Misy zanak'Atra hafa ve any lavitra any?

1. RAR.DAGO ( 16/11/2010 07:35)
- Tsy misy tsy mahafantatra fa ny tany miaraka @ planeta 7 hafa (tsy azo atao hoe planeta intsony hono i Pluton zao) dia miodina manodidina ny masoandro.

- Ny masoandro indray dia kintana iray ao anatin'ny 200 lavitrisa izay ao antin'ny Voie Lactée. (50.000 années lumières (AL) de diamètre)

- ary ny voie lactée indray dia galaxie iray ao anatin'ny 40 izay fantatra @ 'ny anarana hoe Groupe Local izay manana sakana 5.000.000 AL. eo ho eo ary manana kintana eo @ 700 lavitrisa eo ho eo.

- Ary izao tontolo izao hita maso (l'Univers) dia manana sakana eo amin'ny 14 lavitrisa AL eo ho eo ary misy kintana hita maso eo @ 30 lavitrisa trillion eo izany hoe 30 milliards de milliards de milliards na 30.10^27 ! ;)

Atra daholo ve no nanao ireo? Koa maninona no eto an-tany ihany no misy zanany laha-tokana sa misy hafa any ralahan'i Jezo?
répondu par niryna le 12/12/2010 03:13
2. rijadolly ( 17/11/2010 03:15)
Izany hoe tsy Zanak' Andriamanitra izany aminao Jesoa Kristy?
3. RAR.DAGO ( 17/11/2010 07:24)
rijadolly:

Izany hoe tsy Zanak' Andriamanitra izany aminao Jesoa Kristy?


Hoy aho hoe : Atra daholo ve no nanao ireo? Koa maninona no eto an-tany ihany no misy zanany laha-tokana sa misy hafa any ralahan'i Jezo?

Eto aho dia tsy milaza iza lazainao izay mihitsy raha tsy diso aho
4. rijadolly ( 17/11/2010 08:52)
raha hazoko tsara aloha, ny antony ny fisian' Jesoa Kristy dia noho ny olom-belona ihany, izay ny mission- ny. Izany hoe : na aiza na aiza misy olombelona dia manana adidy hanavotra izay manaiky havotana Izy. Dia izay no nahatonga ahy hoe: tsy mino izany ianao hoe Zanak'Andriamanitra Jesoa Kristy" satria tsy mba nanavotra kisoa na omby izy araka ny hevitrao?


Atra daholo ve no nanao ireo?

Eny izao rehetra izao dia Izy avokoa no nahary azy.
ohatra iray tsotsotra: tamin' voalohany ny olombelona dia tsy nahafantatra hoe misy kankana any amban' tany. Nangady dia nahita fa misy kankana tao. Tokony hipetra ve ny fanotaniana hoe: Iza no nanao ny kankana?
5. RAR.DAGO ( 17/11/2010 10:13)
rijadolly:

raha hazoko tsara aloha, ny antony ny fisian' Jesoa Kristy dia noho ny olom-belona ihany, izay ny mission- ny. Izany hoe : na aiza na aiza misy olombelona dia manana adidy hanavotra izay manaiky havotana Izy. ... Eny izao rehetra izao dia Izy avokoa no nahary azy.....

Raha ny isan'ny kintana mitovy @ masoandro eran'izao tontolo izao (~10^27) dia ataoko angamba fa statistiquement azo lazaina fa mety misy planeta hafa misy zava-manan'aina noho ny olombelona any ankoatra any.

Raha misy izany hoy ianao dia Atra no nanao azy.

Mety tsy hitovy @ isika olombeona nefa izy fa mety ho toy ny kankana, na kisoa na ragidro, fa mety hanantsaina lavitra no hisika koa.

Dia ahoana izany ny mikasika ny fanavotana azy ireo?
6. RAR.DAGO ( 17/11/2010 12:11)
Raha mikasika ny hoe Jesosy= zanak'Atra dia izao indray kosa no hevitro :
1. Raha ilay olombelona voalaza ao antin'ny testamenta vaovao no resahintsika dia azo lazaina fa olon-kendry izy ary manana hevitra "humaniste" tena ankafiziko. Izay no antony hanajako azy sy hieverako fa tsara ny fampianarany.
2. Olombelona kristianina t@ taona 325 tao @ Concile de Nicée voalohany no nanapaka fa i Jesosy dia zanak'Atra no sady Atra ao anatin'ilay concept de la Trinité. Anareo manokana izany iny finoana iny ary mendrika ny hajaina ianareo @ izany raha manaja ny finoan'ny hafa tsy mitovy aminareo.
3. Ary izaho manokana dia mino fa Atra dia ao anatin'ny olona tsirairay avy. Ka noho izany dia zanany avokoa isika rehetra.
7. lagoon ( 17/11/2010 13:51)
Nanambara ny Vatican t@ Mai 2008 fa tokony hiheritreritra ny kristianina fa mety misy fiainana hafa any @ galaxie hafa.
Ity ilay article aloa fa sao dia lazaina fa izaho mamorona.

