valimbavaka

1. xxx ( 17/11/2008 14:39)
miarahaba antsika rehetra
te hizara amitsika rehetra ny fitiavan'andriamanitra a satria tsapako fa mamaly vavaka izy ary ataoko fa c'est la moindre des choses angamba ny mizara amin'ny hafa zay zavatra tokony ho fantatry ny olona momba an'Andriamanitra.
miaraka @ tovolahy iray aho efa ho telo taona zao, izaho de kristiana mpandray ny fanasan'ny tompo,izy io avy @ fianakaviana kristiana saingy ohatra ny misy hery hafahafa mipetraka ao aminy ka tsy tia an'Andriamanitra mitsy izy fa lazainy fa ze zavatra ratsy mitranga de faute n'A/tra daoly hono, efa niezaka a nanazava taminy fa tsisy anizany fa A/tra tia antsika fona fa otrany oe tsy mety convaincu mitsy izy, ny hany nataoko de nivavaka ho azy satria tiko izy ary tiko ho voavonjy. izy de mankany ampiangonana sady mpandray fa otrany oe forcen'ny ray aman-dreniny fotsiny izy makany de mande, izy anefa dia olona tsara fanahy ary tena tsotra fa de tsy mivavaka izy. nangataka torohevitra t@ olona satri itako tao anaty boky zay fa ny kristiana tsy tokony hiaraka @ olona tsy mino an'A/tra, kanefa nolazain'ireo namako tamiko fa matoa izy nataon'A/tra niaraka tamiko de mbola tiany hovonjena satria @ alalako. taty aorian refa niezaka teny aho nanazava taminy de nanomboka tsy ni haïr an'A/tra intsony fa lasa indifférent fotsiny, efa itako fa niova tsikelikely ny toetrany (lasa tsy mora tezitra). indray andro nisy PDF t@ internet, témoignages momba ny enfer de nasaiko novakiany de iny no nanova azy satri teo izy vao nahatsapa fa tia azy A/tra satri mbola nitady moyen hampitana aminy ny fitiavany foana ary de lasa mivavaka izy zao,zaho ary tsy nino mihitsy hoe niova izy fa rehefa mi observer anazy a de itako izy oe faly izy miresaka an'A/tra sy ny fitiav any, faly foana izy ary ra misy zavatra manjo azy de tsy mampaninona azy fa miteny fotsiny izy hoe ankinina amin'A/tra ny fiainana de mande tsara fona, ary ny impact n'izany de otrany hoe tsisy zavatra important tsony aminay zany olana zany satria fantatray fa Jesosy mandrindra ny fiainananay.
ny tiko ambara dia hoe ny olona izay tsy mino tsy tokony itsoahana satria matoa reny olona reny napetrak'A/tra teo @ lalanao de misy mission tiany hataonao amireny pour qu'on leur parle de Dieu et qu'ils connaissent son amour
répondu par ikaretsaka le 17/12/2008 17:56
2. Samoana ( 17/11/2008 14:52)
Mety sy ampy mihintsy izay fampahafantarana ny fitiavan'Atra inoanao izay. Misy te handresy lahatra mantsy dia ny fanenjehana ny an'ny hafa no tena ataony mibahan-toerana hany ka na olona voakitikitika te hanaraka aza vao mainka mitsoaka!
3. ikaretsaka ( 17/11/2008 16:23)
fa ny zavatra tsy mety azoko (ary efa naverin'i pissoa sy i tywa teto ihany ny momba ity valimbavaka valimbavaka ity)

dia hoe maninona no rehefa zavatra soa sy mifandraika amin'ilay nilavanao azy foana le tranga vao hoe valim-bavaka valim-bavaka
fa rehefa tsy mifandraika de posiposin'ny odiana fanina izany ary mahavatra mahateny mihitsy hoe tsary valimbavaka?

maninona no rehefa manao temoinages de hoe nataoko an zao sy zao sy zao izy.. na zao sy zao sy zao avy no nataoko de lasa an zao aho sy izy ..

de le "zao" @ io zavatra tsara sy mety aminao foana an

ela ihany izay naha teto ahy izay fa tsary mbola nahita olona niseho nijoro vavolombelona tato aho ka nanao ohatra hoe niaraka izy sy ny sipany dia nivavaka t@ andriamanitra izy mba hampivady an-dreo ohatra kanjo vao mainka nisaraka dia nandeha nijoro vavolombelona sy niteny hoe namaly ny vavaka nataony Andriamanitra....
Nefa possible heo ny tsy hiarahanareo no sitrapon'Atra!

