purgatory

1. LazaDaddy ( 06/09/2007 07:50)
Nanokafako lohahevitra manokana fa lasa mivoaka ny adihevitra atsy ambadika atsy :)

Izaho aloha tsy mahazo ny tena dikan'io hoe "purgatory" io fa raha ny adihevitra mandeha ao dia manambara hoe:

"mbola omen'Andriamanitra 'chance' hibebaka hono ny olona rehefa maty".

A) Izay tokoa ve ny dikan'io?
B) Raha izany mantsy dia mba manana fanontaniana vitsivitsy aho ho an'izay mino ny "purgatory":

1) atao inona ny fiambenana araka ny nambaran'i Jesosy raha mbola manana 'chance' hibebahana any an-koatra?
2) naninona ilay mpanakarena ao @ tantaran'i Lazarosy tsy nahazo 'chance' na dia nitaraina mafy dia mafy aza?
répondu par naughtyboy le 14/09/2007 10:54
2. hery ( 06/09/2007 08:44)
Aiza no misy an'izany resaka izany ry Laza?

(Atao Laza fotsiny sisa fa tsy afaka miantso olona ety an-tany hoe Daddy intsony araka ny Baiboly)
3. LazaDaddy ( 06/09/2007 11:10)
05-09-2007 16:42:37
http://serasera.org/forum/?rub=dinika/message&msgid=m46dba7c46b214#m46dfbf6172161
4. LazaDaddy ( 06/09/2007 11:37)
Asa na manambara ny zava-misy tokoa ny wikipedia na ahoana fa hafa kely ity "citation" hitako tao ity:

"As soon as the coin in the coffer rings, the soul from purgatory springs"

Am-bava homana am-po mieritreritra.
5. bozyboleta ( 06/09/2007 12:03)
"mbola omen'Andriamanitra 'chance' hibebaka hono ny olona rehefa maty".


Angano angano, arira arira...
Olona efa maty ve afaka hibebaka :?:
Ka raha zany tsy hisy ho any @ afo-be mitsy reo maty fa refa hita fa mahamay ve eo am-baravarana tsy hibebaka daholo.
Asa aloha e!
6. LazaDaddy ( 06/09/2007 12:08)
izaho mantsy mba sanganehana sy gaga ry Bozyboleta a! :)
7. hery ( 06/09/2007 12:28)
LazaD.:

Asa na manambara ny zava-misy tokoa ny wikipedia na ahoana fa hafa kely ity "citation" hitako tao ity:


Ataonareo tahaka ny fitsipona baiboly koa ny fitsiponana wikipedia izany an. Tsy jerena ny ao alohany sy ao aoriany, tsy jerena ny contexte sns.
8. bozyboleta ( 06/09/2007 12:39)
Otran’le tantara lazain’I niryna ary ambadika ary, toa mbola tsy maty akory aza le zalahy defa mahita hoe mahamay de miantso vonjy. Iny angamba no mety manana chance satria mbola mety misy fotoana hibebahana.

Ny Tompo miala nenina foana hampibebaka ny olona.
Omeny fotoana bedebe hibebahana ny olona @ fahavelomany. Fa io le safidy ka refa tsy hanao dieny mbola afaka defa zay zany. Ary enao ihany no afa-manavotra ny tenanao, fa sal@ le ohatr'i niryna io, na ny RADn'le zalahy io - zay mpivavaka be - aza tsy mahavita n'inn n'inn hamonjena ny fanahin-janany satria efa izy tompony no madi-doha.
9. hery ( 06/09/2007 12:39)
Dia toa izany ihany koa... raisinareo boraingina ilay izy.

Nodinihiko fa tsy misy noteny hoe Chance hibebaka ao. Fa chance hahazo ny fanjakan'ny Lanitra.

Tsy misy maty afaka mibebaka... fa raha ny hoe homen'Andriamanitra ny lanitra sa tsia dia anjaran'Andriamanitra izany. Ny anjaran'ny olombelona, ary tsy maty antoka amin'izany izy, dia mivavaka fotsiny.

Mbola sur aho fa tsy maintsy hosoratako ihany ity any aoriana any fa tahaka an'ireo mpaminany izay sendra ny mafy sofina koa aho tsinona :-)

Raha tsy mivavaka ho an'ny fanahin'ny maty ianao dia avelao ho faty any fotsiny ny havanao. Ny havanay aleo atolotray an'Andriamanitra ny fanahiny. Ny hoe horaisiny sa tsia dia anjarany izany.
10. LazaDaddy ( 06/09/2007 12:45)
hery> izao ny voasoratra ao fa izaho angamba no tsy mahay copy & paste? :)

fa nomeny chance foana isika (SATRIA TIANY) hahatsiarovantsika tena, ary nomeny fotoana ahitantsika ireo fahadisoana ireo, fa tsy hoe diso indraipa de veloooooooma!
hatrany @ fiainana any ankoatra aza mbola omeny chance hijerevana an'io.
(io mo atsy inoanareo ka atao ahoana)
ka inona ary ilay fahatsiarovan-tena hijerevana ny fahadisoana? :)

11. cutie ( 06/09/2007 12:49)
hatrany @ fiainana any ankoatra aza mbola omeny chance hijerevana an'io.

mbola omena fitsarana faharoa njay zany raha azoko tsara , de refa vita iny de tsy misy tsony :roll:
12. kalina80 ( 06/09/2007 12:59)
Atra anie ry reto fitiavana e , tsy misy foiny ho very isika na dia iray aza .Nis mpanompon'Atra niresaka tamiko anio lohahevitra io.Adinoko moa ny toko sy andininy fa aorian'ny hahatongavan'ny JESOSY Kristy haka antsika izay fofombadiny izany hoe aorian'ny hahtongavany eny @ rahon'ny lanitra dia mbola hisy épok iray izay anomezana chance ihany koa ireo izay mbola tsy nandray Azy(ireo izay mbola velona na ireo izay efa maty ka tsy nandray Azy).Tsy mitovy anizao épok iainantsika izao anefa izy io fa mbola ho sarotra lavitra ( fiainana ho feno faharatsiana) fa izay tena hahay ifikitra aminy no hovonjena.
Ny tiako ampitaina fotsiny dia tsara izao épok iainantsika izao tena tsara anompoana an'Atra.Mbola azo atao hoe libre iany isika na dia misy aza ireo contrainte isankarazany.Aleo manararaotra.

bdb ny zvt nolaizainio mpanompon'Atra io ahy fa na izaho aza dia mbola te handalina azyy io betsaka mba hahaizako mampita azy tsara ho an'ny hafa.
13. LazaDaddy ( 06/09/2007 13:28)
kalina80> raha miresaka ny fiverenan'i Jesosy aloha ianao dia zavatra hafa izany. Iny aza mbola betsaka koa ny voafitaka @ fampianaran'i Tim Lahaye momba ny (secret rapture) na "pre-millenial" na ihany koa "rapture before tribulation". Diso hoy aho satria ny vavak'i Jesosy ho antsika @ andro farany dia manohitra an'io ankitsirano.

Fa iverenako ilay adihevitra eto. Ekeko fa hoy Andriamanitra hoe "hamindra fo @ izay tiako hamindrako fo aho". Tsy midika anefa izany hoe manana "chance" ibebahana isika rehefa any an-koatra fa na i Kristy aza nanamafy sy nampitandrina fa toy ny tselatra ny fiaviany ka tokony hiambina ny olony.
14. ikaretsaka ( 06/09/2007 13:35)
Dika goaka indray e, film efa nandeha!
Efa resaka lavabe teto io: saingy tsy hitako ny nisy azy
Fa marina io tenin'i hery io :
Ataonareo tahaka ny fitsipona baiboly koa ny fitsiponana wikipedia izany an. Tsy jerena ny ao alohany sy ao aoriany, tsy jerena ny contexte sns.

Fa izany eo ihany fa valiako @ alalan'ny fanontaniana fandinihana ary:

1-mino ve i laza fa mbola ho avy i Jesoa hitsara ny velona sy ny maty?
2-Mino ve i laza fa isaky ny rehefa misy olona maty dia izay ny farandro?

dia miverina any @ Cutie:
mbola omena fitsarana faharoa njay zany raha azoko tsara , de refa vita iny de tsy misy tsony

iray ihany ny fitsarana ka... fa tsy rehefa maty isika fa rehefa tonga ny fara andro Tsy izay ny finoantsika izay mino ny hiverenan'ny Tompo?

3-Mino isika fa ny olona =vatana sy fanahy... dia maty ny vatana dia ilay fanahy mankaia mandra pahatongan'ny fara andro?
15. hery ( 06/09/2007 13:36)
:-)

Mahafaly ny mahita anareo te hahafantatra mafy ny foto-pinoana Katolika. Efa fambara sahady izany fa misy zavatra mahaliana anareo ao. Ho ahy mantsy, ohatra, dia tsy dia miraharaha an\'izany resaka Ramadan, Jihad, Nirvana sns izany... satria tsy manana fironana ho amin\'ireny mihitsy aho. Toa izany koa, tsy gaga mihitsy aho hoe maninona ny pasitera no manambady, maninona ny protestanta no toa izao sy toa izao... satria ampy ahy ny finoako. Koa fambara tsara sahady raha liana mafy amin\'ireo doctrines katolika ianareo :-)

Miverimberina teto mantsy ireo hevi-dehibe katolika maromaro koa vao mainka mahafaly anay ny mizara izany amintsika.

Ny momba ny resaka afo fandiovana, izay efa nazavaina teto hatramin\'izay ihany, dia azonareo halalinina bebe kokoa ao amin\'ny http://www.newadvent.org/cathen/12575a.htm

Misy na ny resaka baiboly ao na ny resaka tsy baiboly :-)

Raha mbola misy mahaliana anareo bebe kokoa ny finoana katolika (tsy fahotana ny miezaka mahalala be be kokoa ny loharano nipoirana) dia lazao ihany.
16. LazaDaddy ( 06/09/2007 13:43)
Hery> misaotra t@ ilay rohy.

Vao novakiako ilay fehezan-teny voalohany dia misy hoe: "temporal punishment for those who, departing this life in God's grace, are, not entirely free from venial faults, or have not fully paid the satisfaction due to their transgressions."

Dia najanoko sahady ilay vakiteny satria toa mifanohitra @ votoatin'ny Vaovao mahafaly ilay izy. Aiza koa no misy an'izany olon'afaka tapatapany izany? Nefa hoy i Jesosy hoe "efa vita!"

"If the Son sets you free, you shall be free indeed"
17. ikaretsaka ( 06/09/2007 13:48)
dia 1Kor 3, ampovoamboany ary (ho an'izay mitsimpona...) misy hoe"

Koa raha misy mandrafitra trano volamena, na volafotsy, na vatosoa, na hazo, na bozaka na mololo, eo ambonin'io fanorenana io, dia haseho avokoa ny asan'ny olona tsirairay avy; 13 ary ny andron'ny Tompo no hampiseho azy; satria andro hanetriketrika amin'ny afo izany, ka ny afo no hizaha toetra ny asan'ny olona tsirairay isam-batana: 14 maharitra moa ny asa narafiny teo amboniny, dia handray valisoa izy; 15 may kosa ny asany, dia ho faty antoka izy, nefa hovonjena ihany ny tenany, saingy toy ny avy ao amin'ny afo.
18. LazaDaddy ( 06/09/2007 13:58)
hahaha! misy mpitsimpona tokoa eto fa ny resaka fiainana any an-koatra lasa mivadika ho fizarazaran'ny fiangonana (1Kor 3)

Hery> @ io fehezanteny voalohany io koa mbola misy manohitra ny votoatin'ny Vaovao Mahafaly ilay hoe: or have not fully paid the satisfaction due to their transgressions.

Dia inona izany ny herin'ny Hazo fijalian'i Kristy? Fanafahana tapatapany ve sanatria?
19. ikaretsaka ( 06/09/2007 14:18)
ianao ihany no mitsimpona eo dia itsiponako ianao dia mihomehy sisa ve? duh!
fa jereo ara contexte ny zavatra nitranga ao dia hitanao (fa aza raisina an-tendrony fotsiny)

ka io tsy finoana ny fiainana any an-koatra io ve no mampizarazara antsika izao:wink:?
za an'ny katolika ianao an'izay krtistianintianim-poana any @ izay denomination misy anao any(izay mahamenatra anao na ny milaza azy aza) ?:wink:.

Tsy mijanona eo @ hazo fijaliana ihany ny famonjena ry laza a (efa resaka teto koa io) ... Betsaka no tsy nino ary na iza na iza dia afaka nofantsihina teo nilaza tena ho kristy de...

Fa mbola nitohy t@ ilay izy nitsangana, any mbola mitohy, nanomboka teo ny fanehoany ny voninahitra...
Tsy teo@ Zoma Masina dia vita ny film... fa mbola nisy ny paka, ny fanirahana an'ny apostoly, ary ny ascencion, ka hatr@ izao!
20. cutie ( 06/09/2007 14:38)
2-Mino ve i laza fa isaky ny rehefa misy olona maty dia izay ny farandro

aleo valiako
za mino :)
iray ihany ny fitsarana ka... fa tsy rehefa maty isika fa rehefa tonga ny fara andro Tsy izay ny finoantsika izay mino ny hiverenan'ny Tompo?

zay zany koa
mazava iny :)
Mino isika fa ny olona =vatana sy fanahy... dia maty ny vatana dia ilay fanahy mankaia mandra pahatongan'ny fara andro?

io no tsy haiko
mankaiza ny fanahy ???
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3871