FITENIM-PARITRA HAITSIKA ETO AMIN NY SERASERA ...

1. lemenakely ( 24/02/2009 19:49)
Asa mino aho fa ankoatran ny fiteny malagasy ofisialy ny fiteny MERINA ,dia maro amintsika eto ny mahay fiteny any @ faritra hafa eto MADAGASIKARA , ny ahy moa dia ny BETSIMISARAKA no haiko ary mahafinaritra ahy ny miteny azy .

Salama aminareo ma' ro ...
répondu par OVAR le 17/12/2015 05:38
2. ikaretsaka ( 24/02/2009 19:59)
taoko marina izany iiii ... kory ndroky lemenakely... :-D
anayy hatrany bira de tsary haiko k'aloha fa toa ny mandeha ho azy le izy indraindray she'fann iny na hoe ta hiteny ofisialy aza
fa rehefa misy olo raiky miteny an'ilay teny anga de mivadika ho azy le lela ho an'ireo olona efa nipetraka tany @ ireny faritra ireny iii

ohatra hoe vakina ianao fa lehibe tany Tana ohatra dia nmisy fotoana nmivelomanao tany @ bara... fa miova ho azy
3. lemenakely ( 24/02/2009 20:13)
fa ny fiteny ANTANDROY ohatran ny mampihomehy izany ry zareo rehefa miresaka sy miteny ilay izy :-D
4. ikaretsaka ( 24/02/2009 20:22)
rehefa ry zalahy ao atsimo andrefana ao raha tsy zatra hafahafa aby ny fanenony ka... misy milaza kao hoe ny any avaratra no hafahafa @ le intonation

Ny anay Vakinankaratra indray hoe le manova fiteny ... hoe lampe de poche lasa "lankideposy" ohatra :-D
5. dadasy ( 24/02/2009 21:29)
ary efa henon'ika angah @ le manova fiteny ihany, ohatra hoe: pare-brise dia lasa fitara-birizy!! entreprise de lasa "antoka prizy" !!!
=))
6. rakaroka ( 24/02/2009 21:36)
lemenakely:

fa ny fiteny ANTANDROY ohatran ny mampihomehy izany ry zareo rehefa miresaka sy miteny ilay izy :-D



Akôre! :lol: Sarotse tegnignay : 'mbo tegny gasy koa. Tsa hain-ramerina ty mivola "'gn" ity! 'ndraika koa e misy tegny mifandipatry mihitsy ny hevigny: sahala amin'ny " miakatse" . Ny manapatsinay :-D :-D :-D
dia maro koa 'reo artiste mi-zeste mihira amin'ny fiteniay "atimo" ao e, saingy tsa mahay tsara fanonon-dreo ny tegny; Dia sahala amin'ilay hatsikanareo
@ hira hoe " shekqua disssoou pec 'zahhoou"
:wink: :-D :-D :-D
7. lemenakely ( 24/02/2009 21:48)
Ha ha ha misy mahay miteny Atandroy ato !..
8. ikaretsaka ( 25/02/2009 01:24)
dadasy:

ary efa henon'ika angah @ le manova fiteny ihany, ohatra hoe: pare-brise dia lasa fitara-birizy!! entreprise de lasa "antoka prizy" !!!
=))



ny anay io efa mahazatra ka..
ny "tondeuse" lasa daon-dezy
ny "stationnement" lasa "stano cinema"
ny Magasins lasa "manga -sahy"
9. soanja ( 25/02/2009 01:53)
rakaroka:

lemenakely:

fa ny fiteny ANTANDROY ohatran ny mampihomehy izany ry zareo rehefa miresaka sy miteny ilay izy :-D



Akôre! :lol: Sarotse tegnignay : 'mbo tegny gasy koa. Tsa hain-ramerina ty mivola "'gn" ity! 'ndraika koa e misy tegny mifandipatry mihitsy ny hevigny: sahala amin'ny " miakatse" . Ny manapatsinay :-D :-D :-D
dia maro koa 'reo artiste mi-zeste mihira amin'ny fiteniay "atimo" ao e, saingy tsa mahay tsara fanonon-dreo ny tegny; Dia sahala amin'ilay hatsikanareo
@ hira hoe " shekqua disssoou pec 'zahhoou"
:wink: :-D :-D :-D


Talilio rey, Rakaroka!

Manao akory Iha? Soa aby anay aty Ameriky. Soa tsy magnahy. Manitra be raho magnety ty sarinao amy serasera ato. Ombia iha impoly agny Androy agny? Laha mankany iha, soa tsy halino ny iha manoratse aty ameko fa raho manigna be ty aminay Beahitse. Mosarea be ty Androy agne. Tsy misy ty orane. Maty aby ty fambolea ;balahazo sy paraky. Maro bey ty ndaty raty mangalatse ty aombenay. Mahavelo ragnetsako, fa iha nandefa mozika taminay atoy. Veloma anao, ragnetsako Rakaroka! Hoy Soanja

Mianatra mafy ny teny Mahafaly aho ka izay mahay dia mba tsarao izay diso eo azafady an. Misoatra mialoha.


:) :) :)
10. ikaretsaka ( 25/02/2009 06:07)
asiany ilay hoe
Esikedreitse! kory mamany ! tsa himpoly koahy ty ndate lehe tsy milami tane iroy, Ehe mosarea avao, ty orane tsy milatsake tsakotsako tsako noa rombakea an-tonda laha atao lity! lehe navy anabo any ranetsako meo drala avao ty ndaty hamily vare
11. Tenio ( 25/02/2009 06:10)
soanja> molia rehe kahy lafa magnine, amiay atiky le mangiky
12. lemenakely ( 25/02/2009 06:28)
Eka ro finaritra zahay e, faly sy ravo ny tenanay fa iraiky ihany ny malagasy na tsy iraiky ny fomba fivolana , eto amignay Tamatave eto moa dia ambohi- pihaognatsika malagasy jiaby e , indrindra ny sud Est .Arivo lahy tsy maty indraiky andro hoy Antananarivo ! Fa lakana tsara voha mahafak onja hoy zahay eto ma ro !...
13. lemenakely ( 25/02/2009 06:31)
Asa ianareo raha nahatadidy an i Tata Florent Max tao @ RNM fa izy dia mahay fitenim- paritra maromaro tokoa !...
14. soanja ( 25/02/2009 07:24)
lemenakely:

Asa ianareo raha nahatadidy an i Tata Florent Max tao @ RNM fa izy dia mahay fitenim- paritra maromaro tokoa !...

Tena nahafinaritra ahy tokoa nihaino an'azy iny tamin'izany. Saingy izy moa taty afara le mpandefa diska loaka tamin'ny andron'ny krizy Ratsiraka iny sa ve diso aho?? Tsy tadidiko fa nisy fotoana ny RNM dia tsy mandefa n'inona n'inona afatsy hira efa tonta be dia avy eo iny ihany no miverimberina isanandro.


:(
15. soanja ( 25/02/2009 07:33)
Tenio:

soanja> molia rehe kahy lafa magnine, amiay atiky le mangiky


Te himpoly raho fa misy koronta bey ty Madagasikara. Mbola ho avy agny avao raho lehe mahazo vola bey ambily sarete. Sarotse ty mahazo valy antagne Mahafaly toa. Longoko aby efa antitse agne. Ke vasa iha mahita rembe ho ahy laha tonga agny raho? Magnitra be raho mahita ragnetse hafa afaka mivola teny Mahafaly! le Mahavelo! Soanja


16. lemenakely ( 25/02/2009 08:14)
soanja:

Tenio:

soanja> molia rehe kahy lafa magnine, amiay atiky le mangiky


Te himpoly raho fa misy koronta bey ty Madagasikara. Mbola ho avy agny avao raho lehe mahazo vola bey ambily sarete. Sarotse ty mahazo valy antagne Mahafaly toa. Longoko aby efa antitse agne. Ke vasa iha mahita rembe ho ahy laha tonga agny raho? Magnitra be raho mahita ragnetse hafa afaka mivola teny Mahafaly! le Mahavelo! Soanja




Eritrereto hoe tpkl dada Monja no miteny an io , ha ! ha ! ha

17. xxx ( 25/02/2009 11:05)
Akory ragnadria!
:lol: :lol:
18. Lejoba ( 25/02/2009 12:46)
izaho efa niray lalana t@ Bara fa izany raha misy azoko izay lazainy, nefa izy be resaka be. Valiana ny mmmhhh sy ny eeeehhh tsindraindray eny fotsiny.
Mampanontany tena hoe teny arabo ary ve izany sa teny gasy?????????????? :oops: :oops: :oops:
19. ikaretsaka ( 25/02/2009 15:28)
@ voalohany ihany fa raha any 2 sy 3 volana ianao dia mila mihaino tsara de azonao ihany...

fa io koa no hitako mahavoa antsika ao am-povoany ao .. rehefa hafahafa amintsika ilay teny dia tsy ny hi dechiffre an'ilay izy no katsahina fa ny hiteny hoe
"inona hono izany lazainy?" foana no averina

Ahako aza miteny vakinah dia taloha shefa tany ampianarana tao Tana de "inona hono izany zalainy" foana ro mahazo
20. xxx ( 25/02/2009 16:23)
Ny any avaratra no hitako tena sarotra ka : izaho efa niaraka nianatra t@ ankizy avy tany @ SAVA teny @ Anjerimanontolo fa dia voatery niresaka t@ teny frantsay izahay 2 (la honte hoy ny vazaha)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3816