Misy zanak'Atra hafa ve any lavitra any?
41. RAR.DAGO
(
26/11/2010 05:21)
Dia iza amin'ireo tsy tianao izay voalazanao ireo ary izany ny fanaon' Kristianina izay lazainao fa maha sorena anao indraindray,raha fandefasana ny citation
Ohatra sujet : Mba fantatrao ve, post RAR.DAGO - 25/11/2010 05:00
42. rijadolly
(
26/11/2010 17:12)
notsongoko manokana io tenin'se io, Samy nandray ny fampianaran' Jesoa aloha isika sy se matoa mahafantatra fa ny farseo no nanaovan’Jesoa Kristy ohatra teo amin' soratra masina. Raha ny fandraisako azy anefa dia ny fisehoana ivelany no antony nanoharan' Jesoa Kristy ny Farseo sy ny Mpanora-dalàna satria tsy nipaka tao anatiny ilay Teny fa ny fisehosehoana no hita teny aminy fa tsy ny fankatoavana.
1. Tandremo ny fandraisana andaingony fotsiny ny soratra anaty baiboly fa dia lasa toy ny fariseo ianao.
Raha hiditra amin' ilay citation' RBNIR
RAR.DAGO:
Fa ilay lalana RBNIR tsy voatery ho tokana fa mety ho betsaka anie e!
RBNIR:Raha amin'maha Kristianina azy dia tsy azon'iza na iza omena tsiny izy fa izay ny làlana natoro azy, ary matoa manaiky izay izy dia mahatoky ny Mpampianany,tsy fe mahatoky ihany izy fa efa nahatsapa ny hatsaran' ilay Mpampihanany. Nefa raha hitanao fa any amin' lalan-diso ny hitondran' ilay Mpampanatranao nefa ianao miteny heo : "tsy maninona io fa reveo" Dia izay fa mipoitra ilay fanatisme fotsiny izay tsy voan' se, tsy voako ihany koa.
Fa raha araka ity teny ity aloha dia tsy misy ilay lalana hafa e! « Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako. » (Jaona 14:6)
Raha tsy hoe i Jesosy Kristy mihitsy angaha no tsy hinoanao ny teniny???
Raha eo amin'ilay fanovana ny teny izay nataon'Jesoa Kristy indray isika dia azon' se atao anie no manoratra izay tena marina nolazainy e! Alefao eto hiaram- dinika e!
43. RAR.DAGO
(
27/11/2010 04:28)
rijadolly:Tsy mitovy moa izany hoe fadraisana andaigony sy fisehona ivelany izany?
notsongoko manokana io tenin'se io, Samy nandray ny fampianaran' Jesoa aloha isika sy se matoa mahafantatra fa ny farseo no nanaovan’Jesoa Kristy ohatra teo amin' soratra masina. Raha ny fandraisako azy anefa dia ny fisehoana ivelany no antony nanoharan' Jesoa Kristy ny Farseo sy ny Mpanora-dalàna satria tsy nipaka tao anatiny ilay Teny fa ny fisehosehoana no hita teny aminy fa tsy ny fankatoavana.
1. Tandremo ny fandraisana andaingony fotsiny ny soratra anaty baiboly fa dia lasa toy ny fariseo ianao.
rijadolly:
... Raha amin'maha Kristianina azy dia tsy azon'iza na iza omena tsiny izy fa izay ny làlana natoro azy, ary matoa manaiky izay izy dia mahatoky ny Mpampianany,tsy fe mahatoky ihany izy fa efa nahatsapa ny hatsaran' ilay Mpampihanany. Nefa raha hitanao fa any amin' lalan-diso ny hitondran' ilay Mpampanatranao nefa ianao miteny heo : "tsy maninona io fa reveo" Dia izay fa mipoitra ilay fanatisme fotsiny izay tsy voan' se, tsy voako ihany koa.
Rehefa nandeha teto ny resaka dia i RBNIR dia tena tia ny hizara satria izay no nahitany soa. Ka raha nahitany soa moa iny maninona no hovaina? Lazaiko fotsiny hoe ilay prosélytisme sy fanindrahindrana be loatra ny an'ny tena miohatra @ hafa tokony asiana fanenana kely fa sao mahasadaikatra na dia tsy hevi-dratsy aza no hitondrana azy.
rijadolly:Mbola tsy ananako ny laharan'ny findaiany! ;)
Raha eo amin'ilay fanovana ny teny izay nataon'Jesoa Kristy indray isika dia azon' se atao anie no manoratra izay tena marina nolazainy e! Alefao eto hiaram- dinika e!
Rijadolly a, araky ny hevitrao fa maninona ny olona nandrandraina toy ndry Jesosy, SiddhÄrtha Gautama (Buddah), Confucius, sns dia tsy ananana tantara mazava fa sombitsombiny nangonina foana no sisa tavela? Satria namboarina ny tantarany mba ho tena lafatra ka izay tsy mifanaraka @ izany dia novaina na nopotehina mihitsy, satria izay no noheveran'ny mpahay soratra sy mpitana fahaizana tany aloha tany hoe : tsy tsara ny milaza ny marina rehetra.
Raha ny tantaran'ny testamenta vaovao fotsiny (fa ny taloha koa mitovy @ izany) dia be dia be ny rakitra nahilika satria tsy mifanaraka @ pensée de l'église taty aoriana. Na ny nosoratan'i Md Petera izay papa voalohany teto an-tany (tao Antioche) aza dia nisy nahilika lasa textes apocryphes. Torak'izany koa ny an'i Paoly. Ka tsy hitako izay ho lazaina aminao eto fa raha te ahalala be be kokoa ianao dia mianara exège.
Raha toa moa ianao mihevitra fa ireo olona rehetra nandinika ny soratra masina lasa exégète nanomboka t@ ry Origène dia vendrana daholo fa ianao irery no mahalala ny marina dia soava rahavako fa olo-tsambatra ianao.
45. RAR.DAGO
(
03/12/2010 04:05)
infiny:
Misy TSY zanak'Atra hafa ve any alavitra any? :)
Lalana malama io resaka io an!
Manomboka aiza no atao hoe zanak'Atra. Vao zato taona monja izay mbola nisy nihevitra teto an-tany fa ny olona mainty dia biby.
Raha olona tahakan-dry Diane Fossey ohatra dia nihevitra mihitsy fa manam-panahy zany hoe mitovy @ olombelona ny gorille.
Ka raha eto aza tsy mitovy ny hevitra dia ahoana ny any lavitra any? ;)
46. ndenn
(
03/12/2010 06:57)
Zavatra roa aloha no fantatra fa tsy manampahataperana mitombina hatr@ izao : ny hadalàn' olombelona sy ny univers ,io faharoa io dia misy fisalasalana mivaingana tsy azo kianina (incertitude absolue ).
47. Miharena
(
05/12/2010 11:31)
infiny
Misy TSY zanak'Atra hafa ve any alavitra any?
Lalana malama io resaka io an!
Manomboka aiza no atao hoe zanak'Atra. Vao zato taona monja izay mbola nisy nihevitra teto an-tany fa ny olona mainty dia biby.
Raha olona tahakan-dry Diane Fossey ohatra dia nihevitra mihitsy fa manam-panahy zany hoe mitovy @ olombelona ny gorille.
Ka raha eto aza tsy mitovy ny hevitra dia ahoana ny any lavitra any?
Tsy lalana malama ny resaka eto rah tsy hoe angaha ka olona borné no miresaka azy. Raha maka disposition tsy misy fetra isika dia afaka miresaka tsara ny zava-drehetra.
Ny valim-panontaniana fotsiny eto dia "tsia" tsy misy tsy zanak'Andriamanitra manerana ny erana rehetra.
Ny zava-poronin'ny sain'ny olombelona izay tsy mitombina nefa mahazo laka no tsy zanak'Andriamanitra.
48. RAR.DAGO
(
07/12/2010 06:57)
Miharena, raha vao milaza fotsiny ianao hoe "tsy misy tsy zanak'Andriamanitra manerana ny erana rehetra" dia efa mifanohitra @ paradigme kristianina ianao izany satria ho azy ireo dia mazava fa ny olombelona kristianina irery ihany no zanany.
Borné ve izany? Tsy fantako aloha fa samy manana ny limite io ko!
Ny aho izao ny tiako ho fantatra hoe ny courbure de l'univers ve >0 sa
Borné ve izany? Tsy fantako aloha fa samy manana ny limite io ko!
Ny aho izao ny tiako ho fantatra hoe ny courbure de l'univers ve >0 sa
49. Miharena
(
07/12/2010 07:36)
RAR.DAGO, marina amin'ny ampahany ny filazanao. Izaho Kristiana no miteny aminao ary Ilay maha-zanak'Andriamanitra ny rehetra indrindra no hitako ao anaty Baiboly ao ary tantarainy mandrakariva. Ny mamintina indrindra ny Baiboly dia ilay resaka famoronana aloha (teo daholo ny rehetra), avy eo ny fiatahana (resaka momba ny zanaka adala) ary farany ny fiverenana (fodiana an-tranon-dRAY).
Ka na iza izy na iza, dia hody an-tranon-dRay fa izay malahelo fa hoe efa TEO AMINY FOANA no ho sahirana satria borné izy amin'izay fotoana izay satria mihevitra fa hoe nanompo mandrakariva nefa tsy toy ny fandraisana ilay zanaka adala no anaovana azy. Ka ario ary ny alahelo sy ny fitsiriritana ary ny fitsaratsaram-poana, dia fantatrao ny sitrapon'Andriamanitra izay RAIN'NY REHETRA.
Raha mandeha lavidavitra dia na adepte de LUCIFER aza dia miantso AZY RAY hoe VIEUX PAPA.
Izay mihataka no manala tena amin'ity resaka ity fa tsy sitrapon'ny RAY mihitsy izany akory.
Ka raha manatanteraka ny sitrapon'ny RAY dia mazava fa IRAY AO AMINY ary miaraka AMINY.
Manatreha anie ianao RAR.DAGO fotoam-pivavahana iray monja raha tsy voalaza hatrany io teny hoe MIARAKA AMINY ARY AO AMINY io e! (rehefa misy fandraisana na komonio).

50. niryna
(
12/12/2010 03:08)
RAR.DAGO:toa mampihomehy ahy ilay resaka, eny tompoko iray ihany ny Zanany izay namonjy ireo izay rehetra hino azy ary dia hanana fiainana mandrakizay araka ny teny voasoratra ao amin'ny soratra masina.Tsy manana zanak'anelakelantrano izy na zanake etsy sy eroa
- Tsy misy tsy mahafantatra fa ny tany miaraka @ planeta 7 hafa (tsy azo atao hoe planeta intsony hono i Pluton zao) dia miodina manodidina ny masoandro.
- Ny masoandro indray dia kintana iray ao anatin'ny 200 lavitrisa izay ao antin'ny Voie Lactée. (50.000 années lumières (AL) de diamètre)
- ary ny voie lactée indray dia galaxie iray ao anatin'ny 40 izay fantatra @ 'ny anarana hoe Groupe Local izay manana sakana 5.000.000 AL. eo ho eo ary manana kintana eo @ 700 lavitrisa eo ho eo.
- Ary izao tontolo izao hita maso (l'Univers) dia manana sakana eo amin'ny 14 lavitrisa AL eo ho eo ary misy kintana hita maso eo @ 30 lavitrisa trillion eo izany hoe 30 milliards de milliards de milliards na 30.10^27 ! ;)
Atra daholo ve no nanao ireo? Koa maninona no eto an-tany ihany no misy zanany laha-tokana sa misy hafa any ralahan'i Jezo?
51. niryna
(
12/12/2010 03:13)
rijadolly:dia mbola mitohy ihany ny fanontaniana koa rehefa avy eo,ary tsy mety tapitra ilay izy.Izany rehetra izany dia noho ny saina tia karokaroka kanefa koa misy ny tsy finoan'ny sasany dia any amin'ny karazana fanontaniana maro no ahafahany mety andalina izany.Izany hoe misy tokoa ny olona tena tsy mino fa rehefa voaresy lahatra tokoa izy tamin'ny fiainan'ny olona iray ohatra ka hijoroany vavolombelona izany dia eo koa izy no manomboka mino ilay Atra tsy fantany:finoana no namonjena antsika,finoana no nandehan'i Abrahama nanao fanatitra ny \zanany.. araka ny teniko hoe ao amin'ny Hebreo 11 no manazava betsaka izany finoana tsy ita maso kanefa hinoana izany
raha hazoko tsara aloha, ny antony ny fisian' Jesoa Kristy dia noho ny olom-belona ihany, izay ny mission- ny. Izany hoe : na aiza na aiza misy olombelona dia manana adidy hanavotra izay manaiky havotana Izy. Dia izay no nahatonga ahy hoe: tsy mino izany ianao hoe Zanak'Andriamanitra Jesoa Kristy" satria tsy mba nanavotra kisoa na omby izy araka ny hevitrao?
Atra daholo ve no nanao ireo?
Eny izao rehetra izao dia Izy avokoa no nahary azy.
ohatra iray tsotsotra: tamin' voalohany ny olombelona dia tsy nahafantatra hoe misy kankana any amban' tany. Nangady dia nahita fa misy kankana tao. Tokony hipetra ve ny fanotaniana hoe: Iza no nanao ny kankana?
Raha zohina ihany koa ireo manampahaizana manambara fa boribory ny tany dia efa voasoratra avokoa ao anaty baiboly izany.aiza moa iny ry rija?