Fahotana ve ny manendrikendrika? ny vhvvy nomenao ahy no ...

1. niryna ( 13/04/2009 05:23)
Tsara ho fantatra ho antsika rehetra
Dia averiko sy hamafisiko ihany koa ny voalaza fa Andriamanitra dia nanao olona mitovy Azy dia Adama izany ...ary dia mbola nanambara ihany koa ny tenin'Atra fa nanaovany vady sahaza azy izy dia Eva izany.Fa nahoana no Eva ? Satria io tompoko no voasoratra ao anatin'ny tenin'Atra ..

17Ary hoy koa Izy tamin'i Adama: Satria efa nihaino ny feon'ny vadinao hianao
20 Ary ralehilahy nanao ny anaran'ny vadiny hoe Eva, satria izy no renin'ny olombelona rehetra Gen 3

-------------------------------------------------------------------------------
Rehefa manaraka ny tenin'Atra ao amin'ny soratra masina isika dia Adama sy Eva ary satana no resahina eto.Vakio ny Genesisy 3
[b]
11Ary hoy Izy: Iza moa no nanambara taminao fa mitanjaka hianao? Efa nihinananao va ny hazo izay nandrarako anao tsy hihinananao?

12 Dia hoy ralehilahy: Ny vehivavy izay nomenao ho namako, izy no nanome ahy ny voankazo, ka dia nihinana aho


13 Ary hoy Jehovah Andriamanitra tamin-dravehivavy: Inona izao nataonao izao? Dia hoy ravehivavy: Ny menarana no namitaka ahy, ka dia nihinana aho.

Raha araka ny miseho eto dia Adama nanendrikendrika an'i Eva
Eva kosa nanendrikendrika an'i satana
Ny fanontaniako dia fahotana ve ny manendrikendrika ?
toy ny ataon'i Adama sy Eva eto ?
répondu par niryna le 21/04/2009 04:21
2. ni81 ( 13/04/2009 07:55)
Fahotana satria tompon'ny safidiny ny tsirairay
3. Mirananirina ( 13/04/2009 11:42)
Raha araka ny miseho eto dia Adama nanendrikendrika an'i Eva
Eva kosa nanendrikendrika an'i satana
Ny fanontaniako dia fahotana ve ny manendrikendrika ?
toy ny ataon'i Adama sy Eva eto ?

Niryna,Tsy azoko mihitsy hoe nanendrikendrika ahoana?
I Menarana no nanome ny paoma,i Eva no nanome an'i Adama????
4. ikaretsaka ( 13/04/2009 14:04)
nanendrikendrika ahoana tokoa izy?

ny atao hoe manendrikendrika dia ny mamorona zavatra tsy misy (izay mety ho ratsy mety ho tsara) ka lazaina fa nataon'ilay olona, nefa in reality tsy nataony akory!


nomen'i Menarana an'i Eva ny paoma dia avy eo nomen'i Eva an'i Adama?

dia nohon'ny nanontanian'Atra i adama sy i Eva dia io no nolazainy! aiza no manendrikendrika @ izany


Ary ralehilahy nanao ny anaran'ny vadiny hoe Eva, satria izy no renin'ny olombelona rehetra


amin'ny naha renin'ny olombelona azy no naha Eva azy fa tsy nohon'ny naharoian'Atra azy...aoka hazava koa


5. Koditra ( 13/04/2009 18:31)
raha io teny hoe Endrikendrika io aloha raha amiko dia fahotana, marina io famaritana nomen’ny Ika io, izany hoe fanomezana fanafintohinana ny hafa @zvtra tsy nataony.
Raha io ohatra Adama sy Eva napetraky Niryna io nefa dia fialàna pa ngamba no azo ilazàna azy fa tsy hoe endrikendrika.
6. mia ( 13/04/2009 20:55)
Misy teny ao @ Salamo 35:16 Naman'ny olon-dratsy manendrikendrika ho enti-mila sitraka izy ka nihidy vazana tamiko.

