Mahazaka mihaino ny fahamarinana ve isika ?
1. niryna
(
18/10/2008 01:41)
Mahazaka mihaino ny fahamarinana ve isika ? Tsia no valiny .
Afaka mizaka ny fahamarinana ve isika ? Inona moa ilay fahamarinana ? izay zavatra marina rehetra !
Indraindray dia manontany tena isika ka na dia izay zavatra ataontsika aza dia mampisalasala antsika. Ahoana no ahalalana hoe ity no lalana marina tokony alehako na safidy marina tokony ataoko ?
Moa ve tsy maintsy misy valiny foana ny fanontaniana sa avela amin'izao tsy ahitana valiny na tsy misy valiny ?
Aleo ary aloha anao ohatra aho e.
Kristy dia tsy tonga anafoana ny didy folo fa tonga hanamafy ny didy folo ary mbola nampiaNy ny hoe "Tiava an'i Jehovah Atrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra ...ary tiava ny namanao tahaka ny tenanao" nohazavaiNy fa izay rehetra mankahala na tsy tia ny rahalahiny dia efa meloka avy hatrany,atao ahoana tokoa moa hoy Izy no ho tia Ahy sy ny Raiko izay tsy hitan'ny maso kanefa mankahala ny rahalahiny izay hita maso ?
dia mbola niteny ihany koa Izy hoe "Izaho no lalana sy fiainana ary fahamarinana " . Mino izany fahamarinana izany ve aho ?
Ahoana tokoa re e ?
(l) niryna

répondu par ikaretsaka le 23/10/2008 17:38
2. xxx
(
18/10/2008 08:29)
Donc tokony hitandrina ny andro sabata daholo zany rehetra misoratena ho Kristiana sa tsy zany ry nyrina
4. rakaroka
(
18/10/2008 16:13)
Ny olana "GOAVANA" mipetraka eo @ fitoriana ny filazan-tsara sy ny fampinarana Xtiana dia ny "voambolana" ampiasain'ireo mpitory.
Manana ny hamaritany ny voambolany rizareo, ary mifanindran-dalana amin'izany tsara koa teny ampiasain'ny fhm ny maro @ teny ampiasainy.
Raha raisina eto ny teny hoe "marina" , midika @ hevitra maro isan-karazany
araka ny "context" isiany anie izany , ka tsy toerina ilay izy hoe tsy marina rehefa tsy ilay "atsy ihany du risque hoe mety hivaona @ fhm ny fisainan'ny ampianarina rehefa avy eo . Ohatra , misy ny tany marina, ny zava-misy marina, ny "fahamarinana" araka ny régle de droitn'ny fhm., ary i Jesoa raha niaina , nanaja ny marin'ny fhm koa: tahaka ny hoe "aloavy ho an'i Kaisara izay an'i Kaisara.."

5. cutie
(
18/10/2008 16:20)
Mahazaka mihaino ny fahamarinana ve isika ? Tsia no valiny .
Eny ny valiny
Mahazaka mandala ny fahamarinana ve isika?
tsia ny valiny
6. ikaretsaka
(
18/10/2008 23:03)
mitombina tsara kosa le arguments an'i cutie...
hita koa ny sasany hoe tsy misy action fa lasan-ko sofiny sy lasanko vavany fotsiny tokoa :oops: :oops:
sorry!

