IREO FAHAMARINANA tsy mety raisin'ny Kristiana fa hiadiany hevitra mandrakariva

1. Miharena ( 23/03/2011 19:59)
Nosokafako kely ity loha-hevitra ity noho ny fifanipahan-kevitra maro miseho eo amin'ny fandraisana ny momba ny fahariana, famonjena, fahaverezana.

Inona marina no tena voarain'ny mino ary inona marina no endirka hita fa mahatonga ny olona tsy mino na dia toriana faha-zato faha-arivo aza izy?

Mety mamintina ireo adihevitra maro hifandalinantsika teo aloha izy ity ka manasa ny rehetra handray anjara avokoa.
répondu par Miharena le 04/04/2011 15:05
2. rijadolly ( 24/03/2011 04:49)
Miharena:

Inona marina no tena voarain'ny mino ary inona marina no endirka hita fa mahatonga ny olona tsy mino na dia toriana faha-zato faha-arivo aza izy?

Somary misokatra be loatra ilay izy Miharena, nefa tsy mantsy mihezaka isika handray ny hevitry ny tsirairay izay voalazanao fa famitinana ireo hevitra maro tao ambany tao.

Ny ahy manoka aloha dia ny hoe:

1) Maninona no samy voavonjy avokoa ny Mino( efa nibebaka, nanday tamin'fo torotoro an'Jesoa Kristy,...) sy ny mino am-bava fotsiny ary ireo izay notoriana nefa tsy nandray an'Jesoa Kristy no sady manota no tsy mibebaka rahateo?
3. rijadolly ( 24/03/2011 20:22)
Miharena:

Fomba fiasan'i Satana no lazaiko fa tsy fomba fisainan'i Satana. Ilay mitaredretra no tiana ambara. Raha mamboly fisainana manome vahana fitanisana asa maizina hatrany isika dia mazava fa hitsilopilopy hatrany ary ho lavo mihitsy no hiafarana satria tsy ny fomban'Andriamanitra sy ny Fitiavany no lasa mibahana fa lasa ilay asa ratsy indray.

"ary ho lavo mihitsy no hiafarana" : Azon'se hazavaina ve io tenin'se io.
4. bor2lais ( 25/03/2011 09:42)
Azo hazavaina misimisy ve ny tiana ahatongavana amin'ilay lohateny azafady indrindra ?
5. Miharena ( 25/03/2011 18:46)
Miala tsiny aloha noho ny fahabangana kely tsy nahafahana namaly dinika teto raha tsy izao indray.

Rijadolly:

1) Maninona no samy voavonjy avokoa ny Mino( efa nibebaka, nanday tamin'fo torotoro an'Jesoa Kristy,...) sy ny mino am-bava fotsiny ary ireo izay notoriana nefa tsy nandray an'Jesoa Kristy no sady manota no tsy mibebaka rahateo?

Misokatra be tokoa ny lohahevitra ka nampidirinao ity fanontaniana ity Rijadolly satria io mihitsy no mampiady hevitra amin'ny hoe : Angaha ianareo izay Kristiana ihany no voavonjy??? ary ny Silamo ahoana, ny Hindoue sns....? Regefa jerena ny fomba ftoriana dia matetika ny olona izay "tsy mandinika lalina" ny foto-pinoany avy no mametraka fefy amin'ny atao hoe famonjena. Toy ny hoe nametraka vala Andriamanitra ka izay tafiditra ao dia Azy fa izay tsy tafiditra ao dia an'ilay ratsy. Fomba fijery mikatona sy voafetra ihany izany ary mino aho fa fisainan'olombelona ny namboly io foto-pisainana io. Io avokoa ny mametraka ny adim-pinoana misy eran-tany.

Ny fotoana anefa dia mandroso ary efa manomboka mizaha ifotony ny zava-drehetra momba ny famoronana sy izay singam-pahamarinana misy ao amin'ny antokom-pinoana marobe ny olona. NO*oho izany dia tokony ho tafiditra amin'ny tsoa-kevitra mazava momba ny Mpamorona sy ny fomba famoronana ary indrindra dia fomba fisainana sy hiainana araka ny singa mandrafitra ny maha-olmbelona sy ny maha-voary hafa.

Ka raha io fanontaniana napetrakao io dia sehatra voafetra amin'ny Kristiana tsy miara-mifoha (fifohazana marina) no hitrangany, izay hinoana fa hisy famindram-po amin'ny alalan'ny fahamoram-pon'ny Mpamorona ny hidiraNY an-tsehatra amin'ny fitaizana ireo izay mafy hatoka araka ny filaza azy.

