Ho an'ireo milaza ho tsy mpino :-)

1. hery ( 28/12/2007 09:23)
Aleo koa mba handefa hafatra ho an'ireo tsy mpino eto amin'ny serasera.

Tsy vao izao, ary tsy vao ny Gasy, ary tsy vao ianao, no tsy nino teto antany. Betsaka izy ireo... hatramin'izay mihitsy, ary misy aza ny tena manam-pahaizana sy efa nandalina mafy vao afaka niteny hoe tsy hino.

Fa ry zareo tena tsy mpino ireny dia efa ni-dépasser an'ireny fanontaniana izay apetraky ny tsy mpino eto ireny satria fantany fa mora ho an'ny mpino ny mamaly an'ireny. Efa any amin'ny zavatra hafa mihitsy izao no ifamalian'ny mpino sy ny tena tsy mpino. Tsy amin'ny hoe "lahy sa vavy ny anjely" na hoe "misy fotra sa tsisy i Adama" sy ny hoe "nisy ve sa tsy nisy i Jesoa" sns...

Conviction mafy tahaka ny finoana koa ny tsy finoana. Koa raha tsy mpino dia tsy mametraka ny tsy finoany amin'ny zavatra izay inoan'ny mpino. Izany hoe raha tsy mpino dia tsy haka baiboly akory hanehoana ny tsy finoana.

Ilaina fahaizana ny tsy finoana. Ny olona miseho ho tsy mpino kanefa tsy mandalina ny tsy finoany akory dia ho lasa mpino ihany rehefa kelikely (ho hitantsika eo). Koa raha tena te ho tsy mpino ianao dia mianara sy mamakia boky, mijereva internet, momba ireo hevitra izay efa lazain'ny tsy mpino malaza.

Raha tsy mahavita an'ireo dia minoa ihany sao votso-droa. :-)

Hoy mantsy Pascal ao amin'ny "Pensées" hoe "Si Dieu existe et si l'âme est immortelle, je gagne tout. Si Dieu n'existe pas et si l'âme est mortelle, je ne perds rien."

http://fr.wikipedia.org/wiki/Pari_de_Pascal
répondu par fijo le 04/01/2008 23:44
2. Ylly ( 28/12/2007 10:29)
hery:

Conviction mafy tahaka ny finoana koa ny tsy finoana. Koa raha tsy mpino dia tsy mametraka ny tsy finoany amin'ny zavatra izay inoan'ny mpino. Izany hoe raha tsy mpino dia tsy haka baiboly akory hanehoana ny tsy finoana.
ekena io aloha! @ fomba ahoana moa no handraisany baiboly raha tsy mpino izy ireo?

ny zavatra somary mahagaga ahy raha dinihina kely ny dinika miseho eto manko dia ireo olona milaza fa tsy mpino dia mahazendana ihany fa misy ary hita taratra fa misy ilay finoana.

midika amiko izany fa tsy dia misy firy io hoe conviction mafy io.Conviction @ tsy finoana io an!satria hoy aho hoe hita taratra eny ihany fa misy ilay finoana.
Nahafantatra olona tena azo lazaina hoe tsy mpino aho ary lazaiko anareo fa tena hita ilay conviction mafy @ maha-tsy mpino azy,saingy tsy ohatran'io ny olona milaza fa tsy mino eto.









3. rabilabila ( 28/12/2007 11:01)
Hery:

Lafiny roa no tiako hamaliana ny resaka:

-Ny tsy mpino tsy manana firehin-kevitra \"hanaparitaka \" ny tsy finoany ,fa mizara fotsiny izay mba fantany .Tsy mampitahotra izay tsy te-hanaraka azy izy fa matetika ny zavatra mivoy azy dia ny hoe: \"iaino ny eto sy ny anio \" , \"hatsarao ny fiainana araky ny lalàna manoritra ny fiaraha-monina mba tsy handratra na hampalahelo ny manodidina , ny natiora , ny tena\"..........