7. niryna
(
19/10/2008 23:16)
xxx:
Donc tokony hitandrina ny andro sabata daholo zany rehetra misoratena ho Kristiana sa tsy zany ry nyrina
xxx a ,tsy aiko aloha ny sabata tiana resahina io,Sabotsy ? tsia ny valiny oops satria misy miangona alahady ary misy fiangonana misokatra isan'andro ka malalaka ny varavarana izay te hidera an'Atra na andro inona izany na andro inona(ny fo miantso azy,midera azy,mankalaza ny anarany no tadiaviny amintsika) izay no fahalalako azy .
Raha resaka hoe kristy no sabata dia eny ny valiny satria hoy ny teny ao amin'ny soratra masina hoe "izaho no lalana sy fiainana ary fahamarinana ,tsy misy afaka manatona ny raiko raha tsy avy amin'ny alalako"
Fanontaniana mitady ny valiny sy fahamarinana
Moa ve ho voavonjy isika raha tsy mino an'i kristy Zanany ? Tsia ny valiny
Dia i Kristy irery ve no ahazoana famonjena ? Eny ny valiny
io ilay fahamarinana iray izay mety tsy ho zakantsika,marina kanefa tsy eken'ny saintsika.
andao anie haka ohatra iray e.Ny zaza amin'ny mahazaza azy dia mbola mila mivelatra tsikelikely ny sainy,tsy tonga dia mahazo,mila ampianarina ,raha taritina tsikelikely izy ka atoro tsikelikely ary omena courage eny anelanelany eny dia ho mora ho azy ny andray izay zavatra omena azy izy.Raha toa kosa ka bokaina na pohana foana ny lohany ka lazaina fa dondrona ny tsy misy ati-doha dia mino an'izany tokoa izy ka tsy miezaka fa efa dondrona izany izy araka ny filaza azy :roll:
Andao indray isika haka ohatra olon-dehibe iray : hita manao ny tsy mety ,miharihary ny zava-dratsy ataony.Moa ve isika sahy hiteny izany ? moa ve isika dia ahazaka ny ho tenenin'ny olona ilay fahamarinana ?
dia tonga daholo ilay teny hoe "fa iza moa aho no hiteny sy anintsy azy kanefa ny tenako koa aza mba tsy masina ?" fa hianao no iza no miseho miteny eo ? na hoe esory aloha ny andry eo amin'ny masonao vao manala ny eo amin'ny olon-kafa hianao ? na hoe tsy misy hidirako izany fa aleo izy anao ny ataony any sns .
Raha teneniny mivantana ve ilay olona dia mahazaka ny fahamarinana ? matetika tsy mahazaka ka sa ?
sa ahoana ? :D izay ilay hoe tsy mahazaka ny fahamarinana aho na hianao na isika e :D
8. niryna
(
19/10/2008 23:43)
ikaretsaka:misaotra anao nametraka fanontaniana :D
farito misimisy kokoa aloha le hoe "fahamarinana" tianao lazaina
malalaa be manko izy ato!
Ity ary misy fanazavana kely e !
10 Ary ny famitahana momba ny tsi-fahamarinana amin'izay ho very, satria tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy izy.
11 Koa izany no ampanateran'Andriamanitra fiàsan'ny fahadisoan-kevitra aminy hinoany ny lainga,
12 mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina.
2 Tes 2:10-12
Izany hoe nomena azy ny fahamarina mba ho voavonjy izy ka dia natsipy teny ny tenin'Atra kanefa tsy mety mandray izy :arrow: 5 Tsy tsaroanareo va fa fony mbola teo aminareo ihany aho, dia efa nilaza izany zavatra izany taminareo? 1 Tim 2:5
ary mbola nampiany ihany koa hoe 15 Koa tomoera tsara, ry rahalahy, ka hazony ny fampianarana natolotra izay nampianarina anareo, na tamin'ny teninay, na tamin'ny epistilinay. 2 Tim 2:15
dia nohamafisina koa izany fa 25 koa amin'izany dia mahavonjy tokoa izay manatona an'Andriamanitra amin'ny alalany Izy(kristy), satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy.(iza ? i kristy ) Heb 7:25
Ny fanontaniana : Moa ve mino tokoa izany isika fa manatona an'Atra isika avy amin'ny alalan'i kristy ? manaiky izany fahamarinana izay voasoratra izany ve isika ?
Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona,1 Tim 2:5
:D
9. ikaretsaka
(
20/10/2008 01:10)
ty ary misy fanazavana kely e !
10 Ary ny famitahana momba ny tsi-fahamarinana amin'izay ho very, satria tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy izy.
11 Koa izany no ampanateran'Andriamanitra fiàsan'ny fahadisoan-kevitra aminy hinoany ny lainga,
12 mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina.
2 Tes 2:10-12
mahafaritra ilay hoe inona no tian-kolazaina @ ny hoe fahamarinana ve io "tsimpona" io?
dia aoka oa hazava aloha fa sokajy 3 samihafa ny Tessalonianina, ny Hebrio ary i Timote
fa aza ampifandraisana... eritrereto tpy ny hoe raha za ve manoratra ho an drakaroka de ho an'i prime de ho an'i cutie de hitsimponanao kely aby le nosoratako mba hanamarinanao tena mombana issue 1 any @ fijo?
ataovy serieux ho'a!
11. tywa68
(
20/10/2008 08:45)
Niryna : raha ny "vaovao mahafaly" no zarainao d tsy ho olana mihitsy fa mila vavaka kely anefa zahay mandray mba haheno ny tena Antso :lol:
12. naritsimba
(
20/10/2008 09:08)
-Moa ve ny fanarahana izay voalaza ao anatin'ny Baiboly no azo ilazana fa MARINA ny olona iray?
-Tsy hitsimpona toko sy andininy aho eto fa ny Soratra Masina @ ankapobeny no resahiko!
Fanontaniana ho anny rehetra io!
Isika izay te-hanana izany dia aoka hanao toa an'i JOBA.

