Ny mpamafy

21. prime ( 20/06/2008 13:02)
rakapy> miankina amin'ilay "circonstances"... fa tena zava-nisy marina ity nihatra tamiko indray maka ity : fiara nandeha tsara izao, tsy nisy problema, fa rehefa handeha hiatrika ady masina (hanatitra demoniaka iray tany amin'ny tananany tany atsinanan'Ambatolampy, nisy ny fianakaviany, rehefa nonina tany an-dranomasina nandritra ny 10 taona mahery... avy niasàna nefa nandà mafy ny hody any aminy satria natahotra izy ny ifoteran'ilay devoly), fa rehefa nanomboka hiditra an'Ambatolampy tanàna ka hatrany amin'ilay tanàna misy azy (20km eo ho eo, lalana secondaire tsara) dia in-3 maty ny fiara, tsy hita hoe ahoana ny antony t@ voalohany, fa rehefa avy eo dia hita ara-teknika, nivotsitra ho azy ny levier de vitesse, nipotsaka ho azy ny bougies moteurs 2, namono tena ho azy ny fiara (matanjaka io fiara io satria moteur GT, no sady avy nandalo revision, tsara entretien...).

Dia hoy ny Mpiandry namana mila mivavaka hatrany isika fa mihamanafika ny devoly... fa tnivaha ny olana ary tsy nisy olana intsony izahay raha tsy efa nahavita mission avy eo ka hanao tatitra hiditra an'Anatananarivo (nivaha indray ilay levier de vitesse)...

Raha tsy mino dia azo fehezina amin'ny fomba tsotra hoe olana ara-teknika... fa io indray maka io dia tena nivaingana ny asan'ny devoly ary raha tsy niorina izahay dia mety maty an-dalana tany ary mety tsy tafody mihitsy aza (tsy tantaraiko amin'izany ny ady goavana natrehana tany... fa tsy sangy io fa tena izy... fa tamin'izany rehetra izany no nanehoan'i Jesosy fa Izy ilay Mahery, Tompon'ny Tompo, Mpanjakan'ny Mpanjaka, nanehoany ny voninahiny)

Azo ihomehezana tokoa angamba fa rehefa miseho ny asan-devoly dia ady goavana io... saingy tsy olana ho an'ny tsy mino...
22. fahamarinana ( 20/06/2008 13:05)
prime:
Raha ireo an-dalan-tsoratra masina ireo no dinihina mialoha dia tsy fidiana ny toerana amafazana... ary tsy anjaran'ilay mpamafy rahateo, na ny mifidifidy ny tany amafazana, na ny fotoana, na ny toe-tany ka hoe andraso aloha asaiko tsara sy karakaraiko vao amafazako...

:arrow: miombon-kevitra aminao aho eto fa kosa angamba hoy aho ny tanjona dia ny handresy lahatra,ny hampazava ny Soratra Masina ,ny haneken'ny mpino fa tsy misy afatsy Jesoa ny lalana ahafahana mankany amin'ny Tompo.Zay aloha no eritreritro fa tsy hoe lazaiko izay tiako lazaina satria niteny ny Fanahy androany na dia efa hita zao fa mila fotoana,mila fanazavana ilay namana en face,peu importe na misary gaigy manontany koa ...Tsy anjarantsika no mitsara izany hoe tsy tokony hikakaka na hanao valy boraingina...Eny e,samy manana ny toetrany fa mampalahelo ihany ndraindray...Za koa angaha no be sentiment sa tsy miaraka ny sentiment sy ny Finoana ve ?
Tsy ohatr'izay koa ve no nataon'i Jesoa fa tsy nanao tery vay manta be ,za moa rahavako tsy mahay Baiboly ka dia mangina hatreto sao hivaona koa.Fahendrena ny mangina koa fa tsy maneso,dia azo atao ny mitondra am-bavaka.Mino aho fa ny rehetra mahatsapa sy mahita ny vitan'ny mivavaka izany...(l)
23. prime ( 20/06/2008 13:13)
fahamarinana> indrisy tokoa raha ny teny tokony hitondra fiainana sy fiadanana sy fifaliana no tokony horesahana dia fifanesoana sy valy boraingina tokoa angaha no miseho indraindray...

Ny ahy aloha ny fahitako azy dia izay mitondra lohahevitra dia ezahiko ampiana (na fanamarihana na fanampin-kevitra na fizaràna ny anjaran'ny tena)araka izay azo atao raha misy ny mba kely azo atao, raha tsy izany dia aleoko mangina satria tsy haiko na tsy fantatro na koa aleo mihitsy aza manontany mangataka fanampim-panazavàna...

Itoviako hevitra ianao amin'ilay hoe tsy tsara ny mifanome alahelo sy ny mifampitsara fa am-panajàna hatrany no ifandraisana...