dia mba lasa ny eritreritro hoe sao lahy ka lasa tsy ny "ho tanteraka anie ny sitraponao" intsony ro tena tadiavina @ A/tra fa hoe ny tian'ilay mangata-bavaka aloha... karaha atao karazana genie de la lampe Andriamanitra


4. Veloo ( 17/11/2008 18:51)
xxx,

mety tsara mihitsy ny zavatra ataonao, ary ita fa manana patience ianao ary izay no tena tian'Antra.
- Ny valim-bavaka dia tsy ho tonga eo ny eo foana, sasany 4 taona ny valiny sasany 2 andro, 1 andro etc....mampianatra antsika ho patient ny fivavahana fa misy foana ny valiny ary indray2 ary tsy tadiditsika akory. Ary Andriamanitra dia maheno izay lazain-tsika ary mahafantatra izay mahasoa antsika koa. Tsy hanome zavatra tsy zakan'ny tenan-tsika izy akory.
- Andriamanitra irery no mahay manova ny olona ka ampetraho aminy ny fangatahinao.
- Raha mi-limiter isika hoe ny kristiana ihany no miaraka amin'ny kristiana dia tsy ho vita mihitsy ny filazana ny tenin'Antra eran'izao tontolo izao. Mety napetrak'Antra eo @ io bandy/sipa io ianao mba hanampy azy mba ho voavonjy izy ka dia mahereza.
- Raha momban'ny ratsy izay mitranga amin-tsika dia izao indray Antra dia fitiavana tsy izy mihitsy no nampisy ny ratsy, ny fahotana izay misy eto an-tany no nampatonga antsika otran'izao ka lazao izy fa tsy Andriamanitra mihitsy no nampisy ny ratsy. Ary ny fisarahan-tsika @ andriamanitra no nahatonga an'ilay ratsy ...

Zay fa dia mahereza o


:-*
5. ikaretsaka ( 17/11/2008 18:59)
Ny valim-bavaka dia tsy ho tonga eo ny eo foana, sasany 4 taona ny valiny sasany 2 andro, 1 andro etc....

mahafinaritra ilay tenin'i veloo.. fa raha tsy mampaninona dia mba tiako ho velabelarinao bebe kokoa ny tianao lazaina @ le hoe "valim-bavaka" lazainao eto!
le valim-bavaka tahaky inona sy tahaky ny ahoana?

inona no tianao lazaina @ le hoe "voavonjy" @ le hoe
Mety napetrak'Antra eo @ io bandy/sipa io ianao mba hanampy azy mba ho voavonjy izy

Misaotra!
6. xxx ( 18/11/2008 05:48)
ny tiko holazaina de hoe mba hiverina amin'A/atra izy ka handray azy ho Tompo sy Mpamonjy azy,
ny faharoa ko, tsy hoe mivavaka a satria ze tiko no ataon'A/tra fa na miaraka izahay na tsia de mba tiko izy ra lasa olona matoky sy tia an'A/tra
ra le terme valimbavaka no tianao hazavaiko de hoe mamaly vavaka A/tra eny na de hoe tsy ity ihany aza ny sujet fa otrany mba titren'nilay message io

7. ikaretsaka ( 18/11/2008 06:23)
mbola tsy voafaritra tsara ilay izy fa raisiko araka ny teninao ary!
dia ny fanontaniako aminao ary tsory ny marina araka ny eritreretanao sy ny finoanao azy:

1)dia ho voatery tsy maintsy hifandraika @ ilay zavatra tianao nangatahina tao @ le "vavaka" nasandratrao foana ve ny tranga vao azo lazaina hoe " valim-bavaka"?

2) fa maninona izy (ilay sipanao) no tonga de ataonao hoe tsy maintsy miverina @ fandraisana an'Atra a la facon anao izy vao heo voavonjy?
mety voavonjy izy fa tsy nila nampitahorina enfer ohatra.. mety ianao no tsy voavonjy... tsy misy mbola mahalala izany anie!

3) ho an'i velo.. ilay heo tsy Andriamanitra no mpahary ny ratsy hoy ianao..
Raha momban'ny ratsy izay mitranga amin-tsika dia izao indray Antra dia fitiavana tsy izy mihitsy no nampisy ny ratsy,.
iznay heo misy mpahary hafa ankoatran'Atra izany any ho any? de ahoana ilay hoe Nahary ny zavatra rehetra A/tra?

misaotra!

