IREO FAHAMARINANA tsy mety raisin'ny Kristiana fa hiadiany hevitra mandrakariva

21. Miharena ( 26/03/2011 18:34)

Hoy laloanany
Averiko indray: raha lasa any andanitra daholo ary ny olona rehetra araka ny hevitrao, tsy aleo ve zany apoaka ity tany ity dia samy vita eee. @ zay any andanitra daholo isika.



Ilay fomba fijery amin'ny hahazoana paradisa mihitsy no mahalasa fisainana eto amin'ity matoa aho nametraka ilay resaka farahidiny, satria tsy fomba fisainana ara-dalàna ilay izy hanome vokatra tsara loatra fa hevitra bontolo.


hoy izaho:

Ka ilay hoe farahidina lazaiko dia io fakana sitraka io nefa tsy nahazo izay nantenainy araka ny fiheverany manokana ny atao hoe famonjena. Rehefa mamonjy ny olon-drehetra Andriamanitra dia enga anie izy TSY hanome tsiny an'Andriamanitra.

[/quote

(Miala tsiny fa nisy diso, adino ilay TSY amin'io fehezanteny io).

ilay farahidina koa aloha dia midika hoe manalavitra ny marina.
[quote=Rijadolly mamaly io resaka ambony io]
Fa angaha moa Miharena ilaina indray ilay valiny eto an-tany? Moa tsy mitovy hevitra isika fa fantiatoka izany? Koa nahoana i se no miteny an'i Laloanany ho farahidiny indray. Izy izany ambaran'se ho farahidiny eto fa ise izay tsy nanana ilay hevitra no mahazo tombony indray eto an-tany? Raha jerena anefa io lazainy io dia mifanohitra tanteraka izay tiany ho lazaina mba hanazavany an' se fa tsy samy voavonjy avokoa ny olona rehetra.



Tsy mazava ny fanontanianao satria tsy nisy nilaza resaka valiny eto an-tany eo amin'io fehezan-teny io fa ny zava-misy aorian'izao fiainana eto izao aza.

Rijadolly:

Miharena
Ilay fomba fijery no tsy mitovy ny antsika Rijadolly satria ny ahy dia eo amin'ny hoe tsy misy very na dia iray aza, na voalohany io na farany fa diso fiheverana izay mihevitra fa hanam-be eo anatrehan'ny Tompo noho ny asa izay nataony teto an-tany, na hihevitra fa hoe ranona tsy izy fa izaho no izy

Ny hevitry Miharena eto dia mifanohitra ny fijeriko azy, somary vakio tsara ny samy maintso sy ny samy manga. Iza amin'ireo no tena hevitry miharena ?


Vakio tsara ny fanamarihanao Rijadolly fa tsy mitombina. Ny fametrahako ilay hevitra efa novoiziko hatrany hoe voavonjy daholo ny olon-drehetra no lazain'io fehezan-teny io fa tsy mifanohitra. Hevi-diso hoy aho ilay faharoa lazainao fa manao hevitra mitan-droa aho.


22. rijadolly ( 26/03/2011 18:44)
Miharena:

Tsy mazava ny fanontanianao satria tsy nisy nilaza resaka valiny eto an-tany eo amin'io fehezan-teny io fa ny zava-misy aorian'izao fiainana eto izao aza.

Tsy azoko mihitsy ny tian'se tenenina, Fa angaha misy farahidiny indray koa any aorian'izao fihainana izao e? Tsy i se ihany ve no milaza fa samy ho voavonjy daholo ny olona rehetra, koa ahoana no ilazain' se fa ho farahidiny i Laloanany AORIAN'IZAO FIAINANA IZAO raha io heviny lazain'se fa botolo io. Nefa anie Miharena tsy io ny heviny e! fa entiny hanazava an'se fotsiny io fa tsy ho voavonjy izany ny olon-drehetra raha tsy mahafeno fepetra.
23. rijadolly ( 26/03/2011 18:51)

rijadolly:

Miharena:

Dia mamaly ity fihevitrao ity mihitsy ireo voatanisa eo ambony ireo Laloanany. Ka raha Kristiana misaina io fehezanteny io ianao dia miala tsiny aho fa ho farahidiny eo imason'ny Tompo ianao satria izay te-hamonjy ny ainy no hahavery azy fa izay mahafoy ny ainy hamonjy ny sakaizany no hahazo izany.

rijadolly:

Fa angaha moa miharena ho farahidiny eo imason' Tompo indray?
Fa angaha moa Miharena dia misy ho very indray?

Miharena:

Ilay fomba fijery no tsy mitovy ny antsika Rijadolly satria ny ahy dia eo amin'ny hoe tsy misy very na dia iray aza, na voalohany io na farany fa diso fiheverana izay mihevitra fa hanam-be eo anatrehan'ny Tompo noho ny asa izay nataony teto an-tany, na hihevitra fa hoe ranona tsy izy fa izaho no izy

Ny hevitry Miharena eto dia mifanohitra ny fijeriko azy, somary vakio tsara ny samy maintso sy ny samy manga. Iza amin'ireo no tena hevitry miharena ?


Io naveriko io ilay izy Miharena, Ny samy maintso no mifanohitra eto raha ny hevitro, sy ny samy manga.
24. Miharena ( 27/03/2011 17:45)
Miala tsiny Rijadolly raha toa ka somary nikorontana ny fanehoana hevitra eo ambony momba ilay teny hoe farahidiny. Ny manantena tombony mihoatra amin'ny hafa amin'ny fiainana aorian'ny fahafatesana no tiana hambara eto satria mitovy daholo ny fanahy rehetra rehefa miverina amin'Andriamanitra. Ilay mampanantena zavatra tsy hitranga akory izay nandanian'ny olona ny androny teto an-tany dia fanantenana tombon-tsoa mihoam-pampana noho ny hafa aorian'ny fandaozna ny nofo no tiana lazaina ka asa na mahavaly azy izay Rijadolly.

Ny momba io resaka lazainao mifanohitra io dia lazaiko hatrany fa ny voalohany milaza fa tsy misy very na iray aza ny fanahin'ny olona no hevitro. Fitsaran'olombelona daholo no fahitako ny fanavakavahana hilazana fa very izay manota na tsy mibebaka.

Andriamanitra no namorona ary Izy no hitrotro ny olona noforoniNY rehetra tsy ankanavaka na ratsy io na tsara.
Izany no antony "amiko" nametrahana fifampiresahana mitohy eo amin'Andriamanitra sy ny olombelona amin'ny alalan'ny iraka marobe izay mety vonoin'ny olona satria tsy azony izay ambarany.
25. rijadolly ( 27/03/2011 18:53)
Miharena:

Miala tsiny Rijadolly raha toa ka somary nikorontana ny fanehoana hevitra eo ambony momba ilay teny hoe farahidiny. Ny manantena tombony mihoatra amin'ny hafa amin'ny fiainana aorian'ny fahafatesana no tiana hambara eto satria mitovy daholo ny fanahy rehetra rehefa miverina amin'Andriamanitra.

Miharena a! Itan'se, tsy diso ilay fanehon-kevitry se mikasika ilay farahidiny, fa noho ilay hevitra izay masaka ao an-dohan' se no manakorotana ilay izy, satria forcen'se hanaraka ilay hevitry se ilay teny ao anaty Baiboly. Harao tsara anie ny fomba nandreseko lahatra an'se hatramin'izay e! raha vao maka référence ao anaty Baiboly se dia iny ihany no ampiasaiko matetika handresen-dahatran'se ary dia ataoko gras matetika ilay manohitra ilay hevitry se.
Eto izao dia mazava tsara izay tetika nentiko izay, hanika lasa ilay teny tao amin'Baiboly indray no lazain'se fa nampikorotana ny fanehon-kevitr' se satria nandiso ilay hevitra nentin'se.Nefa dia i se ihany no naka ilay référence an!

An' Andriamanitra ny Fahamarinana Miharena.Nisy hevitra tsara izay azoko raisina tamin'ny hevitry se, Fisaorana no omeko an' se nanaiky ho fitaovana hanitsiaNY ahy mba tsy handehanako any amin'ny lalan-diso.
26. rijadolly ( 27/03/2011 20:57)
Miharena/ Efa ahy daholo ireo:

Fomba fiasan'i Satana no lazaiko fa tsy fomba fisainan'i Satana. Ilay mitaredretra no tiana ambara. Raha mamboly fisainana manome vahana fitanisana asa maizina hatrany isika dia mazava fa hitsilopilopy hatrany ary ho lavo mihitsy no hiafarana satria tsy ny fomban'Andriamanitra sy ny Fitiavany no lasa mibahana fa lasa ilay asa ratsy indray.

Miharena:

Dia mamaly ity fihevitrao ity mihitsy ireo voatanisa eo ambony ireo Laloanany. Ka raha Kristiana misaina io fehezanteny io ianao dia miala tsiny aho fa ho farahidiny eo imason'ny Tompo ianao satria izay te-hamonjy ny ainy no hahavery azy fa izay mahafoy ny ainy hamonjy ny sakaizany no hahazo izany.

Miharena - 14/03/2011 16:08/ FA INONA MARINA MOA NY ATAO HOE FAMONJENA?:

ka raha mamaly Kristy ny hoe handondona ny fontsika dia ny hiditra ao anatintsika izany no heviNY. Tsy mitombina intsony ny fanontaniana rehefa nampidirina ao am-po Kristy satria Andriamanitra Velona ao anatintsika IZY.

Miharena - 19/03/2011 18:20 / FA INONA MARINA MOA NY ATAO HOE FAMONJENA?:

Raha toa ka mandaitra hatrany ny tenin'i Kristy tamin'ilay niara-nifantsika tamiNY hoe anio no hihaonanao amiko any amparadisa dia amin'izao fotoana izao dia izany indrindra ny sitrapoNY ho an'ny olona rehetra tsy ankanavaka satria tsy tonga hiantso ny marina Aho hoy Izy fa ny mpanota mba hibebaka.

Miharena - 26/03/2011 06:16 /FA INONA MARINA MOA NY ATAO HOE FAMONJENA?:

Tsaratsara kokoa anefa ny mifoha dieny izao ao amin'ny nofo izao mba ho moramora kokoa ny fiainana ara-panahy.

Miharena - 14/03/2011 15:50/ Hanomboka tsy ho ela @ izay ve i 2012?:

RAHA miaiky isika fa IZY no Mandrakizay dia mazava fa ananantsika koa izany toetra izany ka ny resaka farany dia tsy mitombna velively eo amin'ny famoronana.

Miharena - 20/03/2011 05:27 / Hanomboka tsy ho ela @ izay ve i 2012? :

ka rehefa mampandroso AZY ao am-po na manana fahadiovam-po dia hiseho ho azy ny VoninahiNY

Miharena - 21/03/2011 06:24/ Hanomboka tsy ho ela @ izay ve i 2012? :

Koa mila mahatsiaro tena fa IZY no miaina anatintsika sy ampiasaintsika noho ny fahamoram-poNY izay manatanteraka ny sitrapontsika rehetra tsy an-kanavaka.

Miharena - 21/03/2011 06:31/ Efa ahy daholo ireo:

Rijadolly, rehefa fantatrao fa tsara avokoa ny zava-drehetra ary natao hahasoa izay tia an'Andriamanitra dia tsy mandaitra aminao intsony ny "ratsy"

Miharena - 19/03/2011 13:49/ Efa ahy daholo ireo:

Mila fiovan'ny saina sy fanavaozana ny fanahy isika amiko fa tsy hitaredretra amin'ny fomba fiasan'i Satana mba tsy hahazoany vahana eo amintsika intsony.
27. Miharena ( 28/03/2011 05:19)
Raha misaotra ahy ianao Rijadolly dia misaotra tena ihany. Ary izay rehetra voambara aoka hampitombo izay mamaky.
Ny resaka fandio iray siny tsy mahaleo fandoto iray tandroka no mamehy ny fanambarana rehetra azoko avy ao anaty Baiboly, ka ny famahanana hevitra tsy mitombina no noezahana hesorina, indrindra fa ny mikasika ny FOTOTRA niaingan'Andriamanitra namorona sy mbola mitantana ary mbola hitantana mandrakizay izao tontolo izao.
Rehefa voatana tanteraka izay fijery malalaka izay dia fo mazava no iainana amin'ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka ary fantatra soa aman-tsara ny foto-pisainana isan-tokony ka afaka handrava ny rindrina norafetin'ny fahadisoan-kevitra nangoniny avy ny olona tsirairay. Fahatsiarovan-tena ahafahana manatanteraka ny vavaka hoe "Mba ho iray ihany anie izy rehetra".

28. laloanany ( 28/03/2011 07:26)
O ry Miharena aaa.
Averiko indray eee: Raha dia mahita andinitSoratra Masina na dia iray ao amin'ny Baiboly ianao manaporofo mazava tsara fa hovonjena daholo ny olona rehetra dia miaiky anao aho.
Omeo ahy ilay izy. Raha toa moa ka tsy mahita ianao dia tsy afaka ny hiady hevitra aminao aho satria izaho mino ny antsoina hoe: "Sola Scriptura" (Izay midika hoe @ Soratra Masina irery ihany).

Ary le izy koa anie voalaza mazava tsara fa i Kristy no lalana sy fiainana ary fahamarinana, TSY MISY MANKANY AMIN'NY RAY RAHA TSY AMIN'NY ALALANY. Tsy fantatro ny fandraisanao ny dikan'ny teny hoe "lalana": izay tsy manaraka lalana dia tsy tonga @ toerana tiany andehanana sa tsy izany? Eny sa Tsia? (Mba valio raha azo atao)

Manaraka izany, raha tsy tokony holazain'ny Kristianina hoy ianao ny hoe "very" ity, nahoana anefa ny Soratra Masina milaza io eee. Mba omeo ahy ny hevitrao mikasika ireto Soratra Masina ireto:

Matio 5:29 Fa raha ny masonao ankavanana no manafintohina anao, dia esory hiala izy, ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na dia very aza ny iray momba ny tenanao; ka tsy ny tenanao rehetra no hariana any amin'ny helo

Matio 10:28 Ary aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin'ny helo. (Sa ve tokony hofafana ao @ Baiboly io sa tokony hovana hoe "izay mahay mandio anao any @ helo")

Matio 16:25 Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia hahazo izany. (Inona ny dikan'ny hoe "hahavery" ny ainy aminao?)

Matio 16:26 Fa inona moa no soa ho azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy? Ary inona no homen'ny olona ho takalon'ny ainy?

Romana 2:12 Fa izay manota tsy nanana ny lalàna dia ho very tsy manana ny lalàna; fa izay nanota nanana ny lalàna kosa dia hotsaraina araka ny lalàna. (Io koa angamba tsy tokona lazain'i Paoly hoe very sy tsy very fa tokony halalaka fisainana i Paoly hoy ianao ka tsy tokony hilaza an'io eee.) Anontaniako anao: Tokony hampiasa ny teny hoe "very" ve i Paoly sa tsia?

IIKorintiana 2:15 Fa hanitr'i Kristy ho an'Andriamanitra izahay amin'izay hovonjena sy izay ho very (io moa dia mazava tsara fa nolazain'i Paoly ny hoe "HOVONJENA" sy "VERY". Sa ve tokony hoe "hovonjena" fotsiny no lazainy fa tsy tokony hiteny ny teny hoe "very" izy?)

IIKorintiana 4:3 Fa raha miafina ny filazantsaranay, dia miafina amin'izay ho very izany (Jereo ny fampianarana momba ny TULIP mikasika an'io)

IITesaloniana 2:10 ary ny famitahana momba ny tsi-fahamarinana amin'izay ho very, satria tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy izy. (iza ilay antsoin'i Paoly hoe "izay very" hoy ianao?

Jakoba 4:12 Iray ihany no Mpanome lalàna sy Mpitsara dia Ilay mahavonjy sy mahavery; fa iza moa hianao, no mitsara ny namanao? (mahavonjy sy maha ionona???)

Mbola andinitSoratra Masina marobe milaza mazava tsara fa misy ny very ary misy ny voavonjy.
Tsy ampy anohanana ny hevitrao ry Miharena ny filazana fotsiny hoe "mila malalaka fisainana isika" sns satria amiko dia "malalaka fisainana" tsara i Paoly nilaza fa misy ny very ary misy ny vonjena. Raha toa ka milaza zavatra ianao dia TOHANO ARATSORATRA MASINA + ASEHOY NY ANDININY fa aza lazalazaina fotsiny @ zao.

Torohevitra omeko anao:
Vakio @ fo tsy miangatra ny Testamenta Vaovao iray manontolo.

Mamaky sy mandinika Baiboly aloha no atao voalohany ary avy eo dia manintona fampianarana avy amin'ny Baiboly FA TSY HOE: mamorona fampianarana vaovao aloha dia avy eo terena ny Baiboly mba hanohana ilay fampianarana.
29. Miharena ( 28/03/2011 09:46)
Laloanany, miala tsiny raha tsy afaka loatra ny hanome hevitra lavabe aloha izao fa ny hany tazoniko fotsiny amin'ny Tenin'Andriamanitra dia ny FOTOTRA ihany alohan'ny hijereko ny antsipirihany fananarana ireo izay tsy mahalala fa IRAY IZY ary faniriaNY sy DRAFITRA apetraNY ny fampahalalàna mitohy (tsy voafetran'ny Baiboly satria misy ny boky aorian'ny Baiboly milaza ny TENA FIAINANA na FILAZAN-TSARA MANDRAKIZAY izay manamarina AZY TANTERAKA ka homeNY ny voariNY manontolo na ny efa maty na ny ankehitriny, na ratsy na tsara). Izay mahatsiaro tena dia hahita izay mandringa amin'ny Baiboly dia ny fanafoanana AINA na SOMBINAIN'ANDRIAMANITRA manao ny ratsy (araka ny fiheverantsika azy) nefa IZY MPAMINDRA FO MANDRAKIZAY no HITROTRO na ratsy na tsara ny fampiasan'ny olona iray ny AINA NOMENA azy avy.
30. bor2lais ( 29/03/2011 13:00)
laloanany:

Mamaky sy mandinika Baiboly aloha no atao voalohany ary avy eo dia manintona fampianarana avy amin'ny Baiboly FA TSY HOE: mamorona fampianarana vaovao aloha dia avy eo terena ny Baiboly mba hanohana ilay fampianarana.

Izaho koa aloha efa nahatsikaritra an'io rehefa mifanakalo amin'i Miharena !

Ny "filozofia" tohanan'i Miharena (raha tsy diso ny tadidiko, satria efa nifanakalo lava dia lava ihany momba izany) dia ny hoe :
- manana ny Fanahy Masin' Andriamanitra daholo ny zava-boahary rehetra ka izay no tsy ahavery azy mihitsy !
- ary "héréditaire" hono izy io (vao teraka ny zaza dia efa ao aminy io satria nolovainy tamin'ny RAD)

Averiko eto ireo sao dia maha haingana ny fandrosoan'ny dinika !
31. Miharena ( 29/03/2011 15:38)
Misaotra an'i Bor2lais tia hampandroso ny dinika. Ny tiana marihina dia ny famakiana Baiboly dia efa ela no nanaovana izany. Misy fahamarinana tsy azo lavina ao ary misy koa anefa tsy tafitan'ny olona ny manazava azy tsara ka manjary misy ireo antokom-pinoana marobe mifanipaka sy manenjika ny namany hafa mihitsy aza.
Ny mahatonga ity farany anefa dia io resaka fihevitra voafetra eo amin'ny olombelona izay mivoy fampianarana araka ny heviny avy io.
Ny ahy dia manambara ny FOTOTRA iaingana hatrany fa tsy mijery ireo pitsopitsony izay tsy mahasoa akory ny mivoy azy. Toy izany ohatra ny resaka momba ny fahaverezana (mitarika tahotra eo amin'izay toriana ny teny ka manjary manome vesatra any aminy ka toy ny tsy mizara teny fiainana indray ilay mitory fa vao mainka aza manome vesatra ka tsy manjarizary ireo olona izay nahazo io fomba fitoriana io satria toa miendrika fanerena an-kolaka ilay mizara zavatra misy tambiny).

Tsy filozofia loatra no tiana hampitaina eto fa mametraka tsara ny fomba fisainana tokony ho ara-dalàna eo amin'ny fandinihina sy fizaràna.
Ohatra, raha amin'ny voalohany isika manana fampianarana fa Andriamanitra no manao izao tontolo izao ary IZY no mitrotro izany ary miteraka famaritana iray izany hoe Be Fitiavana IZY dia misy ny manolaka any AMINY indray ny famonoana olona marobe (Sodoma sy Gomora ohatra). Misy tantara indraindray izay manafoana hatrany ilay ANdriamanitra be famindram-po sy be fitiavana ao amin'ny tantara tany aloha. Marina fa narenina izany amin'ny fisian'ireo mpaminany marobe nifamdimby izay nanaporofo fa raha manalavitra ny RAY dia tsy dia manjarizary ny fiainana ary ny fampianarana farany tao amin'ny testamenta vaovao aza dia ny fahatongavan'Andriamanitra ho nofo, izany hoe manakaiky ny olona, ary IZY aza dia nampianatra mihitsy hoe ny raKO no fisotro ary ny nofoKO no fihinana. Izany hoe tena iray AMINY no tanjony tamin'io fampianarana io. Ny fivoizana izany dia matetika mampihemotra ny hafa satria mety ho very angamba hoy izy ny maha-izy azy raha toa ka hidiran-kery hafa toa an'i Kristy.
Raha fehezina ny zava-drehetra dia misy tantara nahalavo ny olona tokoa ka tsy ahatsiarovany fa FOTOTRA IRAY no nipoiran'izy rehetra, ka izany no mampiady azy. Raha mandinika fotsiny anefa isika dia iray ihany ny nipoiran'ny aina rehetra eto ambonin'ny tany ary heverina fa Iray koa no nipoiran'izany eran'ny erana rehetra misy. Io no tsy levon'ny vavonin'ny mpampisaraka sy ny mpizahozaho na mpialona koa (fialonana an'i Kristy ohatra). Ka io toetra io indray ve no tokony haverina hitaizana ny olona, izany hoe hanavakavaka hoe very izay tsy....???? Fitiavana misy tamibiny ihany izany ka tsy manome ny famaritana ny TOMPO izay zaraina.
Ilay manome antoka mihitsy no tsy vitan'ny mpizara raha mbola misy ny mahateny fa misy kilema ny fampianarany, na mahavery mihitsy aza (ilay very eto dia ilay hoe "tsy ahazoana izay lohany sy vodiny izay lazaina sy ampianarina", na koa hoe "tsy ahazoana aina izay fampianarana ampitaina"). Toy ny mitoritory foana ihany eto ny olona mampianatra ary misy mihitsy aza ny milaza hoe mpampiesona fotsiny.

Io no antony hanaovana ny dinika. raha mijery tsara isika dia misy hatrany ny mitana ilay fanavakavahana nefa efa maro be ireo ohatra nataon'i Kristy momba ireo vehivavy janga, samaritana, sy ny sisa .. Ilay manome fitiavana tsy misy fetra mihitsy no manjary tsy ataon'ny olona satria mampiteraka fanavakafahana eo amin'ireo mpianatra kristiana izay marivo salosana mihitsy aza anie ilay zavatra voizina e!

Ka asa re ilay izy na ahoana ihany na ahoana fa mihodinkodina izy ity rehefa tsy mahay mitana FOTOTRA mijoro tsara sy mandrakizay ary iainana izay dieny izao anio izao fa tsy miandry rahampitso ary tsy mametrala fikasana akory aza amin'ny momba izany zavatra voambara izany.






32. rijadolly ( 29/03/2011 17:19)
Izay mitory an'Jesoa Kristy (ny Filazan-tsarany) ka mitarika ny tsy mahalala ho ao anaty vala iray tsy am-pitiavana dia mpandainga izy izay, ary mpiatsaravelatsia.
Tsy any anefa ny olana Miharena satria am-pitiavana tanteraka matoa mitory noho ilay lalana vaovao dia ny mba hifankatiavantsika eny fa na dia ny fahavalontsika aza Mba hananany ilay Fanantenana fa mbola voavonjy izy RAHA manaiky ny fahotany ho diovina mangatsakatsaka amin'ilay RAn' Zanak'ondryn' Andriamanitra. APOKALYPSY 7 :14 Fa hoy izaho taminy: Tompoko, hianao no mahalala. Dia hoy izy tamiko: Ireo no avy tamin'ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin'ny ran'ny Zanak'ondry.15 Ary noho izany dia mitoetra eo anoloan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra izy ka manompo Azy andro aman-alina eo amin'ny tempoly; ary Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana dia hamelatra ny tranolainy handrakotra azy.16 Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo; ary tsy haninona azy ny masoandro na izay hafanana akory.17 Fa ny Zanak'ondry Izay eo afovoan'ny seza fiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin'ny loharanon'ny ranon'aina; ary hofafan'Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin'ny masony.

Ny olana amiko dia ny mpitory mpamitaka; mpamitaka hoy aho satria manao izay hamandrihana, eny fa na dia ny mino aza ho ao anaty valan'ilay ratsy. Misy io Miharena a! Ohatry ny toa marina izany ilay teneniny, eny hatramin'ilay lalana vaovao aza tononiny entiny hamitahana ireo izay mahalala. Ity aza ilay toko sy andininy Miharena, tsy tiako ny hanome azy ity nefa voatery aho Miharena hanome azy noho ilay FITIAVANA. Olona manana safidy isika, olona afaka isika, olona mandinika isika, ka aoka hisaintsaina eo hanatrehan' Andriamanitra mamaky azy, ary dia ity ihany koa ny hamaranako ny fandraisako anjara amin'ty dinika iray ity. Misaotra antsika rehetra izay nandray anjara aho, ary an'Andriamanitra sy Jesoa Kristy ny Voninahitra rehetra, ny Fanahy Masina anie hanazava antsika tsirairay ny TeniNY.

KOTITIANINA VOALOHANY 6: 9 Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra? Aza mety hofitahina hianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin'olona sy ny sodomita10 sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra.

33. Miharena ( 30/03/2011 03:20)
Misaotra an'i Rijadolly amin'ny fanehoan-kevitra.
Ny fametrahana ilay olana lazainao hoe ny mpitory mpamitaka (izany hoe manipulateur no fandraisako izany satria mpitory mitady ny ho azy no manao izany) no ho singaniko kely. Amiko, tsy ireo loatra aza no olana fa ny fahatsiarovan-tenan'ny olona tsirairay amin'ny fahaizana manavaka ny fahalalàna marina sy ny fahalalàna miharoharo fitaka.
Io fahaiza-manavaka io dia mila fahazavam-po lehibe ary mila fijerena ifotony ny tena foto-pahalalàna fa raha tsy izay dia lasa mpitanisa toko sy andininy fotsiny isika mianakavy.
Raha mamaky Baiboly aho matetika dia tsy ny teny voambara no raisiko ao fa ny toe-panahin'ny mpanambara ny teny sy ny sehatra itenenany ary indrindra ny AINA tiana ampitaina amin'ny TENY. Toy izany koa rehefa mihaino izay mitory na ireo hafa mizara ny fahendreny (tsy voatery ho kristiana io an!).
Ny tombony amin'ny Kristiana dia ny fampahalalàna ny zava-miafina dia ny FIAINANA MANDRAKIZAY ka ny fahaizana mampita izany amin'ny teny mazava tsy misy olakolaka ary miainga amin'ny zava-misy no mandresy lahatra kokoa indrindra ho an'ny olona tsy mamaky Baiboly.

Ny zavatra tsinjo matetika dia rehefa tena anontaniana ny momba ny Tompo ny olona iray dia mitady toko sy andininy izy ary rehefa asaina manazava dia tsy maharesy lahatra. Mbola mila fahamasahana lehibe izy alohan'ny handreseny lahatra ka izany indrindra no tiana apetraka eo amin'ireo izay mpitory izay tia mampiasa ny TENY tsy ho eo amin'ny tokony hampiasana azy.

Maro ny fahendrena mifanindran-dalana amin'ny Tenin'Andriamanitra ary ireo mpivoy fahendrena dia mahay tsara ny fitanisana ny ohabolana isan-karazany amin'ny fandaharana ataony. Koa toy izany koa isika Kristiana. Ny mametraka vato manafintohina na mitsindroka teny manafintohina no mahatonga ny olona tsy ho resy lahatra amin'ny fanehoan-kevitry ny milaza ho kristiana matetika.

