Ho an'ireo milaza ho tsy mpino :-)

41. cutie ( 28/12/2007 21:52)
:-D :-D :-D
efa jamba
42. fijo ( 28/12/2007 21:57)
mamo mihintsy ko
43. hery ( 28/12/2007 22:11)
fijo> Ny hoe tahotra sy ny tsy tahotra aloha tsy dia idirako loatra... satria averiko indray fa betsaka ny "Tena tsy mpino" izay efa nisy hatrizay, misy ny namoaka boky milaza ny vokatry ny fahareseny lahatra... kanefa mbola tsy natahorako hampivadika ny finoako akory ireny... ary tsy atahorako hampiova ny "Tena mpino" koa. Tsy hoe manao jugement de valeurs aho fa miaina amin'ny expérience.

Marina mihitsy ny tenin'i Mao hoe ianaro tsara aloha ilay finoana hahafahanao manohitra azy. Dia eto ve i fijo no mianatra finoana? Izahay eto koa mianatra finoana mba hahafahanay mino be be kokoa. Sa mitovy tanjona isika? Koa raha hanontany ohatra i fijo hoe iza no vadin'i Kaina dia "Tsy hainay izany" sady "Tsy zava-dehibe aminay" satria tsy izany no fototry ny finoanay. Angamba izany no fototry ny tsy finoan'i fijo... dia hoy aho hoe marefo ihany ilay fototry ny "tsy finoana" raha izany.

Ny dikan'ny hoe "tsy hainay" dia satria betsaka aminay no tsy nianatra izany satria averiko ihany, tsy fototry ny finoanay ilay izy... fa misy ireo olona azo anontaniana bebe kokoa, na boky efa manambara izany.



44. fijo ( 28/12/2007 22:24)
tsy i hery anie no lazaiko hoe atahorana hiova finoana,fa ny mpino sasany eto e.atahoranareo ireny sao hiova.

tsy eto aho no hianatra finoana ka,fa forum ity,ka noho izany ady hevitra ny eto.fa tsy fampianarana."raha tsy diso aho aloha an"

manahirana ihany raha milaza i hery hoe tsy zavadehibe aminareo ny fanontania momba ny resaka toa io resaka kaina io???izany hoe rah avao resaka sarobalian adi ahialako pas fa ny ahy minoa fotsiny ihany?????
45. rabilabila ( 28/12/2007 23:32)
Ny porofo rehetra momban’ny fisian’Andriamanitra na ny tsy fisiany dia tsisy ara-tsiantifika daholo.


Izay indrindra ....Tsy misy tokony hi-imposer ny azy ho fahamarinana izany!!


Fa ny azo antoka kosa dia “ny Finoana” no misy. Ary betsaka ny zavatra natao na atao amin’ny anaran’ny Finoana.


Tsy azo lavina raha ilay finoana dia izy rehetra fa tsy ny mono ihany .


Matetika mifangaro amin’ny olona ny atao hoe Finoana sy ireo drafitra isan-karazany napetraka amin’ny anaran’ny ny finoana. Ary ireo lazaina na milaza hoe “tsy mpino” dia manohitra ilay pratika atao amin’ny anaran’ny ireo finoana fa tsy ilay Finoana akory.


pratiques toa ny "fanaparitahana ","ny fitompoan-teny fatratra", "ny fanimbazimbàna ny an'ny hafa" ............Tant que mijanona ho perso ilay finoana tsy misy olana mihitsy akory.

Raha izaho manokana izao dia be ny zavatra atao amin’ny anaran’ny finoana tsy ankasitrahako. Fa izaho tsy hilaza hoe “tsy mpino” aho.


Hajaiko tanteraka.

Na izany aza anefa dia tsy tiko koa ny hitono-tena hoe “mpino” satria amiko dia tsy misy dikany firy ny fisokajiana hoe mpino na tsia satria ny zavatra ataoko amin’ny fiainana no zava-dehibe amiko.


Mitovy hevitra @ ilay notsipihina :Vavolombelon'ny asa ny bainga hoy ny Malagasy .