Amiko dia "etiquette" napetraky raolombelona ny heo "ratsy sy tsara" fa "tsy creation"
8. niryna ( 18/11/2008 06:50)
xxx:

ny tiko holazaina de hoe mba hiverina amin'A/atra izy ka handray azy ho Tompo sy Mpamonjy azy,
ny faharoa ko, tsy hoe mivavaka a satria ze tiko no ataon'A/tra fa na miaraka izahay na tsia de mba tiko izy ra lasa olona matoky sy tia an'A/tra
ra le terme valimbavaka no tianao hazavaiko de hoe mamaly vavaka A/tra eny na de hoe tsy ity ihany aza ny sujet fa otrany mba titren'nilay message io





=D> =D> misaotra anao nizara.
Marina tokoa izany ,mamaly vavaka Atra amin'ny fotoana izay itiavany azy ary mifanaraka ny sitrapony .
Tsara be ilay teninao hoe "mba tiko izy raha lasa olona matoky sy tia an'Atra " izay no tanjontsika rehetra .Mahereza ary aza kivy .


Ika a> fanampiny: Ny kristiana dia tsy mangataka mangataka foana akory ,misaotra ,,midera,mankalaza ,manome voninahitra an'Atra,miresaka aminy,mamaky ny teny izay nomeny ary dia mampihatra izany amin'ny fiainana fa tsy ho voatery angataka foana akory,efa fantany na dia tsy mangataka aza ary izay mifanaraka ny sitrapon'ilay Atra koa no omeny fa tsy ny mifanaraka ny sitrapontsika.


Andramo raha mbola tsy nanandrana hianao ,aza mangataka fa ataovy daholo ireo ambony ireo ary afaka manampy koa ny hoe andeha aho hamaky ny tenin'Atra sy mivavaka olon-kafa na mivavaka ireo fahavalo na mivavaka ireny mahantra ireny na ireny olona any am-ponja ireny.. .andramo anie e
Mangatsiaka izao ny andro ,tsy manana toerana hialofana ireo mahantra ,mivavaha ho azy ireny ..andramo woa ny mivavaka tsy mangataka na inona na inona :wink:
9. ikaretsaka ( 18/11/2008 07:09)
izay angaha i niryna vao nahatsapa an izany hoe iznay no fomba fivavaka?. io zavatra notanisainao io no fotokevitry ny litorjian-damesa katolika nandritra ny 2000 taona mahery!
ary noheveriko hoe rehefa metimety @ niryna ihany anie le tranga vao misandratra "voninahitra ho an'Atra" e :wink:
izany manko no fataonao ato!

tsy mivavaka ho an'ny mahantra ihany no atao rehefa mangitsy fa ny manampy azy koa ka

https://www.svdpny.org/

tsy hiaraka amiko?
10. deric ( 18/11/2008 07:27)
aza fady fa mbola hisikotra kely anao ry xxx;
le zavatra lazainao fa valilm-bavaka ve dia tena notononinao tamin'-bavaka mihitsy sa nipetraka ho fanirianao fotsiny?
enga anie ka tsy ho diso ny hevitro fa samy hafa ny aaoaho e valim-bavaka sy ny faniriana notanterahin'A/tra.
Nivavaka ianao (niresaka tamin'A/tra), ka tena niventy hoe mba ovay ny fon'ny malalako, na hoe vonjeo ny fanahiny, sns...
VAlim-bavaka tokoa le izy raha toa ka iny zavatra nambaranao tamin'A/tra iny no notanterahin'A/tra.
fa raha tsy notononinao taminm-bavaka ilay izy, nefa tsapanao fa A/tra mihintsy no nanao ilay zavatra, dia heveriko fa izany no atao hoe faniriana tanteraka.

miala tsiny raha mamaritra izany eto fa mety misy maro manana olana toa anao, eny fa na izaho aza mba resilahatra ny zava-nitranga lazainao, saningy ny tiako ho azo antoka dia ny hoe: tena nivavaka tokoa va ianao sa naniry fotsiny.

farany dia ilay nihevitra hoe: matoa niaraka ianao dia izay no sitrapo'A/Tra na dia tsy mino aza izy. Tsy mpomba an'izany aho.
Tsy A/tra no nanolotra azy anao fa izy no nahita anao ka dia nitory ny fitiavany taminao ka safidinao no nanekenao azy satria tia azy ianao.
izay no sitrakao na koa hoe izay no safidinao fa rehefa tanteraka ny fanirianao dia ianao ihany no manamboatra azy hoe izay no sitrak' Atra.

Tsoriko eto fa na tsy sitrany aza ny ataontsika dia avelany ho amin'ny safidintsika ihany isika, saingy isika ihany no hihinana ny vokatry ny safidintsika.
MAnàna an'i Koto sy Kala e!
11. ikaretsaka ( 18/11/2008 07:31)
manararaotra an'i deric manontany ihany...
ndeha atao hoe eny ary fa "niresaka t@ andriamanitra ianao" de nilaz aio fanirianao io?

ka tsy io anefa no notanterahiny fa atao heo ny nifanohitra tanteraka tamin'io (sanatria sanatria an) !

dia inona no filaza azy amin'izay kay? valin'inona?
12. prime ( 18/11/2008 09:01)
Mahereza ry xxx dia misaotra amin'ny fijoroana vavolombelona...

Mitombina ireo fanamarihan'ny namana ireo fa mila miambina mafy ianao satria safidy tokoa no nataonao ka mila miomana amin'ny tranga rehetra... Andriamanitra manaja ny safidinao fa tompon'andraikitra feno amin'ny safidinao koa nefa ianao...

Mahereza hatrany dia aza mitsahatra ny mivavaka... ny Tompo anie homba anao... :)
13. coopsal ( 18/11/2008 11:45)
Ikaretsaka:
dia hoe maninona no rehefa zavatra soa sy mifandraika amin'ilay nilavanao azy foana le tranga vao hoe valim-bavaka valim-bavaka

==> Ity misy hafa izay niainako (somary lavalava)!
1- Fampidirana :
Tany aloha elaela tany, nisy bandy akamako anakiray nirevy be anle sipa akamako be kokoa. Le sipa nefa tsy tia anlery nefa razoky diso fijery (nihevitra fa [ho] zakany ilay sipa). Sady niresaka t@ilay sipa aho hoe "enao kosa mandiso fanantenana anlery" no niresaka t@ le bandy akamako t@ fomba an-kolaka fa diso hevitra izy.
2- Nitranga tamiko :
Taona vitsivitsy taty aoriana, nifankatia t@ vevavy anakiray aho, tena nifankatia izahay roa saingy nosarahina mandrakariva (ny ray aman-dreny, ny namana sasany, ny fiainana mihitsy). Rehefa tanaty famoizam-po aho dia feno fanontaniana "Pourquoi?" tao anatiko ny @ireo olako rehetra, fa indrindra indrindra ity nampisarahina ahy t@ olon-tiako ity.
Tonga tampoka tao am-poko efa kivy sy te hiala tato anatiko izao vavaka izao "raha misy marina ianao Jesosy dia lazao amiko ny anton'izao". Vao vita ny vavaka nataoko dia tonga tao am-poko koa izao valin-teny izao
"raha tsy nisy an'izao ianao tsy ho nitodika taty amiko".
Nino aho fa tena Jesosy no namaly ahy satria ny foko tena nanontany mafy ary ny saiko tsy nahavita niasa intsony mba hamaha ny olako.
3- Fijoroako vavolombelona :
Teo no nanomboka ninoako fa misy marina Jesosy (izany hoe velona = nitsangana tamin'ny maty araka ny voasoratry ny baiboly). Ary notantaraiko t@ olona maro izany, t@ ireo namako koa (nalefako email no betsaka).
Nilaza aho aloha ny @ problemako, ary nanambara fa ny anton'izany problemako izany dia ny mba hahafantarako ka inoako fa velona tokoa ity Jesosy, izay efa henoko hatry ny fony kely kanefa nampisalasala ahy raha nisy marina na tsia.
Anisan'ny nandefasako mailaka ilay akamako notantaraiko tetsy ambony, izay namaly ka nanome version hafa ny tantarako. fa hoy izy (t@ fomba an-kolaka) : Fony izaho tia an'i ...(ilay sipa) dia nosakanan' lah fatratra! Nalahelo aho fa tsy niteny t@ lah. Fa nivavaka aho hoe "ataovy tsapan'i coopsal Andriamanitra izany atao hoe fitiavana.

