FITENIM-PARITRA HAITSIKA ETO AMIN NY SERASERA ...

21. andrywui ( 25/02/2009 19:11)
karakory djiaby mwandjani nakay ato oo!! O! bakasaly reto !! ino koa ma raha koragninareo ato zany ino ?? nakay ndraiky laolo menakely ! izikoa volagniko amino djiaby teny Majunga nipitrarako ta Boegny rango zay ! hainao tsara donko oe zanatany ankitiny laolo ty ay !!! ano ndraiky ndro reraka !! fa izikoa ndraiky ano te hikoragna amikay raiky tena ankitiny !!! ampianariko teny sakalava agnao tonton !! ^:^ ^:^ ^:^
22. kelly13 ( 25/02/2009 19:25)
mafinaritra! miandry an'i fahamarinana mba hiteny avy any tamatave
23. simplex ( 25/02/2009 20:00)

fitenin'anjanomalina ihany no mba fitenim-paritsa haiko :lol: :P

;-)
24. ikaretsaka ( 25/02/2009 20:58)
rehefa tsy "tenatenain" ialahy sy titiavin'ialahy anay de tsary manahy le simpleksa a
25. fahamarinana ( 26/02/2009 09:03)
:arrow: kelly : ny any fahamarinana ndraika mifangaro bodaka nata betsimisaraka nata sakalava nata betsileo,izy aby e!..zegny mahavoa ny olo mandehandeha io,tsy misy raha hainy mbakany e !...tsy misy raha zakaina fô...tiàko jiaby fiteny misy amintsika any...:-* (l)
26. ari.malala ( 26/02/2009 09:09)
Ny fiteny avy any Atsimo aloha dia mafinaritra ahy ary isany tiako ho hay saingy tsy misy mampianatra! rehefa miresaka ry zareo samy avy any sondriana mintsy ah mihaino anjareo fa zany hoe tsy misy hay izya lazainy na dia miezaka mamantatra ihany aza :)
27. ikaretsaka ( 26/02/2009 16:19)
ari.> tsary mahay ianao raha tsy efa nijanona maharitra tany sy voatery... toy ny teny hafa rehetra ihany io hoe tsy hiteny angalisy accent texan ianao raha tsy mihaino ilay izy elaela
fa marina kao io hoe mifangaro io le izy rehefa ela nitetezana.. indrindra le mifanakaiky.. ny ahy ny Bara sy ny tanosy no tena afangaroko be
28. soanja ( 27/02/2009 04:32)
Ah zalah tsy hita foeky olo boaka Diego. Balibaliky masoko miambigny iroh hivolagna eto fa ehe nijibika aia e!!!! Izikoa misy volagna tiako, Antakaragna io premie! Bizou kony anaroh jiaby agny!!!! Soanja
29. Tenio ( 02/03/2009 13:44)
soanja> mahazo moly riha ragnetse fa koronta zao gea raha fa mahazatsy.
30. ari.malala ( 03/03/2009 12:01)
ika, fa mafinaritra le mihaino andry zareo a! :) za te hahay :)
31. ikaretsaka ( 03/03/2009 14:49)
efa hoe mipetraha any fa omeko 2 volana ianao de mahay
32. soanja ( 03/03/2009 17:06)
Tenio:

soanja> mahazo moly riha ragnetse fa koronta zao gea raha fa mahazatsy.


Koronta ao Madagasikara zao gea mampatahotse raho soasoa. Laha mana drala ambily basy raho da moly. Ombia marigne Madagasikara toe vo hilamigne? Tika ragnetse mila mifankatia. Seresere ty politika toe raha abiaby agne. Mijaly aja madiniky. Tsy mandeha lekoly. Tsisy sakafo. Sahira ty saiko. Ino ty atao?
Ino bizinesy soa atao agne, ragnetsako? Le mahavelo. Soanja


33. Ratoa ( 03/03/2009 17:08)
Mahafinaritra daholo ê. rehefa dinihana kely dia azo ihany ny dikany. Izaho, merina aho fa raha midina amrondranomasina aho dia azoko ihany izay lazain'ny olona fa izaho no tsy afaka miteny. Satria tsy misy fotoana ianarako sy itenenako. Izaho anefa miteny teny vahiny (tsy malagasy izany) efatra (4 langues étrangères).
Akory moa raha samy manoratra ny teniny ny faritra eto dia adikany merina mba ianaranay fa ny fiteny merina no efa hain'ny betsaka? Rehefa ela ny ela ve tsy hiteny izahay?
34. ikaretsaka ( 03/03/2009 17:56)
Ratoa> tsary mety zany taoko iii...ka io agny ro mahavoa iiiiii "adikao merina e.. Inona ho zany ambarany iiiiiiiiiii" de sha'farany lasa tsary hiasa tsony le saina fa ..
anay aza vakinankaratra fitsiny fa tsary mandeha lavitra sh'efann iny de tratran zay tako, di anareo vi hiandry adika teny foanaa iiii

soanja> aia matahotse fo ty koronta laha tsy haharitse, mbaka itoy dralanao hamily tonda hambole tsako se aombe be vata are kanaly!longonao aby ahay itoy
35. soanja ( 04/03/2009 00:58)
ikaretsaka:

Ratoa> tsary mety zany taoko iii...ka io agny ro mahavoa iiiiii "adikao merina e.. Inona ho zany ambarany iiiiiiiiiii" de sha'farany lasa tsary hiasa tsony le saina fa ..
anay aza vakinankaratra fitsiny fa tsary mandeha lavitra sh'efann iny de tratran zay tako, di anareo vi hiandry adika teny foanaa iiii

soanja> aia matahotse fo ty koronta laha tsy haharitse, mbaka itoy dralanao hamily tonda hambole tsako se aombe be vata are kanaly!longonao aby ahay itoy


Drala zao mbala ilay fa tsy mana raho. Ragnetse Ika, i toe moa antane Mahafaly agne se andafy atoa? Marigne ty vola iha. Longoko aby areo agne. Magnine ty fokoko mbake longoko aby raho. Magnine raho fa lavitse ty tane. Maharare ty foko satria koronta lava avao ty Madagasikara. Mate ty tsako sy balahazo satria may be ty tane. Mosarea ty logoko. Mila mangatake ami Zanahary tika gea. Mila ty fanampiane. Mila aombe be vata atao joro. Ndao tika gea fa miamby i.


36. ikaretsaka ( 04/03/2009 03:02)
Antane bara avao iaho itoy nisy fitoa. Vo miagnatse fa alino abe ty voambola lehe tsy ampiharine avao
37. ari.malala ( 04/03/2009 11:19)
IKa sy Soanja, azoko aby ny raha ambaranareo, fa zaho tsy mahay mamaly :) fa io vakiana de mazava, fa raha nareo miteny azy ka hiteny malaky, mba marian raha misy azoko na raika! hihihi
38. Ratoa ( 04/03/2009 12:55)
Ny drala lazainao angaha maniry ohatra ny anana? Hitsako tsy misy izao i Madagasiakara satria tsy avelan'i Andry hiasa!
Ary aiza no ahita aomby be vata? anay tsy tandroy. Any Androy any no be omby , ny aty vilona tsy misy aomby.
Mivavaha hanampy Zanahary.
39. soanja ( 04/03/2009 13:28)
ikaretsaka:

Antane bara avao iaho itoy nisy fitoa. Vo miagnatse fa alino abe ty voambola lehe tsy ampiharine avao


Namasite Ragnetse!


40. Tenio ( 06/03/2009 06:36)
Aia gea ty himpaliavagne aombe hovilia? ty drala havily vary fa magnahira.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3992