Ny mpamafy

1. niryna ( 18/06/2008 17:49)
http://baiboly.org/toko.asp?boky=MARKA&toko=4&andininy=4-10&dika=
Inona no hevitra tian'i kristy ampitaina amintsika ?

(l) niryna
répondu par niryna le 01/07/2008 03:47
2. ikaretsaka ( 18/06/2008 19:27)
asio zezika aloha ny tany dia eny an-tanimboly mamafy fa manjary mamafimafy foana! :-D
3. ari.malala ( 19/06/2008 07:04)
:-D :-D :-D
4. celesy ( 19/06/2008 07:11)
Ny isika no mpamafy, na hoe mitory ny vaovao mahafaly, dia ny afafy ny teny n'Andriamanitra ao amin'ny baiboly, ataovy mpianatra ny firenena rehetra dia ho tonga ny farany.
5. ikaretsaka ( 19/06/2008 11:54)
tena serieux izany: afafazo any @ izay toerana tokony hamafazana azy ny voa raha tianao hamokatra...
na asao (manajaria tany) mba ho tany mamokatra ilay tany!

6. Ilo ( 19/06/2008 12:03)
Ikaretsaka>> Marina tokoa ny voalazanao raha fambolena no resahina fa tena izay tokoa ve no lesona ara-panahy azonao t@ ireo andininy ireo? :roll:
7. ikaretsaka ( 19/06/2008 12:12)
eny.... matoa Izy mbola nanao fanoharana @ mpiasa tany maro be sy ny ahidratsy sy ny mpijinja sns....
8. Ilo ( 19/06/2008 12:17)
Eny ary ko!
Ny tian'i Kristy ampitaina dia io ambarany eo ambany io.
http://baiboly.org/toko.asp?boky=MARKA&toko=4&andininy=14-20&dika=
9. ikaretsaka ( 19/06/2008 12:31)
aza ferana eo @ asa famafazana ihany (io le hoe mitsimpona izay tiatiana ihany lazaiko foana fa tsy mety loatra)
fa aza adino fa misy ny fanirahana hoasa any an-tsaham-boaloboka, hijinja sns...

dia saino @ izay...hijinja ve ianao dia eny an-dalana?

tadidio fa mitohy mandrakizao ny film fa tsy chapitre 1 ihany akory
10. fahamarinana ( 19/06/2008 13:55)
:arrow: hi! hi! eto ndray zany tsika zao... (l)
11. Ilo ( 19/06/2008 14:04)
Raha fintinina dia:
Misy karazany 4 ny fihetsiky ny olona izay hitoriana:
- Misy ireo izay mihaino, fa vao afaka eo dia adinony izany hadinony izany : noesorin'i satana ny Teny izay nafafy tao aminy satria tsy miambina izy.
- Misy ireo izay faly mandray ny Teny fa tsy mampihatra izany eo @ fiainany akory ka vao tonga ny fahoriana sy ny fanenjehana dia manadino sy manome tsiny an'A/tra.
- Misy ireo izay mihaino ihany fa manao ny filan'ny tany ho ambony kokoa noho ny fanarahana ny Tenin'A/tra.
- Misy ireo izay mandre ny Teny sy mandalina azy ary mampihatra azy eo @ fiainany ary mizara azy @ hafa.

Tsy natao hitsara anefa isika ohatra hoe iry mafy loha sy tsy hanaiky izay hotoriako aminy akory ka tsy hitory @ io aho fa tokony hitoriana avokoa ny rehetra.
Ohatra akaiky ny nataon'i Jona sy ny tenin'A/tra taminy raha nasaina nitory t@ mponina tao Ninive izy.
12. fahamarinana ( 19/06/2008 14:17)
ilo:
Tsy natao hitsara anefa isika ohatra hoe iry mafy loha sy tsy hanaiky izay hotoriako aminy akory ka tsy hitory @ io aho fa tokony hitoriana avokoa ny rehetra.

:arrow: iraisako hevitra tanteraka fa hatreto aloha dia tsy tanteraka matoa mbola misy fanontaniana tsy voavaly.Ny olona anie raha mamaly dia tsy tokony raisina hoe manohitra foana e :mety misy ny manohitra,misy ny mitady fanampim-panazavana,misy ny tsy mahay mihintsy.Aiza no ahalalana rahatoa ka tsy mazava aminy ?Ary mahafaty antoka ve ny manazava am-pitiavana,amin'ny teny malefaka,rehefa tsy hay moa na manahirana dia ialana tsiny fontsiny ... (l)
13. ari.malala ( 19/06/2008 14:30)
:) marina aky zany ry fahamarinana! fa ity mba averik oindray, refa mitory d tokony hahalala sy ho resy lahatra fa tsy anao ny teny ka tsy izay metimety aminao iany no tenenina ny olona. eto ah d miombon-kevitra tanteraka am fahamarinana mints amty teny ty hoe
fahamarinana:
Ny olona anie raha mamaly dia tsy tokony raisina hoe manohitra foana e :
d ty kou
Ary mahafaty antoka ve ny manazava am-pitiavana,amin'ny teny malefaka,rehefa tsy hay moa na manahirana dia ialana tsiny fontsiny
fa ny zavatra tsapako mants d refa angatahana fanazavana ny olona sasany d manao disk goaka, ts mamaly fanontaniana fa toa manao eson-teny, mamaly boraingina.....
14. fahamarinana ( 19/06/2008 14:35)
:arrow: ka zay no mampalahelo nefa fizarana no ataontsika eto sa ahoana hoy nareo ? Za maoa matetika tsy manana fizarana fa maka ny omenareo hatrany... :-* (l)
15. ikaretsaka ( 19/06/2008 15:21)
fa ity mba averiko indray, refa mitory d tokony hahalala sy ho resy lahatra fa tsy anao ny teny ka tsy izay metimety aminao iany no tenenina ny olona

marina izany... rehefa mizara dia mahay mandray koa
izay no ilazako foana heo forum eto fa tsy pilopitra
16. rakapy ( 19/06/2008 15:40)
De misy koa ilay tsy mahala ny toerana sy fotoana hamafazana! misy ny mamafy vary eny an-tendrobohitra @ andro ririnina :-D :-D :-D
17. rebeccaF ( 19/06/2008 17:56)
De misy koa ilay tsy mahala ny toerana sy fotoana hamafazana! misy ny mamafy vary eny an-tendrobohitra @ andro ririnina

Tsy hoe tsy fahalala akory izany fa mitory ny habean'ny fanantenana. Izay tsy mitovy velively amin'izay mety hamaritanao azy.
"Ny tena fanantenana dia ny manantena na dia tsy misy azo antenaina intsony aza", satria "tsy misy tsy hain'Andriamanitra atao".
18. rakapy ( 19/06/2008 22:54)
De izay zany ilay ataon'ny Ntalo Malagasy hoe " Manao ariary zato am-pandriana"
Na koa toy ireo xana hadeha hanao pelerinage ka lany lasantsy ny fiarany. Hezahana ihany ny hamelona azy sady asiana ilay hoe"tsy misy tsy hain'A/tra" sy ilay hoe "Ankinina @ tompo" .Nefa ny lasantsy no lany!!! :-D :-D :-D . de avy eo a plat ny batterie dia hoe "Asan'i Satana mihintsy izao" :-D :-D :-D
Tsara ny manantena fa soa lavitra kokoa ny fanantenana am- pisainana.
19. prime ( 20/06/2008 11:49)
niryna> misaotra amin'ny fampatsiahivana... (perikopa FJKM tamin'ny alahady teo io raha tsy diso aho... izany hoe tsy tsinahy na izay tian'i niryna fa nifanojo tsara)

Raha ireo an-dalan-tsoratra masina ireo no dinihina mialoha dia tsy fidiana ny toerana amafazana... ary tsy anjaran'ilay mpamafy rahateo, na ny mifidifidy ny tany amafazana, na ny fotoana, na ny toe-tany ka hoe andraso aloha asaiko tsara sy karakaraiko vao amafazako... :)

Ilo> Mazava tsara... misaotra
20. ari.malala ( 20/06/2008 11:55)
rakapy:

De izay zany ilay ataon'ny Ntalo Malagasy hoe " Manao ariary zato am-pandriana"
Na koa toy ireo xana hadeha hanao pelerinage ka lany lasantsy ny fiarany. Hezahana ihany ny hamelona azy sady asiana ilay hoe"tsy misy tsy hain'A/tra" sy ilay hoe "Ankinina @ tompo" .Nefa ny lasantsy no lany!!! :-D :-D :-D . de avy eo a plat ny batterie dia hoe "Asan'i Satana mihintsy izao" :-D :-D :-D
Tsara ny manantena fa soa lavitra kokoa ny fanantenana am- pisainana.



:-D :-D :-D :-D :-D :-D marina 100% :-D :-D :-D :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.4265