Izaho manokana tsy mivavaka nefa koa tsy manda ny hiditra ampiangonana rehefa misy manasa hanatrika mariazy ohatra na batisa, satria izay ny société misy ahy.


Izaho manokana dia "tsy mino" nefa koa tsy mandà...........,satria resaka respect d'autrui fotsiny io.


Na izany aza anefa indraindray mankaleo ahy ihany ilay toriteny kristianina sasany satria ny eo ihany no miverina “manota-mibebaka- manota -mibebaka” dia replay ....efa taonjato maro izay.


Hevitrao manokana fa hajaiko koa.


Raha resaka fivavahana dia mandry ny saiko aminy fitondrako-tena


Raha resaka "tsy fivavahana" dia mandry ny saiko....



ary raha ny fampitahoran’ny fivavahana sasany hoe “afobe “ sy ny sisa, paradisa sy ny sisa dia tsy misy mahakasika ahy.



Tsy mi-concerner ahy fa hajaiko koa.

Tsy hidradradra etsy sy eroa anefa aho hoe zao no tokony ho izy. Fa io na tiantsika na tsy tian-tsika dia efa misy fomba fijery lasitra momban’ny tokony hipratikena ny finoana ao amin’ny fiaraha-monina misy antsika. Ary anjaran’ny tsirairay ny maka ze tiany ho raisina amin’izany.


Manana ny safidy malàlaka ,izay no fenitra.


Misy “arrogance” matetika ataon’ny mpino sasany izay mitompo teny fatratra fa ny azy ihany no marina.


Soa fa ianao no nilaza azy.


Mety hisy société ve hanaiky fa tsy misy référence amin’ny finoana ny olona? Ny lalampanorenan’ny tany maro aza voatery asiana soratra hoe “Laika ”.


Indrisy !! misy dia misy tokoa .Ary ny fametrahana ny "laicité" ao anatin'ny lalam-panorenana no fomba iray hidirana amin'ny "liberté de pratique ou non d'une ou des religions".


Tsy voatery andalina ny tsy finoany ny olona tsy mino. Afaka miaina ivelan’ny finoana : “eny sa tsia”.


Misaotra betsaka mampatsiahy ny hafa.


Ilay resaka hoe “maty antoka” io zao raha mino na tsia dia efa fomba fijery judéo-chrétien.


Tsy ireo fotsiny ihany fa maro koa no manao an'io.


ary na tiantsika na tsy tiantsika dia ny fomba fijery judéo-chrétien no matanjaka ary hita taratra eny rehetra eny ...


Indrisy fa matetika ny " mpandresy" no manoratra ny tantara ary mamaritra ny règles des jeux.Mampalahelo ho an'ny 3/4 de l'humanité izay manana zavatra betsaka tokony ianarana koa.

Misy fomba fijery hafa tsy mikajy ny plus sy ny moins fa miaina fotsiny amin’izao.

Afaka milaza indray ny olona sasany hoe biby zany olona tsy mahalala an’Andriamanitra izany. Nefa raha mba izaho mintsy moa ilay Andriamanitra ? ...Ankoatra an'i Nikopol zao dia misy maromaro ihany ny Andriamanitra fantatro saingy tsy mampino ilay izy



