Roa karazany ny olona ..hmm!!
1. niryna
(
20/08/2008 05:35)
Voasoratra ao anaty baiboly fa roa karazany ny olona dia ny olona izay araka ny nofo ary ny olona izay araka ny Fanahy........
14 Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an'ny Fanahin'Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany.
15 Fa ny olona araka ny Fanahy kosa dia mahafantatra ny zavatra rehetra, kanefa izy tsy fantatr'olona.1 Kor 2:14-15
Ny olona izay araka ny nofo (unspiritual man/woman) dia tsy manana ny Fanahy masina 9 Fa hianareo tsy ao amin'ny nofo, fa ao amin'ny Fanahy, raha ny Fanahin'Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin'i Kristy, dia tsy Azy izy. Romana 8:9,eo amban'ny fahefan'i satana ary dia 18 hampahiratra ny masony hialany amin'ny maizina ho amin'ny mazava, ary amin'ny fahefan'i Satana ho amin' Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka sy lova eo amin'izay nohamasinina noho ny finoana Ahy. Asa 26:18,sakaizan'izao tontolo izao izy ???
4 Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an'Andriamanitra ny fisakaizana amin'izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan'izao tontolo izao, dia fahavalon'Andriamanitra izy.Jakoba 4:4ary farany sady manda ny fahamarinana izy no manda ny tenin'Atra ka mampiditra ny fampianaran'izao tontolo izao .Tsy mahafantatra no tsy te ahalala an'Atra koa izy ..
Ahoana izany folona araka ny nofo izany ?
Ny olona izay araky ny Fanahy kosa ( spiritual man/woman) Atra mahalala ny ao am-pony
11 Fa iza no olona mahalala ny ao am-pon'olona afa-tsy ny fanahin'ny olona izao ao anatiny ihany? Ary toy izany koa, tsy misy mahalala ny ao am-pon'Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin'Andriamanitra ihany.
12 Fa isika tsy nandray ny fanahin'izao tontolo izao, fa ny Fanahy Izay avy amin'Andriamanitra, mba ho fantatsika izay zavatra nomen'Andriamanitra antsika.
13 Izany koa no lazainay, tsy amin'ny teny ampianarin'ny fahendren'olona, fa amin'ny teny ampianarin'ny Fanahy, raha milaza zava-panahy amin'izay olona araka ny Fanahy izahay. [b] 1 Kor 12:11-13
Dia anjarantsika tsirairay ary no mahalala hoe fanahy inona no miaraka amintsika .
Mety ho fantatsika ve ? amin'ny fomba ahoana no ahalalana azy ?
(l) niryna

répondu par niryna le 26/08/2008 16:52
2. fahamarinana
(
20/08/2008 07:05)
:arrow: Raha ny mikasika ahy manokana aloha,ary raha mamaky ny voalazan'ny niryna etsy ambony aho dia ny mbola toerana misy ahy izany dia ity voalazanao ity :
Nyolana kely amiko monja anefa dia tsy mahatsiaro manao an'ity voalaza ity aho na dia tsy mahatsapa aza fa Fanahin'Andriamanitra no miasa ao amiko...
Satria mbola tsy feno aho,mbola tsy tanteraka .Mbola an-dalany ary mbola miezaka ihany koa miaina araka an'Andriamanitra....Tsy fantatro hoe rahoviana no tonga amin'izany tanjona izany fa velom-panantenana tokoa...na mihisatra aza.
Ny tiako anontaniana dia hoe :raha tsy fanahin'Andriamanitra ve ny ao amin'ilay olona izany dia avy hatrany dia fanahin'izao tontonlo izao ,eny na mandeha araka ny sitrapon'Andriamanitra ny fiainany manontolo nefa tsy Mpino tanteraka izy ?Mahaliana ahy mihintsy ity resaka Fanahy Masina ity ka mametraka fanontaniana foana aho,raha misy afaka mamaly dia mankasitraka e.. :) (l)
niryna:.
14 Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an'ny Fanahin'Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany.
Nyolana kely amiko monja anefa dia tsy mahatsiaro manao an'ity voalaza ity aho na dia tsy mahatsapa aza fa Fanahin'Andriamanitra no miasa ao amiko...
niryna:
sady manda ny fahamarinana izy no manda ny tenin'Atra ka mampiditra ny fampianaran'izao tontolo izao .Tsy mahafantatra no tsy te ahalala an'Atra koa izy ..
Satria mbola tsy feno aho,mbola tsy tanteraka .Mbola an-dalany ary mbola miezaka ihany koa miaina araka an'Andriamanitra....Tsy fantatro hoe rahoviana no tonga amin'izany tanjona izany fa velom-panantenana tokoa...na mihisatra aza.
Ny tiako anontaniana dia hoe :raha tsy fanahin'Andriamanitra ve ny ao amin'ilay olona izany dia avy hatrany dia fanahin'izao tontonlo izao ,eny na mandeha araka ny sitrapon'Andriamanitra ny fiainany manontolo nefa tsy Mpino tanteraka izy ?Mahaliana ahy mihintsy ity resaka Fanahy Masina ity ka mametraka fanontaniana foana aho,raha misy afaka mamaly dia mankasitraka e.. :) (l)
3. prime
(
20/08/2008 08:54)
fahamarinana:... Raha ny fanarahako ny resaka hatramin'izay dia olona mahalala an'Andriamanitra ianao ary efa miaina ny tenin'Andriamanitra na dia lazainao aza hoe mbola mila ezaka...
Raha ny mikasika ahy manokana aloha,ary raha mamaky ny voalazan'ny niryna etsy ambony aho dia ny mbola toerana misy ahy izany dia ity voalazanao ity :
Hoy i niryna:
14 Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an'ny Fanahin'Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany.
.
Ny tsy fantatro fotsiny izao hatreto dia hoe efa vita batisa na batemy ve ianao? efa mpandray ny fanasan'ny Tompo na mpandray komonio ve ianao? olona manana anjara asa fanompoana eo anivon'ny fiangonana ve ianao?
Nefa na ahoana na ahoana dia ny olona tsy manana ny Fanahy Masina dia tsy mba maniratsiratsira ny tenin'Andriamanitra ary liana ny hahafantatra an'Andriamanitra toy ny ataonao izao...
Ka minoa fa efa nandray ianao...
4. fahamarinana
(
20/08/2008 09:09)
prime:
Ny tsy fantatro fotsiny izao hatreto dia hoe efa vita batisa na batemy ve ianao? efa mpandray ny fanasan'ny Tompo na mpandray komonio ve ianao? olona manana anjara asa fanompoana eo anivon'ny fiangonana ve ianao?
:arrow: efa izy aby prime a,izy aby ireo voalazanao ireo fa zany hoe ny faniriko izany dia ny mba ho tahaka ny Mpino tsy manana ahiahy sy tsy mametra-panontaniana lava.
misaotra mankahery hatrany...efa ho leo mihintsy angamba nareo amin'ny ahiahiko lavareny o ?:( (l)
5. cutie
(
20/08/2008 13:10)
Dia anjarantsika tsirairay ary no mahalala hoe fanahy inona no miaraka amintsika .
Mety ho fantatsika ve ? amin'ny fomba ahoana no ahalalana azy ?
za tsy mahalala ? :)
6. niryna
(
20/08/2008 18:26)
fahamarinana:
:arrow: Raha ny mikasika ahy manokana aloha,ary raha mamaky ny voalazan'ny niryna etsy ambony aho dia ny mbola toerana misy ahy izany dia ity voalazanao ity :
niryna:.
14 Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an'ny Fanahin'Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany.
fahamarinana:
Ny olana kely amiko monja anefa dia tsy mahatsiaro manao an'ity voalaza ity aho na dia tsy mahatsapa aza fa Fanahin'Andriamanitra no miasa ao amiko...
niryna:toa tsy nieritreritra an'i fahamarinana ho olona araka ny nofo izany aloha aho e,misy fanahy masina ao aminao ,atsy hoe akory mitsara olona aho an,fantatra foana ny olona mangetaheta ny tenin'Atra, ary araka ny tenintsika tery ambony dia misy olona mahalala hoe ity olona ity dia fanahy masina no miaraka aminy na fanahy maloto.Tsy azo atao fotsiny no tonga dia mi-attaque azy satria matetika ireny olona ireny dia tsy mahalala ary raha hilazako aza hianao fa misy olona natsoin'Atra saingy noho ny filan'ny nofo dia mbola variana izy ka rehefa misy ohatra sujet sendra mitontona amin'ny fiainany dia tonga dia avo vava,tsy izay anefa no tokony izy raha mahaolombelona antsika,maro ny fisedrana mety mandalo kanefa rehefa miaiky izay fahotana na mibaboka isika dia izay no tadiavin'Atra antsika,efa voavidin'ny ran'i kristy tokoa isika ary dia tsy tokony atahotra ny hifona any Aminy...
sady manda ny fahamarinana izy no manda ny tenin'Atra ka mampiditra ny fampianaran'izao tontolo izao .Tsy mahafantatra no tsy te ahalala an'Atra koa izy ..
fahamarinana:izay ilay atao hoe mangetaheta ny tenin'Atra,misy ny olona efa voafidy,tsy isika no nifidy hoy ny teny ao amin'ny soratra masina fa Atra no nifidy antsika,izay indrindra no antony tsy mahareraka ireo izay mizara ny tenin'Atra ho antsika,ireo efa nandray Azy dia faly tokoa ary mampiasa izany amin'ny fiainana andavanandro ,ireo izay mbola tsy nandray kosa dia toy ny rano mitete eo ambonin'ny vato ka farany dia tsy maintsy misy mipentika kely eo ambonin'ny vato ary dia tonga ihany ny hafatra,fa ireo izay tsymety mandray,na manohitra,na manda na manankorontana, na mamadika ilay teny tiana ho tonga any amin'ny hafa dia efa izay izy izany,tsy misy azontsika atao aminy fa dia mivavaka fotsiny mba hirotsaka ho azy ireo ny Fanahin'Atra ampianatra azy ireo sy hanokatra ny masony sy ary ampalady ny sofiny.Io ATra no tompon'andraikitra fa tsy isika intsony,efa vita ny hiraka nampanaovina dia azy sy Atra sisa( tsy ho biby fampitahorana ATra fa Atra tena sairo-piaro izy ka tiana ho voavonjy avokoa isika ary izay ny tanjona nataony hatrany amboalohany)
Satria mbola tsy feno aho,mbola tsy tanteraka .Mbola an-dalany ary mbola miezaka ihany koa miaina araka an'Andriamanitra....
fahamarinana:
Tsy fantatro hoe rahoviano no tonga amin'izany tanjona izany fa velom-panantenana tokoa...na mihisatra aza.
Marina tokoa izany ,iza tokoa moa no nahalala hoe misy izany serasera izany ato ohatra,iza koa moa no nahalala hoe hizara ny tenisoa mahafaly ho an'ireo fireneko aho,iza tokoa moa no nahalala hoe nangetaheta aho dia nomeNy rano,tsy nitafy aho dia notafiNy...Fantatr'Atra avy isika rehetra ary fantany tsara koa izay mizara ny teniny na mamadika izany ho zavatra hafa...ao amin'ny baiboly koa dia milaza izany fa ireo izay mampianatra ny tenin'Atra no ho zahana be be kokoa ooooppps izany hoe izay afafintsika no ho jinjaintsika ary efa fantaNy tokoa izany.
Izay koa ilay teneniko foana hoe ny olona manana an'Atra dia manana fanantenana foana ..Tohizo fa tena tsara aky izany fahamarinana,jereo fotsiny izay sujet mitranga dia fantaro hatrany,indraindray mety ho heverin'ny olona hoa masika ny tena na hoe manao valimboraingina na asa tsy fantatro ,ny ahy aloha ny tanjoko sy ny hiraka nampanaovina ahy dia ny hizara ny tenin'Atra fotsiny,hatreo ihany ,ATra daholo no mamita ny ambony,izay mandray dia efa isaorana lehibe Atra ,izay tsy mandray kosa dia mbola mila hivavahana isan'andro mba ho vonjen'Atra ny fanahiny,toy isika mivavaka ireo fianakaviana izay mbola tsy nandray an'i kristy ho Tompo sy Mpamonjiny,ny tenantsika koa dia mila mivavaka foana vao miditra eto .
fahamarinana:hianao ihany dia efa mahavaly izany, eny fa na dia mandeha araka ny sitrapon'Atra ny fiainany manontolo efa sitrapon'Atra izany no ataony ka ahoana indray no hidiran'ny fanahin'izao tontolo izao ao aminy.
Ny tiako anontaniana dia hoe :raha tsy fanahin'Andriamanitra ve ny ao amin'ilay olona izany dia avy hatrany dia fanahin'izao tontonlo izao ,eny na mandeha araka ny sitrapon'Andriamanitra ny fiainany manontolo nefa tsy Mpino tanteraka izy ?Mahaliana ahy mihintsy ity resaka Fanahy Masina ity ka mametraka fanontaniana foana aho,raha misy afaka mamaly dia mankasitraka e.. :) (l)
Aleo indray ary aloha averiko kely ny fanazavana :Ahoana moa no ahazoana ny fanahin'Atra ato amintsika na hoe rahoviana ny fanahin'Atra no tonga ato amintsika?
Ahoana no fahafantaranao izany aloha ?
Dia ahoana izany Tsy mpino tanteraka izany ? mino androany dia rahampitso tsy mino sa ahoana izany ?
Dia ahoana no antony hitenenana hoe kristiana i fahamarinana ohatra ?
Hialako tsiny a ,tsy maninona raha tsy voavalinao fa mila ho fantarina tokoa izany .
Ilay Fanahy Masina teneniko lava eto dia ilay Fanahin'i Kristy,izay tsy tonga tety amin'ireo kristiana raha tsy efa niakatra ho any an-danitra Izy( JK ),Izy no nangataka ny Rainy mba andefa io Fanahy Masina io ,mba hiaraka amin'ireo Kristiana ho mandrakizay io Fanahy Masina io
Marina tanteraka ny teninao fa tena mahaliana io resaka Fanahy Masina io,izay foana no antony hitenenako hoe mila mamaky ny soratra masina isika na ny baiboly fa ao anatiny ao daholo ny zavatra rehetra izay tadiavintsika,ny tiako tenenina dia izao ,izaho miteny foana hoe tsara tokoa ny mamerimberina mamaky ny tenin'Atra ,ny sasany mamely sy mampianatra foana hoe angaha ny baiboly ihany ,tsy ampy ny baiboly ...dia anjaran'ny tsirairay no mandinika izany,manaova fanontaniana foana e,ahoana tokoa moa izany? Ahoana tokoa moa no ahalalako ny tenin'Atra raha tsy miaina ao anatiny aho?
HS kely ,Izay no mba azoko zaraina aminao fa izaho koa aza mbola mianatra sy miezaka ny mamaky ny tenin'Atra ary mangataka ny Fanahy masina mba ampianatra ahy ny teny izay nomeNy..
Izay mangetaheta ny fahamarinana dia omeny izany:mety mandratra ilay tenin'Atra (sabatra roa lela ) fa kosa rehefa raisina amin'ny fo feno fitiavana sy fangetahetana ny te-ahalala ny marina dia azo am-piasaina amin'ny fiainana daholo izay teny rehetra voasoratra ao anatin'ny Baiboly.
(l) niryna
7. niryna
(
20/08/2008 18:35)
fahamarinana:
Raha ny mikasika ahy manokana aloha,ary raha mamaky ny voalazan'ny niryna etsy ambony aho dia ny mbola toerana misy ahy izany dia ity voalazanao ity :
niryna:...
14 Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an'ny Fanahin'Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany.
.
prime:izaho koa mitovy hevitra amin'izany ary na ny fanontaniana mahatonga anao manitikitika aza dia efa azo hitarafana fa mangetaheta ny tenin'Atra koa hianao toy ny rehetra izay mangetahetra .
Raha ny fanarahako ny resaka hatramin'izay dia olona mahalala an'Andriamanitra ianao ary efa miaina ny tenin'Andriamanitra na dia lazainao aza hoe mbola mila ezaka...
prime:ireo dia efa misy endrika azo hitarafantsika hoe zanak'Atra ve isika ary raha zanany dia mpandova azy,ka tafiditra amin'izany koa ny Fanahiny izay miaraka amintsika ...
Ny tsy fantatro fotsiny izao hatreto dia hoe efa vita batisa na batemy ve ianao? efa mpandray ny fanasan'ny Tompo na mpandray komonio ve ianao? olona manana anjara asa fanompoana eo anivon'ny fiangonana ve ianao?
prime:angamba ny olona manana ny Fanahy Masina no tian'i prime ho tenenina fa diso eto fa tsy hoe tsy manana e...izay ve ry prime ?
Nefa na ahoana na ahoana dia ny olona tsy manana ny Fanahy Masina dia tsy mba maniratsiratsira ny tenin'Andriamanitra ary liana ny hahafantatra an'Andriamanitra toy ny ataonao izao...
Ka minoa fa efa nandray ianao...
8. niryna
(
20/08/2008 18:53)
cutie:
Dia anjarantsika tsirairay ary no mahalala hoe fanahy inona no miaraka amintsika .
Mety ho fantatsika ve ? amin'ny fomba ahoana no ahalalana azy ?
za tsy mahalala ? :)
:cry: :cry:
hianao ihany dia mahafantatra hoe mino an'Atra ve aho? iza ilay Atra hinoako ?
Marobe mantsy ny andriamanitr'izao tontolo izao fa ny kristiana dia ireo izay mino ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina .izay telo izay iray(trinity)
.
Ary ny olona izay miteny hoe izaho kristiana dia efa noresahintsika tary aloha tary io e:
Kristy no resahina eto :arrow: ka nahatonga ilay teny hoe kristiana.Na ireo olona izay mpanaradia an'i kristy. Kristy irery izany,izy irery no mpanelanelana antsika amin'Atra,voasoratra ao anatin'ny baiboly izany ka izany angamba no mahatonga ny olona sasany hoe aza mamaky baiboly na aza omena baiboly ny olona sao mahita ilay tenin'Atra ao tokoa fa tsy misy mpanelanelana ankoatr
i kristy eo amintsika? ..HS kely kanefa tsara ho fantatra ..ooopss)
*Mino Azy fa ATRA Izy
-Mno Azy fa Zanak'Atra Izy.
-Mino Azy fa maty teo ambonin'ny hazofijaliana izy
-Mino koa fa nitsangana tamin'ny maty Izy ary niakatra any an-danitra
-Mino koa fa ho avy Izy (amin'izay fotoana izay dia tsy Izy ho hampijaliana intsony fa tonga kosa Izy haka ny olona na velona izany na efa maty)
-Mino Azy ka nanaiky natao Batisa ihany koa (dia ahoana izany ireny olona tsy vita batisa na tsy nahalala Azy ireny taloha ...? Atra mahalala ny ao am-pon'ny tsirairay ary ny Testamenta Taloha dia efa nampianatra azy ireo fa ho azy ilay Mpamonjy ...mpaminany maro no efa niteny ka moa ve nino izany ireny olona ireny).
Ireo angamba no mba azoko zaraina amin'i cutie.
Dia ahoana indray izany hoe miaraka amintsika izany ny Fanahy Masina ?
Ireo olona mino an'i Kristy dia omeny ny Fanahy Masina ary ireo no hitarika azy ireo amin'ny fiainany rehetra: efa nazavako an'i cutie ilay ccce...mikasika ny Holy Spirit :arrow: cleans us,corrects us ,convinses us,and equipes us..
Azafady amin'ny amin'ny teny anglisy :arrow: Ny Fanahy Masina no mitaridalana antsika,mampianatra antsika,manoro antsika,manitsy antsika ,mampifona amintsika ary miaro antsika mba tsy hivily lalana intsony isika ka raha toa ka mivily lalana aza dia io no manintsy ny diantsika .
Mazava ve ?
(l) niryna
9. fahamarinana
(
20/08/2008 20:19)
:arrow: niryna :misaotra tsy sasatra manazava e,za moa somary taraiky zay foana ka mila famerimberenana f"aza manahy fa rehefa tafiditra ny fanazavana dia mijanona ao tanteraka. :wink:
:arrow: tsy dia izay loatra no tiako lazaina na za koa no tsy mahay manazava tsara fa hoe :tsy mpino tanteraka,zany hoe mbola mihazohazo kah.Asa nareo na nandalo an'izany na tsia fa Mino tokoa fa matory eny...taitra ndraindray dia matoritory eny dia sahala amin'izay foana ny fiainana.
:arrow: efa mazava akia fa nazavain'ny prime etsy ambony...
:arrow: amiko manokana dia kristianina raha manara-dia an'i Kristy ary indrindra miaina tanteraka ny voalazany.Izay tena mbola tsy vitako tanteraka hany ka manahirana ihany ndraindray ny mitonotena kristianina nefa mahatsapa fa tsy feno na mbola mila ezaka.Atao hoe maha-menatra mihintsy aza satria ny ataon'ny kristianina no jeren'ny olona voalohany ka mety mampandositra na mampanantona olona...ary mampiteniteny ratsy ny anaran'Andriamanitra noho ny haratsiako ohatra,sns..sns...fa mety ho diso koa aho na manitatra.
Tsy fantatro raha voavaliko ny fanontaniana napetraky niryna na tsia. :-* (l)
niryna:
Dia ahoana izany Tsy mpino tanteraka izany ? mino androany dia rahampitso tsy mino sa ahoana izany ?
:arrow: tsy dia izay loatra no tiako lazaina na za koa no tsy mahay manazava tsara fa hoe :tsy mpino tanteraka,zany hoe mbola mihazohazo kah.Asa nareo na nandalo an'izany na tsia fa Mino tokoa fa matory eny...taitra ndraindray dia matoritory eny dia sahala amin'izay foana ny fiainana.
niryna:
Ahoana moa no ahazoana ny fanahin'Atra ato amintsika na hoe rahoviana ny fanahin'Atra no tonga ato amintsika?

10. ikaretsaka
(
21/08/2008 03:31)
anisanin'ny maha kristianina.. na betsaka aza ny tsy mino...io tsy fahalavorariana io.
ny apostoly aza imbetsaka no lavo tamin'io
ny apostoly aza imbetsaka no lavo tamin'io
11. niryna
(
21/08/2008 04:10)
fahamarinana:tsy misy fisaorana aky fa mahasoava .
:arrow: niryna :misaotra tsy sasatra manazava e,za moa somary taraiky zay foana ka mila famerimberenana f"aza manahy fa rehefa tafiditra ny fanazavana dia mijanona ao tanteraka. :wink:
niryna:
Dia ahoana izany Tsy mpino tanteraka izany ? mino androany dia rahampitso tsy mino sa ahoana izany ?
fahamarinana:
:arrow: tsy dia izay loatra no tiako lazaina na za koa no tsy mahay manazava tsara fa hoe :tsy mpino tanteraka,zany hoe mbola mihazohazo kah.Asa nareo na nandalo an'izany na tsia fa Mino tokoa fa matory eny...taitra ndraindray dia matoritory eny dia sahala amin'izay foana ny fiainana.
fomban-javatra io ary tsy miala amintsika olombelona satria isika mifono nofo sy ra,tsy ho tonga amin'ny filamatra fa miezaka kosa ny anao izay mahatsara sy mandalina ny tenin'tra isan'andro.Araka ny hamakiana ilay teny isan'andro no miditra tsikelikely ato an-tsaina ary dia iny no ampinga hoenti-miady ny fahavalo,ny nofo izay malemy ary ny herin'i satana
Indro kely fotsina fa ny doubt na ny fisalasalana dia anisany tsy finoana an'Atra satria tsy tena mino isika hoe misy asa-mahagaga ataony antsika..HS kely io an...na ny eritreritra izay mamitaka fotsiny koa aza dia efa fahotana...loza koa izany e..
niryna:
Ahoana moa no ahazoana ny fanahin'Atra ato amintsika na hoe rahoviana ny fanahin'Atra no tonga ato amintsika?
:arrow: efa mazava akia fa nazavain'ny prime etsy ambony...
niryna:
Dia ahoana no antony hitenenana hoe kristiana i fahamarinana ohatra ?
fahamarinana:
:arrow: amiko manokana dia kristianina raha manara-dia an'i Kristy ary indrindra miaina tanteraka ny voalazany.
averiko indray fa tsy misy ny tonga lafatra,ary mahafantatra tokoa ny olona na dia tsy milaza aza ny tena ,mpino ve sa mpinompino anarany fotsiny ?
fahamarinana:asa aloha aky fa toa tsy nanavana ny niteny hoe izaho kristiana ,izaho tonga lafatra ,sns ,,,na teny entina anehoana fa kristiana isika.Ny maso mijery,ny fihetsika dia manambara ,ny fiteny avoakan'ny vava,ny fandraisana olona na firesaka amin'ny olona ,ny fandaniana fotoana mizara ny tenin'Atra ,maro dia maro misy taratra hita eny ihany hoe misy jiro ao amin'ilay olona ka,rehefa mino an'i JK isika dia manomboka misy fihovana tanteraka eo amintsika ,ny ao anaty izany ary dia miova tsikelikely koa ny ety ivelany.Tsy avy amintsika anefa izany fa avy amin'ilay fahasoavana azontsika tamin'ATra.
Izay tena mbola tsy vitako tanteraka hany ka manahirana ihany ndraindray ny mitonotena kristianina nefa mahatsapa fa tsy feno na mbola mila ezaka.
fahamarinana:marina izany ary raha vao nanomboka nanao ny olombelona Atra ka nahafantatra izy ireo (Adama sy Eva io ) fa nanao ny tsy nety tamin'ATra dia niafona izy satria nahatsiaro menatra.Toa izany koa isika tena mahatsiaro menatra fa nanota teo anatrehany ary nandika ny lalany izay nampianariny.Soa ihany fa nomeny antsika ny Zanany mba ampianatra antsika,mba hamonjy antsika ka dia miezaka izany isika ny hanarina ny tsy nety rehetra.Ny mampihomehy aky dia lasa mahafantatra sy matahotra an'Atra ho azy isika rehefa tena nanomboka mino Azy. Asa hianareo raha mba toa izany.Ny mahafinaritra ahy koa dia ilay fanomezana fanantenana fa tsy andao antsika izy na inona mahazo antsika na inona miantra amintsika ary dia tena mametraka ny fiainana aminy tokoa isika ka izay mitranga eo dia tatazana daholo satria efa mahafantra fa tsy andao Izy.
Atao hoe maha-menatra mihintsy aza satria ny ataon'ny kristianina no jeren'ny olona voalohany ka mety mampandositra na mampanantona olona...ary mampiteniteny ratsy ny anaran'Andriamanitra noho ny haratsiako ohatra,sns..sns...fa mety ho diso koa aho na manitatra.
fahamarinana:voavalinao tsara fa misaotra e,aza kivy fa tsy maintsy mandalo fotoan-tsarotra avokoa isika ary ity no tadidio fa ao anatin'ny mangidy no ahitana ny mamy ary ao anatin'ny fangirifirina no tena hitadiavantsika Azy ary dia tena mamaly tokoa izy(Antsoy aho dia ho valiko hianao hoy Izy)
Tsy fantatro raha voavaliko ny fanontaniana napetraky niryna na tsia. :-* (l)
Ampiharo amin'ny fiainana ity
7 Mangataha, dia homena hianareo; mitadiava, dia hahita hianareo; dòndòny, dia hovohana hianareo.8 Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandòndòna no hovohana Matio 7:7-8
(l) niryna
12. ari.malala
(
21/08/2008 06:01)
fa manin kay no sarahina foana hoe fanahy sy nofo e! nga tsy efa natambatr'Andriamanitra ho iray ao anatin'ny olona izy roa ireo? Jereo fotsiny Jesoa e! Na dia Andriamanitra aza no niaviany, manana ny fomba maha Andriamanitra Azy Izy, fa niaina tahaka ny olombelona nofo sy ra izao iany koa, nahalala noana (avy nifady hanina d noana, nahatsapa fa noana ireo vahoaka nanaraka azy tany an'efitra, nahalala nangetaheta, nahalala fahoriana izy nitomany an'i Lazara, nahalala tezitra ka nandroaka ny mpivarotra tao an-tempoly sy ny maro tsy voatanisako) Ko manin no sarahina foana hoe olon'ny nofo e olon'ny fanahy e... raha mahatsapa tena fa olon'ny fanahy aza d aza manao ny fanaon'ny olombelona tsony e! aza minakanina fa ny baiboly hanina, aza miakanjo tson kou, aza miaina eto ambonin'ny tany tsony kou fa eto mbola izao tontolo izao be fahotana fa mitadiava hevitra d tonga d any andanitra mipetraka fa any no misy ny olona lavorary..
13. fahamarinana
(
21/08/2008 06:44)
ikaretsaka:
anisanin'ny maha kristianina.. na betsaka aza ny tsy mino...io tsy fahalavorariana io.
ny apostoly aza imbetsaka no lavo tamin'io
:arrow: tena mahavelom-panantenana ny maheno izany... :) (l)
14. fahamarinana
(
21/08/2008 06:46)
ari:
raha mahatsapa tena fa olon'ny fanahy aza d aza manao ny fanaon'ny olombelona tsony e! aza minakanina fa ny baiboly hanina, aza miakanjo tson kou, aza miaina eto ambonin'ny tany tsony kou fa eto mbola izao tontolo izao be fahotana fa mitadiava hevitra d tonga d any andanitra mipetraka fa any no misy ny olona lavorary..
:arrow: ari :tonga dia radical be ny anjy an... :) maty noana kosa raha tsa hihinana kouh. :wink: (l)
15. prime
(
21/08/2008 07:07)
niryna:... Misaotra, marina ny fanamarihanao... ny olona manana ny Fanahy Masina no tiako nambara...
angamba ny olona manana ny Fanahy Masina no tian\'i prime ho tenenina fa diso eto fa tsy hoe tsy manana e...izay ve ry prime ?
fahamarinana:... Misaotra namaly ny fanontaniana... dia mahereza fa tsy leo velively ny namana raha mbola misy soa azo ifampizaràna...
efa izy aby prime a,izy aby ireo voalazanao ireo fa zany hoe ny faniriko izany dia ny mba ho tahaka ny Mpino tsy manana ahiahy sy tsy mametra-panontaniana lava.
misaotra mankahery hatrany...efa ho leo mihintsy angamba nareo amin\'ny ahiahiko lavareny o
Dia matokia fa Kristy no efa momba anao ka na amin\'ny sarotra indrindra aza dia matokia... aza misalasala, dia mahereza ihany koa mangataka finoana fa sitrak\'Andriamanitra mihitsy izany...
Raha tsaroanao ny tantaran\'ny Apostoly Tomasy dia tsy nino mihitsy izy raha tsy nahita ny holatra teo amin\'ny tanan\'i Kristy hoe Kristy mihitsy no nitsangana tamin\'ny maty... dia ianao koa mahereza dia mangataha amin\'Andriamanitra finoana sy ny fahatokiana mandrakariva ka Izy mihitsy no honina aminao ka hitondra anao amin\'ny fifaliana sy ny fiadanana mandrakariva...
Hoy ny tenin\'Andriamanitra amin\'ny anaran\'i Jesosy :
\"Efa nomen\'ny herin\'Andriamanitra ho antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny toe-panahy araka an\'Andriamanitra amin\'ny fahalalana Ilay niantso antsika tamin\'ny voninahiny sy ny fahatsarany*; [* Na: [tamin\'ny voninahitra sy ny fahatsarana]\" II Petera 1:3
sy ny hoe :
\"Fa tsy nomen\'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena.\" II Timoty 1:7
16. fahamarinana
(
21/08/2008 07:18)
:arrow:^:^ Misaotra any Tompo ,dia misaotra an'ni prime ihany koa amin'ny fizaràna sy fampaherezana... ,hitako hoe isan'ny tena mampirenireny ahy ny fikatsahana lavareny ny fahalavorariana satria mety lasa mampivoana tanteraka amin'ny Finoana ...dia lasa tsy matoky tena sy mitady zvtr hafa ary mitsaratsara fahatany ny namana...tsy manaiky fa mety hisy fotoana tsy aha-tonga lafatra ahy ara-pinoana..nareo ve mba mandalo toy io na nandalo ihany koa ??? (l)
17. prime
(
21/08/2008 07:58)
fahamarinana> hoy ny tenin'Andriamanitra amin'ny anaran'ny Tompo :
"Nefa hoy Izy tamiko; Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko. dia tanterahina amin'ny fahalemena. Koa mainka sitrako ny hirehareha amin'ny fahalemeko, mba hitoeran'ny herin'i Kristy amiko." II Korintiana 12:9
Hitanao amin'izany fa na ny Apostoly Paoly aza dia manana fahalemena, nefa dia amin'izany fahalemena izany indrindra no anehoan'Andriamanitra ny heriny sy ny voninahiny amin'ny mpanompony...
Ny olona rehetra na iza na iza dia mbola manana fahalemena avokoa raha mbola mitafy ity nofo fahalovana ity... saingy amin'izany fahalemena izany indrindra no iasan'Andriamanitra amin'ny mpino ka anehoan'Andriamanitra fa Jesosy no Tompo ary rehefa mitoetra ny Fanahy Masina ka miasa ao amin'ny mpino dia resy ny nofo fa ny fanahy no velona...
Izaho manokana dia mbola anisan'ny tsy lavorary amin'ny finoana raha tianao ho fantatra... nefa Kristy efa mankahery antsika mandrakariva raha niteny hoe :
"Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manam-pinoana ianareo ka tsy miahanahana, dia tsy izao natao tamin'ny aviavy izao ihany no ho vitanareo, fa raha hiteny amin'ity tendrombohitra ity aza ianareo ka hanao hoe: Mifindrà ianao, ka mianjerà any an-dranomasina, dia ho tonga izany." Matio 21:21
Tsy ny hakelin'ny finoana sy ny halehiben'ny fahalemen'ny mpino no ahasakana an'Andriamanitra haneho aminy ny asany sy ny voninahiny... fa amin'izany indrindra aza no anehoany ny heriny...
Rehefa reraka izay amin'ny finoana dia tena mahatsiaro reraka sy osa mihitsy nefa mbola Kristy hatrany no mpampahery ny mpino miantso manao hoe :
"Mankanesa aty amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana." Matio 11:28

18. badboy
(
21/08/2008 08:04)
Tsisy 2 karazana ny olona fa iray ihany : sady vatana no fanahy ary izay no mahasamihafa azy @ biby!! Ny manana tanjona hafahafa no mampisaraka ireo satria fampisarahana no fomba haingana indrindra hitondrana lay olona @ tiana hatongavana!!
Noho izany, aza terena sarahana izay mitambatra satria voajanahary ny fitambaran'ny fanahy sy ny vatana!! :^) :^) :^)
Noho izany, aza terena sarahana izay mitambatra satria voajanahary ny fitambaran'ny fanahy sy ny vatana!! :^) :^) :^)
19. prime
(
21/08/2008 08:54)
ari.malala:... Mitovy hevitra aminao amin\'ny hoe : ny atao hoe olombelona dia nofo (vatana sy saina) sy fanahy...
fa manin kay no sarahina foana hoe fanahy sy nofo e! nga tsy efa natambatr\'Andriamanitra ho iray ao anatin\'ny olona izy roa ireo? Jereo fotsiny Jesoa e! Na dia Andriamanitra aza no niaviany, manana ny fomba maha Andriamanitra Azy Izy, fa niaina tahaka ny olombelona nofo sy ra izao iany koa, nahalala noana (avy nifady hanina d noana, nahatsapa fa noana ireo vahoaka nanaraka azy tany an\'efitra, nahalala nangetaheta, nahalala fahoriana izy nitomany an\'i Lazara, nahalala tezitra ka nandroaka ny mpivarotra tao an-tempoly sy ny maro tsy voatanisako) Ko manin no sarahina foana hoe olon\'ny nofo e olon\'ny fanahy e... raha mahatsapa tena fa olon\'ny fanahy aza d aza manao ny fanaon\'ny olombelona tsony e! aza minakanina fa ny baiboly hanina, aza miakanjo tson kou, aza miaina eto ambonin\'ny tany tsony kou fa eto mbola izao tontolo izao be fahotana fa mitadiava hevitra d tonga d any andanitra mipetraka fa any no misy ny olona lavorary..
Fa tsy izany no tian\'ny Soratra Masina ahatongavana... ny lazain\'ny Soratra Masina ho nofo dia tsy ireo fantatsika ho nofo mahazatra fotsiny ihany fa indrindra ilay voaozona hatramin\'ny voalohany ka mampiasa ny filàny ho mpibaiko ny fiainan\'ny mpanota... ilay voaozona sy efa maty ary efa nohomboana niaraka tamin\'i Kristy teo amin\'ny hazofijaliana... ilay nateraky ny nofo ka ho faty ary hody vovoka indray... ilay afaka iasan\'i Satàna ka alainy fanahy amin\'ny fotoana sy ny toerana rehetra... ny olona araka ny nofo ao amin\'Andriamanitra dia efa faty mandehandeha na dia mbola manan\'aina aza...
Dia ahoana hoy ianao ny mpino kristiana izany? amin\'Andriamanitra ny mpino kristiana raha tena nandray marina an\'i Kristy dia efa maty araky ny nofo ary efa nateraka indray ao amin\'ny fanahy ka velona araka ny fanahy satria ny Fanahin\'Andriamanitra no anatiny... ny nofo amin\'ny mpino kristiana dia tafiana satria mitafy izany araka ny namolavolana azy tamin\'ny nofo ihany koa ary antsoina mihitsy aza hoe \"fahalovana\", efa lo sy maty... ary efa maty niaraka tamin\'i Kristy ny nofo sy ny ozona rehetra niaraka taminy... io indrindra ilay nahatonga ny Fariseo Nikodemosy nanontany hoe ahoana koa no mahatanteraka an\'izany? satria noraisin\'i Nikodemosy \"ara-nofo\" fotsiny ny tenin\'i Kristy ka nahatonga azy nanontany hoe afaka miverina ao an-kibon-dreniny indray va ny olona raha te-ho ateraka sy ho velona araka ny fanahy?
Dia raha miteny ianao hoe koa angaha ianao mety vokin\'ny baiboly sa afaka mitafy Soratra Masina? dia mazava ny lazain\'ny tenin\'Andriamanitra fa ilay nofo \"tsy tanteraka\", efa maty dia manana ny filàny hatrany ka dia tsy maintsy omena azy izany (sakafo, fitafiana sns...) fa tsy izany intsony no atao hoe fiainana ao amin\'Andriamanitra... ary Andriamanitra rahateo no efa mampifandrafy ny nofo sy ny fanahy ka raha tsy fantatrao fa miady ireo dia tsara ny mandinin-tena ka miverina ao amin\'i Kristy satria ny filazana hoe iray ihany ny nofo sy fanahy dia mbola velona araka ny filan\'ny nofo satria tsy mbola niara-maty tamin\'i Kristy ilay nofo raha ny lazain\'ny Soratra Masina... izany indrindra no mahatonga ny tenin\'Andriamanitra ho hentitra ny amin\'ny atao hoe fiainana sy fahavelomana marina izay andidiana mihitsy ny mpino hanombo ny tena sy ny nofo sy ny filàny eo amin\'ny hazofijaliana (izany hoe ho faty) mba hiara-belona ao amin\'i Kristy ka efa miara-mitsangana Aminy...
Fa hoy indrindra no voasoratra amin\'ny anaran\'i Kristy :
\"Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin\'Andriamanitra, ka novonoina tamin\'ny nofo, fa novelomina tamin\'ny fanahy,\" I Petera 3:18
\"Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanareo manao izay zavatra tianareo.\" Galatiana 5:17
\"Ny fanahy no mahavelona; ny nofo tsy mahasoa na inona na inona; ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana.\" Jaona 6:63
\"Ireo no mahatonga fisarahana, dia olona araka ny nofo ihany, fa tsy mba manana ny Fanahy*. [* Na: tsy mba manana fanahy]\" Joda 19
20. badboy
(
21/08/2008 09:35)
prime >> Mifanohitra be ilay fanekena ny hevitr'i arimalala sy ilay fampisehoana eo ambany!!
Tsy filana angaha ny mitady hanina, mitady fandriana, ny mitady vady..... Ka rehefa mifoka rivotra sy miratra ny maso ka mitady izay hahavelona izany dia olon'ny nofo fa tsy mendrika ny hanana fanahy!!! Ireo milaza ireo no tena satana satria tiany hisavoamboana ny sain'ilay olona fa tsy hitoetra eto antany, nefa dia mitovy ihany samy eto antany miaina sy mifoka rivotra ary makafy ny mandeha any @ trano fisainana rehefa poritra!!
Barakay ry satana ah!! Barakay any fa tsy mipelipelika aty aminay aty fa tonga de voavelin'ny lacroix!!
Zany no tena valitenin'olona sady miaina arapanahy no arabatana, fa tsy ilay rediredina mpifoka ahitra irony ambony rony!!
;-) ;-) ;-)
badboy:
Fa tsy izany no tian'ny Soratra Masina ahatongavana... ny lazain'ny Soratra Masina ho nofo dia tsy ireo fantatsika ho nofo mahazatra fotsiny ihany fa indrindra ilay voaozona hatramin'ny voalohany ka mampiasa ny filàny ho mpibaiko ny fiainan'ny mpanota... ilay voaozona sy efa maty ary efa nohomboana niaraka tamin'i Kristy teo amin'ny hazofijaliana... ilay nateraky ny nofo ka ho faty ary hody vovoka indray... ilay afaka iasan'i Satàna ka alainy fanahy amin'ny fotoana sy ny toerana rehetra... ny olona araka ny nofo ao amin'Andriamanitra dia efa faty mandehandeha na dia mbola manan'aina aza...
Tsy filana angaha ny mitady hanina, mitady fandriana, ny mitady vady..... Ka rehefa mifoka rivotra sy miratra ny maso ka mitady izay hahavelona izany dia olon'ny nofo fa tsy mendrika ny hanana fanahy!!! Ireo milaza ireo no tena satana satria tiany hisavoamboana ny sain'ilay olona fa tsy hitoetra eto antany, nefa dia mitovy ihany samy eto antany miaina sy mifoka rivotra ary makafy ny mandeha any @ trano fisainana rehefa poritra!!
Barakay ry satana ah!! Barakay any fa tsy mipelipelika aty aminay aty fa tonga de voavelin'ny lacroix!!
ari.malala: