Roa karazany ny olona ..hmm!!
21. prime
(
21/08/2008 10:32)
badboy:... izay mihitsy no tiana avoitra...
prime >> Mifanohitra be ilay fanekena ny hevitr'i arimalala sy ilay fampisehoana eo ambany!!
badboy:... dia hoy ny tenin'Andriamanitra amin'ny anaran'i Jesosy :
Tsy filana angaha ny mitady hanina, mitady fandriana, ny mitady vady..... Ka rehefa mifoka rivotra sy miratra ny maso ka mitady izay hahavelona izany dia olon'ny nofo fa tsy mendrika ny hanana fanahy!!!
"Fa ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana; fa ny fihevitry ny Fanahy kosa fiainana, sy fiadanana" Romana 8:6
"Fa ny zavatra rehetra eo amin'izao tontolo izao, dia ny filan'ny nofo sy ny filan'ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin'ny Ray, fa avy amin'izao tontolo izao ihany." I Jaona 2:16
"[Fananarana hamporisika mba hadio fitondran-tena amin'ny olona rehetra, ary filazana ny mety hataon'ny mpianakavy] Ry malala, mananatra anareo aho, satria vahiny sy mpivahiny ianareo, fadio ny filan'ny nofo, fa miady amin'ny fanahy ireny;" I Petera 2:11
badboy:... dia hoy koa ny tenin'Andriamanitra amin'ny anaran'i Jesosy :
Ireo milaza ireo no tena satana satria tiany hisavoamboana ny sain'ilay olona fa tsy hitoetra eto antany, nefa dia mitovy ihany samy eto antany miaina sy mifoka rivotra ary makafy ny mandeha any @ trano fisainana rehefa poritra!!
Barakay ry satana ah!! Barakay any fa tsy mipelipelika aty aminay aty fa tonga de voavelin'ny lacroix!!
"Ary izao no fanamelohana*, fa tonga amin'izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon'ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany. [*Gr. voatsara]" Jaona 3:19
Fanekena sy ny fihainoana ny tenin'Andriamanitra no fahendrena ka mila hanetren-tena sy hiakena heloka... ny tenin'Andriamanitra nefa dia ambara mandrakariva...
Fa hoy indrindra ny voasoratra amin'ny anaran'i Jesosy :
"Koa na inona na inona teneninareo ao amin'ny maizina dia ho re eo amin'ny mazava; ary izay bitsihinareo mangingina ao amin'ny efi-trano dia hotorina eo amin'ny tampon-trano." Lioka 12:3
Fa mbola amin'ny famindrampon'Andriamanitra no iantsoany ny tiany manao hoe :
"tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka." Lioka 5:32
"Fa mandehana ka mianara izay hevitry ny teny hoe: Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà (Hos 6:6); fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota." Matio 9:13
"Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo ianareo." Matio 11:29
22. badboy
(
21/08/2008 11:31)
prime >> Ialahy zany ilay mpitondra ny hazavana fa raha tsy ialahy dia ao anaty maizina daholo ny rehetra!! Io le fikan'ny evanjelista izay mihevitra ny tenany ho mahay mamaky ilay baiboly noho ny hafa anefa manao famakiana @ izay mampety azy sy mahafinaritra azy fa tsy dia ilay dikany marina loatra no ampisehoana!!
Ireo ilay isan'ny mpaminany sandoka volaza ao antin'ilay lazainy fa hainy fa tsy hain'ny hafa!!
BARAKAY RY SATANA FA RAHA FA TSY PELIPELKA ATY FA TONGA DE MAHAZO KOTROKA LA-CROIX ANY @ LAVAPITOMBENANA, MIALA TSARA @ IZAY ILAY DIKY MAMPITENITENY FOANA AZY!!! ^^ ^^ ^^
Ireo ilay isan'ny mpaminany sandoka volaza ao antin'ilay lazainy fa hainy fa tsy hain'ny hafa!!
BARAKAY RY SATANA FA RAHA FA TSY PELIPELKA ATY FA TONGA DE MAHAZO KOTROKA LA-CROIX ANY @ LAVAPITOMBENANA, MIALA TSARA @ IZAY ILAY DIKY MAMPITENITENY FOANA AZY!!! ^^ ^^ ^^
23. prime
(
21/08/2008 12:19)
badboy:... Jesosy no "ilay tena mazava"... ary rehefa tsy ao amin'i Jesosy dia ao amin'ny maizina...
prime >> Ialahy zany ilay mpitondra ny hazavana fa raha tsy ialahy dia ao anaty maizina daholo ny rehetra!!
Hoy indrindra ny tenin'Andriamanitra amin'ny anaran'i Jesosy :
"Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin'ny maizina; fa ny maizina tsy nandray azy*. [*Na: Tsy mahasakana azy]" Jaona 1:5
"Fa izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny mazava sady tsy manatona ny mazava, fandrao hita miharihary ny asany." Jaona 3:20
badboy:... Mitovy avokoa ny ataon'ny mpitory filazantsara rehetra dia ny mitory ny fitiavan'i Kristy mba ahazoan'izay rehetra mihaino sy mino an'i Jesosy famonjena sy fiainana mandrakizay...
Io le fikan'ny evanjelista izay mihevitra ny tenany ho mahay mamaky ilay baiboly noho ny hafa anefa manao famakiana @ izay mampety azy sy mahafinaritra azy fa tsy dia ilay dikany marina loatra no ampisehoana!!
Mbola amin'ny fitiavana ry rahalahy no ilazàna aminao... tian'Andriamanitra anie ianao e... amin'izao maha-ianao anao izao indrindra no ilazany hoe :
"Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony." Jaona 6:35
Dia hoy hatrany Jehovah :
"Ampahatsiarovy Aho, ka avia isika hifandahatra; Alaharo ary ny teninao, mba hahitana izay mahamarina anao." Isaia 43:26
Dia Andriamanitra no miantso anao amin'ny anaran'i Jesosy :
"Koa mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin'ny fanatrehan'ny Tompo," Asan'ny Apostoly 3:19
badboy:... Izaho na ny namana mpitory ny filazantsara, na ompainao aza tsy mampihontsina velively izany fa efa nantsoina ho amin'izany rahateo... fa raha Jesosy no itenenanao ratsy dia mbola miantso sy mamindra fo aminao Izy ka manao toa izao amin'ny anaran'i Jesosy :
Ireo ilay isan'ny mpaminany sandoka volaza ao antin'ilay lazainy fa hainy fa tsy hain'ny hafa!!
BARAKAY RY SATANA FA RAHA FA TSY PELIPELKA ATY FA TONGA DE MAHAZO KOTROKA LA-CROIX ANY @ LAVAPITOMBENANA, MIALA TSARA @ IZAY ILAY DIKY MAMPITENITENY FOANA AZY!!!
"... Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindram-po ho anao.[Na: Tamin'ny fahiny]" Jeremia 31:3b
24. fahamarinana
(
21/08/2008 14:35)
:arrow: soa fa samy manana ny safidiny tokoa fa tsara raha samy mitazona sy manaja ny azy .....izay angamba no azo ilazana azy hatreto koa dia mahereza na ireo Mpino na ireo tsy mpino ihany koa fa fizaràna fontsiny ihany no atao na ny ahy ,na ny azy ,na ny anareo ,na ny antsika rehetra,eny na tsy mitovy hevitra aza ndraindray...dia samia mandray izay tiany sy takany sy heveriny fa mety aminy... Tsiky dia ampy :-* (l)
26. badboy
(
21/08/2008 16:00)
prime:
Izaho na ny namana mpitory ny filazantsara, na ompainao aza tsy mampihontsina velively izany fa efa nantsoina ho amin'izany rahateo...
Izay fa miseho ny diky afenina!! Lazaina fa EFA NATSOINY!! SAO DIA MBA IANAO IHANY NO NIANTSO NY TENANAO DIA LAZAINA FA NANTSOINA????
:-D :-D :-D
27. niryna
(
21/08/2008 16:56)
ari.malala:tsy isika no manasaraka azy ka ..rehefa tonga tety an-tany i kristy dia lasa nofo toa antsika ary nandalo fahoriana maro,na kapoka izany ,na latsa,na vono ,tsy nanantsiny izy kanefa noho ny fahotantsika dia izy no nitondra izany fahotantsika rehetra izany....maty ara -panahy izany isika rehetra na dia velona ara -nofo aza...io nofo izay mifono amintsika ety ivelany io dia ho lo rahatrizay fa ny fanahintsika izay ao anaty kosa dia tsy ho faty na ho lo fa na hiaraka ilay nanome antsika fofon'aina dia ATra izany na hiaraka ilay lavarambokely nitarika antsika anda ny tenin'Atra isan'andro dia i satana izany.Lavarambokely no fiantsonay azy
fa manin kay no sarahina foana hoe fanahy sy nofo e! nga tsy efa natambatr'Andriamanitra ho iray ao anatin'ny olona izy roa ireo?
Araka ny teny ao amin'ny soratra masina (izay io ihany ny an'ny kristiana no references omena )dia manambara fa ny fanahy malemy fa ny nofo kosa dia manao izay tsy mifanaraka ny hetahetan'ny fanahy.Io no antony iray hivavahana foana mba ahatohatra ilay fakam-panahy na koa hoe na ny nofo no matanjaka dia ny fanahy kosa dia manaraka eny fotsiny,raha matanjaka kosa ny fanahintsika(vokisana ny tenin'Atra,mamaky baiboly isan'andro mba ahafahana mampiasa izany amin'ny fiainana andavanandro,mba ahafahana na mandroaka ilay herin'ilay lavarambo mitady hamingana antsika ..hiadiana ny fahavalo...na hoe mivavaka ho azy ,mamela azy hoy ny teny ao amin'ny soratra masina sns....) dia maleka ilay herin'ny nofo
Maty ara-panahy avokoa izany isika rehetra ary toy ny zavatra izay maniry ,ataoko ohatra ny voatabia ,tsy maintsy maina ilay voany vao hafafy indray ary avy eo dia ambolena ary dia mitsimoka ka lasa maniry,miroborobo,mamony zato avo heny mihitsy aza,lasa nisy voatabia nitsiry vaovao indray izany ilay voany kely maty nalevina teo iny.
Toa izany koa isika,maty ara-panahy,na velona ara -nofo aza,rehefa nanomboka nandray an'i kristy ho tompo sy mpamonjy antsika (izy no ho tompontsika,izy irery no mamonjy antsika tsy ho very any amin'ny afobe na fahaverezana,mino izany tokoa ve aho,mino azy tokoa ve aho,nametraka ny fiainako teo aminy tokoa ve aho...eny ary ka dia asehoko ny olona izany mba ho vavolombelona fa nomeko ho tantanany manomboka androany ny fiainako ...io ilay batisa amin'ny anaran'ny ray sy ny zanka ary ny fanahy masina,ho an'ny sasany toy ny nataon'i Jaona mpanao batisa dia tena atsoboka ao anaty rano mihitsy,marika fa ho diovina ny fahotana rehetra ary dia avoaka ao anatin'ny rano indray ho marika fa voadio ny fahotana ary olombaovao,olon'Atra,olona mpanaraka an'i kristy,velona indray ilay fanahy izay maty teo aloha ary lasa olombaovao ...ao anatin'ny baiboly izany.....dia manomboka eo dia miaraka amin'ilay olona ny fanahy masina,manomboka eo dia miova tsikelikely ny toetran'ilay olona,miezaka ny hanala ny toetra ratsy rehetra ary tsy avy amin'ny tenan'ilay olona irery izany fa ilay fanahy masina no miasa tsikelikely ao aminy......izay ilay hoe raha nilaza aho fa nandray an'i kristy kanefa ny fiainako fahiny mbola tsy nanana azy ihany no mbola ataoko na ataoko dia ankosombolamena aho ooops,izay aky no mba azoko zaraina ,hialako tsiny fa lesona lavabe io .
mazava ?
(l) niryna
28. niryna
(
21/08/2008 17:06)
ari.malala:
fa manin kay no sarahina foana hoe fanahy sy nofo e! nga tsy efa natambatr'Andriamanitra ho iray ao anatin'ny olona izy roa ireo?
miaraka ary tsy misaraka ireo raha tsy maty ny olona ,ny iray ho vovoka fa ny iray dia ho velona mandrakizay,mifaly miaraka ilay Nahary azy fa ahijaly,hitomany,hiantso vonjy kanefa too late na tara loatra satria raha mbola velona ihany isika no mila famonjena fa raha maty na mandao ity tany ity dia tsy hisy mpamonjy intsony,,ao anaty baiboly koa izany ...tsy afaka manantena izay olo-masina any aho hoe hamonjy ny fanahiko satria efa nomen'i JK antsika avy izany teny izany fony niala tety izy.
marina tanteraka izany
Jereo fotsiny Jesoa e! Na dia Andriamanitra aza no niaviany, manana ny fomba maha Andriamanitra Azy Izy, fa niaina tahaka ny olombelona nofo sy ra izao iany koa, nahalala noana (avy nifady hanina d noana, nahatsapa fa noana ireo vahoaka nanaraka azy tany an'efitra, nahalala nangetaheta, nahalala fahoriana izy nitomany an'i Lazara, nahalala tezitra ka nandroaka ny mpivarotra tao an-tempoly sy ny maro tsy voatanisako) Ko manin no sarahina foana hoe olon'ny nofo e olon'ny fanahy e..
. raha mahatsapa tena fa olon'ny fanahy aza d aza manao ny fanaon'ny olombelona tsony e! aza minakanina fa ny baiboly hanina, aza miakanjo tson kou, aza miaina eto ambonin'ny tany tsony kou fa eto mbola izao tontolo izao be fahotana fa mitadiava hevitra d tonga d any andanitra mipetraka fa any no misy ny olona lavorary..
izany ve no fahazoanao azy ?
ilay fahatsampantena ho olon'ny fanahy anie ry ari-malala tsy midika hoe ho marina amin'izay e,na hoe tsy afaka tezitra intsony ????? raha mbola velona koa ny aintsika dia mbola mety manao ireo toetra ireo isika,inona no mahasamihafa aza,mianatra ny mihaino ny tenin'Atra,mampiantra izany amin'ny
fiainana,mizara izany amin'ny manodidina azy(trust and obey no tena tsotra azoko hilazana azy)mino ilay tenin'Atra ary dia manaraka izany...tsy misy iray marina eto an-tany hoy JK ary marina izany ...mangetaheta ilay teniny ,hiainana ilay izy ary dia miova tsikelikely eny ilay toetra ratsy,tsy mila miteny akory hoe izaho kristiana fa tonga dia hita hoe misy jiro mirehitra ao anatinao ao...
29. niryna
(
21/08/2008 17:12)
badboy:
Tsisy 2 karazana ny olona fa iray ihany : sady vatana no fanahy ary izay no mahasamihafa azy @ biby!! Ny manana tanjona hafahafa no mampisaraka ireo satria fampisarahana no fomba haingana indrindra hitondrana lay olona @ tiana hatongavana!!
Noho izany, aza terena sarahana izay mitambatra satria voajanahary ny fitambaran'ny fanahy sy ny vatana!! :^) :^) :^)
:roll: :roll: fa maninona no lazainao fa terena foana ny olona e,aza atao an'izao ,aza asiana teny soratra masina fa mahay mamaky teny ireo ,mbola ho tonga koa angamba ilay hoe izany no tsy andehanako any am-piangonana fa be mpiantsaravelatsihy ny olona ...ooops.
iza amin'ireo roa ireo aloha hianao e ooops :roll: :D :D
niryna:
Voasoratra ao anaty baiboly fa roa karazany ny olona dia ny olona izay araka ny nofo ary ny olona izay araka ny Fanahy........
14 Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an'ny Fanahin'Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany.
15 Fa ny olona araka ny Fanahy kosa dia mahafantatra ny zavatra rehetra, kanefa izy tsy fantatr'olona.1 Kor 2:14-15
30. malala1
(
21/08/2008 17:42)
raha vao tsy mahatanteraka ilay galatiana 5:22 dia mandeha araka ny nofo izay.
Mivavaha miambena izay ihany no fiarovana.
Mivavaha miambena izay ihany no fiarovana.
31. badboy
(
21/08/2008 20:37)
niryna IHANY no mahay mamelona fanahy satria izay no niantsoana azy!! :-D :-D :-D :-D :-D
32. prime
(
22/08/2008 10:24)
badboy:
Izay fa miseho ny diky afenina!! Lazaina fa EFA NATSOINY!! SAO DIA MBA IANAO IHANY NO NIANTSO NY TENANAO DIA LAZAINA FA NANTSOINA????
ianao ihany:... f'angaha tsy izaho irery indray no niantso ny tenako??? :lol:
niryna IHANY no mahay mamelona fanahy satria izay no niantsoana azy!!
Tsotra io ry badboy : fantatro izay niantso ahy ary fantatro ny niantsoany ahy ary ijoroako vavolombelona fa Jesosy Kristy avy any Nazareta, maty sy nohomboana teo amin'ny hazofijaliana ary nitsangana tamin'ny maty tamin'ny andro fahatelo no niantso ahy... :)
33. niryna
(
22/08/2008 19:36)
malala1:
raha vao tsy mahatanteraka ilay galatiana 5:22 dia mandeha araka ny nofo izay.
Mivavaha miambena izay ihany no fiarovana.
=D marina tanteraka izany fa hoy tokoa mantsy ny soratra masina manambara amintsika hoe :
Ary hoy Izy: Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.
Marka 4:11-13
11 Ary hoy Izy taminy: Hianareo no efa nomena ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra; fa amin'ireny izay any ivelany kosa ny zavatra rehetra dia atao amin'ny fanoharana;
12 "mba hijery mandrakariva ihany izy, fa tsy hahita; ary mba handre mandrakariva ihany izy, fa tsy hahafantatra; fandrao hibebaka izy, ka havela ny helony"(Isa.6.9.10).
13 Ary hoy Izy taminy: Tsy azonareo va ilay fanoharana teo? Koa hataonareo ahoana no fahafantatra ny fanoharana rehetra?
Galatiana 5
1 Ho amin'ny fahafahana no nanafahan'i Kristy antsika; ka tomoera tsara, fa aza mety hohazonin'ny zioga fanandevozana intsony.
13 Fa efa nantsoina ho amin'ny fahafahana hianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifanompoa amin'ny fitiavana.
16 Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan'ny nofo hianareo.
17 Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanareo manao izay zavatra tianareo.
18 Fa raha tarihin'ny Fanahy hianareo, dia tsy mba ambanin'ny lalàna.
34. niryna
(
22/08/2008 19:39)
prime:
Fa tsy izany no tian'ny Soratra Masina ahatongavana... ny lazain'ny Soratra Masina ho nofo dia tsy ireo fantatsika ho nofo mahazatra fotsiny ihany fa indrindra ilay voaozona hatramin'ny voalohany ka mampiasa ny filàny ho mpibaiko ny fiainan'ny mpanota... ilay voaozona sy efa maty ary efa nohomboana niaraka tamin'i Kristy teo amin'ny hazofijaliana... ilay nateraky ny nofo ka ho faty ary hody vovoka indray... ilay afaka iasan'i Satàna ka alainy fanahy amin'ny fotoana sy ny toerana rehetra... ny olona araka ny nofo ao amin'Andriamanitra dia efa faty mandehandeha na dia mbola manan'aina aza...
Dia ahoana hoy ianao ny mpino kristiana izany? amin'Andriamanitra ny mpino kristiana raha tena nandray marina an'i Kristy dia efa maty araky ny nofo ary efa nateraka indray ao amin'ny fanahy ka velona araka ny fanahy satria ny Fanahin'Andriamanitra no anatiny... ny nofo amin'ny mpino kristiana dia tafiana satria mitafy izany araka ny namolavolana azy tamin'ny nofo ihany koa ary antsoina mihitsy aza hoe "fahalovana", efa lo sy maty... ary efa maty niaraka tamin'i Kristy ny nofo sy ny ozona rehetra niaraka taminy... io indrindra ilay nahatonga ny Fariseo Nikodemosy nanontany hoe ahoana koa no mahatanteraka an'izany? satria noraisin'i Nikodemosy "ara-nofo" fotsiny ny tenin'i Kristy ka nahatonga azy nanontany hoe afaka miverina ao an-kibon-dreniny indray va ny olona raha te-ho ateraka sy ho velona araka ny fanahy?
Dia raha miteny ianao hoe koa angaha ianao mety vokin'ny baiboly sa afaka mitafy Soratra Masina? dia mazava ny lazain'ny tenin'Andriamanitra fa ilay nofo "tsy tanteraka", efa maty dia manana ny filàny hatrany ka dia tsy maintsy omena azy izany (sakafo, fitafiana sns...) fa tsy izany intsony no atao hoe fiainana ao amin'Andriamanitra... ary Andriamanitra rahateo no efa mampifandrafy ny nofo sy ny fanahy ka raha tsy fantatrao fa miady ireo dia tsara ny mandinin-tena ka miverina ao amin'i Kristy satria ny filazana hoe iray ihany ny nofo sy fanahy dia mbola velona araka ny filan'ny nofo satria tsy mbola niara-maty tamin'i Kristy ilay nofo raha ny lazain'ny Soratra Masina... izany indrindra no mahatonga ny tenin'Andriamanitra ho hentitra ny amin'ny atao hoe fiainana sy fahavelomana marina izay andidiana mihitsy ny mpino hanombo ny tena sy ny nofo sy ny filàny eo amin'ny hazofijaliana (izany hoe ho faty) mba hiara-belona ao amin'i Kristy ka efa miara-mitsangana Aminy...
Fa hoy indrindra no voasoratra amin'ny anaran'i Kristy :
"Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin'Andriamanitra, ka novonoina tamin'ny nofo, fa novelomina tamin'ny fanahy," I Petera 3:18
"Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanareo manao izay zavatra tianareo." Galatiana 5:17
"Ny fanahy no mahavelona; ny nofo tsy mahasoa na inona na inona; ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana." Jaona 6:63
"Ireo no mahatonga fisarahana, dia olona araka ny nofo ihany, fa tsy mba manana ny Fanahy*. [* Na: tsy mba manana fanahy]" Joda 19
misaotra prime tamin'ny fanazana a
:-* :-*
35. niryna
(
22/08/2008 19:44)
fahamarinana:misaotra aky fahamarinana a
:arrow: soa fa samy manana ny safidiny tokoa fa tsara raha samy mitazona sy manaja ny azy .....izay angamba no azo ilazana azy hatreto koa dia mahereza na ireo Mpino na ireo tsy mpino ihany koa fa fizaràna fontsiny ihany no atao na ny ahy ,na ny azy ,na ny anareo ,na ny antsika rehetra,eny na tsy mitovy hevitra aza ndraindray...dia samia mandray izay tiany sy takany sy heveriny fa mety aminy... Tsiky dia ampy :-* (l)
anjaran'ny tsi11 tokoa na hanaraka an'i kristy izy na tsia satria efa nomen'Atra safidy isika ary tsy isika koa no nifidy ho tia Azy na hino Azy fa Izy no efa nifidy antsika ka efa fantany tokoa ny ondriny ...fahasoavana daholo izany,tsy nanao na inona na inona isika fa fitiavaNy no nasehoNy izao tontolo izao antsika dia ny nanomezaNy ny Zanany ho antsika ....tsy ory tokoa fa manambe ary miadan-tsaina izay miaraka Aminy..Aleloia Amen
36. naughtyboy
(
23/08/2008 11:38)
ny hevitry ari.malala sy badboy io no manakaiky ny saiko,nefa ny hevitr'olona mety ho marina nefa mety ho diso koa ilay Inoako ihany no anampy ahy @ hevimpanahy fa tsy arakaraky zay tiany hafa ampiasainy ato @ baiboly no tsy maintsy asisika any andoha ny sasany....nahoana?
tsetsatsetsa fanamarihana ihany no ataoko eto fa tsy tsikera ,isaky ny miditra @ resaka fivavahana aho de ny fanasana loha ny hafa no betsaka (fanatika asa na fampianarandiso na ahoana)satria eo le fahalalana mampiasa ny andalana sy mandika azy @ itiavana azy...fanoroana ,fanazavana, fanajana ny fahasamihafany fomba fijery indrindra2 no tadiavina eto hozarazaraina fa tsy fidoifana ho marina foana zay samy tsy misy tompony ,fanotaniako de tsotra fa nga tsisy fomba hafa tsotra ifanakalozankevitra azontsika ampiasaina noho ny andalana lava b sy toriteny ...ny ohatran'ahy manko mba mitsidika eto @ fotoana kely zay ananana refa malemy iny ny vatsimpanahiko nefa de mitsoaka avy atrany ra vao mahita reo fisehonjavatra reo (monamonaina b zany e..)atsipy ny tady eny antandroky ny omby ary atsipy ny teny any ampony mahalala..sotra tompoko
tsetsatsetsa fanamarihana ihany no ataoko eto fa tsy tsikera ,isaky ny miditra @ resaka fivavahana aho de ny fanasana loha ny hafa no betsaka (fanatika asa na fampianarandiso na ahoana)satria eo le fahalalana mampiasa ny andalana sy mandika azy @ itiavana azy...fanoroana ,fanazavana, fanajana ny fahasamihafany fomba fijery indrindra2 no tadiavina eto hozarazaraina fa tsy fidoifana ho marina foana zay samy tsy misy tompony ,fanotaniako de tsotra fa nga tsisy fomba hafa tsotra ifanakalozankevitra azontsika ampiasaina noho ny andalana lava b sy toriteny ...ny ohatran'ahy manko mba mitsidika eto @ fotoana kely zay ananana refa malemy iny ny vatsimpanahiko nefa de mitsoaka avy atrany ra vao mahita reo fisehonjavatra reo (monamonaina b zany e..)atsipy ny tady eny antandroky ny omby ary atsipy ny teny any ampony mahalala..sotra tompoko
37. fahamarinana
(
23/08/2008 11:48)
naughty:
fanajana ny fahasamihafany fomba fijery indrindra2 no tadiavina eto hozarazaraina
:arrow: itovizako hevitra ihany koa satria finoana maro no miara_midinika sy manome ny heviny....fa toa ho henjana be ny tady rahatoa kah hifampisitona daholo eto..nefa dia betsaka tokoa ny hevitra sy lesona azo raisina avy amin'ny rehetra tsy ankanavaka. :) (l)
38. naughtyboy
(
23/08/2008 11:56)
ka zay le izy,tsy azo atao toy ny tady(asa nareo na efa nilalao papango taloha
fa tsy enjanina foana akory fa tapaka iny ary very ny papango,ampifandanjana no fanao azy)fifandanjany fifanakalozankevitra zany no tanjona fa tsy fifandroritana na tsy voasakana aza izany mba asina ezaka:D tapitra atreo ny tiko ambara fa misaotra daoly antsika rehetra..
fa tsy enjanina foana akory fa tapaka iny ary very ny papango,ampifandanjana no fanao azy)fifandanjany fifanakalozankevitra zany no tanjona fa tsy fifandroritana na tsy voasakana aza izany mba asina ezaka:D tapitra atreo ny tiko ambara fa misaotra daoly antsika rehetra..
39. xxx
(
23/08/2008 12:42)
tadidio fa ny fahendrena rehefa manompo an'Atra dia mampahalala ny olona an'Atra ianao fa tsy mandidy mba hino Azy.
Raha vao mandidy olona iray ianao dia tsy avy amin'Atra izany .
"Tsy tonga hiantso ny marina Aho fa ny mpanota mba hibebaka
Tsy ianareo no nifidy Ahy fa Izaho no nifidy anareo."
Mbola tsy tonga ilay fotoana izany matoa tsy manaraka an'Atra ilay olona>
Rehefa nanome ny fony ho an'Atra izy dia efa an'Atra izay saingy mila fikolokoloina izany sy mila fanavaozana isanandro raha vao mifoha.
Izany no ilaina ny vavaka. Tsy atao tsianjery fa nandritra ny andro 1 dia manaova bilan ary raha tsapanao fa nisy diso ny nataonao dia ataovyizay hihavananao amin'Atra vao matory.
Miezaha mba ho tanteraka aminao ireo fianana ara-panahy ireo dia izay.
Aza lany andro amin'ny fitanisana ny zava-dratsy fa miezaha mitady izay mahafaly an'Atra satria efa Azy ianao.
Raha vao mandidy olona iray ianao dia tsy avy amin'Atra izany .
"Tsy tonga hiantso ny marina Aho fa ny mpanota mba hibebaka
Tsy ianareo no nifidy Ahy fa Izaho no nifidy anareo."
Mbola tsy tonga ilay fotoana izany matoa tsy manaraka an'Atra ilay olona>
Rehefa nanome ny fony ho an'Atra izy dia efa an'Atra izay saingy mila fikolokoloina izany sy mila fanavaozana isanandro raha vao mifoha.
Izany no ilaina ny vavaka. Tsy atao tsianjery fa nandritra ny andro 1 dia manaova bilan ary raha tsapanao fa nisy diso ny nataonao dia ataovyizay hihavananao amin'Atra vao matory.
Miezaha mba ho tanteraka aminao ireo fianana ara-panahy ireo dia izay.
Aza lany andro amin'ny fitanisana ny zava-dratsy fa miezaha mitady izay mahafaly an'Atra satria efa Azy ianao.
40. naughtyboy
(
23/08/2008 15:37)
zany amiko no tenin'olona manampanahy tsotra fa tonga de miditra misy isaitsainina,misotra tompoko @ torohevitra fa mahasoa ny hafatrao.. :lol:
