NY LALANA

41. RBNIR ( 30/06/2011 06:03)
Maranatha:

Tsy hoe andraisanay ny atao hoe lalàna fa ahoana no nametrahan'Atra izany lalàna izany.

Faly miarahaba namana isany,
miombokevitra tanteraka aminao ny amin'izay aho namana, Tokony hiala amin'ny hoe fihevitro na ny fihevitrao isika fa tenin'Andriamanitra anie no entina e, ary ny tenin'Andriamanitra tsy fihevitro na fihevitrao fa fiheviny irery ihany.

Samy ho tahin'ny Tompo
42. bor2lais ( 30/06/2011 08:50)
maranatha:

Tsy hoe andraisanay ny atao hoe lalàna fa ahoana no nametrahan'Atra izany lalàna izany.

Ny andraisanareo (maranatha, RBNIR, ...) mihitsy no fanontaniako ka !
maranatha:

Ny lalàn'Atra (Ny Didy folo) dia mijanona eo foana. Tsy misolo tsy azo analana. Tsy manova azy ny tenin'i Jesosy ao @ Mat toko faha 5,6,7 fa mametraka ny plafond tokony harahana.
Ny lalàm-pisoronana izay nomena an'iMosesy ho fanaovana fitaom-pivavahana t@ tempoly tety ambonin'ny tany dia miova ...

Io izao dia ny fandraisan'i maranatha ny antsoina hoe "lalàna" !
RBNIR:

Tokony hiala amin'ny hoe fihevitro na ny fihevitrao isika fa tenin'Andriamanitra anie no entina e, ary ny tenin'Andriamanitra tsy fihevitro na fihevitrao fa fiheviny irery ihany.

Raha mandinika sy mamerina ny voasoratra ao ambony ao ianao RBNIR dia tsy mifanalavitra (mba tsy ilazana hoe mitovy) amin'io voalazan'i maranatha notsongaiko eo ambony io ny fijerin'i Rekinbelo mikasika ny antsoina hoe lalàna nefa toa tsy azonao akory izany raha ny famakiko ny resakareo.

Ny antony ? Tsy ampy ny fanazavana sy fanakalozana.

Fifanakalozana ny eto RBNIR ary tsy hitako izay maharatsy izany ! Tsy voatery mpitandrina, mompera na mpitoriteny daholo akory ny mpandray anjara eto fa mety ho mpisera liana sy te-ahalala misimisy ary faly mizara ihany koa ny fomba fijeriny : Bor2lais dia isan'ireto sokajy farany ireto !

Miala tsiny amin'ireo namana mora tohina amin'izany fa fomba fijerin'i Bor2lais ihany no entiny sy zarainy eto : raha mahasoa dia Izy (tsy i Bor2lais a) no isaorana fa raha tsia kosa dia avereno aty amiko (Bor2lais indray io) ihany ! :-)

Ny tiana tenenina dia tokony hanana fijery misokatra isika, mahay mihaino ny hafa raha te-hizara marina izany atao hoe vaovao mahafaly fa aza tonga dia tampenana amin'ny hoe "tenin'Andriamanitra anie izany" ny daomy ! :-)
43. RBNIR ( 30/06/2011 09:57)
Tena marina ny anao bord2lais,
Forum tokoa ity ka dia hajain-tsika tanteraka ny maha forum azy.
Saingy ny tiako hotsipihina dia misy antony lehibe dia lehibe matoa ialohavako tenin'Andriamanitra hatrany ny hevitra izay atolotro. Satria tiako ho tsapan'ny mpamaky fa tsy hevitro no atolotro fa fihevitr'ilay nanolotra azy ho ahy.
Mikasika ny lalàna sy ny votoatiny rehetra tsy dia hoe tsy azoko loatra ny fanontanian'ny olona fa aleo mba handeha "par étape" ilay izy e!
1- resy lahatra marina v aloha ny olona tamin'ny hevitra naroso teto? Moa ve resy lahatra ny olona hoe tsy foana akory ny lalàna fa tokony hotandremana satria ny hanantanteraka azy no antony nahatongavan'i Jesosy Tompo?
2- Azon'ny olona tsara v fa tsy mitovy amin'ny fomba nitandreman'ny fariseo sy ny mpanoradalana azy ny fomba takian'i Kristy amin'ny hitandremana ny lalàna (ny an'ny fariseo sy ny mpanoradalana dia hita ety ivelany fa mitandrina ny lalàna tokoa izy saingy ny any anaty mampalahelo fa mifanohitra amin'izany) ny an'i kristy kosa dia ilay fo ao anaty mihitsy no mila vaovao sy mpankatoa ny lalàna dia ho hita taratra ho azy ety ivelany ny vokany.

