Mitovy fanoratra fa tsy mitovy dika

1. RATOVOARY ( 07/08/2008 06:53)
Maro ireo teny mitovy ny fanoratra azy nefa samy manana ny heviny.
Oh:
Mamahana ( tsindri-peo eo @ "a faharoa " ) = manome sakafo, sns....
Mamahana ( tsindri-peo eo @ "a fahatelo " ) = mamporisika hitazona mafy

Oh hafa koa:
Ety ( tsindri-peo eo @ "e" ) = tery
Ety ( tsindri-peo eo @ "y" ) = manondro toerana

Afaka manohy ianao.

P.S : tsy mify tenim-pirenena na vahiny na Malagasy fa ny zava-dehibe de ny fanaporofoanao ny fahasamihafan'ny heviny.

:-w :-w :-w
répondu par Bethebest le 29/08/2008 09:05
2. booboo ( 07/08/2008 10:12)
Ety ( tsindri-peo eo @ "e" ) = tery
Ety ( tsindri-peo eo @ "y" ) = manondro toerana


euh..misy diso :
Hety (fa tsy Ety ) = tery
3. hery ( 07/08/2008 10:16)
Fa toa misy tsindrim-peo mihitsy ilay izy kah. Izany hoe rehefa tsy manaraka ny fitsipika ara-dalàna dia asiana tsindrim-peo

Ohatra

Tanana (na koa Tànana)
Tanàna

Lalana (na koa làlana)
Lalàna

Mamahana
Mamahàna

Dia tohizo amin'izay
4. Koditra ( 07/08/2008 10:58)
màzana = mafy be
mazàna = matetika



Mitovy tsindri-peo fa samy hafa dika :

tratra : Enjehina na samborina dia azo.
tratra : faritra eo ambonin'ny kibo.



5. Zozoro ( 07/08/2008 16:36)
hevitra : teny atsipy ( manipy hevitra, mihevitra ny hatao, olona mihevitra: misaina)
hevitra : mihetsika (tany mihevitra = tany tsy azo antoka fa mety hirodana)
6. carson ( 07/08/2008 17:06)
tany mihevotra angamba no tokony ho izy sa?
7. Zozoro ( 07/08/2008 18:46)
carson:

tany mihevotra angamba no tokony ho izy sa?


Tena marina izany. Misaotra manintsy


8. RATOVOARY ( 08/08/2008 04:53)
voly= ilay famokarana ataon'ny tantsaha ( oh: voly katsaka , voly vary.....)
voly=ilay mangotsoka mpahazo ny ratsam-batana ( tanana, tongotra )
9. ni81 ( 08/08/2008 09:55)
fony = taloha (fony fahagola dia nisy ny vazimba)
fony = fo (nitsahatra tsy nitempo ny fony)
10. Zozoro ( 08/08/2008 11:13)
toko = toko fandrahoan-tsakafo
toko = fatra - ohatra anana iray toko
11. RATOVOARY ( 08/08/2008 11:36)
Foana = tsy misy, poak'aty
Foana = milaza fiverimberenana ( mody foana rehefa hariva ny andro )

12. ni81 ( 08/08/2008 12:01)
kalo: hira (kaloin'ny tarika njila izay hira izay)
kalo: nasian'ilay olona kalo ny fambolena
13. ni81 ( 08/08/2008 12:02)
kalo (ilay faharoa io dia fanafody gasy)
14. booboo ( 08/08/2008 12:20)
orana = hazan-drano ( biby )
orana = rano milatsaka avy an-danitra :lol:

tao = manondro toerana
tao = fototeny ( manao, fanaovana, fitaovana sns )

booboo = méchant @ dragon ball Z
booboo = pseudo-na namana
:-D :-D :-D :-D

:arrow:
15. booboo ( 08/08/2008 12:21)
orana = hazan-drano ( biby )
orana = rano milatsaka avy an-danitra :lol:

tao = manondro toerana
tao = fototeny ( manao, fanaovana, fitaovana sns )

booboo = méchant @ dragon ball Z
booboo = pseudo-na namana
:-D :-D :-D :-D

:arrow:
16. ni81 ( 08/08/2008 12:37)
alona = anaty rano (alon-drano)
alona = toetra (fialonana)
17. ni81 ( 08/08/2008 12:39)
alona = anaty rano (alon-drano)
alona = toetra (fialonana)
18. ni81 ( 08/08/2008 18:59)
saina = fanevam-pirenena
saina = eritreritra ao anaty
19. kalazagasy ( 08/08/2008 22:32)
ni81 : mahay an!

fosa = takoritsika fanaon'ny vehivavy
fosa = biby anaty ala mahery fofona

Aty = taova
Aty ( tsindri-peo eo @ "y" ) = manondro toerana
20. ni81 ( 09/08/2008 06:46)
fanala = jiro fitondra @ alina
fanala = hatsiaka mamirifiry
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4985