Misy zanak'Atra hafa ve any lavitra any?
21. Miharena
(
21/11/2010 09:27)
RAR.DAGO:
Manaiky aho ny valeurs morales izay heveriko fa iraisan'iao tontolo izao na aiza na aiza. Fa ny an'ny kristianina dia toy ireny tsy misy saina ireny ny olona : tsy maintsy izao hoy ny tompo, Jésus a dit, il est écrit que, hoy ny bokin'ny ranona hoe... @ izay ny 99% ilay citation hors contexte daholo. Miala tsiny fa mankaleo be e!
Azo hamarinina ny resak'i RAR.DAGO eto raha kristiana tsy mivela-tsaina amam-panahy no resahiny.
Ny azo hamarinina fotsiny dia manana valeur universelle ny resaka ataon'i Kristy izay tsy azo lavina fa efa hatry ny famoronana izao tontolo izao no efa teraka.
Misy erana tsy misy fetra efa nampitaiNY fa ny fandraisana ny hafatra no tsy mitovy raha fomba fijery misy fetra no andraisana azy, na fomba fijery mivelatra tanteraka.
22. pissoa
(
22/11/2010 11:13)
Ohatra ny feno "mety" - "mety" be ilay resaka hi hi hi. Mbola vao "mety" dia efa concerned amin'ny fanavotana azy ny olona, nefa ny efa hita mirijarija sy miresaka eto amin'ny forum aza toa betsaka ny tsy mino ny fanavotana azy sns. Hmm, hafahafa ihany isika olombelona be saina itony indraindray hi hi hi.
Mba hahafahana miresaka ny fisiana na tsy fisian'ny zanak'Andriamanitra angamba dia mila mino ny fisian'ilay Andriamanitra aloha - araka ny mahaAndriamanitra azy (ary inoako fa tsy vatan-kazo na revin-gandran'ny olona vendrana no tiana horesahina eto). Ka rehefa mino ilay Andriamanitra ve, tsy ohatra ny mandeha ho azy hoe --- Raha misy any, dia efa manana project ho azy ireo Andriamanitra, tsy voatery hambarambarany tamintsika hi hi hi.
PS: Ohatra ny feno galaxies be ny forum tato ho ato hi hi. Dia heverina fa manavendrana ny olona ny Fiangonana, na manao ny olona ho toy ny tsisy saina. Amiko dia izay fiheverana izay no tena mihevitra ny Kristianina ho tsisy saina. Raha ny fahafantarako azy mantsy dia tsy fampianarana Cosmology na Paleontology mbamin'ny Evolution theory akory any am-piangonana. Tsy vitsy ny Kristianina mahafantatra ny "jargon" sy ny heverina hoe siansa, fa mbola mijanona ho Kristianina. Raha ny fahafantarako azy koa dia toa mandrisika ny olona handalina aza ny Fiangonana, ary tsy mbola nisy lalana nivoaka koa hoe tsy mahazo mianatra ny Kristianina.

23. rijadolly
(
22/11/2010 15:55)
Ny olana Pissoa dia ny Kristianina no tena voateny hoe mpanamaritena, na hoe miseho tena marina,... Ny zavatra tsy dia tsapan' sasany anefa dia efa nolazaiko teto fa mifandresy lahatra ny samy hafa Finoana, raha ny Kristianina no mandresy lahatra ny hafa dia voahenjika...Inona no antony? ==> Tsy voaboraka eto ny ao anatin' ts11.
OHABOLANA 4 : 7 Ny voaloham-pahendrena dia izao: [Na: Fahendrena no ambony indrindra.] Mahazoa fahendrena;
Eny, lanio ny fanananao rehetra hamidy fahalalana tsara.
Pissoa:
Ohatra ny feno "mety" - "mety" be ilay resaka hi hi hi. Mbola vao "mety" dia efa concerned amin'ny fanavotana azy ny olona, nefa ny efa hita mirijarija sy miresaka eto amin'ny forum aza toa betsaka ny tsy mino ny fanavotana azy sns. Hmm, hafahafa ihany isika olombelona be saina itony indraindray hi hi hi.
rijadolly:
Na inona na inona aloha ny filazan' mpandinika hoe : Mety toy izao na mety misy na mety...na mety, na mety x1000 aza dia efa voamarina fa tsy afa-miaina amin' galaxi hafa izany ny atao hoe olombelona izay nanaovan' ilay Kristy mission manokana hanavotr'azy ireo. Izay ny maha hafa (unique) ny olombelona
Pissoa:
Tsy vitsy ny Kristianina mahafantatra ny "jargon" sy ny heverina hoe siansa, fa mbola mijanona ho Kristianina. Raha ny fahafantarako azy koa dia toa mandrisika ny olona handalina aza ny Fiangonana, ary tsy mbola nisy lalana nivoaka koa hoe tsy mahazo mianatra ny Kristianina.
OHABOLANA 4 : 7 Ny voaloham-pahendrena dia izao: [Na: Fahendrena no ambony indrindra.] Mahazoa fahendrena;
Eny, lanio ny fanananao rehetra hamidy fahalalana tsara.
24. RAR.DAGO
(
22/11/2010 19:05)
Izaho manokana aloha dia mitsikera (fa tsy manenjika) izay rehetra mino ka mihevitra fa rehefa tsy miaraka aminy dia very, satria :
1. Tsy misy hatramin'izao hafaka manaporofo fa ny azy no marina mikasika an'Atra, ary tsy hisy mandrakizay izany satria izay no maha Atra azy : tsy takatry ny saina. Izay no maha DOGME azy. Mino satria..... Te hino (na hoe koa mila mino) raolombelona. Ary izay lazaina fa porofo rehetra hatramin'izao aloha dia fandresen-dahatra daholo fa tsy misy NA IRAY AZA, profo tsy azo lavina. Tsy misy izany finoana iray ambonin'ny hafa na inona na inona lazainareo.
2. Raha tsy manaiky ny fisian'ny hafa ianao dia hiady aminy izany satria ny tantaran'ny zanak'olombelona teto an-tany, dia manaprofo fa izay tsy fanekena fahasamihafana izay dia mitarika ady foana. Tsy misy nefa finoana, na inona na inona, milaza hoe mandehana miady @ anaran'Atra ka vonoy ny olombelona sasany izay tsy mino an'ilay Atrao !
Ka DISO, ary averiko tsindry mafy tsara mihitsy hoe DISO, izay mino nefa.... mitsikera ny sasany tsy mitovy aminy.
Raha fintinina izany ny lazaiko dia hoe :
A. Misy Atra ho ahy satria, fara-faharatsiny izay tsy takatry ny saiko dia Atra. Ny finoako izay fa ny an'ny hafa koa dia ekeko rehefa manaiky ny fiaraha-monina.
B. Izay manome tsiny, na tsy manaiky ny fisian'ny hafa mino zavatra hafa noho ny finoany, dia DISO satria IZY no hiavian'ny FANAFITOHINANA, ka LOZA ho azy izany hoy ianareo kristianina izay.

25. RBNIR
(
23/11/2010 06:30)
RAR.DAGO:
Izaho manokana aloha dia mitsikera (fa tsy manenjika) izay rehetra mino ka mihevitra fa rehefa tsy miaraka aminy dia very, satria :
Bonjour,
Fa amin'i Rar.dago kay izany tokony hoe ahoana no andraisana ity tenin'Andriamanitra ity? :
« Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako. » (Jaona 14:6)
26. RBNIR
(
23/11/2010 06:36)
Satria mantsy mbola nohamafisina izy io taty aoriana :
« dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny olona Isiraely rehetra fa ny anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin'ny hazo fijaliana, fa natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty kosa, dia Izy no itsanganan'io lehilahy io finaritra eto imasonareo. » (Asan'ny Apostoly 4:10)
« Ity no vato izay nolavinareo mpanao trano, nefa tonga fehizoro (Sal. 118. 22). » (Asan'ny Apostoly 4:11)
« Ary tsy misy famonjena amin'ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin'ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena. » (Asan'ny Apostoly 4:12)

27. RAR.DAGO
(
23/11/2010 07:07)
Ny citation an'i RBNIR ireo dia ao anaty baiboly kristianina izay IANAREO KRISITIANINA IRERY IHANY ETO AN-TANY NO MINO AZY. Izaho manokana aloha dia manaiky ny "posture phylosophique" nisy an'i Jesosy. Après les racontars de ses apôtres pour asseoir le pouvoir de l'église chrétienne, je vous en laisse l'exclusivité.
Izaho fotsiny no anontaniako anareo kristianina :
Raha rahampitso aho no miteny hoe fatin'aliaka daholo ianareo kristianina noho ny antony A, B sy D satria izaho no mpaminany vaovao nofidian'Atra ary niseho mivantana tamiko izy nilaza sy nanambara izany. Anaiky ve ianareo? Mitovy tsy misy valaka @ izany mantsy ny zavatra lazainareo mikasika izay tsy mitovy finoana aminareo.
7 miliara ISIKA olombelona eto an-tany ka mba asio fiheverana, sokafy ny saina fa aza dia jambenan'ny finoanao satria ianareo izao no hiavian'ny fanafitohinana akehitriny.

28. Miharena
(
23/11/2010 07:19)
RAR.DAGO:
Raha fintinina izany ny lazaiko dia hoe :
A. Misy Atra ho ahy satria, fara-faharatsiny izay tsy takatry ny saiko dia Atra. Ny finoako izay fa ny an'ny hafa koa dia ekeko rehefa manaiky ny fiaraha-monina.
B. Izay manome tsiny, na tsy manaiky ny fisian'ny hafa mino zavatra hafa noho ny finoany, dia DISO satria IZY no hiavian'ny FANAFITOHINANA, ka LOZA ho azy izany hoy ianareo kristianina izay.
Ny finoana dia izay manambara zavatra tsy hita fetra, feno fahendrena, feno fahasoavana. Ka raha milaza RAR hoe tsy takatry ny saina dia voafetra izany ny saina. Misy anefa ireo mametra ny saina dia ny tsy fanekena ILAY TSY HITA FETRA sy fandavana ireo olona rehetra manambara izany. Eo amin'ny fiarahamonina indray dia fangarom-pisainana voafetra maromaro sy tsy voafetra no misy. Ao ireo manaiky ny tsy hita fetra ary ao no mandà izany satria aminy dia efa voafetra avokoa ny zava-drehetra. Ny tsy azo lavina anefa dia ireo voalaza ireo dia vokatry ny fanadihadian'ny saina ary efa mivelatra ho an'ny tsirairay manantsaina, noho izany ny olona misaina rehetra dia efa tokony hahatakatra azy.
Ny fanekena fa misy isika ankehitriny dia efa zavatra tsy hita fetra anankiray. Ny fangarongaron-javatra manodidina io fahalalana tsotra io no miteraka ny tsy fitoviam-pijery. Mila mijery ANIVO hatrany izany rehefa misaina dia hanjary hanana fijery tsy hita fetra ny tsirairay.
29. RBNIR
(
23/11/2010 07:21)
RAR.DAGO:
Izaho fotsiny no anontaniako anareo kristianina :
Raha rahampitso aho no miteny hoe fatin'aliaka daholo ianareo kristianina noho ny antony A, B sy D satria izaho no mpaminany vaovao nofidian'Atra ary niseho mivantana tamiko izy nilaza sy nanambara izany. Anaiky ve ianareo? Mitovy tsy misy valaka @ izany mantsy ny zavatra lazainareo mikasika izay tsy mitovy finoana aminareo.
Miankina amin'izay holazainao sy ampianarinao amin'izay fotoana izay io Rar.Dago a! : efa nomena famantarana ny kristianina ahay hanavaka ny mpaminany tena izy sy ny mpaminany sandoka.
Amiko tsy tokony ahagaga ahy mihitsy raha ohatra i Rar.dago indray andro any (enga anie fa dia tena hirian'ny foko mihitsy) ka hilaza fa nisehoan'i Jesosy Tompo satria tsy vitsy anie ny olona nanohitra mafy azy no efa nisehoany e! anisan'izany i Paoly apostoly izay nanenjika mafy azy tokoa tamin'ny fotoan'Androny.
Ho fantatra foana raha mpandainga ny milaza azy ho mpaminany satria efa nampianariny ny fomba fahafantarana azy io ny olony Rar.dago a!
30. RAR.DAGO
(
23/11/2010 07:44)
Tsy izany no resaka fa aza avadika baina!
Manaiky ny ho alikain'ny olona ve ianareo tahaka ny fanambanianareo izay tsy mino ny Atrao?
Manaiky ny ho alikain'ny olona ve ianareo tahaka ny fanambanianareo izay tsy mino ny Atrao?
31. RBNIR
(
23/11/2010 07:51)
RAR.DAGO:
Tsy izany no resaka fa aza avadika baina!
Manaiky ny ho alikain'ny olona ve ianareo tahaka ny fanambanianareo izay tsy mino ny Atrao?
Ra ho alikaina v? raha tena hisehoany tokoa ianao indray andro any mety ho fisaorana no atolotrao amin'izay fa tsy fanalikana.
Nefa raha hanaliaka moa ianao maninona? Lalana efa voalaza fa tsy maintsy hizorana izany, sady Jesosy Kristy no lohan'ny nahazo io fanalikana io.
32. RAR.DAGO
(
23/11/2010 08:00)
Miala tsiny aloha t@ ilay "mankaleo" fa diso enjana ilay filaza na dia izay aza no tao am-po!
Tsy Ikaretsaka aho tsy akory indrisy.
I RijaDolly angamba efa ho lasa mpaminany koa atsy ho atsy ka mahafantatra ny tiako sy ny tsy tiako?;)
Tsy philosophe aho mais je n'ai rien contre la philo ni les citations mais le prosélytisme et les abus m'indisposent. Une citation (raha azoko tsara io no ataonao hoe kitsipona) doit étre utilisée dans un contexte similaire à la citation originelle du texte et non comme un saupoudrage de sel à toute les sauces pour étaler le peu qu'on sache.
Dernier exemple en date voir citation RBNIR sur post Mba fantarao ve?

33. RBNIR
(
23/11/2010 09:36)
RAR.DAGO:
utilisée dans un contexte similaire à la citation originelle du texte et non comme un saupoudrage de sel à toute les sauces pour étaler le peu qu'on sache.
Dernier exemple en date voir citation RBNIR sur post Mba fantarao ve?
Marina ny teninao rar.dago a! kely dia kely tokoa ny fantatro raha ny mikasika ny tenin'Andriamanitra, saingy ny ahitsiko kely fotsiny dia tsy hoe akory fitiavana ny hampidera fahalalana loatra (izay marihiko fa tsy ahy fa Azy) ny tanjona tiako atao eto fa fizarana izay kely mba hananana e! sao mba mety ahasoa ny hafa koa e! (misy hiran'i Fara Andriamamonjy izay mantsy tsy mety afaka ato antsaiko ato mihitsy TSY NAMBARANAO AHY www.gasykamanja.com/.../tononkira_gasy---fara_andriamamonjy-0-tsy_nambaranao_ahy)
Raiso am-pitiavana re e! tsy nisy nahay tany an-kibondreniny anie e!
34. RAR.DAGO
(
24/11/2010 05:53)
Miharena:
Ny finoana dia izay manambara zavatra tsy hita fetra, feno fahendrena, feno fahasoavana. Ka raha milaza RAR hoe tsy takatry ny saina dia voafetra izany ny saina. Misy anefa ireo mametra ny saina dia ny tsy fanekena ILAY TSY HITA FETRA sy fandavana ireo olona rehetra manambara izany.
Tsy azo lavina mihitsy hoe voafetra ny saina na ny an'iza na ny an'iza. Iray aloha zay.
Ny finoana an'Atra sy ny fanekena ny mpitory teny ho an'ny fiangonana iray dia kosa zavatra ROA SAMY HAFA TANTERAKA, satria ny fiangonana ankehitriny dia TSY Atra fa fikambanan'olombelona izay mampiasa ny finoan'ny sasany ho anto-pivelomana
Miharena:
Eo amin'ny fiarahamonina indray dia fangarom-pisainana voafetra maromaro sy tsy voafetra no misy.
Tsy misy izany olombelona tsy voafetra izany. Raha tsy izany dia olona mahafantatra ny marina rehetra izy ary Atra no anarany @ izay otoana izay.
Miharena:
Ao ireo manaiky ny tsy hita fetra ary ao no mandà izany satria aminy dia efa voafetra avokoa ny zava-drehetra. Ny tsy azo lavina anefa dia ireo voalaza ireo dia vokatry ny fanadihadian'ny saina ary efa mivelatra ho an'ny tsirairay manantsaina, noho izany ny olona misaina rehetra dia efa tokony hahatakatra azy.
Izay izany no fanaporofoana entinao hilazàna fa izay tsy mino an'Atra dia dondrona? Ohatran'ny voafetra be ilay porofo an!
