Efa nifady hanina ve hianao? Jereo ity raha mahasoa anao.

1. niryna ( 19/02/2008 06:25)
ny fanatonana an'Atra dia misy fomba maro : ao ny fiderana Azy,fisaorana Azy,fanandratana ny heriny sy ny fitiavany nomeny antsika.
Misy fotoana koa anefa dia te-hanatona azy be be kokoa isika ka dia mifady hanina:Tsy mihinan-kanina mandritra ny maraina ohatra ,na mandingana ny sakafo antoandro na alina.
Ao koa ny tsy mihinana indray andro mihitsy fa misotro rano fotsiny.
Ary raha misy olana ao amin'ny fiainanao dia mety ihany koa,fanasitranana aram-panahy,mety misy aretina na ahiahy,dia misy tsy mihinanan-kanina na rano mandritra ny telo andro.
Satria ny vatan-tsika no vokisana matetika ary ny tsy fihinanana sakafo indray dia ny fanahintsika no tiana hanatona an'Atra kokoa:mihira,mamaky baiboly,mihaino toriteny,na fandaharana fivavahana no atao amin'ireo andro fifadian-kanina ireo.
Ny andro tsy hiasana no tena mety raha te hanandrana hianao.

Ezahina ariana avokoa ireo fakofako manelingelina ny vatan-tsika ka mahatonga ny saina ho ketraka noho ny tsy fahafahana manohitra izany ary vokisana tenin'Atra indray .Izay ilay izy sy antony ihany koa .
Efa nanandrana ve hianao?Raha eny dia tohizo fa tena ahitana vokantsoa,raha tsia dia manandrama fa tsy misy hanenenanao.
répondu par niryna le 24/02/2008 00:55
2. niryna ( 19/02/2008 06:30)
Ilay fifadian-kanina koa dia endrika iray hanovana ny toetra ratsy sy hanesorana ireo manembantsembana amin'ny toetra ka soloina fifaliana izany ::D
Ary azo ampiharina io isan'andro fa tsy amin'ny fifadian-kanina ihany
Ireto ary misy ohatra ka izay fantatrareo fa tsara sy mety dia raiso,mba zaraiko aminareo fotsiny.

Esory ny fitsarana :arrow: mifalia amin'ny fitiavana ny mpiara-belona sy ny rehetra.

Esory ny fanavakavahana:arrow:mifalia ao amin'ny
firainsankina

Esory ny fahamaizan-tsaina :arrow: fenoy fahazavana ny fiainanao ary zarao ny manodidina anao izany

Esory ny eritreritra @ aretina:arrow: mifalia @ fahasitranana avy @ herin'Atra

Esory ny teny maloto manimba saina :arrow: mifalia @ teny mamy ,malefaka,mahasoa ny manodidina

Esory ny fahatezerana :arrow: miravo amin'ny faharetana

Esory ny tebiteby :arrow: mifalia amin'ny fanantenana

Esory ny fitsikerana :arrow: mahaiza mankasitraka

Esory ny fo feno fankahalana :arrow: fenoy famelankeloka ny fiainanao

Esory ny fitiavan-tena :arrow: aza mody hodiana tsy hita izay mila fanampiana aminao na hery na fotoana na vatana na ...inona izany

Esory ny tsy finoana ao anaty :arrow: mifalia amin'ny marina mandrakariva

Esory ny fitokana-monina :arrow: mifalia amin'ny fiarahana amin'ny hafa.

Tsy mora ny manantanteraka an'ireo saingy raha manandrana iray isan'andro hianao dia ahita fihovana ao amin'ny fiainanao tokoa satria ny fitiavana no tena zava-dehibe nozarain'ilay kristy Mpanavotra antsika ary tiany izara izany koa isika .Atomboy amin'ny fianaranao mitia ny tenanao aloha izany .

Mahereza daholo
:-*:-*:-*
3. LazaDaddy ( 19/02/2008 06:36)
niryna:
ny fanatonana an'Atra dia misy fomba maro
tsia, tsy misy fombafomba ny fanatonana Azy na dia iray aza....
niryna:
Efa nifady hanina ve hianao?
rehefa tsaramaso masiso ohatra dia mifady aho...na koa vary be vatokely...
4. niryna ( 19/02/2008 06:59)
37 ary efa mpitondratena tokony ho efa amby valopolo taona; ary tsy niala teo an-kianjan'ny tempoly izy, fa nanompo tamin'ny fifadian-kanina sy ny fivavahana andro aman-alina.[b] Lioka 2 :37

Fomba anatonanao an'Atra no tiako ho tenenina ry Laza a.
Midera Azy,mankalaza Azy, manandratra ny anarany,misaotra Azy .
Avy amin'ny hira fiderana,avy amin'ny vavaka ary avy amin'ny fifadian-kanina.
Izay no tiako ho tenenina ,fa tsy hoe akory fomba toy ny manao sarisary na manao sarivongana atao solony.
:D
5. LazaDaddy ( 19/02/2008 07:04)
Fomba anatonanao an'Atra no tiako ho tenenina ry Laza a
ka efa nambarako fa tsy misy fombafomba ny fanatonana Azy na dia kely aza :)
Midera Azy,mankalaza Azy, manandratra ny anarany,misaotra Azy.
Angaha izany "fomba" fanatonana an'Andriamanitra?
6. niryna ( 19/02/2008 07:14)
7. LazaDaddy ( 19/02/2008 07:18)
niryna> raha azonao ny hevitra fonosin'ilay lamba triatra tao amin'ny tempoly...dia ho fantatrao fa tsy misy fombafomba fanatonana Azy
8. rijadolly ( 19/02/2008 15:40)
LazaDaddy à mba lazao amiko koa fa tsy azoko raha azon'sé atao,fa tena liana be za.Tsy avelako sé raha tsy miteny amiko na amin'fomba ahoana na ahoana ny ampitain'sé azy amiko.Misaotra mialoha.
Ny ahy mantsy hatramin'izay dia fandresen-dahatra ny rehetra fa Zanak'Andriamanitra i Jesoa iny fitriharan'Lamba tao amin'Tempoly iny.:-*:-*:-*
9. ikaretsaka ( 19/02/2008 17:54)
hevitry ny karemy ihany ity resaka ity raha dinihina lalina fa ny fomba nitondran'ilay nanoratra azy no nivainy kely
10. niryna ( 19/02/2008 18:28)
LazaDaddy:

niryna:
ny fanatonana an'Atra dia misy fomba maro
tsia, tsy misy fombafomba ny fanatonana Azy na dia iray aza....
niryna:
Efa nifady hanina ve hianao?
rehefa tsaramaso masiso ohatra dia mifady aho...na koa vary be vatokely...

=))=)) fa tsy mbola nifady hanina hianao(fasting) tamin'ny fanarahana an'i kristy?

11. niryna ( 19/02/2008 18:30)
LazaDaddy:

Fomba anatonanao an'Atra no tiako ho tenenina ry Laza a
ka efa nambarako fa tsy misy fombafomba ny fanatonana Azy na dia kely aza :)
Midera Azy,mankalaza Azy, manandratra ny anarany,misaotra Azy.
Angaha izany "fomba" fanatonana an'Andriamanitra?

fanatonana an'Atra ? ahoana no hanatonanao Azy?
Amiko dia Fanahy Atra ary dia ny fanahiko no miantso Azy ary dia midera ,mankalaza,manandratra ary misaotra Azy . Izay no tiako ho tenenina ,sa misy hafa ?

12. LazaDaddy ( 19/02/2008 21:04)
rijadolly:
LazaDaddy à mba lazao amiko koa fa tsy azoko raha azon'sé atao,fa tena liana be za.Tsy avelako sé raha tsy miteny amiko na amin'fomba ahoana na ahoana ny ampitain'sé azy amiko.Misaotra mialoha.
Ny ahy mantsy hatramin'izay dia fandresen-dahatra ny rehetra fa Zanak'Andriamanitra i Jesoa iny fitriharan'Lamba tao amin'Tempoly iny.:-*:-*:-*
Marina izay voalazanao izay Rija a. Ezahiko afohezina na dia tsy haiko aza hoe inona avy ny fantatrao momba an'iny... Ary tsy ho feno koa ny fanazavako fa aoka ny Fanahin'Andriamanitra no hampita aminao.

- Matevim-be noho ny rindrina ilay Lamba, sahabo ho 1 metatra ny hateviny.
- Eo ny fidirana tao amin'ny toerana nantsoina hoe "holy of holies" (masina)...izay tsy azon'iza na iza nidirana afa-tsy ny mpisoronabe hanolotra sorona ihany
- Misy fomba maro tanterahiny alohan'ny idirany ao. Rehefa miditra ao izy dia fatorana "tady mahazaka" ny tongony. Raha sanatria maty tao am-panolorana sorona mantsy izy noho ny antony maro(*) dia afaka taritina amin'ilay tady ny vatany.

=> Triatra ilay lamba ka tsy mila fombafomba intsony ny fanatonana an'Andriamanitra, tsy misy manasaraka intsony ny "holy of holies" sy ny faritra hafa tao an-tempoly, afaka manatona Azy ny rehetra


(*) Antony iray mety nahafaty ny mpisorona tao @ "holy of holies" ohatra ny nidirany tao kanefa tsy nahatanteraka ny fomba notakiana taminy, misy maro fa io no akaiky ito adihevitra ito :)
13. cutie ( 19/02/2008 21:17)
tsy namaky tany ambonimbony tany za fa le titre fotsiny nojereko fa za alou tsy mankasitraka ny fifan-diakanina fa ny oul kere aza efa tsy fidiny ka hifady hanina @ in koa refa manana ny ampy enao.
Sady refa noana ny kibo mivezivezy ny fanahy :-D:-D:-D:-D
14. ikaretsaka ( 19/02/2008 22:19)
[quote=LazaDaddy]
ny fanatonana an'Atra dia misy fomba maro
tsia, tsy misy fombafomba ny fanatonana Azy na dia iray aza....


Misy ko..misy ankanala kapa, misy ny mangoaka rindrina avy any ambony sns..misy ny mandeha any an-tendrombohitra masina.... sns...
ao anaty boky aby izany


15. fijo ( 19/02/2008 23:01)
eny wa ry cutie.marina tanterak any andry
16. fijo ( 19/02/2008 23:05)
fa za efa nanao ramadan.saingy tsy misy finoana,fa mba fanandramana fotsiny hoe ahoan aizany tsy mikaly antoandro mandritra ny iray volana.
mafy be saingy mampahia .
17. cutie ( 19/02/2008 23:29)
zany an :-D
18. fijo ( 19/02/2008 23:42)
mba handrana ko;fa tsy manindroany intsony
19. cutie ( 19/02/2008 23:44)
gaga manko za:-D
20. fijo ( 19/02/2008 23:47)
ka za koa moa le matavitavy it de mba nanandrana ,fa nihena tokoa,saingy vao nanoboka nikaly dia nitombo be indray
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0557