Ny GASY hono...

1. lazounet ( 05/07/2008 10:47)
Aty an-dafy,
Ny gasy hono miavonavona
Ny gasy hono mpanararaotra
Ny gasy hono tsy fampiditra an-trano
Ny gasy hono be fosafosa
Ny gasy hono olona kamo
Ny gasy hono be vava
Ny gasy hono MANAO SAIN-GASY

Fa iza anefa no milaza izany é?

Ny samy GASY ihany é.

répondu par SHOAN le 08/08/2008 22:01
2. Samoana ( 05/07/2008 11:11)
Indrokely :wink: : ahitsiko kely ny lohateny nataon-dRazandry fa tokony hoe:
" Misy Gasy hono..." :)
Ary tsy ny gasy ihany fa fiaraha-monina tsy mahita afitsoka sy foronina intsony no mahatonga izany
3. tsimati ( 05/07/2008 11:28)
Tsy toetra Malagasy ihany izany fa ny olona rehetra rehefa miala ny fireneny dia matetika misomokotra aloha ary tena misahirana vao tafapetraka. Rehefa milamindamina dia indraindray sendra mba manampy teran-tany vao tonga nefa olana sy gidragidra indraindray no hita. Mba hisorohana izany dia tsara ny tsy dia mifampiditra.
MATOA KOA IANAO MIVOAKA DIA VONONA HIADY FA TSY HIANTEHITRA AMIN'NY OLONA. Tsy Malagasy ihany io hoy aho averiko ihany. eran-tany eny fa na ny Sinoa samy sinoa lasa Madagasikara aza mifampitifitra mifamono mihintsy satria mifametrapetraka. ny afrikanina samy afrikanina koa ary iray firenena matetika manao io hoe mifampiditra avy eo mifampisoloky ka aleon'ny sasany avy dia tsy mifampijery fa samy miady amin'ny fiainany. mahatanty ianao matoa mitsambikina ka aza taitra na manimba sain'ny tsy nandeha andafy fa amporisio izay tia andeha andafy hatanjan-tsaina ary tsy hiantehitra.
4. lazounet ( 05/07/2008 11:37)
Samoana> sy >tsimati
Miarahaba anareo!

Fanahy iniako mihitsy ny nametraka ny lohan-teny hoe: "NY GASY hono..." satria, gaga be mihitsy aho, rehefa mahita MALAGASY miresaka amiko manaratsy ireo tera-tany amin'ireo "adjectifs" ireo.
Ireo toetra rehetra ireo dia hita n'aiza n'aiza sy aman'olona marobe, kanefa nahoana ireo gasy sasan-tsasany no miseho manambany ny MALAGASY rehetra amin'ny fanaovana Faobe toy izao ?
Raha izaho manokana , dia laeoko mijery ny toetran'ny tsirairay fa fadiako ny manao safo be mantsina!

Mino aho fa valable koa io ho an'ireo rahalahy sy anabavy TAVARATRA izay matetika kianin-tsika ihany koa.
5. vale ( 05/07/2008 12:04)
tena "dommage" be aloha raha tena marina dol ireo eh! zà alou mbola tsy sendra fa asa?!
6. vale ( 05/07/2008 12:07)
oay, adinoko kely, ...ny be fosafosa kosa aloha dia mMarina, za izao no efa nanana namana tsy miresaka raha tsy hifosa ny sasany, dia anefa rehefa avy eo miresaka be amin'ilay oul fosainy izy avy eo ohatran'ireny tsy nanao in'inona ireny! hummmm, no-coupéko ilay relation fa tsssss, mandany rora fotsiny sady poizina, avy eo ianao mihaino azy indray no lazainyfa nilaza ilay izy sy nifosa ilay oul!! 8O .... :evil:
7. ni81 ( 05/07/2008 13:19)
oay, adinoko kely, ...ny be fosafosa kosa aloha dia mMarina, za izao no efa nanana namana tsy miresaka raha tsy hifosa ny sasany, dia anefa rehefa avy eo miresaka be amin'ilay oul fosainy izy avy eo ohatran'ireny tsy nanao in'inona ireny! hummmm, no-coupéko ilay relation fa tsssss, mandany rora fotsiny sady poizina, avy eo ianao mihaino azy indray no lazainyfa nilaza ilay izy sy nifosa ilay oul!! ....
Ny any indray namana vavy izay; zavatra tsy nolazaiko akory fa ilay lehilahy miaraka aminy no nilaza ilay resaka dia navadiny tany @ ilay olona. Soa fa nananako porofo ny zavatra nolazainy dia vasoka teo. Notapahiko ny fifaneraserana ary tonga dia fantany fa tsy te hihaona taminy intsony aho nanomboka hatreo.
8. diamondra27 ( 05/07/2008 13:19)
ny henoko indray de we
ny gasy hono de gentille, sympa, intelligent, manja, mazoto
mitandrina asa tsara sady mazoto
hatreo ihany aloha fa mbola maro ny sisa
9. tsimati ( 05/07/2008 14:34)
Tsy ny Malagasy angamba aloha no tena mpivahiny sy mifindra monina maro. Vitsy ihany no manao izany ka izay angamba no mahatonga ilay resaka manontany izay toetran'ny lasa andafy teo aloha. Ny zavatra misy amin'ny afrikanina mandeha amin'ny tany mampiantra fanamelohana ho faty ireo dia maro ny afrikanina no tratra ary ahanton'ny olona satria mikitikitika resaka drogue. Mahamay ao raha mifandray aminy noho izany sarotra ny mampiantrano izay hita fa iray fihaviana rehetra izao. Tsisy azafady io. Amin'ny tany tsisy izany moa dia asa fa mety ho tsotra kokoa angamba. tsy haiko.
10. lazounet ( 05/07/2008 14:45)
diamondra27:

ny henoko indray de we
ny gasy hono de gentille, sympa, intelligent, manja, mazoto
mitandrina asa tsara sady mazoto
hatreo ihany aloha fa mbola maro ny sisa




Marina ireo dIAMONDRA saingy TSY NY GASY no miteny an'io fa Firenena hafa..

CHERCHEZ L'ERREUR
11. aloalo ( 05/07/2008 14:53)
ie, ny oul @ teny firenena mahita fa ny malagasy dia zentil, mahay mandray oul, miasa tsara...

fa raha samy malagasy dia ny gasy any andafy dia... zao sy zao. araka ny tenin'i lazounet io. Misy fahamarinany alou e !

fa kosa dia ny teniko ny gasy dia mataho-bazà. Raha vaza no mampiasa azy dia wi msé, wi madame. fa raha malagasy no mampiasa dia ahitana io tsikera rehetra io.
12. lazounet ( 05/07/2008 17:43)
ny teniko ny gasy dia mataho-bazà. Raha vaza no mampiasa azy dia wi msé, wi madame. fa raha malagasy no mampiasa dia ahitana io tsikera rehetra io.


Marina mihitsy fa mataho-bazaha ny gasy! indrindra fa any Madagasikara. Tsy @ resaka fibaikoana ihany fa @ ankapobeny mihitsy:
Sendra nisy filaharam-be tao @ Paositra tao Fianarantsoa dia nilahatra aho dia nisy vazaha koa tao anatin'ny filaharana tao aorina be; somary nikorontana kely ny olona fa ela loatra fa hoy ilay mpiasan'ny paositra t@ ilay vazaha hoe: " venez m'sié, passez devant, zé vé vous servir"... Rangitra aho t@ izay dia nosakanako lé vazaha dia hoy aho hoe : retournez à votre place svp", avy eo nanontaniako an'ilAy mpiasan'ny paositra hoe inona no antony andefasana azy devant tout le monde, dia namaly ilay mpiasa hoe : "manala baraka hono ny toetran'ny gasy dia aleo HAJAINA NY VAZAHA....
13. marindra ( 05/07/2008 17:51)
Mpandefa : lazounet [ Valio ] 05-07-2008 12:47:57
Lohateny : Ny GASY hono...
Aty an-dafy,
Ny gasy hono miavonavona
Ny gasy hono mpanararaotra
Ny gasy hono tsy fampiditra an-trano
Ny gasy hono be fosafosa
Ny gasy hono olona kamo
Ny gasy hono be vava
Ny gasy hono MANAO SAIN-GASY

Fa iza anefa no milaza izany é?

Ny samy GASY ihany é.

misy adino
Ny gasy hono be fialonana
14. ainaheri ( 05/07/2008 18:32)
Misy adino kou," ny gasy hono mpandefitra lava "
15. vale ( 05/07/2008 19:22)
ainaheri & marindra: :-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D ...izaho koa maheno foana ohatran'io lazain'i Diamondra27 io! oe avy aiza ianao? de raha vao miteny oe Malagasy dia tonga de mande ny dokadoka rehetra, hay! nareo Malagasy tsotra, sarika, tia tsikitsiky lava, etc...fa indrindra oe tsotra sy tsara fanahy hono ny Malagasy, na afrikanina na vazaha de reko niteny an'ireo dol! dia zà indraindray manao fanahiniana mba manao "difficile" kely fa indrainjay manko misy manararoatra ilay hoe gentille de tsy tiko, fa ny tsy ataoko fotsiny tsy miavona, fa zah tsy miraharaha vazà izany koa alou e, aleoko aza manaja ny Gasy sahala amiko toy izay hanindraindra ny tsy iray tanindrazana amiko akory!.. :°) ...izaho manaja an'ny rehetra ah, fa raha asaina mifidy, ohatra iray miresaka filaharana dia hiala tampoka aho dia aleoko omena ilay iray tanindrazana amiko ny toerako toy izay vazah!!... :wink: :wink:
16. Veloo ( 06/07/2008 01:57)
Marina ireo lazain'i lazounet ireo tsisy afa tsy io no heno tena mampalahelo ilay fisainana ka. Za aloha dia efa tratra mihitsy e
17. Veloo ( 06/07/2008 01:59)
mila fanazavana ilay oe tratra. Tratra ny fanaratsiana satria mampiditra gasy an-trano, sy ny fosa sy ny tsy itako intsony :(
18. ainaheri ( 06/07/2008 05:27)
Veloo> Ny blem @ lay izy an ,misy oul maika ny ahita ny lavatranonao,fa refa mba anjaranao ndray mba mi-propose azy mba ho any ,hehe .. aoka fotsiny...mahita zao lainga sy mamorona aleha tampotampoka eo izy!!
Araka io kozin'i Lazounet io zany ee,refa misy ny blem any @ oul 1 any d regleo any f'aza atao safobemantsina ny gasy reetra fa mapalaelo.....nefa kosa misy ny gasy tena ambany be ny toetsainy,asa ..nohon'ny fiainana??
19. malalatinasoa ( 06/07/2008 07:20)
Aleo iteny daholo izay iteny, tsy maninona fa revena milay fotsiny.
20. ainaheri ( 06/07/2008 08:29)
malalatinasoa> tsy we akory fanaratsiana fa mba ampifantarina ny tsy mbola voa sy ahantonga saina ny za-dratsy ee,d revena mlay refaveo :lol: :?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2014