NY LALANA

21. Maranatha ( 28/06/2011 11:13)

Miharena:

Tsy miresaka fiangonan-drazana aho fa fiangonana zokiny izay efa ela dia ela no nanao fandalinam-pinoana Maranatha.

Izao anie ry Miharena e!Betsaka ny fiangonana zokiny no tsy ampy fahalalana.
Ikor 13:10"Sombitsombiny ny fahalalan-tsika... " betsaka ny mpino ao no tsy mahalala fa rehefa hitoriana ny marina kosa izy tonga dia manaiky satria tsom-po. Ireo mpitondra ao @ fiangonana zokiny ireo anie mba hitorio izay fahamarinana fantatrao fa marina tsisy ho kianina e, dia ho hitanao eo fa na fantany sy resy lahatra aza izy fa marina izany dia tsy afaka manova fotom-pinoana intsony izy. Fanandramana efa hitanay izany ry Miharena a! Izany ilay hatao hoe voapetaky ny vy mahamay ny handriny.

Miharena:

Ny lalàna fototra amiko dia ny Tenin'i Kristy ihany izay nilaza ny momba ny Fitiavana sy ny Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana.


Tsy mandiso anao anie izaho e! Fa arak'io voasoratrao io mihintsy hoe AMIKO . Dia mazava ho azy fa aminao io no lalàna fototra fa tsy amin'Atra. Izaho koa afaka mametraka ny lalàna fototra-ko fa tsy izay no lalàna fototr'Atra.

Raha tsorina dia tsy isika no mametraka io fa Atra e!

ny Tenin'i Kristy izay nilaza ny momba ny Fitiavana sy ny Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana tsy maintsy hatao, mitandrina ny lalan'Atra koa tsy azo avela. Matio 23:23 "...Ireto tokony hataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana"

Miharena:

Mizara no ataon'i Kristy fa tsy mitana ho Azy irery ka tsy hilaza IZY hoe aza mitsiriritra, na aza mangalatra sy ny sisa satria efa anananao daholo izay AZY satria nomeNY maimaim-poana. Tsy hanana izay hevitra ny hanao izany akory ianao noho izany foana ilay fandraràna rehetra fa tsy eo amin'ny fon'ny Mifoha intsony ny toetra hanao izay tsy mendrika.


Ie any @ Lanitra vaovao sy tany vaovao no mitombina tsara izay fa raha mbola eto an-tany dia nomena aloha ireo Didy ireo hanaovana fanazaratena satria mbola manodidina anao ny fakam-panahy sy mpaka fanahy dia mbola mipetraka tsara ireo Didy ireo.

Mahereza
22. rekinbelo ( 28/06/2011 12:17)
Marina ny anao Miharena a.tsy misy olombelona oahmarinina @ lalana izany mihitsy fa aminy finoana ihany, ka na itandrina didy sy lalana eo aza ianao de reraka eo fotsiny.zvt efa tanteraka ireny ve azahoana finoana sy famonjena intsony.sady tena ilaina fantarintsika ny tena nilana ny lalana fahiny fa raha tsy takatrao anie ny dikany de disoinao avokoa ny zvt voalaza ao aminy filazantsara rehetra.
tohizatsika io refa avieo fa mazotoa alo e
23. RBNIR ( 28/06/2011 12:25)

rekinbelo:

Marina ny anao Miharena a.tsy misy olombelona oahmarinina @ lalana izany mihitsy fa aminy finoana ihany, ka na itandrina didy sy lalana eo aza ianao de reraka eo fotsiny.zvt efa tanteraka ireny ve azahoana finoana sy famonjena intsony.sady tena ilaina fantarintsika ny tena nilana ny lalana fahiny fa raha tsy takatrao anie ny dikany de disoinao avokoa ny zvt voalaza ao aminy filazantsara rehetra.
tohizatsika io refa avieo fa mazotoa alo e

Faly miarahaba namana isany,
Rekimbelo sy Miharena,
Tsy mahatsapa v ianareo hoe mitarika ny olona anao tsinotsinona any sitrapon'Andriamanitra amin'izao zavatra voizinareo izao???
Ny zavatra voizinareo tandremo fa otran'ny milaza hoe , mijangajanga daholo, mamono olona, mangalara, manaova ny ratsy rehetra fa tsy maninona fa rehefa mino fa Jesosy Tompo no zanak'Andriamanitra dia ampy izay.
Miheritrereta tsara ihany namana fa isika rehetra anie ka hoadinina amin'ny zavatra ataon-tsika e,
Raha tena tia namana ianao taomy ny olona ahalala hatahotra sy hanome voninahitra an'Ilay Avo indrindra ry namana isany.

Samy ho tahin'ny Tompo anie isika rehetra
24. rekinbelo ( 28/06/2011 13:57)
itanao izany fa tsy hainao mihitsy ny hoe tsy mitandrina lalana intsony isika.aza raisina antendrony otranio izy io. Ny fitandremana ny lalana`ny mosesy no lazaiko eto fa tsy arahina intsony: toy ny fitandremana ny sabata, fahafolokarena, ny paska, fanatitra,patekoty sns....fa tsy hoe mahazo mamono olona na ijanganjanga ohatra.
Ny lalana roa nolazainy Kristy ho tandremantsika de tia Namana sy Tia ny Ray.tsy angalatra enao raha tia namana, tsy ijangajanga enao raha tia namana sns........
asa raha azonao ny tiako holazaina momba ny tsy fanarahana lalana intsony
25. rekinbelo ( 28/06/2011 14:25)
azlonao jerena kely ity and ity.Asa 13:38-39 ity hanamafisako ny tsy itandremantsika ny lalana Moosesy intsony saatria tsy hisy amarinina afatsy ny finoana an i Kristy .
26. rijadolly ( 28/06/2011 15:51)
Rekinbelo:

Marina ny anao Miharena a.tsy misy olombelona oahmarinina @ lalana izany mihitsy fa aminy finoana ihany, ka na itandrina didy sy lalana eo aza ianao de reraka eo fotsiny.zvt efa tanteraka ireny ve azahoana finoana sy famonjena intsony.sady tena ilaina fantarintsika ny tena nilana ny lalana fahiny fa raha tsy takatrao anie ny dikany de disoinao avokoa ny zvt voalaza ao aminy filazantsara rehetra.
tohizatsika io refa avieo fa mazotoa alo e

Rekinbelo:

tanao izany fa tsy hainao mihitsy ny hoe tsy mitandrina lalana intsony isika.aza raisina antendrony otranio izy io. Ny fitandremana ny lalana`ny mosesy no lazaiko eto fa tsy arahina intsony: toy ny fitandremana ny sabata, fahafolokarena, ny paska, fanatitra,patekoty sns....fa tsy hoe mahazo mamono olona na ijanganjanga ohatra.
Ny lalana roa nolazainy Kristy ho tandremantsika de tia Namana sy Tia ny Ray.tsy angalatra enao raha tia namana, tsy ijangajanga enao raha tia namana sns........
asa raha azonao ny tiako holazaina momba ny tsy fanarahana lalana intsony

Malaelo aho ny milaza amin' se ry Rekinbelo fa zavatra samy hafa ny zavatra vohizinareo sy Miharena. Ny azy dia io toherin'ny RBNIR io. Voavonjy avokoa na inona ataonao na inona ataonao fa samy silaky ny Ain'Andriamanitra hoy izy. Mbola miray hevitra aminy ve ianao amin'izay?
27. RBNIR ( 29/06/2011 07:06)
[/quote]
Malaelo aho ny milaza amin' se ry Rekinbelo fa zavatra samy hafa ny zavatra vohizinareo sy Miharena. Ny azy dia io toherin'ny RBNIR io. Voavonjy avokoa na inona ataonao na inona ataonao fa samy silaky ny Ain'Andriamanitra hoy izy. Mbola miray hevitra aminy ve ianao amin'izay?
[/quote]
Faly miarahaba namana isany,
Misaotra anao Rijadolly, izay mihitsy no tena tiako hahatongavana,

Samy ho tahin'ny Tompo namana.
28. RBNIR ( 29/06/2011 09:39)
rekinbelo:

itanao izany fa tsy hainao mihitsy ny hoe tsy mitandrina lalana intsony isika.aza raisina antendrony otranio izy io. Ny fitandremana ny lalana`ny mosesy no lazaiko eto fa tsy arahina intsony: toy ny fitandremana ny sabata, fahafolokarena, ny paska, fanatitra,patekoty sns....fa tsy hoe mahazo mamono olona na ijanganjanga ohatra.
Ny lalana roa nolazainy Kristy ho tandremantsika de tia Namana sy Tia ny Ray.tsy angalatra enao raha tia namana, tsy ijangajanga enao raha tia namana sns........
asa raha azonao ny tiako holazaina momba ny tsy fanarahana lalana intsony

Faly miarahaba namana,
Raha mikasika ny lalàna sy ny finoana dia izao no voasoratra (entiko koa ny dikan-teny frantsay mba tsy hiroaroa saina isika).
« Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Matio 5:17)
« Koa mahafoana ny lalàna amin'ny finoana va isika? Sanatria izany! fa mampiorina tsara ny lalàna isika. » (Romana 3:31)
17 Ne croyez pas que je sois venu pour abolir la loi ou les prophètes; je suis venu non pour abolir, mais pour accomplir.
31 Anéantissons-nous donc la loi par la foi ? Loin de là ! Au contraire, nous confirmons la loi.
Mazava B ireo teny ireo ry namana,
Tsy hofoanana akory ny lalàna fa hotanterahina (accomplir) sady hampiorenina (confirmer). Matoa izy hotanterahina dia tsy tanteraka izy teo aloha. Matoa izy hampiorenina dia tsy tafahorina izy teo aloha.
Anisan'ny fahasoavana raisina amin'ny fanekena vaovao ny Fanahy Masina ary ny tanjon'Andriamanitra amin'ny fanomezana ny Fanahy Masina dia : « Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy. » (Ezekiela 36:27)
Mazava B io teny io mba hahatonga an-tsika handeha araka ny lalàny no antony anomezany an-tsika ny Fanahy Masina.
Diso araka izany ny filazana fa tsy tandremana intsony ny lalàna taloha. Ny mifanohitra amin'izany no tokony ho izy (jereo iry ambony iry "au contraire") tokony ho hita taratra amin'ny kristiainina ny fahatanterahan'ireo lalàna rehetra.
Ekeko fa misy ny lalàna izay efa tsy tandremana intsony, saingy mila mianatra isika fa tsy ny lalàna taloha rehetra akory no tsy tandremana intsony (fampianarana lava be io ary mila fifantohana tsara mianatra azy).

Samy ho tahin'ny Tompo namana.




29. madagass ( 29/06/2011 13:55)
Faly miarahaba antsika rehetra lina be mihitsy aho manaraka ity resadresaka lalana ity .Ny azoko ambara dia izao ny lalana dia tsara sady masina no marina ary izy io dia tokony sady tsimaintsy arahiny olona masina izay mandray an'i Jesosy Christy ho mpamonjy voalaza tsara ao @ apokalipsy 14:12 indro ny faharetany olona masina izay mitandrina ny diy sy finoana an'i Jesosy fa ny ankamaroany fiangonana dia mivavaka fotsiny fa tsy mino kanefa misy ihany koa ny mivavaka sady mino tahaka ny hoe misy vola sandoka sy ny tena izy ary ny sandoka dia betsaka .
30. RBNIR ( 29/06/2011 14:06)
Ezéchiel chapitre 36 : verset 26 et 27
26 Je vous donnerai un coeur nouveau, et je mettrai en vous un esprit nouveau; j'ôterai de votre corps le coeur de pierre, et je vous donnerai un coeur de chair.
27 Je mettrai mon esprit en vous, et je ferai en sorte que vous suiviez mes ordonnances, et que vous observiez et pratiquiez mes lois.

« Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin'ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo. » (Ezekiela 36:26)
« Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy. » (Ezekiela 36:27)


Io ilay fahasoavana nampanantenaina an-tsika namana isany (io ilay fanjakan'Andriamanitra tsy lavitra fa ao anatin-tsika ao ihany).
Katsaho io fa io no teny fikasana, izay rehetra mahazo no hahay manao ny sitrapon'Andriamanitra rehetra. ary tanteraka aminy tokoa ireto teny ireto hoe : « Koa raha misy olona ao amin'i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo. » (2 Korintiana 5:17)
« ary mba hotafinareo ny toetra* vaovao, izay noforonina araka an'Andriamanitra amin'ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana. [* Gr. olona] » (Efesiana 4:24)

Tsy misy ezaka takiana amin-tsika fa finoana no ilaina ary fanekena sy fanapahan-kevitra handeha amin'ilay làlana efa nomaniny ho an-tsika.

Samia mahery, mirosoa fa miandry an-tsika ny Fanjakan'Andriamanitra.

Samy ho tahin'ny Tompo anie isika rehetra.

31. rekinbelo ( 29/06/2011 14:23)
iza ilay niteny hoe ' tonga hanatanteraka ny lalana'? i Kristy. koa lalana efa notanterahiny Kristy sy mahakasika azy ve dia mbl hotanterahintsika indray, zvt efa vitany Kristy ve de mbl ataontsika indray?
otrany ny devis-na fanaovana trano iray anie ny lalana e, de tonga i Kristy nanatanteraka ny oeuvre rehetra,koa inona ary no zvt ataontsika, tsy manaraka izay lesona navelany Jesosy ve sisa?
tsy isika olombelona mpanota mihitsy no afaka isolo toerana ani Kristy hanatanteraka lalana izany.somary ivereno kely anie ny rom 3:30 dia itanao tsara ny tiany ambara,ary tohizo vakiana mihitsy ny rom 3-5 dia hitanao ny zvt tiany paoly ambara.
Lava sady mila fifantohana hoy enao izy io ary tena marina izany fa tohizantsika refa vieo
dia mazotoa namana

32. madagass ( 29/06/2011 14:43)
Kristy no Mpanjaka ary fanjakana manara-dalana ny fanjakan'Adriamanitra raha nitandrina lalana ny president dia tsimaintsy mitandrina koa ny olona izay entiny.
33. RBNIR ( 29/06/2011 15:05)
rekinbelo:

iza ilay niteny hoe ' tonga hanatanteraka ny lalana'? i Kristy.


Ity teny ity e!« Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Matio 5:17)

Ary notohizany io teny io dia nasehony mazava tsara ny ny fomba entina hanantanterahana ireo lalàna teo aloha (izay nambarany hoe "tamin'ny ntaolo):
1- Fomba entina manantateraka ny hoe "Aza mamono olona"
« Efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mamono olona (Eks. 20. 13); ary izay mamono olona dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana. » (Matio 5:21)
« Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra* amin'ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin'ny rahalahiny hoe: Olom-poana ianao, dia miendrika hohelohina amin'ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy, dia miendrika ho ao amin'ny helo** mirehitra afo. [*Na: tezitra foana] [**Gr. Gehena] » (Matio 5:22).
Diniho tsara ny fahatezerana no mitarika an-tsika hamono olona.
Raha ny an'i Kristy no harahina dia tsy hotanteraka mihitsy ny famonoana olona, tanteraka ho azy ny tanjona tian'Andriamanitra ho tratrarina raha ny an'i Kristy no tandremanao.

Ny mahasamihafa azy amin'i Fariseo sy ny mpanoradalana, Ny fariseo sy ny mpanoradalana mahavita tsy mamono olona saingy ao anatiny mety feno fankahalana sy fahatezerana, saingy noho ilay lalàna hoe "Aza mamono olona" fotsiny no tsy hamonoany ny olona (izay ilay hoe madio ivelany namana satria raha tazanina tokoa dia tsy mba mamono olona mihitsy izy na koa hoe mpiatsaravelatsy satria raha ny marina anie namana dia tehamono mafy izy noho ny fahatezerany sy ny lolompony saingy noho ny lalàna dia tsy sahy izy e!). Tsy otran'izay ny miaraka amin'i Kristy fa fo vaovao madio tsy misy lolom-po sy fahatezarana no omena anao dia ho tanteraka ho azy ny fanajana ny hoe "Aza mamono" olona.

2- Ny fomba fanantanterahana ny hoe "Aza mijagajanga" :
« Efa, renareo fa voalaza hoe: Aza mijangajanga (Eks. 20. 14). » (Matio 5:27)
« Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady. » (Matio 5:28)
Diniho tsara : raha tsy mijery vehivavy hila azy marina v dia hahavita hijangajanga aminy???

Ny mahasamihafa azy amin'ny fariseho sy mpanoradalana??? Ny fariseo sy ny mpanoradalana mahavita tsy mijangajanga mihitsy saingy ny ao anatiny mety feno faniriana vehivavy saingy Andriamanitra irery no mahita izay namana.
Mpiatsaravelatsihy izay amin'i Jesosy Tompo satria mody hoe tsy manao kay ao anaty be faniriana namana.

Io fo madio io no takian'ny Tompo raha nanao izao teny manaraka izao izy namana : « Ary hoy Izy: Izay mivoaka avy ao amin'ny olona, dia izany no mahaloto azy. » (Marka 7:20)
« Fa avy ao anatin'ny olona dia avy ao am-pony, no ivoahan'ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan-olona, ny fakam-badin'olona, » (Marka 7:21)
« ny fieremana, ny lolom-po, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy*, ny avonavona, ny fahadalana:[*Gr. blasfemia; izahao Mat. 9. 3] » (Marka 7:22).