Raha resy lahatra amin'ireo ny olona vao tokony hiditra lalina amin'ny lalàna rehetra isika (misy karazany 6 izy ireo ary azo sokajiana ho 3 indray kosa).
Raha ianao ary v ry namana tsy resy lahatra akory fa tokony hotandremanao ireo lalàna ireo inona no mahamaimaika anao hamatatra izy votoatiny any??
Iriko anefa mba ho resy lahatra ianao namana.
Eto foana isika namana, ilay fandarana koa ao foana ihany, aoka hangetaheta fahamarinana isika fa izay mangetaheta no hovokisana.

Samy ho tahin'ny Tompo indray e!

44. bor2lais ( 30/06/2011 12:38)
RBNIR > eo indrindra ange no tsy mampitovy ny fandraisantsika ny atao hoe forum : Bor2lais matoa miditra eto tsy handresy lahatra n'iza n'iza mihitsy no alehany eto fa kosa hizara sy hifanakalo ! Amiko, ary fomba fijeriko ity lazaiko ity : tsy ahy ny fandresen-dahatra fa manambara no asaiNY ataoko ! :-)
45. rekinbelo ( 30/06/2011 13:53)
Mety ho fandresen-dahatra na serasera anie ny antsika eto ka samy mandray izay itany fa mety aminy,aoka tsy asiana olana ny amin'izany namana fa ny resaka anie mbola ela vo ho vita satria ity thème iray ity dia tena mahaliana tokoa ary mahafinaritra mihitsy aza ny miresaka azy ity.
ho avy tsy ela za fa sarotra tokoa izy ity koa mila fitandremana be mihitsy
izay fa mirary soa anareo namana isany,Rampitso manao misisy fa andalina kely aloha e!!!!
46. rijadolly ( 30/06/2011 16:04)
Modia ato an-trano kely aloha fa lava loatra ny HS tsika.

Misy hevitra roa misokatra kely ao @ takelaka faha 2 ao,

Misaotra nanisy fanamarihana fa tiako ambara eto tsy ny didy folo ihany fa miaraka @ lalan'ny mosesy izay lazainy Jesosy tsy ho hisy ho foana na ny tendrotsoratra iray aza .
Izao zavatra izao no mahavery hevitra ny olona ny tsy fandinihana tsara ny testamanta roa ireo fa zavatra iray ihany no lazainy ireo omeko ohatra vitsivitsy eto:
testamenta taloha testamanta vaovao
sabata Eksaody 31: 15 hebreo4:8
voaloham-bolana isaia66:23 kolosiana2:16
paska deotornomia16 manontolo korontianina voalohany5:7-8 pentekosta Deotornomia 16 manontolo asa 2:1

Dia notsindriany indray anefa eo amin' Lalàna ny Fisoronana fa


Tiako hazavaina kely koa momba ny asa fisoronana nataony Jesosy efa vita izy io Apokalipsy5:6-7
izany no ahazoana ny fanahy masina ankehitriny satria nitondra ny rany Jesosy teo anatrehan'Andriamanitra voalaza tsara fa hoe "hitako ny zanak'ondry tahaka ny efa voavono" izany hoe voavono izany dia miboba ra ny tenany izy ihany no nitondra ny rany teo nefa izy tsy maty ary nandray ny fanahy fiton'Andriamanitra.


Raha araka ny hevitro anefa dia manaiky ny Fisoronana aho fa efa nanao Jesoa Kristy, ary efa nahavita hisolo voina ho antsika noho ny RàNY, fa kosa, tsy nanery IZY ny hanao na tsy hanao intsony io fomba tamin' andron' Mosesy io. Dia mbola tafiditra ao araka izany ny lalanan' ny Fisoronana raha ohatra ka ho AZY madiodioa tsy misy takalony na tsy mifangaro amin' zavatra hafa. Ny maha tonga ahy manaiky izany dia noho i Jesoa Kristy nisy talohan' izao zavatra vohary rehetra izao. Izany hoe nisy ny fisoronana ho an'Andriamanitra sy Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina, tamin' andron' ny Mosesy Testameta Taloha. Amin'izao fotoana izao anefa dia niverina any amin' Ray i Jesoa Kristy, izany hoe miverina ohatry ny taloha eo an-kavanan'Andriamanitra indray. Tsy azotsika lavina anefa fa na taloha nidinaNY tety na Izy avy tety an-tany ka niakatra any an-danitra dia tsy mba nitsahatra nifona ho antsika.(somary vakio vetivety ny LIOKA 13: 6-9)Noho izany tsy mendrika ho AZY ve ny faniriaNY ny fanatitra izay atolotsika ho AZY. Ary tsy izay sitraky Mosesy no nataony fa izay sitrak'Andriamanitra izay nandrafitra ireo lalàna. Tsy hoe mampirisika izay tsy manao sorona aho mba hanao sorona fa kosa tokony tsy hitsara azy ireny isika hoe manambany ny asa efa vitan' Kristy. Averiko eto ty fanontaniana ity mba hafantaranareo ny hevitro:
Iza no hankasitrahina kokoa ny manao fanatitra Omby amin' fo torotoro tsy misy fangarony ho an'Andriamanitra sa izaho izay manao fanatitra 10.000 Ar amin' fo torotoro tsy misy fangarony?
47. bor2lais ( 30/06/2011 16:39)
rijadolly:

Modia ato an-trano kely aloha fa lava loatra ny HS tsika.

Ka tsy notsofinao tsinona ny trompetra fidirana dia variana tany ivelany izahay sady nafana be loatra tao an-trano !! :-)

Raha ny hevitro manokana aloha dia izao :

- ny lalàna dia natao ho an'ny "maditra", izany hoe rehefa "hendry" daholo dia tsy ilaina ny lalàna !
Inona no atao hoe "fahendrena" ? Resaka hafa indray ny amin'iny !

Fomba fijeriko ihany anefa io a ! :-)
48. rijadolly ( 30/06/2011 17:00)
Raha io nasiako fanamarihana io ny hevitry Magagass dia ty kosa
ny hevitry Maranatha :

Tsy hoe andraisanay ny atao hoe lalàna fa ahoana no nametrahan'Atra izany lalàna izany. Vakio tsara anie ny Galatiana 2:16-17 dia avy eo ny Gal toko faha 3 fa hisavoritaka ny sainareo raha tsy mahay manavaka tsara ny lalàna ianareo.
Ny lalàn'Atra (Ny Didy folo) dia mijanona eo foana. Tsy misolo tsy azo analana. Tsy manova azy ny tenin'i Jesosy ao @ Mat toko faha 5,6,7 fa mametraka ny plafond tokony harahana.
Ny lalàm-pisoronana izay nomena an'iMosesy ho fanaovana fitaom-pivavahana t@ tempoly tety ambonin'ny tany dia miova ny lalan'i Kristy satria any @ templon'Atra any an-danitra i Kristy no manao ny fifonana ho antsika (Manao ny asan'ny Mpisoronabe, Fisoronana), ny rà fitondra tao an-tempoly izay fitondra raha misy manota, manao fanavotana, sns.. izay nomena an'i Mosesy hataon'ny zanak'israely tamin'izany dia efa mijanona raha vao maty teo ambony hazo fijaliana i Jesosy, tafiditra ao anatiny koa ny miakatra any Jerosalema in-telo isan-taona sns..
Dia mahaiza manavaka fotsiny araka ny contexte hoe lalàn'inona no resahina eto.
Fa ny mpitondra fivavahana sasany tsy te halala fa rehefa lalàna dia foanany avokoa .II Tes 2:11-12 " Koa izany no ampanateran'Atra fiàsan'ny fahadisoan-kevitra aminy hinoany lainga mba ho helohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina"

GALATIANA 2 : 16 nefa nony fantatsika fa tsy hamarinina amin'ny asan'ny lalàna ny olona, fa amin'ny finoana an'i Jesosy Kristy, dia nino an'i Kristy Jesosy koa isika mba hohamarinina amin'ny finoana an'i Kristy, fa tsy amin'ny asan'ny lalàna, satria tsy misy nofo hohamarinina amin'ny asan'ny lalàna.17 Fa raha mitady hohamarinina ao amin'i Kristy isika, nefa ny tenantsika no hita fa mpanota, moa mpanompo ny ota va Kristy? Sanatria izany!
GALATIANA TOKO 3 http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=GALATIANA&toko=3&andininy=1-29&dika=

Raha io GALATIANA 2 io dia mazava tsara fa ny fivadivadian'izireo no antony. izay mitarika ny fankatoavan-dalàna fotsiny ihany fa tsy ny finoana an' Kristy ka nanao tahaka an' Farsiona sy ny mpanora-dalàna.
Koa inona ny olana raha manara-dalana amina Finoana an' Jesoa Kristy izy? homelohina amin' izany ve izy? dia miverina amin' ilay fanotaniako ihany aho hoe : Iza no mahazo fankasitrahana kokoa izay manara-dalàn' Andriamaniotra no sady mino an' Kristy ve sa ny Mino an' Kristy? tsy hiteny aho hoe nefa tsy manara'dalàn' Andriamanitra.
49. rijadolly ( 30/06/2011 17:10)
bor2lais:

Ka tsy notsofinao tsinona ny trompetra fidirana dia variana tany ivelany izahay sady nafana be loatra tao an-trano !!
Nitsoaka io fa tara loatra angamba ko


- ny lalàna dia natao ho an'ny "maditra", izany hoe rehefa "hendry" daholo dia tsy ilaina ny lalàna !

