Vao teraka dia efa nahalala ny didy folo tao am-po avy ???

1. niryna ( 25/02/2008 05:17)
Tsy ho voatery namaky baiboly na nihaino ny tenin'Atra na niangona isika vao nahalala ny didy folo,vao teraka tao ambohoka isika dia efa nomen'Atra an'izany tao am-po avy.

Manaiky an'izany ve hianao?

Eny fa na dia ny zava-boary aza dia manana fahalalana avy .
Sal 19:1-2
1 Ny lanitra mitory ny voninahitr'Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan'ny tànany.

2 Ny andro samy miteny amin'ny andro mandimby azy, ary ny alina samy manolo-pahalalana amin'ny alina mandimby azy.

Ahoana izany?

Ahoana hoy ny zaza roa taona? Tsy rariny izany hoy izy rehefa mangata-javatra izy ka tsy mahazo na tsy mety ny ataon'ilay zokiny kanefa dia omen'ny reniny rariny ilay iray "it is not fair" ,mahafantatra sahady izy fa tsy mety izany ny tsy fahamarinana ary mahafantatra sahady koa izy fa ratsy ny fitiavan-tena kanefa tsy nisy nanoro azy akory :roll:

Ny zavatra ataontsika fotsiny dia ny manaiky ny hanokafan'Atra ny masontsika mba hijery ny asa-tanany,ny hanaiky sy mihaiky fa nomeny saina isika mba hiderana ny fahasoavany sy ny soa nataony antsika,ary ny mba hihaino izay teny nomeny ho antsika mba ho mendrika sy hijoro ary izara izany amin'ny hafa.


répondu par niryna le 09/03/2008 02:51
2. todisoa2 ( 25/02/2008 13:42)
très intéressant. Tsis hambara fa miombon-kevitra alou hatreto.:lol:
3. ikaretsaka ( 25/02/2008 14:18)
efa eeeeeeela io no nolazaiana teto hoe tsy voatery mila io raha io anie dia mahalala an'Atra e
4. pissoa ( 25/02/2008 15:01)
Ika a - nidinan'ny Fanahy Masina i Niryna dia azony ihany ny farany :-D:-D:-D:-D:-D
5. ikaretsaka ( 25/02/2008 15:08)
:wink: AMDG
6. cutie ( 25/02/2008 16:50)
Tsy ho voatery namaky baiboly na nihaino ny tenin'Atra na niangona isika vao nahalala ny didy folo,vao teraka tao ambohoka isika dia efa nomen'Atra an'izany tao am-po avy.

de efa tonga de nahalala ny tsara sy ny ratsy koa ve :?
7. ikaretsaka ( 25/02/2008 17:39)
rehefa maheno bedy ianao dia lasa mahalala ny ratsy ho azy.. le genre manao hoe pouh iny fa tsy atao am-bava...:wink:
8. niryna ( 25/02/2008 17:50)
pissoa:

Ika a - nidinan'ny Fanahy Masina i Niryna dia azony ihany ny farany :-D:-D:-D:-D:-D

io indry i pissoa fa mandika vilana. :D
vakio ilay fiara mpitondra fako fa hanampy antsika tokoa io
9. niryna ( 25/02/2008 17:54)
cutie:

Tsy ho voatery namaky baiboly na nihaino ny tenin'Atra na niangona isika vao nahalala ny didy folo,vao teraka tao ambohoka isika dia efa nomen'Atra an'izany tao am-po avy.

de efa tonga de nahalala ny tsara sy ny ratsy koa ve :?

cutie a,ny zaza rehetra dia zanak'Atra avokoa.
Na mino an'Atra na tsy mino an'Atra.Rehefa manomboka mahalala ny tsara sy ratsy ,ny mety sy tsy mety amin'izay izy vao atao hoe manota.
Ny tsara sy ratsy resahina eto dia ny manota na manaraka ny didin'Atra.
Mbola vao tany ambohoka isika dia efa voavolan'Atra avokoa,satria nomeny safidy,dia efa fantany sahady koa izay te-hanaraka azy,na mievaeva ny finoany na manda tanteraka.Soa ihany fa nomeny ny Zanany hanavotra ho an'izay mino ny teniny.

10. niryna ( 25/02/2008 17:55)
ikaretsaka:

rehefa maheno bedy ianao dia lasa mahalala ny ratsy ho azy.. le genre manao hoe pouh iny fa tsy atao am-bava...:wink:



:D
11. pissoa ( 25/02/2008 18:00)
niryna:
io indry i pissoa fa mandika vilana.
vakio ilay fiara mpitondra fako fa hanampy antsika tokoa io

mandika vilana inona njay za e !
tsy nidinan'ny Fanahy Masina angaha i Niryna ? :lol::lol::lol:
12. ikaretsaka ( 25/02/2008 18:13)
za manko mbo gaga ko! i niryna izao no misambodika be
13. cutie ( 25/02/2008 18:36)
Mbola vao tany ambohoka isika dia efa voavolan'Atra avokoa,satria nomeny safidy,dia efa fantany sahady koa izay te-hanaraka azy,na mievaeva ny finoany na manda tanteraka.Soa ihany fa nomeny ny Zanany hanavotra ho an'izay mino ny teniny.

:-D:-D:-D:-D
cutie a,ny zaza rehetra dia zanak'Atra avokoa.
Na mino an'Atra na tsy mino an'Atra.Rehefa manomboka mahalala ny tsara sy ratsy ,ny mety sy tsy mety amin'izay izy vao atao hoe manota.
Ny tsara sy ratsy resahina eto dia ny manota na manaraka ny didin'Atra

ok :)
14. ikaretsaka ( 25/02/2008 20:59)
Mbola vao tany ambohoka isika dia efa voavolan'Atra avokoa,satria nomeny safidy,dia efa fantany sahady koa izay te-hanaraka azy,na mievaeva ny finoany na manda tanteraka.Soa ihany fa nomeny ny Zanany hanavotra ho an'izay mino ny teniny.


tsy ny mino ny teniny irery ihany fa ny mino Azy manontolo:
Teny, Izy Teny tonga nofo, Nofo tonga mofo, Fanahy Masina, Eglizy Ratsambatany...
15. soanja ( 26/02/2008 03:23)
Ny zaza roa taona dia mahalala zavatra satria hitany sy henony ary nodinihiny teny amin'ny manodidina iainany ny zavatra miditra ny lohany ary avoakan'ny vavany ary ny ataony.

Misaina ny zaza roa taona saingy kosa tsy azony avy any ambohoka ny teny hoe "it's not fair" sy ny hevitra hoe " misy fanambakana izany". Tsy mahalala izay moral ny zaza roa taona fa mila ampianarina izy vao mahalala izany.

Mila ampianarina ny olombelona vao mahay zavatra iray saingy tsy voatery misy mampianatra izy fa na dia ny mi-observe aza izy dia afaka mandray fahaizana saingy kosa mila mpanelanelana, izany dia ny olondehibe na ny ankizy manodidina azy hanorina ilay tontolony hitomboany sy ianarany!
16. cutie ( 26/02/2008 03:27)
za manko gaga:-D:-D:-D:-D
17. niryna ( 26/02/2008 06:26)
pissoa:

niryna:
io indry i pissoa fa mandika vilana.
vakio ilay fiara mpitondra fako fa hanampy antsika tokoa io

mandika vilana inona njay za e !
tsy nidinan'ny Fanahy Masina angaha i Niryna ? :lol::lol::lol:



:D
18. niryna ( 26/02/2008 06:28)
ikaretsaka:

za manko mbo gaga ko! i niryna izao no misambodika be


io indray ika fa raha andrangitra ? maranitra mihitsy anie izany fandrangintana izany e.izay ve dia mbola tsy dombo foana.
bedy eo isika fa lasa HS :D
19. niryna ( 26/02/2008 06:32)
ikaretsaka:

Mbola vao tany ambohoka isika dia efa voavolan'Atra avokoa,satria nomeny safidy,dia efa fantany sahady koa izay te-hanaraka azy,na mievaeva ny finoany na manda tanteraka.Soa ihany fa nomeny ny Zanany hanavotra ho an'izay mino ny teniny.


tsy ny mino ny teniny irery ihany fa ny mino Azy manontolo:
Teny, Izy Teny tonga nofo, Nofo tonga mofo, Fanahy Masina, Eglizy Ratsambatany...
misaotra

Ary toa miafanaraka eo foana hoy aho hianareo sy soanja e,sa telefonenao izy dia tonga ? sa ????
Jereo daholo anie ny valinteny eny rehetra eny raha tsy io soanja ,dia io koa ika na io ika dia io koa i soanja ....ary tsy misy mihitsy ny hoe mifanipaka fa mifanaraka foana =))=)) miara mirona >>>


20. niryna ( 26/02/2008 06:35)
cutie:

Mbola vao tany ambohoka isika dia efa voavolan'Atra avokoa,satria nomeny safidy,dia efa fantany sahady koa izay te-hanaraka azy,na mievaeva ny finoany na manda tanteraka.Soa ihany fa nomeny ny Zanany hanavotra ho an'izay mino ny teniny.

:-D:-D:-D:-D
cutie a,ny zaza rehetra dia zanak'Atra avokoa.
Na mino an'Atra na tsy mino an'Atra.Rehefa manomboka mahalala ny tsara sy ratsy ,ny mety sy tsy mety amin'izay izy vao atao hoe manota.
Ny tsara sy ratsy resahina eto dia ny manota na manaraka ny didin'Atra

ok :)


cutie a toy ny fitiavana ihany koa izay nampianarin'i kristy antsika ny ampihatra azy amin'ny fiainana.Tsy nisy nampianatra ny mitia olona isika na mankahala olona fa efa ao anaty nomen'Atra antsika izany ,dia anjarantsika no mitia na mankahala olona. :D
Tadidinao ilay hoe bitterness?
Misy olona manana toetsaina ratsy foana ,na fihetsika na fiteny na ny tarehiny aza tonga dia mototra lava.ary misy koa ny olona tonga dia falifaly lava,ary na inona tenenin'ny olona aminy ,mitsiky fotsiny izy fa tsy mamely miverina an'ireny olona mora tezitra ireny :D


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0374