Mahereza hatrany... :)
24. fahamarinana ( 20/06/2008 13:30)
:arrow: misaotra prime ,izay tokoa no tanjona,angamba ho to ihany kah,ny fotoana no andrasana...misaotra anareo hatrany mizara hatrany.... tsy reraka fa miezaka,indrindra ianao.Ho tahian'ny Tompo e...:) (l)
25. ikaretsaka ( 20/06/2008 15:06)
le izy hoa aza fidiana amin'andalan-tsoratra masina hoe hatrero ka hatreto ihany...io matetika no mampivoana any anivon-danotra any...
tadidio fa na nanao fanoharana aza i Jesoa dia niaina t@ lojika lalandava koa.
dinihi tsara fa betsaka lavitra ny fanirahana ny hoe asao ny tanim-boliko..nohon'ny hoe mamafaza

Marina hoe tsy misy tsy hain'Atra... fa andriamanitra kao tsy nanampy ny tsy nanampy ny tenany...
nasainy niasa (niseho tany @ mpanora dalana, nanasa maso tany an-drenirano, nibata ny fandrianany, sns) ireo nanaovany miracle fa tsy heo miracle mon ami fotsiny
26. ari.malala ( 23/06/2008 08:45)
fa otran ts azoko izany le hoe niteny tamko ny fanahy hoe ty tenenina d ty tenenina e!
27. niryna ( 24/06/2008 04:11)
niryna:

3 Mihainoa: Indro, nivoaka ny mpamafy mba hamafy.

4 Ary raha namafy izy, ny sasany dia voafafy teny amoron-dalana, dia avy ny vorona ka nandany izany.

5 Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy; dia nalaky nitrebona ireny, satria tsy nisy tany lalina.

6 Fa rehefa niposaka ny masoandro, dia nalazo ireny, ary satria tsy nanam-paka, dia maty izy.

7 Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tsilo; ary ny tsilo naniry ka nangeja azy, dia tsy namoa izy.

8 Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany tsara, ary raha naniry sy namoa, dia vokatra, fa namoa: ny sasany avy telo-polo heny, ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny. Marka 4 [/b]


Inona no hevitra tian'i kristy ampitaina amintsika ?


Marka 5


14 Ny mpamafy
dia mamafy ny teny.

15 Ary ireto no ilay teo amoron-dalana, dia izay amafazana ny teny, fa rehefa nandre izy, dia avy miaraka amin'izay Satana ka manaisotra ny teny izay nafafy tao aminy.

16 Ary tahaka izany koa, ireto no ilay voafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy, dia izay mandre ny teny ka malaky mandray izany amin'ny hafaliana;

17 nefa tsy manam-paka ao anatiny ireny, fa maharitra vetivety foana; koa rehefa afaka izany, ka tonga izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin'izay izy.

18 Ary misy hafa koa izay voafafy teny amin'ny tsilo; dia ireo no ilay nandre ny teny,

19 fa ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena ary ny filana ny zavatra hafa miditra, dia mangeja ny teny, ka tsy mamoa izy.

20 Ary ireto no ilay voafafy teny amin'ny tany tsara , dia izay mandre ny teny ka mandray azy, dia mamoa: ny sasany avy telo-polo heny, ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny.


9 Ary hoy Izy: Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.

(l) niryna
28. prime ( 24/06/2008 08:55)
ikaretsaka,ari.malala> Ka tsy efa mivonona ho amin'izany ve ianareo raha hamaky lohahevitra hoe mety fizaràna teny na fijoroana vavolombelona ny ao fa tsy voatery ho adihevitra na resadresaka hatrany? lasa ilay fomba sy ny antony izaràna teny mantsy no votoatin'ilay lohahevitra nefa toa tsy izay loatra ny fanombohany...

Andramo raisina ho fitahiana sy fitiavana ny teny izay ampitain'ny namana avy amin'Andriamanitra dia mety ilay izy... dia aza raisina ho fitsaràna na fanamarinan-tena, aleo ho an'ilay mitondra ny teny sy Andriamanitra izay...

Mbola hisy fotoana sy toerana tena tsy hahanoina ny tenin'Andriamanitra fa ho hitanareo fa fahoriana izany... moa tsy zara aza ve misy namana mitondra hafatra mahasoa sy mampatsiahy mandrakariva ny fahasoavana avy amin'ny tenin'Andriamanitra...

Raha tsy izay dia aza vakiana akory fa tsy misy tsy mahamety izany ihany koa...
29. fahamarinana ( 24/06/2008 09:39)
prime:
Raha tsy izay dia aza vakiana akory fa tsy misy tsy mahamety izany ihany koa...

:arrow: :-D prime koa mahatsikaiky,koa raha tsy vakiana ve ho fantara hoe ho mety na tsia? :) (l)
30. prime ( 24/06/2008 10:38)
Tsara lavitra ny tsy mamaky akory, :) dia ampy... satria lasa toa mampivonto fo ny tena fotsiny izay voasoratra hoe i anona indray io dia efa fantatra ny ataony ao... nefa mbola vakiana ihany, dia avy eo mbola misy zavatra azo tsikeraina bdb ilay fomba sns... lasa ilay hafatra avy amin'ny tenin'Andriamanitra tsy misy voaray na dia kely aza fa ilay hoe "fa maninona no io no teny tsimponina? fa maninona no tsy maintsy ianao mampianatra sia izahay mpianatra? fa maninona no toa izao no ambaranao? fa maninona... sns? tsy ho tapitra io... izany ve nefa no fototra iorenan'ilay tenin'Andriamanitra?

Eto izao dia resaka mpamafy ny lohahevitra... ny fanontaniana anisan'ny mahaliana koa ohatra izao dia hoe, inona no tokony hatao mba ho lasa tany tsara mamokatra vokatra tsara, manoloana ilay teny ohatra? na koa hoe, raha tany maina, na vatolampy, na tany feno tsilo ny foko hatramin'izay, inona no nahatonga izany? sns...
31. ari.malala ( 24/06/2008 11:14)
prime, miala tsiny raha nisy fihetsika manafintohina na teny manafintohina nataoko, fa tsy nihevitra ny hanao ziay hanafintohina nizaniza mints ah! za d manao izany mitns we refa ts d azoazoko na tsy ahitako zavatra lazaina ny lohahevitra iray d aleoko tonga d ts mamaky. Fanontaniana tsotra no nataoko hoe otran'ny tsy azoko ilay hoe niteny tamiko ny fanahy d hoe ity tenenina d ity tenenina, ataoko tsy misy manafintohina izany fa tsy mazava amiko aza ilay izy ko! fanazavana no nangatahiko, tsisy fitsikerana mints izany! fa refa tsy mety koa d aleo ts valiana! tsy misy mampiakatra afo izany!
32. fahamarinana ( 24/06/2008 11:23)
:arrow: Prime : ka misy fahamarinany ny teninao ,fa amiko ,amiko ho'aho an ,aleo misy ny dinika,eny na ndraindray mivaona ny famaliana aza fa misy olona foana mandray ny tsara amin'ireny.Za manokana dia misy raisiko daholo na mifamaly aza isika mianakavy ato.Ny tsara fontsiny angamba dia hoe iny dinika nisokatra iny no tsy azoazo dia ajanona hatreo fa ezahana tsy taritina amin'ny dinika sokafan'ilay olona any an-kafa indray.Mino aho fa raha vitantsika izay dia efa hampiova zvtr betsaka...valable ho antsika rehetra io fa tsy hoe i rakoto na rabe na randria fontsiny ihany... :) (l)
33. prime ( 24/06/2008 11:33)
ari.malala> tsy nisy nahatafintohina akory raha ny amiko manokana no tianao resahana... ka aza miala tsiny ianao (raha ny amiko aloha)... misaotra anao nefa aho satria izao fihetsikao izao no maneho fa zanak'Andriamanitra ianao...
Fa ny mahaontsa ahy dia ilay hoe lasa ohatry ny nitondra fahatafintohinana ho anao na ho an'ny namana hafa ilay "fomba" atao ato... dia izay no nahatonga ahy nanao fanamarihana manokana hoe aleo tsy vakiana satria mitondra ratra ho an'ny tena indray ilay adihevitra na ilay resaka... mahereza hatrany...:)

fahamarinana> Marina ny ambaranao... misaotra amin'ny fizaràna sy ny torohevitra... :)
34. ikaretsaka ( 24/06/2008 13:13)
prime:

ikaretsaka,ari.malala> Ka tsy efa mivonona ho amin'izany ve ianareo raha hamaky lohahevitra hoe mety fizaràna teny na fijoroana vavolombelona ny ao fa tsy voatery ho adihevitra na resadresaka hatrany? lasa ilay fomba sy ny antony izaràna teny mantsy no votoatin'ilay lohahevitra nefa toa tsy izay loatra ny fanombohany...

Andramo raisina ho fitahiana sy fitiavana ny teny izay ampitain'ny namana avy amin'Andriamanitra dia mety ilay izy... dia aza raisina ho fitsaràna na fanamarinan-tena, aleo ho an'ilay mitondra ny teny sy Andriamanitra izay...

Mbola hisy fotoana sy toerana tena tsy hahanoina ny tenin'Andriamanitra fa ho hitanareo fa fahoriana izany... moa tsy zara aza ve misy namana mitondra hafatra mahasoa sy mampatsiahy mandrakariva ny fahasoavana avy amin'ny tenin'Andriamanitra...

