Raha tsy izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao,

21. niryna ( 08/01/2008 05:20)
xxx:

tsy mety aminao wa io resaka fivavahana io fa vô maika mahadevoly anao io

Mampalahelo anie i xxx e,mety ho fantampatako fa tsy dia vakiko loha fa ny tsy fantatrao na tsy mahalala aza izahay dia Atra mahita anao :-*:-*

io izao no nampianarin'i kristy antsika ry hava-malala ao amin'ny Tompo isany a.Tsy mahazo tezitra rehefa misy olona miteniteny na manohitra izay teny mahafinaritra antsika ato,mitsiky fotsiny dia manga ny lanitra.Atra ihany no mahita azy ao ambadikin'ny xxx :roll:


22. niryna ( 08/01/2008 05:24)
fahamarinana:

:arrow:merci niryna :-*(l)


Tsy misy fisaorana aky a.Ampiharo amin'ny fiainana ny fivavahana
Io XXX eo ambony io dia efa ohatra iray
Tsy mety hoy izy fa mampadevoly :oops::cry:
Mampalahelo o. Izay no fantany fa mahafaly azy dia izay.Nahavoa izy izany aminy,amiko anefa mampalahelo ahy izy.:cry::cry::cry:
Dia mitohy indray ny tolona ,fa aleo aho aloha hamaly ny namana hafa indray :-*:-*
23. niryna ( 08/01/2008 05:54)
soanja>
samy manana ny fandraisany azy ny finoana sy ny fampianarana izay nataon'ny tsirairay.Raha ohatra ka misy olona mandalina fivavahana ohatra ka ampidirina sy akambana amin'ny fivavahana finoana an'i kristy ilay izy dia mety hifangaro sy tsy fantany tokoa izay hinoany.Ohatra hoe Aza manana Atra hafa afatsy Izaho irery ihany.Ka raha mino ny korana,mino ny sarin-javatra,mino ny zava-boary,ary mino sy mivavaka ary mangata-javatra amin'i dada Rabe ohatra ny olona iray dia tsy mahafantatra ny tena hinoany izy.
Raha mino an'i kristy izao isika ohatra dia hita ombieny ombieny ny resaka satana.
Amiko dia mino aho fa misy satana ary iray ihany.
Anjely faran'izay tsara izy io araky ny voasoratry ny baiboly,ary satria te-haka ny toeran'Atra izy dia fantatr'Atra izany ary dia nazerany tety an-tany izy io.
Raha hitady sy tianao ny hitsiponako izany ho porofo dia vonona aho ny hanome azy.
Aminao indray dia milaza hianao fa tsy misy satana fa ny eritreritra fotsiny no mahatonga antsika hanimba ny saintsika ary satana dia rongony,any anatin'ny serasera any izay afatra izany.
24. niryna ( 08/01/2008 06:03)
Ho antsika dia tsara ho fantatra fa satana dia misy ary mbola misy izy hatramin'izao.Iray ihany satana fa ny miaramilany sy ny anjeliny no miaraka sy misodisody erak'izao tontolo izao.
Izay te-andalina dia jereo fa efa nalefako sy nazavain'ny namana izy io ary mbola azo hiverenantsika indray.
Iray izy,tsy mitovy ny herin'Atra ny heriny,eny mandripaka ary tena mamotika tokoa io.Toerana iray isaky ny mandeha no andehanany fa tsy mitovy amin'Atra afaka mandehandeha amin'ny toerana iray sy manavotra olona ao anatin'izany fotoana izany any an-kafa,izay no maha Atra Azy.Satana iray isaky ny mandeha fa tsy afaka mamotika toerana roa indray mandeha.
Tsy ny olona rehetra akory dia hoe hitoeran'ny satana,tsia ,ny fanahy ratsy izay norahiny no mitoetra ao amin'ilay olona ary tsy ny olona izay tsy tian-tsika akory no atao hoe satana na devoly,ny fanahy ratsy no mitoetra ao aminy.
Raha misy fanahy ratsy ny olona iray ka roahina amin'ny alalan'i kristy dia mivoaka izy,ary tsy ny olona rehetra koa no mandroaka demonia fa izay mino an'i kristy,ary ireny any amin'ny 67 ha ireny ohatra no santionany raha mba te-hijery par curieusite fotsiny isika na hoe ahoana izany olona misy fanahy maloto izany.

http://serasera.org/forum/index.php?rub=dinika/message&msgid=m46dba7c46b214
25. niryna ( 08/01/2008 06:12)
Nisy olon-kafa ankoatra Azy ve?Omeo porofo raha misy
Ary ankehitriny efa nilaza taminareo Aho, dieny tsy mbola tonga izany, mba hinoanareo, rehefa tonga.Tsy hilaza zavatra maro aminareo intsony Aho; fa avy ny andrianan'izao tontolo izao, nefa tsy manana na inona na inona ato amiko izyJaona 14:30

Iza ilay andriaman'izao tontolo izao io ?

Tsy manana na inona na inona ato amiko izy hoy Jesosy.,ahoana izany?

Na inona finoan'ny olona dia samy mino sy manaiky daholo fa mpaminany Kristy,sady messiah (Jao 4:25)?
.Ny dikany mazava tsara fa nisy Izy, maty teo ambonin'ny hazo fijaliana Izy nisolo ny fahotan'izao tontolo izao.

Efa naheno ve ianao hoe misy olona maty teo amin'ny hazofijaliana hisolo ny fahotan'ny olona na iray aza, na dia ny fireneny na ny olona izay manana finoany hafa?

Tsy misy na iray aza hoy izy mankany amin'ny ray raha tsy avy aminy.

Ary efa nanazava tsara Izy fa ho avy ny andrianan'izao tontolo izao dia ahoana, nandiso izany ny baiboly ?

Anjarantsika tsirairay no miambina ny finoany an'i Kristy.Efa nanambara koa izy fa ho avy ny mpaminany sandoka,ho avy ny ambodia hitafy hodi-janak'ondry.
Aza kivy,miambena,mivavaha.

He is real,we have peace with God,we have security in Jesus Christ,we have peace for eternal life,happiness because we have Christ a Savior

Atra velona izy,manana fiadanana isika miaraka aminy,tsy mahatohotra ny ho very isika fa miaina tsara satria mahafantatra fa izay mino Azy dia hanana fiainana mandrakizay,manana fifaliana fa manana Azy ho Mpanavotra.Mamaly vavaka izy ary tsy mbola nivadika.Nahita experience tamin'izany ianao dia tazony ary kolokoloiny ny finoanao Azy fa tsy ho maty antoka akory hianao satria manana hianteherana,hiangotiana rehefa misy tadiavina,hiantsampazana rehefa tsy misy intsony ny fanantenana,manasitrana ny fery rehetra,ny ratra ao anaty rehetra,ny fahoriana rehetra,manana fanantenana.
26. niryna ( 08/01/2008 06:44)
soanja:

"Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza."


Inona avy ary ireo zavatra rehetra ireo raha tsy mahadiso?


Kristy dia efa nisy hatramin'ny fiandoana.Izy dia Atra ,ary ny voalazan'ny baiboly izay nahariany rehetra dia efa voasoratra ao anatin'ny Genesisy 1.
http://baiboly.org/toko.asp?boky=GENESISY&toko=1&andininy=1-31&dika=

Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.

2 Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana; ary aizina no tambonin'ny lalina. Ary ny fanahin'Andriamanitra nanomba tambonin'ny rano.

3 Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia mazava; dia nisy mazava.

4 Ary hitan'Andriamanitra fa tsara ny mazava; ary nampisarahin'Andriamanitra ny mazava sy ny maizina.

......26 Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika ; ary aoka izy hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany.

.....31 Ary hitan'Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro fahenina izany.

soanja:

Tafiditra ao anatin;io koa ve ny nahariana nisy ny Satana .

Satana dia efa nisy tamin'io fotoana io ary anjely izy,anjely faran'izay tsara saingy nialona an'Atra izy ,te-haka ny toerany ary dia namitaka ny voarin'Atra dia Adama sy Eva izany:arrow:tohizako eto izany fa tsy nanao lahy sy lahy na vavy sy vavy Atra fa Adama sy Eva (io ilay resaka homosexuality ary ambadika)

soanja:
sa tsy nampoizina ny fiforonan'io farany io raha

Fa angaha moa izy tsy nisy ry soanja?
Raha tsy misy satana dia tsy misy koa izany kristy izay nalainy fanahy tany an'efitra,dia tsy nitsangana tamin'ny maty koa i kristy

soanja:

Lohateny : Re : Ny Devoly

Raha tena mahavita ny zava-drehetra Andriamanitra, maninona raha fohanany any io Devoly devoly na Satana io fa io no tena manelingelina antsika? Izy manko tia antsika e!


veloo:

fa ahona ary no omena blema foana Andriamanitra? Raha voa misy zavatra ratsy dia oe naninn Antra no nanao ahy an;izao sy izao?????
Andriamanitra tsy namorana an'i Devoly VELIVELY. Ny ratsy dia tonga tao @ Lucifer t@ izy tany an-danitra.
ary tadidio fa nahazo 1/3 ny anjely izy niaraka t@. Raha tonga dia nifohanana teo dia tonga dia hanontany ny anjely rehetra fa inona no ratsy nataony. Naveln'Andriamanitra ho HITAN'NY rehetra ny zavatra sy ny sainy ratsy. Ary voa nanana fisainana ratsy i Lycifer dia efa vonona i Jesosy ny hamonjy antsika.

io misy fanazavana iray,
soanja:

Amiko sao tsy misy io Satana io fa ny saintsika no milalao soma ratsy amintsika ary azo antsoina hoe aretina na toetra na zavamilona ao anaty mitady hanimba antsika raha tsy misy balance.
veloo:

Aza dia matoky tena loatra fa izay no tena tadiavin'i Satana Tandremo reee..

Dia amafisiko koa fa raha miteny isika hoe sao dia tsy misy satana na if ....if misy doubt ao dia manana fanahiana sahady izany fa tsy mino azy ary izay tokoa no tadiaviny,lazainy hoe tsy misy izy .Dia manao sy manohitra izay voalazan'ny tenin'ATra avy eo ny olona satria tsy mino ilay tenin'Atra ary manohitra an'ilay izy.
Aty amintsika mahita zavatra maro tsy fahita,mpivady manambady telo(roa lahy sy vavy iray,na mifampaka eo daholo na lahy telo na vavy maromaro na lahy maromaro miaraka amin'ny vavy maro)Aiza ao amin'ny baiboly ireo?
Izay ilay izy,mifanohitra ny tenin'Atra ireo ka raha manao ireo ny olona ohatra dia toheriny ny tenin'Atra,toy ny biby.25% ny mpiompy hono no manambady ny biby ompiany any ambanivohitra(toerana mandroso io an).Dia izany rehetra izany dia fitaovana nampiasain'i satana ny miaramilany avokoa
Fehiny Misy satana ary ny Genesisy 1 rehetra manambara fa Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany.
Ny tenin'Atra izay dia manambara sy porofo fa tsara daholo ny zavatra nataony fa satana no nanova azy sy namitaka ny olombelona voalohany ka asakasak'izay mbola manaiky ho voafitany
27. niryna ( 08/01/2008 07:05)
diamondra27:

devoly
satana
losifera
sns
ireo dia fahavalon'Atra daholo , ny fiasany tsy mitovy fa 1 ihany no tanjona

de raha ny fahalalako aloha de we ny devoly de niaraka tam Atra fa jaloux de nanodikodina ny lohan'ny ol de tezitra Atra de nazerany taty an-tany izy we any an-tany enao manjaka fa ny ahy eto an-danitra de zay mahatonga an'Atra we mpanjakan'ny mpanjaka, puissant sns
naka endrika menarana izy t@ niresaka t@ eva

marina izany,iray ihany ireo fa ny anarany no samihafa no niantsoana azy.
Ny demony no fanahy mipetraka ao anatin'ireo olona mamosavy na mamaky tanana na mijery kristal na dada Rabe ,izay hery ka tsy avy amin'i kristy dia hery avy amin'ny demony,voasoratra ao anatin'ny baiboly io fa tsy afaka ny hanompo tompo roa isika(satana sy Kristy izany) fa iray ihany,ary hoy koa i kristy fa izay tsy momba ahy dia tsy miaraka amiko,dia iza izany no hiaran'ilay iray tsy miaraka amin'i kristy?
Resaka mifampitohy ity an
soanja:
lohateny Devoly
Ka aleo zay jerena akaiky e. Iza zany no namorona ny Ratsy. Raha Andriamanira namorona ny zavadrehetra dia Izy ve zany no namorona n Ratsy. Izay nisy dia izy no namrona azy sa ve voafetra ny noforoniny???

Raha misy olona mamorona sain-dratsy avy aiza iny?Tsy avy ao amin'ilay olona ihany ve,iza no nanome hery azy hanao ratsy?
Andriamanitra dia namorona ny zavatra rehetra ho tsara ary hoy koa izy moa ny soa ihany ve no azonareo avy aty amiko fa tsy ny ratsy koa?
Inona izany ilay ratsy? eto?
Satria mety ho ratsy amiko ilay izy ohatra,ratsy fanahy ilay Atra fa nangataka aho dia tsy nomeny,kanefa ve iny toetra nilazako azy iny fa ratsy ,mety mahasoa ahy ve iny? Matoa aho izany tsy nomeny dia fantany ny mahasoa ahy,ratsy amiko fa tsara aminy.
soanja:

Amiko ts manan-tsiny Andriamanira fa ny fampiatahorana olona nentin'ny samy olombelona no mamorona ny fisian'i Satana mba handraisana an'Andriamanitra.

