Jesoa Kristy dia Andrimanitra tokoa...

1. fidinirina ( 20/10/2009 10:45)

Matio 1.21 ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe JESOSY "Jehovah no Mpamonjy"; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin'ny fahotany.
1.22 Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain'ny Tompo ny mpaminany hoe
1.23 " Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy ; ary ny anarany hataon'ny olona hoe Imanoela " ( Isaia 7:14 ), izany hoe, raha adika : " Amintsika Andriamanitra"

Jaona 20.31 fa voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak'Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin'ny anarany, raha mino hianareo.

I Jaona 4.15 Na iza na iza manaiky fa Zanak'Andriamanitra Jesosy, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy kosa ao amin' Andriamanitra.

I Jaona 5.1 Izay rehetra mino fa Jesosy no Kristy dia naterak'Andriamanitra; ary izay rehetra tia izay niteraka dia tia izay naterany koa.
5.5 Iza moa no maharesy izao tontolo izao afa-tsy izay mino fa Jesosy no Zanak'Andriamanitra?

Jaona 10.29 Ny Raiko Izay nanome Ahy dia lehibe noho izy rehetra; ary tsy misy mahay mandrombaka amin'ny tànan'ny Ray.
10.30 Izaho sy ny Ray dia iray ihany.

Jesoa miteny @ maha-Andriamanitra Azy.
Jaona 5.43 Izaho dia avy amin'ny anaran'ny Raiko, nefa tsy raisinareo; raha misy hafa avy amin'ny anaran'ny tenany, dia horaisinareo ihany izy.
5.44 Hataonareo izay mifampitady laza ahoana no fino, nefa ny laza avy amin'ny Andriamanitra Tokana kosa dia tsy tadiavinareo?

Lioka 4.12 Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Voalaza hoe:"Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrao"
4.13 Ary rehefa nahatapitra izay fakam-panahy rehetra ny devoly, dia nandao Azy izy aloha.

I Jaona 4.3 ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an'i Jesosy dia tsy mba avy amin'Andriamanitra; ary izany no fanahin'ny antikristy, izay efa renareo fa ho avy, sady efa eo amin'izao tontolo izao sahady izy.

Jaona 8.42 Hoy Jesosy taminy: Raha Andriamanitra no Rainareo, dia ho tia Ahy hianareo, satria avy tamin'Andriamanitra no nivoahako sy nakanesako aty; fa Izaho tsy tonga ho Ahy, fa Izy no naniraka Ahy.
8.43 Nahoana no tsy azonareo ny teniko? Satria tsy mahay mihaino ny teniko hianareo.
répondu par rakaroka le 29/10/2009 20:56
2. ikaretsaka ( 20/10/2009 13:22)
Izay ny finoana sy tsimponanao ... fa mba visavisao ny ho fihetsikao raha tany ka misy olona "mitsimpona" koa eodia zavatra hafa no aboakany any
_> izay le heo aza imposer-na ny olona
3. rakapy ( 20/10/2009 14:13)
Fidinirina> Angamba A/tra tokoa i jesosy aminao sy izay mino an'izany fa tsy ho an'ny rehetra kosa.
Ary izy no lalana sy fahamarinana ho anao sy izay mino azy fa tsy ho an'ny rehetra kosa. Sa tsy marina ve izany???
4. ikaretsaka ( 20/10/2009 14:31)
ny ahako izao fotriny e... hoe aza taitra sy gaga sy zendana raha mahita olona tsy ohatranao tafaray aminao any @ "ze fiainana mbola ho avy" andrandrainao any!

Tahakan'ny tsy inoako hoe tsy ny Jiosy irery na ny kanto irery na ny silamo na ny sekta irery no ho any an-danitra fa izay rehetra nofidin'ny Tompo ho any, Ary tsy misy afaka mitompo teny fatratra afa tsy izay efa (t)any :-D
azon'ianona?
5. xxx ( 20/10/2009 15:17)
Fidinirina> Angamba A/tra tokoa i jesosy aminao sy izay mino an'izany fa tsy ho an'ny rehetra kosa.
Ary izy no lalana sy fahamarinana ho anao sy izay mino azy fa tsy ho an'ny rehetra kosa. Sa tsy marina ve izany???
izay mihitsy! Ny anareo tsy mpino dia efa mazava fa zavatra hafa
6. rakapy ( 20/10/2009 17:19)
Hoy Ika
hoe aza taitra sy gaga sy zendana raha mahita olona tsy ohatranao tafaray aminao any @ "ze fiainana mbola ho avy" andrandrainao any!