Raha tsy izay dia aza vakiana akory fa tsy misy tsy mahamety izany ihany koa...


tsy iznay anefa fa partage ny eto.... raha misy tsy mazava dia anontaniana, raha misy tsy ampy le nozaraina dia ampiana, raha samihafa ny fijery dia zaraina

izya ilay lazaiko foana heo sao kosa de diso pilipitra e
35. ari.malala ( 24/06/2008 13:38)
prime:
lasa ohatry ny nitondra fahatafintohinana ho anao na ho an'ny namana hafa ilay "fomba" atao ato.


io alou d tena marina mintsy! indraindray aho tena hoe sorena rehefa avy mamaky ny dinika sasany noho ilay forcing ataon'ny namana sasany.... toy ny hoe efa misy hevitra efa masaka ao antsainy ka raha tsy mitovy amin'iny na tsy manaiky an'iny enao d tonga d voatsara avy hatrany hoe mpanohitra ny tenin'Andriamanitra, mpitari-bato vilam-bava, mampianatra diso sns sns... nefa mazava ny tenin'Andriamanitra hoe aza mitsara mba tsy ho tsaraina fa ny famarana namaranareo iany no hamarana hoanareo koa...... ankoatr'izany ny valiboraingina sy ny eson-teny rehefa mba tsy mifanaraka ami'ny zavatra tiany ny teneninao.... ataoko fa tsy izany no tokony ho toetra sy fomban'ny mpanaradia ny Tompo! mitondra fanafintohinana izany, nefa isika iany koa samy mahalala fa loza hoan'izay iavian'ny fanafintohinana hoy Jesoa, tsaratsara hoazy ny anatonana vato fikosohandafarinina ny tendany ary ariana any anaty ranomasina izy!!!

Adihevitra no atao eto, tsy tanjona mintsy ny hanova finoan'olona! efa iny no narahiny d iny zany no mety aminy, manohana ny heviny izy, d mba manohana ny hevitro aho, fa tsy tokony hifampitsikera be fahatany!
36. niryna ( 25/06/2008 03:36)
ikaretsaka:

asio zezika aloha ny tany dia eny an-tanimboly mamafy fa manjary mamafimafy foana! :-D

izany ve no hevitra tiany ambara amintsika eto ?

:roll:
marina
37. niryna ( 25/06/2008 03:38)
ikaretsaka:

asio zezika aloha ny tany dia eny an-tanimboly mamafy fa manjary mamafimafy foana! :-D

hoy ny soratra masina 8O .Izaho no mamafy,ny hafa no manondraka fa Atra no mampaniry azy.
Izany hoe misy ny mamafy,misy ny manakolokolo azy,misy ny manisy zezika ka mila mitandrina tsara izany sao zezika feno tsilo no arotsany ao e
38. niryna ( 25/06/2008 03:39)
ari.malala:

:-D :-D :-D

inona no tian'i ari-malala lazaina eto ?

39. niryna ( 25/06/2008 03:41)
celesy:

Ny isika no mpamafy, na hoe mitory ny vaovao mahafaly, dia ny afafy ny teny n'Andriamanitra ao amin'ny baiboly, ataovy mpianatra ny firenena rehetra dia ho tonga ny farany.

izany tokoa a,dia izay mamafy voa tsara dia miteraka voa tsara e,izay mamafy voa ratsy dia mijinja voa ratsy.
Tsy afaka amboly paona izy ka hieritreritra fa voasary no avoakany ao .
Paoma kely iray no nafafiny dia lasa aman'arivorivo no notohazana .
40. niryna ( 25/06/2008 03:46)
ikaretsaka:

tena serieux izany: afafazo any @ izay toerana tokony hamafazana azy ny voa raha tianao hamokatra...
na asao (manajaria tany) mba ho tany mamokatra ilay tany!


koukouloha kely fa mbola matory aho izany fa rahampitso indray aho aloha mivavaka ?
Tsy tiako eto fa aria aho no hitory,rehefa misy tsy mahita ?
Ahatsiarovako tantara iray ity: mbola tsy te hiteraka izahay fa mbola anao plaisire ,teny ny volana,ny taona ary tonga ny faha 15 taona ,efa nihaantitra ramatoa,izay vao hoe te hitady zaza aho....nitady ka nitady ka nitady ...hatramin'izao mbola mitady.
Veleso ny vy dieny mbola mafana.Ary raha tsy nomen'Atra ihany koa ilay famafazana tsy afaka ny hamafy ilany olona ,sa afaka mamafimafy eny ?
hay moa nanisy zezika izy,soa ihany ra raha tsy izany ....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0084