Iraisako hevitra koa iny. Izay ilay hoe foana ny heriny, Izany hoe eo ambonin' lalàna isika amin'izay a raha ohatra hoe mangalatra isika dia mbola voafehin'iny lalàna iny. fa tsy hoe rava ny lalàna, na hoe tsy misy intsony ny lalàna.
50. rekinbelo ( 30/06/2011 18:11)
Mila fantarina aloha hoe iza no nomena ny lalàna de inona no tanjony t@ izany raha tsy izany dia tsy ho azontsika mihitsy anie io e.
Talohany nanomezana ny lalàna dia nanao fanekena t@ isarely anie Atra,ka namafy rà dia avieo nanaiky ny israely fa hanao ny izay teny nolazainy Jah rehetra (lalàna sy ny momba ny fisoronana ary ny fanaovana asa isankarazany)
rehefa tonga anefa i Jk dia nanao fanekena vaovao indray niaraka t@ mpianany izy ary hafa mihitsy ny conception ny fanekena vaovao.Nisy antony matoa nosoloana vaovao ilay fanekena taloha.Nanomboka teo izany dia tsy miasa intsony ilay fanekena fahiny (lalàna sy ny fisoronana)
fa izay nomeny Kristy tao anaty ny fanekena vaovao indray no miasa nanomboka teo.
koa raha mampiasa sasantsasany ny ao @ fenekena taloha ary isika moa mety ve izany?
Mino aho fa tsy mety izany satria efa ohatrany milaza isika hoe misy tsy ampy tao @ fanekena vaovao nataony Kristy dia maka izay mety amitsika ao fenekena taloha isika.
izay ary fa mazoto ianareo namana rehetra e,
51. RBNIR ( 01/07/2011 05:25)
Faly miarahaba namana isany,
Miala tsiny Betsaka an'i rijadolly aloha fa otran'ny hoe tsy maintsy hamaly ity HS ity kely ihany,
Inona moa no maharatsy ny hoe fandresen-dahatra namana isany?? :
Araka ity teny ity dia ireto avy anie ny Soratra Masina dia :« Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, » (2 Timoty 3:16)
arak'io teny io ny Soratra Masina dia natao ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana raha misy diso , ary ho fitaizana amin'ny fahamarinana.
Izay ihany rijadolly, fa tsy hitarin-tsika betsaka a! resaka lalàna mantsy ny lohahevitra eto.

Samy ho tahin'ny Tompo indray e!

52. Maranatha ( 01/07/2011 05:54)

rijadolly:


GALATIANA 2 : 16 nefa nony fantatsika fa tsy hamarinina amin'ny asan'ny lalàna ny olona, fa amin'ny finoana an'i Jesosy Kristy, dia nino an'i Kristy Jesosy koa isika mba hohamarinina amin'ny finoana an'i Kristy, fa tsy amin'ny asan'ny lalàna, satria tsy misy nofo hohamarinina amin'ny asan'ny lalàna.17 Fa raha mitady hohamarinina ao amin'i Kristy isika, nefa ny tenantsika no hita fa mpanota, moa mpanompo ny ota va Kristy? Sanatria izany!
GALATIANA TOKO 3 http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=GALATIANA&toko=3&andininy=1-29&dika=

Raha io GALATIANA 2 io dia mazava tsara fa ny fivadivadian'izireo no antony. izay mitarika ny fankatoavan-dalàna fotsiny ihany fa tsy ny finoana an' Kristy ka nanao tahaka an' Farsiona sy ny mpanora-dalàna.


Azonao tsara ve anefa aloha ny tiany ho lazaina @ GAl 2:17 io "Raha te ho hamarinina ao @ Kristy isika anefa ny tenantsika ho hita fa MPANOTA moa mpanompon'ny ota va i Kristy? sanatria izany." Tsarovy fa niresaka t@ ireo olona izay milaza ny tenany fa ambany fahasoavana i paoly eto ka tsy nitandrina intsony ireo lalàna (Didy folo) ka nihevitra fa tsy tokony hatao intsony izany.
Mpanota =Mpandika lalàna Jereo ny I Jaona 3:4
Raha te ho hamarinina ao @ fahasoavana isika (ao @ Kristy) anefa ny tenan-tsika ho hita fa mpandika lalàna (mpanota) moa mpanompon'ny fandikan-dalàna va i Kristy, Sanatriaizany.