Izay aloha dia marina tanteraka. Fa ny mahagaga kely aho dia ireto milaza fa mpandala ny baiboly ireto nefa dia tsy mahay maka lesona avy @ zavatra novakiany!!! toa itony lazain'i raxxx itony
izay mihitsy! Ny anareo tsy mpino dia efa mazava fa zavatra hafa

Ka tsy ireo nolazain'ny olona fa mpivaro-tena sy mpangalatra sy olon-dratsy na samaritana sns...ve no tena novonjen'i jesosy??? Tsy maninona fa any mifankahita hoe " Ary nareo koa angaha tonga aty, nareo nefa toa antichrist! :-D :-D :-D
7. xxx ( 20/10/2009 17:52)
izay mihitsy! Ny anareo tsy mpino dia efa mazava fa zavatra hafa
Nisy diso kely ka ahitsiko fa ny an'ireo tsy mpino no tokony ho izy
Ka tsy ireo nolazain'ny olona fa mpivaro-tena sy mpangalatra sy olon-dratsy na samaritana sns...ve no tena novonjen'i jesosy??? Tsy maninona fa any mifankahita hoe " Ary nareo koa angaha tonga aty, nareo nefa toa antichrist!
namonjy ary mbola hamonjy izy rehefa mibebaka ireny olona ireny ka! Ka tsy tsara ve raha tonga any ny antichrist nibebaka e! izany no hirariana :)
8. niryna ( 20/10/2009 18:26)
fidinirina:



I Jaona 4.15 Na iza na iza manaiky fa Zanak'Andriamanitra Jesosy, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy kosa ao amin' Andriamanitra.


Jaona 10:30 [b]Izaho sy ny Ray dia iray ihany.
=D>


Jaona 5.43 Izaho dia avy amin'ny anaran'ny Raiko, nefa tsy raisinareo; raha misy hafa avy amin'ny anaran'ny tenany, dia horaisinareo ihany izy.
5.44 Hataonareo izay mifampitady laza ahoana no fino, nefa ny laza avy amin'ny Andriamanitra Tokana kosa dia tsy tadiavinareo?
ka mbola samy eo am-pikarohana ny marina daholo isika izao ka ary mizara izay mba nomeny antsika koa

Lioka 4.12 Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Voalaza hoe:"Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrao"
4.13 Ary rehefa nahatapitra izay fakam-panahy rehetra ny devoly , dia nandao Azy izy aloha.
hmm .:arrow: ka anjarantsika no mitsakotsako ny fampianarana nomen'ny hafa izay mampianatra vilana fa tsy misy ny devoly kanefa ny tenin'Atra no mibaribary fa na kristy aza nalainy fanahy
ahoana ny teny ao amin'ny soratra masina,Raha Atra no momba antsika izay no ahatohana antsika ?
if God is with us ,who can against us ? Romana 8:31


I Jaona 4.3 ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an'i Jesosy dia tsy mba avy amin'Andriamanitra; ary izany no fanahin'ny antikristy, izay efa renareo fa ho avy, sady efa eo amin'izao tontolo izao sahady izy.
hmmmm ! angaha ny olona tsy mino azy mieritreritra izany ?


Jaona 8.42 Hoy Jesosy taminy: Raha Andriamanitra no Rainareo, dia ho tia Ahy hianareo, satria avy tamin'Andriamanitra no nivoahako sy nakanesako aty
;[color=green] fa Izaho tsy tonga ho Ahy, fa Izy no naniraka Ahy.[/color ] aleloia, praise the Lord ^:^
[quote]
8.43 Nahoana no tsy azonareo ny teniko? Satria tsy mahay mihaino ny teniko hianareo.

ka izany no antony iray nanokafana ity sera ity ka,izay mandray ny teny izay nampitondrana dia mandray azy koa ,mbola mi-challenge daholo isika e
misaotra fidy a

:-*
9. rakapy ( 20/10/2009 18:37)
Hoy ixxx
namonjy ary mbola hamonjy izy rehefa mibebaka ireny olona ireny ka! Ka tsy tsara ve raha tonga any ny antichrist nibebaka e! izany no hirarian

Ilain'ny olona tsy tia azy sy tsy te ho any aminy tokoa ve ny famonjeny??? Tsia angamba ny valiny.
Ary izy no lalan-tokana ho an'ny xana nefa kosa tsy lalan-tokana hoan'ny zanak'olombelona.
10. niryna ( 20/10/2009 19:11)
rakapy:

Ilain'ny olona tsy tia azy sy tsy te ho any aminy tokoa ve ny famonjeny??? Tsia angamba ny valiny.
Matokia an'i Jehovah,fa aza manankina ny tenanao.

Ary izy no lalan-tokana ho an'ny xana nefa kosa tsy lalan-tokana hoan'ny zanak'olombelona.

hi,hi manana lalana hafa angaha rakapy ?

11. rakaroka ( 20/10/2009 19:11)
Ary angaha moa tsy hoe: "tena olona tokoa" koa izy iny e? :roll: :roll: :?: 8O
LAZAO izay marina mba inoako aza e. Ka misafotofoto be anie 'lay filazanareo azy ihany! Mbetika izy Atra, mbetika olona, mbetika lalana, mbetika fahamarinana, mbetika mpamonjy, mbetika mpampianatra, mbetika loharano, mbetika vatolampy !...mbetika labozia, sns...
Dia lazaivo tsy "normale" indray aza aho raha very tsy mahalala hoe "Iza ara 'ty Jesoa" tiany ambara :roll: :roll: :roll: 8O 8O 8O :? :?: :?: :?: :?:
Sahala @ "Ogre" miovaova loatra ilay izy ka on a du mal à saisir ! Izay wà no tsy maha tafa ilay fitoriana hoe "Raiso Jesoa" , Ka tsy voa-identifié 'tsony hoe Inn marina moa ity Jesoa ity?....Tsy hoe "Iza an Fa hoe "Innn? :roll: :roll: :?: :?:
12. niryna ( 20/10/2009 19:33)
rakaroka:

Ary angaha moa tsy hoe: "tena olona tokoa" koa izy iny e? :roll: :roll: :?: 8O
misaotra anao nanontany.
itan'i rakoraka izany fa fantatrao ihany hoy aho ilay izy ,tena marina ny voalazanao ka, tsy nanadino hianao fa deraiko anao izany ,Atra dia naka ny toetra toa antsika olombelona,nihinana,nitomany vizana,nalahelo,niaritra ny mafy rehetra,nokapohina ,nororana natao tsinontsinona
jereo anie ny testamenta taloha e,mbola tsy tonga izy kanefa dia efa voasoratry ny mpaminany sahady fa hoe
4 Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika*; kanjo isika kosa nanao azy ho nokapohina sy nasian'Andriamanitra ary nampahorina.[Heb. fanaintainantsika]

5 Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika, ny fampijaliana* nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika. [Heb. famaizana]

6 Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin'ny lalantsika avy isika rehetra; ary nataon'i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra.

7 Nampahorina Izy, nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava, dia tahaka ny zanak'ondry entina hovonoina, sy tahaka ny ondrivavy izay moana eo anatrehan'ny mpanety azy, eny, tsy niloa-bava Izy.

8 Ny fampahoriana sy ny fitsarana no nenti-nanaisotra Azy*; ary iza tamin'ny niara-belona taminy no nihevitra** fa nofongorana niala tamin'ny tanin'ny velona Izy, ka ny fahadisoan'ny oloko no nikapohana Azy? [*Na: Nalaina niala tamin'ny fampahoriana sy ny fitsarana Izy][**Na: Ary iza no nihevitra izay ho taranany?]


4 Cependant, ce sont nos souffrances qu'il a portées, C'est de nos douleurs qu'il s'est chargé; Et nous l'avons considéré comme puni, Frappé de Dieu, et humilié.

5 Mais il était blessé pour nos péchés, Brisé pour nos iniquités; Le châtiment qui nous donne la paix est tombé sur lui, Et c'est par ses meurtrissures que nous sommes guéris.

