Tena mazava @ Kristianina ve ny Baiboly???

21. LazaDaddy ( 01/02/2008 03:56)
oviana tokoa izany ry ikaretsaka...sao dia mba mamely tokoa aza ny alzheimer? :)
22. rakapy ( 01/02/2008 03:58)
www.youtube.com/watch?v=onLbeuEqNIE
23. rakapy ( 01/02/2008 04:08)
24. ikaretsaka ( 01/02/2008 04:12)
mamely tokoa izy izany e... simba sahady ny ram brainiaque rehefa tratran'ny freako right wing e? k'hony LD e?
25. LazaDaddy ( 01/02/2008 04:14)
26. ikaretsaka ( 01/02/2008 04:14)
efa haiko fa hi :) sisa fa tratra...
27. LazaDaddy ( 01/02/2008 04:15)
28. niryna ( 01/02/2008 09:12)
rakapy:

xxx> Ka tsy very maina ve zany le Jesosy namorona ny baiboly??? nefa ianao tsy hanaraka ny voalaza ao anatiny?



=D=D Mandeha amin'izao tontolo izao dia ataovy mpianatro ny firenena rehetra.
Ahoana ry xxx sy ika no hitorianareo ny tenin'Atra raha tsy mamaky an'izany hianareo,izany ve tsy hafahafa be,raha voan'ny fanontanian'ny mpihaino sy te hanaraka an'i kristy hianareo dia inona no ataonareo :snif:
29. rabilabila ( 01/02/2008 09:48)
Fa i Niryna 'ty ve misy tapi-maso e!! Na 'za tsy mpino aza rehefa mamaky an'i Ika mahita fa mamaky an'io izy fa aminy TSY AMPY IO ARY BETSAKA NO AZO HANOVOZANA NY FAHALALANA ARA-PINOANA SY NY FANDINIHINA ARA-PINOANA . Ny an'i Niryna ohatran'ny ataony hoe "mpianatra seklalady "( mba tsy hitenenako hoe mpampianatra sektalady ) daholo ny olona na dia efa vory saina aby ary!!

Efa nomen'i Hery ROHY betsaka ireo i Niryna dia mba halalino aloha ny fomba fijeriny ,izany hoe esory io tapi-maso io .Tssss!! :-P:twisted:
30. ikaretsaka ( 01/02/2008 13:42)
:wink: esory ny tapi masony e..http://www.tournorfolk.co.uk/greatyarmouth/yarmouthhorses.jpg
izay rabila rehefa fanatique loatra tsy mahafantatra ny inoany akory an.. ny azy ihany.. karaha le sovalim-boatiry le asiana hoditra kely ny sisin'ny maso anankiroa ireny..
31. soanja ( 01/02/2008 14:39)
rakapy:

Toa mahagaga ihany fa na ny samy kristianina aza dia mifanipaka @ resaka baiboly. Misy ny milaza hoe ao anaty baibolinay sy hoe ao anaty baibolinareo???
Ka nefa dia samy mitono tena hoe mpanara-dia an'i Jesosy daholo. Koa raha ny baiboly-dry zareo ary no tena marina fa ny anareo diso. Tsy ho be ve ny hivarina anaraka anay any @ hell-ville raha izany no miseho @ Aramagedoana???



Izany no milaza fa tsy lafatra ny baiboly. Mbola betsaka ny zavatra tsy tafiditra ao ary betsaka ny teny ao tsy vozavan'ny sain'olombelona fa heveriny sy ampifandraisiny amin'izay nosesefana taminy.
Azoko lazaina fa jamba mifampitantana ny ao amin'ny fampianarana ny baiboly matetika.Indrisy anefa fa betsaka ny voadona noho izany dia miala na nanapakevitra hanalavitra an'i Kristy!:(, ao koa aza ireo izay manaratsy azy. :(

Andriamanitra/ Kristy LAFATRA tanteraka!



32. ikaretsaka ( 01/02/2008 15:13)
tsy taka pesipesenina A/tra ary tsy voafefy!
^:^

"Finding God in all things"
33. Veloo ( 01/02/2008 17:16)
Tsy afaka miresaka mivantana @ Antra isika nohon’ny fahotana dia nomeny vantana antsika ny baiboly mba ahitan-tsika ny Teniny.
Ny baiboly ho an’’ny kristiana dia foundation ny Fahamarinana rehetra ary critere izay marina ka tsy azo ampitsika . Ao no ahitan-tsika faherezana, finoana fa tena misy tokoa izy ,ny fitiavany, ao ko no ahitan-tsika ny fanantenana fa mbola hiverina izy ao koa no ahitantsika fahasoavana sy fitahina rehefa mino sy manaraka ny Teniny isika. Ao ko no ahitan-tsika ny fanorona ara-pahasalamana, etc… betsaka be mihitsy e.
Hitako ny teninao ka nohaniko, Ary ny teninao no fifaliako sy firavoravoan'ny foko; Fa nantsoina tamin'ny anaranao aho, Jehovah, Andriamanitry ny maro ô. Jer.15:16
Teo aminareo isan-andro Aho nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly, nefa tsy nisambotra Ahy hianareo; fa mba hahatanteraka ny Soratra Masina izao Marka 14.49
Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana II Tim. 3: 16

Za dia mino tanteraka fa ny baiboly dia avy any @ Antra.
34. cutie ( 01/02/2008 17:21)
marina tsy misy kianina ny lazain-jy ry veloo:-*:-*:-*:-*
35. ikaretsaka ( 01/02/2008 17:37)
Veloo:

Za dia mino tanteraka fa ny baiboly dia avy any @ Antra.



1) tsy ny baiboly ihany no mirakitra ny teny.. Ny teny rehetra tsy ary ho voasoratra aby. tsy azo lavina izany ary i Joany aza dia nilaza izany ao @ faran'ny Evanjeliny

2)---> tsy ny baiboly ihany no nomen'Atra fa izao tontolo izao dia "soratra aby" "hitenenany" aminao!



36. cutie ( 01/02/2008 17:42)
izao tontolo zao :-D:-D:-D:-D aiza ary i prime:)
37. rijadolly ( 01/02/2008 17:42)
Ity koa ny fanampiny ry Velo>>>:-*:-*:-*:-*:-*misaotra an'sé

Torio amiko izay tsy ampy ao amin' Baiboly ho an'izay mahita fa aza afenina,Isika anie tsy natokana ho ty tena é!Alefaso jerena,
tandremo fotsiny sao manohitra.
38. Veloo ( 01/02/2008 19:02)
Torio amiko izay tsy ampy ao amin' Baiboly ho an'izay mahita fa aza afenina,Isika anie tsy natokana ho ty tena é!Alefaso jerena,
tandremo fotsiny sao manohitra

Avy manao etudes biblique miaraka amiko raha izany
:-*

Alefaso jerena,
tandremo fotsiny sao manohitra

inona anefa no tianao ho lazaina @ io e?


cutie [ Valio ] 01-02-2008 18:21:14
Lohateny : Re : Tena mazava @ Kristianina ve ny Baiboly???
marina tsy misy kianina ny lazain-jy ry veloo


misaotra aky a:-*


39. Veloo ( 01/02/2008 19:03)
tsy ny baiboly ihany no nomen'Atra fa izao tontolo izao dia "soratra aby" "hitenenany" aminao!


Ao no ahitan-tsika faherezana, finoana fa tena misy tokoa izy ,ny fitiavany, ao ko no ahitan-tsika ny fanantenana fa mbola hiverina izy ao koa no ahitantsika fahasoavana sy fitahina rehefa mino sy manaraka ny Teniny isika. Ao ko no ahitan-tsika ny fanorona ara-pahasalamana, etc… betsaka be mihitsy e.
40. rijadolly ( 01/02/2008 19:13)
Torio amiko izay tsy ampy ao amin' Baiboly ho an'izay mahita fa aza afenina
Veloo nga mahita mba hilazao aho,nefa tsy manohitra ny sitrapon'Andriamaitra an!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1289