Tena mazava @ Kristianina ve ny Baiboly???

41. Veloo ( 01/02/2008 19:16)
rija,

Amiko ny baiboly dia complet.
42. Veloo ( 01/02/2008 19:18)
Asa na vovaliko ny teninao hihihih
43. ikaretsaka ( 01/02/2008 19:24)
izy tenany aza ry rijadolly no niteny hoe mbola betsaka lavittra ny nataony sy ny asany no tsy voasoratra... (joany 21)
vokatr\'iznay tsy ampy le izy!

tsy tonga Taratasy koa ilay teny

Izay soratra rehetra nomen\'ny tsindrimandrin\'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin\'ny fahamarinana II Tim. 3: 16
dia ekekko de ekeko tokoa, tahaka ny hanekeko hoe ilaina koa ny rano @ fiainana, fa mao ve ny rano dia ampy?
tsy misy niteny ao hoe ny soratra masina ihany de ampy.. matoa nampianatra sy namorona fiangonana i Jesoa..
raha ampy ny Soratra masina amiko, dia tsy nila Jesoa nidina velona taty an-tany nampianatra isika fa dia nanoratra dia nisy takela-bato na boky atao hoe baiboly indray nalaina tany an-tendrombohitr\'i oliva
44. cutie ( 01/02/2008 19:36)
fa in no ataonareo any am-pengonana, nga tsy mamaky baiboly :-D
45. rijadolly ( 01/02/2008 20:00)
veloo:
rija,

Amiko ny baiboly dia complet. Asa na vovaliko ny teninao hihihih
Misaotra amin'hevitrao.tena voavaly ka!
Avy manao etudes biblique miaraka amiko raha izany:-*
Misaotra
Ika a zaho anie manaiky fa misy ny tsy voasoratra fa kosa sao dia efa voasoratra ihany ilay izy fa ny fomba nanehoana azy no hafa fa ny heviny fotsiny no tsy mivoana amin'ilay tiaNy hampitaina?
ikaretsaka:
raha ampy ny Soratra masina amiko, dia tsy nila Jesoa nidina velona taty an-tany nampianatra isika fa dia nanoratra dia nisy takela-bato na boky atao hoe baiboly indray nalaina tany an-tendrombohitr'i oliva

-ny TT sy ny TV mitambatra anie no atao heo Baiboly é(@Kristianina)
-isika koa dia tsy nila an'Jesoa fa efa very tanteraka isika olombelona noho ny tsy fahalalantsika.Fa noho ny fitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao fa tsy ny fanirian-tsika akory no antony nidinaNY.Dia izay manaiky AZY no vonjena.Sa ahoana hoy i ika?
46. ikaretsaka ( 01/02/2008 20:04)
ka izay tsy naha ampy ny soratra izay indrindra ry RD no nahatonga azy nidina sy nandefa ny FM ...hiteny amintsika foana an..
izay le point.. tsy taratasy nosoratany no miteny fa Izy!

47. cutie ( 01/02/2008 20:06)
ka taiza no nahalalan'i IKa fa nampidinana tety an-tany izy:-D
48. ikaretsaka ( 01/02/2008 20:08)
t@ lovan-tsofina..
t@ vitraux teny ampiangonana..
rteny @ sary vongana, sns..

tsary nahay namaky teny ahako de efa mba nahalala izany kosa!:-D
49. Veloo ( 01/02/2008 20:16)
cutie [ Valio ] 01-02-2008 21:06:54
Lohateny : Re : Tena mazava @ Kristianina ve ny Baiboly???
ka taiza no nahalalan'i IKa fa nampidinana tety an-tany izy


not bad:-*
50. ikaretsaka ( 01/02/2008 20:23)
de io ny valiny.. bad sa tsy bad?
51. cutie ( 01/02/2008 20:30)
=))=))=))=))=))
52. ikaretsaka ( 01/02/2008 20:32)
bad to the point of rotfl ve:-D:-D:-D
53. cutie ( 01/02/2008 20:34)
valio ny fanontaniana ry mafy loha a :-D:-D:-D:-D
54. rabilabila ( 01/02/2008 20:35)
Ndeha handray papangon-danitra aho ho any Nosy-Be ....Hell-ville fa tssss .Miala any ny "endorphine " e!! Nirvanesika indray ny aliko anio.Marina any izanyyyy:-D:-D
55. tywa68 ( 01/02/2008 20:49)
:lol::-D:-D miala any miala any e ......
56. rabilabila ( 01/02/2008 20:51)
:-D:-D
57. kiranil ( 01/02/2008 20:54)
Veloo> misaotra anao betsaka amin\'ny zavtara voalazanao.


Ny baiboly ho an’’ny kristiana dia foundation ny Fahamarinana rehetra ary critere izay marina ka tsy azo ampitsika . Ao no ahitan-tsika faherezana, finoana fa tena misy tokoa izy ,ny fitiavany, ao ko no ahitan-tsika ny fanantenana fa mbola hiverina izy ao koa no ahitantsika fahasoavana sy fitahina rehefa mino sy manaraka ny Teniny isika.