Raha manendrikendrika hiampangana ny namana izany mba azahoana sitraka dia manota mazava ho azy!
naman'ny mandainga ihany satria ota niarahana natao raha ny cas eto

Hoy koa ny salamo 101

Izay manendrikendrika ny namany mangingina dia hofongorako; Tsy tohako izay miandranandrana sy miavonavona am-po;

Ny masoko hijery izay olo-mahatoky amin'ny tany mba hitoerany ato amiko; Izay mandeha amin'ny lalana marina no hanompo ahy.

tsy mba hitoetra ao anatin'ny tranoko izay manao fitaka; Tsy mba hijanona eo anoloan'ny masoko izay milaza lainga
7. ikaretsaka ( 13/04/2009 21:24)
Efa fantatra izay ny momban'ny endrikendrika..fa le lazain'i niryna @ ny momban'ny menarana sy Adama sy Eva aloha tsy misy endrikendrika mihitsy e
8. niryna ( 14/04/2009 04:04)
ni81:

Fahotana satria tompon'ny safidiny ny tsirairay
misaotra


:D
9. soanja ( 14/04/2009 04:05)
niryna:

Tsara ho fantatra ho antsika rehetra
Dia averiko sy hamafisiko ihany koa ny voalaza fa Andriamanitra dia nanao olona mitovy Azy dia Adama izany ...ary dia mbola nanambara ihany koa ny tenin'Atra fa nanaovany vady sahaza azy izy dia Eva izany.Fa nahoana no Eva ? Satria io tompoko no voasoratra ao anatin'ny tenin'Atra ..

17Ary hoy koa Izy tamin'i Adama: Satria efa nihaino ny feon'ny vadinao hianao
20 Ary ralehilahy nanao ny anaran'ny vadiny hoe Eva, satria izy no renin'ny olombelona rehetra Gen 3

-------------------------------------------------------------------------------
Rehefa manaraka ny tenin'Atra ao amin'ny soratra masina isika dia Adama sy Eva ary satana no resahina eto.Vakio ny Genesisy 3
[b]
11Ary hoy Izy: Iza moa no nanambara taminao fa mitanjaka hianao? Efa nihinananao va ny hazo izay nandrarako anao tsy hihinananao?

12 Dia hoy ralehilahy: Ny vehivavy izay nomenao ho namako, izy no nanome ahy ny voankazo, ka dia nihinana aho


13 Ary hoy Jehovah Andriamanitra tamin-dravehivavy: Inona izao nataonao izao? Dia hoy ravehivavy: Ny menarana no namitaka ahy, ka dia nihinana aho.

Raha araka ny miseho eto dia Adama nanendrikendrika an'i Eva
Eva kosa nanendrikendrika an'i satana
Ny fanontaniako dia fahotana ve ny manendrikendrika ?
toy ny ataon'i Adama sy Eva eto ?


Tsy manendrikendrika ny fiteny an'io fa manilika hadisoana mba tsy ho an'ny tena noho izany dia afendraka amin'ny hafa. Io matetika no antsoin'ny gasy hoe MANOME TSINY ny hafa.

Rehafa tsy manana fahatsapan-tena nanao diso ny olona iray nefa nanao diso tokoa dia izay no antsoina hoe ota. Satria miala ammin'ny fahamarinana. Ny asa na andraikitra atao dia zakain'izay nanao azy sy izay miadidy na mandraharaha ny momba ilay asa.

Eto dia isan-karazany no tokony ho fisehon'ny hadisoana ary samy manana ny tandrify azy avy: misy filazana azy avokoa ireo fahadisoana ireo fa raha tsorina maimaika sy mitambatra dia NY TSY FAHATOKISANA AN'ANDRIAMANITRA!


10. niryna ( 14/04/2009 04:09)
Mirananirina:

Raha araka ny miseho eto dia Adama nanendrikendrika an'i Eva
Eva kosa nanendrikendrika an'i satana
Ny fanontaniako dia fahotana ve ny manendrikendrika ?
toy ny ataon'i Adama sy Eva eto ?

Niryna,Tsy azoko mihitsy hoe nanendrikendrika ahoana?
I Menarana no nanome ny paoma,i Eva no nanome an'i Adama????

hi,hi mety tsy mazava angamba ny tena tiako ho tenenina e?
andao ary atao hoe manome tsiny e .na manome fahadisoana ny hafa na hoe manameloka ny hafa e
Jereo anie Adama e,raha nomen''ny vadiny paona izy dia tsy nanda fa nihinana kanefa dia nanome tsiny izy hoe ilay vehivavy nomenao ahy no nanome ahy dia nihinana aho :arrow: nanaiky izy fa nihinana saingy tsy niaky ny tenany kosa izy fa fahadisoany izany :D
11. niryna ( 14/04/2009 04:14)
ikaretsaka:

nanendrikendrika ahoana tokoa izy?

ny atao hoe manendrikendrika dia ny mamorona zavatra tsy misy (izay mety ho ratsy mety ho tsara) ka lazaina fa nataon'ilay olona, nefa in reality tsy nataony akory!


nomen'i Menarana an'i Eva ny paoma dia avy eo nomen'i Eva an'i Adama?
dia nohon'ny nanontanian'Atra i adama sy i Eva dia io no nolazainy! aiza no manendrikendrika @ izany
io efa nazavaiko an'i mirana io ny tiako ho tenenina re e,mazava ve ?

Ary ralehilahy nanao ny anaran'ny vadiny hoe Eva, satria izy no
renin'ny olombelona rehetra

ikaretsaka:

amin'ny naha renin'ny olombelona azy no naha Eva azy fa tsy nohon'ny naharoian'Atra azy...aoka hazava koa

afaka manaporofo ve hianao ,aiza ao amin'ny baiboly no nilaza fa tsy Eva no vadiny voalohany ,aoka re fa aza mahatapaka ny tsinaiko eto e

=)) =)) =)) =))
12. niryna ( 14/04/2009 04:17)
Koditra:

raha io teny hoe Endrikendrika io aloha raha amiko dia fahotana, marina io famaritana nomen’ny Ika io, izany hoe fanomezana fanafintohinana ny hafa @zvtra tsy nataony.
Raha io ohatra Adama sy Eva napetraky Niryna io nefa dia fialàna pa ngamba no azo ilazàna azy fa tsy hoe endrikendrika.




:D miala pa na mi-blame ny hafa re e
fahotana ve ny miala pa ny zavatra natao ka ny hafa no ilazaina fa nahatonga izany ?
Matetika mantsy isika dia ny hafa foana no mahazo loza amin'ny zavatra ataontsika :roll: :D :D
13. niryna ( 14/04/2009 04:22)
mia:

Misy teny ao @ Salamo 35:16 Naman'ny olon-dratsy manendrikendrika ho enti-mila sitraka izy ka nihidy vazana tamiko.

Raha manendrikendrika hiampangana ny namana izany mba azahoana sitraka dia manota mazava ho azy!
naman'ny mandainga ihany satria ota niarahana natao raha ny cas eto
misaotra mia fa azonao ny tiako ho tenenina.
Izay miaraka amin'ny ambohalambo dia lasa ambohalambo e ? HS kely
Tadidiko fahiny ,nilalao eraky ny trano ny ankizy dia vaky ilay vazy dia nanontaniana izay namaky an'io dia tsy nisy nilaza ny ankizy.Iny nisy iray nitantara fa nanao fangalampiery eraky ny trano ry zareo ary nihazakazaka dia vaky ilay vazy.
Ohatra kely io an
Eto tsy nitsotra na nijangana Adama ka niteny hoe e,marina izany fa dia nihinana aloha aho knou

Hoy koa ny salamo 101

Izay manendrikendrika ny namany mangingina dia hofongorako; Tsy tohako izay miandranandrana sy miavonavona am-po;

Ny masoko hijery izay olo-mahatoky amin'ny tany mba hitoerany ato amiko; Izay mandeha amin'ny lalana marina no hanompo ahy.

tsy mba hitoetra ao anatin'ny tranoko izay manao fitaka; Tsy mba hijanona eo anoloan'ny masoko izay milaza lainga


misaotra e
14. niryna ( 14/04/2009 04:27)
ikaretsaka:

Efa fantatra izay ny momban'ny endrikendrika..fa le lazain'i niryna @ ny momban'ny menarana sy Adama sy Eva aloha tsy misy endrikendrika mihitsy e
mi -blame re no tiako resahina a.
Matetika hoy aho isika dia manome tsiny ny hafa foana amin'ny fahotantsika kanefa Atra dia mahalala izay ao am-pontsika sy ny hadalantsika


Inona ary no tokony ataontsika mba hiarovana ny tena tsy hanameloka ny hafa na anome tsiny ny hafa amin'ny zavatra ataontsika na manome fahadisoana ny hafa amin'izay ataontsika ?

