Tena mazava @ Kristianina ve ny Baiboly???

61. tywa68 ( 01/02/2008 21:17)
tsy aleo ve valiana ilay fanontaniana napetrak'i rakapy e : Tsy afaka hamaly ho an'ny rehetra aho fa ny fantatro d manantena ny hiaraka @ilay Kristy hinoako sy tia ahy aho, rehefa any aoriana any ; faly aho satria mahatsapa ny fisiany sy ny fitantanany ahy. Ary mivavaka ho an'ireo mitady azy hahita zany fifaliana izany eto an-tany aloha, dia any ankoatra koa.:-*:-*
62. LazaDaddy ( 01/02/2008 21:18)
LazaDaddy:
Raha tsy ilay voalazan-dRasiligaoma dia ireo efa nomeko ery ambony ireo ny hevitro
63. fijo ( 01/02/2008 21:32)
na baiboly,na coran,na thora,dia efa samy nisy nianatra hatramin'ny nisiany ary mbola hianarana hatramin'izao.
noho izany dia tsy mbola voafehin'ny mpino ireo boky ireo,ary tsy hovoafehiny mandrapahatapiny.

ny vanimpotoana koa ,tsy mitovy,ka noho izany ny fampiharana ireo boky ireo dia tsimaintsy ezahina hifandraika amin'izay vanimpotoana misy.

aza hadino ,ary efa voalaza teto,fa ny baiboly anie ka "boky vokatry ny fanambarana evanjely maromaro" e.izany hoe tsy vita raha natao tao daholy ny evanjely manodidina ny 30 izay misy.ka dia naleo nofantenana izay hoatao ao.noho izany ny filazana fa boky feno io,dia midika fa minia mikimpy tsy te ahalala ny nisy rehetra izay.
amiko ,lalana hoan'ny kristianina io boky io,fa ny tenanareo no tena izy.
64. rakapy ( 01/02/2008 23:40)
Tena mampihomehy ahy nareo reto. Raha namaky ny valiteninareo aho dia tsapako fa tena jamba mifampitantana ny ankamaroany! Ny baiboly dia tsy tena mazava (exact).Tsy misy na iray aza mahazo ny tena tiany ambara. toy ny hoe 1+2=3 fa ny rehetra dia milaza fa 1+2= 2,6... na 1,44.. na koa -3,03...
Ary manaraka izany dia mbola misy manotany hoe ilay 1 European ve sa le 1 Asian no tianao ho fantarina rakapy? Ka ny 1 ve tsy 1 ihany n'aiza n'aiza alehanao?
Dia ao koa ny milaza fa 1+2=1,53 ka sahy milaza fa tena ampy sy lafatra io calcul io.
Indramiko ny tenin'i Fijo hoe tsy ho voahafehin'ny mpino mandrapaha tapiny io boky io.
65. fijo ( 01/02/2008 23:43)
ka izay.de miady lava eo fotsiny no vokany,izay no maha ratsy azy
66. ikaretsaka ( 01/02/2008 23:44)
ka zaay anie no ilazako foana rakapy hoe tsy ampy hoa eee
67. ikaretsaka ( 01/02/2008 23:46)
ohatran'ny hoe ny fehikibon'i cutie ve no hamehezana ny kibon-dra vato... nenarana aby ny combinaisons rehetra fa e e e
68. fijo ( 01/02/2008 23:46)
hi hi hi ,aiza ny fehikibondry ry cutie?
69. ikaretsaka ( 01/02/2008 23:52)
ok Exagereko fa aleo atao hoe kibon'i fijo aza fa i ravato aleo hidodo
70. fijo ( 01/02/2008 23:56)
hi hi ih ny ahy ny tanany no tiako hamehy ny kiboko ko
71. ikaretsaka ( 01/02/2008 23:57)
zany hono.... fehezoooooooo
72. fijo ( 01/02/2008 23:58)
avy e
73. ikaretsaka ( 02/02/2008 00:02)
moramora elahy fa i niryna eo no tamy...shuuuuuuuuuut!
74. cutie ( 02/02/2008 00:55)
za tsy manao fehikibo:?:-D
75. ikaretsaka ( 02/02/2008 01:00)
fa fehin'inona no ......ao?:oops:
76. cutie ( 02/02/2008 01:01)
:twisted:
77. soanja ( 02/02/2008 01:13)
kiranil:

Veloo> misaotra anao betsaka amin\'ny zavtara voalazanao.


Ny baiboly ho an’’ny kristiana dia foundation ny Fahamarinana rehetra ary critere izay marina ka tsy azo ampitsika . Ao no ahitan-tsika faherezana, finoana fa tena misy tokoa izy ,ny fitiavany, ao ko no ahitan-tsika ny fanantenana fa mbola hiverina izy ao koa no ahitantsika fahasoavana sy fitahina rehefa mino sy manaraka ny Teniny isika.


Soanja>
Andriamanitra/ Kristy LAFATRA tanteraka!


Fanontaniana tsotra ho anao :

Raha milaza ianao fa lafatra tanteraka Andriamanitra/Kristy.

Moa ve Izy nanafoana ny fisian\'ny satana; ka nilaza ny voalazanao hoe: \"Tsy misy Satana [na devoly] eo anatrehako\"?

Miala tsiny aho fa ny olona sy ny fisainany no \'tsy lafatra\' lavitra ary mety mino sy milaza lainga; fa tsy ny Tenin\'Andriamanitra velively.

Manomboka hatramin\'ny Genesisy ka hatrany amin\'ny bokin\'ny fanambarana tompoko tsy misy Tenin\'Andriamanitra na dia iray aza manafoana ny fisian\'ny satana sy devoly;

Fa kosa mampianatra ny olona mba tsy ho voafitaka amin\'ny lainga izay ataon\'ny devoly.

Maro dia maro ireo Tenin\'Andriamanitra manamafy izany fa asa odianao tsy hita ve ? asa..


Efesiana 6:11 Tafio avokoa ny fiadian\'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin\'ny fanangolen\'ny devoly

Efesiana 4:27 Aza manome fitoerana ho an\'ny devoly.

Hebreo 2:14 Koa satria manana nofo aman-dra ny zaza, dia mba nandray izany koa Izy, mba handringanany amin\'ny fahafatesana ilay manana ny herin\'ny fahafatesana, dia ny devoly

Jakoba 4:7 Ka dia maneke an\'Andriamanitra hianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.

IPetera 5:8 Mahonona tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany;

sns...

Hatramin\'ny faminaniana ny hanjo ny devoly dia efa voalaza ao amin\'ny bokin\'ny fanambarana:

Apokalypsy 20:10 Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin\'ny farihy afo sy solifara, izay misy ilay bibidia sy ilay mpaminany sandoka koa, ary hampijalina andro aman-alina mandrakizay mandrakizay ireo.



tsy ny baiboly ihany no nomen\'Atra fa izao tontolo izao dia \"soratra aby\" \"hitenenany\" aminao!


\"soratra aby\" amin\'ny ahona ary \"izao tontolo izao\"? Ny zavatra mitranga eto @ izao tontolo izao dia miharatsy andro amanalina; miharatsy tahaka izany ny olona ary mihamaro ny manao ny mifanohitra @ Tenin\'Andriamanitra--vono olona, fijangajangana, halatra, lainga, fanolanana zaza tsy ampy taona, sns.. dia inona no \"soratra aby\" avy amin\'Andriamanitra amin\'izany?, :{


Fehiny: Ampy io Tenin\'Andriamanitra na Baiboly io tompoko hamatarana na tena fahamarinana avy amin\'Andriamanitra tokoa ny fampianarana iray na tsia.

Izay soratra rehetra nomen\'ny tsindrimandrin\'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin\'ny fahamarinana II Tim. 3: 16


IJaona 4:1 Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin\'Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin\'izao tontolo izao.


Ny anao koa tena diska loaka fa izao e.

Ny tiako lazaina dia lafatra Andriamanitra/Kristy satria ny fitiavany tsy manam-petra ary tsy azo vinaniana ao anaty boky iray akory. Manerana ny fisehoan'ny fitiavan'Andriamanitra izay lazaiko fa LAFATRA.

Raha namboariny i SATANA izay hangalatra ny olon-tiany dia tsy lafatra izy. Tsy ho satriny ve isika rehetra hanaraka azy sy hamonjy azy ary hanotrona azy. Matoa manonona ny fisian'i Satana ny boky dia te hilaza aminao fa misy ny fakam-panahy izay mahery tokoa ao anaty vatana lavitra an'Andriamanitra. Io no herin'i nofo, tsy manalavitra ny asan'ny fanahy.

Koa refa tsy azonao le filozofiako de aodino indray ny pejy fa manjary lasa marary fo fotsiny ianao nefa mbola betsaka ny te haheno ny fitiavan'Andriamanitra miloaka amin'ny vavanao ary tontosain'ny vatanao.

"Aza misahirana ho an'ireo izay manjeny fa tsy very akory ireo fa mitady ny marina!. Ireo izay tsy mino an'i Kristy kosa dia ezaho ny iombonany ao amiNY fa mitaky izany AMINTSIKA ilay Andriamanitra mahery." Soanja



78. soanja ( 02/02/2008 01:21)
rijadolly:

Ity koa ny fanampiny ry Velo>>>:-*:-*:-*:-*:-*misaotra an'sé

Torio amiko izay tsy ampy ao amin' Baiboly ho an'izay mahita fa aza afenina,Isika anie tsy natokana ho ty tena é!Alefaso jerena,
tandremo fotsiny sao manohitra.


Ny tsy ampy amin'ny baiboly vakianareo dia ny soratra rehatra ao anaty boky antsoina hoe APOCRYPHA izay tena mahalaza zavatra be dia be tokoa momba ny finoana Krsitianina.
Tsy ao anaty baiboly koa dia ny fiainana niainan'i Kristy tamin'ny fahatanorany , zay anisany mety nanampy tokoa ho an'ny tanora raha nahita ny fomba niainany sy niezahany ho tonga teo amin'ny fotoana nanaovana batisa azy izy.
Tsy ao anaty baiboly koa ny teny milaza hoe raha lasa i Jesoa ka niakatra any an-danitra dia aiza no alehany: planeta hafa ve io sa aiza?
Inona no tena fanazavana momba ny fanjakan'ny lanitra resahina sy inoantsika isa-tsegondra. Maninona no misandrahaka ny finoana momba ny ho avin;ny tany???
Tsy voazava tanteraka ao anaty baiboly ny tokony tsy hanarahana intsony ny fanandevozana. Satria nomena laharana ny fanandevozana nefa isika Krsitianina ve mbola manaiky ny fanandevozana?
Betsaka fa mila mandeha zah alo. Amaray koa.


79. niryna ( 02/02/2008 01:31)
soanja:
Aza misahirana ho an'ireo izay manjeny fa tsy very akory ireo fa mitady ny marina!. Ireo izay tsy mino an'i Kristy kosa dia ezaho ny iombonany ao amiNY fa mitaky izany AMINTSIKA ilay Andriamanitra mahery." Soanja

Ahoana no fomba hamonjena azy kanefa ny teniny aza tsy hinoany? I kristy izay torina no tokony hamonjy,hiraka fotsiny ireo izay miteny ny soratra masina na dia maro aza no tsy mino an'izany.
http://baiboly.org/toko.asp?boky=APOKALYPSY&Toko=17&andininy=8&dika=
13 Ireo dia miray saina ka manome ny heriny sy ny fahefany ho an'ilay bibidia.

14 Ireo dia hiady amin'ny Zanak'ondry, ary ny Zanak'ondry haharesy azy, satria Tompon'ny tompo sy Mpanjakan'ny mpanjaka Izy, ary haharesy azy koa izay momba Azy, dia olona voantso sy voafidy ary mahatoky.
Apo 17:13-14

"ny fihevitro tsy mba fihevitrareo,ary ny fisainako tsy mba fisainanareo"

http://baiboly.org/toko.asp?boky=GALATIANA&toko=5&andininy=22-24&dika=
80. ikaretsaka ( 02/02/2008 13:43)
Ny tiako lazaina dia lafatra Andriamanitra/Kristy satria ny fitiavany tsy manam-petra ary tsy azo vinaniana ao anaty boky iray akory. Manerana ny fisehoan'ny fitiavan'Andriamanitra izay lazaiko fa LAFATRA.
iraisako hevitra.

Izao fotsiny tsy azo lavina ry niryna an..
zanak'A/tra aby ... na ny mino azy na ny tsy mbola mino, ary tiany sy ho any aminy aby... tsy misy tombo sy hala.

samy manana ny famonjeny azy anefa, tahaka ny heo ny omby indray mandry tsy indray mifoha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1717