Hazavao azafady

21. LazaDaddy ( 06/09/2007 03:20)
Vakio tsara aloha ilay tenin'i Jesosy: "aza milaza olona ety an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra".

ikaretsaka ve mahita olona ao @ Baiboly miantso ny Apostoly hoe "ray" na hoe "ray masina"? Niantso an'i Paoly hoe ray na ray masina ve i Timoty ohatra? :)
22. cutie ( 06/09/2007 03:20)
Maninona rah atonga dia tsorina fa manameloka ny fiantsoan`ny Katolika ny Ray am-panahy sy sy Papa Ray Masina ianao.

za vo saika hanontany we iza njay aza no asian'i LD io :-D
23. ikaretsaka ( 06/09/2007 03:22)
izay Voalazan'i piste izay koa antony 1...
(NB: hanao "vavaka miverimberina..hanenjika isa tsy voafaritra" ve i laza izao hamerina io andalana io eto foana?:wink:)
24. LazaDaddy ( 06/09/2007 03:23)
piste> Hoy aho hoe "Ohatra akaiky antsika ny FFKM". Asa aminao na FFKM = Katolika na inona, sa izay no tanjona? :)
25. cutie ( 06/09/2007 03:25)
Mpandefa : LazaDaddy [ Valio ] 06-09-2007 03:05:14
Lohateny : Hazavao azafady
Inona ny hevitr'ito tenin'i Jesosy ito momba ny fanetre-tena sy tsy fitiavam-boninahitra?

"Ary aza milaza olona etỳ an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra" Matio 23:9

de in @ zay moa ny dikan'io fa zahay efa tsy nahazo points :-D
26. Jeankely ( 06/09/2007 03:25)
Ny tenanao jerena aloha Ra-LazaDaddy raha resaka fanetren-tena sy ny fitiavamboninahitra. Soratra nadika ny baiboly ary tsy nisy Jesosy niteny RAY izany sa lazao koa fa BABA no nolazainy.
Ny resaka FFKM kosa dia rehefa tompon'andraikitra hafa ny fomba fijery sy fanampahankevitra ary rehefa mpanaradia dia hafa ny fomba fijery. Zavatra maro no sahanina ary harovan'ny FFKM mba ahafahany miasa noho izany tsy mitovy fijery aminao izy.
Manetritena ve hainao raha ny FFKM izay ambony indrindra no kapahinao sy lazainao tsy izy. Fa ianao izany ve no tokony dadany sa ahoana?
Ny fiangonana rehetra eran-tany indrindra amin'ny tany tsy Christian dia tsy maintsy manaraka ny fomba fiasan'ny fanjakana fa tsy miseho ho mpanaradia an'i Jesosy fotsiny ka ho tapaka eo ny fahafahany manohy sy manaparitaka ny tenin'Andriamanitra.
Fijery ny zava-misy ny ahy fa izaho tsy Christian mahafatrapo ary tsy nianatra sy miseho mahay ny Baiboly.
Tokony hazavanao koa azafady raha manana laharana avo sahala ireo ao amin'ny FFKM ireo ianao?
27. ikaretsaka ( 06/09/2007 03:28)
karetsaka ve mahita olona ao @ Baiboly miantso ny Apostoly hoe "ray" na hoe "ray masina"? Niantso an'i Paoly hoe ray na ray masina ve i Timoty ohatra

Voalohany dia tsy nisy "pistilin'i Timoty ho an'i Paoly".. hanaporofoina izany.. (na misy any fa tsy ekenareo indray satria tsy ao anaty baiboly:wink:)
fa matoa kosa nisy ny nanao "ry zanako ara-panahy" dia misy koa ny" Ry ray am-panahy e"
fa izao aloha mba valio e....
dia tena Faute bbbeee mihitsy izany i Paoly nanao an'io?
28. ikaretsaka ( 06/09/2007 03:30)
kristianitianim-poana :-D
29. LazaDaddy ( 06/09/2007 03:31)
Jeankely:
raha ny FFKM izay ambony indrindra no kapahinao sy lazainao tsy izy.
amiko tsy ambony mihitsy ny FFKM fa ao aza no tena ahitana ny fanao mamoa fady maro. Andriamanitra irery ihany no ambony indrindra ka :)
Jeankely:
Ny fiangonana rehetra eran-tany indrindra amin'ny tany tsy Christian dia tsy maintsy manaraka ny fomba fiasan'ny fanjakana
Raha nanaraka ny fomba fisainan'ny fanjakana ny mpanaradia an'i Jesosy dia tsy nogadraina sy novonoin'ny fanjakana toy ny namonoany an'i Jesosy.
30. ikaretsaka ( 06/09/2007 03:33)
"tsy fahafahana mivoana any anivon-danitra any fa santarina eto an-tany"
31. ikaretsaka ( 06/09/2007 03:35)
sady raha anontaniana i Jesoa, mino marimarina aho fa tohin'ilay resaka farisianina teo io fa hyperbolevany e
32. piste ( 06/09/2007 03:43)
Tsy tokony nataonao hoe: Hazavao azafady ny lohan-teny napetrakao fa tokony tonga dia fanamelohana avy hatrany.

Ary maninona no tsy tokony melohinao koa izay miantso ny dadany hoe Ray ?
Sa tsy izay no tianao interpretiavana azy. Mba mahagaga ihany.
Diniho tsara indray mandeha ilay teny ry LD fa tsy ao mihitsy izy izany.
33. LazaDaddy ( 06/09/2007 03:51)
cutie:
de in @ zay moa ny dikan'io fa zahay efa tsy nahazo points
Izaho aloha tsy afaka mitompo teny fantatra @ dikan'io lalina na dia tsotra be aza ny nitenenan'i Jesosy azy.