:-*
15. ikaretsaka ( 14/04/2009 04:32)
Niryna>jereo ny finika ao ambadika momban'ny hoe iza no noharin'atra taloha..dia vakio tsara ny baibolinao...
Ary efa averiko foana fa tsy ny baiboly ny source fa Atra
Eritrereto hoe loharano sy rano 1 siny nantsakaina tao @ io loharano io...
Avy @ loharano ny rano ao anaty siny: marina izany...fa tsy io akory de ampy ahalalanao ny momban'ny loharano.
16. ikaretsaka ( 14/04/2009 04:44)
Dinika fa tsy finika..

Momban'i Adama sy hoe miala pas:
Ataoko fa efa tratran'ny situation hoe samihafa tanteraka ny zavatranolazain'i dadabeanareo sy I dadanareo sy nasainy notanterahinao.dia ny 1 no nataonao (le nolazain'i dada)
De rehefa manontany I dadabenao hoe toa tsy nataon'i niryna ny nasainy nampanaovina anao.. de ho'zy enao hoe ka I dada nilaza hoe....
Na ny sefonareo 2 samihafa ao ampiasanareo aza... de ahoana ny avalin'i niryna?
Tonga de reaction naturel be le hoe ka ho'zy ranona hoe...
Sady tsy mandainga enao eo no tsy manendrikendrika no tsy manota...
Inona ary no handeha hoteneninao ? Hamorona?
17. soanja ( 14/04/2009 06:33)
Amiko dia tsotra be izany. Raha tianao ny zanakao tsy fandrihanao zany mihitsy. Nahoana no nasiana izany hazo mamoafady izany ny saha nefa ianao afaka nanamboatra hazo tsara sns... Nahoana no nanamboatra izany menrana izany raha fantatrao fa biby afaka manimba izany?

Hanagana trano ve ianao dia asianao lavaka mangitsokistoka eo ampovoan-trano dia takonanao ilay lavaka dia hoy ianao hoe aza manitsaka an'io fa latsaka ianao raha manitsaka an'io? Sanatria tokoa anie izany.

Ilay Andriamanitra tia antsika dia tsy hamitaka antsika. Tsy hamboatra voary hanimba antsika sy hanapotika antsika ary hanorina toerana hamelezana sy hampijaliana antsika. Izy ilay Fitiavana. Tsy misy fetra ny fitiavany. Isika kosa dia samy manana ny mahaizy antsika ary ny mahasamihafa antsika no hanorina ny fahaizana mitia ny hafa sy hijeranao ny fahafahanao mahatsapa tena manoloana ny hafa.

Mifampianatra isika rehetra ary mifampivoatra amin'ny fahasamihafana no ahazoana izany.

Raha nisy io tantara Adama sy Eva io dia hilazana amintsika fa na ao anaty saha toy ny paradisa aza dia ahitana tokoa zavatra mifanohitra ary io fifankatiavana sy fifampitokisana io ary ny fahatokisana an'Andriamanitra no fahazavana voalohany. Tao amin'io no nisian'ny TAHOTRA voalohany satria tsy mahatoky ny fitiavany sy ny mahaizy azy ny tsirairay.
18. tywa68 ( 14/04/2009 08:41)
Niryna : Ny fitaka, ny lainga sy ny fitondràna @ratsy d an'isany fahotàna. Ka lozan'zay mandika nefa mahalala ny sitrak'Atra.
19. coopsal ( 14/04/2009 09:41)
niryna:

Ny fanontaniako dia fahotana ve ny manendrikendrika ?
toy ny ataon\'i Adama sy Eva eto ?

==> Tsy hipasoka ny efa malama aho fa te hametraka fanamarihana :
1- Ny hevitry ny teny hoe devoly dia : mpiampanga, mpanendrikendrika. Samy hafa ireo (hoy isika) raha hevitry ny teny no jerena :
.Manendrikendrika : miampanga ny hafa ho nanao zavatra (ratsy) izay tsy nataony
.Miampanga : milaza ny hafa ho nanao ratsy mba hanamelohana azy
Roa samihafa ireo nefa mitovy satria samy manameloka.

2- Tsy dia Eva loatra no nomelohin\'i Adama ho fototry ny fahotany teto fa Andriamanitra nanome azy vady. (cf. \"Ny vehivavy izay nomenao ahy ...\"). Tsy ny menarana no nomelohin\'i Eva teto fa Andriamanitra namorona ny bibilava.(cf. \"Ary Andriamanitra namorona ny biby samy araka ny karazany avy\").
Na oviana na oviana isika no manome tsiny, na endrikendrika io na fiampangana tsotra, dia Andriamanitra tompon\'ny fahefana sy ny hery ary Mpamorona no melohintsika ho manaonao foana amin\'izany, ary manaporofo ny tenin\'i Jesoa tamin\'ireo Jiosy izany hoe \"ianareo zanaky ny devoly rainareo\"

3- Tsy noho ny fahadisoan\'i Eva no nahazoan\'i Adama fanozonana, fa ny an\'i Adama ihany. Tsy noho ny fahadisoan\'ny menarana no nahazoan\'i Eva fanozonana, fa ny an\'i Eva ihany. Ary tsy ny fahadisoan\'i Adama sy Eva (izay lazaina fa fahotana fototra) no mahavery ny olona tsirairay, fa ny fahadisoan\'ny tenany ihany.

4- Ny fiampangantsika an\'i Adama sy Eva (na hafa koa) ho anton\'ny mahavoaheloka antsika dia manaporofo fa taranak\'izy ireo tokoa isika. Ary ny fiezahantsika hanarona ny fahotantsika mahamenatra amin\'ny asa maro isan-karazany (fiantrana, fitsaboana, fitoriana, fametrahan-tanana, fombam-piangonana : batisa, kaominio, ... sns) dia manaporofo fa taranak\'ireo izay naka ravin\'aviavy hanakonana ny fahamenarany isika.

niryna:

Inona ary no tokony ataontsika mba hiarovana ny tena tsy hanameloka ny hafa na anome tsiny ny hafa amin\'ny zavatra ataontsika na manome fahadisoana ny hafa amin\'izay ataontsika ?

:-*

==> Tsaroako fa rehefa nanakana anay roa tsy hiaraka t@ fomba rehetra azony natao ilay renin\'ilay olona mpifankatia tamiko, na dia niseho ho ni comprendre aza aho t@ voalohany dia tsy tanan\'ny foko ny tsy hihevitra fa ratsy fanahy sy anton\'ny alaheloko izany olona izany.
Rehefa namaly ahy kosa Jesoa hoe \"raha tsy nisy an\'izao ianao tsy nitodika tamiko\", dia afaka teo ny fiampangako an\'ilay ramatoa ary faly kokoa aza aho sy nisaotra fa io ramatoa io dia fitaovan\'i KRISTY mba handrenesako ny feoNy, ka nitarika ny fahazoako antoka ny famonjena.
Ny maha olona ny olona dia ao foana, ary ny maha izy ny olombelona dia manameloka ny hafa foana, mitady izay hanipazana ny tsiny tsy ho eo ambony lohan\'ny tena. Fa rehefa mahafantatra ny fon\'ny olona fa ny tsiny dia efa any @ toeran-kafa (dia any @ hazo fijalian\'i KRISTY), dia ny tsiny noho ny heloka rehetra, dia tsy mba hiampanga ny hafa intsony izy.

Rahoviana no afaka hahazo antoka ny olona fa ny tsiny dia efa nentin\'i KRISTY teo ambony hazo fijaliana tokoa ? Rehefa mahatsapa izy fa velona tokoa ilay KRISTY, ka io Jesoa KRISTY io mihitsy no manambara amin\'ny foNy ny marina.

Hamaranako azy. Vao tato ho ato aho no sorisorena t@ vadiko, ary satria fantatro fa ny fahatezerana amin\'ny rahalahy dia heloka toy ny mamono olona, dia nahafantatra aho fa meloka sahady, na dia mety ho marina koa aza fa diso io vadiko io. Rehefa nahatsapa ny tenako ho meloka aho dia nikaroka ny saiko izay homen-tsiny, ary dia nahita aho hoe noho ny hadisoan\'ny vadiko marobe no nahatonga izany. Isaka ny niresaka tamin\'io vadiko io anefa aho (sady mivavaka), dia tsapako asehon\'i Jesoa ato am-poko foana fa @ points rehetra raisiko, izaho lohany aza mendrika hodisoina kokoa! Satria raha mba tena nino marina aho dia mafy ka ny fahalemen\'ny vadiko dia ho voavotra noho ny heriko amin\'ny finoana, fa niseho tamiko fa tsy nijoro tsara teo ambony vatolampy ny finoako. Nitady lalana ivoahana t@ fanamelohana rehetra aho ary nambaran\'i Jesoa tamiko (tao am-po) fa satria Izy no efa nandray ny heloko rehetra ary mandray ny heloko rehetra, dia afaka tsara mihitsy aho mandray ny heloky ny vadiko rehetra, satria izay heloka sy tsiny tonga aty amiko dia tsy mijanona ato anatiko fa any amin\'ny Tompo ... Ny fahatsapan\'ny fo an\'izay ihany no ahafahana tsy miapanga ny hafa, tsy misy ny ankoatra izay.
\"Koa amin\'izay ao amin\'i KRISTY dia tsy misy intsony fanamelohana\", fa sady tsy voaheloka no tsy manameloka izay ao amin\'i KRISTY.

Misaotra naharitra namaky, fa izay mihaino ny TOMPO dia hahafantatra marina.
20. niryna ( 14/04/2009 14:41)
soanja:


Tsy manendrikendrika ny fiteny an'io fa manilika hadisoana mba tsy ho an'ny tena noho izany dia afendraka amin'ny hafa. Io matetika no antsoin'ny gasy hoe MANOME TSINY ny hafa.

Satria miala ammin'ny fahamarinana. Ny asa na andraikitra atao dia zakain'izay nanao azy sy izay miadidy na mandraharaha ny momba ilay asa.

Eto dia isan-karazany no tokony ho fisehon'ny hadisoana ary samy manana ny tandrify azy avy: misy filazana azy avokoa ireo fahadisoana ireo fa raha tsorina maimaika sy mitambatra dia NY TSY FAHATOKISANA AN'ANDRIAMANITRA!

misaotra anao ,efa nahitsiko tery ambony tery ny tiako ho lazaina.
Adama anie niaiky fa nihinana ny paoma e.Nilaza ny marina izy izany e,dia nampiany hoe eny e nihinana ny paoma aho satria ilay vehivavy nomenao ahy ( tsy mety raha irery rahalehilahy koa dia nanamboaran'Atra vady sahaza ho azy) io no antsoin'ny kristiana eran-tany ho Adama sy Eva fa tsy Adama sy Perline na Anjelica na asa ....
:D izay zavatra tenenin'ny boky hafa akoatran'ny baibolin'ny kristiana,raha ny jiosy mantsy dia manaraka ny testamenta taloha ka mbola miandry an'ilay Mesia hatramin'izao.
Isaorana anefa Atra fa efa maro ireo Jiosy no tonga saina,na ny marina ny fanahy masina no manokatra ny masom-panahin'izy ireo ary dia efa misy Rabbi mitorinteny amin'ny Testamenta vaovao. New Jersey izao dia misy iray,henoy ny radio AM fa mitorinteny isan'andro ilay Pasitera Jiosy na Rabbi .
Hors sujet kely io fa fampatsiahivana ho an'i kristiana fotsiny .

:D :D
soanja:
Rehafa tsy manana fahatsapan-tena nanao diso ny olona iray nefa nanao diso tokoa dia izay no antsoina hoe ota.

misaotra anao ,izay no nahatonga ahy hiteny hoe matetika isika rehefa misy zavatra mitranga dia tsy miaiky iny hoe antsika ny fahadisoana fa ahilika amin'ny hafa foana kanefa Atra efa mahalala fa antsika io fahadisoana io.


Toy ny olona efa zavatra mandainga ohatra ka maheno vaovao dia lazainy ny marina antsany ary ampitomboiny ilay izy ,hi,hi.Izany hoe ny valala nisy fa ny mpilaza koa nahay nilaza e

:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1718