Ary araka ilay ao amin'ny Eze.36:26-27 dia Andriamanitra no manome io fo madio io ary ny Fanahy Masina no manova ny olona mba hanana azy io.

Io no fanjak'Andriamanitra araka ny voalaza hoe « Ary ny olona tsy hanao hoe: Indro, ety! na ery ! fa, indro, ny fanjakan'Andriamanitra dia ao anatinareo*.[*Na: efa eo aminareo] » (Lioka 17:21).

Izao anefa namana tadidio foana fa tsy mba mpandainga ny Tompon-tsika : « Miseseha hiditra amin'ny varavarana ety ianareo; fa hoy Izaho aminareo: Maro no hitady hiditra, fa tsy ho afaka. » (Lioka 13:24)

Ilay varavarana ety ihany no ahafahanao miditra ao. koa mba miseseha re e!

« Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako. » (Matio 11:30) Mora ny zioga ao ary maivana ny entana ampitondraina ao na dia marina tokoa fa misy fahoriana aza.

Tsy hisasatra mihitsy aho hanoro anao ilay lalana nahitako azy e! Télé Jery isa-maraina amin'ny 5ora ka hatramin'ny 6ora fandaharana Vitao ny Asan'ny Fahamarinana,

Samy ho tahin'ny Tompo indray e!









34. madagass ( 29/06/2011 15:21)
Tiako ny hilaza aminao fa tsy tokony sombitsombiny no tandremana @ lalana fa izay diso @ iray loa dia diso @ izy rehetra .Ra mahafantatra ny sabata enao dia tsara tsy izany ihany anefa fa ao koa ny voalohambolana ny Paska ny andro firavoravoana ny Pantekosta tsy azo atao vazivazy ny lalan'Andriamanitra fa mahatonga ny fanahy mamitaka .Fa ny voany no ahafantarana ny hazo tena mahafeno fahamarinana ny fivavahana iray sa tsia .
35. RBNIR ( 29/06/2011 15:38)

RBNIR:

. Tsy otran'izay ny miaraka amin'i Kristy fa fo vaovao madio tsy misy lolom-po sy fahatezarana no omena anao dia ho tanteraka ho azy ny fanajana ny hoe "Aza mamono" olona.



Somary tsindriko kely ity ry namana isany "HOMENA ANAO" tsy niteny aho hoe hezahinao hananana fa hoe "HOMENA ANAO" satria tsy misy ezaka atao akory ao an! Vakio tsara ilay Eze.36:26-27 dia ho azonao tsara fa Andriamanitra no hanome an'io.
Izay no maha FAHASOAVANA AZY! (zavatra omena maimaipoana).
Be dia be no efa nahazo an'io ary izay nahazo dia nahalala fa efa tanteraka taminy tokoa ity teny ity : « Ary ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny harena nafenina tany an-tsaha, izay hitan'olona, ka dia nafeniny; ary noho ny hafaliany dia lasa nandeha izy ka nivarotra ny fananany rehetra, dia nividy izany saha izany. » (Matio 13:44)
Mahereza daholo, Madagass, faly mandray anao ho namana eto amin'ny serasera

Samy ho tahin'ny Tompo anie isika rehetra e!


