristy mazava tsara tokoa ny fomba hanantanterahana ny lalàna.
Ohatra voalohany nataony:
« Efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mamono olona (Eks. 20. 13); ary izay mamono olona dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana. » (Matio 5:21)
« Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra* amin'ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin'ny rahalahiny hoe: Olom-poana ianao, dia miendrika hohelohina amin'ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy, dia miendrika ho ao amin'ny helo** mirehitra afo. [*Na: tezitra foana] [**Gr. Gehena] » (Matio 5:22)
Ny taloha dia hoe Aza mamono olona dia ampy, fa ny an'i kristy kosa na tezitra aza tsy azo atao. Ny fahatezerana anie ry namana no mitarika ny olona hamono ny olona e! Rehefa tsy mitezitra olona ianao tsy ahavita hamono azy mihitsy, tanteraka ho azy ny tanjona tian'Andriamanitra atao dia ny tsy hamonoanao ny olona.
Ohatra faharoa nataony :
« Efa, renareo fa voalaza hoe: Aza mijangajanga (Eks. 20. 14). » (Matio 5:27)
« Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady. » (Matio 5:28)
Ny taloha dia hoe Aza mijangajanga dia ampy, fa ny an'i Kristy kosa na mijery vehivavy hila azy aza dia tsy azonao atao.
Raha tsy mijery vehivavy hila azy marina v ianao ahavita hijangajanga aminy??
Raha ny an'i kristy no narahinao tanteraka ho azy ny tsy fijangajangana,
Araka ity : « Ary hoy Izy: Izay mivoaka avy ao amin'ny olona, dia izany no mahaloto azy. » (Marka 7:20)
« Fa avy ao anatin'ny olona dia avy ao am-pony, no ivoahan'ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan-olona, ny fakam-badin'olona, » (Marka 7:21)
« ny fieremana, ny lolom-po, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy*, ny avonavona, ny fahadalana:[*Gr. blasfemia; izahao Mat. 9. 3] » (Marka 7:22)
Tsy tian'i kristy ny madio ivelany namana (mety mahavita tsy mijangajanga mihitsy ny olona iray nefa hay ao amponao ao feno fanirina vehivavy fatratra).
Any anaty no ilainy ho diovina sy ho fotsiana dia tanteraka ho azy ety ivelany ny lalàna rehetra namana,
Manoro hevitra anao aho namana, diovy ny ao anatinao ao, jereo ilay fandaharana dia ianaro ny fomba ahatongavanao amin'izany.
Ao anaty baiboly ao ihany no valiny fa tsy miafina akory namana. Mila mianatra isika
Samy ho tahin'ny Tompo anie isika rehetra.
Rijadolly:
Misy fanazavana voaraiko tsara ny an'ny RBNIR, eo amin' famitinana ny Lalàna ho roa izay manamarina ilay Lalàna nolazain' Rekinbelo roa ireo. Ny zavatra nanahirana ahy amin' hevitry Rekinbelo anefa dia ny filazana fa manao tsinotsinona an' Kristyizay manaraka ny Lalàna. Raha ohatra izany ka miteny ianao hoe za tsy hangalatra an'io dia midika fanaovana tsinotsinona Azy satria vitanao ny tsy nangalatra? Tsia kosa angamba ny valiny. Sa tsy azoko ny tian' se tenenina?
Rekinbelo:
ny lalàna tiako ambara eto anie ry namana dia ny lalaàna mosesy rehetra e.tsy arahintsika intsony ireny fa efa NOTANTERAHANY KRISTY, fa ireo lalàna 2 ireo no nohamafisiny mba ho antsika à izao fotoana izao.
tsy mitandrina sabata, ny paska, pentekosta sy ny hafa intsony isika fa afaka malalaka mihitsy satria izay no atao hoe afaka tsy andevo intsony.
Fa mba tiako ho fantatra aloha namana ny atao hoe marina? inona no dikany izy io?marina amiko mantsy tsy voatery hoe marina aminao, ary ny marina aminao tsy marina amiko koa.
ny lalàna tiako ambara eto anie ry namana dia ny lalaàna mosesy rehetra e.