Ny fatahorana an'Atra no loharanom-pahendrena,ny olombelona dia tsy ho biby fampitahorana velively amiko.Atra izay mijery sy mitazana ahy ao amin'ny maizina na mazava no tokony atahorako fa tsy olombelona mihitsy.Dia diso izany ny baiboly amin'i soanja raha ny olombelona no namorona an'i satana.
Iza izany no nahatonga ny olona hamono ny zanany ohatra na hanantsatoka antsy ny rar ?
:roll: ah,aha,nipitsoka ny sain'ilay olona e,moa ve mety ho sitran'ny fivavahana ilay olona raha mino sy hoentina sitranina izy?
Eny tompoko,tsy misy izay tsy vitan'ny fivavahana amin'ny finoana.
soanja:

Tsy zay anefa no fahitako ny fitiavan'Andriamanitra. Safidy ary amin'ny fo fa ts fampitahorana lava.

Atra dia tia antsika fa isika no miodikodina be eto ihany ka dia indraidray tsy mahafantatra ny fitiavany sy ny fahasoavany,tsy misy mampatahotra fa matoa mety matahotra ny olona ohatra dia efa manomboka mahafantatra ny zavatra iray izay tsy mifanaraka ny sitrapon'Atra ka dia mila mibebaka.
28. niryna ( 08/01/2008 07:11)
Veloo:

Inona avy ary ireo zavatra rehetra ireo raha tsy mahadiso?


Betsaka ny zavatra izay nataon'i Jesosy sy Andriamanitra:
namorona ny tany-tsika izy ireo -
namorona ny planeta (universe) -
namorona an' Lucifer
namorona ny anjely
izany no maha Andriamanitra/Jesosy azy
Ary ny zavatra naharian'i Antra sy Jesosy dia zavatra tsara daholo

Tafiditra ao anatin;io koa ve ny nahariana ny Satana sa tsy nampoizina ny fiforonan'io farany io raha nisy

voalonahy aloha dia Andriamanitra tsy namorona an'i Satana velively, i lucifer no nahariany:

Hianao dia kerobima voahosotra izay manaloka, fa voatendriko ianao; Tao an-tendrombohitra masin'Andriamanitra ianao; Tao amin'ny vato mirehitra no nitsangantsangananao.

15 Tsy nanan-tsiny ianao tamin'ny nalehanao hatramin'ny andro namoronana anao ka mandra-pahita heloka tao aminao.
Ezek 28 : 14, 15

Nitsiry tao @ fon'i Lucifer ny fialonana, naniry mafy ny toeran'i jesosy izy ary izany no nampisy ny ady tany an-danitra Jesosy (Michael) contre Lucifer

Jaona 8: 44 - ito ny caracteran'i Satana
Hianareo avy tamin'ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia mpamono olona hatramin'ny taloha, ary tsy nitoetra tamin'ny [mitoetra amin'ny] marina satria tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy, satria mpandainga izy sady rain'ny lainga.
Apok. 12: 9 teto i Lucifer nivadika ny anarany ho SatanaAry nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin'ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy .





misaotra veloo a
:-*
29. niryna ( 08/01/2008 07:21)
cutie:

manin no nazeran'Atra tety an-tany alou le devoly e

Nazeran'ATra tety an-tany satana satria namitaka an'i Eva ary dia nihaino an'i Eva koa Adama .

1 Ary ny menarana dia fetsy noho ny bibi-dia rehetra izay nataon'i Jehovah Andriamanitra. Ary hoy izy tamin-dravehivavy: Hanky! efa nataon'Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra amin'ny saha?

2 Fa hoy ravehivavy tamin'ny menarana: Ny voan'ny hazo eo amin'ny saha dia azonay ihinanana ihany;

3 fa hy voan'ny hazo eo afovoan'ny saha kosa no efa nataon'Andriamanitra hoe: Aza hihinanareo na tendrenareo izany, fandrao maty hianareo.

4 Ary hoy ny menarana tamin-dravehivavy: Tsy ho faty tsy akory hianareo;
Gen 31-4

http://baiboly.org/toko.asp?boky=GENESISY&toko=3&dika=

2 Ary hoy Jehovah Andriamanitra: Indro, ny olona efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ka hahalala ny tsara sy ny ratsy; ary ankehitriny, andrao haninjitra ny tànany izy ka hakany koa ny hazon'aina, ary hohaniny, ka ho velona mandrakizay izy;
.....
23 ka dia nesorin'i Jehovah Andriamanitra tamin'ny saha Edena izy hiasa ny tany izay nanalana azy.