Ao amin'ny Gal toko faha 3 indray anefa izy dia miteny fa inona no tokony hiverenanareo hitandrina ny lalàna ary nolazainy mihintsy aza va adala ny galatiana. satria naninona? niverina t@ lalam-pisoronana izay voalaza fa fitaizana ho amin'ny Kristy indray ry zareo

rijadolly:

Koa inona ny olana raha manara-dalana amina Finoana an' Jesoa Kristy izy? homelohina amin' izany ve izy? dia miverina amin' ilay fanotaniako ihany aho hoe : Iza no mahazo fankasitrahana kokoa izay manara-dalàn' Andriamaniotra no sady mino an' Kristy ve sa ny Mino an' Kristy? tsy hiteny aho hoe nefa tsy manara'dalàn' Andriamanitra.

Raha manara-dalàna amina Finoana an'i jesosy hoy ianao ho melohina va izy?
fanontaniako hoe lalan'inona? lalam-pisoronana ve? raha vao izay dia tonga dia mazava fa tsy mino an'i Kristy izy (na izay ilay hatao hoe finoana maty= manaiky izay fa i Jesosy no kristy fa tsy manao izay lazainy), tsy mino ny asa ataon'ny kristy Matio 9:17 "... fa siny hoditra vaovao no asian'ny olona divay vaovao, dia miaraka maharitra izy roroa". ny siny hoditra tonta izany tsy azo asiana ilay divay vaovao e!
Mazava be fa ilay manara-dalàn' Andriamanitra (Didy folo) no sady mino an' Kristy sy ilay mino an'i Kristy sy manaraka ny lalan'Atra e!
( Ping- pong) Mitovy ihany ireo ry namana a!.Mahereza !
53. rekinbelo ( 01/07/2011 07:16)
salama namana!
Ianao anie namana raha hitandrina ny didy folo dia tsy maintsy mitandrina azy rehetra e izany hoe ny lalànan'ny Mosesy rehetra izany.
araka ny lazainy Jk eo hoe siny hoditra tonta tsy asiana divay vao dia toy izay koa ny lalàna sy ny fanekena taloha tsy azo ampiarahana ny lalana sy fanekena vaovao.
Fehiny izany tsy azo afangaro mihitsy ireo taloha sy vaovao ireo fa na isika aza ho fanina eo raha izany. Atra tsy misafotofoto fa milamina tsara noho izany ataony milamina tsara ny zvt voasoratra rehetra ao anaty baiboly ary taterahiny antsakany sy andavany araka ny fotoana izany
izay fa mahereza namana, ary mahafinaritra mihitsy ilay discussion fa tohizantsika fona a
54. Maranatha ( 01/07/2011 11:19)

rekinbelo:

salama namana!
Ianao anie namana raha hitandrina ny didy folo dia tsy maintsy mitandrina azy rehetra e izany hoe ny lalànan'ny Mosesy rehetra izany.


Namana a!Raha mitandrina ny Didy folo dia tsy maintsy mitandrina azy rehetra ( Eny ny Didy folo rehetra) fa tsy ny lalan'iMosesy rehetra akory ahitsio tsara aloha.
Raha mamaky ny Jakoba 2:10 isika manao hoe "Fa naiza na iza no mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso @ iray loha dia diso amin'izy rehetra" and 11 "Fa ilay manao hoe aza mijangajanga no nanao ihany koa hoe aza mamono olona.Fa raha tahiny tsy mijangajanga hianao , nefa mamono olona ihany, dia mpandika lalàna hianao" raha mpandalina tsara izao ny namana eto dia mahatsikaritra fa Didy folo no resahiny hoe lalàna eto

rekinbelo:

araka ny lazainy Jk eo hoe siny hoditra tonta tsy asiana divay vao dia toy izay koa ny lalàna sy ny fanekena taloha tsy azo ampiarahana ny lalana sy fanekena vaovao.
Fehiny izany tsy azo afangaro mihitsy ireo taloha sy vaovao ireo fa na isika aza ho fanina eo raha izany. Atra tsy misafotofoto fa milamina tsara noho izany ataony milamina tsara ny zvt voasoratra rehetra ao anaty baiboly ary taterahiny antsakany sy andavany araka ny fotoana izany