Ho an'i Bor2lais , dia ireo valin-teny voazava eo ambony ireo dia efa mety manazava bebe kokoa ny momba ny lohahevitra. Mety azontsika hatao ny mampiditra fampitahana ny finoana samihafa dia mijery hoe, inona no mandringa tsy ahafahan'ny hafa hino izay lazain'ny mpandresy laatra isan-tokony avy, ary inona no tena azo tazonina tanteraka ho fahamarinana. Ity endrika fandalinana ity no tokony hahatongavan'ny fiombonana eo amin'ny fandalinana.

Ny momba ny fanontanian'i Rjadolly indray momba ny fitsilopiana nambarako dia dia hoy aho hoe raha diso mitodika loatra any amin'ny lalana izay tokony hofoanana sy fantatra fa tsy hanan-kery intsony ao anatin'ny FAHARIANA ankapobeny (lalan'ny fahafoanana na fahaverezana na lalan'ny "Devoly" dia mazava fa hitsilopy ny masom-panahin'ny olona.
Tokony horaisina ho fanadiovana no hitozoana fa tsy mampahatsiahy hatrany izay asa tsy mahomby.
6. rijadolly ( 25/03/2011 22:45)
Miharena>>>>>>> Raha ohatra ka tsy Kristinina i Miharena dia tena diso tokoa aho nisikotra ny tena hevitr' se fa mialatsiny indrindra.

Raha Kristianina kosa anefa se dia tsy nahavaly ilay fanotaniana napetrako ny valim-panotanianao, ary dia mbola ampiako fanotaniana iray indray manao hoe: Inona no ilaina an' Jesoa Kristy nidina tety an-tany?
7. laloanany ( 26/03/2011 01:20)
hono hoa ry Miharena. Mino ve ianao fa misy ny voavonjy ary misy ny very?
Raha toa mantsy ianao mino fa lasa any andanitra daholo ny olona rehetra izay maty, tsy aleo ve izany mamboatra bomba anakiray lehibe isika dia apoaka ny tany eee? @ zay maty daholo ny olombelona dia lasa any andanitra daholo izy rehetra.

Angaha ianareo izay Kristiana ihany no voavonjy??? ary ny Silamo ahoana, ny Hindoue sns....?

Hoy i Jesoa: Jaona 14:6 "Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako"
Hamaliako ny teninao:
Raha toa ka nitoriana ny Filazantsara ireo Silamo sy Hindoue sns... ireo nefa mbola tsy mety mino an'i Jesoa Kristy fa miziriziry @ heviny ihany dia SAHIKO no milaza eto fa ho "very noho ny tsy finoany" izy ireny.
Raha toa kosa ka mbola tsy nitoriana ny Filazantsara izy ireny nefa maty dia TSY SAHIKO no hiteny hoe: very daholo izy ireny. (Jereo ilay dinika nosoratako mikasika ny TULIP sy ny teolojia reformee teo aloha. Tsy haveriko eto ilay izy satria manjary mivaona ilay dinika napetrak'i Miharena)

Averiko indray: raha lasa any andanitra daholo ary ny olona rehetra araka ny hevitrao, tsy aleo ve zany apoaka ity tany ity dia samy vita eee. @ zay any andanitra daholo isika.
8. Miharena ( 26/03/2011 04:08)
Rijadolly sy Laloanany, akapoko ho iray ny famaliana ny fanotanianareo.
Ny nahatongavan'i Kristy dia mazava fa ny hanazava ny fon'ny olona. Ny hahalala ny Sitrapon'Andriamanitra. Io anefa dia tsy raisina avy any ivelan'ny tena fa ao anatin"ny tena ihany no mifoha. Raha miteny Kristy hoe "Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, tsy misy mankany amin'ny Ray afa-tsy amin'ny alalako" dia tokony ho azontsika tsara izay ambaraNY fa misy fanampiny manamafy azy:
- Izaho sy ny Ray dia ray ihany;
- Izaho no voaloboka, ianareo no sampany;
- hahavita bebe kokoa no Izaho aza ianareo satria Izaho mankany amin'ny Ray
- ary mifarana amin'ny tenin'i Paoly hoe "Tsy izaho insony no velona fa Kristy no veona ato anatiko (Ity no tanjona mazava).

Hery iray tsy manam-petra no toriana eto dia ny Herin'ny Ray ka izay mandray izany dia hamoa arivo heny na an-tapitrisany aza. Ny fon'ny olona no taniketsa saingy napetraka fanoharana ny fandraisana ny voa amin'ny toe-pon'ny olombelona tsirairay avy (jereo fanoharana momba ny voa nafafy sy ny toetry ny mpandray azy).

- Tsy tonga hiantso ny marina Aho ... midika famohazana ny olon-drehetra hahatsiaro ny Fitiavan'Andriamanitra tsy misy fetra saingy miankina amin'ny sehatra misy ny toe-pon'ny olona no hampifoha aingana na tara azy tsirairay avy nefa ireo rehetra ireo dia manana anjara mitovy avokoa ka ho indrindra IZY "Ny voalohany no ho farany ary ny farany no ho voalohany" ka na Kristy aza raha niteny hoe hahavita bebe kokoa noho Izaho aza ianareo sy nahavatra nanasa ny tongotry ny mpianany dia mbola Izy ihany no vodilalana sady loha-lalana mandra-pihavin'ny fiainaNY tanteraka ao anatin"ny tsirairay avy tsy an-kanavaka.

Laloanany:

Averiko indray: raha lasa any andanitra daholo ary ny olona rehetra araka ny hevitrao, tsy aleo ve zany apoaka ity tany ity dia samy vita eee. @ zay any andanitra daholo isika.

Dia mamaly ity fihevitrao ity mihitsy ireo voatanisa eo ambony ireo Laloanany. Ka raha Kristiana misaina io fehezanteny io ianao dia miala tsiny aho fa ho farahidiny eo imason'ny Tompo ianao satria izay te-hamonjy ny ainy no hahavery azy fa izay mahafoy ny ainy hamonjy ny sakaizany no hahazo izany.

Eo amin'ny paradisa sy resaka fiadanam-po mihitsy angamba no tsy haiko na azonareo na tsy azonareo ka mampametraka ny fanontaniana hoe: "Ahoana ny fandraisanareo ny hiran'i Rija Rasolondraibe hoe : Manomboka ety an-tany ny fiainana any an-danitra??, sy ny vavaka ampianarin'ny Tompo hoe "Ho tonga anie ny fanjakanao ety an-tany tahaka ny any an-danitra??" Sa tanisaina tsy am-piheverana izireo? ary ny herin'ny vavaka na dia tsy raisin'izay nizarana voa aza, aiza ho aiza ny heriny? Indrindra ireo vavaka farany napetrak'i Kristy talohan'ny nanombohana Azy ao amin'ny Filazan-tsaran'i Jaona?
9. niryna ( 26/03/2011 04:56)
laloanany:

hono hoa ry Miharena. Mino ve ianao fa misy ny voavonjy ary misy ny very?
izaho koa mba manontany azy an'io fa toa hafahafa be ilay fampizarana an
Raha tsy nisy ny ra latsaka tsy nisy ny famonjena sa ahoana ?

Raha toa mantsy ianao mino fa lasa any andanitra daholo ny olona rehetra izay maty, tsy aleo ve izany mamboatra bomba anakiray lehibe isika dia apoaka ny tany eee? @ zay maty daholo ny olombelona dia lasa any andanitra daholo izy rehetra.
izay koa no noteneniko hoe mila mitandrina isika fa sao manao ny an'ny hafa ho fampianaran-diso ka mizara fampianarana nomen'ny olona

Angaha ianareo izay Kristiana ihany no voavonjy??? ary ny Silamo ahoana, ny Hindoue sns....?
Izay rehetra mino an'ilay nirahina no ho voanvonjy dia i kristy izany,na inona finoany na inona ka lasa nino Azy izy.Raha nomena azy ny Teny kanefa tsy ninoany ,aiza tokoa moa no hisy ny famonjena?

Hoy i Jesoa: Jaona 14:6 "Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako"
io no fototra iray manazava ilay famonjena

Hamaliako ny teninao:
Raha toa ka nitoriana ny Filazantsara ireo Silamo sy Hindoue sns... ireo nefa mbola tsy mety mino an'i Jesoa Kristy fa miziriziry @ heviny ihany dia SAHIKO no milaza eto fa ho "very noho ny tsy finoany" izy ireny.
izany koa no hevitro.Nisy nitranga toa izany izao omaly,nahita intony tract nilaza fa hoe ho avy ny farandro intony izy ( sinoa vavy iray izay) ary dia nisokatra ny varavarana nizarako ny tenin'Atra taminy.

Raha toa kosa ka mbola tsy nitoriana ny Filazantsara izy ireny nefa maty dia TSY SAHIKO no hiteny hoe: very daholo izy ireny.
dia ahoana tokoa moa hoy ny baiboly? ny olona ao ambanin'ny lalana dia tsaraina araka ny lalana( ooops tsy manana accents aho)

Averiko indray: raha lasa any andanitra daholo ary ny olona rehetra araka ny hevitrao, tsy aleo ve zany apoaka ity tany ity dia samy vita eee. @ zay any andanitra daholo isika.
izaho mba gaga tokoa,asa lahy ,fampianarana avy taiza no noratovony ,ha,ha ooops
10. Miharena ( 26/03/2011 06:14)
Niryna sy ny valinteny rehetra nataony, mba hamarino kely hoe avy aiza ny resaka lazaiko na mandray izay lazain'ny Baiboly aho na miteny amin'ny tenako fotsiny ihany. Sa ny fijerintsika no tsy mitovy indrindra eo amin'ny fomba fanazavana ny fitanisana?