24 Eny, noroahiny ny olona; ary nampitoeriny tany atsinanan'ny saha Edena ny kerobima sy ny lelafon'ny sabatra mihebiheby hiambina ny làlana mankany amin'ny hazon'aina.
30. niryna ( 08/01/2008 07:41)
soanja:

Ka tsy azoko anie zany le izy satria raha namorona an'i Lucifer ve izy de tsy azony antsaina ny potential na fivadihana mety hitranga amin'ny zavatra namboariny. Sa ve tsy lasa lavitra n fahitanareo ny fahitan'Atra ny zavanamboarina.

ka iza no maha Atra azy tsinona ka,misy zavatra maro tokoa tsy takatsika ary izany no hamakiana sy hianarana ny teniny mba omeny ny fanahiny anazava azy amintsika.

Nanenina ve i Andriamanitra nanamboatra an'i Adama sy Eva? Fa nahoana no nanenina? fa angaha tsy fantany ny zava-namboariny?

Ny zavatra rehetra nataony hoy ny Gen 1 dia tsara avokoa,ary nasiany indrokely teo amin'ny fanamboarana ny olombelona :roll: tsy tsara raha irery ra-lehilahy,ary dia nanaovana vady sahaza azy izy.
Dia eo indray izao fa miverina ny maha olombelona antsika,tsy tsara raha irery raha lehilahy ary dia nanaovany vady (vehivavy ho azy izy)'Avy aiza izany no nahatonga ireo olona mitovy lasa nivadivady ireo,nanao azy ireo ve Atra?
Raha Adama sy Eva izany dia efa notsofiny rano mba hameno ny tany.Nesoriny fotsiny ilay olombelona fa mitady haka ny toerany maha Atra na koa efa voasoratra ao 22 Ary hoy Jehovah Andriamanitra: Indro, ny olona efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ka hahalala ny tsara sy ny ratsy; ary ankehitriny, andrao haninjitra ny tànany izy ka hakany koa ny hazon'aina, ary hohaniny, ka ho velona mandrakizay izy; Gen 3:22

Maninona Andriamanitra tezitra matetikamtamin'ny zanak'Israely raha nivadika matetika ireto farany ireto.

Maninona ? Satria efa nafahany tamin'ny fanandevozana tao Egypta ary mbola niandrandra azy ireo ihany ATra fa nivavaka aminy,kanjo nanao sampy sy namorona Atra hafa ireo,ary dia nianjera tamin'izy ireo ny fahatezeran'Atra.
Toa izany koa ny olona taty aoriana ary hatramin'izao,Aza manana Atra hafa hoy Izy ,moa mino an'izany ny olona,moa manaraka ny didy izay nampianarany antsika ny olona
Soa ihany fa tonga i kristy hanafaka antsika amin'ny fahotana sy ny toetra tsy mendrika rehetra

Tsy tokony fantany ve ny vahoaka namboarina sy voafidiny?

Fantany tokoa ary izany no nahatonga azy nanao sorona ny Zanany mba hanavotany ny vahoakany. http://baiboly.org/toko.asp?boky=JAONA&toko=3&andininy=16-17&dika
Raha fantatrao ny olon-tianao dia tsy tezitra aminy ianao fa manafay azy fa manova azy na manomana azy amin'ny zavatsoa ts hisian'ny fampijaliana.

Tadidio fa ny olon-tiana koa olombelona,mety mivadika,mety manitsaka,mety maty,mety mandao,tsy tokony hiantehitra amin'ny olontiana izany isika .Ny zanaka hono raha akifika raha manaiky nono.Atra tsy mbola nandaha antsika izany na dia manao fahadisoana be aza isika.Tia ny mpanota rehetra izy fa tsy tia ota.

Ny fitiavana tsy mba manafay fa manabe.

Ny fitiavana eritreretintsika tsy mitovy ny fitiavana noeritreretin'ATra.
Ny fihevitro hoy Izy tsy mba fihevitrareo,ary ny lalako hoy Izy tsy mba lalanareo.
Misy lalana izay ngeza sy malalaka ary dia mandeha any daholo ny olona kanefa hay ilay izay lalana mandeha any amin'ny fahaverezana
Raha miaraka amin'ATra anefa aho dia tsy hitebiteby na hanana ahiahy satria fantatro ny lalana izay hizoroka ary fantatro koa ny hinoako fa i kristy irery,