Ny fahazahoako an'io dia hoe, zanak'Andriamanitra isika ka aoka Izy irery no antsoina ho Ray fa tsy ampirafesina amin'ny "ray ara-panahy" isan-karazany.

Ohatra:
1) i Piera dia "nahazo points" t@ i Jesosy araka ny teninao, kanefa fotoana fohy taorian'izay izy dia nantsoin'i Jesosy hoe "Satana" ihany koa. Tsy "stable" ary nanda an'i Jesosy in-telo sns...na dia tafarina ihany aza.

Koa raha miantso an'i Piera ho ray ara-panahy isika ohatra izany dia indrandray isika miantso antsika ho zanak'i Satana (ara-panahy) ihany koa. I Jesosy anefa nanolotra ny ainy mba ho zanak'Andriamanitra isika.

2) Raha ny FFKM no antsointsika ho ray (ara-panahy) dia midika izany fa miantso antsika ho zanaky ny fijangajangana koa isika isaky ny mijangajanga izy ireo.

Ahoana ny hevitry ny hafa?
34. LazaDaddy ( 06/09/2007 03:53)
piste> dada? Io efa nambarako ery ambony io fa resaka "hierarchie" ao @ fianakavianmen'ny finoana no resahin'i Jesoa ao (ray ara-panahy). Itodiho anie ilay tantara e :)
35. Jeankely ( 06/09/2007 03:53)
I LazaDaddy dia anisany izay lazaina hoe mila mandinitena alohan'ny andraisana ondana hatoriana fa tsy be resaka. Fiangonana, FFKM, Baiboly, any andanitra samy tokony dinihana fa tokony ho hainao ny miaina eto antany.
36. ikaretsaka ( 06/09/2007 05:09)

Aoka ho tsarovan\'i LazaDaddy fa t@ alalan\'i Piera no porofo voalohany nanehoan\'i jesoa fa tian\'Andriamanitra foana isika olombelona na inona na inona fahalementsika ary vonona foana Andriamanitra hamindra fo an\'izay olona Mahatsapa ny tenany sy mandinin-tena sy manontany ny momba azy...fa tsy ny minomino foana
-i Piera dia nahazo points.... samy azony ny hoe sambatra ianao ry piera (matio 18) REHEFA NANDINIKA IZY! ary azony kao ny hoe miala tany satana rehefa le miteniteny foana izy, na tsy nahazo valiny koa(jesoa niova tarehy ohatra) fa na izany na tsy izany dia nahatsapa izy hoe hmmm tsy mety izany matoa kao sahany nolazaina ampahibemaso izany..

-Dia nahatsapa ny tenany fa diso izy dia nanenina fatratra dia nahazo indrafo,

- tsy natahotra ny nanontany sy ni douter ny finoany foana koa i piera , santionany ny\"Raha tena ianao io ry tompo dia avelao ko aho handeha eny ambony rano koa) maty aho Tompo o? iza aby no voavonjy, iza izany hamadika anao izany? fa maninona no sasanao ny tongotro\"

-ireo toetran\'i piera ireo: indrindra ilay fandinihiny tena,izy franc sy honnette (Ianao no mahalala ny zavatra rehetra ka fantatrao fa tiako ianao) no naha tanan-kavanan\'i Jesoa azy, sy nahatonga azy ho voateny matetika ao @ baiboly sy nomena alalana hifehy (fahano ny ondriko, )..ary IZY IRERY no nomen\'i Jesoa sy nivavahany sy nomeny lakile
\" Homeko anao ny fanalahidin\'ny fanjakan\'ny lanitra, ka izay rehetra hofehezinao etý an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra, ary izay rehetra hovahanao etý an-tany dia ho voavaha koa any an-danitra.\" (matio16,19)
sy nivavahan\'ny Tompo hoe haharitra mandrakizay ary na ny varavaran\'i satana aza ihomehezany fotsiny... fa tsy izay rehetra miantso hoe Tompoko Tompoko!

Inona @ zavatra lazaiko koa ny tsy azo (na niniana natao tsy ho azo)n\'i laza?
dia alefaso ny porofo sy ny fanazavana raha mifanohitra @ izany ny fiheveranao.
37. ikaretsaka ( 06/09/2007 05:13)
Euh.. laza a: sa ilay hoe i pasiteranareo sy ianao tsy nahazo izany fahefana izany no tsy matinao lolo?
38. LazaDaddy ( 06/09/2007 06:37)
ikaretsaka> toa avadin'ise resaka momba ahy indray fa angaha ise tsy mahita resaka hafa atokona momba ny adihevitra e? :) Sa i Jeankely no ataon'ise filamatra? :)
39. RyAnona ( 06/09/2007 06:44)
Soa ihany fa misy RAY iray izany ny olona rehetra satria: Maro ny olona tsy manan-dray fa ny rain'izy ireny mpitsoaka adidy, misy koa ny ray ratsy loha (mpimamo, mpamono, perverse, pedo,..... sy ny sisa sy ny sisa ka raha iray ihany izany ve ny ray tsy efa mpirahalahy sy mpirahavavy daholo na ianao sy ny pretra sy ny pasitora sy ny mpangataka eny @ arabbe sy ny karana, sinoa, japone, ........??????? Tohizo fa tsara ny adi-hevitrintsika e!
40. sonwin ( 06/09/2007 07:29)
LazaDaddy:

Inona ny hevitr'ito tenin'i Jesosy ito momba ny fanetre-tena sy tsy fitiavam-boninahitra?

"Ary aza milaza olona etỳ an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra" Matio 23:9



Ovay hoe LazaBaina ny ps-nao, izay no heviny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.276