http://www.ladepeche.fr/article/2008/05/14/453673-Les-extraterrestres-pourraient-avoir-ete-crees-par-Dieu-selon-le-Vatican.html

8. rijadolly ( 17/11/2010 18:51)
Na inona na inona aloha ny filazan' mpandinika hoe : Mety toy izao na mety misy na mety...na mety, na mety x1000 aza dia efa voamarina fa tsy afa-miaina amin' galaxi hafa izany ny atao hoe olombelona izay nanaovan' ilay Kristy mission manokana hanavotr'azy ireo. Izay ny maha hafa (unique) ny olombelona, milaza ho matanjaka ny omby fa manaiky, mirehoka ho aingam-pandeha ny soavaly fa ehehe, resin- draolombelona ihany, milaza azy ho manana fitadidina tsara ny elephant fa manaiky e! Mialatsiny amin' ilay ohatra tsotsotra ô!
9. AndriambyII ( 17/11/2010 22:39)

lagoon:

Nanambara ny Vatican t@ Mai 2008 fa tokony hiheritreritra ny kristianina fa mety misy fiainana hafa any @ galaxie hafa.
Ity ilay article aloa fa sao dia lazaina fa izaho mamorona.

http://www.ladepeche.fr/article/2008/05/14/453673-Les-extraterrestres-pourraient-avoir-ete-crees-par-Dieu-selon-le-Vatican.html




Une probabilité bien sûr !!
10. RAR.DAGO ( 18/11/2010 04:24)
rijadolly:

... efa voamarina fa tsy afa-miaina amin' galaxi hafa izany...
Andraso aloha Rijadolly a!
On n'est méme pas foutu de sortir de notre système solaire! :-)
Tsy hoe sanatria mampianatra fa mampatsiahy fotsiny fa ato anatin'ny Voie Lactée, izay galaxie misy antsika, dia miisa eo @ 200 milliards eo ho eo ny kitana mitovy @ masoandrotsika io.

Ary ny isan'ny galaxie lehibe hita maso (tsy isaina akory izany ny kely an!) mitovy @ Voie Lactée eran'izao tontolo izao dia eo @ 350 milliards eo ho eo. (1)

Izany hoe na ny galaxie misy antsika aza tsy fantatra raha misy toerana hafa azo iainana ao anatiny, koa ahoana no lazainao fa voamarina fa tsy afa-miaina amin' galaxi hafa izany?

(1) Source : http://atunivers.free.fr/galaxy.html Site de vulgarisation izy io fa ny CNRS koa manana ny azy
11. rijadolly ( 18/11/2010 10:01)
Tsy dia any loatra ny mavesa-danja amin' ilay ady hevitra fa ny maha unique ny olombelona eo anatrehan' Andriamanitra. Somary natsipiko io hevitra io mba hanavahana tsara hoe ny olombelona ihany no nahazo ilay Famonjena, fa tsy izay misaina kokoa noho ny olombelona ohatra, na matanjaka noho izy. Izay ilay mampihavaka antsika, raha azo lazaina hoe nengarana dia izay izany no filaza azy.
12. RBNIR ( 18/11/2010 10:49)
RAR.DAGO:

2. Olombelona kristianina t@ taona 325 tao @ Concile de Nicée voalohany no nanapaka fa i Jesosy dia zanak'Atra no sady Atra ao anatin'ilay concept de la Trinité. Anareo manokana izany iny finoana iny ary mendrika ny hajaina ianareo @ izany raha manaja ny finoan'ny hafa tsy mitovy aminareo.

Bonjour daholo,
Mba misy ahitsiko kely kosa aloha e! tsy dia hoe ny concile etsy ambony loatra no nanapaka fa zanak'Andriamanitra i Jesosy Kristy, fa Andriamanitra mihitsy no nanambara azy tamin'i Jaona mpanao Batisa (izay mbola tsy nahafantatra akory hoe iza moa Izy izany) :« Ary izaho tsy nahalala Azy; fa Izay naniraka ahy hanao batisa amin'ny rano no nilaza tamiko hoe: Izay ho hitanao idinan'ny Fanahy sy itoerany, dia Izy no Mpanao batisa amin'ny Fanahy Masina. » (Jaona 1:33) « Ary nahita aho, ka dia nanambara fa Izy no Zanak'Andriamanitra. » (Jaona 1:34)
Ary taorian'io dia i Jesosy Kristy mihitsy no nanamafy an'io :
« Dia hoy izy rehetra: Zanak'Andriamanitra va ary Hianao? Ary hoy Izy taminy: Voalazanareo fa Izaho no Izy. » (Lioka 22:70)
Tsy misy hidiran'ny Concile taty aoriana mihitsy io.
13. lagoon ( 18/11/2010 11:41)
efa mba nisy nandinika ny hierogliphes sumeriens ve ny sasany eto?
14. RAR.DAGO ( 18/11/2010 19:58)
Tena misy hidirany be mihitsy ka !

1. Io resaka ao @ lioka io, no fanontaniana napetraky ny Sanedrana t@ jesosy. Ny dika taty aoriana no nametraka io dika lazainao io RBNIR, satria betsaka ny milaza fa tsy izany no nolazainy fa hoe "ianareo no milaza fa izaho no izy". Lasa "textes apocryphes" (tsy nekena ho ao anaty baiboly) ireo izay nilaza izany moa. Izay no mahatonga aho miteny hoe Ny Concile de Nicée no nametraka hoe io no izy ary tsy azon'ny kristianina ovaina intsony io fa izay no nifanarahana t@ io Concile io.
Alohan'io Concile de Nicée io mantsy dia mbola nizarazara be dia be ny kristianina ary ny arien ohatra dia tsy nanaiky hoe i Jesosy dia Andriamanitra.
2. Mety tsy mahafinaritra ny krisitianina no mamaky ity soratako ity fa tsy maninona fa filazàna ny marina mba androsoana no hanaovana izao. Ny testamenta vaovao dia TSY tenin'Atra, izany hoe tsy révélation fa TANTARA nosoratan'ireo izay mitantara ny fiainan'i Jesosy. Ary be dia be ny version-ny tantara ka izay homogénéisation izay no natao t@ ireny Concile ireny mba hitovy ny tadin-dokanga. Ary io finiavana ny ampitovy tadin-dokanga io dia i Paoly no nanomboka azy rehefa hitany fa samy mirevy izay tiany ireo apostoly sy mpanangana fiangonana @ anaran'i Jesosy

Ka miala tsiny aho RBNIR fa amiko tena misy hidirany tokoa izany reny Concile ireny
15. RBNIR ( 19/11/2010 04:43)
Bonjour,

Ary rehefa avy niteny izy fa Zanak'Andriamanitra dia izay no nahatezitra ny olona satria noraisina ho mpaniratsiran'Andriamanitra (blasphemateur) izy noho ny fitenenany ny mahazanak'Andriamanitra Azy :« Ary hoy ireo: Ka inona indray no ilantsika vavolombelona? fa ny tenantsika no efa nandre tamin'ny vavany. » (Lioka 22:71)
16. RBNIR ( 19/11/2010 05:34)
Ary nisy lehilahy Jamba nositraniny koa nilazany hoe :

« Jesosy nandre fa efa noroahiny ralehilahy; ary rehefa nahita azy Izy, dia nanao hoe: Mino ny Zanak-Andriamanitra va ianao? » (Jaona 9:35)
« Ralehilahy namaly ka nanao hoe: Iza moa no Izy, Tompoko, mba hinoako Azy? » (Jaona 9:36)
« Hoy Jesosy taminy: Efa nahita Azy ianao, sady Izay miresaka aminao izao no Izy. » (Jaona 9:37)
« Ary hoy izy: Tompoko, mino aho. Dia niankohoka teo anatrehany izy. » (Jaona 9:38)
17. Miharena ( 19/11/2010 06:52)
rijadolly:

Tsy dia any loatra ny mavesa-danja amin' ilay ady hevitra fa ny maha unique ny olombelona eo anatrehan' Andriamanitra. Somary natsipiko io hevitra io mba hanavahana tsara hoe ny olombelona ihany no nahazo ilay Famonjena, fa tsy izay misaina kokoa noho ny olombelona ohatra, na matanjaka noho izy. Izay ilay mampihavaka antsika, raha azo lazaina hoe nengarana dia izay izany no filaza azy