Valim-bavaka :
Io bandy akamako io tsy kristiana akory, fa mino ny fisian' Andriamanitra ary mivavaka araka ny inoany. Ho azy teto dia valin'ny vavaka nataony ny problemako. Ary miombon-kevitra aminy aho, fa na dia tsy mpino kristiana aza izy, dia namaly ny vavaka nataony Andriamanitra. Hazavaiko :
Izy nangataka mba hampahafantaran' Andriamanitra t@ko ny tena fitiavana!
T@ alalan'ny olana nianjady tamiko dia nitodika marina t@ Jesosy ny foko ka nahafantarako fa velona izy! Ary avy t@izany no nahafantarako fa kay ny tena fitiavana tsy ilay fitiavako an'ilay olon-tiako na namako, fa ilay fitiavan' Andriamanitra ny olona ka nandefasany ny Zanany Lahitokana hatao sorona mba hananan'ny olona assurance fa hahazo ny paradisa noho izany sorona notanterahiny izany.

Ilay problemako teto no valim-bavaka!
14. ikaretsaka ( 18/11/2008 15:31)
dia tsy maintsy misy foana ve ny hoe "inona ny antony , fa maninona na fa nahoana le vavaka teo na le tranga teo no lasa izao ? raha zao jesosy de hazavao ..." de tsy maintsy mahazo valiny metimety @ saina "avy @ Jesosy foana"
izay vao afaka mi accept fa "misy jesosy" sy hoe "nivaly ny vavaka"

fa tsy tonga de "manaiky tsotra izao"
15. fijo ( 18/11/2008 23:02)
sendra niasa izany ny mpandika teny gasy tao amin'nadriamanitra dia voavaly ny vavaka,fa matetik aio tsy hay le teny gasy de tsy misy valiny.
16. mmmhh ( 19/11/2008 12:41)
Ny olona iray matetika, dia mangataka @ Atra araka ny sitrapony sy ny faniriany.
Raha araka ny sitrapon'Atra izay fanirianao izay de tanterahiny aminao, rah tsia kosa dia omeny zavatra hafa ianao.
Rah mpino Kristianina no mangataka ka tsy nivaly araka ny sitrapony le vavaka nataony de matetika, misaotra an'Atra foana izy satria izay no sitrak'Atra.
Rah tsy mpino no mangataka , de matetika eo izy no milaza fa tsy misy zany Atra zany, "rah zay fotoana nivavahako zay tsy novaliany akory".
Matoa Atra tsy mamaly ny vavakao araka ny sitraponao de misy zvtra hafa tiany homena anao fa tsy iny angatahanao iny, na koa mbola tsy fotoana mety @ fangatahanao le izy.
17. mmmhh ( 19/11/2008 12:47)
tahaka ny RAD sy zanaka ihany io e,
rah ankizy folo taona ve ohatra no mangataka tomobil na koa hoe mangataka ny hanambady @ RAD-ny de hanome azy ve ny RAD-ny? reefa tonga taona ny @ zany izy vao mandinika ny hanantanterahana an'zany ny RAD ny.
Na koa ohatra ankizy mangataka ny hihinana voamadilo isan'andro @ RAD-ny, tsy maintsy miteny le RAD hoe, tsy tsara izany fa ty biscuit hanina.
Ny mahasamihafa azy fotsiny ny RAD sy zanaka mifampiresaka direct, hitanao ny reaction'le RAD rah tezitra na milaza aminao hoe tsy mety zany fa izao...
18. ikaretsaka ( 19/11/2008 17:28)
misy tsy misaina ohatran'iznay ry hmmmmm an.. fa pire nohon'ny sain-jaza aza ny hiheverany ilay andriamanitra

io le lazaiko hoe indraindray lasa karazan'ny genie de la lampe iznay iznay le Atra
19. fijo ( 19/11/2008 21:58)
ka izay mihintsy ko,izay mangataka dia homena,le homena eo,mety ilay nangatahana mety zafera hafa.
za milaza hoe ,miasa fa ahazo.izay hilaina
20. prime ( 20/11/2008 13:09)
Mazava tsara ny hevitr'i mmmhh ary tena izany tokoa no izy...

Ny valim-bavaka dia tsy voatery mifanojo amin'izay nirina sy nangatahana fa mety ho tsara noho izany, nefa mety ho ratsy mihitsy koa aza... ary izany no ananaran'Andriamanitra fa amin'ny fifonana sy ny fivavahana ary ny fisaorana no tokony anehoana ny fangatahana ao Aminy... ka isaorana Azy mandrakariva...

Na tsara nefa io na ratsy, Andriamanitra manana fihevitra soa sy mahasoa mandrakariva... mety ho ratsy anio fa tsara lavitra noho ilay nangatahana satria mitondra ho amin'ny famonjena sy ny fitiavana mandrakariva ny valim-bavaka omen'Andriamanitra...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1006