Siny hoditra vaovao: fampianaran'ny Kristy izay mampiorina tsara ny fahamarinan'Atra, miainga amin'izay "voasoratra hoe" na ireo tenin'Atra nasaina nankatoavina.
1-Rà ny fanekena : Raha mijery momba ny fanekena isika dia hoy i kristy Ity kapoaka ity no FANEKENA vaovao @ rako, izay haidina ho anareo; izao no ataovy ho fahatsiarovana ahy I kor 11:25 .
2-HEBREO 8:10"Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'israely....hataoko ao an-tsainy ny lalàko (DIDY FOLO), sady hosoratako ao am-pony, ary Izaho Andriamaniny, ary izy ho oloko;
Izay fanekena izay raha atao bango tokana dia mazava be fa manodidina ny fanompoam-pivavahana (Fisoronana)

Siny hoditra tonta : nisy ireo fampianaran'ny fariseho izay notovatovanana didin'olombelona, hoy i jesosy t@ mpianany Mat 16:6" Mihevera, ka mitandrema hianareo fandrao azon'ny masirasiran'ny fariseho sy ny sadoseo"
Fanekena taloha:
1- Eksedosy 23:8 "Indro ny ràn'ny fanekena izay nataon'i jehovah taminareo ny amin'izany teny rehetra izany"
2- Eksedosy 34:11 "Tandremo izay andidiako anao anio..."
and 17 "Aza manao Atra anidina ho anao." and 18 Tandremo ny andro firavoravoana......" and 19-26 " Izay voalohan-teraka rehetra ho ahy.......Aza mahandro zanak'osy amin'ny rononon-dreniny"
Eksedosy 34:27 "ARY HOY A/TRA TAMIN'I MOSESY : SORATY IREO TENY IREO FA ARAK IREO TENY IREO NO NANAOVAKO FANEKENA AMINAO SY AMIN'NY ISRAELY" Fanompoam-pivavahana ihany koa ireo (lalam-pisoronana)

55. rekinbelo ( 01/07/2011 16:00)
Eksedosy 34:27 "ARY HOY A/TRA TAMIN'I MOSESY : SORATY IREO TENY IREO FA ARAK IREO TENY IREO NO NANAOVAKO FANEKENA AMINAO SY AMIN'NY ISRAELY" Fanompoam-pivavahana ihany koa ireo (lalam-pisoronana)
mazava be ngamba io and nomenao io a! fanekena nataon'i Jehovah t@ israely io fa tsy t@ gasy na amerikanina na frantsay akory.
Ary fantaro ry namana fa refa nanao fanekena vaovao i JK dia t@ israely vaovao fa tsy t@ oona rehetra eran'izao tontolo izao akory.
isika Kristianina @ izao fotoana izao dia tsy tafiditra ao @ io fanekena vaovao io fa kosa MANDRAY TOMBOTSOA avy amin'io fenekena vaovao io.
56. rijadolly ( 04/07/2011 03:49)
Ny zavatra tsy azotsika lavina aloha dia izao e!
- Matoa nasian' Andriamanitra ny Lalàna dia misy antony mazava sy azo lazaina fa tsara ary tokony haraina.
- Teo amin'io fanantaterahana ireo lalàna ireo anefa dia tsy nisy fahatsoram-po tao amin' olona. raha mangalatra omby roa aho, dia atoko sorona ny iray dia afaka ny fahotako dia manan tombony omby iray aho (ohatra io an!). inona dikan' izany? Izay no naha tonga an' Andriamanitra nampitondra teny an' Hosea sy Isaia fa tofoka ny fofona IZY noho io fisainana io. Noho izany tsy ilay lalàna no ratsy na hoe fohanana fa ilay fomba fisainana nanatanterahana izany no mila ialana satria mitarika ny olona ho zanaky ny ratsy
- Etsy ankilan' izay anefa, tsy ny rehetra a! Ny Mpisorona dia misy ny mahazo tombony, izany hoe lasa bizina( mialatsiny amin'ilay teny) ilay fanantanterahana ny lalàna. Raha tsy ilaza afa tsin' ny Rain' Jaona Mpanao Batisa aho, dia izy irery ihany no mendrika tao.
- Izay fisehoan-javatra izay no nahatonga ny fisarahana tanteraka tamin' Andriamanitra, coupure hoy ny namana iray ato izay, Bor2lais angamba. Izany hoe very tanteraka raolombelona.
- Teo no nanampa-kevitra ilay Mpanisy zezika mba hiera an' Ilay Tompon-tany hanao mission fialan- nenina farany noho ilay Fitiavana.Averiko eto ity "(somary vakio vetivety ny LIOKA 13: 6-9)". Noho ilay Fitiavana ihany koa dia nanaiky ilay Tompon-tany.
Ny loza anefa, dia ny tsy fahazoan' io Tompon' ny lova io hanao Mpisorona ao amin' ilay Tempoly noho ilay bizina ho very raha omena AZY ny laka ka nitarika ny tsy finoana AZY ho MESIA.
Hiverina any amin' ilay lalàna amin' izay aho, Ilay lalàna ve no ratsy sa ny fanantanterahana azy no tsy nety ary dia nitarika fanimbazimbana mihitsy an' Ilay Zanaka?
Azotsika vakiana tsara amin'izay ilay GALATIANA TOKO 3 http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=GALATIANA&toko=3&andininy=1-29&dika= ka nahatonga ahy
hilaza hoe:

Raha io GALATIANA 2 io dia mazava tsara fa ny fivadivadian'izireo no antony. izay mitarika ny fankatoavan-dalàna fotsiny ihany fa tsy ny finoana an' Kristy ka nanao tahaka an' Farsiona sy ny mpanora-dalàna.
Jereo tsara ny sora-mandry eo amin' voalohany ilay Toko faha roa ao anaty Baiboly.

Ny tiako lazaina izany dia hoe: raha ohatra ka tsy fankatoavana an' Kristy no hanaovanao sy hanantaterahana ny lalàna, izany hoe misy fangarony fotsiny ohatra dia ho very ianao, izay ataon' Jiosy sasany ankehitriny. Koa raha ohatra ka te-hiakatra any Jerosalema hanatanteraka ilay Faminanian' Solomona ianao ka amin' Finoana an' ilay Kristy, inona ny olana?
57. Maranatha ( 04/07/2011 07:05)

rekinbelo:

Eksedosy 34:27 "ARY HOY A/TRA TAMIN'I MOSESY : SORATY IREO TENY IREO FA ARAK IREO TENY IREO NO NANAOVAKO FANEKENA AMINAO SY AMIN'NY ISRAELY" Fanompoam-pivavahana ihany koa ireo (lalam-pisoronana)
mazava be ngamba io and nomenao io a! fanekena nataon'i Jehovah t@ israely io fa tsy t@ gasy na amerikanina na frantsay akory.

Lalam-pisoronana tamin'izany io, tena azonao tsara mihintsy (ary ianao tena matsilo saina be namana a!),lalam-pisoronana izay natao ho fitaizana ho amin'ny finoana,raha nisy aza ny jentlisa te hivavaka t@ izany dia any ivelan'ny Kianja no mivavaka.
Ireo ilay fanekena taloha izay tsy misy tokony harahina intsony ireo fombafombam-pivavahana fanao t@ izany . Ireo toko sy andininy nomena eo am-bony ireo. ao @ Eksedosy 34.
Ny Didy folo kosa no Vavolom-belon'io teny fanekena io.(Izay no mahatonga ny Didy folo hoe Tenin'ny Vavolom-belona)

rekinbelo:

Ary fantaro ry namana fa refa nanao fanekena vaovao i JK dia t@ israely vaovao fa tsy t@ olona rehetra eran'izao tontolo izao akory.
isika Kristianina @ izao fotoana izao dia tsy tafiditra ao @ io fanekena vaovao io fa kosa MANDRAY TOMBOTSOA avy amin'io fenekena vaovao io.

Fanekena vaovao avy @ ràny , rehefa maty i Kristy ka nitriatra nizara roa ny efitra lamba tao an-tempoly t@ izany dia nijanona avokoa ireo fanao t@ fanompoam-pivavahana izay nomen'i mosesy ho fanao teto ambonin'ny tany . mbola nisy fotoana 3 taona sy tapany ho an'ny vahoaka Israely mba hibebahany sy hinoany an'i Kristy taorian'ny nahafatesan'i Kristy sy nitsanganany ary niakarany ho any an-danitra Vakio Dan 9:27. Rehefa maty i Stefana dia tapitra teo ny famindram-pon'Atra ho an'ny Jiosy ka nitodika t@ jentilisa ireo Apostoly . Tsy natokana ho an'ny Jiosy irery intsony ny famonjena fa hoy I petara "Hitako tokoa izao fa tsy mizaha tavan'olon Atra fa aminy izay olona matahotra azy ka manao ny marina no hankasitrahany" hoy i Paoly ao @ Romana 9:6" Tsy izay avy @ Israely no Israely" Rom 9:8"Izany hoe tsy ny zanaky ny nofo no zanak'Atra fa ny zanaky ny teny fikasana no isaina ho zanany" izany dia milaza fa tsisy intsony Jiosy na jentilisa na andevo na tsy andevo eo anatrehan' Atra fa izay manao ny marina no ankasitrahany. Dia apetrany ao am-pony ny lalàny ary soratany ao an-tsainy.Izy ho oloko hoy Atra ary Izaho ho Andriamaniny.

Dia toy izay sy izay ilay izy namana a! Mahereza.
58. niryna ( 05/07/2011 04:39)


ny lalàna tiako ambara eto anie ry namana dia ny lalaàna mosesy rehetra e.