Fa nga moa Mosesy no namorina an'ireo no hoe lalàn' Mosesy? Jesosy Kristy aza anie mbola nitandrina an' ireo e! porofon'izany, tsy mbola nandrara ny olona izay manao izany IZY. Fa ny zavatra tena tsindriaNY dia ny maha tsinotsinona izany lalàna izany raha tsy ny ao am-ponao sy ny toe- panahinao, saina no entinao ho an' Andriamanitra; Eny fa na dia tamin' Andron' Hosea, Isaia aza izany dia efa nipetraka.
HOSEA 6 : 5 Ary noho izany ny mpaminany no nentiko nikapa azy, ny tenin'ny vavako no nentiko namono azy; Ary ny fitsarana anao dia hiposaka toy ny mazava.6 Fa famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà,ary fahalalana an'Andriamanitra noho ny fanatitra dorana.
ISAIA 1 : 10 Mandrenesa ny tenin'i Jehovah, ry mpitsaran'i Sodoma; Mihainoa ny lalàn'Andriamanitsika, ry vahoakan'i Gomora.11 Hataoko inona ny zavatra betsaka vonoinareo ho fanatitra? hoy Jehovah; Efa tofoka ny ondrilahy atao fanatitra dorana sy ny saboran'ny zanak'omby mifahy Aho, Ary tsy sitrako ny ran'ny vantotr'ombilahy sy ny an'ny zanak'ondry ary ny an'ny osilahy.12 Raha avy miseho eo anatrehako ianareo, Iza moa no nitady anareo hanitsakitsaka ny kianjako? 13 Aza mitondra fanati-poana intsony; Fofona fahavetavetana amiko izany! Ny voaloham-bolana sy ny Sabata ary ny fiantsoam-piangonana. Tsy zakako ny fivoriana masina haroharoam-paharatsiana!14 Ny voaloham-bolanareo sy ny fotoam-pivavahanareo dia halan'ny fanahiko, Mavesatra amiko izany, Ka sasatra mitondra azy Aho.15 Raha mananty tanana ianareo, Dia hitampi-maso tsy hijery anareo Aho; Eny, na dia manao vavaka be aza ianareo, dia tsy hihaino Aho; Feno ran'olona* ny tananareo.[Heb. rà nalatsaka]
répondu par rekinbelo le 05/07/2011 12:28
2. Miharena
(
24/06/2011 03:10)
Misy hevitra mifamahofaho be dia be tokoa ny amin'io resaka lalàna io.
Amiko dia fandrindram-piaraha-monina ihany no idiran'ny lalàna fa tsy ny fahadiovana anaty.
Zary lasa exercice mental ny famoaboasana rehetra raha tsy mivoaka amin'ny tsoa-kevitra mazava sy tsotra.
Tsy misy zavatra ratsy raha toa ka amin'ny fo madio no anatanterahana azy.

3. rekinbelo
(
24/06/2011 06:37)
mifamahofaho mihitsy io ka mila fahatakarana lalina ihany ko.Nisy tanjona nokendreny mantsy ny lalàna (lalànan'ny mosesy no tiak tenenina eto)
natao ho an'ny Israely izy io mba :
1- tsy haloto fa hiavaka tsara @ firenena hafa satria ao no hivoaka ny mesia
2-mba ho firenena masina sy mpisorona
3-ahafantarany fa mila mpanavotra izy
4-nitaiza ny Israely koa izy io mba hadio fitondran-tena
somary lava le fanazavanafa tohizako refavieo fa sady miasa

4. Miharena
(
24/06/2011 06:53)
Tanisa maro avokoa ireo fa tokana ny LALANA dia ny FITIAVANA MANDRAKIZAY.
Rehefa matoky izay zava-tsotra izay dia afaka tanteraka.
Rehefa matoky izay zava-tsotra izay dia afaka tanteraka.
5. rekinbelo
(
24/06/2011 09:01)
ka tsika anie ry miharena mahafantatra fa le discussion eto.ilaina mba fantarina koa mantsy ny lavany sy ny sakany ny Baiboly mba anamafy oria ny finoana ananatsika tsirairay e!
