Ny fanoherana an'Atra
1. niryna
(
21/09/2007 21:15)
Ny soratra masina ao amin'ny Joba 15:20-25 manambara fa ireo izay ratsy fanahy manohatra an'Atra dia hijaly,aheno feo mampatahotra,mamely azy ny mpandroba,tsy manana fanantenana,miandry sabatra,mirenireny,be fahorina ary manana fahaporitana.
répondu par niryna le 06/10/2007 03:17
8. niryna
(
21/09/2007 23:57)
fijo:
izay manohitra izany ,fa tsy izay tsy mino azy
Asa aloha ry fijo na izay manohitra ny teniny lava na izay tsy mino azy fa toa samy tafiditra daholo :roll:
Ity aloha ilay teny fa sao misy adinoko ny tena tian'Atra ho tenenina antsika rehetra.
20 Ny ratsy fanahy mijalijaly amin'ny androny rehetra, Dia amin'ny taona rehetra voatendry ho an'ny lozabe.
21 Feo mampitahotra no ren'ny sofiny ary na dia miadana aza izy, dia avy hamely azy ihany ny mpandroba.
22 Tsy manantena ho afaka amin'ny maizina izy; Andrasan'ny sabatra izy.
23 Mirenireny hitady izay hohaniny izy ka manao hoe: Aiza re? Fantany fa antomotra azy ny andro maizina.
24 Fahoriana sy fahaporitana [Na: Alahelo sy ahiahy.] no mampitahotra azy ; Mandresy azy ireo tahaka ny mpanjaka efa vonona ho amin'ny ady,
25 Satria naninjitra ny tànany hanohitra an'Andriamanitra izy Ary nirehareha hanohitra ny Tsitoha. Joba 15:20-25
10. niryna
(
21/09/2007 23:59)
fijo:
an an ,ka tsika koa manana ny antsika ko
misy didi vaovao noforoninao angaha any ho any?
12. niryna
(
22/09/2007 00:16)
fijo:
aleo ny antsiak no hitarina
Lioka 6:25-26
25 Lozanareo izay voky ankehitriny! fa mbola ho noana hianareo.
26 Lozanareo, raha milaza soa anareo ny olona rehetra! fa izany no nataon'ny razany tamin'ny mpaminany sandoka.
Raha voky ny rendranrendran'izao tontolo izao isika ka tsy mitady an'Atra dia ho noana ny fanahintsika ary mahafantatra fa misy fahabangana saingy tsy mahatsapa hoe inona no antony
Nisy olona afaka fanadinana ka nandeha ho any an-toeran-kafa hianatra.Tara ny fiaramanidiny izy ary tsy tonga teny raha tsy roa ora tao aorian'ny nahalasanan'ny namany rehetra.Nody t@ alahelo izy ary dia nijery TV hanalany ny sorisory.Kanjo vao namadika ilay TV nilaza vaovao izy dia ny fiaramanidina nianjera, maty tao daholo ny olona, no itany.Io ilay fiaramanidina saingy nandehanany.
Fifandrifianjavatra ve sa Atra no niaro Azy?
Maro ny zavatra mitranga toy izany,maro ny olona havotan'Atra kanefa maro koa ny olona vao maika mankahatra ny teniny.Izy ihany no mahalala ny antony.
13. soanja
(
22/09/2007 01:06)
"Ho tsilovin'Andriamanitra anie ny fanahin'ireo izay tsy mino azy ary enga anie ka ireo no hanantanteraka ny tena faniriany Mahery!" Soanja!
"Ny Ratsy fanahy kosa aoka mba ho fakana leson'ireo manam-panahy tsy mbola mifoha!" Soanja.
Ny fitiavan'Izy Tompo amintsika rehetra tsy misy fetra na izao na ho mandrakizay!
Mahereza hatrany mitory ny fitiavan'Andriamanitra fa izy ihany no hamoha ny fon'izay tsy mahalala fa tsy amin'ny alalan'ny fampitahorana akory no hitrangan'izany.

14. cutie
(
22/09/2007 01:07)
Mahereza hatrany mitory ny fitiavan'Andriamanitra fa izy ihany no hamoha ny fon'izay tsy mahalala fa tsy amin'ny alalan'ny fampitahorana akory no hitrangan'izany.
merci soanja:-*:-*:-*:-*:-*
15. fijo
(
22/09/2007 04:25)
melsy soanja an,,midira pikambana ato amiko ndry fa tena tsara.
ika,tsy poritra letsy fa maika hiasa be hanitatra le vaovao an.
niryna ny didy vaovao efa misy ka.
ohatra ,aza miady fa mifankatiava ihany.
aza sakanana izay tia anao.
tiavo amin'ny fo sy ny vatanao rehetra ny mpitarika anao.
mifalia ety an tany,de hiadana enao any hoany.
az avela irery izay hory eo anilanao.
maro ny didy ry niryna an

17. rabilabila
(
22/09/2007 12:39)
Ny soratra masina ao amin'ny Joba 15:20-25 manambara fa ireo izay ratsy fanahy manohatra an'Atra dia hijaly,aheno feo mampatahotra,mamely azy ny mpandroba,tsy manana fanantenana,miandry sabatra,mirenireny,be fahorina ary manana fahaporitana.
Miala any indray ny spesialisten'ny sabatra an!!
Inona moa izany no atao hoe "ratsy fanahy" ? Izay manohitra an'andriamanitra sa izay mitandro ny fiaraha-miaina amin'ny mpiara-belona aminy ?na koa ireo miasa ,mikaroka lalandava ny hanasoa ny mpiara-belona aminy ?
Satria mantsy azo atao ny tsy manohitra an'atra (mino azy ) kanefa rehefa avy nisotro toaka (ohatra) dia nikiry nitondra fiara ihany ,nanao akisdà nandràtra ahy (ohatra) ? Sa ho an'io olona io (ilay nandràtra),satria "tsara fanahy" izy , dia hoe "mibebaha ary aza manota intsony !!!:-D" fa ho ahy " ratsy fanahy " (ilay naratra),dia ho tratran'ilay hoe:"lioka19,27 :Fa ireo fahavaloko tsy nanaiky hanjakako ireo, dia ento aty, ka vonoy eto anatrehako " na koa hoe:"tsara ho an'zay ny dibôné ??=))=))
"Ho tsilovin'ny fahalalàna anie ny sain'ireo mitady tehina iankinana ,mba tsy ho latsaka lalina ao anatin'ny fahamaizinana ara-tsaina ,fa hahay hitsangan-drery ,hanana hazon-damosina ka ny fahasohavan'ny mpiara-monina no hivoy azy fa tsy ny fampitahorana ateraky ny tsy "ignorance"" rabilabila
Ny tena mahavariana ahy dia ity :
Mahereza hatrany mitory ny fitiavan'Andriamanitra fa izy ihany no hamoha ny fon'izay tsy mahalala fa tsy amin'ny alalan'ny fampitahorana akory no hitrangan'izany.
Kanefa raha ireo "verbes" etsy ambony fotsiny no vakiana dia tsy misy afatsy :lozanareo ...,feo mampitahotra .....,mijalijaly....,ho noana....,handroba...,mirenireny....,fahoriana....,fahaporitana.......
Ianareo ve dia tsy mba afaka hanao zavatra tsara sy mahasoa mihitsy raha tsy misy karoty ( fiainana mandrakizay ,fahatahorana ny helo na afobe ) ??? Manontany tena ihany aho indraindray.
18. soanja
(
23/09/2007 03:20)
rabilabila:

Tsy azon-DRabilabila zany ny teniko.
Aleo hazavaiko. I Soanja dia tsy i Niryna aloha an. Samy te hitory teny izahay anefa. ADIDY izany amin'ny mahaKristianina. Izy manana ny azy , zah manana ny ahy. Mino aho fa Andriamanitra iray no tiavinay sy tompoanay.
Ny ahy amin'ny alalan'ny fitiavan'Andriamanitra antsika sy ny fifandraisan'ny fiainan'olombelona samy olombelona no hijerevako ny fitiavany. Amin'ny alalan'ireo no ahitako fahagagana Mahery novolavolain'Andriamanitra ho antsika tsy irairay avy. Manana ny fotoanany ny zava-drehetra. Amiko misy ny fanahy matory ary misy fanahy mifoha. Tsy mahalala aho hoe iza no mifoha sy matory amintsika eto fa faniriana ny ahy mba hifoha isika mianakavy ahatsapa fa tia sy miasa lalandava eo amintsika izy. Sarobidy ny fitiavany satria fahasoavana ho antsika izany. Afaka mino izay hino, tsy maninona izay tsy hino fa amiko MIASA Andriamanitra.
Farany , tsy mifanaraka amiko ny fitoriana an'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fampitahorana. Koa anjaranao amin'izay mandinika izay nosoratako fa misaotra nanipika ny indro kely tamin'ny teniko mba ahafahako manazava bebe kokoa ny tiako ambara. :-*
19. ikaretsaka
(
23/09/2007 03:40)
soanja:
Farany , tsy mifanaraka amiko ny fitoriana an'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fampitahorana. Koa anjaranao amin'izay mandinika izay nosoratako fa misaotra nanipika ny indro kely tamin'ny teniko mba ahafahako manazava bebe kokoa ny tiako ambara.
namaste ^:^