Tena mazava @ Kristianina ve ny Baiboly???

1. rakapy ( 01/02/2008 01:16)
Toa mahagaga ihany fa na ny samy kristianina aza dia mifanipaka @ resaka baiboly. Misy ny milaza hoe ao anaty baibolinay sy hoe ao anaty baibolinareo???
Ka nefa dia samy mitono tena hoe mpanara-dia an'i Jesosy daholo. Koa raha ny baiboly-dry zareo ary no tena marina fa ny anareo diso. Tsy ho be ve ny hivarina anaraka anay any @ hell-ville raha izany no miseho @ Aramagedoana???
répondu par coopsal le 07/11/2008 08:40
2. xxx ( 01/02/2008 01:27)
tsy ny fanarahana ny baiboly akory no atao we mpanara-dia an;i jesosy:)
3. ikaretsaka ( 01/02/2008 01:31)
amen izay! ra xxx

4. rakapy ( 01/02/2008 01:37)
xxx> Ka tsy very maina ve zany le Jesosy namorona ny baiboly??? nefa ianao tsy hanaraka ny voalaza ao anatiny?
5. xxx ( 01/02/2008 01:41)
tsy voatery ao anaty baiboly ihany jesosy no mampita ny hafany
6. rakapy ( 01/02/2008 01:44)
Tsy voatery fa ny baiboly dia nataony mba ho arahin'ny Kristianina.
7. LazaDaddy ( 01/02/2008 01:52)
rakapy:
Tena mazava @ Kristianina ve ny Baiboly???
Izany rakapy no antony handalinana an'io andro aman'alina a :). Raha manao kamokamo hoe "tsy mazava io" na hoe "sarotra io" dia tsy karohina dia misaritaka araka ny nambaranao tokoa :) Izaho Kristianina fa misy zava-baovao atoron'ny Fanahy Masina ahy foana isaky ny mianatra sy mikaroka an'io aho :)
8. rakapy ( 01/02/2008 01:55)
Ka midika izany fa tsy mbola mazava ary tsy hazava mihintsy raha ny filazan'i Laza azy satria dia misy zava-baovao foana.
9. LazaDaddy ( 01/02/2008 01:58)
rakapy> ny zava-baovao ianarako ao dia tsy mifanipaka mihitsy amin'izay efa hay:). Ary izay hay dia mazava tsara, fa tsy midika izany akory hoe hay daholo izy iray manontolo hatramin'izao aloha :)

Eny, sombintsombiny ny fahalalako fa rehefa tonga ilay Tanteraka hoy i Paoly dia ho fantatro sy tsy misy mihafina amiko :)
10. ikaretsaka ( 01/02/2008 02:08)
rakapy:

xxx> Ka tsy very maina ve zany le Jesosy namorona ny baiboly??? nefa ianao tsy hanaraka ny voalaza ao anatiny?


tsy namorona ny baiboly Razezo rakapy an.. ary ny tsy voatery ho voasoratra izay nolazainy na lazainy na holazainy...
11. nandrianina1 ( 01/02/2008 02:11)
ny Fanahy Masina anie hampahazava antsika mandrakariva^:^
12. ikaretsaka ( 01/02/2008 02:11)
rakapy:

Tsy voatery fa ny baiboly dia nataony mba ho arahin'ny Kristianina.


tsy ny baiboly sy izay voasoratra ao IHANY no arahin'ny kristianina.... fa Izy kristy mihitsy

misy fika hafa tena milay be fanarahana Azy koa... dia ny fiombonana Fanahy aminy. Par meditations sns.... sarotra @ baibolista io raha nozarina ho baibolista ianao
13. ikaretsaka ( 01/02/2008 02:12)
nandrianina1:

ny Fanahy Masina anie hampahazava antsika mandrakariva^:^



izaaaaay! namasteee!
tsy ny taratasy sy ny soratra ihany fa ny Fanahy koa dia Teny!
14. rakapy ( 01/02/2008 02:15)
ka na ireo izay milaza fa mandinika azy io andro aman'alina ary dia milaza toy ny voalazanao koa. Ka tsy midika ve izany fa tsy ho tankatry ny olombelona ny hevitra fonosiny ao?
15. LazaDaddy ( 01/02/2008 02:17)
rakapy:
Ka tsy midika ve izany fa tsy ho tankatry ny olombelona ny hevitra fonosiny ao?
izay no ilana ny Fanahy Masina rehefa mamaky sy mikaroka an'io :)
LazaDaddy:
Izaho Kristianina fa misy zava-baovao atoron'ny Fanahy Masina ahy foana isaky ny mianatra sy mikaroka an'io aho
16. rakapy ( 01/02/2008 02:20)
Ka iza ary no efa mahalala ny hevitra fonosony ao? Ho an'ireo izay milaza fa mahazo ny fanahy masina?
17. LazaDaddy ( 01/02/2008 02:24)
rakapy:
Ka iza ary no efa mahalala ny hevitra fonosony ao? Ho an'ireo izay milaza fa mahazo ny fanahy masina?
Misy hevitra be dia be fonosiny ao, ary mifameno. Izay no ianarana azy tsikelikely isan'andro :)

Ohatra: Masina Andriamanitra ^:^
18. nandrianina1 ( 01/02/2008 02:26)
kapy a! ny Fanahy no mahalala, ra mandinika rakapy tsy voatery hifanipaka fona ny hevitry ny Xana fa ny iraisani fona ao de zay le apiraisin'ny Fanahy ra ny fahazoko azy
19. rakapy ( 01/02/2008 03:00)
Ka maro no mila porofo mazava fa raha resaka mihodikodina dia sy toro-teny lava be dia tsy hiisy handany fotoana @zany eo.
Laza> ka na ny boky tantara nosoratan'olombelona tsotra izao aza anie dia maro no mifono hevitra be dia be sy lalina. Ka inona no hevitra special ao anaty baiboly?
20. ikaretsaka ( 01/02/2008 03:38)
mandeha tokao ny fotoana ka lasa tsy nandeha intsony iznay ilay hoe io IHANY nimatimatesan'i ld taloha:wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1063