:-D:-D:-D


46. vale ( 29/12/2007 00:36)
Izaho mahita fa misalasala ny fisian'andriamanitra i Pascal.., raha tsy nisy Andriamanitra, ahoana ny resaka "destin" ? efa voasoratra eny amin'ny vohon_tanana avokoa ny ho avin'ny tsirairay, iza no nanoratra ireny? papa sy mama ve?:-P
47. vale ( 29/12/2007 00:39)
..ny fanahy inoako fa tsy maty fa A/tra koa misy(finoako io)...:(
48. vale ( 29/12/2007 00:43)
fanamafisana: tsy maty ho an'izay afaka manana fiainana m/zay, manao ny rariny ny fahazoana izany! ny manao ny tsy rariny ny eritreriny ihany dia ampy mahafaty anazy,(hevitro manokana!!!)(l).
49. vale ( 29/12/2007 00:54)
oups::oops: tohiny, rariny: ny mety sy ny mitovy2 rehetra ,ary koa satria isika olombelona mety ho solafaka: ka raha nanao zavatra tsy nety dia mangataka famelana, amin'ny alalan_ny fifonana amin'izay nanaovana ny tsy mety;Satria voasoratra fa ny Loza dia ho an'izay nahatonga ny Fanafintohana!!
50. tsiambaratelo ( 29/12/2007 15:12)
:-$:-$:-$:-$:-$ Nakaiza i endrika 01 ee,tsara ho fantany daholo ireo,ary ambadika ary ambany ary koa misy,kristanina nefa tsy mino.
51. ikaretsaka ( 29/12/2007 15:45)
rabilabila:
-Ny tsy mpino tsy manana firehin-kevitra "hanaparitaka " ny tsy finoany ,fa mizara fotsiny izay mba fantany ......
-Ny fanontaniana apetraky ny tsy mpino eto ,matetika ,dia ny fiezahana ny hahalàla hoe :inona no mbola mampihizingizina ny mpino amin'izato sy zaroa nefa efa misy ny "porofo" mivaingana hitsipahana ny zavatra notaritina efa ho +de 4000 taona izao.......


mpino aho.. fa misy fahamarinany io raha jerena @ saina tsy miangatra!
izay no tsy de iraisako hevitra loatra amin'ilay mandehandeha mitory teny fa raha te hiseho ho mpino dia mampiseho ny maha mpino @ alalan'ny asa.
ary rehefa misy tsy mazava dia mijery akaiky ireo tsy mazava sy manontany fa tsy mionona @ izao
52. karinah ( 29/12/2007 17:35)
miombon-kevitra amin'Ikaretsaka aho, raha mino anefa tsy miaina anatin'ny trasparence aleo aza tsy mino fa mannao ny rariny. Tezera fa aza manota hono!8)
53. rabilabila ( 29/12/2007 17:52)
Miala tsiny amin'i Kiranil aho fa ny ahatongavany eto ohatran'ny hoe handrangitra ady contre ny Catho sy ny tsy mpino fotsiny .Inona ny interêt-ny amin'izany ? Tsy dia azoko loatra .Ohatran'ny manao hoe :Jereo ny kilalaonay namen'i dadabenoely fa tsara taré noho ny anareo .

Fa nahoana hoy aho : Satria ny zavatra resahiny dia tsy misy hifandraisany amin'ny resaky ny be sy ny bobaka (hoy i Ika izay)fa toa manipinipy flèches fotsiny .

Asa anefa fa izay no fahitako azy.
54. rijadolly ( 29/12/2007 20:08)
=D=D=D=D Misaotra hery à!
hery:
satria averiko indray fa betsaka ny \"Tena tsy mpino\" izay efa nisy hatrizay, misy ny namoaka boky milaza ny vokatry ny fahareseny lahatra... kanefa mbola tsy natahorako hampivadika ny finoako akory ireny... ary tsy atahorako hampiova ny \"Tena mpino\" koa. Tsy hoe manao jugement de valeurs aho fa miaina amin\'ny expérience.

hery:
Ny olona miseho ho tsy mpino kanefa tsy mandalina ny tsy finoany akory dia ho lasa mpino ihany rehefa kelikely (ho hitantsika eo).

Hanamafisako an\'io tenin\'hery io ny tenin\'fijo izay hoe \"ny olona miova loko dia mora miova loko indray\" satria mantsy amin\'ireo tsy mpino ireo misy mpino lasa tsy mpino.

Ny tohetrako manokana aloha dia mitarika anareo tsy mpino aho é!Izay ilay asa
55. ikaretsaka ( 29/12/2007 20:59)
rabilabila:

Miala tsiny amin'i Kiranil aho fa ny ahatongavany eto ohatran'ny hoe handrangitra ady contre ny Catho sy ny tsy mpino fotsiny .Inona ny interêt-ny amin'izany ? Tsy dia azoko loatra .Ohatran'ny manao hoe :Jereo ny kilalaonay namen'i dadabenoely fa tsara taré noho ny anareo .