6 Nous étions tous errants comme des brebis, Chacun suivait sa propre voie; Et l'Eternel a fait retomber sur lui l'iniquité de nous tous.

7 Il a été maltraité et opprimé, Et il n'a point ouvert la bouche, Semblable à un agneau qu'on mène à la boucherie, A une brebis muette devant ceux qui la tondent; Il n'a point ouvert la bouche.

8 Il a été enlevé par l'angoisse et le châtiment; Et parmi ceux de sa génération, qui a cru Qu'il était retranché de la terre des vivants Et frappé pour les péchés de mon peuple? Isaia 53


Raha te ahafantatra kokoa hianao dia vakio ity
1 Iza no nino ny teny nampitondraina anay ? Ary iza no nampisehoana ny sandrin'i Jehovah?


http://baiboly.org/toko.asp?boky=ISAIA&toko=53&dika=ls






13. rakaroka ( 20/10/2009 19:46)
8O 8O 8O 8O :roll: :roll: :roll: :?: :?: :?: :? :? :? :/ :/ :/ 8-) 8-) 8-)
:@ :@ :@ :@ :@
14. LazaDaddy ( 20/10/2009 19:47)
Jesoa Kristy dia Andrimanitra tokoa...

1) tsy mahagaga raha manafitohina ireo tsy mpino io satria io no antony namantsihan'ny olona Azy teo amin'ny hazo fijaliana

2) mahazendana kosa raha olona milaza ho mpino "kristianina" no tafitohina amin'io
15. niryna ( 20/10/2009 19:54)
rakaroka:

LAZAO izay marina mba inoako aza e. Ka misafotofoto be anie 'lay filazanareo azy ihany! Mbetika izy Atra, mbetika olona, mbetika lalana, mbetika fahamarinana, mbetika mpamonjy, mbetika mpampianatra, mbetika loharano, mbetika vatolampy !...mbetika labozia, sns...
aleloia, io fa mitory tampoka rakorako,itanao izany .toy ny rano atete eo amin'ny vato ny finoantsika ka isaky ny misy rano kely mitete dia mamela marika ary farany mitritra ilay vato,toy izany koa isika,indraindray toa heverintsika fa manohitra foana isika dia mamaky ny teny izay nomena kanefa dia avelan'Atra ao am-pontsika izany,mbola hiderako anao ihany koa izany
izy rehetra ireo izy ary santionany daholo ireo,mbola misy ny hoe mpanasitrana .emmanoely na Atra miaraka amintsika,na God is with us.


Dia lazaivo tsy "normale" indray aza aho raha very tsy mahalala hoe "Iza ara 'ty Jesoa" tiany ambara :roll: :roll: :roll: 8O 8O 8O :? :?: :?: :?: :?:
normale hianao ka,mandainga izay milaza fa tonga dia mahalala an'i kristy ,ny teny dia avy amin'ny fihainoana ,ny fihainoana no mahatonga ilay olona hino izay teny nomena ary mahatonga azy ampihatra izany amin'ny fiainany ary farany dia mitarika azy hanova ny toetrany ho mihamalefako fa tsy lozabe intsony ohatra iray io an ary mahatonga ihany koa ny toetra ho hiova tsikelikely.
Aza heverina hoe tsy nandalo tamin'izao zavatra nahazo an'i rakorako izao daholo ny olona eny tokoa nandalo fa ny fomba fampiasain'Atra antsika tsirairay no tsy mitovy.
Jereo anie i Saoly e,olona lozabe ,vao miteny fotsiny izy hoe ity indray no mpanaradia an'i kristy dia maty izay ilay olona kanefa inona no nahazo azy ?
Saoly ,Saoly ! nahoana no manenjika ahy hianao ? kristy mivantana no niteny azy ary nanova ny fony ary dia niova hatramin'ny anarany ka lasa ho Paoly .Inona no mitranga ankehitriny ? izy no manantantara lehibe indrindra ry ataon'ireo mpitory teny ho fanoharana
Ny dikany :arrow: avia hoy kristy hifandahatra amiko hianareo ( izany hoe tantaraintsika aminy avokoa ny zavatra nataontsika ary mifona azy isika,andramo anie fa ho maivana ny fahotanao e) sa mi-guarentie anao aho.. fa na mena toy ny jaky aza ny fahotanareo dia ho fotsy toy ny oram-panala :arrow: mahavariana tokoa ilay fitiavan'Atra ry rakorako a
:-* :-*