Raha miresaka ity Rijadolly ka ampifandraisina amin'ny resaka univers (Cosmos no mahalaza azy kokoa raha resaka dimension fandrefesana no nametrahana azy etsy ambony), dia voafefy ihany.
Raha mandinika anefa isika dia nisy olona nijoro vavolombelona raha nandao ny vatany izy fa niakatra avo dia avo ary nahita ny tany toy ny kapsily ary avy eo tsy hita intsony alohan'ny nihaonany tamin'Ilay Mazava Lehibe. Io Mazava io no Loharano ipoiran'ny UNIVERS tokana. Noho izany dia tsara raha mijery ny fahefan'ny olombelona nomena azy afaka mahatsapa io UNIVERS io satria endrik'Andriamanitra no nanaovana ny olombelona ary sombinain'Andriamanitra izany matoa afaka mahita AZY.
Raha UNIVERS koa no lazaina dia mazava fa Andriamanitra te-hahita ny endriNY izany ka na iza na iza ao anatiny, na ambony kokoa noho ny olombelona na ambany kokoa noho ny olombelona (io miankina amin'ny mari-drefin'ny olombelona voafefy) dia IRAY ihany ary TENANY ihany koa tsy tsara angamba ny manavakavaka fa miara-miasa ny zava-drehetra ao anaty ERAN'NY MPAMORONA.
18. niryna ( 20/11/2010 17:23)

rijadolly:

Izany hoe tsy Zanak' Andriamanitra izany aminao Jesoa Kristy?
ny Atra hinoany kosa angamba mety manana zanaka hafa ,asa aloha sa ahoana tsara ry RAR ?
19. RAR.DAGO ( 20/11/2010 19:41)
niryna:
rijadolly:

Izany hoe tsy Zanak' Andriamanitra izany aminao Jesoa Kristy?
ny Atra hinoany kosa angamba mety manana zanaka hafa ,asa aloha sa ahoana tsara ry RAR ?

Ny manahirana ahy anie dia ity fomba fitaizana kristianina izay manazaza (enfantiller) ny olona ity e!
Manaiky aho ny valeurs morales izay heveriko fa iraisan'iao tontolo izao na aiza na aiza. Fa ny an'ny kristianina dia toy ireny tsy misy saina ireny ny olona : tsy maintsy izao hoy ny tompo, Jésus a dit, il est écrit que, hoy ny bokin'ny ranona hoe... @ izay ny 99% ilay citation hors contexte daholo. Miala tsiny fa mankaleo be e!
20. rijadolly ( 21/11/2010 02:05)

RAR.DAGO:

niryna:
rijadolly:

Izany hoe tsy Zanak' Andriamanitra izany aminao Jesoa Kristy?
ny Atra hinoany kosa angamba mety manana zanaka hafa ,asa aloha sa ahoana tsara ry RAR ?

Ny manahirana ahy anie dia ity fomba fitaizana kristianina izay manazaza (enfantiller) ny olona ity e!
Manaiky aho ny valeurs morales izay heveriko fa iraisan'iao tontolo izao na aiza na aiza. Fa ny an'ny kristianina dia toy ireny tsy misy saina ireny ny olona : tsy maintsy izao hoy ny tompo, Jésus a dit, il est écrit que, hoy ny bokin'ny ranona hoe... @ izay ny 99% ilay citation hors contexte daholo. Miala tsiny fa mankaleo be e!

Omeo ohatra iray hoe RAR.DAGO izany hoe citation hors contexte izany, ka nalefa teto?

Tsy fantatro se na I Ikaretsaka ihany na tsy izy, fa i Ikaretsaka koa dia nanana olana ohatra ny an' se izao mihitsy. Tsy mazaka Kitsipona hihihihi! Io teny hoe "Kitsipona" io dia i ikaretsaka ihany no nanebaka ny namana @ fiteny ohatran' io, nefa noraisin' namana am-pitiavana ho fampiasa teto.HS kely iny.

Tsy dia tia filozofy angamba RAR.DAGO ô? tsy hitan'se fa any ve no tena mpampiasa io kitsipona io e? Ilaina hanamarinan-kevitra amiko ny kitsipona, raha HS aho dia mba anjaratsika ny manitsy, izay ilay fiarahana eto, tsy mijery harina an-tava. Raha ohatra moa mankaleo an' se ny maha soa ny hafa dia aza mamaky ny heviny fa manokafa lohahevitra vaovao e! Nefa mino aho fa i se mihitsy no tsy manaiky indrindra ny fanaovana tsinotsinona ny hevitry ny hafa tahaka izao...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0879