valimbavaka

41. coopsal ( 16/12/2008 08:55)
tywa68:
Tsara ny mankatò ny tenin'Atra zany hoe miasa satria io no famantarana fa ao aminao i Kristy

==>
1- Tsara ny mankatò ny tenin'Atra
--> Izany hoe mila mihaino an' Andriamanitra raha te hahafantatra ny teniNy. Sa mety afaka hahafantatra tenin' Andriamanitra amin'ny fomba hafa?

1- zany hoe miasa satria io no famantarana fa ao aminao i Kristy
--> Ity izao tsy haiko hoe avy aiza na avy aiza no anambaranao an'ity teny ity. Fa izaho izay ambarako eto dia inoako fa nampianarin'i Kristy ahy, ary ambarako mazava fa mino aho fa velona Izy ary miresaka amin'ny olona tsirairay, satria izaho mahare ny feoNy, Izy dia tsy iza fa Andriamanitra, ilay tsy fantatry ny olona fa novinavinainy sy namoronany théories (sy dogmes) maro, fa nampafantatra ny tenaNy tamin'ny olombelona mba hahafantaran'ny rehetra Azy.

Fa raha raisintsika ny asa ... Rehefa nanontany an'i Kristy ny mpanara-dia Azy maro hoe : "Inona no hataonay hiasanay ny asan' Andriamanitra?", dia izao no navaliNy hoe "ny asan' Andriamanitra dia ny hinoanareo izay nirahiny".
Inoako fa olona mpanao asa soa sy mpivavaka ireo niresahan'i Kristy ireo, satria tao anatin'ny lalàn'ny jiosy rahateo izany. Saingy tsy ireny rehetra ivelany ireny no nolazaiNy fa asan' Andriamanitra (izany hoe asa atao raha tia hifanaraka amin'ny sitrapon' Andriamanitra).
Misy tokoa ny famantarana fa ao amin'ny olona iray Kristy, ary io famantarana io tsy ny endrika ivelany fa ny teniNy.
Raha nisy nahafantaran'ny mpianatra an'i Kristy rehefa nitsangana Izy, dia ny teniNy, fa tsy ilay vatana hitan'izy ireo maso akory!
Koa tsy hahafantatra (reconnaître) an'i Kristy mihitsy ny olona raha tsy amin'ny teniNy ihany.
42. ikaretsaka ( 17/12/2008 17:56)
Mifameno ireo fa tsy mandeha ila
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2004