Amiko izany dia mbola tsy miaina ao aminy Kristy izay manambara hoe MIHAVANA amin'ny OLONA REHETRA, TIAVA NY FAHAVALO (na hoe izay manohitra anao aza, satria voary mitovy no nanaovana azy rehetra alohan'ny nananany ny toe-tsainy avy izay mihaona amintsika ankehitriny). Io fahendrena fototra io no tsy hay ny mizara azy mahatonga ny adihevitra etsy sy eroa.
Indrindra moa ka ilay resaka fampidirana ny hoe Kristy no mahavonjy (=manafaka amin'ny geja) nefa avy eo ilazana ilay olona fa raha tsy manao toy izatsy na izaroa ianao dia tsy mandaitra io fanafahana zaraina io. Ary mahavatra mamboly conditions maromaro ireo olona mizara amin'izany an! Eto ilay izy angamba no azo lazaina fa fampianarana miharoharo fisainan'olombelona ka mamery ny FOTOTRA IAINGANA.

Fitiavana fanokafana masom-panahy ihany no hanaovana resaka eto ary tsy itadiavana voninahitra izany fa an-kitsim-po. Ary aleo mizara tsy misy fetra toy izay mizara misy fepetra.

Samy hazava ao amin'ny TOMPO isika mianakavy.
34. rijadolly ( 30/03/2011 11:04)
Tsy nahatsindry ny tena miharena ary dia nandaha ny tena indray noho ilay Fitiavana
Miharena:

Indrindra moa ka ilay resaka fampidirana ny hoe Kristy no mahavonjy (=manafaka amin'ny geja) nefa avy eo ilazana ilay olona fa raha tsy manao toy izatsy na izaroa ianao dia tsy mandaitra io fanafahana zaraina io.

Mbola ireo izay noteneninao hatrizay ireo ihany no omeko anao fa dia manohitra ilay zavatra torianao tokoa ka mba hazavao àry. Izany hoe izay nataoko GRAS dia ny hevitrao ireo ihany no manohitra ilay zavatra torianao
Misy karazany roa izy ireo dia ny hoe " mitaky fepetra ny famonjena, ary tsy ho voavonjy daholo ny olon-drehetra rahatsy voadio ny helony "



Miharena/ Efa ahy daholo ireo:

Fomba fiasan'i Satana no lazaiko fa tsy fomba fisainan'i Satana. Ilay mitaredretra no tiana ambara. Raha mamboly fisainana manome vahana fitanisana asa maizina hatrany isika dia mazava fa hitsilopilopy hatrany ary ho lavo mihitsy no hiafarana satria tsy ny fomban'Andriamanitra sy ny Fitiavany no lasa mibahana fa lasa ilay asa ratsy indray.

Miharena:

Dia mamaly ity fihevitrao ity mihitsy ireo voatanisa eo ambony ireo Laloanany. Ka raha Kristiana misaina io fehezanteny io ianao dia miala tsiny aho fa ho farahidiny eo imason'ny Tompo ianao satria izay te-hamonjy ny ainy no hahavery azy fa izay mahafoy ny ainy hamonjy ny sakaizany no hahazo izany.

Miharena - 14/03/2011 16:08/ FA INONA MARINA MOA NY ATAO HOE FAMONJENA?:

ka raha mamaly Kristy ny hoe handondona ny fontsika dia ny hiditra ao anatintsika izany no heviNY. Tsy mitombina intsony ny fanontaniana rehefa nampidirina ao am-po Kristy satria Andriamanitra Velona ao anatintsika IZY.

Miharena - 19/03/2011 18:20 / FA INONA MARINA MOA NY ATAO HOE FAMONJENA?:

Raha toa ka mandaitra hatrany ny tenin'i Kristy tamin'ilay niara-nifantsika tamiNY hoe anio no hihaonanao amiko any amparadisa dia amin'izao fotoana izao dia izany indrindra ny sitrapoNY ho an'ny olona rehetra tsy ankanavaka satria tsy tonga hiantso ny marina Aho hoy Izy fa ny mpanota mba hibebaka.

Miharena - 26/03/2011 06:16 /FA INONA MARINA MOA NY ATAO HOE FAMONJENA?:

Tsaratsara kokoa anefa ny mifoha dieny izao ao amin'ny nofo izao mba ho moramora kokoa ny fiainana ara-panahy.

Miharena - 14/03/2011 15:50/ Hanomboka tsy ho ela @ izay ve i 2012?:

RAHA miaiky isika fa IZY no Mandrakizay dia mazava fa ananantsika koa izany toetra izany ka ny resaka farany dia tsy mitombna velively eo amin'ny famoronana.

Miharena - 20/03/2011 05:27 / Hanomboka tsy ho ela @ izay ve i 2012? :

ka rehefa mampandroso AZY ao am-po na manana fahadiovam-po dia hiseho ho azy ny VoninahiNY

Miharena - 21/03/2011 06:24/ Hanomboka tsy ho ela @ izay ve i 2012? :

Koa mila mahatsiaro tena fa IZY no miaina anatintsika sy ampiasaintsika noho ny fahamoram-poNY izay manatanteraka ny sitrapontsika rehetra tsy an-kanavaka.

Miharena - 21/03/2011 06:31/ Efa ahy daholo ireo:

Rijadolly, rehefa fantatrao fa tsara avokoa ny zava-drehetra ary natao hahasoa izay tia an'Andriamanitra dia tsy mandaitra aminao intsony ny "ratsy"

Miharena - 19/03/2011 13:49/ Efa ahy daholo ireo:

Mila fiovan'ny saina sy fanavaozana ny fanahy isika amiko fa tsy hitaredretra amin'ny fomba fiasan'i Satana mba tsy hahazoany vahana eo amintsika intsony.


35. Miharena ( 30/03/2011 15:38)
Rijadolly, misaotra amin'ny fandinihana lalina izay nosoratana ary mazava tokoa fa azonao tsara izay vontoatin'ny zavatra nambara rehetra ary olona mpandalina tokoa ianao. Mila fanazavana ny fanohanan-kevitro moa ianao ary mahatsapa hatrany fa mifanipaka ny fanazavana fa misy fepetra ireo resaka nataoko rehetra momba ny famonjena ary laviko hatrany izany.

Ilay seha-pijerena mihitsy no tsy azonao angamba, dia ny maha-LEHIBE sy MALALAKA kokoa ny fomba fizaràna ny TENY indrindra ny momba ny FAHAMORAM-PO izay ho an'ny olon-drehetra. Izany no mahatonga ny adi-hevitra TULIP atsy ambadika miseho satria fisainana voafetra no ezahana tazonina ao. Ny TSY MANAM-PETRA fa MANDRAKIZAY no Toriana amin'ny olona ary izy io dia ny fahafantarana ny MPAMORONA sy ny FAMPAHAFANTARANY NY TENANY izay ho an'ny olona TSY AN-KANAVAKA araka ny fahendreny sy ny kolon-tsainy avy ary ny sehatra misy azy (ao anaty nofo izay mihelina ankehitriny ary miverina ho fanahy maharitra izay IZY MITROTRO ihany no mamaritra izay hanaovaNY izany (fitsaràna hoy isika nefa fitaizana izany amiko ary hamarinin'ny teny mikasika ny tanimanga). Ka na endrika toy inona, na endrika toy inona no misy ny olona amin'ny fotoana handaozany ny nofony dia manana anjara izy eo amin'ny famoronana izao rehetra izao. Tsy i Jodasy Iskariota akory no te-hanao hoe ataovy mpamadika anao aho Andriamanitra. Tsy i Paoly koa angamba no naniry tao am-pony hoe "henjehiko ianao Jesosy fa tsy manana ny tena fampianarana marina momba an'i Jehovah izay efa ny razam-be fahiny no nampianatra izany". Raha mbola tohizana dia tsy i Hitler angamba no naniry hanjakazaka eran'izao tontolo izao fa ny herin'i Satana. Ilay voary amin'ny maha-tsara azy tanteraka no nahaterahan'ireo rehetra ireo ary samy nandray anjara tamin'ny fiainana teto an-tany daholo na ratsy na tsara no nataony (mpivaro-tena, mpamory hetra, mpijangajanga...) Zava-misy izany rehetra izany fa rehefa jerena amin'ny fahamoram-po dia afaka (Ahoana hoy Jesoa momba ilay saika notoraham-bato? Izaho koa tsy manameloka anao).

Izay sehatra ambadika tanteraka izay angamba no toa tsinontsinoavina matoa isika mivoy ny fitsarana ho toy ny fitsaran'ny olombelona (izay manameloka izay heveriny ho ratsy) nefa isika aza mahafantatra fa tsy fidiny anie ny nahatonga azy ireo tamin'ny toerana nisy azy fa nisy ireo facteurs rehetra nitondra izany fiainana teto ambonin'ny tany izany. Ka asa na mahazava izany na tsia.

Ilay fanomezana teny HOMEN-DANJA ao anaty Baiboly no tsy mampitovy antsika fa ny TENY DIA AO AVOKOA ary MIASA HAHASOA izany amin'ny FIKASAN'ANDRIAMANITRA MANONTOLO DIA NY FITROTROANY MANDRAKIZAY IZAY VOARY REHETRA IZAY. Efa nisy angamba aza nilazako teto fa i SATANA aza dia hodiovina satria anisan'ny VOARY. ka ireo fomba ratsy nafanfny no ho foana fa tsy izy velively amin'ny fiainam-baovao.

Dia lazainao fa mamorona indray izao aho amin'ireo rehetra ireo Rijadolly o! raha diso ireo fijerika rehetra ireo dia mba manontany aho hoe "nahoana no fatotra fotsiny mandritra ny arivo taona no hatao amin'i Satana ao amin'ny Apokalypsy fa tsy tonga dia vonoina any izy (endrika barbariana be ny famonoana azy afaka arivo taona an! hataon'Andriamanitra ve izany??)? ary asa inona no hatao amin'izany arivo taona hamatorana azy izany? Aoka mba tsy hotsinontsinoavinao Rijadolly io fanontaniana io fa io no fanantenako amin'ny atao hoe FAHAMORAM-PO TSY MISY FEPETRA ho an'ny OLON-DREHETRA TSY AN-KANAVAKA izay HANDOVA FAHADIOVANA satria tsy hisy intsony ny toetra ratsy afafy ary TSY ANDRIAMNITRA VELIVELY no hanome OHATRA RATSY momba izany (sadisma hoy isika).
Izay lasa dia tsy fidiny azy izany (Tsy manameloka anao AHO hoy Kristy) ary izay ho avy dia io no fanantenany.

Ilay Baibly angamba mila vakiana tsara sy apetraka tsara ny FOTONY fa tsy vakiana dia rehefa mitsimpona teny iray mahakivy dia tsy hitady hoe inona tokoa ny antony, satria voantsongo ihany ny fo rehefa mahita olona mitompo teny fantatra hoe misy conditions foana ny famonjena fa tsy misy lalan-kafa mihitsy ao anaty Baiboly ao, izay asa ataon'Andriamanitra mangina ho ao am-pon'ny olona tsirairay.

Farany, ireto tsimpona ireto no diniho tsara dia mamehy izay lazain'ny Baiboly momba ny zava-miafina tsy haseho ny olona tsy manokatra masom-panahy amin'izao fotoana maha-nofo azy izao fa rehefa any ankoatra hisokatra daholo ihany satria tsy hisy afa-tsy masom-panahy ny any.

Eksodosy 34:1 ARY hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Manamboara ho anao vato fisaka roa tahaka ilay teo, dia hosoratako amin'ireo vato fisaka ireo ny teny izay tamin'ilay vato fisaka teo, izay novakivakinao; (= Mitrotro Andriamanitra na diso aza ianao Mosesy);

Deoteronomia 10:2 dia hosoratako amin'ny vato fisaka ilay teny teo amin'ny vato fisaka nomontsamontsaninao, ka hataonao ao anatin'ny fiara ireny. (= toy ny teo aloha);

Jeremia 31:33 Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'Isiraely. Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko Sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko. (=izy rehetra tsy an-kanavaka na efa maty na mbola velona ankehitriny)

Zakaria 3:9 Fa, indro, ny vato izay napetrako teo anoloan'i Josoa, ny vato iray dia banjinin'ny maso fito*; indro, hosoratako ny sorany, hoy Jehovah Tompon'ny maro, ary hesoriko indray andro monja ny helok'ity tany ity. [Heb. amin'ny vato iray misy maso fito] (= izay heloka lasa rehetra tsy hotsaroina intsony ary efa mihatra ankehitriny fa tsy andrasana rahampitso rehefa miteny io Andriamanitra tsy voafetran'ny fotoana);

Hebreo 8:10 Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'Isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, sady hosoratako ao am-pony, ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko; (= ny tsirairay no hahatsapa io fa tsy voatery hiteny amin'ny Jiosy ankehitriny isika hoe tiava an'i Jehovah na i Kristy dia tsy hanatanteraka io Andriamanitra)

Hebreo 10:16 "Izao no fanekena hataoko aminy, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Hataoko ao am-pony ny lalàko, sady hosoratako ao an-tsainy," (= mira amin'ny teo aloha)

ITesaloniana 4:9 Fa ny amin'ny fifankatiavan'ny mpirahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo, satria ny tenanareo dia ampianarin'Andriamanitra hifankatia.

ITesaloniana 5:1 Fa ny amin'ny andro sy ny fotoana ry rahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo (=tonga amintsika olon-drehetra ankehitriny ny TENY fa tsy ho an'ny Jiosy fotsiny ihany)

Izay zava-miafaina izay no aoka hitsirian'ny fanantenana dia mba samy mametraka am-bavaka ao amin'ny "Rainay Izay any an-danitra" ho an'ny tsy Kristiana isika.

Ireo fahamarinana tsy raisin'ny Mpino Kristiana moa ny resaka dia ny fahamarinana tsy manary ny fahavalo na ny tsy mitovy amin'ny tena ka asa na mahafehy izany izay voambara rehetra tamin'ny dinika na tsia?

Dia misaotra anareo rehetra nandray anjara. Ny hevitra azo ariana hoy ny fiteny fa ny TENANAREO hotahirizin'Andriamanitra Mandrakizay.
36. rijadolly ( 30/03/2011 22:44)

Eksodosy 34:1 ARY hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Manamboara ho anao vato fisaka roa tahaka ilay teo, dia hosoratako amin'ireo vato fisaka ireo ny teny izay tamin'ilay vato fisaka teo, izay novakivakinao; (= Mitrotro Andriamanitra na diso aza ianao Mosesy);
Deoteronomia 10:2 dia hosoratako amin'ny vato fisaka ilay teny teo amin'ny vato fisaka nomontsamontsaninao, ka hataonao ao anatin'ny fiara ireny. (= toy ny teo aloha);

Novakian'Mosesy angaha ilay vato dia avy eo niakohoka teo amin'ilay omby volamena koa izy? Tsia ny valiny; Noho ny fahatsapany fa resin'ny hatezerana izy dia nanaiky an'Adriamanitra hanangana indray ilay Fanekena. Izay no tadiavin'Andriamanitra amin' olon-drehetra dia ny fieken-keloka izay. Tsy misy tsy diso, izay mandia ny tany, fa izay mivarilavo no adala indrindra hoy isika Gasy izay.

Zakaria 3:9 Fa, indro, ny vato izay napetrako teo anoloan'i Josoa, ny vato iray dia banjinin'ny maso fito*; indro, hosoratako ny sorany, hoy Jehovah Tompon'ny maro, ary hesoriko indray andro monja ny helok'ity tany ity.

Vakio tsara ny "ZAKARIA". Miharena aza mitsipona fa manimba zavatra. Izay mety amin'ilay hevitrao ihany no adikanao. Araho tsara ny fandehan'ilay faminaniana izay nahatonga an'Andriamanitra hanavao indray ilay Fifanekena. Inona no nasain' ZAKARIA nataon'ny taranaka taty aoriana? Dia izay no nahatonga ilay Famindram-po indray. fa ny razana teo aloha dia vakio ny andininy faha 4;5;6
Jeremia 31:33 Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'Isiraely. Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko Sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko. (=izy rehetra tsy an-kanavaka na efa maty na mbola velona ankehitriny)

Toy izay koa Miharena ny ao amin' JEREMIA a! Nafahana avokoa indray ny heloka rehetra satria niverina nitodika, izay midika Famindram-po vaovao indray.
Izay ny fanirian'Andriamanitra; dia ny tsy handikatsika ny lalànaNy, fa raha mbola misoratra ao am-ponao ilay lalàna dia manana hery hanohitra ianao , fa raha nandika ilay lalàna aho dia nofafako tato anatiko ilay lalàna mba ahafahako manao izay tiako, ka tsy ho ao anaty valan'Andriamanitra aho.

Hebreo 8:10 Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'Isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, sady hosoratako ao am-pony, ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko; (= ny tsirairay no hahatsapa io fa tsy voatery hiteny amin'ny Jiosy ankehitriny isika hoe tiava an'i Jehovah na i Kristy dia tsy hanatanteraka io Andriamanitra)

Vakio tsara ny andininy faha 9 alohan'io 10 io. 9 Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin'ny razany tamin'ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta; fa izy ireny tsy nitoetra tamin'ny fanekeko, Ary izaho kosa dia tsy nitandrina azy, hoy Jehovah.
Dia vakio tsara koa fanampin'izay ilay teny mirirana eo amin' voalohan'ilay toko faha 8: "Fampitahana ny fanompoam-pivavahana tao amin'tabernakely araka ny lalan'Mosesy sy ny any an-danitra". Izany hoe rehefa any an-danitra ho an'ireo olona izay notandremaNY no ahazo ilay Fanekena Vaovao izay lalàna voasoratra ao am-pon'izireo sy ao an-tsainy.
Eto indray miharena vakio tsara ilay teny mirirana eo amin' voalohany amin' TESALONIANA I

ITesaloniana 4:9 Fa ny amin'ny fifankatiavan'ny mpirahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo, satria ny tenanareo dia ampianarin'Andriamanitra hifankatia.

Rehefa mihano AZY sy mino AZY, izay ilay ao amin'TOMPO.Izany hoe ho an'izay nandray ny Filazantsara sy ny nandroso tamin'ny Finoana sy Fitiavana.

ITesaloniana 5:1 Fa ny amin'ny andro sy ny fotoana ry rahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo (=tonga amintsika olon-drehetra ankehitriny ny TENY fa tsy ho an'ny Jiosy fotsiny ihany)

Dia haveriko indray miharena hoe vakio indray ilay teny mirirana eo ambonin'ilay toko 5. ary dia tohizo vakiana ny andininy faha 2, dia hazava an'se tqara ilay tiany hambara fa tsy io "(=tonga amintsika olon-drehetra ankehitriny ny TENY fa tsy ho an'ny Jiosy fotsiny ihany)" io no eo.

Izay zava-miafaina izay no aoka hitsirian'ny fanantenana dia mba samy mametraka am-bavaka ao amin'ny "Rainay Izay any an-danitra" ho an'ny tsy Kristiana isika.

Inona aloha ilay zava-miafina sao dia tsy mitovy ka lasa manaonao foana hiara-hivavaka amin'izany.

Ireo fahamarinana tsy raisin'ny Mpino Kristiana moa ny resaka dia ny fahamarinana tsy manary ny fahavalo na ny tsy mitovy amin'ny tena

Tsy nisy niteny teto Miharena na iray aza hoe hanary ny Fahavalo fa hoe tiana ny fahavalo matoa toriana ilay Famonjena sy ny Filazantsaran' Kristy.
37. Miharena ( 31/03/2011 05:28)
Izy ity moa Rijadolly toy ny manao fandraribola isika sy ianao fa fitiavana daholo no hifanakalozana eto ary hevitra miposaka ireo no sady mivoatra araka ny fomba fampiasana azy amin'ny toerany avy sy ny toerana asiana ny maso amin'ny hitsiny avy. Ianao dia hajaiko amin'ny maha-zanak'Andriamanitra anao ary mahafantatra tsara ny Sitrapon'Andriamanitra ao anaty Soratra Masina. Fa indraindray tsy hitanao ny fomba fijeriko izay ataoko fa fijerin'ny zanak'Andriamanitra anankiray kely sy bitika ihany koa ao anaty Soratra Masina.
Raha raisina amin'ny ankapobeny ny fanamarihana nataonao dia manaiky tokoa aho ny amin'ireo teny rehetra izay voambaranao fa ny TENY MAHERY MIASA SY MANOME AINA ny ahy no singaniko matoa misy ireo fanamarihina natao isan'andininy ireo.

Ankoatr'izay, dia misy fomba fijery ara-tantara izay itompoan'i Rijadolly fantatra dia ny fivadibadihan'Andriamanitra Mpamorona izao Rehetra izao (enga anie ho diso ny fitsarako azy eto Rijadolly!). Hoe Manary IZY ary manavotra indray rehefa mitodika ny olona. Raha manao jery ivelany isika ankehitriny, maro ireo mety ho tsapantsika fa tsy manaraka ny didin'Andriamanitra ary efa ela ihany izany, nefa isika kristiana izay mametraka AZY ho Be famindram-po indray ve no tsy hahatsapa ny asaNY sy ny TENA FIKASANY ary mametraka hatrany ny FANANTENANA ny HAHATANTERAHANY IZANY?

Raisintsika ary ilay teny voalazanao matavy etsy ambony hoe fa izy ireny tsy nitoetra tamin'ny fanekeko, Ary izaho kosa dia tsy nitandrina azy, hoy Jehovah.
: io teny io dia manambara mazava fa nalefan'i Jehovah nandeha samy amin'ny lalany avy ny olona fa tsy nitandrina azy IZY. Efa lasa izany ary tsy manambara fa ariaNY ny fanahin'ireo efa lasa ireo amin'ny ankehitriny sy ny ho avy. Ary iarahantsika mahalala fa hatramin'izao dia mamela malalaka ny sitrapon'ny olona Andriamanitra fa tsy manery velively. Saingy tsy maintsy misy ny fanehoaNY ny fahavelomaNY ho an'ny VOARY rehetra.

Ho famonjena ho an'ny olona rehetra no ataoNY na ny efa lasa nodimandry aza satria tsy tiaNY ny hampalahelo ny zanany rehetra tsy an-kanavaka. Ohatra, ianao ve tia ny Dadaben'ny Dadabenao nipoiranao masoandro nefa izy io dia tsy nody mandry tao anaty fahadiovana araka ny fiheverantsika azy ankehitriny dia hilazan'Andriamanitra ianao hoe efa very iny anaka fa aza mieritreritra ny momba azy intsony ianao fa efa novonoiko ny fanahin'iny tsy ho azy intsony na ny pire kokoa aza hoe efa any amin'ny afo maharitra mandrakizay ny fanahi'iny anaka fa adinoy!!!!

Endrika tsotra ihany ilay ohatra fa ny fanadiovana no tiana hotsindriana eo amin'ny voary izay TENAN'ANDRIAMANITRA tsy an-kanavaka na nivly lalana araka ny nataony avy na nahitsy araka ny fitrotroana azy, ary ny FANITSIANA dia mitoetra mandrakizay sy misandrahaka ho an'ny rehetra fa tsy misy fetra ary ho an'ny fanahy rehetra velona satria tsy misy maty izay noforonin'Andriamanitra. Ohatra fampihiratana ny masom-panahy i Kristy sy ny fikasàna momba AZY ary ny FIKASANA dia efa hatry ny fahagola ka mandrakizay. Isika no voafetra ny fotoana fa ny faharetan'Andriamanitra efa hatramin'ny NISIANY ka asa raha manana fikasana handoro ampahan'ny FOFONAINY ho any amin'ny afo maharitra mandrakizay IZY na tsia. Ity farany moa dia afo maharita mandrakizay nefa Andriamanitra mahita ny zava-drehetra. Efa tena tsy misy FO mihitsy angamba izay mahatanty izany an!!! sa ahoana hoy ianao Rijadolly?

Miala tsiny aloha raha tsy te-hivalampatra amin'ny fanontaniana madinidinika mety mamery izay apetrakao aho fa ianao ihany no mahatsapa hoe pitsony tsy tokony hofohazina akory ny valin'ireo fanontaniana sasany.

Ilay Rainay any an-danitra no andeha angamba voaboasana ahafahana mametraka tsara ny fitombonan'ny TENA FIKASANA fa tsy ho very amin'ny adi-hevitra tsy mahafaoka be isika. Tsy hoe manamarina ny Kristiana ihany aho raha mamosaka hevitra fa ho an'ny olon-drehetra tsy an-kanavaka na iza izy na iza. Resaka tsy misy fefy izy ity manko fa tonga dia miantefa amin'ny fon'ny tsirairay, ary hevitra tsakotsakoina dia levonin'ny vavonim-panahy tsirairay avy.

Rainay izay any an-danitra : Antso ho an'ny LOHARANO NIPOIRAN'IZAO REHETRA IZAO
Hohamasinina anie ny Anaranao: fanampiana HERY ho AZY avy amin'ny voariny tsirairay manao ny vavaka mba hitobaka ny fahasoavaNY hampahazava ny rehetra. Toy ny basy mamahan-tena isika rehefa manao io vavaka io.
Ho tonga anie ny Fanjakanao: Fikasana mitoetra mandrakizay fa IZY BE FITIAVANA no MANJAKA
Atao anie ny Sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra: FAMPIRAISANA ny tany sy ny lanitra hahatanteraka ny fahendrena ho voasoratra ao am-pon'ny tsirairay ka iainany tokoa dieny ankehitriny ao amin'ny nofo
Omeo anay anio ny hanina sahaza anay: Sakafom-panahy omen'ny Tompo izay miresaka AMINY mba hitomboan'ny fahamasahany ara-panahy
Mamelà ny helokay: Tsy ho an'ny tena ihany ny fanadiovana fa ho an'ny tsy an-kanavaka, indraindray manko ny olona rehefa miteny io dia ireo mpivory ihany no ao an-dohany na ny tenany ihany mihitsy aza, fa ny ahy dia ny olon-drehetra eran-tany sy ny efa nodimandry.
Tahaka ny hamelanay izay meloka taminay: avela ny helok'izay meloka na i Satana aza dia ho tanteraka ny FIKASANA TENA IZY any an-danitra sy ety an-tany hoe "Tiava ny fahavalonao". Mangataka ny hanadiovana tanteraka ny zava-drehetra na famerenana amin'ny laoniny ny zava-drehetra nikorontana noho ny fikomian'ny anankiray. Heverina toy ny tena ilay nanao fahadisoana ka mila diovina hahitsy sy hamiratra.
Ary aza mitondra anay amin'ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin'ny ratsy: fitohizan'ny fangatahana fanadiovana amin'ny andro mahaosa ny fo.

Asa isanandro hatao io vavaka io ary heverina fa efa tanteraka sahady sady manome fahamaivanana tanteraka ka mampisokatra ny fo amam-panahy ho amin'ny olona rehetra izay hajaina sy kasaina hamiratra toy ny Tavan'ny Tompo.

Eto am-pamaranana Rijadolly dia mahafinaritra ahy ity reflexe nanananao tamin'ity teny ity:

Citation
Ireo fahamarinana tsy raisin'ny Mpino Kristiana moa ny resaka dia ny fahamarinana tsy manary ny fahavalo na ny tsy mitovy amin'ny tena

Tsy nisy niteny teto Miharena na iray aza hoe hanary ny Fahavalo fa hoe tiana ny fahavalo matoa toriana ilay Famonjena sy ny Filazantsaran' Kristy.



Dia mazotoa mizara araka ny tokony hahafantaran'ny olona izay hizarana fa indraindray ilay izy manidy varavarana na miteny amin'ny fiteny tsy hay takarina. Toy ny miresaka amin'ny olona efa misy fahazavana ao anaty hatrany ny ahy no fijeriko ny olona rehetra fa ny fifohazan'io Fahazavana io no mety manana fikombonana sy tsy voasava tsara ka arakarak'izay no hanomezana izay anjara tandrify azy avy. Ary rehefa tsy hay anarina dia ivavahana mba Andriamanitra RAY no hanatanteraka ny asa ho azy.

Izay sy izay aloha no azo tenenina ary mamerina fisaorana ho anao Rijadolly fa tena manome aingam-panahy be dia be ny firesadresahana toy izao. Indrindra ho anay madinika e!

Samy hotahian'ny Tompo.









38. christian777 ( 04/04/2011 13:53)
Samy teha hiteny ny azy daholo

Tsy mazava

Angahaa tsy hay atao foy ilay izay dia mahavaly tsara ny fanontaniana

Bosculade

Tandremo fa raha tsy mihara mikatsaka ny fahamarinana anie dia miara very e!

Mazotoa mivavaka

tianareo Jesosy
39. Miharena ( 04/04/2011 14:08)
Misaotra an'i Christian777 amin'ny fanamarihina.

Bousculade hoy ianao ilay resaka natao ary amin'ny farany moa ianao milaza fa tia antsika Jesosy ka misaotra anao fa io ihany no resaka rehetra natao teo aloha rehetra teo kah!

Fa na izany na tsy izany raha tsy mamaky azy rehetra ianao dia tsy hahita hoe hatraiza no efa fantatra sy hain'ny olona tanana eo amin'ny finoana ary inona marina no marina?
40. christian777 ( 04/04/2011 14:15)
lazao ary hoe finoana kristianina iza no marina eto madagasikara?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0862