Sahala @ "Ogre" miovaova loatra ilay izy ka on a du mal à saisir ! Izay wà no tsy maha tafa ilay fitoriana hoe "Raiso Jesoa" , Ka tsy voa-identifié 'tsony hoe Inn marina moa ity Jesoa ity?....Tsy hoe "Iza an Fa hoe "Innn? :roll: :roll: :?: :?:
Ataovy ary ny fanandramana e,toy ny olona rehetra tsy nahalala an'i kristy hianao ,izaho no anisany,fa rehefa nahafantatra ilay teny izay nomena aho hoe manatona ahy hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana fa izaho no anome anareo fitsaharana henoko tao am-piangonana fotsiny izany fa miangona toy ny rehetra aho saingy mbola tsy nandray an'ilay kristy tao am-poko tokoa,mbola tsy nino izany hoe mamela heloka sy mamonjy ahy izany izy dia nanao fanandramana aho ary dia nandohalika,notantaraiko azy avokoa ny mahazo ahy,nosokafako ilay baiboliko ary nahazo teny tao anatin'ny salamo aho,tsy tadidiko intsony ilay izy fa toa nisy olona niresaka ahy mivantana ilay baiboly , ary dia nibitsika amiko mangina izy,natahotra aloha aho ary niteny hoe ahoana an,hi,hi, fa narahiko ny teniny satria mbola notohizany hoe aza matahotra fa homba anao mandrakariva aho
:roll: elabe taty aoriana rehefa namaky baiboly aho vao itako hoe hay ve tena ao anatin'ny baiboly ilay nomeny ahy e aza matahotra fa homba anao mandrakariva aho dia izao itan'i rakorako mizara ny tenin'Atra izao aho,fahasoavana nomeny ahy ary dia fitaovana ampiasainy aho mijoro vavolombelona o^o fa velona sy mahery ny tenin'Atra ka na dorana aza tsy ho levona. o^o
16. rakaroka ( 20/10/2009 20:01)
LazaDaddy:

Jesoa Kristy dia Andrimanitra tokoa...

1) tsy mahagaga raha manafitohina ireo tsy mpino io satria io no antony namantsihan'ny olona Azy teo amin'ny hazo fijaliana

2) mahazendana kosa raha olona milaza ho mpino "kristianina" no tafitohina amin'io



'driiiy fa misy tafitohana angaha eo ?... :roll: :?: 8O 8O 8O
17. ikaretsaka ( 20/10/2009 20:26)
fanampim-panazavana tokoa no angatahina fangaha ga tsy misy resaka tafintohina sy hifampitsikilo samy tafintohina izany teo?
mba mahita tarognigna kao itony!
18. LazaDaddy ( 20/10/2009 21:22)
19. ikaretsaka ( 20/10/2009 21:59)
Sahala @ "Ogre" miovaova loatra ilay izy ka on a du mal à saisir ! Izay wà no tsy maha tafa ilay fitoriana hoe "Raiso Jesoa" , Ka tsy voa-identifié 'tsony hoe Inona marina moa ity Jesoa ity?....Tsy hoe "Iza an Fa hoe INONA "


->namaste
20. rakapy ( 21/10/2009 05:52)
Hoy Nryina
hi,hi manana lalana hafa angaha rakapy ?

:-D :-D :-D Izay ve ianao vao kaopy sy manotany? firy taona izay nifaneraserantsika izay :-D :-D :-D Hoy Laza

1) tsy mahagaga raha manafitohina ireo tsy mpino io satria io no antony namantsihan'ny olona Azy teo amin'ny hazo fijaliana

2) mahazendana kosa raha olona milaza ho mpino "kristianina" no tafitohina amin'io

:-D :-D :-D Sao dia ianao ary no tafitohina fa tsy ry zareo.
Asa raha fantatrao fa mpino avokoa ireo namantsika azy ireo. Ary mbola mpino ihany koa ilay nivarotra azy.
Ka iza ilay tsy mpino resahinao eto?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0654