Miangavy aho mba horaisina ny FOTOTRA ifampiresahana alohan'ny hitanisaina TENY fa foana ilay Baiboly sy ny HERIN'NY TENY raha io resaka famonjena voafetra io no voizina eto. Indrindra moa fa ny fandraisana an-tendrony ny TENY. Tsarovy fa Andriamanitra no zaraina fa tsy isika sy ny hevitsika. Koa rehefa misy teny iray ambara dia toherina amin'ny teny iray hafa izay ao ihany ve ilay izy? sa mamerina amin'ny lohany sy ny laoniny ny FOTOTRA niaingana?

Endrika fizaràna moa izy ity ka asa na iza no marina na iza? Ilay mivoy famonjena mandrakizay tsy misy fetra hifoha ao anatin"ny olon-drehetra sy ny voary rehetra ve sa ilay mivoy resaka mifidifidy (Samy Baiboly iray anefa no vakiana an!).

Ilay sinoa aza Niryna lasa nihaino ny teninao ka sao dia ampidirinao amin'ny vavahady ety izy toy izay nanana ny fahalalahana araka ny toe-panahin'i Boudha (Izay fantatry ny Baiboly tsara fa VOARIN'ANDRIAMANITRA!

Ka raha miteny isika hoe EMANOELA, dia ferantsika amin'ny RA LATSAKA ve ny FIKASANA efa FAHAGOLA izay efa tanteraka sahady tamin'ny alalan'ny voary maromaro mifandimby raha mbola tsy nisy ny fanorenan'izao tontolo izao?

Raha mahazo io isika dia tsy hiady hevitra intsony hitana sy hamerina ny korontan-tsaina nangonin'ny olombelona taona maromaro nifandimby.

Misy fanazavana maro be miverina amin'ny maha-IRAY izao rehetra izao voatanisa ao anaty Baiboly ka asa na piti-kazo na andry be no manoloana ny masontsika mamaky azy ka mandika TENY ho lasa very anjavony.

Fehiny: manan-tsafidy isika na hikombona na hivelatra amin'ny famakiana ny TENY. Dia afaka manao mari-drefy hoe aiza ho aiza no misy antsika tsirairay avy arakaraka ny fahatsapantsika: manome hery ve Andriamantira amin'ny alalan'ny Teniny sa mampitahotra ???

Ny tsy mampiray ny hevitska amiko dia io farany io: Ianareo misaina fa misy fepetra ny fidirana any an-danitra ary Andriamanitra mihitsy no miteny izany, izaho milaza fa Be famindram-po ny RAY miteny ka mikolokolo ny VOARNY tsy AN-KANAVAKA ka nitenenany hoe : HO AVY NYANDRO TSY HILAZAN"NY RAHALAHY HOE TIAVA AN'I JEHOVAH IANAO FA HOSORATAKO AO AM-PONY NY LALAKO. Ao am-pon'ny tsirairay tsy an-kanavaka na tsy hitory teny intsony aza no dikan'io amiko. Asa na mahazara ilay fandraisako AZY io na ahoana?

sa ferana amin'ny fitanisana tatatatalava ny hoe raha tsy izao dia very? ary kitsimpona tenin'Andriamanitra no hanaovana ilay démonstration??

Ary raha hoy ianao Niryna hoe fampianarana avy aiza, dia hoy aho hoe : toa miteny toy ny fitenin'ny Fariseo izay nanontany an'i Kristy ianao izany Aza manentsin-tadigny ka ho tonga amin'ny fitenin'ny Tompo hoe mana-maso fa tsy mahita, sy ny hoe manan-tsofina fa tsy mandre.

Samy hofohazin'ny Tompo anie ny rehetra ary miala tsiny raha somary mavesatra ny resaka amin'izay mbola manana rindrina tokony horodanina.
11. rijadolly ( 26/03/2011 06:16)
Miharena:

Eo amin'ny paradisa sy resaka fiadanam-po mihitsy angamba no tsy haiko na azonareo na tsy azonareo ka mampametraka ny fanontaniana hoe: "Ahoana ny fandraisanareo ny hiran'i Rija Rasolondraibe hoe : Manomboka ety an-tany ny fiainana any an-danitra??, sy ny vavaka ampianarin'ny Tompo hoe "Ho tonga anie ny fanjakanao ety an-tany tahaka ny any an-danitra??" Sa tanisaina tsy am-piheverana izireo?

Tena marina tokoa ny teninao Miharena fa tokony tsy tanisaina tsy am-piheverana ireny tenin'Andriamanitra ireny. Ny hialana an'izay anefa, sy ny tsy hanamarinan-tena be loatra fa hoe ny ahy no marina dia ny tenin'Andriamanitra ihany. Ahoana ary ny fahazoako io andininy sy ilay hiran' Rija io, Tsy afaka miaina ao anatin'ireo aho raha tsy mandray na mankatoa an'Andriamanitra. Nohon' ny fandraisako AZY ato anatiko dia mahatsapa aho fa efa ao anaty ny Fanjakan'Andriamanitra. Raha tsy mandray anefa aho dia tsy ahatsiaro izany mihitsy fa dia ny fiainana eto an-tany fotsiny no tsapako ary dia mitsara ireo izay mino aho fa revirevy ny azy reo; misavoamboana hoy zoky Fijo sy Ikaretsaka izay.
Inona no azo tsoahina amin'izay teniko izay, izay mifandraika amin'ilay loha hevitra?
Raha tsy mandray an'Kristy isika dia tsy ho tafiditra ao amin'ilay Fanjakan'ANDRIAMANITRA mihitsy izay efa manomboka ety an-tany .
Aiza ilay atao hoe mandray an'Kristy? Mihaiky ny fahotantsika ka manolotra izany ho dioviny ho fotsy mangatsakatsaka mba ho hamariniNY. Izay mitovy ny hoe Mibebaka ihany koa.
Laloanany:

Miharena:

Averiko indray: raha lasa any andanitra daholo ary ny olona rehetra araka ny hevitrao, tsy aleo ve zany apoaka ity tany ity dia samy vita eee. @ zay any andanitra daholo isika.
Dia mamaly ity fihevitrao ity mihitsy ireo voatanisa eo ambony ireo Laloanany. Ka raha Kristiana misaina io fehezanteny io ianao dia miala tsiny aho fa ho farahidiny eo imason'ny Tompo ianao satria izay te-hamonjy ny ainy no hahavery azy fa izay mahafoy ny ainy hamonjy ny sakaizany no hahazo izany.

Misy zavatra mahavariana ahy Miharena ny valim-panotanianao, ary dia gaga aho heo ahoana no tsy mihaiky an'ilay izy mihitsy ianao.
Voalazanao fa tsy tokony hampiasaina fahatany ny tenin'Andriamanitra nefa dia toherinao akitsirano izao, kanefa ianao mihitsy no mampiasa azy an!
Fa angaha moa miharena ho farahidiny eo imason' Tompo indray?
Fa angaha moa Miharena dia misy ho very indray?
12. rijadolly ( 26/03/2011 06:19)

13. niryna ( 26/03/2011 06:20)
Miharena:

Rijadolly sy Laloanany, akapoko ho iray ny famaliana ny fanotanianareo.
Ny nahatongavan'i Kristy dia mazava fa ny hanazava ny fon'ny olona.

Tsy izany indray no fahafantarako azy fa hamonjy ny olona izay rehetra mino Azy fa Mpamonjy izy

Jaona 14:6 "Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, tsy misy mankany amin'ny Ray afa-tsy amin'ny alalako" dia tokony ho azontsika tsara izay ambaraNY fa misy fanampiny manamafy azy:
- Izaho sy ny Ray dia ray ihany;
- Izaho no voaloboka, ianareo no sampany;
- hahavita bebe kokoa no Izaho aza ianareo satria Izaho mankany amin'ny Ray
- ary mifarana amin'ny tenin'i Paoly hoe "Tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona ato anatiko (Ity no tanjona mazava).

ireo ve no dikan'ilay Jaona 14:6?
Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako.

asa aloha fa lasa ankitanisanisa fotsiny izy ity.
Ahoana no hanazavantsika io teny eo ambony io?
Amiko manokana dia hoe tsy misy ary tsy tokony ho hisy mpanelanela antsika sy amin'ny Ray any an-danitra afa-tsy i Kristy irery ihany.
Ny marina no hanafaka antsika ao @ Jaona 8:32
Ny Ray izay niseho avy tamin'ny alalan'ny Zanany- Jaona: 1:14.Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an'ny Lahitokana avy tamin'ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana.
Kol 1:5 noho ny fanantenana izay tehirizina any an-danitra ho anareo, dia ilay[b] efa renareo fahiny tamin'ny tenin'ny fahamarinan'ny filazantsara,

[color=green]Jaona 1:17 Fa ny lalàna dia nomena tamin'ny alalan'i Mosesy; fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy.
II Tes 2:13 Fa izahay tsy maintsy misaotra an'Andriamanitra mandrakariva ny aminareo, ry rahalahy malalan'ny Tompo, satria Andriamanitra efa nifidy anareo hatramin'ny voalohany hahazo famonjena amin'ny fanamasinan'ny Fanahy sy ny finoana ny marina.
Ny Romana dia mampiseho amintsika ny fanovan'ireo olona ny fahamarinana
Romana 1:24-25 Dia nivavaka izy ka nanao hoe: Hianao, Tompo ô, Izay mahalala ny fon'ny olona rehetra, asehoy izay nofidinao amin'izy roa lahy ireto,mba hahazoany anjara amin'izao fanompoana sy ny mah'Apostoly izao, izay nialan'i Jodasy hankanesany any amin'ny fitoerany.

Dia inona no tohiny?
[color=green] II Tes 2 7 Fa miasa sahady ny zava-miafina, dia ny tsi-fankatoavan-dalàna, kanefa mandra-panaisotra ilay misakana ankehitriny ihany [kanefa ao ihany ilay misakana mandra-panaisotra azy.].

8 Ary dia haseho ilay tena mpandika lalàna, izay holevonin'i Jesosy Tompo amin'ny fofonain'ny vavany ary hofoanany amin'ny fisehoan'ny fihaviany;
ny fihavin'ilehiny dia araka ny fiàsan'i Satana amin'ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga rehetra

10 ary ny famitahana momba ny tsi-fahamarinana amin'izay ho very, satria tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy izy.

11 Koa izany no ampanateran'Andriamanitra fiàsan'ny fahadisoan-kevitra aminy hinoany ny lainga,

12 mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina.

14. laloanany ( 26/03/2011 06:53)
niryna:

fampianarana avy taiza no noratovony

Tsy fantatro na nisy nampianatra io zavatra nolazain'i Miharena io na taiza no nahafantaran'i Miharena io fomba fampianarana io fa raha ny fijeriko dia manaraka ilay fampianarana antsoina hoe "Universialisma" ianao. I Adams Streeter no namorona azy tany @ taona 1770 tany ho any.
Ny Universialisma dia mino ny antsoina hoe "Universal reconcillation" izay midika hoe: hiverina any amin'ny Tompo daholo ny olona rehetra rehefa vita ny ataony eto antany, ny fanasaziana ireo mpanao ny ratsy dia misy saingy tsy haharitra mandrakizay. Lava be ity resaka ity raha tanisaina eto avy ny fampianaran'ny Universialista fa aoka isika izay liana hitady ao @ google ny hoe "Christian Universialism" dia ho hitantsika ao daholo ny antsipirihany.

Nefa aoka i Miharena raha manome hevitra mba hanaporofo ny hevitrao aratSoratra Masina (soraty ihany koa ny andininTsoratra Masina sns) mba ahafahana mandray ny hevitrao. Izaho koa dia manome "challenge" anao hoe: raha mahota andinitSoratra Masina milaza mazava tsara manaporofo fa makany andanitra daholo ny olona rehetra ianao na dia iray aza dia resy lahatra amin'ny fampianaranao aho fa raha izaho aloha dia tsy mahita ee.
15. Miharena ( 26/03/2011 07:33)
Laloanany, tsy namaky ny hevitr'i Adams Streeter aho ary na namaky izany aza aho dia mazava fa hanamarina tokoa ny fisainany satria izay mihitsy no fandraisako ny Tenin'Andriamanitra rehetra ao anaty Baiboly. Satria miainga amin'ny FIKASANA aho ary mijery ny tsy manam-petra hahazava ny olon-drehetra izay mbola miaina ao anaty haizina.

Niryna an! Tena mahafinaritra ireo tanisa miloko tsara ireo fa mba resaho tsara angamba hoe inona no tsoa-kevitra?

Fahazavana no voizina sy zaraina ho an'ny olon-drehetra hoy aho ary mazava be ireo teny miloko maitso lazainao. Ka efa hita fa efitra mampisaraka antsika amin'Andriamanitra ilay fisainana ny herin'i Satana, fa amiko ny fametrahana ny herin'Andriamanitra ao anatintsika no vontoatin"ny fampianarana rehetra. Ka raha milaza IZY hoe:

II Tes 2 7 Fa miasa sahady ny zava-miafina, dia ny tsi-fankatoavan-dalàna, kanefa mandra-panaisotra ilay misakana ankehitriny ihany [kanefa ao ihany ilay misakana mandra-panaisotra azy.].

8 Ary dia haseho ilay tena mpandika lalàna, izay holevonin'i Jesosy Tompo amin'ny fofonain'ny vavany ary hofoanany amin'ny fisehoan'ny fihaviany;
ny fihavin'ilehiny dia araka ny fiàsan'i Satana amin'ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga rehetra

10 ary ny famitahana momba ny tsi-fahamarinana amin'izay ho very, satria tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy izy.

11 Koa izany no ampanateran'Andriamanitra fiàsan'ny fahadisoan-kevitra aminy hinoany ny lainga,

12 mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina.

TENY roa no mihatra eo dia ny maizina sy ny mazava, ka ho levona ny maizina ary hanjaka ny mazava, dia ny FOTOTR'AINA MARINA VOASEDRAN'NY HAIZINA NOLALOVANY.
Ilay fanamelohana no fomba fijery ivelany araka ny fijeriko io teny io fa amiko dia fahafoanana foto-pisainana ilay izy fa tsy fahaverezan'ny FOFONAINA. Ka asa raha mahazava ny fomba fijeriko izay na ahoana? Efa norodanina manko izay manakona ahy amin'ny fomba fijeriko ary hita miharihary ny atao hoe mikombona sy ny hoe maizina ka efa lasa tanteraka tsy manan-danja ao anaty intsony izay manam-petra ary ankehitriny no iainana izany fa tsy mbola ho avy.

Asa na afaka mandray izay fomba fisainako izay ianareo rehefa mamaky Baiboly na ahoana?

Dia miverina amin'ny FOTOTRA IRAY daholo ny zava-drehetra, izay endrika ao anatin'ny BOKY VAOVAON'NY FILAZAN-TSARA MANDRAKIZAY izay voalaza ao anaty Baiboly (midika hoe tsy io Baiboly io intsony ilay izy: jereo Apokalypsy momba izay Filazan-tsara mandrakizay izay notanan'ilay Anjely voambara ao izay). Saro-devonina ny resako angamba ka mampahatsiahy ny boky nohanin'i Jaona mamy toy ny tantely nefa nangidy tao an-kibony???

Ilay kibo dia haizina ary ilay tantely dia FITIAVANA MANDRAKIZAY ka asa na voafetra na tsia ity farany ity raha tadiavina holevonin'ny fisainana voafetra?

16. rijadolly ( 26/03/2011 10:34)
Azon'Miharena hiverenana jerena ve ity nosoratoko eo ambony ity "rijadolly - 26/03/2011 07:19" fa mbola tsy voavaly.
17. Miharena ( 26/03/2011 13:34)
Rijadolly:

Misy zavatra mahavariana ahy Miharena ny valim-panotanianao, ary dia gaga aho heo ahoana no tsy mihaiky an'ilay izy mihitsy ianao.
Voalazanao fa tsy tokony hampiasaina fahatany ny tenin'Andriamanitra nefa dia toherinao akitsirano izao, kanefa ianao mihitsy no mampiasa azy an!
Fa angaha moa miharena ho farahidiny eo imason' Tompo indray?
Fa angaha moa Miharena dia misy ho very indray?

Ilay fomba fijery no tsy mitovy ny antsika Rijadolly satria ny ahy dia eo amin'ny hoe tsy misy very na dia iray aza, na voalohany io na farany fa diso fiheverana izay mihevitra fa hanam-be eo anatrehan'ny Tompo noho ny asa izay nataony teto an-tany, na hihevitra fa hoe ranona tsy izy fa izaho no izy (fahadisoam-pijerin'ny olona no mahatonga ny ohatra natao hoe hisy very sy ho avotra fa tsy fijerin'Andriamanitra be fitiavana).
Zanaka adala sy ny zanany teo aminy ohatra, nitaraina ilay iray tsy notsenaina tamim-pifaliam-be fa tsy nidika izany fa hilaza ny rainy hoe tsy zanako ianao fa mitaraina fa ny toe-tsainao fotsiny no tsy afa-po noho ny nataon-drainao tamin'ilay maditra (anao io toe-tsaina io fa tsy an'Andriamanitra).

Ka ilay hoe farahidina lazaiko dia io fakana sitraka io nefa tsy nahazo izay nantenainy araka ny fiheverany manokana ny atao hoe famonjena. rehefa mamonjy ny olon-drehetra Andriamanitra dia enga anie izy hanome tsiny an'Andriamanitra.

Asa na azonao ilay resaka na tsia. Ilay egalité eo anatrehan'Andriamanitra no tiana ampitaina amin'ny resaka rehetra izay nifanaovantsika hatrizay Rijadolly. Ka asa na azonao na tsia ny dikan'ny fametrahana hevitra mifanohitra lazaina lalandava ao anaty Baiboly. Raha tsy izay manko dia tsy hivoaka mihitsy ny teny hoe "Ny voalohany no ho farany ary ny farany no ho voalohany". Ka Izy ve hanary ny voalohany raha hovonjeny ny farany? IZY rahateo no fanorenana izao tontolo izao ka hanary ny FOTONY ve IZY na dia nanao fitsondran-tena ratsy na nandà Azy hatramin'ny farany aza io sombinainy io? Sombn'Ainy foana io Rija. Isika olombelona aza mahafantatra izany koa mainka fa IZY Tompo.

Hamaranana azy, rehefa rodana ny mpampisaraka dia na tsy hibebaka mandrakizay aza ny olona dia tsy hanan-tsafidy intsony izy fa miharihary ny firaisana amin'Andriamanitra Mpamorona azy rehetra satria tsy ny foto-pisainany diso no inona fa ny AIN'NY TOMPO ao aminy. Mila mahay manavaka ny SAINA sy ny FANAHY isika amin'izay rehefa mijery olona iray ary mila mihevitra mandrakariva ny TENY hoe "ho avy ny andro tsy hilazan'ny rahalahy amin'ny rahalahiny hoe mahalalà an'i Jehovah ianao fa hosorataKO ao am-pony ny lalàko. Rehefa raikitra ao am-po io tsy mila manadihady ny fahaverezana sy ny famonjena intsony isika.
Anio mandrakizay io hevitr'Andriamanitra io fa eo amin'ny olombelona voafetran'ny fotoana no misy izany hoe farany izany.
18. rijadolly ( 26/03/2011 16:53)
Miharena:

Dia mamaly ity fihevitrao ity mihitsy ireo voatanisa eo ambony ireo Laloanany. Ka raha Kristiana misaina io fehezanteny io ianao dia miala tsiny aho fa ho farahidiny eo imason'ny Tompo ianao satria izay te-hamonjy ny ainy no hahavery azy fa izay mahafoy ny ainy hamonjy ny sakaizany no hahazo izany.

rijadolly:

Fa angaha moa miharena ho farahidiny eo imason' Tompo indray?
Fa angaha moa Miharena dia misy ho very indray?

Miharena:

Ilay fomba fijery no tsy mitovy ny antsika Rijadolly satria ny ahy dia eo amin'ny hoe tsy misy very na dia iray aza, na voalohany io na farany fa diso fiheverana izay mihevitra fa hanam-be eo anatrehan'ny Tompo noho ny asa izay nataony teto an-tany, na hihevitra fa hoe ranona tsy izy fa izaho no izy

Ny hevitry Miharena eto dia mifanohitra ny fijeriko azy, somary vakio tsara ny samy maintso sy ny samy manga. Iza amin'ireo no tena hevitry miharena ?
19. rijadolly ( 26/03/2011 17:09)
Miharena:

Ka ilay hoe farahidina lazaiko dia io fakana sitraka io nefa tsy nahazo izay nantenainy araka ny fiheverany manokana ny atao hoe famonjena. rehefa mamonjy ny olon-drehetra Andriamanitra dia enga anie izy hanome tsiny an'Andriamanitra.

Fa angaha moa Miharena ilaina indray ilay valiny eto an-tany? Moa tsy mitovy hevitra isika fa fantiatoka izany? Koa nahoana i se no miteny an'i Laloanany ho farahidiny indray. Izy izany ambaran'se ho farahidiny eto fa ise izay tsy nanana ilay hevitra no mahazo tombony indray eto an-tany? Raha jerena anefa io lazainy io dia mifanohitra tanteraka izay tiany ho lazaina mba hanazavany an' se fa tsy samy voavonjy avokoa ny olona rehetra.
laloanany:

Averiko indray: raha lasa any andanitra daholo ary ny olona rehetra araka ny hevitrao, tsy aleo ve zany apoaka ity tany ity dia samy vita eee. @ zay any andanitra daholo isika.
20. rijadolly ( 26/03/2011 18:11)
"Ny voalohany no ho farany ary ny farany no ho voalohany"
MATIO 19 : 16-30 ka hatramin' MATIO 20 :1-16
Ny fahazoako ilay "contexte" dia misy olona roa mifanina ao ohatra, ka ilay tonga voalohany izay tokony ahazo ilay amboara indray no lasa farany satria tsy nahafeno fepetra ilaina.Ary ilay farany no lasa voalohany noho izy nahafeno fepetra ilaina( tsy nahitana hosoka,..).(ohatry ny rally io).
Any amin'ny andininy 27-29 toko faha 19 any dia mazava ny tenin'Jesoa ho an'izay voalohany nefa nahafeno fepetra, dia ny fandovany ny Fiainana mandrakizay(toko 19:29). Izay manamarina ihany koa ilay voalazany fa tsy ny rehetra akory no voalohany ho lasa farany, na ny farany ho lasa voalohany fa hoe " ho maro " ihany. (toko 19 :30)
Mety ilaza i Miharena fa samy handova avokoa ny rehetra, nefa, mazava ny eto fa ny farany amin'fifaninana dia tsy handray velively ilay amboara.
Inona ary izany ilay ahazoana voalohany? Tsy inona fa ny fananao ilay fepetra rehetra ilaina, ka mahatonga ireo izay vao manantateraka ilay fepetra na dia eo am-pialan'ainany aza hanana ilay Fanatenana fa tsy maintsy ho voalohany.
Aiza ny hifandraisan'ilay Lohahevitsika amin'izay voalaza izay? Tsy izay mifaninana rehetra no ahazo amboara, tsy izay tonga voalohany rehetra manao Tompoko,Tompoko no ahazo amboara, tsy voatery tsy ahazo amboara izay nahatanteraka farany ilay fepetra ilaina.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0513