Raha tsy izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao,

1. niryna ( 07/01/2008 07:44)
Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.

Izy dia tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany.

Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza.
Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona.

Ireo voalaza ao amin'ny Jaona 1:1-4 no hilazana fa raha tsy nisy an'i kristy dia tsy nisy nahary izao rehetra izao.
1- Izy dia Mpanjakan'ny mpanjaka
2- Izy naka endrika ara-nofo mba hamonjy ny fanahintsika rehetra tsy ho very.
3-Ny anarany dia atao hoe Jesosy na Mpamonjy
4-Izy no mofon'aina
5-Izy no fahazavan'izao tontolo izao
6-Izy no vavahady mankany amin'ny ray

Raha misy mpiandry ondry ka manana ondry 100 izy,ka raha very ny iray ,dia mitady iny ondry iray iny izy mandra-pahitany azy ary toy izany koa i kristy tonga Izy hitady ny ondriny mandra-pahitany azy.:D
Aza ela fangataka andro aza e,miandry anao Izy hatramin'izao fa aza miandry ho very vao hotadiaviny.

Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany
=D=D ^:^
répondu par niryna le 18/01/2008 20:35
2. Veloo ( 07/01/2008 14:42)
Misaotra ry nyrina @ fampaherezana a..:-*

dia izay mino ny anarany
sy manaraka ny didiny
3. xxx ( 07/01/2008 15:13)
tsy mety aminao wa io resaka fivavahana io fa vô maika mahadevoly anao io
4. fahamarinana ( 07/01/2008 15:18)
:arrow:merci niryna :-*(l)
5. cutie ( 07/01/2008 17:38)
6. soanja ( 07/01/2008 20:31)
"Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza."


Inona avy ary ireo zavatra rehetra ireo raha tsy mahadiso? Tafiditra ao anatin;io koa ve ny nahariana ny Satana sa tsy nampoizina ny fiforonan'io farany io raha nisy.
7. diamondra27 ( 08/01/2008 00:44)
devoly
satana
losifera
sns
ireo dia fahavalon'Atra daholo , ny fiasany tsy mitovy fa 1 ihany no tanjona

de raha ny fahalalako aloha de we ny devoly de niaraka tam Atra fa jaloux de nanodikodina ny lohan'ny ol de tezitra Atra de nazerany taty an-tany izy we any an-tany enao manjaka fa ny ahy eto an-danitra de zay mahatonga an'Atra we mpanjakan'ny mpanjaka, puissant sns
naka endrika menarana izy t@ niresaka t@ eva




8. Veloo ( 08/01/2008 02:38)
Inona avy ary ireo zavatra rehetra ireo raha tsy mahadiso?


Betsaka ny zavatra izay nataon'i Jesosy sy Andriamanitra:
namorona ny tany-tsika izy ireo -
namorona ny planeta (universe) -
namorona an' Lucifer
namorona ny anjely
izany no maha Andriamanitra/Jesosy azy
Ary ny zavatra naharian'i Antra sy Jesosy dia zavatra tsara daholo

Tafiditra ao anatin;io koa ve ny nahariana ny Satana sa tsy nampoizina ny fiforonan'io farany io raha nisy

voalonahy aloha dia Andriamanitra tsy namorona an'i Satana velively, i lucifer no nahariany:

Hianao dia kerobima voahosotra izay manaloka, fa voatendriko ianao; Tao an-tendrombohitra masin'Andriamanitra ianao; Tao amin'ny vato mirehitra no nitsangantsangananao.

15 Tsy nanan-tsiny ianao tamin'ny nalehanao hatramin'ny andro namoronana anao ka mandra-pahita heloka tao aminao.
Ezek 28 : 14, 15

Nitsiry tao @ fon'i Lucifer ny fialonana, naniry mafy ny toeran'i jesosy izy ary izany no nampisy ny ady tany an-danitra Jesosy (Michael) contre Lucifer

Jaona 8: 44 - ito ny caracteran'i Satana
Hianareo avy tamin'ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia mpamono olona hatramin'ny taloha, ary tsy nitoetra tamin'ny [mitoetra amin'ny] marina satria tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy, satria mpandainga izy sady rain'ny lainga.
Apok. 12: 9 teto i Lucifer nivadika ny anarany ho SatanaAry nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin'ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy .

9. cutie ( 08/01/2008 02:57)
manin no nazeran'Atra tety an-tany alou le devoly e
10. soanja ( 08/01/2008 03:05)
Ka tsy azoko anie zany le izy satria raha namorona an'i Lucifer ve izy de tsy azony antsaina ny potential na fivadihana mety hitranga amin'ny zavatra namboariny. Sa ve tsy lasa lavitra n fahitanareo ny fahitan'Atra ny zavanamboarina.

Nanenina ve i Andriamanitra nanamboatra an'i Adama sy Eva? Fa nahoana no nanenina? fa angaha tsy fantany ny zava-namboariny?

Maninona Andriamanitra tezitra matetikamtamin'ny zanak'Israely raha nivadika matetika ireto farany ireto. Tsy tokony fantany ve ny vahoaka namboarina sy voafidiny? Raha fantatrao ny olon-tianao dia tsy tezitra aminy ianao fa manafay azy fa manova azy na manomana azy amin'ny zavatsoa ts hisian'ny fampijaliana.

Ny fitiavana tsy mba manafay fa manabe.
11. Veloo ( 08/01/2008 03:06)

cutie [ Valio ] 08-01-2008 03:57:41
Lohateny : Re : Raha tsy izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao,
manin no nazeran'Atra tety an-tany alou le devoly e

@ teny anglisy izy dia tena mazava tsara
- cast out - cast out into, cast down - cast out to
entre ny ady tany an-danitra sy nananjerana an'i Satana dia tsy fanta-tsika.
mbola nivezivezy teny @ espace tany izy (out of space) Nihezaka ny hanafetsy ny planeta rehetra fa tsy nisy ndray azy ny rehetra. Satria nantanjaka ry zareo - Ohoana no ahafantarana an;izany ny porofo dia izao isika mihaina miaraka aminy izao:cry:

Ny teto an-tany no NANASA azy (by invitation)
12. cutie ( 08/01/2008 03:07)
Andriamanitra sy jesosy hoy veloo
Fa nga tsy Iray ihany reo ???
13. Veloo ( 08/01/2008 03:17)
iray ireo izany no nanaovako azy slash (/)
mitovy ka:wink:

ande atory aky za fa radem valiko an:-*
14. cutie ( 08/01/2008 03:20)
ok akia bn njy :-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*
15. soanja ( 08/01/2008 03:28)
goodnite koa i Cutie!:-*:-*:-*:-*:-*
16. cutie ( 08/01/2008 03:31)
goodnite koa njy:-*:-*:-*:-*:-*:-*
17. soanja ( 08/01/2008 03:33)
sweet dream !!!:-*:-*:-*:-*
18. cutie ( 08/01/2008 03:35)
hopefully tsy hanofy an'i lucifer :-D
njy koa sweet dreams :-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*
19. soanja ( 08/01/2008 03:46)
God is great! HUGS AND KISSES!!!:-*:-*:-*:-*:-* NAMASTE hatrany an!
20. niryna ( 08/01/2008 05:17)
Veloo:

Misaotra ry nyrina @ fampaherezana a..:-*

dia izay mino ny anarany
sy manaraka ny didiny

:D tsy misy fisaorana + manaraka ny didiny ,marina izany.
Hoy tokoa mantsy Izy hoe aiza moa izy izay e,aleo aloha tsy ho tsimponiko fa ataoko teny tsotra a
Hoy Izy hoe tsy izay rehetra miantso hoe Tompoko,Tompoko no ahazo ny fanjakan'ny lanitra fa izay rehetra manao ny didin'ny Ray izay naniraka Ahy.Mino dia manaraka ny didiny.
Inona indray aza izany didy izany ry niryna?
1- Tiava an'i Jehovah Atrao amin'ny fonao rehetra,ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra
2-Tiava ny namanao tahaka ny tenanao(mitovy ny fitiavanao ny tenanao izany no hitiavanao ny namanao):lol:

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.081