Fa nahoana hoy aho : Satria ny zavatra resahiny dia tsy misy hifandraisany amin'ny resaky ny be sy ny bobaka (hoy i Ika izay)fa toa manipinipy flèches fotsiny .

Asa anefa fa izay no fahitako azy.


izaho koa.. mba gaga fa miala tsiny aminazy
ny fahitako azy dia
-na misy tsy fahampiana ao
-na misy fankahalana notakonana baiboly
-na misy envie nilay be fa tsy nety azo dia nivadika haine
-na nisy desir tsy nilamina koa tao dia lasa fankahalana!

dia ao anaty ensemble an'ilay hoe fanatisme diso toerana

Fijeriko izay, ary toy ny isanandro, alefaso ny contre argument..kritikeo aho raha diso fijery...
56. rakapy ( 30/12/2007 01:27)
Hery> Ilay hoe tsy mpino anie Ry Hery ka vague be? Tsy mpino inona? Tsy mino an'iza? Aza generalige-na ny fanotaniana fa precise-vo. Hoatra: Ho an'ireo izay milaza fa tsy mpino an'i Satana. Tsy mpino an'A/tra.Tsy mpino an'i Jesosy.tsy mpino an'i Mohamet na i kelimalaza na i Boudah sns....
57. endrika01 ( 30/12/2007 15:55)
rakapy>ka tsy mpino an'Anandriamanitra no resahima eto é,
Marina daholo izany ,za kristianina nefa tsy mpino,tsy haiko hoe nahoana?tsy haiko hoe inona no antony?saro-baliana ,kanefa tsy fanontaniana.
Mahazo mitsara ahy ianao na mitsikera ,fa tena tiko be mihintsy io adi-hevitra io hoentina handresen-dahatra ahy.=D=D=D=D=D=D
58. rakapy ( 31/12/2007 02:16)
Endrika> hoy ianao heo Kristianina ianao nefa tsy mpino? Ka ahoana no ilazanao fa Kristianina ianao? tsy mitombona le resaka ataonao. Ary tsy ny Kristianina ihany anie no mpino e!!! Izay no nahatonga ahy hilaza etsy ambony hoe precise-vo le resaka. Ny fivavaha-drazana ,ny Silamo,ny Boudhist,eny hatramin'ny Anti-Christ dia finoana avokoa. Ny fahazahoko ny teninao dia :Teraka tao anaty fianakaviana Kristianina ianao de nobehazina t@ Kristianina de no force-na hanao izay fanaon'ny Kristianina rehetra satria tsy mba navela na nomen'ireo fianakaviana sy ny mpiara-monina fahalalahana mba hahita na hianatra zavatra hafa akotran'ny Kristianisma. Ankehitriny ianao dia tafavoaka tao anatin'izany ka nahita fa tsy io ihany kay no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Milaza ho Kristianina ianao satria miheritreritra fa ny Kristianisma dia mitovy amin'ny (RACE)ka tsy afaka ny hiova ianao satria ny ray am-dreninao dia Kristianina dia tsy maintsy Kristianina koa inanao. Nefa @ izao fotoana izao, dia mahita ianao fa tsy mino io finoana io nohon'ny antony samihafa. Asa na marina io voalazako io na tsia?
59. ikaretsaka ( 31/12/2007 02:48)
rakapy> misy koa anie hoe simalo ianao fa tsy mino an'i Allah e..
io ilay lazain'ilay mpampianatra anay taloha hoe "rehefa pataloha dia tsy voatery hisy bragety"
60. rakapy ( 31/12/2007 02:54)
Iny koa no tsy koboko !!!:-D:-D:-D mitovy amin'ilay hoe Kristianina fa tsy mino an'A/tra koa zany...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.0463