Fahotana ve ny manendrikendrika? ny vhvvy nomenao ahy no ...
41. soanja
(
15/04/2009 22:27)
niryna:
Soanja:iza no niteny taminao fa nanao lavaka mangitsoka izy raha ny fanoharanao io ? Ahoana hoy ny tenin'Atra raha nareo aza izay olona manantsiny(evil doer) manome zavatra ho an'ny zanakareo ka maika ve fa Atra izay rainareo any an-danitra ,gasiko ilay izy a,fa mitovy io no tiany ho tenenina.Tsara aminao ,mahasoa anao ,tsy tsara eo imason'Atra koa aza manome tsiny an'Atra foana woa ...indrisy mantsy raha mba fantatrao ny lavaka mangitsoka miandry anao raha izao no mitohy dia tsy ho sahy hiteniteny foana hianao,fahasoavana no nomeny ho an'ireo rehetra mangetaheta ny teniny fa raha toa ka anohitra ny teniny foana kosa dia miandry tokoa ny fitsarana ...dia aza lazaina hoe samy manana ny finoany ,eny e,fitoriana an'i kristy no toriko eto ,zo-nao no manohitra izany fa mizara ihany aho fa ho tsaraina amin'izay vava avoakantsika avokoa isika na marina izany na fitaka na lainga tsara lahatra satria ny marina fisaka ary ny marina mitavozavoza tsy maharesy lahatra ny lainga tsara lahatra ,saingy Atra ao ambony no atahoran'izay mizara ny tenin'Atra eto
Hanagana trano ve ianao dia asianao lavaka mangitsokistoka eo ampovoan-trano dia takonanao ilay lavaka dia hoy ianao hoe aza manitsaka an'io fa latsaka ianao raha manitsaka an'io? Sanatria tokoa anie izany.
Raha mizara ny hafa ka tsy fantatro iny dia ny mihaino azy no atao eny e,afaka mitory tokoa rehefa mino ny anaran'ny Tompo izay torian'ny hafa reherra eto.Safidy tokoa io ka aleo hangina fa araka ny teninao izay hoe samy mbola ho tsaraina ....oya, ny kristiana koa tompoko dia tsy ho tsaraina intsony satria efa voavidin'ny ran'i Jesosy izahay,ny rehetra izay tena mino an'i kristy sy manaraka ny hafany fa tsy izay rehetra manonontena ho kristiana kanefa manohitra ny tenin'Atra foana no hafafiny,fantaNy izany ary izay manana ny fanahiny dia mahalala koa izay fanahy miresaka eto na avy amiNy na tsia(spirit of discernement ..( no more condemnation for all the Christians to those who are truly believe in Christ,live in Christ ,die for Christ and follow Christ's word.)
soanja:
Ilay Andriamanitra tia antsika dia tsy hamitaka antsika. Tsy hamboatra voary hanimba antsika sy hanapotika antsika ary hanorina toerana hamelezana sy hampijaliana antsika. Izy ilay Fitiavana. Tsy misy fetra ny fitiavany
Atra no nanome fa balita no tsy nambinina ,satria nahoana nitompo teny fatratra tamin'ny fampianarana poakaty ka manilika sy mamafy izany amin'ireo kristiana hafa amin'ny teny mandangolango ka voafitaka sy manaraka izay tsy manana an'ilay fanahy masina.
Atra dia be fitiavana ,tsy misy ratsy ny zavatra nataony tompoko araka ny teny ao anatin'ny baibolinay,izay ny anareo any no tsy fantatro ka sarotra ahy ny anaiky izay teninao hoe ho mpamitaka izy.
Iza no niteny anao fa nanao voary hanimba antsika izy? aha,,, satana tompoko dia afaka miseho amin'ny endriny maro hoanay mino ny fisiany, ho an'izay tsy mino kosa dia avelan'Atra anaraka ny lainga hafafiny satria izay no tiany ? dia izay koa no omenAtra azy.
Aiza koa no misy an'izany ?Raha tsy mino dia alalino ny baibolin'ny kristiana fa voasoratra ao izany,
Satana 'koa dia afaka manova ny tenany ho anjelin'izao tontolo izao mpandainga,mpamitaka,mpandroba ny fifalian'ny hafa,mamingana ireo kely finoana sy mihevaheva ,saingy na dia mitady hamotraka ny kristiana aza izy dia tsy tafiditra ny baolina satria ny fanahin'Atra no efa ao anatin'ireo tena kristiana
rehefa tsy mandaitra indray iny dia mivoaka eo amin'ny masony eo ilay fanahy maloto ao aminy ..Raha mbola tsy nahita hoy aho dia mila mianatra ny tenin'Atra isika ary mila mivavaka mba ho ny fanahy masina no hirotsaka ao amintsika,izay no antony hitoriana lava eto ,raha tsy mahalala moa izy dia mba ho ao aminy amin'izay izany fanahy izany.
Ny tenin'Atra dia manindrona ,marary,mafy kanefa raha raisina amin'ny fitiavana ilay izy dia izay mandray azy no ahazo famindrampo sy famonjena ..Koa aza manamafy ny fo fa izay rehetra nangataka dia tsy mbola nisy na iray aza natosi-borotanaNy fa nampiaNy sy novonjeNy avokoa.
Tandremo indray aza fa sao lazaina eto hoe aza ampitahorina ny olona na Atra akory tsy biby fampitahorana .Fo madio no tadiaviny amintsika,tiavo ny mpanota fa ankahalao ny ota ,,,love the sinners but hate the sin hoy ny soratra masina ary notsongoin'ny rehetra koa io teny io fa sao (lazain'ika )eto indray hoe io fa mangalatahaka niryna an :D:D
rakapy:io koa fa voa rakapy,safidinao no te hiverina amin'Atra na tsy te-hiverina fa tsy ny fianakavianao akory no itondra anao any am-piangonana ..io anie no resahiko eto e,moa ve ny fahotako dia ny hafa no ailiko nahatonga izany? Ny famonjena dia ho an'ny tsi11 izay mandray an'i kristy ,tsy te ho voavonjy hianao ? dia aza ahilika any amin'ny hafa ny fahadisoanao/na ny ahy.Tsy te hiangona ny zanako na ny anao ?Dia ampahafantaro azy fa ho an'i tsi11 io ka safidiny io fa tsy afaka iteny izy hoe ka i dada na i neny tsy nitondra ahy,hafafy fotsiny ny teny dia tsy miverina aty amiko .amin'izay nitory azy
Io dia fanotaniana nipetraka tato an-tsaiko efa fony aho vao 14 taona ary anisan'ny nampiady ahy sy ny fianakaviako ka nahatonga ahy tsy hiiditra fiangonana intsony mandrak'ity ny androany.
Raha mbola tsy nahita experiences izany fitiavan'Atra izany hianao dia manontania tena hoe ,avy taiza ny rivotra hiainako isan'andro io?
Manandrama mivavaka ary antsoy ao amin'ny hefitra mangina Atra ,tongava ato am-poko ,asehoy ahy izany voninahitrao izany raha tena misy tokoa hianao .. Ataovy ny fanandramana ka miverena aty amiko raha toa ka tsy mahita fihovana amin'ny fiainanao hianao,na tsy misy fanahy mibitsika aminao ,raha toa ka tena vonona ny andray Azy tokoa hianao a?
rakapy:
Amiko mantsy ,amin'ny maha olombelona ahy dia tsy hanamboatra zavatra mety hanimba ny olon-tiako na ny zavatra mamiko mihintsy aho.
Marina izany satria amin'ny maha olombelona antsika no diniantsika fa amin'Atra dia nataony ahatsara ny fiarahana aminy,fahalalana Azy sy ny voninahiny ny fiderana azy amin'ny zavatra rehetra mitranga amin'ny fiainantsika,tsy fantantsika ny antony fa mino sy mahatoky isika fa misy antony.Misaora anie Azy amin'ny zavatra rehetra mitranga amin'ny fiainanao e,ho maivana izany enta-mavesatra izany ary dia anontany tena hianao fa ahoana
Nefa dia voalaza fa dia A/tra dia fitiavana ary tia antsika rehetra sy mikatsaka izay hahafaly sy hahasambatra antsika indrindra fa ara-panahy ary izy no nanamboatra izao tontolo izao na ny hita maso na ny tsy hita fa tsy mba nolazaina hoe na ny tsara na ny ratsy anefa?.dia ahoana ? kanefa hoy koa izy moa ve ny soa ihany va no raisinareo amiko fa tsy ny ratsy koa,ratsy eo anatrehantsika izany fa nataony hanova ny fontsika halefako ,hifona,handefitra asa ,marobe ny antony ary maro no nijoro vavolombelona fa tao anatin'ny fahoriana mangitsoka aho hoy izy ireo no namaly ahy hianao ,izao no anisan'izany raha tianao ho fantatra ka nahatonga ahy nizara ny teni n'Atra eto ..
Atra dia nanao izao rehetra izao ho voninahiny,satria nomena safidy isika ary dia tafiditra amin'izany koa ilay Anjelin'izao tontolo izao izay nitsiriritra ny fanjakan'Atra ka rehefa tsy nahazo izay tadiaviny izy dia nivadika tamin'Atra.Toa izany koa isika indraindry,misy tsy mahazaka ny fahoriana mahazo azy ary dia lasa manalavitra an'Atra.misy ny fahotana no mampisaraka antsika amin'Atra ,tsy fohintsika ilay ratsy mahazatra nataontsika,ka na dia mihery aza isika dia fantany izany saingy misy mifona dia voavela ny helony,ary izay no tadiaviny ho antsika rehetra , misy ny manana pride na mitady voninahitra,mihevitra ny fahaizany ho ambony noho ny herin'Atra ka mihevitra fa tsy misy Atra fa izy daholo no nahatonga azy ho mahay ohatra ,na manana na asa ,raha mbola ao amintsika ny fitiavantena ,ny fiafonafonana,ny fialonana ,ny fandikana ny teniny,ny fiziriziriana sns izay toetra ratsy manasaraka antsika amn'Atra dia ho hanome tsiny azy foana isika
Ka eo no mipetraka ny fanotaniako hoe ,inona izany no tena antony namoronany ilay ratsy (devoly hoy ny sasany) hanimba atsika nefa lazaina ao @ baiboly fa izy dia fitiavana?
Soa ihany anefa nomeny ny Zanany isika izay nahita ny fahoriana rehetra andalovantsika ary dia nanaiky ny rany ho fanavotana antsika rehetra raha mino azy isika,tsy mora ry rakapy a,tsy mbola tara koa fa soa ihany fa misy ity sera ity izarana sy ijoroana vovolombelona fa noho ny fitiavany ahy,anao ,antsika rehetra noho nahatonga antsika toa izao,Dia diniho foana ny soa azontsika avy amiNy fa tsy ny zavatra heverintsika fa ratsy mahazo antsika
Ny fahasoavan'Atra anie homba anao,ho antsika rehetra
(l)niryna
Mba azon'i Nyrina soratana eto ve hoe IZA NO NAMORONA NA NIHARY NY SATANA??? raha toa ka Andriamanitra resahinao io no nahary ny rehetra na ny hita maso na ny tsy hita na ny any an-danitra na ny ety an-tany?
Tsy smart ary ve le Andriamanitra no nanamboatra ny menarana, ny satana, ny fanahy ratsy sns... satria tsy hitany mialoha ny ho fivadik'ireo sa ahoana?
Ilay Andriamanitra Fitiavana resahiko dia tsy misy hidiran'ireo satana sy hafa mampatahotra ireo fa dia Hazavana avokoa. Ny rehetra dia mirona mankany mikatsaka sy mitady izany ary Izy handray sy hampiombiona antsika lalandava fa tsy hampisaraka antsika toy ny voizina lava ao anaty baiboly. Sorry baby!!!!
42. ari.malala
(
16/04/2009 06:00)
niryna:euh, otran ts azoko kely, izany hoe ny dikan'io teny io v zany ny an'i niryna iany no tena marina fa ny an'ny hafa d poakaty dool? aza diso manamarintena loatra re e! mbà manàna fahaizana manetry tena fa i Jesoa aza anie nampianatra ny hilazana hoe mpanompo tsy mahasoa izahay fa izay kely vitanay iany no nataonay e! tsy ambony noho Andriamanitra mitnsy enao!
Atra no nanome fa balita no tsy nambinina ,satria nahoana nitompo teny fatratra tamin'ny fampianarana poakaty ka manilika sy mamafy izany amin'ireo kristiana hafa amin'ny teny mandangolango ka voafitaka sy manaraka izay tsy manana an'ilay fanahy masina.
43. soanja
(
16/04/2009 15:18)
ari.malala:
niryna:euh, otran ts azoko kely, izany hoe ny dikan'io teny io v zany ny an'i niryna iany no tena marina fa ny an'ny hafa d poakaty dool? aza diso manamarintena loatra re e! mbà manàna fahaizana manetry tena fa i Jesoa aza anie nampianatra ny hilazana hoe mpanompo tsy mahasoa izahay fa izay kely vitanay iany no nataonay e! tsy ambony noho Andriamanitra mitnsy enao!
Atra no nanome fa balita no tsy nambinina ,satria nahoana nitompo teny fatratra tamin'ny fampianarana poakaty ka manilika sy mamafy izany amin'ireo kristiana hafa amin'ny teny mandangolango ka voafitaka sy manaraka izay tsy manana an'ilay fanahy masina.
Ari> Misaotra mitondra ny fahendrena ho an'ny rehetra.
:-* :-* :-* :-*
45. fahamarinana
(
17/04/2009 06:10)
:arrow: Karan'izay koa ! Misaotra Rahavavy malala ari....mampahatsiahy ahy,antsika hatrany ... :-* (l)
46. niryna
(
21/04/2009 04:03)
ikaretsaka:
tsy ny teny no mody aolakolana @ gasy sy tsy gasy eo ry niryna fa ny arguments anao atao tsara ze hampitombina azy aloha
:* =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =))
47. niryna
(
21/04/2009 04:21)
niryna:
Ny fanontaniako dia fahotana ve ny manendrikendrika ?
toy ny ataon'i Adama sy Eva eto ?
coopsal:misaotra anao nanazava
==> Tsy hipasoka ny efa malama aho fa te hametraka fanamarihana :
1- Ny hevitry ny teny hoe devoly dia : mpiampanga, mpanendrikendrika. Samy hafa ireo (hoy isika) raha hevitry ny teny no jerena :
.Manendrikendrika : miampanga ny hafa ho nanao zavatra (ratsy) izay tsy nataony
.Miampanga : milaza ny hafa ho nanao ratsy mba hanamelohana azy
Roa samihafa ireo nefa mitovy satria samy manameloka.
2- Tsy dia Eva loatra no nomelohin'i Adama ho fototry ny fahotany teto fa Andriamanitra nanome azy vady. (cf. "Ny vehivavy izay nomenao ahy ..."). Tsy ny menarana no nomelohin'i Eva teto fa Andriamanitra namorona ny bibilava.(cf. "Ary Andriamanitra namorona ny biby samy araka ny karazany avy").
Na oviana na oviana isika no manome tsiny, na endrikendrika io na fiampangana tsotra, dia Andriamanitra tompon'ny fahefana sy ny hery ary Mpamorona no melohintsika ho manaonao foana amin'izany, ary manaporofo ny tenin'i Jesoa tamin'ireo Jiosy izany hoe "ianareo zanaky ny devoly rainareo"[/quote] ka izay ilay maha olombelona knou,misy ary ny olona tsy mety raha tsy misy lainga kely izay teneniny satria efa zatra,dia ao koa ny tsy mety raha tsy manao teniratsy variraka indrindra moa rehefa tafaraka izay ny mitovy,dia ao koa ny olona tsy manantsaina hafa tsy ny anome tsiny ny hafa foana na koa ny fahadisoany dia ny hafa no mahazo loza. Na ny ankizy aza anie dia manao izany indraindray e,mianjera ny zavatra eny an-tanany dia hianao no mahazo loza ,hi,hi
io koa no mahalasa saina ahy indraindray ,izy mivady no miady hoy ny fiteny dia ny zanany avy no voatorotoro.:D
3- Tsy noho ny fahadisoan'i Eva no nahazoan'i Adama fanozonana, fa ny an'i Adama ihany. Tsy noho ny fahadisoan'ny menarana no nahazoan'i Eva fanozonana, fa ny an'i Eva ihany. Ary tsy ny fahadisoan'i Adama sy Eva (izay lazaina fa fahotana fototra) no mahavery ny olona tsirairay, fa ny fahadisoan'ny tenany ihany.
Adama sy Eva no nanao ny nataony dia nrehetra no teraka ho mpanota avokoa :D
tsy azoko ny tianao tenenina
4- Ny fiampangantsika an'i Adama sy Eva (na hafa koa) ho anton'ny mahavoaheloka antsika dia manaporofo fa taranak'izy ireo tokoa isika. Ary ny fiezahantsika hanarona ny fahotantsika mahamenatra amin'ny asa maro isan-karazany (fiantrana, fitsaboana, fitoriana, fametrahan-tanana, fombam-piangonana : batisa, kaominio, ... sns) dia manaporofo fa taranak'ireo izay naka ravin'aviavy hanakonana ny fahamenarany isika.
niryna:[qute]
Inona ary no tokony ataontsika mba hiarovana ny tena tsy hanameloka ny hafa na anome tsiny ny hafa amin'ny zavatra ataontsika na manome fahadisoana ny hafa amin'izay ataontsika ?
:-*
==> Tsaroako fa rehefa nanakana anay roa tsy hiaraka t@ fomba rehetra azony natao ilay renin'ilay olona mpifankatia tamiko, na dia niseho ho ni comprendre aza aho t@ voalohany dia tsy tanan'ny foko ny tsy hihevitra fa ratsy fanahy sy anton'ny alaheloko izany olona izany.
Rehefa namaly ahy kosa Jesoa hoe "raha tsy nisy an'izao ianao tsy nitodika tamiko", dia afaka teo ny fiampangako an'ilay ramatoa ary faly kokoa aza aho sy nisaotra fa io ramatoa io dia fitaovan'i KRISTY mba handrenesako ny feoNy, ka nitarika ny fahazoako antoka ny famonjena.[/quote] ndry nqmpalahelo hianao izany
mazava
Ny maha olona ny olona dia ao foana, ary ny maha izy ny olombelona dia manameloka ny hafa foana, mitady izay hanipazana ny tsiny tsy ho eo ambony lohan'ny tena. Fa rehefa mahafantatra ny fon'ny olona fa ny tsiny dia efa any @ toeran-kafa (dia any @ hazo fijalian'i KRISTY), dia ny tsiny noho ny heloka rehetra, dia tsy mba hiampanga ny hafa intsony izy.
Rahoviana no afaka hahazo antoka ny olona fa ny tsiny dia efa nentin'i [KRISTY teo ambony hazo fijaliana tokoa ?
Rehefa mahatsapa izy fa velona tokoa ilay KRISTY, ka io Jesoa KRISTY io mihitsy no manambara amin'ny foNy ny marina.io ilay lazaiko hoe ny fanahin'Atra no mibitsika antsika mangina ary manintsy sy mampianatra ary mampahafantatra antsika ilay fahamarinana
misaotra anao nijoro vavolombelona
Hamaranako azy. Vao tato ho ato aho no sorisorena t@ vadiko, ary satria fantatro fa ny fahatezerana amin'ny rahalahy dia heloka toy ny mamono olona, dia nahafantatra aho fa meloka sahady, na dia mety ho marina koa aza fa diso io vadiko io. Rehefa nahatsapa ny tenako ho meloka aho dia nikaroka ny saiko izay homen-tsiny, ary dia nahita aho hoe noho ny hadisoan'ny vadiko marobe no nahatonga izany. Isaka ny niresaka tamin'io vadiko io anefa aho (sady mivavaka), dia tsapako asehon'i Jesoa ato am-poko foana fa @ points rehetra raisiko, izaho lohany aza mendrika hodisoina kokoa! Satria raha mba tena nino marina aho dia mafy ka ny fahalemen'ny vadiko dia ho voavotra noho ny heriko amin'ny finoana, fa niseho tamiko fa tsy nijoro tsara teo ambony vatolampy ny finoako. Nitady lalana ivoahana t@ fanamelohana rehetra aho ary nambaran'i Jesoa tamiko (tao am-po) fa satria Izy no efa nandray ny heloko rehetra ary mandray ny heloko rehetra, dia afaka tsara mihitsy aho mandray ny heloky ny vadiko rehetra, satria izay heloka sy tsiny tonga aty amiko dia tsy mijanona ato anatiko fa any amin'ny Tompo ... Ny fahatsapan'ny fo an'izay ihany no ahafahana tsy miapanga ny hafa, tsy misy ny ankoatra izay.
"Koa amin'izay ao amin'i KRISTY dia tsy misy intsony fanamelohana", fa sady tsy voaheloka no tsy manameloka izay ao amin'i KRISTY
Misaotra naharitra namaky, fa izay mihaino ny TOMPO dia hahafantatra marina.
^:^ ^:^ =D> =D>