36. bor2lais ( 29/06/2011 15:56)
Mba fanontaniana kely ny ahy ity : ahoana no andraisanareo ny teny hoe "lalàna" ? Moa ve ny didy 10 ihany (izay nomen'Andriamanitra) sa ireo "decrets d'application" efa ho telonjato antsoina hoe lalàn'i Mosesy sa izy roa ?
37. rijadolly ( 29/06/2011 16:56)
Izaho koa eto Bor2lais, dia manotany tena, sy mandinika fa mitovy ny hevitry RBNIR sy Rekinbelo ary i Madagass raha ny lalàna didifolo no resahina. Fa raha ny Lalàna netin'Mosesy (nampitondraina fa tsy azy) dia io no misy tsy fitoviana kely, satria i Rekinbelo ao aloha ao efa nametraka hoe lalan'Mosesy no resahiny eto, lalan' Fisoronana angamba no mahalaza azy tanteraka.
Lasa koa ny saiko eto fa misy tokoa ny atoko sasany izay Kristianina no tsy mila mpitarika intsony, noho ny hoe : efa vtan' Jesoa Kristy ve ny lalàn' io Fisoronana io?
38. madagass ( 30/06/2011 05:48)
Misaotra nanisy fanamarihana fa tiako ambara eto tsy ny didy folo ihany fa miaraka @ lalan'ny mosesy izay lazainy Jesosy tsy ho hisy ho foana na ny tendrotsoratra iray aza .
Izao zavatra izao no mahavery hevitra ny olona ny tsy fandinihana tsara ny testamanta roa ireo fa zavatra iray ihany no lazainy ireo omeko ohatra vitsivitsy eto:
testamenta taloha testamanta vaovao
sabata Eksaody 31: 15 hebreo4:8
voaloham-bolana isaia66:23 kolosiana2:16
paska deotornomia16 manontolo korontianina voalohany5:7-8 pentekosta Deotornomia 16 manontolo asa 2:1
39. madagass ( 30/06/2011 05:59)
Tiako hazavaina kely koa momba ny asa fisoronana nataony Jesosy efa vita izy io Apokalipsy5:6-7
izany no ahazoana ny fanahy masina ankehitriny satria nitondra ny rany Jesosy teo anatrehan'Andriamanitra voalaza tsara fa hoe "hitako ny zanak'ondry tahaka ny efa voavono" izany hoe voavono izany dia miboba ra ny tenany izy ihany no nitondra ny rany teo nefa izy tsy maty ary nandray ny fanahy fiton'Andriamanitra.
40. Maranatha ( 30/06/2011 06:00)
Bor2lais:

Mba fanontaniana kely ny ahy ity : ahoana no andraisanareo ny teny hoe "lalàna" ? Moa ve ny didy 10 ihany (izay nomen'Andriamanitra) sa ireo "decrets d'application" efa ho telonjato antsoina hoe lalàn'i Mosesy sa izy roa ?

rijadolly:

Izaho koa eto Bor2lais, dia manotany tena, sy mandinika fa mitovy ny hevitry RBNIR sy Rekinbelo ary i Madagass raha ny lalàna didifolo no resahina. Fa raha ny Lalàna netin'Mosesy (nampitondraina fa tsy azy) dia io no misy tsy fitoviana kely, satria i Rekinbelo ao aloha ao efa nametraka hoe lalan'Mosesy no resahiny eto, lalan' Fisoronana angamba no mahalaza azy tanteraka.
Lasa koa ny saiko eto fa misy tokoa ny atoko sasany izay Kristianina no tsy mila mpitarika intsony, noho ny hoe : efa vtan' Jesoa Kristy ve ny lalàn' io Fisoronana io?

Tsy hoe andraisanay ny atao hoe lalàna fa ahoana no nametrahan'Atra izany lalàna izany. Vakio tsara anie ny Galatiana 2:16-17 dia avy eo ny Gal toko faha 3 fa hisavoritaka ny sainareo raha tsy mahay manavaka tsara ny lalàna ianareo.
Ny lalàn'Atra (Ny Didy folo) dia mijanona eo foana. Tsy misolo tsy azo analana. Tsy manova azy ny tenin'i Jesosy ao @ Mat toko faha 5,6,7 fa mametraka ny plafond tokony harahana.
Ny lalàm-pisoronana izay nomena an'iMosesy ho fanaovana fitaom-pivavahana t@ tempoly tety ambonin'ny tany dia miova ny lalan'i Kristy satria any @ templon'Atra any an-danitra i Kristy no manao ny fifonana ho antsika (Manao ny asan'ny Mpisoronabe, Fisoronana), ny rà fitondra tao an-tempoly izay fitondra raha misy manota, manao fanavotana, sns.. izay nomena an'i Mosesy hataon'ny zanak'israely tamin'izany dia efa mijanona raha vao maty teo ambony hazo fijaliana i Jesosy, tafiditra ao anatiny koa ny miakatra any Jerosalema in-telo isan-taona sns..
Dia mahaiza manavaka fotsiny araka ny contexte hoe lalàn'inona no resahina eto.
Fa ny mpitondra fivavahana sasany tsy te halala fa rehefa lalàna dia foanany avokoa .II Tes 2:11-12 " Koa izany no ampanateran'Atra fiàsan'ny fahadisoan-kevitra aminy hinoany lainga mba ho helohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.088