31. niryna ( 08/01/2008 07:57)
Veloo:


cutie [ Valio ] 08-01-2008 03:57:41
Lohateny : Re : Raha tsy izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao,
manin no nazeran'Atra tety an-tany alou le devoly e

@ teny anglisy izy dia tena mazava tsara
- cast out - cast out into, cast down - cast out to
entre ny ady tany an-danitra sy nananjerana an'i Satana dia tsy fanta-tsika.
mbola nivezivezy teny @ espace tany izy (out of space) Nihezaka ny hanafetsy ny planeta rehetra fa tsy nisy ndray azy ny rehetra. Satria nantanjaka ry zareo - Ohoana no ahafantarana an;izany ny porofo dia izao isika mihaina miaraka aminy izao:cry:

Ny teto an-tany no NANASA azy (by invitation)




veloo koa mampihomehy kanefa marina ilay izy.
Dia ireny miriorio toy ny angidiny ireny izy,ary tsy tafa-petraka amin'ny olona manana an'i kristy izy,ireny olona tsy mino an'Atra ireny no hitoeran'ny fanahy ratsy.Tsy ilay olona no ratsy an,izany no mahatonga antsika resahiko eto foana hoe mivavaka ireny olona tezitra na manompa na tsy tsia na manao teotra mahatezitra antsika ireny isika satria indraindray tsy mahafantatra izy ireny na mahafantatra fa tsy mahatohitra ilay herin'ny maizina.Efa naheno ve i cutie rehefa misy olona tonga dia mitratrevatreva mitady hiteny na handratra anao dia miteny hoe miala ny satana?
mandroaka ilay herin'ny maizina mitady hisodisody ,mitady handrampaka toy ny liona.
Miaramilan'i satana izany no fanahy mipetraka amin'ireny fa ny olona izay manao ody indray sy mamosavy sy mivavaka amin'ny dada rabe sy izay hery ilay tanora miantsoantso hoe "Esprit es tu la ? ireny ,ireny no mitady loza dia tonga tokoa ilay fanahy maloto.Io indray dia vao henoko tamin'ny ankizy,fa tena misy io ary efa naheno tantara ihany koa aho.
Ahoana tokoa rehefa madio ny trano?
Lasa ilay fanahy ratsy ary tsy mipetraka ao amin'ilay olona mino an'ATra satria ny Fanahin'ATra no lasa mitoetra ao.
Raha ohatra indray nino ka lasa nivadika?
Dia lasa maka namana avo fito eny izy hitoetra ao amin'ilay olona satria izy tsy naharesy ilay fanahy tao,ka mila matanjaka
43 Raha mivoaka amin'ny olona ny fanahy maloto, dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana, fa tsy mahita.

44 Dia hoy izy: Hody any amin'ny tranoko izay nivoahako aho; ary nony tonga izy, dia hitany fa foana ny trano sady voafafa no voavoatra.

45 Ary dia mandeha izy ka mitondra fanahy fito hafa koa miaraka aminy izay ratsy noho izy; dia miditra ireo ka mitoetra ao; ary ny faran'izany olona izany dia tonga ratsy noho ny voalohany. Ary dia tahaka izany koa no ho amin'ity taranaka ratsy fanahy ity.
Matio 12:43
32. niryna ( 08/01/2008 08:28)
Ny olona izay atao hoe zanak'Atra na ny olona izay mino fa kristy no mpamonjy sy mpanavotra azy dia havotan'i kristy tokoa ary tsy mipetraka ao amin'ilay olona izay mety na nisy fanahy maloto intsony ilay fanahy ratsy rehefa avy nositranina sy noroahina ilay fanahy.
Raha mino izany isika dia ho sitrana sy ho afaka tokoa ilay fanahy maloto.
Inona indray ary no mitranga hoe raha ohatra ka nisy fanahy maloto ilay olona ary dia sitrana ka niova nanatono an'i kristy?
Amin'ny fotoana ninoany an'i kristy sy tsy misy fanahy maloto intsony ao aminy amin'iny fotoana iny izy no antsoina hoe zanak'ATra,amin'iny fotoana nekeny ho kristy no tompony fa tsy satana(satria izany satana ,tompo ihany koa ho an'ireo izay mino ny heriny sy manompo azy )dia tonga ao amin'ilay olona mino an'i kristy ny Fanahy Masina(izay fanahin'i kristy)
33. cutie ( 08/01/2008 22:00)
de refa tonga ao @ le oul le FM de lasa tsy antsoina we mpanota tsony zany le oul???Ka in tsony antony ivavahana sy ny tariny raha zany ????
34. niryna ( 09/01/2008 07:12)
cutie:

de refa tonga ao @ le oul le FM de lasa tsy antsoina we mpanota tsony zany le oul???Ka in tsony antony ivavahana sy ny tariny raha zany ????

