anaran-toerana gasy!

1. Papoose ( 22/09/2007 05:24)
Fa maninona marina angaha ny anarana toerana gasy no mamaritra toetra be? (toetran'ol na zvt) na koa manondro zvt!
mba lasa ihany ny saiko!
mandeha daholo ny loko, ny kely sy be, ny andro ao anatin'ny herinandro, ny hafanana sy hatsiaka, ny hanoanana sy havokisana, ambony ambany, sns!
Dia tena saika tsy nahita anarana zany reny toerana reny raha tsy avy @ ireo na dia hoe niainga avy t@ tantara nitranga teo ohatra ny niforonan'le anarana?

ambohitrakely ee!
amboanjobe eee!!!
talata eee!!
ankaditapaka eeee!!!
Ambavahadimangatsiaka eee!!
Andranomafana eee!!
:-D
répondu par Papoose le 10/10/2007 14:03
2. Rasiligaoma ( 22/09/2007 06:09)
mbola misy koa hoe Ambodikidiro!
karazana hazo mitovy kilasy sy karazana amin'ny hazo atao hoe kapaoka (kapok) fanaovana sesik'ondana ireny ny "Kidiro"!
3. Rasiligaoma ( 22/09/2007 06:13)
http://fr.wikipedia.org/wiki/Kapok ny fanazavana
dia ao anatin'ny famillen'ny bombacacees ny "kidiro"
4. tywa68 ( 22/09/2007 09:04)
Papoose : tena mahavariana marina !

Raha tsy Rasiligaoma indray tsy nahita an'itony marina ! misaotra nampahafantatra e ! :-D

5. Papoose ( 22/09/2007 10:14)
Rasily, :-D
AMbolonkandrina koa tss!!
Talatan'ny volon'ondry, tena mahita atao ka!:-D
tena mahavariana ka!!
6. Fiffi ( 23/09/2007 19:06)
eny tokotrany hoa ? raha jerena ohatra ny anaran'dalana aty ivelany de matetika anaran'mpitondra , na olona malaza .....
7. ratonga ( 23/09/2007 19:47)
ka samy manana izay fombany kosa angé fa tsy voatery tsy maintsy hitovy an'ny hafa é! ny antsika izao ny ankambéazany dé io volazan'i Papoose ny anaran'ny toerana iray dia atsiarovana zava-nitranga teo, ohatra zao iny lalana miainga ao tana mankany imerintsiatosika iny, ny tanana rehetra andalovany dia saika mitantara ny dihan'ny miaramilan' Andrianampoinimerina arivolahy nanitatra ny fanjakany. Tsy tadidiko ny filaharany fa manomboka teo Ampitatafika dé sady niantso oul ihany anantevin-daharana ka Fenoarivo ihany ny farany, rehefa maharesy izay andalovay na somary osaosa fa vizana dé miorakoraka wé Imerimandroso, Imerimanjaka na Imerintsiatosika ny farany moa dia ny miaramila rehetra no nomena taoka ho valinkasasarany ka dé nijanona t@ toerana iray ary d Arivonomamo.......
izay no solon'ny boky angamba taloha satria mipetraka ho tantara aty aoriana
8. Fiffi ( 23/09/2007 20:40)
ratonga:

nijanona t@ toerana iray ary d Arivonomamo.......
izay no solon'ny boky angamba taloha satria mipetraka ho tantara aty aoriana
heu...misy hifandraisany am hoe olona arivo mamo ve io ? :roll:


9. ikaretsaka ( 23/09/2007 20:46)
Benenitra
Belamoty
Bekily
Bezaha
Betroka

dia "Be" an'ireo zava maniry ireo ny any
afa tsy ny betroka..troka=kibo
10. Fiffi ( 23/09/2007 20:50)
de raha halana le "be" de zava-maniry zany ireo ? inn zany "zaha , lamoty , nenitra , kily" ? oatran'mbola tsy naheno an'zany manko zah an !
11. ikaretsaka ( 23/09/2007 23:32)
zaha sy nenitra: karazana tsilo


lamoty= ohatran'ny arbuste kely izay dia mamoaka fruits menamena ohatran'ny goavy tsinahy, feno azy any atsimo






Kily=voamadilo
12. Papoose ( 24/09/2007 09:29)
Dia ahoana zany ilay hoe avy any "Voatanosy?":roll::-D

Vinaninkarena?dia mpaminany harena b zany ny olona avy any:?: sa be vinany raha vao resaka harena?:?:
13. xxx ( 24/09/2007 10:09)
Papoose:

Dia ahoana zany ilay hoe avy any "Voatanosy?":roll::-D

Vinaninkarena?dia mpaminany harena b zany ny olona avy any:?: sa be vinany raha vao resaka harena?:?:



viany = fihaonana , eo no mihaona ny harena
ny vinany lazainao = revy , toa argo io
14. ikaretsaka ( 24/09/2007 12:22)
Vinany, eo no mihaona ny harena..
Tsena hono teo taloha ambohim-piainan'ireo mpanarivo,
ny mpiompy omby sy ny mpamboly vary iny Manadona sy ny manodidina iny
15. mimich ( 24/09/2007 12:50)
de lasa ny saiko amin'ilay anaran-toerana bdb misy "be" nolazainareo sy ny fanazavana momba azy , fa ity anara-toerana 1 ity any ankaikin'ny Moramanga any izy izay raha tsy diso aho "Beforina" sa "Beforona":roll::roll::roll: no tena marina aminy , fa oh samy manana ny fanononany azy ny olona
16. ikaretsaka ( 24/09/2007 12:59)
Beforona:
fa le "forona" tsy haiko na anaran'inona izy izay na inona (tsa tadidy tsotry moa izany e)
17. Stretch ( 24/09/2007 16:47)
fa ireto anarana fokotany reto zany refa miresaka am namako a zao de mahatorany hehy an dry zareo nefa ohatrany mahazatra a le izy de gaga a !
Madiotsifafana de eo akaikiny eo Mangarivotra ka ny mety nahatonga azy io angambany fa mandrivotra be le toerana de tsy mila fafana :roll:
18. tywa68 ( 24/09/2007 17:32)
mimich : lasa aiza ny saindry aloha e ! Beforona akia io an :lol::-D
19. Papoose ( 25/09/2007 01:53)
beforona:-D
ahatadidiavako tantara io beforona io!
le misy an'le mpitondra fanjakana mitety tanana reny dia tsy tadidiko intsony hoe iza, dia le resaka zany hoe fanatsarana tanana. Dia hoy hono le mpitondra fanjakana nikabary hoe," Beforontsika io fa tsy beforonareo irery...." dia sady be no nime no narahan-tehaka:-D
20. ikaretsaka ( 25/09/2007 23:30)
Misy tanana kely izay koa ary akaiki'i Besalampy ary hoe Ambatomifamitra
Misy vatolampy mifampiankina izay ao
"mifitra=mifampiakina=mifampisafo" no iantsoana azy any avaratra any
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0798