« fiandry »

1. ratonga ( 03/08/2008 20:52)
lahatsoratra hitako tao @ gazety midi ity, fa tsy mazava amiko ilay atao wé « fiandry » ra misy afaka manazava misimisy kokoa :°)

Faits divers
FAHAFATESANA. Tena mahay zavatra mihitsy ny olona. Tsy nanampo na inona na inona ny olon-droa niaraka. Niafara tamina fahafatesana izany.

Maty voan’ny « fiandry » rehefa avy nanao firaisana
Fotoana fohy taorian’ny nanaovany firaisana tamina vehivavy iray dia maty ilay rangahy. Nihemotra ny filahiany raha vao vita izany. Ary dia io no voalaza fa nitarika ny fahafatesany. Nanamafy ny dokotera nijery azy fa avy amin’io fihemoran’ny mahalehilahy azy io no nahafaty azy. Hay, hono, misy fiandry nataon’ny vadiny ilay ramatoa.Tany amin’ny tanàna atao hoe Antsiraka any amin’ny faritr’i Bealalana no nisehoan’izany tamin’ny 13 jolay lasa teo. Ny vadin’ity rangahy namoy ny ainy ity no nitantara ny fandehan-javatra. Nilaza izy fa tafaresaka tamin’ny vadin’ilay vehivavy niray tamim-badiny izay nanamafy tokoa fa misy izany ny vadiny.Efa hatramin’ny volana janoary ireo olona ireo no niara-niasa nanao vato. Nandeha tsara ny fihariana nataon’izy ireo ary tsy nisy nanembantsembana izany. Taty aoriana anefa azon’ny fakam-panahy ilay lehilahy sy ilay ramatoa. Nitsiry tany amin’izy ireo ny hiaraka. Dia raikitra tokoa izany. Tamin’io daty voalaza etsy ambony no niray ry zareo. Inoana fa samy tsy nahafantatra izy roa ireto fa misy zavatra ilay vehivavy.FiandryTena misy tokoa ve izany atao hoe fiandry izany. Maro mantsy ny resaka efa re mikasika ity zavatra ity. Ataon’ny tompom-bady izy io mba hiarovany ny vadiny tsy ho alain’olon-kafa. Maro ny tranga taterin’olona etsy sy eroa. Karazana fanafody ilay izy ary izay olona mikasika ilay vehivavy, dia na marary, na maty, na mivadika ho zavatra hafa ny filahiany. Ilay olona nametraka ny fiandry ihany hono no afaka manasitrana izay voa.
Mamy A.
2. yonikafopl ( 04/08/2008 04:39)
otran reny kalo reny io ratonga aaa, refa tsy tiana hangalarin'ny oll ny voankazo dia asiana kalo.
ny an vazah oh refa nde hiady dia ny ceinture de chassetE no ampiasainy am vadiny mba tsy hande amin'olonkafa .
le fiandry dia arak'izany anarany zany eee, amin'ny gasy dia fanafody natao hiandrasany ny vadiny,mba tsy hisy hikitika am tsy maha eo azy.
Fa reny fiandry reny hono tsy azo atao fantatr'ilay olona hasiana azy hoe nasiana fiandry izy ra tsy zany tsy mandaitra le izy.
3. ravatorano ( 04/08/2008 05:19)
marina ny voalazan i yonika io
mbola betska ny manao an 'io ny lhl any anindrana any indrindra fa amin'iny faritra avaratra iny.Zava misy izany ary tsy fampitahorana fotsiny io fa tena nitranga araky ny fitateran ny gazety azy na izany aza anefa dia mila fandinihina ara tsiantifika lalina kokoa satria ilay dokotera nilaza ny fahamarinan'izany dia olona avy any ary mahalala tsara ilay fomba any ka tsy dia nisalasala izy nanamarina.
4. fahamarinana ( 04/08/2008 08:33)
:arrow: ary mba misy fiandry ho an'ny lehilahy ihany koa ve ? mba fanontaniana ny ahy fa toa vavy foana no ambesina .... (l)
5. ni81 ( 04/08/2008 09:01)
ary mba misy fiandry ho an'ny lehilahy ihany koa ve ? mba fanontaniana ny ahy fa toa vavy foana no ambesina ....
:lol: :lol: Efa nandre koa aho taloha tany dago fa nisy lahy asian'ny vavy fiandry.
6. kelly13 ( 04/08/2008 09:43)
ndao ry reto asina fiandry i ratonga a :°)
7. ratonga ( 04/08/2008 09:51)
kelly13:

ndao ry reto asina fiandry i ratonga a :°)

:-D :-D :-D :-D

fa ny tsy azoko wé karazany in lé fanafody dé ahona no fampiasana azy aositra vé sa asitrika sa aohana, dé aona no tsy ahalan'ilay oul asina azy ra izany??? zah manokana alou tsy mino an'izany é!
lé ceinture lazain'i ykf no inoko fa iny mantsy hita maso
8. ni81 ( 04/08/2008 09:56)
ndao ry reto asina fiandry i ratonga a
=)) =)) =)) =))
9. fahamarinana ( 04/08/2008 11:21)
:arrow: hanky va re misy ho an'ny lahy koa...mist zvtr betsaka tsy hay tokoa any amintsika any an... (l)
10. kelly13 ( 04/08/2008 12:11)
ka na le fametrahana ilay ceinture de chasteté kou alou aôna e? d mampaninn io ceinture io? efa henoko kou mantsy io ceinture ceinture io, nefa nge ry reto refa atao ny fandinihana ceinture=fehikibo e! ceint=kibo tsinn! nga misy kibo ao @ zaferantsika vavy ao? lol

11. Koditra ( 04/08/2008 12:23)
ratonga> na tsy mampino aza dia tsy maintsy ekena iany satri zava-misy tsy takatry ny saina.

fahamarinana> raha misy fiandry lahy amidy eny @ pharmacie d ngamba hilaharana be ny fividianana azy, sady @zay mety ho 3jours defa perimé. :-D :-D
12. fahamarinana ( 04/08/2008 12:47)
:arrow: ny any koditra mampahorikoditra foana no lazainy,zay vao azoko tsara ilay ps-nao :wink:
keliterezy : ohatra ny tamin'ny andro taloha be io resaka io,tam film no nahitako azy fa ny fahamarinany aloha tsy fantatro tsara.Tsaroako fontsiny fa fehikibo dia misy zvtr mamatotra sy misadika amin'ilay vehivavy ary misy cadenas manidy azy,manana clé ilay rangahy zany e... :) (l)
13. haritianah ( 04/08/2008 13:17)
tamin'ny talou nipetraka tany @ amorontsiraka no efa maro ny olona mitantatra an zany fa ny fahamarinaany no asa.
Ny efa eno tany kou dé lé ataon'ny vhv any vadiny refa ts tiany hiaraka @ vhv hafa dia ataony ts possible mits ny iarahan'ilay vadiny @ lé vhv refa au moment ny hanao zvtr zareo de tena malemy fa ts possible.Io dé isany refa mikasa hiaraka @ vhv hafa ankoatrany vadiny lé lhl.
Fanazavana heno t@ zany fotoana zany mou na Lé Fiandry na io Mapalemy ny any lahy io dé wé maka zvtr @ ren mpanao fanafody gasy reny ny vehivavy tompony vady dia lé fanafody hono ahositrany @ tanany dia safoiny @ taova fotsiny dé zay.
Salan'izay koa raha efa henonareo lé resaka savony gasy (hono),refa ts laitra ts azo tenenina lé rangahy vadiny fa miziriziry @ lé vadikeliny dé nakany @ olona mpitsabo gasy reny lé ramatoa tompobady dia savony gasy no natoron'ilay mpitsabo aosotra ny taovan'ilay rangahy vadiny ka raha vao tafaray @ lé vhv vadikeliny izy dia lasa lé maimbo bé ts mety hafaka reny ny taovan'ilay vhv tratrany savony gasy.Asa alou na savony gasy fotsiny na misy zvtr hafa koa.
Ny fahamarinany no ts fantatro fa bresaka mandéha no naenoana zany.
Fa na izany na ts izany alou @ maha saina olombelona vé dé mandry ny saina hisompatra toy izany? asa alou é!
Fa ny efa itany masoko alou raha ity resaka fangalarana vadiny olona ity dia nisy rangah iray nangalatra vadin'ilay rangaha namany, dé loza fa notratrarin'n'ilay tompombady zareo roa niaraka iny dé nitondra asidra t@ na seringy lé rangaha dia notifiriny t@ taren'ilay bandy nangalatra ny vadiny fa tena nikarekona lé tarehi'ilay bandy.Fery sy olatra amataonany maro no netin'ilay rangahy nangalatra ny vadiny.
Apetrako aminareo ny fanontaniana, diso vé sa omenareo fahamarinana lé rangahy tompony vady?
14. ratonga ( 04/08/2008 16:31)
Koditra:
ratonga> na tsy mampino aza dia tsy maintsy ekena iany satri zava-misy tsy takatry ny saina.

refa tsy takatry ny saina ry koditra dé tsy inoana a!! :-P efa andro mazava izao vé dé mbola inoinofoana ihany :°) :-D :-D
haritianah:
Salan'izay koa raha efa henonareo lé resaka savony gasy (hono),refa ts laitra ts azo tenenina lé rangahy vadiny fa miziriziry @ lé vadikeliny dé nakany @ olona mpitsabo gasy reny lé ramatoa tompobady dia savony gasy no natoron'ilay mpitsabo aosotra ny taovan'ilay rangahy vadiny ka raha vao tafaray @ lé vhv vadikeliny izy dia lasa lé maimbo bé ts mety hafaka reny ny taovan'ilay vhv tratrany savony gasy.Asa alou na savony gasy fotsiny na misy zvtr hafa koa

ngà lé bandy tsy maka douche, misasa fotsiny ngé zany dé hafaka ny savony gasy é!:-D :-D .
haritianah:
Apetrako aminareo ny fanontaniana, diso vé sa omenareo fahamarinana lé rangahy tompony vady?
amiko dé diso lé rangahy, vhv bdb reo vé tsy mitady hafa dé vita:-P
15. fahamarinana ( 04/08/2008 16:38)
ratonga:
amiko dé diso lé rangahy, vhv bdb reo vé tsy mitady hafa dé vita

:arrow: oay koa zany izy......Ny diso sy marina aloha dia samy manana ny fomba fijeriny sy ny toerana misy azy ka sarotra be ny mamaly azy fa ny ahy ndray tokony tsy tany amin'ny tarehiny no nataony fa tany amin'ny toeran-kafa mihintsy..... :-P (l)
16. ratonga ( 04/08/2008 17:05)
ka marina zany ngé ry faha..... blem iray v dé mbola ampiana hafa ko, refa tratrany ny vadiny sy oul kafa dé nga azony fafana ao an-dohany tsony na miombona aza ry zareo :°)
17. fahamarinana ( 04/08/2008 17:16)
:arrow: mampihomehy koa ilay hoe -miombona- ,ka ilay solution de facilité hoe mitady vehivavy hafa mihintsy no halako...:evil:
hari:
diso vé sa omenareo fahamarinana lé rangahy tompony vady

:aza omena azy zany kosa za klé....:-P (l)
18. diamondra27 ( 04/08/2008 17:29)
ka tsy mitovitovy amin 'ilay hoele sipa nanao anafody an'le bandy de tsy tafa tsony amin'ny vadiny ve ty e. Ilay oe sady tsy ahy no tsy azy.
nareo lhlnge tokony mba fidele refa en mission fa tsy miraparapa foana e

19. ratonga ( 04/08/2008 17:31)
ka oblizé tsy maintsy miady ngé reo ra tratra ambodiomby/noul lé sipa é! :-D ary tsy solution de facilité ny mitady vehivavy hafa amiko question de bon sens tsy aleo vé izay toizay mandratra oul mety igadra :roll:
20. fahamarinana ( 04/08/2008 17:33)
:arrow: ka angaha lehilahy irery fa ilay ramatoa koa no tratra teto hono kouh... (l)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0942