:D misaotra aky tsy mitsahatra mametraka fanontaniana,izaho koa miezaka mamaly araka izay mba fantatro ,fa indry ihany no mandanjalanja ilay izy.

Isika rehetra dia mpanota daholo,tsy misy na iray aza marina afatsy kristy irery.Izay no nanaovany sorona ny ainy toy ny lambo tany amin'ny tt fanatitra dorana.Une fois izany kristy nanao sorona ny ainy dia foana tsy misy intsony ny fanaovana sorona na fanatitra,raha tsy hoe tsy kristiana izy dia hafa indray iny.
Mpanota isika ary tian'Atra daholo saingy tsy tiany ny ota,izany hoe tsy tiany isika handika ny didiny .
Ny antony hivavahana?Toy isika mihinan-kanina isan'andro,rahampitso indray dia mihinan-kanina koa.Ny fanahintsika izany dia kolokoloina mba ahazo hery avy amin'Atra avy amin'ny alalan'ny famakiana ny soratra masina,arakaraky ny hamakianao azy no ahatadiavanao ny tokony atao sy ny tsia,sy ny fampiharana azy amin'ny fiainana.Mivavaka isika satria manome fankasitrahana Azy tamin'ny fahasoavana nomeny antsika,isan'andro dia misy foana io,ary dia tsy mitsahatra ny misaotra izany isika.
Ny mitarika indray ?Isika dia efa voafidin'Atra ary ao ny mino Azy ary ao ny tsy mino ka manohitra ny teniny foana,saingy efa naheno izany ireny olona ireny ka tsy afaka ny hiala pas hoe tsy naheno izany aho tompoko,kristy dia tsy mitsahatra mitady ireny ondry very ireny ary noho izany dia tsy hitsahatra ny hitory ny teniny koa isika mandra-pahatongavany indray ,rehefa tonga Izy dia vita a,vita hatreo koa ny fitoriana,izay nandray dia nandray izay tsy nandray ,dia vita.
Raha tsy mbola mazava dia alefaso ihany ny fanontaniana.

Cutie moa mba fantatrao fa maro dia maro be mihitsy ny olona mijaly,tsy mba manana fifaliana,very fanantenana,tsy mba miaina ankalalan,mahafantatra fa misy fahabangany ao amin'ny fiainana na manam-bola aza ohatra fa tsy fantany izay tsy mba maha faly azy? Maro ny olona mangetaheta ny tenin'Atra ary maro koa ny mandefa fanontaniana fa mba te hianatra soratra masina, ny hanatona an'i Tompo ary tsy hary mamaly ato izy ireo fa mijery sy mamaky izay tsara ary mandray an-tsoratra ihany koa.Dia mametraka fanontaniana toa anao izao. Ny antony dia zarainy any amin'ny hafa koa izay tsara sy azo raisina omana azy eto.

35. tontavao ( 09/01/2008 10:45)
HOY NIRYNA HOE:
Izy dia tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany.

Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza.
Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona.



FA HONO HO AHO RY Niryna "Tena erreur be mihitsy izany no nihariana ny Devoly????" sa "ny devoly no tian'Andriamanitra kokoa noho ny olombelona" satria mantsy an'Andriamanitra ny fahefana rehetra ka maninona ny olombelona no tateriny tsirairay (maty) noho ny fahotana fa ilay mpamorona ny fahotana (devoly) tsy aringany mihitsy?????? Raha aringany anie io devoly io dia fahasambarana tsy roa amantany ny eto ambonin'ny tany.
36. cutie ( 09/01/2008 14:49)
the church is my refuge :-d
37. fijo ( 09/01/2008 22:43)
diso letsy andriamanitra izany ry tontavao an,nanaonao foana toa ny nanaovany ny devoly izany e.
38. niryna ( 10/01/2008 06:33)
tontavao:

HOY NIRYNA HOE:
Izy dia tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany.

Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza.
Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona.



FA HONO HO AHO RY Niryna "Tena erreur be mihitsy izany no nihariana ny Devoly????"

tsia tsy nanao erreur Atra namorona azy.
Inona no dikan'ny hoe anjely?Angelos na Mpitondra hafatra na messengers,.Koa ny anjely dia mpitondra hafatr'Atra na mpanompon'Atra (God's heavenly messengers or servants).
Ary ny baiboly dia miresaka ny anjely tsara sy ny anjely ratsy.Ny nanamboaran'Atra azy ireo dia tsara daholo no niandohany ary masina (Gen 1)
31 Ary hitan'Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro fahenina izany.
Ny dikany dia tsara daholo ny zavatra nataony sy noforoniny tany am-piandohana
Anjelin'Atra no niandohany ary anjely tsra sy masina (originally created good and holy) noforonon'Atra talohan'ny zavatra rehetra(Jaoba 38:4-7,Sal 148:2-5)
Saingy araka ny voalazan'ny namana eo ambony (veloo) dia te hanana fahafahana izy ka dia nanohitra ny tenin'Atra,nitady haka ny toeran'Atra ka dia navalandrano :D nitsingindingina tety an-tany .:cry:
(Ez 28-12,Joda 6,Apo 12:9) http://baiboly.org/toko.asp?boky=EZEKIELA&toko=28&andininy=12-17&dika=

....Ry ilay mahatanteraka* ny rafitra tsara tarehy tonga marika sady feno fahendrena no tena tsara tarehy,[Heb. manisy tombon-kase]

13 Tany Edena, sahan'Andriamanitra, ianao...
14 Hianao dia kerobima voahosotra izay manaloka, fa voatendriko ianao.....
15 Tsy nanan-tsiny ianao tamin'ny nalehanao hatramin'ny andro namoronana anao ka mandra-pahita heloka tao aminao.
17 Niavonavona ny fonao noho ny hatsaran-tarehinao; Efa nahasimba ny fahendrenao mbamin'ny famirapiratanao ianao; Nazerako eny an-tany ianao sady natolotro ho fitalanjonan'ireo mpanjaka,
39. niryna ( 10/01/2008 06:43)
tontavao:


" sa "ny devoly no tian'Andriamanitra kokoa noho ny olombelona" satria mantsy an'Andriamanitra ny fahefana rehetra ka maninona ny olombelona no tateriny tsirairay (maty) noho ny fahotana fa ilay mpamorona ny fahotana (devoly) tsy aringany mihitsy?????? Raha aringany anie io devoly io dia fahasambarana tsy roa amantany ny eto ambonin'ny tany.

omen'Atra fahafahana daholo ny olombelona rehetra (free will) ka any amin'ny farany izy dia ho tsaraina.Raha manao tsara hianao sy mino an'Atra dia tokony sy tsy hisy neninao ny lalana izay efa nizoranao.
misy fahamarinana ny teninao,raha ohatra ka manao tsara sy mihaino ary manompo an'Atra daholo izao tontolo izao dia tsy mila mankany an-danitra intsony isika fa eto an-tany dia efa paradisa.
Rainay izay any an-danitra ,ho hamasinina anie ny Anaranao,ho tonga anie ny fanjakanao "ety an-tany tahaka ny any an-danitra"
Efa hatrany am-piandohana dia efa nandainga tamin'ny olombelona satana ka mandraka androany.
1 Ary ny menarana dia fetsy noho ny bibi-dia rehetra izay nataon'i Jehovah Andriamanitra. Ary hoy izy tamin-dravehivavy: Hanky! efa nataon'Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra amin'ny saha?
Gen 3 milaza eto fa naka ny toeran'ny menarana satana.

Vakio ny Marka fa ahitanao ny fomba niadian'i kristy sy ny nandroahany ireo fanahy ratsy maro.
Marka 3
26 Ary raha Satana no mitsangana hanohitra ny tenany ka miady an-trano, dia tsy haharitra izy, fa ho rava ny heriny.

27 Kanefa tsy misy olona afaka miditra ao an-tranon'ny mahery ka handroba ny entany, raha tsy afatony aloha ilay mahery, dia vao robainy ny ao an-tranony.


Misy fotoanany daholo ny zavatra rehetra e,nomen'Atra anao ny tenanao ary ahoana no fomba hitondranao an'io(hanaovanao soa na ratsy araka ny safidinao,raha manao tsara izany hianao dia efa manana valim-pitia any an-danitra ,tsy tokony atahotra hoe nahoana na miahiahy ny asan'ny satana :roll:
40. niryna ( 10/01/2008 06:53)
fijo:

diso letsy andriamanitra izany ry tontavao an,nanaonao foana toa ny nanaovany ny devoly izany e.

misy ny lanitra ,misy ny tany ary mbola eto an-tany isika izao,ary izay zavatra nataon'ny tanan'Atra rehetra dia misy antony avokoa.Tsy ny rehetra no hiakatra any an-danitra ,tsy ny rehetra no hino sy hanaraka ny tenin'ATra.
Tadidio fotsiny fa tsy maintsy mandalo fisedrana daholo isika rehetra (jereo ny tantaran'i Jaoba,Abrahama)


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.216