Fa nga moa Mosesy no namorina an'ireo no hoe lalàn' Mosesy? Jesosy Kristy aza anie mbola nitandrina an' ireo e! porofon'izany, tsy mbola nandrara ny olona izay manao izany IZY. Fa ny zavatra tena tsindriaNY dia ny maha tsinotsinona izany lalàna izany raha tsy ny ao am-ponao sy ny toe- panahinao, saina no entinao ho an' Andriamanitra; Eny fa na dia tamin' Andron' Hosea, Isaia aza izany dia efa nipetraka.
ary kristy koa no niteny fa tsy tonga handrava ny lalana izy ary mbola nanamafy izany aza izy amin'ny fanoharana maro.Teo ny resaka fijangajangana izay fahotana ary nohamafisiny fa izay rehetra mijery olona ka mitsiriritra ao anaty dia efa mijangajanga ihany koa.Nofenoiny ny lalana fa tsy hoe nesoriny akory.Izay no fahalalako azy an

HOSEA 6 : 5 Ary noho izany ny mpaminany no nentiko nikapa azy, ny tenin'ny vavako no nentiko namono azy; Ary ny fitsarana anao dia hiposaka toy ny mazava.6 Fa famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà,ary fahalalana an'Andriamanitra noho ny fanatitra dorana .
izany tokoa

ISAIA 1 : 10 Mandrenesa ny tenin'i Jehovah, ry mpitsaran'i Sodoma; Mihainoa ny lalàn'Andriamanitsika, ry vahoakan'i Gomora.11 Hataoko inona ny zavatra betsaka vonoinareo ho fanatitra? hoy Jehovah; Efa tofoka ny ondrilahy atao fanatitra dorana sy ny saboran'ny zanak'omby mifahy Aho, Ary tsy sitrako ny ran'ny vantotr'ombilahy sy ny an'ny zanak'ondry ary ny an'ny osilahy.12 Raha avy miseho eo anatrehako ianareo, Iza moa no nitady anareo hanitsakitsaka ny kianjako? 13 Aza mitondra fanati-poana intsony; Fofona fahavetavetana amiko izany! Ny voaloham-bolana sy ny Sabata ary ny fiantsoam-piangonana. Tsy zakako ny fivoriana masina haroharoam-paharatsiana!14 Ny voaloham-bolanareo sy ny fotoam-pivavahanareo dia halan'ny fanahiko, Mavesatra amiko izany, Ka sasatra mitondra azy Aho.15 Raha mananty tanana ianareo, Dia hitampi-maso tsy hijery anareo Aho; Eny, na dia manao vavaka be aza ianareo, dia tsy hihaino Aho; Feno ran'olona* ny tananareo.[Heb. rà nalatsaka]
mahatonga saina tokoa io an ary indraindray aza dia manontany tena hoe ny biby tsy manantsiny no natao fanatitra kanefa tsy nanao na inona na inona an'ny tena akory ireny dia vonoina fotsiny amin'izao.
59. Maranatha ( 05/07/2011 08:45)

niryna:

mahatonga saina tokoa io an ary indraindray aza dia manontany tena hoe ny biby tsy manantsiny no natao fanatitra kanefa tsy nanao na inona na inona an'ny tena akory ireny dia vonoina fotsiny amin'izao.

Toy izay koa i Kristy ngaha i Kristy nanota na nanatsiny no lasa izy indray no nihantona teo ambony hazofijaliana, niharitra ny fanesoana sy kapoka ary vono sy latsa tokony hatao ny mpanota. Fa ireny Biby maty taloha ireny dia tandindon'ny kristy, ho fitaizana ho amin'ny finoana ireny fanehoana ny Fitiavan'Atra ny olona mba tsy ho very izay rehetra mino an'I Kristy izay fahamarinan'Atra .
60. rekinbelo ( 05/07/2011 12:28)
Miarahaba namana!
Asa raha azonareo ilay hoe lalàna tsy tokony arahina na arahina eto fa mikorotana mihitsy isika maneho hevitra.Ilay lalàna efa ho 400 mahery nosoratan'ny mosesy nomeny ny Jiosy t@ taona 1513 anie no ambara eto fa tsy miasa intsony amintsika e!
Raha nanambara Kristy hanatanteraka ny lalàna fa tsy andrava, mila vakiana sy mila azontsika aloha ny tena tanjona ny lalàna sy didy ireo, dia fantarintsika ny momba ny nanatanterahan'i Kristy azy io fa raha tsy izany dia na tonga aza ny farany eto foana isika namana.
Mbola eo ampikarakarana kely za io Maranatha fa ao thème ray ao isika mihaona e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0745