Soanja>
Andriamanitra/ Kristy LAFATRA tanteraka!


Fanontaniana tsotra ho anao :

Raha milaza ianao fa lafatra tanteraka Andriamanitra/Kristy.

Moa ve Izy nanafoana ny fisian\'ny satana; ka nilaza ny voalazanao hoe: \"Tsy misy Satana [na devoly] eo anatrehako\"?

Miala tsiny aho fa ny olona sy ny fisainany no \'tsy lafatra\' lavitra ary mety mino sy milaza lainga; fa tsy ny Tenin\'Andriamanitra velively.

Manomboka hatramin\'ny Genesisy ka hatrany amin\'ny bokin\'ny fanambarana tompoko tsy misy Tenin\'Andriamanitra na dia iray aza manafoana ny fisian\'ny satana sy devoly;

Fa kosa mampianatra ny olona mba tsy ho voafitaka amin\'ny lainga izay ataon\'ny devoly.

Maro dia maro ireo Tenin\'Andriamanitra manamafy izany fa asa odianao tsy hita ve ? asa..


Efesiana 6:11 Tafio avokoa ny fiadian\'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin\'ny fanangolen\'ny devoly

Efesiana 4:27 Aza manome fitoerana ho an\'ny devoly.

Hebreo 2:14 Koa satria manana nofo aman-dra ny zaza, dia mba nandray izany koa Izy, mba handringanany amin\'ny fahafatesana ilay manana ny herin\'ny fahafatesana, dia ny devoly

Jakoba 4:7 Ka dia maneke an\'Andriamanitra hianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.

IPetera 5:8 Mahonona tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany;

sns...

Hatramin\'ny faminaniana ny hanjo ny devoly dia efa voalaza ao amin\'ny bokin\'ny fanambarana:

Apokalypsy 20:10 Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin\'ny farihy afo sy solifara, izay misy ilay bibidia sy ilay mpaminany sandoka koa, ary hampijalina andro aman-alina mandrakizay mandrakizay ireo.



tsy ny baiboly ihany no nomen\'Atra fa izao tontolo izao dia \"soratra aby\" \"hitenenany\" aminao!


\"soratra aby\" amin\'ny ahona ary \"izao tontolo izao\"? Ny zavatra mitranga eto @ izao tontolo izao dia miharatsy andro amanalina; miharatsy tahaka izany ny olona ary mihamaro ny manao ny mifanohitra @ Tenin\'Andriamanitra--vono olona, fijangajangana, halatra, lainga, fanolanana zaza tsy ampy taona, sns.. dia inona no \"soratra aby\" avy amin\'Andriamanitra amin\'izany?, :{


Fehiny: Ampy io Tenin\'Andriamanitra na Baiboly io tompoko hamatarana na tena fahamarinana avy amin\'Andriamanitra tokoa ny fampianarana iray na tsia.

Izay soratra rehetra nomen\'ny tsindrimandrin\'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin\'ny fahamarinana II Tim. 3: 16


IJaona 4:1 Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin\'Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin\'izao tontolo izao.
58. ikaretsaka ( 01/02/2008 20:59)

"soratra aby" amin'ny ahona ary "izao tontolo izao"? Ny zavatra mitranga eto @ izao tontolo izao dia miharatsy andro amanalina; miharatsy tahaka izany ny olona ary mihamaro ny manao ny mifanohitra @ Tenin'Andriamanitra--vono olona, fijangajangana, halatra, lainga, fanolanana zaza tsy ampy taona, sns.. dia inona no "soratra aby" avy amin'Andriamanitra amin'izany?,

izay no ilaina ilay fandinihin-tena sy asa da tsy variana any @ dramatization
tsy ny fitanisana izany miampy toko sy andininy no wawawa fa ny fi realisena izany sy ny fangalana action amin;'izany.. mba "hanomana tany sy lanitra vao "

59. LazaDaddy ( 01/02/2008 21:06)
rakapy> niverina namaky ny voalaza rehetra teto aho dia mba saika hanontany anao. Inona moa ity baiboly resahinao ity?

1) Ilay baiboly nolazain-dRasiligaoma ho...nangalana sy nampiana...dia lasa baiboly katlika ve?

2) Sa tsy izay?

Raha ilay voalazan-dRasiligaoma dia ireo efa nomeko ery ambony ireo ny hevitro :)


Misaotra anao
60. LazaDaddy ( 01/02/2008 21:11)
diso tsipelina fa azafady
LazaDaddy:

rakapy> niverina namaky ny voalaza rehetra teto aho dia mba saika hanontany anao. Inona moa ity baiboly resahinao ity?

1) Ilay baiboly nolazain-dRasiligaoma ho...nangalana sy nampiana...dia lasa baiboly Katolika ve?

2) Sa tsy izay?

Raha tsy ilay voalazan-dRasiligaoma dia ireo efa nomeko ery ambony ireo ny hevitro :)

Misaotra anao



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0483