35. pissoa
(
24/11/2010 15:31)
Iza ihany no tena alika vendrana ato no farany ? Hi hi hi. Hiderapy ihany ity resaka ity raha izao.
36. RBNIR
(
24/11/2010 15:38)
RAR.DAGO:
Izay izany no fanaporofoana entinao hilazàna fa izay tsy mino an'Atra dia dondrona? Ohatran'ny voafetra be ilay porofo an!
Io porofo io foana no problèman'ny ankamaroan'ny olona: nefa tena sahiko ny miteny aminao fa hanenenan'ny olona ny fitakiana io any aoriana any.
Inty fotsiny no mba holazaiko e! misy porofo miohatra an'i Jesosy Kristy, sy ireo mpianany marobe ary ireo mpomba azy taty aoriana ireo nanao martiora ny tenany v ? Dia sanatria v izany izy ireo lasa adala avokoa na tsy nanankatao tokoa ka ny tenany no nataony sorona amin'ny tsy nisy dikany?
Izaho ankehitriny miaina ny fiainan'ny kristianina ary sahiko ny miteny fa fantatro tsara ny antony nahatonga azy ireo hanao izany, fa fitiavana ny hafa mba ahatonga saina ny maro.
Ilay afo maharitra mandrak'izay anie tsy an-jaza e! Mandrak'izay anie izany e! tsy misy fetra fa izay any dia any ary tsy ho tsarovana intsony.
Raha hitanao aho dia tena mety ho gaga ianao hoe inona koa no mba hivavahan'itony. Mba manana situation tsara tokoa aho mantsy (D.A.F) ary tena tsara toerana satria matanjaka ny Société iasako sady mba tena hitokisan'ny tompony aho,
Fa nampahiratin'Andriamanitra ny masoko ary tena sahiko ny milaza aminao fa tanteraka amiko ankehitriny ireto teny nolazain'i Jesosy ireto.
« Ary koa, ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpandranto anankiray izay nikatsaka vato soa*;[*Gr.perila] » (Matio 13:45) « ary rehefa nahita vato soa* iray saro-bidy izy, dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy.[*Gr. perila] » (Matio 13:46)
« Ary ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny harena nafenina tany an-tsaha, izay hitan'olona, ka dia nafeniny; ary noho ny hafaliany dia lasa nandeha izy ka nivarotra ny fananany rehetra, dia nividy izany saha izany. » (Matio 13:44).
Fa harena miafina io nampanantenain'i Jesosy Kristy io (ao ampon'ny olona tsirairay no ametrahany azy (personelle ngah no azo andikana azy) ary io ilay nolazainy hoe « Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen'izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo. » (Jaona 14:27).
Andriamanitra tsy manery ny olona hanao ny sitrapony fa saingy mampisafidy izy ary mampahafantatra fa raha tsy manaraka ny sitrapony ianao dia fahaverezana no hihafarany. Ny olombelona namboarina tsy ho faty ary iray ihany no sitrapon'Andriamanitra notakiany tany amboalohany dia ny tsy hinanana ilay hazo : « fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin'ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa ianao. » (Genesisy 2:17).
Miaraka mahita isika izao ny vokany : maty avokoa ny taranaka olombelona rehetra.
Toy izany koa naniraka ny Zanany Lahy Tokana izy hanambara ny marina ary io Zanany io efa nampahafantatra ny hanjo izay tsy manao ny sitrapon'Andriamanitra ka hoy aho hoe diniho lalina ihany lahy sao dia hanenenana.
Andriamanitra mbola manome safidy malalaka mihitsy ary mi-invité mihitsy ary izy mba hanandramanao ny fahatsaran'ny miaraka aminy « Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy. » (Salamo 34:8).
Ka hoy aho hoe aza atao tsinontsinona re izao sao izao no antso omen'i Kristy ho anao e!
Ny nenina anie tsy aloha hananatra fa aoriana handatsa e!
37. rijadolly
(
24/11/2010 15:51)
Mamela an' se aho ka!
Miala tsiny aloha t@ ilay "mankaleo" fa diso enjana ilay filaza na dia izay aza no tao am-po!
Raha marina ny teniko dia efa ho Mpaminany aho izany fa raha diso kosa dia tsy izy aho hihihihihi!
I RijaDolly angamba efa ho lasa mpaminany koa atsy ho atsy ka mahafantatra ny tiako sy ny tsy tiako?
