Vao teraka dia efa nahalala ny didy folo tao am-po avy ???

21. soanja ( 26/02/2008 07:39)
Ity misy teny ao amin'ny baiboly azontsika dinihina tsara momba ny fahendrena sy ny fahalalana.

Ianarana ary ilana tazomina ny fahendrena avy amin'Andriamanitra mba handaitra amin'ny fiainana andavanandro.


Ohabolana 4:1-10

1- RY zanaka, henoy ny anatry ny ray, Ary tandremo mba hahazoanareo ry fahalalana tsara.

2 Fa anatra tsara no omeko anareo; Aza mahafoy ny lalàko.

3 Fa zanak'ikaky aho, Sady tiana [Heb. malemilemy.] no hany malala teo imason'ineny.

4 Ary nampianatra ahy izy ka nanao tamiko hoe: Aoka ny fonao hitana ny teniko; Tandremo ny didiko, dia ho velona hianao.

5 Mahazoa fahendrena, mahazoa fahalalana; Fa aza hadinoina na ihemorana ny teny aloaky ny vavako.

6 Aza mahafoy azy, fa hiaro anao izy: Tiavo izy, dia hitandrina anao.

7 Ny voaloham-pahendrena dia izao: [Na: Fahendrena no ambony indrindra.] Mahazoa fahendrena; Eny, lanio ny fanananao rehetra hamidy fahalalana tsara.

8 Asandrato izy, dia hanandratra anao kosa Eny, hanome voninahitra anao izy, raha tànanao.

9 Dia hasiany fehilona mahafinaritra ny lohanao; Eny, satroboninahitra tsara tarehy no homeny anao.

10 Anaka, mihainoa, ka raiso ny teniko; Dia hihamaro ny taona hiainanao.
22. cutie ( 26/02/2008 14:21)
eny wa ry nyrina fa ny tsy azoko nge de we efa hatrany am-bohoka ve de we efa mahalala ny tsara sy ny ratsy. Ekeko le we efa fantatr'Atra ny ho avin'ny tsirairay na de efa hatrany am-bohoka aza fa le we ratsy sy ny tsara no tsy azoko :)
23. ikaretsaka ( 26/02/2008 15:10)
niryna:


za manko mbo gaga ko! i niryna izao no misambodika be


io indray ika fa raha andrangitra ? maranitra mihitsy anie izany fandrangintana izany e.izay ve dia mbola tsy dombo foana.
bedy eo isika fa lasa HS :D



tsy mandrangitra aho fa milaza ny marina hoe misambodika izy izany.. fa asakasakao izay mora rangitra:(

24. rijadolly ( 26/02/2008 15:24)
Ekeko fa ny zaza raha vao any am-bohoka dia an'Andriamanitra ny fiainany iray manontolo.Ny manodidina azy anefa dia misarika azy hiaotra kely ny valan'Andriamanitra,ny ataoko,ny ataonao,ny ataon'hafa indrindra indrindra.
Soanja:
Ny zaza roa taona dia mahalala zavatra satria hitany sy henony ary nodinihiny teny amin'ny manodidina iainany ny zavatra miditra ny lohany ary avoakan'ny vavany ary ny ataony.

Misaina ny zaza roa taona saingy kosa tsy azony avy any ambohoka ny teny hoe "it's not fair" sy ny hevitra hoe " misy fanambakana izany". Tsy mahalala izay moral ny zaza roa taona fa mila ampianarina izy vao mahalala izany.

Mila ampianarina ny olombelona vao mahay zavatra iray saingy tsy voatery misy mampianatra izy fa na dia ny mi-observe aza izy dia afaka mandray fahaizana saingy kosa mila mpanelanelana, izany dia ny olondehibe na ny ankizy manodidina azy hanorina ilay tontolony hitomboany sy ianarany!
eo amin'iny izy mihaotra kely ny valan'Andriamanitra iny indrindra no hampianarina azy ny miverina ao anaty vala(na isika lehibe aza an!)Inona àry ny atao hamerenana indray ilay voalohany?
ika:
efa eeeeeeela io no nolazaiana teto hoe tsy voatery mila io raha io anie dia mahalala an'Atra e
:wink:Marina izany fa kosa mahalalalala fotsiny ihany raha vao ivelan'Baiboly ny zavatra hampianarana azy.
25. ikaretsaka ( 26/02/2008 17:03)
afaka porofoin'i Rijadolly ve io fehezanteninao farany io:wink:

tsy vala ny baiboly anie fa ny finoana no vala e
26. niryna ( 26/02/2008 18:15)
soanja:

Ity misy teny ao amin'ny baiboly azontsika dinihina tsara momba ny fahendrena sy ny fahalalana.

Ianarana ary ilana tazomina ny fahendrena avy amin'Andriamanitra mba handaitra amin'ny fiainana andavanandro.


Ohabolana 4:1-10

1- RY zanaka, henoy ny anatry ny ray, Ary tandremo mba hahazoanareo ry fahalalana tsara.

2 Fa anatra tsara no omeko anareo; Aza mahafoy ny lalàko.

3 Fa zanak'ikaky aho, Sady tiana [Heb. malemilemy.] no hany malala teo imason'ineny.

4 Ary nampianatra ahy izy ka nanao tamiko hoe: Aoka ny fonao hitana ny teniko; Tandremo ny didiko, dia ho velona hianao.

5 Mahazoa fahendrena, mahazoa fahalalana; Fa aza hadinoina na ihemorana ny teny aloaky ny vavako.

6 Aza mahafoy azy, fa hiaro anao izy: Tiavo izy, dia hitandrina anao.

7 Ny voaloham-pahendrena dia izao: [Na: Fahendrena no ambony indrindra.] Mahazoa fahendrena; Eny, lanio ny fanananao rehetra hamidy fahalalana tsara.

8 Asandrato izy, dia hanandratra anao kosa Eny, hanome voninahitra anao izy, raha tànanao.

9 Dia hasiany fehilona mahafinaritra ny lohanao; Eny, satroboninahitra tsara tarehy no homeny anao.

10 Anaka, mihainoa, ka raiso ny teniko; Dia hihamaro ny taona hiainanao.




misaotra anao nizara,ny fananarana tokoa dia entintsika amin'ny fiainana ary ny zanaka hendry mahafaly ny ray fa ny zanaka maditra manome henatra sy alahelo ny reny.

Anaka, hoy Atra antsika rehetra,toy izany koa ny zanaka rehetra,rehefa mahatsiaro saina dia ampianarina ary misy zavatra tsy nampianarina fa azo sy nalaina ary hita taratra amin'ny nitaizan'ny rar azy ihany koa ka izany no mahatonga ny teny hoe zaro amin'ny lalana tokony alehany ny zaza fa raha lehibe aza izy dia tsy hiala aminy izany (Ohabolana 22:6 koa io) [b].
Ankino amin'i Jehovah*, dia aoka Izy hamonjy azy; eny, aoka Izy hanafaka azy, raha mankasitraka azy Izy.[Na: Efa niankina tamin'i Jehovah izy]


9 Fa Hianao no nampivoaka ahy avy tao an-kibo; nampandry ahy fahizay ianao, fony aho mbola nampinonoin'ny reniko;

10 Nankinina taminao hatrany am-bohoka aho; hatrany an-kibon-dreniko dia Andriamanitro Hianao.Salamo 22
ny zaza voateraka iza no nampianatra azy nitsoka ronono ?
Iza no nampianatra azy nandady? moa tsy nianatra irery izy dia isika reny no manoro tsikelikely.
Ny zavatra ataontsika fotsiny dia ny manaiky ny hanokafan'Atra ny masontsika mba hijery ny asa-tanany,ny hanaiky sy mihaiky fa nomeny saina isika mba hiderana ny fahasoavany sy ny soa nataony antsika,ary ny mba hihaino izay teny nomeny ho antsika mba ho mendrika sy hijoro ary izara izany amin'ny hafa.

Na inona na inona finoan'ny olona vao tao ambohoka dia efa nomen'Atra ho azy ireo izany fahalalana izany ,izy ireo ihany no andaha na anaiky ny teniny http://fathersloveletter.com/fllpreviewmalagasy.htm

27. niryna ( 26/02/2008 18:24)
cutie:

eny wa ry nyrina fa ny tsy azoko nge de we efa hatrany am-bohoka ve de we efa mahalala ny tsara sy ny ratsy. Ekeko le we efa fantatr'Atra ny ho avin'ny tsirairay na de efa hatrany am-bohoka aza fa le we ratsy sy ny tsara no tsy azoko :)


ilay tsara sy ratsy resahina eto dia ny fahotana ary ny fankahalana an'izany.
Izany no antony ilazana fa ny zazakely rehetra dia omena an'ATra (dedicated) fa tsy atao batisa no hilazana azy(Tantaran'i kristy raha vao feno valo andro izy dia noentina tany amin'ny sinagoga natolotra ho an'Atra ary ny lahimatoa ihany saingy niova moa ilay izy taty aoriana dia ny ankizy rehetra no natao...) fa rehefa manomboka mahafantatra tokoa isika fa omentsika ho tantanan'i kristy amin'izay ny fiainantsika,dia mijoro vavolombelona eo am-pahabemason'ny kristiana rehetra sy ny olona rehetra fa hanaraka Azy dia izay ilay tena batisa.Io koa moa safidy ka tsy antery ary dia samy manao izay fantany avy.Ilay fandraisany ny tenany sy ny fisotrona ny rany mantsy dia tena zava-dehibe mihitsy raha ohatra mandray kanefa tsy mivavaka na mamela olona dia mety marary na maty (ara-panahy).
Iverina any amin'ilay ratsy amin'izay aho,raha tsy mahafantatra ny mety sy tsy mety ny zaza dia tsy azo lazaina hoe manao ratsy.Hitan'i cutie ny ankizy mamono namana mitondra basy ? Migadra ary dia raisina ho toy ny sazin'ny olon-dehibe? Efa manomboka mahafantatra manavaka ny tsara sy ny ratsy izy dia eo no manomboka ny atao hoe heloka na ota.
mazava sa mbola tsia,alefaso ihany ny fanontanianao raha tsy mazava tsara.
28. niryna ( 26/02/2008 18:26)
ikaretsaka:

niryna:


za manko mbo gaga ko! i niryna izao no misambodika be


io indray ika fa raha andrangitra ? maranitra mihitsy anie izany fandrangintana izany e.izay ve dia mbola tsy dombo foana.
bedy eo isika fa lasa HS :D



tsy mandrangitra aho fa milaza ny marina hoe misambodika izy izany.. fa asakasakao izay mora rangitra:(





ianao tsy manao serieux fa mahita zavatra hafahafa tenenina foana kou
29. cutie ( 26/02/2008 18:27)
Iverina any amin'ilay ratsy amin'izay aho,raha tsy mahafantatra ny mety sy tsy mety ny zaza dia tsy azo lazaina hoe manao ratsy.Hitan'i cutie ny ankizy mamono namana mitondra basy ? Migadra ary dia raisina ho toy ny sazin'ny olon-dehibe? Efa manomboka mahafantatra manavaka ny tsara sy ny ratsy izy dia eo no manomboka ny atao hoe heloka na ota.
mazava sa mbola tsia,alefaso ihany ny fanontanianao raha tsy mazava tsara.

zay vo voavaly ny fanontaniana fa merci :)
30. niryna ( 26/02/2008 18:27)
rijadolly:

Ekeko fa ny zaza raha vao any am-bohoka dia an'Andriamanitra ny fiainany iray manontolo.Ny manodidina azy anefa dia misarika azy hiaotra kely ny valan'Andriamanitra,ny ataoko,ny ataonao,ny ataon'hafa indrindra indrindra.
Soanja:
Ny zaza roa taona dia mahalala zavatra satria hitany sy henony ary nodinihiny teny amin'ny manodidina iainany ny zavatra miditra ny lohany ary avoakan'ny vavany ary ny ataony.

Misaina ny zaza roa taona saingy kosa tsy azony avy any ambohoka ny teny hoe "it's not fair" sy ny hevitra hoe " misy fanambakana izany". Tsy mahalala izay moral ny zaza roa taona fa mila ampianarina izy vao mahalala izany.

Mila ampianarina ny olombelona vao mahay zavatra iray saingy tsy voatery misy mampianatra izy fa na dia ny mi-observe aza izy dia afaka mandray fahaizana saingy kosa mila mpanelanelana, izany dia ny olondehibe na ny ankizy manodidina azy hanorina ilay tontolony hitomboany sy ianarany!
eo amin'iny izy mihaotra kely ny valan'Andriamanitra iny indrindra no hampianarina azy ny miverina ao anaty vala(na isika lehibe aza an!)Inona àry ny atao hamerenana indray ilay voalohany?
ika:
efa eeeeeeela io no nolazaiana teto hoe tsy voatery mila io raha io anie dia mahalala an'Atra e
:wink:Marina izany fa kosa mahalalalala fotsiny ihany raha vao ivelan'Baiboly ny zavatra hampianarana azy.



=D=D ekena ouzy
31. niryna ( 26/02/2008 18:29)
ikaretsaka:

afaka porofoin'i Rijadolly ve io fehezanteninao farany io:wink:

tsy vala ny baiboly anie fa ny finoana no vala e

ka ho an'ny olona tsy nampianarina toy ny mormone izao dia milaza fa tsy ampy ny baiboly,kanefa na inona na inona ny fiainana mahazo antsika dia voasoratra ary misy valiny avokoa ao anaty baiboly izany.

32. ikaretsaka ( 26/02/2008 18:45)
betsaka ny tsy ahitam-baliny ka..
ohatra hoe tsy voalaza ao anaty baiboly ohatra hoe kitihako ity bokotra ity dia miseho any @ screen an'i niryna ny hafatro..
:wink: mitranga amin'ny fiainana anefa izany:-D
33. niryna ( 27/02/2008 06:24)
ikaretsaka:



tsy ny mino ny teniny irery ihany fa ny mino Azy manontolo:
Teny, Izy Teny tonga nofo, Nofo tonga mofo, Fanahy Masina, Eglizy Ratsambatany...

mba azavao hoe izany azafady ?

34. niryna ( 27/02/2008 06:31)
rijadolly:

Ekeko fa ny zaza raha vao any am-bohoka dia an'Andriamanitra ny fiainany iray manontolo.Ny manodidina azy anefa dia misarika azy hiaotra kely ny valan'Andriamanitra,ny ataoko,ny ataonao,ny ataon'hafa indrindra indrindra.
=D

Soanja:
Ny zaza roa taona dia mahalala zavatra satria hitany sy henony ary nodinihiny teny amin'ny manodidina iainany ny zavatra miditra ny lohany ary avoakan'ny vavany ary ny ataony.

Misaina ny zaza roa taona saingy kosa tsy azony avy any ambohoka ny teny hoe "it's not fair" sy ny hevitra hoe " misy fanambakana izany". Tsy mahalala izay moral ny zaza roa taona fa mila ampianarina izy vao mahalala izany.

Mila ampianarina ny olombelona vao mahay zavatra iray saingy tsy voatery misy mampianatra izy fa na dia ny mi-observe aza izy dia afaka mandray fahaizana saingy kosa mila mpanelanelana, izany dia ny olondehibe na ny ankizy manodidina azy hanorina ilay tontolony hitomboany sy ianarany!
rijadolly:
]eo amin'iny izy mihaotra kely ny valan'Andriamanitra iny indrindra no hampianarina azy ny miverina ao anaty vala(na isika lehibe aza an!)Inona àry ny atao hamerenana indray ilay voalohany?

=D=D dia miankina an'ireo mpiandry vala na izy manoro ny tenin'Atra na izy manoro voana ka dia misavorovoro ny hiambesana,
ika:
efa eeeeeeela io no nolazaiana teto hoe tsy voatery mila io raha io anie dia mahalala an'Atra e
:wink:
rijadolly:
Marina izany fa kosa mahalalalala fotsiny ihany raha vao ivelan'Baiboly ny zavatra hampianarana azy.

io izao misy iray ohatra,tsy mila baiboly ,tsy mila ny tenin'Atra,tsy mila ny mitsimpona,dia lasa miahaka fotsiny ny ondry raha izy no asiana miambina fa mifangaroharo efa ho karazana finoana efatra raha kely indrindra,izy ireo ihany no mahalala an'izany.


35. niryna ( 27/02/2008 06:34)
ikaretsaka:

betsaka ny tsy ahitam-baliny ka..
ohatra hoe tsy voalaza ao anaty baiboly ohatra hoe kitihako ity bokotra ity dia miseho any @ screen an'i niryna ny hafatro..
:wink: mitranga amin'ny fiainana anefa izany:-D


ie,ie, tena tsy any mihitsy ilay valiny hi,hi

36. ikaretsaka ( 27/02/2008 13:45)
ka tsy marina ary ve izany??
nareo hoa mba honest
37. rijadolly ( 27/02/2008 14:12)
rijadolly:
:wink:Marina izany fa kosa mahalalalala fotsiny ihany raha vao ivelan'Baiboly ny zavatra hampianarana azy.
ikaretsaka:
afaka porofoin'i Rijadolly ve io fehezanteninao farany io

tsy vala ny baiboly anie fa ny finoana no vala e
Na dia efa voavalin'Niryna aza dia hamaly ihany aho.Misaotra an'Niryna aho nanampy.:-*:-*
Tsy ny boky matematika na boky filô,na bokyna ordi no ampiasaina rehefa hitory ny Mopera ,Pastera mba ahalalan'olona Ny sitrapon'Andriamanitra sy ny fitiavaNy.Ny tena tiako ambara dia ny tena fahalalana an'Andriamanitra
38. ikaretsaka ( 27/02/2008 14:44)
misy mopera sy pastera miainga amin'ny zavatra hitany andavanandro ny toriteniny ka... ary miteny aminao aho fa ireny aza no miatraika be any @ le olona toriany teny noho ilay be fandahatra

jereo fa ry Paoly aza ohatra t@ fotoan'androny raha nanoratra t@ kristianina tatsy sy tarokatra dia niainga t@ zavatra hitany @ andavanandro ihany , nefa iznay tsy naannakana azy sy ireo Ktianina ireo tsy hahalala an'Atra.

Diniho sy fakafakao fa matetika tokoa anie rehefa manao asan-demony aza anie no nilana sy ny kitsimpona andalan-tsoratra masina sy nilana nampiasana izany e (i heroda ohatra, i jesoa nalaina fanahy ohatra, jesoa maty ohatra : amin'ireny no tena nandeha ny "fifaninanana" tsimpona hoe voasoratra hoe.....)
39. rijadolly ( 27/02/2008 17:56)
Mba hazavao araky ny mathematique sy....,àry hoe ireto:
-Andriamanitra dia Fanahy... http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=JAONA&toko=4&andininy=24-24&dika=
- http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=JAONA&toko=3&andininy=16-16&dika=
- http://www.baiboly.org/asehoy.asp
ikaretsaka:
jereo fa ry Paoly aza ohatra t@ fotoan'androny raha nanoratra t@ kristianina tatsy sy tarokatra dia niainga t@ zavatra hitany @ andavanandro ihany , nefa iznay tsy naannakana azy sy ireo Ktianina ireo tsy hahalala an'Atra.
Taiza koa no nisy an'zany?
40. niryna ( 27/02/2008 18:29)
rijadolly:

rijadolly:
:wink:Marina izany fa kosa mahalalalala fotsiny ihany raha vao ivelan'Baiboly ny zavatra hampianarana azy.
ikaretsaka:
afaka porofoin'i Rijadolly ve io fehezanteninao farany io

tsy vala ny baiboly anie fa ny finoana no vala e
Na dia efa voavalin'Niryna aza dia hamaly ihany aho.Misaotra an'Niryna aho nanampy.:-*:-*
Tsy ny boky matematika na boky filô,na bokyna ordi no ampiasaina rehefa hitory ny Mopera ,Pastera mba ahalalan'olona Ny sitrapon'Andriamanitra sy ny fitiavaNy.Ny tena tiako ambara dia ny tena fahalalana an'Andriamanitra




=D=D^:^ ho ao aminao mandrakariva anie ny fahasoavan'i tompo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0088