-Ny fanontaniana apetraky ny tsy mpino eto ,matetika ,dia ny fiezahana ny hahalàla hoe :inona no mbola mampihizingizina ny mpino amin\'izato sy zaroa nefa efa misy ny \"porofo\" mivaingana hitsipahana ny zavatra notaritina efa ho +de 4000 taona izao.
Raha toa izy , amin\'ny zavatra fantany (nodinihany , nohalalininy ,nolanjalanjainy...) mizara izany arak\'izay mba kely fantany ,an\'ireo zavatra mba tsikariny ,dia finiavana hanokatra ny \"saina\" fotsiny hoe :misy zavatra ohatran\'izao sy izao koa ange atsy sy ary !!. Izany akory tsy milaza fa mànana ny \"fahamarinana \" izy .
Ny \"tena \" tsy mpino dia miezakamamantatra na mahafantatra hoe : inona ny part -n\'ny angano , inona ny part-n\'ny réalité ,fa maninona ny soratra toa izao ,na ny soratra napetrak\'i Ranona sy Ranona no tsy noraisina .....;satria izy dia miezaka ny manazàva amin\'ny alàlan\'ireo valim-pikarohana maneho ny tany .
Ary farany ,tsy anjaran\'ny \"tsy mpino \" no manome ny démonstration -n\'ny fisian\'andriamanitra na tsia ;fa kosa raha mbola misy ny olona na antokon\'olona midradradradra fa ny azy no fahamarinana fa ny an\'ny hafa \"fôpla\" dia eo izy no mandray andraikitra amin\'ny MAHA-OLONA tsy tia gidragidra azy ,ary raha tant que mbola mijanona ao anatin\'ny sphère privée na familiale ..ilay resaka dia tsy mampaninona azy mihitsy akory.

4. rabilabila ( 28/12/2007 11:17)
Hoy mantsy Pascal ao amin'ny "Pensées" hoe "Si Dieu existe et si l'âme est immortelle, je gagne tout. Si Dieu n'existe pas et si l'âme est mortelle, je ne perds rien."


Raha resaka "gain" fotsiny no hinoana ry Hery dia mampalahelo ihany angamba ,raha araky ny hevitro aloha.:lol: manjary lasa manaraka ny onjany fotsiny.Io eritreritr'i Pascal io no commenter-ko sao dia tonga dia misy miala any sahady indray an!!
Aleoko mantsy tonga dia preciser-na :oops::lol:
5. ratonga ( 28/12/2007 11:37)
rabilabila :

-Ny tsy mpino tsy manana firehin-kevitra "hanaparitaka " ny tsy finoany ,fa mizara fotsiny izay mba fantany ......
-Ny fanontaniana apetraky ny tsy mpino eto ,matetika ,dia ny fiezahana ny hahalàla hoe :inona no mbola mampihizingizina ny mpino amin'izato sy zaroa nefa efa misy ny "porofo" mivaingana hitsipahana ny zavatra notaritina efa ho +de 4000 taona izao.......

=Dmiombo-kevitra zato/zato @ rabilabila, mazava tsara kosa ngamba zay:lol::-*
6. hery ( 28/12/2007 11:51)
-Ny tsy mpino tsy manana firehin-kevitra "hanaparitaka " ny tsy finoany


Tokony ho io tokoa ny tsy mpino. Fa ny tsy mpino eto amin'ny serasera anefa dia tsy ohatra an'io :-). Plutot miezaka ny hanaparitaka ny tsy finoany.

ny zavatra mivoy azy dia ny hoe: "iaino ny eto sy ny anio "


idem... mbola tsy takatry ny tsy mpino eto @ serasera io.

-Ny fanontaniana apetraky ny tsy mpino eto ,matetika ,dia ny fiezahana ny hahalàla hoe :inona no mbola mampihizingizina ny mpino amin'izato sy zaroa nefa efa misy ny "porofo" mivaingana hitsipahana ny zavatra notaritina efa ho +de 4000 taona izao.


Tsia. Ny fanontaniana apetraky ny tsy mpino eto matetika dia toa fiezahana (ankolaka) hahalala ilay zavatra tsy inoany akory. Ao anaty fisalasalana sahady. Tsy izany anefa no tena tsy mpino.

Ny "tena " tsy mpino dia miezakamamantatra na mahafantatra hoe : inona ny part -n'ny angano , inona ny part-n'ny réalité ,fa maninona ny soratra toa izao ,na ny soratra napetrak'i Ranona sy Ranona no tsy noraisina .....;


Ka izay indrindra. Ny tsy mpino eto amin'ny serasera anefa toa hoe "maninona ny soratra toa izao no noraisina"? Izany hoe tsy miezaka mitady zavatra hafa hitombonan'ny tsy finoany fa ny zavatra efa mipetraka izay lazainy fa tsy inoany no hakàny hevitra indray hanohanany ny tsy finoany.

Ary farany ,tsy anjaran'ny "tsy mpino " no manome ny démonstration -n'ny fisian'andriamanitra na tsia


Soa ihany mbola tsy tena "tsy mpino" kay ry zalahy eto. Io mihitsy mantsy no ezahiny hatao.

Io ilay nolazaiko hoe toa atahorako hino tsy ho ela ihany ry zalahy milaza ho tsy mpino eto @ serasera.

Misaotra an'i rabilabila nanampy fanazavana
7. niryna ( 28/12/2007 12:32)
Manana finoana daholo isika tsirairay avy,na inona izany na inona :ao ny Atra Iray Mahery,Mahefa ny Zavatra rehetra,Nahary ny zavatra rehetra,ao ny Atra hafa izay toherin'ny baiboly,ao koa ny manangana Atr'izao tontolo izao ka manome toeran'Atra Izay mahery ho an'io Atra tiany io(Ekso 20) ao ny zavatra naharin'Atra toy ny biby,rajako,voalavo,omby, elefanta,(ny sinoa izao dia mankalaza ny taona amin'ny 2008,the Year of rat) na "fankalazana ny andron'ny voalavo.":roll:,
http://craftsrus.com.au/images/rat-s.jpg
http://www.tattoosymbol.com/chinese_zodiac/rat.jpgny fanahy tsy hita maso kanefa hinoany(hindu)
http://www.bnaiyer.com/images/ganesa.jpg
http://img.alibaba.com/photo/10821203/Indian_Hindu_Goddess.jpg
ary izay milaza fa tsy manana Atra hinoany izy dia ny tenenany ihany no hinoany,mitompy teny fatratra amin'ny fahaizana,fahalala,harena.Ny vola no andriamanin'ny sasany,ny asa,sns.Izay rehetra tompoina dia Atra daholo ka samy manana sy mandray izay izy isika.:D

Tsy mino izy ireo satria misy mifanohitra ny soratra masina ireo milaza azy ho kristianina,ny teniny tsy mitovy ny toetrany ohatra,ny voalazan'ny tenin'Atra tsipahiny sy toheriny arakarak'izay metimety sy mifanaraka ny fiainany ohatra(Gal 5:20-23)tsy mino izy ireo satria tsy afaka handresi-lahatra azy isika ny hiverina amin'Atra,raha tsy ny tenany irery ihany no manao izany ezaka izany.Tsy mino izy ireo fa mbola mitsapatsapa hoe raha tena misy tokoa izany ATra izany dia asaivo manao an'izao na omeo porofo.Ao ilay finoany Azy fa ilay porofo tsy ho azony mihitsy raha tsy efa nihaina tao izy sy mangetaheta ilay Atra.Ka izany no andraisany baiboly ary makamaka teny kely any izy e,kanefa dia tsy ho fantany sy tsy ho azony mihitsy ilay izy satria izay mino sy manatona Azy ihany no omeny hery ho tonga zanak'Atra ary dia handova izany lanitra izany,mahafantatra izay lazainy:arrow:ny ondry mahafantatra ny tompony,ary ny tompony koa miharo ny ondriny tsy ho azon'ireo ambodia.

8. rabilabila ( 28/12/2007 13:08)
Rehefa raisin'i Hery paragraphe par paragraphe ny resako ,ary raha namaky ny zavatra rehetra noresahiko teto à serasera i Hery dia tsy mitombona aby ireo valintenin'i Hery ireo . Ity kitsimpotsimponareo 'ty ho'aho!!:lol:
9. mbaliana ( 28/12/2007 13:20)
fa zao kosa aloha e zay soratanao zao sy eto ihany no amalian'ny olona anao zao sy eto...fa zay nosoratanao tamin'ny enimbolana lasa toa sarotra be ihany ny hande hitadidy azy.. raha tsy hoe nisy boky manokana niraiketana azy angaha... :lol::lol:
10. pissoa ( 28/12/2007 13:39)
rabilabila:

Hery:

Lafiny roa no tiako hamaliana ny resaka:

-Ny tsy mpino tsy manana firehin-kevitra "hanaparitaka " ny tsy finoany ,fa mizara fotsiny izay mba fantany .Tsy mampitahotra izay tsy te-hanaraka azy izy fa matetika ny zavatra mivoy azy dia ny hoe: "iaino ny eto sy ny anio " , "hatsarao ny fiainana araky ny lalàna manoritra ny fiaraha-monina mba tsy handratra na hampalahelo ny manodidina , ny natiora , ny tena"..........

-Ny fanontaniana apetraky ny tsy mpino eto ,matetika ,dia ny fiezahana ny hahalàla hoe :inona no mbola mampihizingizina ny mpino amin'izato sy zaroa nefa efa misy ny "porofo" mivaingana hitsipahana ny zavatra notaritina efa ho +de 4000 taona izao.
Raha toa izy , amin'ny zavatra fantany (nodinihany , nohalalininy ,nolanjalanjainy...) mizara izany arak'izay mba kely fantany ,an'ireo zavatra mba tsikariny ,dia finiavana hanokatra ny "saina" fotsiny hoe :misy zavatra ohatran'izao sy izao koa ange atsy sy ary !!. Izany akory tsy milaza fa mànana ny "fahamarinana " izy .
Ny "tena " tsy mpino dia miezakamamantatra na mahafantatra hoe : inona ny part -n'ny angano , inona ny part-n'ny réalité ,fa maninona ny soratra toa izao ,na ny soratra napetrak'i Ranona sy Ranona no tsy noraisina .....;satria izy dia miezaka ny manazàva amin'ny alàlan'ireo valim-pikarohana maneho ny tany .
Ary farany ,tsy anjaran'ny "tsy mpino " no manome ny démonstration -n'ny fisian'andriamanitra na tsia ;fa kosa raha mbola misy ny olona na antokon'olona midradradradra fa ny azy no fahamarinana fa ny an'ny hafa "fôpla" dia eo izy no mandray andraikitra amin'ny MAHA-OLONA tsy tia gidragidra azy ,ary raha tant que mbola mijanona ao anatin'ny sphère privée na familiale ..ilay resaka dia tsy mampaninona azy mihitsy akory.





Fehiny :
Tsisy "tena" "tsy mpino" ny "mpandray anjara" "mavitrika" eto sehatra "finoana" sy fivavahana eto amin'ny serasera ! :-D:-D:-D
11. Ylly ( 28/12/2007 13:55)
Tsisy "tena" "tsy mpino" ny "mpandray anjara" "mavitrika" eto sehatra "finoana" sy fivavahana eto amin'ny serasera
tena marina io.
Io no nolazaiko hoe tsy misy ilay conviction-ny tena tsy mino.
Midika izany fa mody tsy mpino fotsiny ve ry zareo sa hoe nino taloha dia nisy zavatra nahazo azy dia navela ilay finoana?
Nefa tsara ho fantatra fa tsy ho faty mandrakizay izany finoana izany.
Sady raha tena tsy misy finoana ve ry zareo na dia kely monja aza,inona no handefasany sy hamaliany dinika ato?
12. niryna ( 28/12/2007 14:21)
pissoa:


Tsisy "tena" "tsy mpino" ny "mpandray anjara" "mavitrika" eto sehatra "finoana" sy fivavahana eto amin'ny serasera ! :-D:-D:-D

toy ny rano miraraka eo amin'ny vato aky io a,amin'ny farany mitritra ihany ny vato rehefa milatsaka tsikelikely ilay rano.Ilay manaiky eo noho eo aloha dia tsy ataony fa rehefa mamarimberina eo ve izy tsy hisy hiditra ihany amin'ny farany? Dia ireny misy miteny ny tenin'Atra ireny .
Na tsy miditra aza ilay fanazavana ,ny feon'ny fieritreretana anie no manenjika e.
Vizaka ihany koa izy ireo amin'ny farany satria tsy afaka ny hitady zavatra hafa intsony dia lasa miala,ny baiboly no toheriny kanefa ao anatiny ao ihany anie izy no maka ilay fanoherana e:D dia avy ny namaky ilay tenin'Atra amin'ny angady sy ny harona hanazava ny fahamarinana ao anatiny ao.Izay ilay fiainana.


13. rabilabila ( 28/12/2007 14:34)
Rehefa mamaky ny valinteninareo aho dia mahatsapa ny doute -nareo amin'ny conviction-nay.
Ny an'i Hery moa milaza fa hoe :kely sisa..."
Ny an'i Pissoa milaza fa "tsy misy tena tsy mpino " eto.
Ny an'i Ylly milaza fa "tsy misy ilay conviction".
Izany hoe "constatations" daholo ilay izy .
Izahay tsy manana besoin hi-se justifier akory na kely aza ,fa miala tsiny indrindra .Tsy mahatsiaro izahay hoe ambany noho ny mpino ,na hoe handresy na tsia ,satria aminay tsy misy ady akory fa misy fahasamihafàna fotsiny.

Ny zavatra ataoko eto ,raha izaho manokana ,dia ny mampiseho ,amin'ny alàlan'ny fikarohana ,ny maha-"probable" na tsia ny zavatra notanterina efa siècles maromaro izay .Izay no nahatonga ahy nametraka ilay fehezan-teny hoe "part-na angano sns..." Misy ny fomba ahafantarana ireo ,ary rehefa resaka tokony tsy hidirako ,dia tsy ataoko izany .Miezaka ny ho-objective foana rehefa miresaka ( à condition ka tsy misy attaque perso , iny indray mantsy zavatra hafa ).

Sady raha tena tsy misy finoana ve ry zareo na dia kely monja aza,inona no handefasany sy hamaliany dinika ato?
.

Ny titre-n'ny rubrique dia hoe :" fivavahana , finoana " fa tsy hoe "fizaram-pinoana" akory ,izay no mahatonnga ny mpandrindra (Monsieur Hery himself) mbola tsy hanàla anay ato .Ary indrindra indrindra ,efa nolazaiko tetsy ambony: raha mbola misy ny olona na antokon'olona midradradradra fa ny azy no fahamarinana fa ny an'ny hafa "fôpla" dia eo izy no mandray andraikitra amin'ny MAHA-OLONA tsy tia gidragidra azy .

Midika izany fa mody tsy mpino fotsiny ve ry zareo sa hoe nino taloha dia nisy zavatra nahazo azy dia navela ilay finoana?
.

Tsy possible aminareo mihitsy izany hoe: misy olona hafa mitovy aminareo ,Malagasy ,tinaiza tao anatin'ny finoana ,ka hiala tao tamin'ny nahim-pony fa dia tsy maitsy hoe :nisy zavatra nahazo , na mpanara-damaody ( resaka efa niverina imbetsaka)....mahagaga ihany !!!!
14. Ylly ( 28/12/2007 14:55)
Tsy possible aminareo mihitsy izany hoe: misy olona hafa mitovy aminareo ,Malagasy ,tinaiza tao anatin'ny finoana ,ka hiala tao tamin'ny nahim-pony fa dia tsy maitsy hoe :nisy zavatra nahazo
mba azonao lazaina eto aza ve hoe naninona na nisy inona no nahatonga ny olona nino ka niala t@ io finoany io raha tsy nisy zavatra nahazo azy? sa ve ohatra hoe te-hiala fotsiny zao aho dia zay?na izany aza dia mbola nisy ihany izany ilay finoana.
15. rabilabila ( 28/12/2007 15:06)
Farito amiko aloha ilay hoe : raha tsy nisy zavatra nahazo azy?,dia omeko anao ny fiheverako azy .
Ohatra fotsiny :
- Misy katolika mivadika protestant ,na ny inverse.
-Misy ny protestant mivadika evangelique na ny inverse.
-Misy ny Silamo mivadika ho Kristianina na ny inverse .
Etsetra etsetra......................................
Nisy zavatra nahazo azy daholo ve ireo olona ireo ?
Rehefa voavalinao izay dia voavalinao koa ny am-pahan'ny nahatonga ny olona "nino " ho lasa "tsy mpino".
16. Ylly ( 28/12/2007 15:24)
rabilabila:

Farito amiko aloha ilay hoe : raha tsy nisy zavatra nahazo azy?,dia omeko anao ny fiheverako azy .
Ohatra fotsiny :
- Misy katolika mivadika protestant ,na ny inverse.
-Misy ny protestant mivadika evangelique na ny inverse.
-Misy ny Silamo mivadika ho Kristianina na ny inverse .
Etsetra etsetra......................................
Nisy zavatra nahazo azy daholo ve ireo olona ireo ?
Rehefa voavalinao izay dia voavalinao koa ny am-pahan'ny nahatonga ny olona "nino " ho lasa "tsy mpino".
ohatran'ny hoe tsy azonao ilay izy.

-ny fivadiana hoe katolika ho protestanta sns dia tsy misy hifandraisan'ny hoe niala t@ finoana.


17. rabilabila ( 28/12/2007 15:37)
Hoy aho hoe : valio ireo dia voavalinao ny am-pahan'ny fanontanianao momba ny "tsy mpino".
Hoy aho hoe :farito ilay hoe :"nisy zavatra nahazo azy " .

Ahoana moa no tsy misy hidirany ? F'angaha moa tsy démarches intellectuelles daholo no nahatonga ilay fihovana fa hoe te-hivadika fotsiny aho dia izay ?
18. Ylly ( 28/12/2007 15:49)
vao maika tsy azonao ilay izy raha ny fahitako azy.

Miala @ finoana: ohatra fotsiny zao hoe:nisy olona tena navitrika be teo @ finoany,mpikarakara navitrika ny fandehan-javatra eny am-piangonana,zavatra efa hitako nitranga izao lazaiko izao.
Narary ny vadin'ilay rangahy dia vao maika izy nanao izay azony nataony rehetra momba ny asa tao am-piangonana.
Indrisy anefa fa ny lahatr'Andriamanitra tsy nifanaraka t@ heritreriny ka dia nantsohin'ny Ray hody any aminy ilay vehivahy.
Teo no eo dia nilaza rangahy hoe fa aiza Andriamanitra @ izao fahoriako izao?Nanao ny sitraponao aho nefa tsy novonjenao ny vadiko?

(io ohatra ny zavatra nahazo an'io rangahy io ka namelany ny finoany.

Ny fivadiana katolika ho protestanta, na protestanta ho katolika,na ny protestant mivadika evangelique na ny inverse.
na ny Silamo mivadika ho Kristianina na ny inverse dia tsy midika velively hoe NIALA t@ finoana ry zareo.
19. hery ( 28/12/2007 15:52)
rabilabila:
Izahay tsy manana besoin hi-se justifier akory na kely aza


Anisan'ireo "tena tsy mpino" nolazaiko tetsy ambony izany rabilabila. Izay ihany dia ampy ahy. Ny tena nolazaiko mantsy dia mirefarefa be amin'ny tany ilay resaka ataon'ny tsy mpino satria toa manao tahaka ny mpino sasany mitsimpona baiboly indray izy kanefa ny baiboly aza efa tsy inoany.

Io "Izahay" io mihitsy no olana eto. Ataovy hoe "Izaho" satria araka ny hitako aloha dia betsaka ireo milaza ho tsy mpino eto mbola tsy tena tsy mpino.

rabilabila:
Tsy possible aminareo mihitsy izany hoe: misy olona hafa mitovy aminareo ,Malagasy ,tinaiza tao anatin'ny finoana ,ka hiala tao tamin'ny nahim-pony fa dia tsy maitsy hoe :nisy zavatra nahazo


Possible kosa aloha io e. Saonjo iray lohasaha hono tsy ilaozan'izay mamarara :-)

20. ikaretsaka ( 28/12/2007 17:05)
tsy ho voatery foana kosa hoe "nisy zavatra nahazo aZY" kosa ry Ylly no nahatonga ny nampino na tsy nampino a
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2064