Ary raha tsy takatry ny sain' se ilay hevitra? Dia eo izany ilay andriamanitra izay topoin'se raha ny filazan'se?
Tsy philosophe aho mais je n'ai rien contre la philo ni les citations mais le prosélytisme et les abus m'indisposent.
Dia aiza ho aiza amin' izay lazainao zay aza ny fitsaranao ny citation alefan' Kristianina raha izay hevitrao izay no mety.
Une citation (raha azoko tsara io no ataonao hoe kitsipona) doit étre utilisée dans un contexte similaire à la citation originelle du texte et non comme un saupoudrage de sel à toute les sauces pour étaler le peu qu'on sache.
38. RAR.DAGO
(
25/11/2010 03:25)
rijadolly:
Dia aiza ho aiza amin' izay lazainao zay aza ny fitsaranao ny citation alefan' Kristianina raha izay hevitrao izay no mety.
Tsy azoko tsara raha azonao averina azavaina aza fady
39. Miharena
(
25/11/2010 08:01)
RAR.DAGO:
Tsy azo lavina mihitsy hoe voafetra ny saina na ny an'iza na ny an'iza. Iray aloha zay.
Ny finoana an'Atra sy ny fanekena ny mpitory teny ho an'ny fiangonana iray dia kosa zavatra ROA SAMY HAFA TANTERAKA, satria ny fiangonana ankehitriny dia TSY Atra fa fikambanan'olombelona izay mampiasa ny finoan'ny sasany ho anto-pivelomana
Ity no hotsongaiko kely amin'ny resaka ataonao RAR.DAGO:
Fantatrao tsara izany ny finoana an'Andriamanitra eto ary hainao tsara ny manavaka ny sitrapon'andriamanitra sy ny fahalemen'ny mpitory teny, izay tsy tokony hekena mandrakariva.
RAR.DAGO:
Miharena:
Ao ireo manaiky ny tsy hita fetra ary ao no mandà izany satria aminy dia efa voafetra avokoa ny zava-drehetra. Ny tsy azo lavina anefa dia ireo voalaza ireo dia vokatry ny fanadihadian'ny saina ary efa mivelatra ho an'ny tsirairay manantsaina, noho izany ny olona misaina rehetra dia efa tokony hahatakatra azy.
Izay izany no fanaporofoana entinao hilazàna fa izay tsy mino an'Atra dia dondrona? Ohatran'ny voafetra be ilay porofo an!
Porofo tsy manam-petra no apetrako isaky ny misaina zavatra iray aho RAR.DAGO. Rehafa ekena ny TSY MISY FETRA dia tsy manam-petra ny fisainana zavatra iray ka ny saina omena dia fisiana iray tsy manam-petra nataon'Andriamanitra ao anatintsika AINA Hahalala AZY MPAMORONA tsara. Indrindra moa fa nataony araka ny endriny isika no sady NASIANY NY FOFONAINY.
Toy ny miresaka hoe rano madio FOFONAINA io, ka na goutte iray na ranobe mangeniheny dia rano izay ary IRAY ihany ny mandrafitra azy.
Tsy dondrona velively ny olona tsy mino an'Andriamanitra fa mila mametra-panontaniana fotsiny izy hoe "nisy ho azy ve sa ahoana???"
40. rijadolly
(
25/11/2010 18:19)
RAR.DAGO:
Tsy philosophe aho mais je n'ai rien contre la philo ni les citations mais le prosélytisme et les abus m'indisposent. Une citation (raha azoko tsara io no ataonao hoe kitsipona) doit étre utilisée dans un contexte similaire à la citation originelle du texte et non comme un saupoudrage de sel à toute les sauces pour étaler le peu qu'on sache.
rijadolly:
Dia aiza ho aiza amin' izay lazainao zay aza ny fitsaranao ny citation alefan' Kristianina raha izay hevitrao izay no mety.
RAR.DAGO:raha ny filazanao azy dia tsy mety ny fomba fandefasan' sasany ny Kristianina Citation ao anaty Baiboly eto. Dia iza amin'ireo tsy tianao izay voalazanao ireo ary izany ny fanaon' Kristianina izay lazainao fa maha sorena anao indraindray,raha fandefasana ny citation?
Tsy azoko tsara raha azonao averina azavaina aza fady