Hazavao azafady

1. LazaDaddy ( 06/09/2007 01:05)
Inona ny hevitr'ito tenin'i Jesosy ito momba ny fanetre-tena sy tsy fitiavam-boninahitra?

"Ary aza milaza olona etỳ an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra" Matio 23:9
répondu par mbaliana le 14/09/2007 07:53
2. cutie ( 06/09/2007 01:28)
Ny Ray zay any an-danitra ihany zany no azo iankinana fa ny Ray eto an-tany , mpanelanelana fotsiny :)
3. LazaDaddy ( 06/09/2007 01:31)
cutie> Ny Tenin'Andriamanitra anefa milaza fa iray ihany ny mpanelanelana antsika Aminy dia i Kristy Jesosy.

Fa tsy resaka mpanelanelana noadihevitra arosoko eto fa resaka "ray".

Hoy i Jesosy: "Ary aza milaza olona etỳ an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra" Hazavao :)
4. cutie ( 06/09/2007 01:33)
Mpandefa : LazaDaddy [ Valio ] 06-09-2007 03:31:50
Lohateny : Re : Hazavao azafady
cutie> Ny Tenin'Andriamanitra anefa milaza fa iray ihany ny mpanelanelana antsika Aminy dia i Kristy Jesosy.

Ka i JK efa Ray koa in njay :-D
5. LazaDaddy ( 06/09/2007 01:35)
Toy ny lasa raiki-tapisaka ao amintsika mantsy ny fiantsoana olombelona mitovy amintsika hoe: "ray ara-panahy, ray aman-dreny ara-panahy, ray masina, sns...". Ka izay no nahasarika ahy te handalina ilay tenin'i Jesosy hoe: "aza milaza olona ety; an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra"
6. ikaretsaka ( 06/09/2007 01:44)
de tsy azo antsoina hoe dada intsony ve dadanareo?:roll:, ny ray tian'i jesoa holazaina eto dia Andriamanitra, izay be ny manadangaro azy @ hoe Ray=dada!

et patrem nolite vocare vobis super terram unus enim est Pater vester qui in caelis est

raha mijery ny fandehan'ny tantara, dia ireo mieboebo te hataon'ny olona mahay rehetra no ataon'i Jesoa referansa eto, ireo mpanao ny asany mba ho hitan'ny namany hoe nanao ny asa izy...
Atomboy hatrany @ voalohany anoe ny 23 e.. dia jereo ny 5
7. LazaDaddy ( 06/09/2007 02:03)
ikaretsaka> raha itodihina ny resak'i Jesosy dia mikasika ny "hierarchie" ao amin'ny fianakaviamben'ny mpino, ao am-piangonana (Synagoga). Ao Izy no manambara hoe "aza milaza olona ety; an-tany ho rainareo" kanefa indrisy fa isika ankehitriny mifikitra amin'io "ray ara-panahy" sandoka io.
8. ikaretsaka ( 06/09/2007 02:17)
1) ny sens ny hoe Ray am-panahy aloha dia tsy azonao! vao eo an!
Aza mionona @ io tsimpona 1 io fotsiny: fa jereo koa ny zavatra nolazainy t@ apostoly, piera indrindra indrindra... sy ny fahefana nomeny azy!
jereo akaiky koa ny filahatry ny hierarchie t@ androny: izy dia nisy an-dry piera sy ny mpianatra malala no matetika voalaza, avy eo dia i Piera sy paoly... sy ny fiatombohan'ny kristianina voalohany, nandefa foana ny tatitra ary mahavita mandeh alavotra aza i paoly manao ny tatitra any, ary obedient sy nanaja izay i paoly na tsy nitovy hevitra aza izy 2 lahy!
dia jereo ny fijanonana sy ny fijoroan'io 2000 taona taty afara.

"tsy fahafahana mivoana any anivon-dfanitra any, fa santarina eto an-tany"
9. LazaDaddy ( 06/09/2007 02:37)
LazaDaddy:
ikaretsaka> raha itodihina ny resak'i Jesosy dia mikasika ny "hierarchie" ao amin'ny fianakaviamben'ny mpino, ao am-piangonana (Synagoga). Ao Izy no manambara hoe "aza milaza olona ety; an-tany ho rainareo" kanefa indrisy fa isika ankehitriny mifikitra amin'io "ray ara-panahy" sandoka io.
Eo @ fiantsoana olona ho "ray" noho ny hierarchie ao am-piangonana ny resaka eto.


10. LazaDaddy ( 06/09/2007 02:39)
Izaho manokana dia mahita fa mitombina tanteraka ny tenin'i Jesoa satria zary mamoa fady daholo ireo olombelona antsoin'ny olombelona tahaka azy ho "ray ara-panahy". Ohatra akaiky antsika ny FFKM.
11. ikaretsaka ( 06/09/2007 02:59)
nanaovako devoir manokana i Laza:
laza moa tia tsimpona izay ka dia alefako ary ny fanazavana miaraka @ tsimpona:
Ankoatran'ny Parabole dia mampiasa Hyperbole koa i Jesoa, iznay hoe (exageration mba hahatonga saina ny olona amina point anankiray tiany ho antitranterina)
Ohatra le hoe"raha mahatonga anao manota ny ... dia esory(matio5:29, Marka9:46_
Raha izany manko .. feno olona bory tongotra sy po-maso aby eraky ny lalana! (ianao anisany)
fa ny tiany atao dia hoe fehezo (1Joany2:16)

Raha mijery ny ohatry ny apostoly isika : i paoly dia nanao an Timoty sy i Titosy ho zanany (Filipianina2:22) (1Tim 1:18 ) (2Tim 2:1) (Tito(sy)1:4)
-->Raha ireo ohatra ireo Ray am-panahin'ireo izy sa ahoana?

ary niteny mihitsy i Paoly hoe "Ray ara-panahinareo @ alalan'ny evanjely izy la ka (1kor4:14-15)
i Piera, i Joany koa ...( tsimponiko @ manaraka)
dia rehefa manazava azy amin'ny ara-panahy dia antsoin'ny kristianina, na miantso ny kristianina hoe "ry rahalahy sy anabavy ary zanako ao@ Tompo"
Donc,Dia amin'ny maha kristianina apostolika dia ny fampianaran'i Kristy araka ny azo t@ apostoly no mitohy!
ok?
12. cutie ( 06/09/2007 03:03)
Mpandefa : LazaDaddy [ Valio ] 06-09-2007 03:35:58
Lohateny : Re : Hazavao azafady
Toy ny lasa raiki-tapisaka ao amintsika mantsy ny fiantsoana olombelona mitovy amintsika hoe: "ray ara-panahy, ray aman-dreny ara-panahy, ray masina, sns...". Ka izay no nahasarika ahy te handalina ilay tenin'i Jesosy hoe: "aza milaza olona ety; an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra"

tokony reo lazaina fa ray am-panahy reo no manetry tena fa tsy ny ety ivelany no lazaina fa manam-boninahitra an'reo ho mitovy ny Ray .
oups:oops:
13. ikaretsaka ( 06/09/2007 03:05)
sa faute tsy azo inoana ireo apostoly ireo satria nanao ny tenany ho ray am-panahy sy niantso ny kristianina ho zanaka am-panahy?

Raha izay dia d'accord amin'i laza aho...
"dinidinio sy fakafakao hoa fa aza miteniteny foana"
14. cutie ( 06/09/2007 03:07)
hay ka misy resaka apostoly njay izy ty :lol:
15. ikaretsaka ( 06/09/2007 03:10)
ie.. ka ireo apostoly izany no faute voalohany (nandika ny hafatr'i jesoa) satria ireny nanao hoe ry zanako, rehefa manao pistily, nefa ireny no nanoratra ny baiboly
de ahoana?
16. LazaDaddy ( 06/09/2007 03:11)
:) Fampianaran'i Jesosy marina ve no arahina? Hoy Izy hoe: "aza milaza olona ety; an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra"
17. ikaretsaka ( 06/09/2007 03:11)
euh.. ny testamenta vaovao manko e.. diso aho!
18. cutie ( 06/09/2007 03:12)
resaka mifangaro ny anareo raha zany :lol:
19. ikaretsaka ( 06/09/2007 03:16)
ka iza no mpianatr'i jesoa voalohany ry laza? hmmm
dia ariana daholo izany ny bokin'ny apostoly rehetra?
dia iza no nanoratra an'io nampita io teny notsimponinao io ho anao anefa? tsy i Matio? Inona i Matio?
Apostoly tompoko!
donc.. raha io lazainao io! ko inona fa dia ario aby! aza mila baiboly tsony fa contradictoires be

Ary maneke hoa rehefa diso fa manetry tena no voizina nefa....
20. piste ( 06/09/2007 03:18)
Mahagaga ahy ihany ny fametraky LD fanontaniana. @ voalohany ianao milaza hoe tsy azoko ny tian`i Jesoa ho lazaina. Avy eo ianao dia sahy manizingizina sahady fa mahafantatra ny tian`i Jesoa tenenina.
Maninona rah atonga dia tsorina fa manameloka ny fiantsoan`ny Katolika ny Ray am-panahy sy sy Papa Ray Masina ianao.

Tsy te- hametraka polemique aho fa an`i Katolika io ka aza tsabahana. Aleo azy sy Andrimanitra ny tohiny rehefa avy eo. Raha tsy nety io appelation dia efa noravana hatr@ izay ny Fiangonana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3649