13. Rovampitia
(
20/10/2008 11:49)
Eny na de ho samy denia iray dhl na ho an'ny ze tonga voalohany na ze tonga farany ary!
Mitomany be aloha za raha tratra ohatran'i Joba io fa manaiky aho rehefa izay ny sitrapony!
Isika izay te-hanana izany dia aoka hanao toa an'i JOBA.
Mitomany be aloha za raha tratra ohatran'i Joba io fa manaiky aho rehefa izay ny sitrapony!
14. prime
(
20/10/2008 12:27)
Zavatra telo samihafa no lazain'ny baiboly raha miresaka momba ny fahamarinana ka mila mitandrina tsara fa tsy azo afangaro...
Raha niteny Kristy hoe : "Izaho no ... fahamarinana...", dia tena "affirmation" no nilazany ny tenany ho tena ilay fahamarinana, fahamarinana="vérité"..., ary fantatsika fa tsy indray mandeha Kristy no mpiteny hoe : "Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa...", (de vérité en vérité) hoy Izy, izany hoe tena marina fanaperana ary tsy misy marina mihoatra noho izay intsony...
Raha nampianatra indray nefa Kristy ka nilaza hoe "tsy hiantso ny marina fa ny mpanota hibebaka", ary nohamafisiny tamin'ny "tsy mahamety ny hitsaràna araka ny seho fa tena hitsaràna marina" rehefa misy tranga, dia fahamarinana eo amin'ny fitsaràna araka ny fijerin'Andriamanitra no tiany nambara, fahamarinana="justice"...
Ary tsy indray mandeha Kristy no nananatra ny amin'ny fitantanana marina, mba hadio amin'ny fitantanana sy ny fitsinjaràna ny fahamarinana ny mpanara-dia azy, ary hanefa trosa mihitsy raha sendra tsy fahatanterahana sy tsy fahamarinana eo amin'ny lafiny fitantanana... amin'ireny dia fahamarinana hafa indray no ambaran'ny hafatra, fahamarinana="honnèteté"...
Fanamarihana ihany ny ahy fa tsy manova ny lohahevitra tsy akory...

15. tywa68
(
20/10/2008 13:09)
Prime : fa ireo fahamarinana lazainao ireo d mifandray satria rehefa marina, d mahitsy sy tsy miangatra.
Dia ny Fahamarinana zany raha ampiharina @ fiainana andavanandro, miainga @ilay fitondra-tena mendrika andrasan'i Kristy amintsika, d hoe arak'ilay fahamarinana andrasany @ mpanara-dia azy, dia ny fankatoavana ny didy 10 d efa maha-fehy azy ary indrindra ny fitiavana ny olona ohatranao, zay natao à l'image de Dieu :lol:

16. prime
(
20/10/2008 13:33)
tywa68:... Mitombina ny voalazanao fa mifameno tokoa ireo...
Prime : fa ireo fahamarinana lazainao ireo d mifandray satria rehefa marina, d mahitsy sy tsy miangatra.
Fa eto fotsiny ianao izao dia mazava ny fahamarinana ambaranao fa ilay "justice"... (à la recherche des hommes justes"), mahitsy, tsy miangatra... tsy i Kristy=fahamarinana fa fahitsiana sy tsy fiangarana mba hijoro ho marina (juste)...
tywa68:... Itoviako hevitra hatrany...
Dia ny Fahamarinana zany raha ampiharina @ fiainana andavanandro, miainga @ilay fitondra-tena mendrika andrasan'i Kristy amintsika, d hoe arak'ilay fahamarinana andrasany @ mpanara-dia azy, dia ny fankatoavana ny didy 10 d efa maha-fehy azy ary indrindra ny fitiavana ny olona ohatranao, zay natao à l'image de Dieu
Etoana indray izao dia ilay fahamarinana amin'ny fitondran-tena no ambaranao izay mitaky fahamarinana="honnèteté et intégrité" azo ampiharina amin'ny fiainana, sy ampahany ihany koa mba ho marina eo amin'ny didy X (fahamarinana="justice") no ampitainao...
Izay no ilazako hoe raha hiresaka fahamarinana dia mila mitandrina tsara satria na i Kristy aza dia nampianatra ny tena heviny tsara amin'ny fototra tiany nampitaina... raha mamaky baiboly amin'ny teny hafa (bible en français, en anglais, en hébreux, en grèque) fotsiny ianao dia hazava aminao ireo fanamarihana nambarako ireo... rehefa hiresaka "vérité" i Kristy dia izay mihitsy no ambarany, raha hiresaka "justice" ny tenin'Andriamanitra dia izay mihitsy no tsipihiny, raha hiresaka "honnèteté" ny tenin'Andriamanitra dia izany mihitsy no ampianariny ary maro ny fanoharana manazava izany ao amin'ny baiboly...
Ny olana amin'ny teny Malagasy dia mahakasika an'ohatra ity teny ity indrindra... ary maro ny teny gasy ao anaty baiboly, izay mila dinihina tsara ary iverenana any amin'ny teny fototra mihitsy aza mba tsy hahadiso ny tena heviny marina (exegèse)...
Ka raha iverenako ny lohahevitra dia mila mitandrina raha hiresaka momba ny fahamarinana... fa izaho mety ny fahamarinana="vérité"=Kristy no tiako resahana, ianao mety fahamarinana="justice" ao amin'Andriamanitra no tianao resahana (fankatoavana didy X, fomba fitsaràna amin'ny tranga eo amin'ny fiainana), ny an'ny hafa mety fahamarinana="honnèteté" no tiany resahana, mahakasika ny fitantanana, ny fankatoavana iraka sy asa fanompoana... dia lasa mifamahofaho ny hevitra fa tsy mazava tsara... fa rehefa Kristy=fahamarinana no tiana resahana ery ambony amin'ny lohahevitra ohatra dia mila mazava izay satria ny Silamo koa manana ny marina aminy, ny Bodista toy izany... sns fa raha fahamarinana=fahitsiana, tsy fiangarana, fitsarana tsara no tiana resahana dia hafa indray no mety ho todiky ny resaka... sns
Fanamarihana ny ahy fa tsy fanitsiana tsy akory ary tsy manova hoy aho ny lohahevitra...
17. naritsimba
(
20/10/2008 13:46)
prime>>> marina ilay lazainao.
Raha ny fandraisako an'ity fahamarinana tiana ho hita eto ity anefa dia ilay Fahamarinana = Kristy. Voafehin'io daholo ny fahamarinana hafa.
Vakio ny (Romana 3)