6. Maranatha
(
24/06/2011 11:15)
Miharena:
Misy hevitra mifamahofaho be dia be tokoa ny amin'io resaka lalàna io.
Amiko dia fandrindram-piaraha-monina ihany no idiran'ny lalàna fa tsy ny fahadiovana anaty.
Zary lasa exercice mental ny famoaboasana rehetra raha tsy mivoaka amin'ny tsoa-kevitra mazava sy tsotra.
Tsy misy zavatra ratsy raha toa ka amin'ny fo madio no anatanterahana azy.
Raha mianatra tsara ny momba ny lalàna ianao dia hahay hanaporofo hoe ahoana no fomba tokony hitandremana io lalàna io satria hoy ny tenin'Atra Matio 5:18 hoe"mandram-pahafoana ny lanitra sy ny tany,dia tsy hiisy ho foana akory @ lalàna na dia litera iray aza, mandrapahatanterak'izy rehetra "
i Petera Apostoly koa no nilaza hoe IIPet 3:16 Fa tahaka ny ataony ao @ epistiliny rehetra koa ....; ary @ ireo dia misy zavatra sarom-patarina , izay aolan'ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara....." Midika fa mila mianatra ny Tenin'atra tsara isika ry Miharena a!dia hahay hanavaka ny lalàna sy ny fomba hitandremana azy.
Raha lazaiko aminao izao ny karazana lalana t@ andron'ny mosesy dia hoy ianao inona daholo koa izany,
Nefa aleo hampafantarina anao ihany:
- Lalàm-pisoronana : momba ny fanompoam-pivavahana sy ireo andro firavoravoana teo @ Israely Jereo Eksodosy 34,
- Lalànan'ny Fahasalamana:Levitikosy 11,
- Lalàna Moraly: Eksedosy 21, 22
- Lalàn'Atra Eksodosy 20: 3-17 izay efa nisy raha mbola tsy nisy aza i Israely (na Jakoba) Genesisy 18:19 .
Mahereza re!
7. rekinbelo
(
24/06/2011 11:30)
Jereo tsara ry namana fa tsy mbla nahalala ireo didy ireo i Noa,fa ny zvt nasian'Atra hotandremany tà izany fotoana izany dia ny rà ihany.tsy nasiana nitandrina sabata na andro izy sy ny fianakaviany afa-tsy ny rà.Araka izany dia tsy manankery afatsy teo @ israely ireo lalàna nolazainao ireo,ary tsy manakery amintsika Kristianina @ izao fotoana izao ihany koa.
8. rekinbelo
(
24/06/2011 11:33)
anamafisako ny hvt lazaiko io ambony io fa ny and 1 dia milaza hoe:Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana.eks 20:1
9. Maranatha
(
24/06/2011 11:56)
rekinbelo:
anamafisako ny hvt lazaiko io ambony io fa ny and 1 dia milaza hoe:Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana.eks 20:1
Fa ohatra iray raisina dia tamin'ny Abel novonoin'i kaina (nandika ny Didy faha 6) dia efa voaozona i Kaina ; I adama sy eva efa nolazain'Atra ny mikasika ny fanamasinana ny sabata Gen 2:1-3 (Didy faha 4) Ilay genesisy toko faha 18:17-19 dia efa milaza fa efa ao io lalana io fa homena ny zanak'Israely ofisialy izy ao @ Eksodosy 20:3-17
Dia izao koa no tadidio Romana 9:6 "....Fa tsy izay rehetra avy @ Israely no Israely." Rom 9:8 " Izany hoe tsy ny zanaky ny nofo no zanak'Atra ; fa ny zanaky ny teny fikasana no isaina ho taranaka " Tafiditra ao anatin'izay Izaho sy Ianao raha mankato ny Apok 14:12 ianao, mahereza namana!
10. rekinbelo
(
24/06/2011 13:07)
nitahy sy nanamasina ny andro fahafito Zanahary fa tsy nanome didy an'i Adama sy Eva hitandrina ny sabata mihitsy anie.ny voankazo teo anivon'ny saha ihany no rarany tsy hoaninin'i Adama sy Eva.
Mbl tsy teraka i Jakoba dia efa naminany i Jehovah hoe avy aminy no ipohirany ilay taranaka nampanateaina,ary ny taranak'i Abrahama no itandrina ilay lalàna fa tsy Abrahama akory fa ny zvt nandiian'Atra azy fotsiny dia ny famorana ho fanekena eo àizy mianaka.
raha ny Romanina indray dia milaza i paoly eo f efa niova ny Israely, tsy mitovy à israely ara-nofo intsony fa israely ara-panahy indray ka mahaforona azy io na grika, isrelianina, kretana, romanina,sns
marihiko kosa anefa fa ny tenako dia tsy mba tafiditra ao @ io israely ara-panhy io fa vahoaka fa tsotra izay entin'io firenena io kosa refa tonga ny fotoana fitsarana farany

11. Miharena
(
24/06/2011 13:51)
Maranatha:
Raha mianatra tsara ny momba ny lalàna ianao dia hahay hanaporofo hoe ahoana no fomba tokony hitandremana io lalàna io satria hoy ny tenin'Atra Matio 5:18 hoe"mandram-pahafoana ny lanitra sy ny tany,dia tsy hiisy ho foana akory @ lalàna na dia litera iray aza, mandrapahatanterak'izy rehetra "
i Petera Apostoly koa no nilaza hoe IIPet 3:16 Fa tahaka ny ataony ao @ epistiliny rehetra koa ....; ary @ ireo dia misy zavatra sarom-patarina , izay aolan'ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara....." Midika fa mila mianatra ny Tenin'atra tsara isika ry Miharena a!dia hahay hanavaka ny lalàna sy ny fomba hitandremana azy.
Raha lazaiko aminao izao ny karazana lalana t@ andron'ny mosesy dia hoy ianao inona daholo koa izany,
Nefa aleo hampafantarina anao ihany:
- Lalàm-pisoronana : momba ny fanompoam-pivavahana sy ireo andro firavoravoana teo @ Israely Jereo Eksodosy 34,
- Lalànan'ny Fahasalamana:Levitikosy 11,
- Lalàna Moraly: Eksedosy 21, 22
- Lalàn'Atra Eksodosy 20: 3-17 izay efa nisy raha mbola tsy nisy aza i Israely (na Jakoba) Genesisy 18:19 .
Mahereza re!
Araka ny hevitrao àry, mitondra mankaiza marina ireo lalàna ireo. Indrindra moa ny hoe inona no ifandraisan'ireo lalàna ireo amin'ny fiainana mandrakizay?
12. rijadolly
(
25/06/2011 03:39)
Ny lalàna matoa mivoaka dia natao ho tanterahana, raha tsy hoe, nisy fanafoanan ilay lalàna.Ny lalan'Andriamanitra anefa dia tsy nisy fanafoanan azy hatramin'izao, porofo io tanisa nolazain' Maranatha ao amin'ny Matio 5:18 io. Amin' maha lalàn'Andriamanitra azy anefa dia mitarika any amin' zavatra tsara ho antsiaka foana ka raha mandika izany isika dia misy ny sazy hita maso ary misy ihany koa ny sazy tsy hita maso, mba ahatonga saina antsika mba ahitsy eo anatrehan'Andriamanitra noho ny FitiavaNY. Io lalana io dia mipetraka foana na dia efa taloha nahatongavan' Jesoa Kristy aza. Midika izany fa mila arahina izy ireny ao anatin' fanatanterahana ny sitrapon'Andriamanitra amin' fo torotoro, saina, fanahy tanteraka.
Voarahiko tsara ilay Karazana lalàna misy Maranatha, misaotra betsaka an'se.
tsy antsika ny fitsarana Marantha fa AZY. Efa voalaza fa afaka managana zanaka avy amin' vato Andriamanitra,ny vato aza izany mahazo ny anjarany, koa ahoana isika... AZY hoy aho ny fitsarana, fa ny zavatra takiana amitsika dia ny fanarahana ny TeniNY sy ny fahatokisana AZY tsy misy fangarony.
==>fanatanterahana, fahatokisana izay Lazainy==> Fiainana Mandrakizay
Lalàna {
==>tsy fanarahan-dalàna, fanaovana tsinotsinana AZY==> iainana mandrakizay
(tsy fahatokisana AZY)
Voarahiko tsara ilay Karazana lalàna misy Maranatha, misaotra betsaka an'se.
Maranatha:
marihiko kosa anefa fa ny tenako dia tsy mba tafiditra ao @ io israely ara-panhy io fa vahoaka fa tsotra izay entin'io firenena io kosa refa tonga ny fotoana fitsarana farany
tsy antsika ny fitsarana Marantha fa AZY. Efa voalaza fa afaka managana zanaka avy amin' vato Andriamanitra,ny vato aza izany mahazo ny anjarany, koa ahoana isika... AZY hoy aho ny fitsarana, fa ny zavatra takiana amitsika dia ny fanarahana ny TeniNY sy ny fahatokisana AZY tsy misy fangarony.
Miharena:
Araka ny hevitrao àry, mitondra mankaiza marina ireo lalàna ireo. Indrindra moa ny hoe inona no ifandraisan'ireo lalàna ireo amin'ny fiainana mandrakizay?
==>fanatanterahana, fahatokisana izay Lazainy==> Fiainana Mandrakizay
Lalàna {
==>tsy fanarahan-dalàna, fanaovana tsinotsinana AZY==> iainana mandrakizay
(tsy fahatokisana AZY)
13. Miharena
(
25/06/2011 05:45)
Rijadolly:
==>fanatanterahana, fahatokisana izay Lazainy==> Fiainana Mandrakizay
Lalàna {
==>tsy fanarahan-dalàna, fanaovana tsinotsinana AZY==> iainana mandrakizay
(tsy fahatokisana AZY)
Dia inona marina no lalàna àry, izay hevitra na lahateny mandrara sy mamefy sy mitaiza ve sa ny drafitra efa misy sy mivoatra araka ny itondrana azy arakaraka ny fahefan'ny hevitra apetraka ?
14. rekinbelo
(
25/06/2011 12:06)
ka raha mbl arahina ary ny lalàna rehetra voasoaratra ao anaty baiboly, nahoana isika no tsy manao sorona omby ,osy ,ondry intsony e!maninona isika no tsy foraina ny zazalahy vo teraka afaka 8 andro,nahoana ireo vehivavy ohatra rehefa tonga fadimbolana mbola miaraka mipetraka @ olona rehetra eny foana,de aiza isika no manatitra ny fanatitra ataontsika dia iza ny mpisorosy mpisoronabe manao ireny fisoronana ireny?maro be raha tanisaiko eto daholo.
mila soritana kely aloha fa samy hafa ny LALAN4NY MOSESY sy LALANAN'i KRISTY; miavaka tsara ireo ao anaty B ao ka aza afangaro aloha
mila soritana kely aloha fa samy hafa ny LALAN4NY MOSESY sy LALANAN'i KRISTY; miavaka tsara ireo ao anaty B ao ka aza afangaro aloha
15. Miharena
(
25/06/2011 13:05)
Ny tena mahavaka anie Rekinbelo dia mahita zavatra voizina momba io lalàna io be dia be mihitsy ireo Fiangonana taty aorianan'ny Fiangonana Zokiny e! Asa loatra izay nampifantoka azy ireo handeha amin'io resaka lalàna io ho tambin'ny fahazoana fiainana mandrakizay.
Ary ny fanontaniana napetrako aza dia tsy voavalin'i Rijadolly tsara akory.
Mila hazavaina an-tsakany sy an-davany ny zava-drehetra. Mbola miteny mandrak'ankehitriny ve Andriamanitra milaza hoe araho ny didy folo dia ho voavonjy ianao? Inona no nataon'i Kristy dia inona no narahin'ny olona ary azony tsara? Ilay didy folo ve sa ny didim-pitiavana?

16. rijadolly
(
27/06/2011 03:40)

Manaiky tanteraka ny fivoatry ny lalàna rehetra aho, ary Zoan' tsirairay ny manaraka ny lalàna na tsy hanaraka. Mazava tsara anefa ireo teny nampitondraina ao anaty Baiboly nolazain' Isaia sy Hosea izay nataoko tao ambony tao, fa tsy ilain'Andriamanitra izany raha toa ka tsy amin' fo torotoro sy ho azy tsy misy fangarony. Izany hoe raha misy fangarony na tsy amin' fo dia aza manao. Tsy ilaina ihany koa ny miroaroa saina eo am-panolorana ny fanatitra ho entinao ho an'Andriamanitra. Iza no hankasitrahina kokoa ny manao fanatitra Omby amin' fo torotoro tsy misy fangarony ho an'Andriamanitra sa izaho izay manao fanatitra 10.000 Ar amin' fo torotoro tsy misy fangarony?
17. Maranatha
(
27/06/2011 08:16)
Miharena:
Araka ny hevitrao àry, mitondra mankaiza marina ireo lalàna ireo. Indrindra moa ny hoe inona no ifandraisan'ireo lalàna ireo amin'ny fiainana mandrakizay?
Hoy ny Rom 10:4 "Fa kristy no faran'ny lalàna ho fahamarinana ho an'izay rehetra mino" Azonao ve ny dikan'izany ?
Aiza i Kristy izao? -Any an-danitra
Maninona any? - Manao ny asan'ny Mpisoronabe Heb 3:1
Ny asan'ny fisoronana ve tafiditra ao @ lalàna sa tsia? Tafiditra Eksodosy 29:9
I KRisty izany mbola manataneraka ny lalàna ankehitriny manao ny asa fisoronana. Mifona ho anao sns...
Miharena:
Ny tena mahavaka anie Rekinbelo dia mahita zavatra voizina momba io lalàna io be dia be mihitsy ireo Fiangonana taty aorianan'ny Fiangonana Zokiny e! Asa loatra izay nampifantoka azy ireo handeha amin'io resaka lalàna io ho tambin'ny fahazoana fiainana mandrakizay.
Ary ny fanontaniana napetrako aza dia tsy voavalin'i Rijadolly tsara akory.
Ny tsy azoko @ Miharena dia izao hoy ianao tao ambadika izaho koa tsy mpanara-drenirano. Eto indray anefa ianao dia te hanaporofo fa nakasitrahanao ireo hevitra nomen'ny fiangonan-drazana izay toa tsy nandalina tsara ny Tenin'Atra fa tonga dia nihinana ambolony fotsiny.
Hoy ny Daniela 12:4 "...Maro no hazoto handinika ka hitombo ny fahalalana..." ary hoy koa ny Hosea 4:6 " Ringana ny oloka noho ny tsy fisian'ny fahalalana..."
Ohabolana 19:2" Tsy tsara raha tsy manana fahalalana ny fanahy fa izay miezaka mosalahy dia ho diso lalana"
Mila mianatra mba hahalalana ny sitrapon'Atra sy hanarahana azy. Ireo fiangonana teo aloha ireo raha resahinao momba ny tsy fankatoavan-dalana dia lazainy tsotra fotsiny hoe efa miparitaka maneratany ny fiangonanay dia atao ahoana indray no filaza fa diso ny fahamarinana nomena ireo mpino tao. Noho izany atao izay hitazomana ireo mpino na dia ny rakitra fotsiny aza .
Miharena:
Mila hazavaina an-tsakany sy an-davany ny zava-drehetra. Mbola miteny mandrak'ankehitriny ve Andriamanitra milaza hoe araho ny didy folo dia ho voavonjy ianao? Inona no nataon'i Kristy dia inona no narahin'ny olona ary azony tsara? Ilay didy folo ve sa ny didim-pitiavana?
Tsy mahavonjy ny fitandremana ny lalana. fa asa tsy maintsy harahin'ny zanak'Atra io, io no atao hoe Finoana arahin'asa. Gal 2:16" Nefa nony fantatsika fa tsy hamarinina @ asan'ny lalana ny olona, fa amin'ny finoana an'Ijesosy Kristy, dia nino an'i kristy Jesosy koa isika mba hohamarinina @ finoana an'I Kristy, fa tsy amin'ny asan'ny lalàna. Fa raha mitady ho hamarinina ao @ Kristy isika nefa ny tenantsika ho hita fa mpanota (mpandika lalàna), moa mpanompon'ny ota va i Kristy? Sanatria izany!
Tsy maintsy harahina izany ny Didy folo (Izay nofitinin'i Kristy t@ Didim-pitiavana) Tsy mifanohitra mihintsy ireo fa mifameno tanteraka tsy tonga handrava aho hoy i Kristy fa hanantanteraka.I Jaona 2:6 " Izay milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa"
II KOR 5:17 "fa raha misy olona ao @ Kristy dia olom-baovao izy..." hainao amin'izay ny mitandrina ireo Didin'Atra ireo raha ao anatinao i Kristy Jaona 1:12 "Izay rehetra nandray azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Atra, dia izay mino ny anarany" Ary izay no porofo fa ao anatinao i Kristy hoy ny Jaona 15:4"Tomoere amiko ary Izaho aminareo, tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy , raha tsy miray amin'ny voaloboka izy, dia toy izany koa hianareo, raha tsy miray amiko"
Koa dia Mahereza .
18. Miharena
(
27/06/2011 11:14)
Tsy miresaka fiangonan-drazana aho fa fiangonana zokiny izay efa ela dia ela no nanao fandalinam-pinoana Maranatha.
Ny lalàna fototra amiko dia ny Tenin'i Kristy ihany izay nilaza ny momba ny Fitiavana sy ny Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana.
Mizara no ataon'i Kristy fa tsy mitana ho Azy irery ka tsy hilaza IZY hoe aza mitsiriritra, na aza mangalatra sy ny sisa satria efa anananao daholo izay AZY satria nomeNY maimaim-poana. Tsy hanana izay hevitra ny hanao izany akory ianao noho izany foana ilay fandraràna rehetra fa tsy eo amin'ny fon'ny Mifoha intsony ny toetra hanao izay tsy mendrika.

19. RBNIR
(
27/06/2011 13:54)
Faly miarahaba indray ry namana isany,
Efa nambarako fa misy lalàna mbola tokony hotandremana ary misy ihany koa ny efa tsy tokony hotandremana intsony,
Voalaza tsara mazava ao anaty baiboly ireo mbola tokony hotandremana raha te hahazo ny fiainana mandrak'izay.
Voalaza tsara mazava ao ihany koa ireo efa tsy tokony hotandremana intsony,
Mila mikatsaka isika, mila mianatra, izay no mbola hamporisihiko hatrany mba hanaraka ilay fandaharana Vitao ny Asan'ny Fahamarinana ao amin'ny téléviziona Jery isa-maraina amin'ny 5 ora ka hatramin'ny 6ora, fa mazava tsara ny fanazavana sady feno.
Tokony ho fantarintsika mazava koa ny fomba ahafahantsika manantateraka ireo lalàna ireo satria tsy amin'ny herin'ny tenan'olombelona tsy akory no ahafahanao manao izany fa amin'ny alalan'ny ny fandraisana ny fahasoavana avy amin'Andriamanitra.
Samy ho tahin'ny Tompo indray ry namana isany

20. rijadolly
(
27/06/2011 15:50)
Miharena:
Dia inona marina no lalàna àry, izay hevitra na lahateny mandrara sy mamefy sy mitaiza ve sa ny drafitra efa misy sy mivoatra araka ny itondrana azy arakaraka ny fahefan'ny hevitra apetraka ?
Miharena:
Ary ny fanontaniana napetrako aza dia tsy voavalin'i Rijadolly tsara akory.
hihihihih! Mialatsiny Miharena fa tsy heo hadinoko ilay namaly azy fa tsy hazoko tsara ilay fanontaniana, moa koa ny an' Rekinbelo no voalohany dia efa noheveriko efa nandefa ny tsy fahazoako azy aho. :-)