18. prime
(
20/10/2008 14:02)
naritsimba> Raha tena mamaky tsara ny momba ny fahamarinan'Andriamanitra ao amin'i Jesosy Kristy (Romana 3) no tianao ambara dia fahamarinana araka an'Andriamanitra no voalaza ao, manambara ny fitsarana marina araka an'Andriamanitra (Justice), ahafantarana izay olona marina sy finoana marina (hommes Justes, foi juste) eo imason'Andriamanitra... ka anamafisan'ny Apostoly tsara fa izay manana an'i Kristy sy mino an'i Kristy no marina ao amin'Andriamanitra (Justes)...
Mbola manamafy hatrany ilay fanamarihana io lazainao io... tsy sanatria diso ny ambaranao fa mifameno avokoa amin'ny voambara hatrany am-boalohany saingy kosa mampametraka tsara ilay resaka ao amin'ny tena fahamarinana tian'ny tenin'Andriamanitra ambara...
Asa raha azon'i naritsimba amin'izay ny fototry ny fanamarihana... aza atao ho zava-dehibe ilay fanamarihana fa mitondra fomba fandinihana tsaratsara kokoa fotsiny...

19. ikaretsaka
(
20/10/2008 14:44)
tywa68:
Prime : fa ireo fahamarinana lazainao ireo d mifandray satria rehefa marina, d mahitsy sy tsy miangatra.
Dia ny Fahamarinana zany raha ampiharina @ fiainana andavanandro, miainga @ilay fitondra-tena mendrika andrasan'i Kristy amintsika, d hoe arak'ilay fahamarinana andrasany @ mpanara-dia azy, dia ny fankatoavana ny didy 10 d efa maha-fehy azy ary indrindra ny fitiavana ny olona ohatranao, zay natao à l'image de Dieu :lol:
izay oa ny fahitao azy .. fa tsy ny ny filazana fahatany fotsiny hoe zao no marina na zao
20. rijadolly
(
20/10/2008 17:30)
Misaotra betsaka Fahamarinana amin'fanazavana.
Fa ny tiako hamafisin'Fahamarinana kely fotsiny ny fanontanian'Naritsimba hoe "Raha ny fandraisako an'ity fahamarinana tiana ho hita eto ity anefa dia ilay Fahamarinana = Kristy. Voafehin'io daholo ny fahamarinana hafa ."Ahoana ny hevitr'se? sa ve efa nolazain'se eo ambony ra efa nolazain'se dia tsy azoko tsara zany ilay izy fa mba mangataka fanazavana kokoa za :-* :-* .
Marina tokoa fa tsy mitovy ra oh hoe hanoratra any amin'ika za dia izay soratako any amin'vadiko no alefako any =)) =)) =))Fa kosa ra oh nangala-pinana ny vadiko dia izay teny fananarana nahatongasaina an'vadiko no mba alefako any amin'ika.Na sendra voavakin'ika ilay anatra nataoko an'vadiko tao anatin'ilay soratro ho azy dia tongasaina koa i ika avy eo.Raiso serieux a!

ikaretsaka: